Ela niarahana

1. donemaskit ( 22/12/2003 14:48)
Mba tiako fantarina leisy raha fidèles isika :

> Tantarao ny fifankahitanareo
> Teo no ho eo ve sa taty aoriana?
> Inona no nanintona anao tany aminy?
> Inona no nanintona azy tany aminao?
> Firy taona nareo zao?
> Firy taona nareo t@ nanomboka niaraka?
> Nieritreritra mariazy t@ voalohany?
> Mieritreritra mariazy zao?
> Oviana no nahatsiaro tena tia?
> Oviana no nahatsiaro tena tiana?

Merci mamaly na lahy na vavy. okay!
novalian'i fijo ny 17/02/2004 10:19
2. kally ( 22/12/2003 16:30)
Na any @ tribonaly aza hisy fanontaniana be dia be ohatr'ireo?Nefa ho valiako ihany kah:
1)Indray andro izay izahay no nifankahita.
3-)Nisaringitin'ny kaviko yn akanjo bàny dia voasintona izy lol!
4)Izahay efa samy manan kara-panondro avokoa na izy na izaho.
5)Efa samy lehibe izahay no niaraka kah,efa samy nahay nanoratra ny anarany avy tsinona.
6)Omaly no nahatsiaro tena tia dia androany nahatsiaro tena tiana,dia t@ herianndro koa kay ka!
Afa-po ve ny mpanontany?
3. donemaskit ( 22/12/2003 16:40)
Tsy haiko fa ohatra ny mahafinaritra zany ny tantaranareo! Enga anie hitohy hatrany². Ary aôna ny rahampitso?
4. isrine ( 22/12/2003 17:01)
Salut!
Za tsy mbola manana olo-tiana ka tsy mahita avaly!
5. donemaskit ( 22/12/2003 17:47)
Salut! c bien dommage...!
6. fijo ( 23/12/2003 10:45)
ary toa matahotra mamaly ny vehivavy e.sa hoatra ny any amin'ny tribunaly dia mampiemotra?ih,ih,ih.ny ahi indray dia,tany amin'ny hopital.samy niandry marary izahay,dia nanontaniako izy hoe:_ianao angaha marary?
dia hoy izy:_tsy maninona aho ka.
dia nampiako hoe:_izaho koa tsy misy SIDA,ka ahoana.
valiny._izaho tsy ampy lahy.
Dia izay.mariazy?tonga hoazy.
7. donemaskit ( 23/12/2003 19:43)
Lay hoe ialahy tsy voan'ny sida ve no nanintona an'azy? Lalina ndray zany!

Fa hono ho'aho, iza lay narary??
8. xxx ( 23/12/2003 12:24)
Tany an-tsekoly zay no nifankahita, t@ 5è, fa 3è vao niaraka.

Teo akaikiko i kialakely no nipetraka dia, voalazako tampoka : "eo hoe enao horohako!!!" lol

Izaho 15 izy 14 t@ izay, @izao fotoana izao : 19 sy 18.

Izy manja kely no tena nanintona ahy, sady milay be ny fitsikiny!

Tsy nieritreritra mariazy izany fa mbola ilay bà kely aloha, fa azo eritreretina @zay lol

T@ izahay niady voalohany no tena hitako hoe tiako izy, et vice versa!
9. rfanjav ( 23/12/2003 14:28)
Resa-be , hi hi hi

tonga dia amorony tantara fa manja ilay tantara ka !
10. donemaskit ( 23/12/2003 14:30)
Tsy manana tantara ho anay nga i rfanjav?

Eo mou e!
11. isrine ( 23/12/2003 16:48)
rfanjav: tohizo akia izay efa natombony a.
i doné andana mitona maskita!
12. donemaskit ( 23/12/2003 18:03)
isrine a! Eo mba tantarao ny anao e!

Vita lay maskita oooo! Iza no te hihinana? lol
13. fijo ( 24/12/2003 09:35)
ary ialahy io ramaskita ,maninona raha mba mitantara ny an'ialahy aloha.sa manao etude sosiologika.
14. donemaskit ( 24/12/2003 20:44)
Mbola vao 18 taona aho ra Fijo a, tsy mbola niaraka ela loatra t@ sipako aho ahafahako mamaly an'io.

Manao étude ahoana moa fa mba te hahafantatra fotsiny e!

15. fijo ( 24/12/2003 18:30)
ka milalaova tsara aloha,fa tena fotoanany izany izao.
16. donemaskit ( 24/12/2003 19:19)
eny ary e!
17. donemaskit ( 25/12/2003 20:25)
Tratry ny noely!
18. fijo ( 26/12/2003 10:18)
somao zaka hay zandry e.donia mbo lava.
19. donemaskit ( 26/12/2003 19:06)
fanazavana fanampiny fa tsisy azoko ilay tenin'i fijo!
20. fijo ( 26/12/2003 18:25)
izay avy any majunga,dia mba hazavao io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3011