misy ve andriamanitra?

41. mahaizamifidy ( 29/11/2003 12:03)
Izaho indray anefa mahita fa miha betsaka ny mahantra,Jerevo daholo fotsiny anie ireo olona ambony any @ firenen-kafa ireo e,mba firy isanjato aminireny moa no mivavaka sy mino an Andriamanitra raha misy mahafantatra?,nefa raha atao hoe:olon Andriamanitra ny akamaroany mpitondra firenena malagasy dia tokony izao ve no misy an-tsika?,
42. rinakely1 ( 29/11/2003 14:13)
Manana fotsiny finona d izay e! Izy manko tsy hifanerana fa samy manao zé tiana e!
Mino enao c bien, tsy mino tsy hasiana problème koa e!
43. isrine ( 29/11/2003 15:52)
Salut!
Misy hono Andriamanitra! T@ mbola kely dia nianatra katesizy de mivavaka de toy izay hatrany... FA raha @ izao dia hoy aho hoe tsy misy Andriamanitra! Za tsy mbola nanadihady be toa an'i Fijo. Fa aiza anefa Andriamanitra zany @ zao zavamisy erantany zao e? Tsy @ izao indrindra ve no tokony hanehoan'Andriamanitra ny heriny!
44. fijo ( 02/12/2003 11:58)
ny ahy dia izao,ny raiko efa maty.tamin'ny 1985 izy no maty.ary dia efa teny am-pasany aho ary dia nilaza hoe"raha misy izany atra izany dia mba ilazao aho ry dada"-tsy misy olona tia ahy hoatra ny ray amandreniko angamba,fa matoa izy tsy nilaza tamiko dia tsy misy izany ilay atra.
45. isrine ( 02/12/2003 14:43)
Sarotra inoana ny fisiany e! Fa efa zatra ny olona hoe misy hono de mino!
46. fijo ( 03/12/2003 20:44)
izay angamba,satria ireo olona mino ireo koa anie tsy tena mahatoky e.
47. ikaretsaka ( 03/12/2003 10:31)
ary Misy ve ianao?
48. mahaizamifidy ( 03/12/2003 18:33)
Aza mampihomehy ianao karetsaka.
49. isrine ( 03/12/2003 18:41)
Misy izy ry Ikaretsaka a, misy koa enao, de misy aby ze olona afaka manoratra, fa Atra anefa tsy hita fa na ny sariny aza tsy fantatra hoe manao akory?
50. fijo ( 04/12/2003 09:29)
voavalin'i isrine ilay fanontaniana.ary ampiako,izay efa nahita an'andriamanitra,na dia sary fotsiny aza dia manatona aty,fa omeko izay ilainy rehetra aty amiko.
51. rfanjav ( 04/12/2003 18:32)
Jesoa Kristy zanany no tonga ety an-tany mba hahalalantsika an'Andriamanitra!

fa tsy mety kosa ilay "raisonnement"-n'i Fijo hoe : raha misy A/tra dia mba ilazao aho, f'angaha moa ny maty afaka hanoka-bava aminao intsony?

mety efa nisy famantarana nasehony taminao fa ianao mihitsy no tsy nety nino,

ho an'i mahaizamifidy indray : efa mihamanjaka ankehitriny ny fitiavam-bola sy fitiavana voninahitra, ka ireny no manjaka @ olona sasany eto ambonin'ny tany, ka hanirina ny masony tsy hieritreritra intsony ny fisian'ny Nahary azy fa hanaraka ny sitra-pony, mampanjaka ny fitiavan-tena !
52. isrine ( 04/12/2003 14:54)
Salit!
Zao zany no tokony atao e, izay manan havana maty ka alevina de asio camera miaraka aminy any, ka raha toa ka miakatra any andanitra any @ Atra ilay olona de maka sary an'izao Atra mbola tsy nisy nahita izao. de alefany amintsika avy eo ny sary. Satria toa mitohy hono ny fiainana fa ny eto antany fanadalovana fotsiny.
53. fijo ( 05/12/2003 20:38)
marina izany ry isrine.
rfanjav,iza moa no nilaza taminao fa zanak'antra i jesoa.izy anie no nisora tena amin'izany e.tsy nisy nilaza azy hoe ianao no zanany.adinonao angaha fa na i josefa aza anie ka romotra tamin'i marie raha nandrea fa bevohoka izy e.zaza sary tsinona i lery.
54. rfanjav ( 08/12/2003 14:12)
Ok,

sarotra be ilay adihevitra fa izao no azoko lazaina kely :

" Mifalia ry zatovo dieny mbola tanora ianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao @ andro fahatanoranao, ka mandehana any @ izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao @ izany rehetra izany."

teny t@ izay Bokinay izay io!
55. mahaizamifidy ( 08/12/2003 17:13)
Enga anie mba ho bonne chance daholo fa tsy hisy hanindraindra izany afobe izany @namany,sady raha i andriamanitra foana koa no entina hananarana olona sy hatao biby fampitahorana dia hoy aho hoe:mbola mora raisina kokoa ny any olona hitanao maso fa hendry sy aza atao madely.
56. xxx ( 09/12/2003 09:07)
Tena misy Andriamanitra ,zao no mba teny indramiko ao à baiboly :"andramo ka hizahao fa Tsara Jehovah,za manokana dia mahatsapa isan'andro fa feno fitahianany fiainako ary isaorako ny Tompo izany ,ny mba faniriko dia mba ho be ny mpino sy mahatoky ny Tompo
57. naritsimba ( 09/12/2003 17:30)
Salama daholo eh!
Misy Andriamanitra, ary tena misy izy.Hoy ny fitenintsika Malagasy Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha.
Na nisy Bainoly na tsy nisy ny Malagasy dia mino fa misy Andriamanitra.
Misaotra antsika rehetra
58. isrine ( 09/12/2003 14:33)
Ny antsika malagasy anie ka fomba entina ananarana ny taranaka no be e. Ahodikodina @ haiteny sns eny ny fiainantsika de eo no raisina!
59. fijo ( 10/12/2003 20:51)
ilay XXXX milaza fa misy atra.ny anaranao aza mbola tsy hay hoe misy ve sa tsia ,ka izay antra any koa ho ekena.
boby inona koa izany ry rfanjav.io tsy sahy milaza zavatra io ihany anie no mahavoa anareo e.
60. moi ( 10/12/2003 17:32)
Tsy nisy nahita an'Atra fa misy kosa ny mahatsapa ny Heriny !
Sahala amin'ny hoe iza no efa nahita rivotra ? ny heriny no tsapanao ! Tsy hita faritana ny bikany ...
Fa mba hazavaonareo tsy mino, ahoana daholo ireo mijoro vavolombelona maro ao amin'ny Télé hoe sitrana, nahita asa, nahazo zanaka ... Porofoy fa lainga 100% ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5076