Loharanon'andriana olombelona

41. fijo ( 30/01/2004 09:00)
ka aiza no ahalalany hoe andevo sakalava io,na andevo bezanozano?any majunga koa aza dia misy toerana maro hoe tsy azo alehan'ny merina.na tsy azo hitenenana teny merina.(entre marovoay sy ambato boeny)any antsohihy moa dia feno.
ka tsy mety hafaka ilay izy,na ny marina dia tsy tiana ho afaka.
42. pitchou ( 31/01/2004 18:42)
ny fotsy hoditra resahako eto dia ny race blanche ohatra ny frantsay izay nandresy an'ady ireo andrianantsika ireo, d raha ny izy izany d efa tsy andriana intsony izy! fa maninona no odiany fanina ny saranga nisy ny razany talohan'ny naha-andriana azy, d odiany fanina koa taorinan'ny naharesen'ny hafa azy?
ny toerana maha-andriana dia mitaky koa fitsinjovana sy famelomana ireo eo ambany adidiny! raha ny eto afovoan-tany aloha d tsy misy intsony izay! fa any @ faritra sasany dia tena mbola manana ny toerany mihitsy ny andriana na ampanjaka @ fandrindrana ny fiaraha-monina
43. fijo ( 03/02/2004 10:32)
ny ampanjaka dia manana ny toerany any,fa ny antsika indray dia ilay resaka andriana mihitsy no mbola te hibahana.
44. xxx ( 04/02/2004 12:40)
I Xisma hono mahalala avy hatrany hoe andriana ity olona ity na andevo raha vao tonga eny aminy eny, asa aloha koa
45. fijo ( 05/02/2004 20:55)
misoratra eny amin'ny andrina angamba ko.
46. xxx ( 05/02/2004 10:03)
Raha azoko tsara zany de tsy hoe ny mahngita volo sy ny mahamainty kokoa no maha-andriana,andevo sns na tsia.
Nefa @ zao de zay no critère hitenenana hoe manao toe-tsaina andevo ilay olona zany hoe vao mahita hoe mainty sy ngita volo le olona de classena hoe andevo iny.De raha arakiny tantara zany de diso satria nisy andria ngita volo sy mainty.
Zany fona mantsy matetika no haverin'ny andriana mizahozaho hoe:fotsy sy malama volo ry zareo sns...
47. fijo ( 06/02/2004 20:24)
marihana aloha ny andriana dia somary mainty,fa ny hova no fotsy.ka raha io no raisina dia diso be ry zareo miseoseo ireo.(tsy miteny aho hoe tsy misy fotsy mihintsy an).
48. pitchou ( 07/02/2004 09:54)
marina izany lazain'i fijo izany satria ny hova no nifangaro t@ vahiny ary betsaka metissage fa ny andriana dia somary mainty fihodirana! fa ilay réaction ange dia hoe: fotsy (rehefa milaza ny andriana na inona fihodirany na inona fihodirany) dia mainty rehefa miresaka ny andev (na fotsy izao aza ny fihodirany! ka izay no ilazako hoe ny olona misaho azy ho "fotsy" na "andriana" dia efa manaiky sahady ambany saranga noho ny fotsy noho izy!!!
49. hendry ( 09/02/2004 18:26)
mampalahelo ilay toe-tsaina e?
50. fijo ( 11/02/2004 11:44)
marina izany ry pitchou.satria ny azy dia ny loko no mitondra ny fahamboniana.ka vao mahita vazaha dia oui patron.
51. pitchou ( 11/02/2004 13:58)
d rehefa miaraka @ gasy toa azy izy d hoe"zahay andriana" o? tena mampalahelo marina!
52. fijo ( 12/02/2004 11:30)
tsy ambony tsy ambany hoatry ny lohalik alika
53. ibonia ( 14/02/2004 20:54)
Noho izany, araka ny fahitantsika tsirairay ny maha-Andriana, dia tsy avy amin'ny firazànana izay nodimbiasana anarana, fa kosa ny toe-panahy izay tsy nila naseho ety ivelany; dia ny manodidina ihany no hitsara ny olona mendrika andrianina. Eny fa na tsy taranaka Andriana aza ity voalaza ity.
54. ibonia ( 14/02/2004 10:59)
Tamin'ny fotoan'andro hono dia nifandrombaka mihitsy ny hanompo Andriana satria, na maro aza ny asa nampanaovina ny mpanompo tamin'izany, dia omby iray mihitsy kosa no nomena ho sakafon'ireo.
55. pitchou ( 16/02/2004 14:19)
tsy karama vary masaka izany fa karama omby maty? tsy mbola henoko indray izay!
56. fijo ( 17/02/2004 11:40)
ka ny fomba fiteny dia ilay hoe karama vary masaka,fa ny laoka tsy tenenina ka.
57. pitchou ( 17/02/2004 16:22)
mafy ihany rehefa tsy manana an! na ny laoka aza hodian'ny sasany fanina!
58. fijo ( 18/02/2004 09:59)
e mampalahelo e.fa ny manararaotra zy ireny no mbola vao miha ratsy noho ny fahantrany.
59. six ( 04/03/2004 19:12)
fa zao ve lou mbola misy mpanjaka ka misy andriana intsony e?
andriana amin'ny ahooooooooooona ary!
60. pitchou ( 06/03/2004 13:39)
misy dia misy tokoa! ny ao Tana no tsy misy fa ny any @ sisiny rehetra misy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3089