Loharanon'andriana olombelona

21. samoina ( 23/01/2004 16:32)
Andriana reraka no fiantso ireny mizahozaho ireny fa ny ambiny miaraka amin'ny sarambabem-bahoaka ihany.
Amin'ny faritany samihafa eto Gasikara dia ahitana karazan'andriana samy milaza ho tarana-mpanjaka. Hain'ny vahoaka @ toetra sy ny fahendren'ny tsirairay ihany anefa ny manavaka ny izy sy ny miseho ho izy
Nilaozan'ny tantara tokoa ny fiandrianana ry Ibonia saingy ny tantaran'ny Andriana kosa tsara tohizana hatrany fa harem-pirenena.
22. pitchou ( 24/01/2004 14:20)
ary masiaka be i kally @ resaka andriana an! raha mba io kosa ary no mba azony aseho ko tsy aleo ve izy mifikitra amin'io @ izay tsy manao dépression? fa rehefa tsy tanty ny miresaka aminy d anontanio mora fotsiny izy hoe inona no ezaka nataony izy tenany naha-andriana azy e! sao d mizesta @ nisasaran'ny razana fotsiny!
23. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:47)
Ny toetra no maha andriana ho'zy Andrianampoinimerina izay e
24. kally ( 25/01/2004 11:35)
Mbola averiko ihany Pitchou,tsy manakiana n'iza n'iza aho @ maha-taranak'andriana azy,anatin'ny tantara izany,tsy azo lavina,fa ny mizahozaho no halako.Ary io fizahozahoana io no resahin'ny lohahevitra eto.Mizahozaho izany re miseho matikambo sy manao tsinontsinona ny hafa e!betsaka mantsy ny hoe izahay ohatra lehilahy andriana ka tsy mangata-bady,na koa hoe ka tsy maintsy sasàna tongotra isan-kariva fa tsy manasa tena.Misy izany ary betsaka.
25. ikaretsaka ( 25/01/2004 14:08)
Dia manasa ny tongotr'andriana izany fa tsy ny apostoly!
26. pitchou ( 25/01/2004 18:18)
hay ve e! kally ko! otran'ny lehilahy ato zany? le mizesta we ny sipa izay tiany anaovana azy ihany?
27. xxx ( 25/01/2004 18:58)
za andrina bé ka akory é!
tsy afaka ny hiaraka hafa tsy aminay ihany é!
mazava!
28. kally ( 26/01/2004 09:41)
xxx koa ity toa andriana reraka tsy mahatonona anarana akory.
29. kally ( 26/01/2004 09:42)
xxx koa ity toa andriana reraka tsy mahatonona anarana akory.
30. samoina ( 26/01/2004 20:12)
Amiko aloha tsy mitombona loatra ilay hoe "tsy afaka ny hiaraka hafa tsy ..." Betsaka ny nidedaka nanao toy izany fa resin'ny fitiavana ihany rehefa sendra ny tiany. Ireo miziriziry @ heviny moa maro no tsy nahita olon-tia ka bonbongolo ho azy teny !
Tsarovy fa ry Rainilaiarivony ireny anie tsy andriana anefa vakio tsara ny tantara hoe iza avy ireo môlamôla sy niaraka taminy ? Dia isika efa taon-jato firy aty aoriana indray ve no hisaron-tava raha sendra tsy andriana no nahababo ny fon-tsika ?
31. xxx ( 26/01/2004 09:00)
tsy maninona na reraka aza fa ny maha andriana sy azo ariana é!
tena marina zany fa manana mpanasa tongotra zahay é!
hiihi!
32. fijo ( 28/01/2004 10:35)
tena andriana ianareo,ie manana mpanasa tongotra ianareo ie,fa tsy manana anarana ianareo ie.andrian drivotra izany ry namako o.ka andran'ny olona.
33. hendry ( 28/01/2004 13:57)
Misaotra an´ibonia aloha nametraka ilay lohahevitra satria dia efa saika hametraka lohahevitra momba an´io fady @ resaka fanambadiana io aho ary tsy ny resaka maha-andriana sy tsy andriana ihany fa @ resabolo-koditra sy volon-doha ihany satria dia zava-misy ao anaty fiarahamonina zany ary tsy azo hodian-tsy hita.Ny tantara misy fa ny fiainana koa nefa mivoatra.
Isika na hitabataba fahazato faharivo aza hoe efa tsy tokony hisy lanjany @ fiainana ankehitriny ntsony zany resaka firazanana zany dia fotsy rora miteny eo fotsiny fa tsy maintsy hisy foana io ary mbola hitohy.
Firy amintsika moa ireo miseho tsy sarotiny sy tsy manisy lanjany ny resaka firazanana rehefa miresaka comme ca fotsiny nefa rehefa mahakasika antsika manokana na ny fianakaviantsika na ny zanantsika dia voalohany ery isika manadihady ny firazanan´ilay olona? Midika zany fa toetra raiki-tapisaka amintsika tsirairay avy ny fitandrovana ny mahaizy azy ny firazanana sy ny hasin´ny maha-andriana na tsia ary sarotiny @ zany sika saingy minia mamboatra saina sy te hampiseho @ olona sika hoe tsy mpandala zany fomba fisainana zany.
34. hendry ( 28/01/2004 14:06)
Hanohizako ny voalaza etsy ambony dia ity: mampalahelo ankehitriny fa io resaka maha-andriana io dia tsy misy sahy manazava ankarihary hoe inona moa ny nahatonga ny olona iray antsoina hoe andriana hany ka ho an´ny olona sasany dia tsy mifototra @ ilay resaka tantara nipoiran´io ntsony ny hikilasiany ny olona iray hoe andriana na andevo fa zay mainty fihodirana sy ngita volo dia lazaina fa andevo daholo. Mampalahelo zany nefa noho tsy fahalalana hoy aho no mahatonga ny ankamaroan´ny olona hisaina toa izany.
Marina fa mety maro no hiteny hoe inona koa no handaniana andro hiresahana momba zany, amiko nefa dia ilaina zany mba hampahalalàna ny taranaka aty aoriana ny zava-misy marina.
35. hendry ( 28/01/2004 14:11)
Mbola misy ireo olona eny @ toerana manan-tantara maro toa an´Ambohidratrimo sy Ambohimanga no mijoro ny maha-andriana azy, mba afaka ny hanazava @ olona ve izy ireny hoe ahoana marina no maha-andriana ny olona iray na tsia ? avy aiza no nipoirany sy ny sisa, misy anie olona tsy mahalala akory na @ sokajin´ny andriana izy na tsia e. Raha ny zava-misy ohatra eny Ambohidratrimo dia tsy mahazo miditra ao @ ilay toerana hono ny "andevo", raha toa moa ka groupe-na mpianatra zany no mankany ka misy mpianatra tsy mba nanana occasion niresahana t@ ray aman-dreny ny firazanany ara tsy mahalala akory na inona izy na inona, dia inona ny hataon´ilay ankizy hiditra sa tsy hiandry any ivelam-bohitra? Sa ve ireny mpiandry ireny toerana ireny afaka mamantatra zany @ alalan´ny fijerena ivelany fotsiny?
36. pitchou ( 28/01/2004 17:47)
amiko ny tokony hahalalana ny firazanana d noho izao antony izao: misy ny "tare" congénital, ary rehefa tafiditra ao @ zanakao ireo gèhes ireo d tsy misy fanafany. ohatra ny sima ... ary satria misy izayfaniriako taranaka "tonga lafatra" d tsy maintsy manadihady izay mety ho tares rehetra ananan'ny fianakavian'ny ho vadiko aho! fa na fotsy izy na mainty na mavo na mena na mahia na bota na lava na fohy iny indray d safidiko malalaka! ankoatr'izay tsy important ho ahy satria tsy nisy na inona na inona nataony mba ha-andriana azy fe d mizesta @ tsy nisasarany e!
37. pitchou ( 28/01/2004 17:51)
ny nihavian'ny andriana d resaka rapport de force daholo! resaka ady!
d ho an'ireo zay mi-zesta @ maha-andriana ny razany d tsotra: ambanin'ny fotsy hoditra nareo satria nareo ko taranaky ny resy an'ady! ary angamba aza ny razanareo nisy naondrana natao andevo mihitsy! ary talohan'ny nihavian'ny razanareo teto, tadidio fa jiolahy izy! jiolahy tsy nanana ifaharana no nisetrasetra t@ mponina tena nisy teto talohany!
38. kally ( 29/01/2004 20:09)
Ambanin'ny fotsy hoditra ?Iza avy?Iza ny fotsy moa iza ny mainty?
39. fijo ( 29/01/2004 10:25)
ny andriana dia niseho taorian'ny ady,marina io.fa misy andriana mainty(rafohy sy rangita)hoatra dia ginta volo,nefa dia handriana.andrianampoinimerina sy radama ary ranavalona dia fotsy ary malama volo.ka sarotra ny hitsara fotsiny.ao koa ny hoe andriana sakalava.(marihana fa i radama dia tsy niteraka tamin'i ranavalona)fa nanana zanaka kosa tamin'i Rasalimo,izay tsy merina fa sakalava.ny zanak'i ranavalona dia tamin'i ndremihaza,izy hova fa tsy andriana.
ka ny mahagaga dia izao,tsy mahazo miditra ny andevo,ary ny sakalava sy ny betsimisaraka ve mahazo mihiditra.
tsetsatsetsa fotsiny.ny mpanjaka sakalava nalaza indrindra dia (andriandahifotsy)mbola ao amin'ny doany ao mahajanga ny taolany.izy io dia merina.
koa dia samia mamakafaka ary e.
40. hendry ( 29/01/2004 12:21)
Tsy azoko ny fanontanian´i Fijo hoe: " tsy mahazo miditra ny andevo, ny sakalava sy ny betsimisaraka ve mahazo miditra?"
Ka ilay izy anie tsy resaka fiaviana hoe betsimisaraka ny sakalava e, fa hoe andevo sa andriana.
Zay no mahadiso hevitra antsika koa matetika, mihevitra sika fa teto imerina ihany no nisy andriana, ankoatry ny voalazan´i Fijo hoe nisy andriana sakalava dia misy andriana avy ny tanana rehetra, na any Mahajanga, na any Fianarantsoa, na any Diego sy ny sisa. Ka tsy hoe ny fihaviana ( tany) no mikaoty fa ny firazanana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2339