Ela niarahana

61. pitchou ( 20/01/2004 19:50)
ity indray misy ko.
1. teny @ piscine no nifankahitanay, efa mila ho isan\'andro
2. fa tsy mbola nifampiresaka na dia nifankahalala endrika tsara aza, efa ho 2 taona;
3.indray andro ni-plonge plonge daholo ny iray piscine de mba nihetsika koa izy, kanjo nivaha ny fehin\'ny maillot-ny de nijanona ni-floty tery ilay akanjo kely mba nanaovany; reflexe fotsiny ny nangalako ilay maillot nateriko teny aminy;
4. mena otran\'ny voatabia masaka izy fa toa fahalalam-pomba koa ny nanatonany nisaotra ahy nony niala avy tao anaty rano ry gana sy gisa isany. fa nanomboka ny ampitson\'iny dia lasa zary fanaonay sangisangy sy fihomehezana ilay maillot (satria tsy nanaovany intsony!)
5.samy mbola mpilomano izahay izao
6. efa 2 taona niarahana nilomano tao @ io piscine io izahay no niaraka voalohany
7.tsy nisy resaka mariazy t@ voalohany ka! (raha tsy inona ko, olona tsy mbola fantatra tsara ve fa ny maillot-ny no fantatra de ...)
8.tsy miresaka mariazy mihitsy izahay fa miresaka foana ny ho tokatranonay sy ny zanakay, ny fitaizana homena azy sns
9. dia tena tonga saina hoe tena tia rehefa misy zavatra mahatezitra azy iny, fa tena manambitamby e!
10. fa rehefa tezitra be lonilony iny kosa ka tapa-kevitra ny hisaraka aminy fa toa tsy ho tanty (efa in-jato kely izany no nitranga !!!!) dia tsy miala eo izany izy na herinandro aza raha tsy miova ny hevitro hoe izy ihany

dia hatramin\'izao mbola tsy mety manao ilay maillot ihany izy sady tsy mety manary azy koa! angamba hatao anaty vitrine mihitsy

62. fijo ( 21/01/2004 10:17)
O radone a,hitan'ialahy io tantarain'i nata io.dia izay ilay fiainana.faly ery ialahy hoe tena tsara ilay tantara,kay inona.zava misy izany ary tsy anomezana tsiny azy mihintsy.
63. donemaskit ( 21/01/2004 10:32)
raha voués hisaraka daholo leisy ny couples rehetra, koa inona intsony no dikan'ty fiainana ? jereo fotsiny zao ry Pitchou sy ny maillot-ny !
> "tsy miova ny hevitro hoe izy ihany." (raisiko notes ihany koa!)
64. fijo ( 22/01/2004 09:41)
ngaha moa izahay kosa dia maniry ny hoe hisaraka e.fa maniratra ny maso fotsiny ahita ny zava misy.ny tena tiako lazaina radone dia izao.mitiava amin'ny fo,fa mijereva amin'ny saina.
65. kally ( 22/01/2004 10:49)
Izany hono radone a!akelezo ny fo dia alehibiazo ny loha.
66. pitchou ( 22/01/2004 16:32)
ka marina anie izany e! tsy ampy izany hoe tiako @ fo fotsiny izy d izay! fa misy kosa ny sasany koa aleony mampanngina ny fo satria matahotra ny hijaly loatra: ohatra ny an'i nata, tena tokony hahatoky v ilay sipa hoe ho tia azy i nata afaka 6 taona ka hiandry azy eo izy? nba i nata hieritreritra hoe mbola ho tia ilay olona tsy hitany nandritra ny 6 taona ilay sipa, tsy fantany izay ataon'i nata any na nanambady na ahoana? izay ilay hoe aleo somary contrebalancer-na ilay hevitry ny fo!
67. fijo ( 23/01/2004 09:36)
misaotra pitchou a.ny fo anie adala e,ny saina no mandanja.tsy adala ny ntaolo niteny hoe:"aza entim po"
na koa hoe:"ny fo rano mafana"
68. donemaskit ( 23/01/2004 09:49)
Tiako ho hita zany haben'ny lohan'i Kally zany... aza haseho an, sao dia tapa-tsinay eo aho.
69. donemaskit ( 23/01/2004 09:52)
Tsy hoe tia nge dia tsy misaina ry nao e. Andriamanitra zao Fitiavana, tsy misaina nga izy ?
70. pitchou ( 23/01/2004 13:21)
ka misy ange ra done hoe tia hoe tia d ny fisainana any @ ilay hoe tia hoe tia e! fa tsy hoe tena tia tokoa ve, raha izao moa ... ary raha ohatra ka ... mbola tiako foana ve ..
71. donemaskit ( 23/01/2004 19:21)
Ny fampiasana ilay teny hoe "fitiavana" , "tia" , sns koa nge no tsy mety matetika e.
72. kally ( 24/01/2004 09:04)
Donemaskita izany kely loha?
73. kally ( 24/01/2004 09:08)
Donemaskita ho'a mianara teny gasy tsara fa manjary tsy mahazo resaky ny gasy:be loha izany ny dikany dia hoe mafy loha fa tsy misy idiran'ny misaina na tsy misaina.
Raha miteny anao aho hoe alehibeazo ny loha dia hoe hamafiso ny loha ny dikan'izany.
74. donemaskit ( 24/01/2004 09:22)
Sosotra Bebeanay refa manao mafy loha aho, aleoko ihany ohatr'zao...
75. kally ( 24/01/2004 20:59)
Safidinao sy bebenareo izany raha hijanona ho malemy loha ianao k'angaha moa hisy haninona amin'izany?rehefa tsy mafy lohamanko dia malemy fa tsy misy hoe antonony loha.
76. donemaskit ( 24/01/2004 09:29)
raha zay no fahitanao azy...
77. pitchou ( 24/01/2004 11:25)
harary an-doha eto i kally sy done @ farany!
78. donemaskit ( 24/01/2004 12:26)
za kely loha dia tsy marary ka! lol
79. nata ( 24/01/2004 18:47)
ka zao anie tiko lazaina @zany ry pitchou! ra zao za katsy miaraka @iza niza nefa izy any alavitra any tana tsy misy mail sy tél efa manabady fa za tsy mahalala d inn aza no ataoko eo!! afaka 6 taona v za vao hipense hoe aiz @zay zao ny lalana!! ary inn no atao!anenina v!za anie tsy niteny hoe hanambady fa ba miteny hoe mitsinjo ny ho avy!!
80. ikaretsaka ( 25/01/2004 17:37)
ra mazikita ity tsy hoe maniry loza ho an'ialahy aho... fa mba tiako ho hita ny paozon'ialahy tratran zany deception amourezy zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2888