misy ve andriamanitra?

61. fijo ( 11/12/2003 10:51)
tsy mbola nisy nahita rivotra,fa azo atao ny analizy ny rivotra.fa izany atra izany ve azo analizena?
62. isrine ( 12/12/2003 19:00)
Enao ve ry Fijo haharesy lahatra olona mino an'Atra a, be tsy androfana fotsiny ry zareo fa tsy hilaza inona akory.
63. fijo ( 16/12/2003 11:12)
ny tena loza dia.mino ireo fa tsy mahatoky akory.
64. isrine ( 16/12/2003 19:31)
hita kou! Avelao hiandrandra ny lanitra eo, fa ny mana hilatsaka...
65. fijo ( 17/12/2003 11:51)
reraka eo ny tenda miandrandra ko.
66. pitchou ( 18/12/2003 14:58)
mba anisy sira kely eto ary aho e! manahoana daholo!
zà aloa de ao anatin\'ny atao hoe siansa! ary ny zavaboary no tena ifantohako. misy ny théorie de l\'évolution, io no mitombina indrindra amiko ara-tsiansa nefa avy taiza no nipoiran\'ny particule voalohany? na ho voafehan\'ny olombelona aza ny galaxies rehetra, ny espaces rehetra de tsy maintsy nisy nipoirany io particule voalohany io! de rehefa nisy koa io particule io avy aiza no nipoiran\'ireo phénomènes physiques sy chimiques efa fantatra na ny tsy mbola fantatra? \"rien ne se perd, rien ne se crée, tout se transforme\" izany hoe nisy nametraka teo ireo ingrédients ireo t@ voalohany. mino aho fa tsy niteniteny be fahatany fotsiny ny malagasy fahiny raha niresaka an\'andriamanitra, Zanahary angamba no marimarina kokoa, fa nametraka io ho postulat satria tsy misy afaka manazava izay niandohan\'ny zavatra hitantsika izao! afaka mi-remonter dans le temps isika fa tsy maintsy midona @ io postulat io: misy ilay Nahary! io ilay Nahary izao tontolo izao io inoako!
matetika rehefa miresaka fivavahana de afantoka @ fombafomba, ny mpitarika, ny lalàna mifehy, de farany aza lasa mivadika ho zavatra hafa ilay Andriamanitra Nahary ivavahana! lasa amoronana endrika, namoronana toetra sns... ny an\'ny sasany fampitahorana, ao ny fotsy, ao ny malemy fanahy, ao ny mahantra ... izay mi-arranger ny tsirairay! betsaka ny boky azo vakina mikasika ny fivavahana, fa dia otran\'izay daholo! na izay resaka ho iry no atao hoe tsara iry no atao hoe ratsy, tsy avy amin\'Andriamanitra izany fa avy @ olombelona!
fa ianao izao, izaho izao de transformation n\'ireo ingrédients napetrak\'ilay Nahary no nampisy antsika tety! ary ny maha-olon\'ny siansa ahy no tena mahatonga ahy ho mino ny fisiany!
marihiko eto : tsy hiady hevitra ny karazam-pivavahana aho, tsy hiady hevitra ny baiboly satria tantara, contexte, explication izay takatry ny sain\'ny olona t@ fotoan\'androny daholo izany hanazavana ny fisian\'Andriamanitra; tahaka ny hoe ny ahy ny siansa no naharesy lahatra ahy fa misy Andriamanitra!


67. isrine ( 18/12/2003 19:46)
Ny ahy tsy ohatr'izay, fa ny zava-misy iainana no ilazako fa tsy misy Atra!
68. fijo ( 19/12/2003 09:25)
na ny siansa,na ny fiainana,dia mampiseho amiko,fa tsy misy andriamanitra.vokatry ny tahotra,sy ny tsy fahalalana io.
69. pitchou ( 19/12/2003 16:35)
Fijo> tsy hiresaka ny finoana an'Andriamanitra noho ny tahotra aho satria midika ho an-tery izany! na noho ny fanantenana satria midika ho calculateur izany! tsy hiresaka koa ny finoana miainga @ zava-miseho @ fiainana satria misy logique azo anazavana azy daholo izay rehetra mitranga @ fiainan'ny olona iray, na izay ataontsika ary hoe tsindrimandry.
fa ny finoana ny fisiany vokatry ny fahalalana na tsy fahalalana! hatraiza izany izao ny fahalalana fa TSY MISY izany Andriamanitra izany? inona no postulat logique hafa azo apetraka @ niandohan'izay zavatra hita sy fantatra ary ny tsy mbola fantatra?
70. isrine ( 19/12/2003 12:56)
Andao ary atao hoe misy izy e!
71. fijo ( 23/12/2003 12:45)
ka izay, mivoatra foana ny siansa,dia miha mitombo ny porofon'ny tsy fisiany.
72. pitchou ( 29/12/2003 20:10)
fa tsy mbola misy manana porofo izany hoe tsy misy Andriamanitra!!!
73. fijo ( 29/12/2003 19:56)
ary tsy misy manana koa hoe misy izy.
74. pitchou ( 10/01/2004 11:49)
d ataovy teti-harana ary izao rehetra izao na ny hitia maso na ny tsy hita d lazao anay hoe taiza no nijanona ny tetiharana e!
75. fijo ( 15/01/2004 11:58)
taiza moa fa dia tao anaty ranomasimbe
76. jhouhlambout ( 26/01/2004 20:24)
Methode Mathématique:

Démonstration par l'absurde:
1 -Supposons: tsy misy A/tra,
Il vient que: Iza no nahary antsika?
Maninona no tsy tompon'ny aina(Mety maty) isika? Avy aiza ny Z-V boahary rhtr?

2 -Donc: 1 + 1 = 2 =>
Il existe un point unique appellé Alpha tel que: F(Alpha) = Izao tontolo izao sy ny ifandraisany.

3 - 2 + 2 = 3: ABSURDE.

Conclusion: Misy Andriamanitra.
77. besoiiin ( 26/01/2004 12:12)
tsotra io e!
tsy hifandresy lahatra eto isika ! tsy hanao démos be koa fa izao!
izay mino! tano mafy ny finoanao!
izay tsy mino! aza matahotra fa tsy misy zavatra tsy hita fototra izany; any aoriana any ianao ahazo porofo mivaingana na misy Izy na tsy misy Izy! kanefa tsarovy fa tsy afaka hiverindalana intsony @zay ora izay sao manenina eo!
78. fijo ( 28/01/2004 11:00)
ny nenina asa aloha izay hanenina,na izay tsy nahita dia nino,na izay tsy nino satria tsy nahita.
79. ngama ( 06/02/2004 13:39)
Tsy fantatro na misy Andriamanitra na tsy misy fa :
1- Raha tsy misy izy nefa izaho mino ny fisiany, tsy very n'inoninona @ izany aho.

2- Raha misy izy nefa izaho tsy nino ny fisian'ny dia ho faty aho @ fitsarana farany.

Rehefa nataoko ny safidy de aleoko ihany Mino ny fisiany.
80. fijo ( 18/02/2004 10:52)
iza anefa no milaza fa hisy izany fitsarana izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.246