Urbanisation

1. hery ( 12/01/2004 15:05)
Aiza ho aiza ny fanatsarana ny tananan'Antananarivo amin'izao fotoana izao? Hita eto amin'ny forum fa be dia be ny zavatra bloqués (hatramin'ny spaoro, kolotsaina, fampianarana sy ny sisa) vokatr'io. Nolazana teto fa ny projet d'urbanisation tamin'ny taona 1960 no mbola mihatra... Raha marina izany, tsy nisy teknisiana intsony ve nanavao an'izany. Toa misy études milaza ihany koa fa tsy azo avaozina intsony ny tananan'Antananarivo fa tokony akisaka kely ny tanana vaovao (ohatran'ny any amin'ny firenena hafa).
Miandry izahay e.
novalian'i fijo ny 27/01/2004 11:39
2. ikaretsaka ( 12/01/2004 15:37)
Tenkisianina mihitsy , fa ilay lalana mihitsy no tsy nampiharina intsony e dia vokany dia samy manao izay tiany sy hitany fa urbanization daholo izay manambola sy te hanangana satria miborosy mpiasam-panjakana
... raha ampiharina indray ny lalana ka maka fanapahankevitra mahery vaika ny fitondrana, hisy fiantraikany eo amin'ny olona ilay izy satria 40 taona mahery izany izy zatra baranahiny teo dia gidraina tampoka... fa amiko aloha dia ny fitondrana gidragidra ihany no mety amin-dramalagasy e!
Amiko indray dia azo havaozina TSARA Antananarivo, New York sy Paris aza Tanana lehibe ireny fa matetika misy trano arodany na zavatra ravany raha te hanavao ny tananany ry zareo .. ireny metro ireny ohatra... ny tanana ange no nisy talohan'ireny fa tsy hoe nolavahina aloha ny lavaka metro vao natsangana ny tanana e! raha te hampiasa io urbanisation io dia tsy olana mihitsy ny mandrava tanana raha KOSA garanti hoe tafaverina tsaratsara kokoa ilay noravana no mitsangana eo , sao manao ambatobevohoka ohatran'i Pullman eo ohatra ... Tato ho ato dia malaza ny fanamboarandalana tadidio fa tsy ny fanamboaran-dalana ihany akory no atao hoe urbanisation fa ny lalan-drano, ny tanana en general, avahana ny fonenana sy ny toeram- fivarotana, ny orinasa , fa na in 1000 aza ianao manamboatra lalana raha sady iny no lalana handehananay mody no handehanan'ny camion avy any @ usine no iny ny lalana alehanay rehefa hiantsena izahay na iny no lalana andehanan' ny rano maloto rehefa avy ny orana... mitovy ihany fa vola very maina fotsiny!
3. donemaskit ( 12/01/2004 18:23)
Zah mahita fa efa saturé Tanà : trop de monde, trop de voitures, trop de magasins, trop de saletés (beurk!) .... Be loatra koa ny trano mila arodana, hanaovana lalana na tramways na métro (c possible!)... na koa mba hanatsaràna tanàna fotsiny zao.
Ka ho alefa aiza ary ny olona? Tsara tokoa ary ilaina mihitsy ilay hevitra hoe hanamboatra tanàna vaovao et tt ce qui va avec : logements, routes, eau, électricité, travail (industries, services...), infrastrucutes sociales, ... Mba tsy handaniana vola be loatra d'un coup dia atao tsikelikely, mifindra au fur et à mesure ny olona sns.
4. ikaretsaka ( 13/01/2004 15:13)
azo atao ny mampihena ny saturation an'i Tana amin'ny fananganana Buildings.. fandrodanana ireo trano manakana ny lalan'ny rano maloto, fanamboarana ny egouts, ary fanitarana ny habean'ny lalana sy ny fanaovana lalana mifanao ambony ambany... Misy ny Vola hozy ny Filoha , tolo-kevitra azo ampiasaina azy io!
5. fijo ( 14/01/2004 12:58)
ilay hoe misy ny vola,toa resaka aloha io,fa tsy tena mbola hita ilay izy.ny tena sarotra amin'ny tany toa an tsika anie,dia ny famatsiana vola izay kasaina hatao e.raha misy mpamatsy vola vonona hanohana izay zavatra tiana hatao dia hafaka manova zavatra tsara isika.maro ny projet efa nadeha tany,fa dia any anaty armoire any daholo izany.
6. ikaretsaka ( 14/01/2004 15:13)
zay foana mihitsy e
7. ikaretsaka ( 14/01/2004 15:13)
zay foana mihitsy e
8. ikaretsaka ( 14/01/2004 15:14)
zay foana mihitsy e
9. 2689 ( 14/01/2004 20:29)
Misy foto-drafitr'asa maromaro sy goavana mandeha fa saingy mbola eo am-panombohana izy ireny sady mandany vola be nefa ny ilàna fanavaozana mbola maro! Eo ohatra ny tsenan' Anosibe, ny marée Masay, ilay lalana mampitohy ny périphérique (làlana vaovao io, ho anareo any am-pita tsy mbola nanara-baovao :). Misy koa ny fanatsaràna madinika toy ny Hotel de Ville taloha izay lasa zaridaina, sy ny sisa...
Ny fiara mpitatitra olona koa izao no ezahin' ny mpitondra hofehezina hanara-penitra, fanavaozana daholo izany. Izany Fanavaozana izany aloha tsy ho vita ato anatin' ny 10 taona raha ny fandinihako, dia mandefitra aloha ny sehatra maro (fanatanjahan-tena, kolotsaina, famipianarana), izany hoe samy voahelingelina eny ny iray tanàna e!
Ny hoe mikatso aloha, tsy dia hoe izay angamba fa ilay voahelingelina no tena marina.
10. kally ( 14/01/2004 16:43)
Aiaiay!Ikaretsaka,aza asiana building izany ny tanàna fa maharatsy endrika,bloc be tsy misy endriny hoe ahoana ,tsy aleonao mba ilay trano ivaiva misy endriny irany ihany na avo ihany fa mba asiana endrika tsara manintona ny maso,dia aza adino ny hazo sy ny zaridaina.
11. ikaretsaka ( 14/01/2004 19:15)
nga atao ilay Bloc be kosa... fa ilay bulding mba misy style....
12. ikaretsaka ( 14/01/2004 19:53)
marina daholo ny voalazan'i 2689! Ny tsapako fa lesoka kely (kely hoa fa tsy izy rehetra an) dia betsaka koa ny espace vary fotsiny ao tana:
Ohatra fotsiny ireto an

-Hotel de Ville ilay ho lasa Zaridaina Raha mba salle de spectacle mitovitovy @ CCAC no naorina tao na musee dia mety ho tsaratsara kokoa.. eo @ avenue efa zaridaina be .

-ny Gara Soarano, lasa trano anarany fotsiny ilay gara ary lasa miha delabree: rehefa tsy ho ampiasaina ihany dia afaka ovaina ho tsena (karazana Grande surface na ireny hoe centre commercial be ireny ohatra... auchan la defense ohatran'ny any @ ndry mazkita ohatra )

Antanimbarinandriana: Azo atao ange ny manambatra ny CEG sy ny EPP ary manangana Lycee, tsy maninona hatramin'ny Universite kely aza au lieu an'io zaridaina lasa fanitsian'ny olona io fotsiny e tany malalaka be io

-Anosy: Ilay zaridaina eo ampitan'ny radio sy ny fitsarana aryny ministere des TP iny (eo @ ilay iandrasan'ny Antandroy Faty rsy fanaovany fety alohan'ny handehanany mianatsimo handevina) mety afaka hanaovana
Sehatra maintso kely fanaovana hira gasy ohatra mbola voatana ny anarana Anosikely

-Esplanade: azo atao parking a etages mandoha vola: hoa afaka omena ny fanjakana sy miasa amin'ny fanjakana ireny bandy kely mpiandry daban'olona ireny toy izay manao kapo-tsisiny, mety handeha hisosa tsara koa ny traffic raha atao heo No parking zone any @ avenue sy ny manodidina azy iny... antaninarenina koa torak'izany ary fouriere sy mandoha lamandy izay tratra (Tahaka ny Ville rehetra ohatran'ny Singapour, NY, LA. Las Vegas...) tsy misy deal fa raha vao misy tickets mipetaka eo @ pare brise-nao dia na aloha iny na tsy mahazo visite sy carte grise sy assurance !

-Raha tsy ampy iny dia iny esplanade akaikin roxy iny mivoaka aty @ BMOI kao afaka hanaovana superposee... kely noho izay aza ny an'ny sasany mandeha. ny fahitako o an'io dia raha asiana 2 etages dia maha park fiara eo @ 120 eo ho eo malalaka tsara sty manaraka norme! malalaka ny parking iny antaninarenina iny!

-Raha hijery spectacle atsahamanitra dia aty mahamasina no mi park.. No exeptions

-Fadiana tanteraka ny mijanona amin'ny trottoir. raha malalaka angamba ny Trottoiir mety tsy handeha eny ampovoan'ny arabe ny olona raha mahita ilay fiara mirimorimo ko! resaka fanabeazana sy psychologik fotsiny ny fahitako an'io : raha tsisy fiara any @ trottoir sy sisindalana =malalaka ny trottoir-tsy mitohana ny fifamoivoizana=misosa tsara ny Daba=matahotra ny olona dia tsy mandeha any @ arave intsony

...Mbola hitohy.... meo vola aho aloha :-)
13. ikaretsaka ( 14/01/2004 19:58)
Raha mba izaho no miliardera..zao no ho ataoko e :)
14. donemaskit ( 15/01/2004 20:18)
Fa maninona moa no ho-concentrer-na ao Tanà ao daholo ny zava-drehetra e?

Efa misy pochards eo akaikin'i Soarano eo, etsy ampita etsy ny pavillons isany, dia mbola asiana centre commercial ihany ve? Raha tsy olona manamanana koa nge tsy handeha @zany e, ary raha ny fahitako ny kil mirenireny eny Analakely eny dia : mpivaro-boanjo, mpanao afera-na portables cd fosika... Tsy manana potentiel commercial mihitsy io toerana io.
tsy hitan'Ikaretsaka ngamba fa tery kely nge ny lalana miditra sy mivoakan'Analakely e...

Parking à étages payant eo @ esplanade? Tsara fa manaratsy endrika be... Ny any @ grandes villes ohatra'ny Londres na Lausanne zao dia any ivelan'ny centreville mihitsy no apetraka ny parking, izay miditra ao @ centre dia mandoa taxe, fiarovana @ pollution sy ho fanatsaràna ny tontolo iainana daholo zany... Ny fiara any amintsika rahateo reradreraka daholo ny ankabeazany.
15. donemaskit ( 15/01/2004 20:24)
Mbola tsy hitanareo ve fa any ivelan'ny tanandehibe matetika ny centres commerciales sy hypermarchés no apetraka e... Tsy adaladala akory ny Zoom, Cora sy Score nametraka ny azy teny Ankorondrano sy Digue.

Amiko tsy afaka ny hanao an'izany ao Analakely raha tsy efa namboarina tanteraka ny lalana mivoaka sy miditra eo : mankany Behoririka, iny tunnel kely mampimé iny, ...
16. ikaretsaka ( 15/01/2004 09:38)
Antony 2no hi concentrena ny zavatra ao tana no propose-ko:

-Mbola betsaka ny espace verivery foana ao tana ville, sosokevitra narosoko afaka asolo sy hanetsemana ny banga si izay hitako fa mbola azo atao ireo ambony ireo"

-tsy solution loatra amiko ny hoe mifindra etsy d avy eo e etsy: io tahaka ny hoe olona avy manao maloto eto dia rehefa maloto ny eto dia mifindra etsy indray... fa ny tokony atao aloha dia diovina aloha ny maloto.

-Question ana education ana gasy io: sy fitsinjovana ilay toe-tsaina , ary pratique
Ny sain'ny ankamaroany avy any ambanivohitra na tsy monina ao Tana rehefa hitady zavatra dia hoa ho ao Antanin'arivo, misy ny vao tonga avy eo Anosibe ohatra ireny mpitrandraka safira na olona vao avy nahalafo omby ireny dia manantena fa azony ao @ centre ville aby ny zavatra izay mba nahaporiporitra azy... indrisy anefa fa mbola mila mandany vola amin'ny fitaterana izy hakary an-dakira, ary firy @ gasy moa no hoe mbola mandeha tongotra lavitra sy tsy manana fiara rehefa handeha hitady ny zavatra ilainy? raha avangongo ao @ centre ville ka misy ao daholo ny zavatra ilainy dia mba hiena ny fandaniana laniny @ transport ohatra... vola laniny amidy lasantsy sy handehanany bus mety hahazoany sakafo na kojakoja hafa!
17. ikaretsaka ( 15/01/2004 09:40)
Mbola tohiny daholo ilay fanamboarana ny lalana sy ny resaka tunnel ry mazikita an... fa maninona moa no tsy azo anaovana parking a etages eo analakely? possible tsara mihitsy ary tsy hoe manimba endriak tanana raha architecte tsara ny manao azy fa tsy fahatany fahatany ohatran'ny palais de sport
18. donemaskit ( 16/01/2004 16:31)
Ingahy milaza hoe mandany vola, nefa architecte milailay zany nga omena fotsiny @zao?
19. donemaskit ( 16/01/2004 16:37)
Raha kamo handeha tongotra ny kil dia ny fivelaran'ny tanàn-dehibe no hevitra tsara indrindra. Aiza moa no hamboarina ny tanàna vaovao raha tsy any Ambanivohitra? Tsy ny mponin'Antananarivo ihany nge no mahazo tombony eto, fa indrindra² ry zareo eny lavitra eny. Nahoana no holaniana @ làlana ao Tanà ny vola nefa firy Ha ny tany tsisy olona/trano any andakira any?

Ohatra ny t@ tany Zamerika io e, saturée loatra Europe dia nifindra tany ny kil... jereo izy zao no matanjaka ndrindra eto an-tany, nefa Athènes (t@ androny) aza mbola évoluée kokoa.
20. donemaskit ( 16/01/2004 16:38)
Tsisy tambanivohitra hi-battre ao Tanà intsony, hatory ambany tetezana, hitsipozipozy etsy sy eroa raha toa ka misy tanan-dehibe akaiky kokoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3093