misy ve andriamanitra?

1. fijo ( 14/11/2003 09:38)
manao ahoana daholo ry namana.
amin'izao taojato misy an-tsika izao,dia manontany tena aho hoe misy ve andriamanitra.izaho manokana aloha tsy mino azy io.nefa moa samy tsy mbola nahita isika koa hafaka milaza izay tiany daholo.raha ny fahitako azy ny hany andriamanitra mahefa eran'izao tontolo izao dia ny dolara.satria na ny any roma aza dia miondrika eo anoloany.mondialisation.
novalian'i flmlot92 ny 16/11/2012 21:33
2. ariary ( 14/11/2003 10:29)
Isika olombelona dia miaina anatin'ny espace géometrique à 3 dimension. Azo atao tsara nefa ny mieritreritra fa misy espace de dimension 4,5, na mihoatra, eo ivelan'ity misy antsika ity, ka sao dia zava-manan'aina de dimension > 3 ary Andriamanitra, ary isika sy izao rehetra hita maso izao dia ao anatin'ny aquarium iray ao @ salon'Andriamanitra ?
Ahoana ny eritreritrao amin'izany ?

Vinavina voalohany io, fa mbola manana vinavina faharoa koa aho, izay notsoahiko avy @ andalana vitsivitsy ao @ baiboly, mbola holazaiko eto @ manaraka.


3. dama ( 14/11/2003 15:09)
Sambatra izay tsy nahita nefa mino.
4. zomiha ( 14/11/2003 19:28)
Sambatra izay tsy nahita nefa mino.
Sambatra izay tsy mahita nefa mikaroka.
Sambatra izay mikaroka ka mahita.
5. gmahefa ( 15/11/2003 19:39)
Zaho mpanoratra de athee.Tsy miteniteny foana aho fa raha ilaina de azo hazavaina ara-tsiantifika ny tsy fisian'izany ANDRTtra zany.Misy koa ny filazana hoe HYPOTHESE ihany zany andrtra zany
6. xxx ( 16/11/2003 20:48)
Raha tsy misy ny Mpahary dia tsy nisy ianao nohariana.
Izy Andriamanitra Tenany no hanotanio voalohany raha misy Izy na tsia?
Ho azonao ny valiny.
7. hery ( 16/11/2003 09:07)
Resaka expérience individuelle io ry zoky a. Tsy ho vitanao mihitsy ny handresy lahatra ny olona mino ny fisian'Andriamanitra raha ohatra izy ka nahita vokatsoa tamin'izany. Raha ohatra ka fantany fa raha mino izy dia ho voavonjy ary raha tsy mino dia tsy ho voavonjy... dia sarotra ho azy ny hino anao hiteny ny mifanohitra amin'izany... satria Andriamanitra no inoany kokoa noho ianao.
Izay no mahasarotra azy. Raha ianao tsy mino aza sarotra ny mandresy lahatra anao hino vao mainka fa ny olona efa mino?
8. rfanjav ( 17/11/2003 20:26)
Misy Andriamanitra, un point c'est tout

satria nahoana, satria ............
tsy azo iadian-kevitra fa izay fotsiny,

fa raha tsy mino ianao tsy misy hanery anao hino ny fisiany akory!

"aoka ny andriamanitrao no iankohofanao",
9. moara12 ( 17/11/2003 10:25)
mampanontany tena tokoa ny fiainana ry havana an!, iza no afaka hahala any fahafatesana na ny anton'ny fiainana, tsy misy angamba, na ny filozofia aza mbola tsy mahavaly mazany hoe "AVY AIZA NY FISIANA" ary hitondra antsika ho aiza ITY FIAINANA ITY, misy MPITANTANA VE NY FIRINDRAN'NY FIAINANA MANERANA NY TANY SY NY LANITRA?
Na hino ny fisian'Andriamanitra isika na tsy hino dia izao no hitako sy tsapako tsy nisy zavatra na aina na tsy aina tonga² ho azy eto amin'ity tany ity na ny zaza dia noforonina, na ny vilia hihinana na ny taratasy hifirana dia nisy nanamboatra ireny mba tsy hilazako hoe nisy namorona.
ka ahoana no tsy hilazana fa nisy namorona izao tontolo izao, tsy fantatra ho iza io fa amiko ilay nahary no ataoko hoe Andriamanitra. tsy voafaritra izy ary vaofetra, ka noho izany dia Ninoana ny fisiany satry sasa-poana izay hikaroka sy hamantatra ny momba azy ny endriny ny tarehiny ny bikany, tsotra ny amin'ny izany amin'ny fotoany ny zavatra rehetra,
ka ny farany no hilaza ny Nino na ni tsy nino no hanana ny fahamarinana. samy afaka ary malalaka amin'ny finoany ny olona tsiray² avy ary samy hizaka ny vokatry ny finoany avy.
Moara
10. moi ( 17/11/2003 11:23)
Raha misy olona tokony tsy hino an'Andriamanitra dia izaho !
Mba olona manantsaina ihany no fihevitro ahy, mba mivavabavaka, ary rehefa mivaly ilay vavaka dia toa takatry ny saina ny fihavin'ilay miracle ! Ohatra : tsy nisy vola aho dia mangataka, kanjo nony manam-bola aho dia takatro hoe satria nety ny tsena (an'ilay noheveriko ahitana vola), nahita làlana tatsy aho, sy ny sisa ; dia tsy mety homena toerana mihitsy hoe Andriamanitra ho tao ambadika tao nahatonga ny mpividy ho teo, nahatonga ny ray amandreny afaka nanampy, nahatonga ny asa ho nandeha sy ny sisa... Raha izay no fijery dia hoy ianao rehefa metimety hoe Chance io ry zareo a !( fa tsisy resaka fitahian'Andriamanitra izany)
Tsy hisaotra an'Andriamanitra mihitsy ny olona toy izany satria ny fihavin'ny valim-bavaka dia tsy ho toy ny mana latsaka avy any andanitra intsony, fa ianao io, isika tsirairay no fitaovana hampiasainy hahatanteraka izay tiany amin'ny olony. Dia ilay olona no hita fa tsy Andriamanitra nanamboatra ny toe-javatra !
Vao haingana aho no mandre fa ny manampahaizana kalaza koa aza maro no miaiky fa izao lamin-javatra rehetra izao dia misy mpandamina mahay ...
Hoy ny Soratra Masina izay hoe Na dia hisy faty hitsangana aza, dia tsy hino izy ! Tantara an'i Lazarosy sy ilay mpanankarena izany ; aleo ianareo hikaroka izany ao amin'ny Testamenta vaovao !
Mazava io tantara io fa na dia misy faty hiverina eto aza, rehefa tsy hino izay tsy mino, dia tsy hino ihany.
Misy koa ny niharam-pahoriana mafy dia mahatonona hoe misy ve Andriamanitra no dia mamela izao ? Ity angamba tsy asiako resaka lava fa efa tantara malaza (ho an'ny mpamaky baiboly) ny an'i Joba.
Hamaranana dia miantso ny mino an'Andriamanitra aho hametraka tantara velona eto mamaly ny hoe maninona ianao no lasa mino an'Andriamanitra ?
Fa raha izaho dia tsy te ho sokajin'ny voasoratra ao amin'ny Salamo manao hoe Izay tsy mino dia efa adala !
11. rhaj ( 17/11/2003 18:33)
Izao hono no zavatra mety hitranga:
1- misy Atra
2- tsy misy Atra
ary izao no safidinao:
a- mino fa misy Izy
b- tsy mino fa misy Izany

Ka ireto aby izany no mety ho fipetrany:
1a- misy Atra ary soa (!) fa mino ianao
1b- misy Atra nefa indrisy (?) fa tsy mino ianao
2a- tsy misy Atra nefa mino (?!) ihany ianao
2b- tsy misy Atra ary ianao moa tsy nino rahateo (!!)

Koa iza no "ho" marina? Ary inona no "ho" vokany?

- raha 1a- dia ... mety lasa any @ paradisa, na "reincarne" na ...
(araka izay finoanao) ianao... rehefa manaraka ilay "fombafomba".
Raha tsy nanaraka ilay "fombafomba" moa ianao dia mety lasana
any @ afobe, na lasa "valala" ohatra, araka ilay "finoana"
handrefesanao ilay "ho aleha" io...

- raha 1b- dia ... alefan'Izy any @ afobe, na ataon'Izy lasa "valala"
ianao... (ilay Izy @ io dia ... ilay Izy e...)

- raha 2a- dia ... "sambatra" (angamba) ianao tao @ ilay "finoanao"
tao fa ... @ andro farany dia tena tsisy vokany/dikany/... akory
izany...

- raha 2b- dia ... tsaratsara ho anao ny mampa-"sambatra" anao
ao @ fiainanao ao...


F'izany hoe "tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza" hono ilay finoana
(toa 1a- sy 2a- mantsy no tsara-safidy @ireo raha ny lojikany).

Ka raha toa anefa (sanatria) ka tsy tonga aminao ilay izy, dia aza
manahy fa misy (ohatra, ny 60%-n'ny Scientists, na koa aza ny
78%-n'ny Physicists) miombom-pijery (ary miara-very?) aminao.

Raha tonga aminao moa ilay izy dia... araho tsara ny "fombafomba"
fa izay no tsara indrindra... raha ny lojikany...



... ka dia... anao ny safidy. F'izany hoe hajao koa ny "safidin'ny
hafa" raha sanatria tsy mitovy ny aminao.
12. mity ( 18/11/2003 17:01)

Zany an!!!
13. xxx ( 18/11/2003 19:13)
o ry fijo ah ! ianao milaza fa tsy mino. k\'inona indray ny fanontanianao hoe: misy ve Andriamanitra ? na ianao aza izany tena mbola ao anatin\'ny \"doute\"-ny tsy finoanao. matoa ny olona mino dia nahatsapa zava-dehibe tao amin\'ny fiainany avy amin\'ilay Andriamanitra hinoany? fa ny tsy finoanao kosa mba nitondra inona ?

14. fijo ( 19/11/2003 09:15)
ho an\\\'i xxxxxx.ny hevitry ny namana sasany no ilaoko,fa tsy hoe misy \\\"doute\\\" aho.
rfanjav,aza terena hoe misy fotsiny izany ny zavatra tsy mbola nisy nahita.
adt hevitra no ilaina eto.ary mila tohana ny hevitra fa tsy bontolo,hoe misy fotsiny,na tsy misy fotsiny.
ianareo mino ary,ny siansa rehetra hatramin\\\'izao (eny fa na ny ao vatican aza dia mino ny evolution n\\\'i darwin.voaporofo ara tsiansy io fa tsy hoe izao fotsiny.
hoy ny gasy hoe:\\\"ny tarehy ratsy no tsy azo hovana,fa ....\\\"amin\\\'izao fotoana izao dia efa tsy marina intsony io.ary ianareo ve mahalala,fa ny finoana kristianina anie tany amboalohany dia \\\"secte\\\"e.tamin\\\'izany fotoana izany ny finoana nisy tany israel dia ny judaisme.ny amperora constantini 1er no voatarika hino ny kristianisme tany rome.izy moa amin\\\'ny maha amperoran\\\'ny rome azy dia hafaka nanery ny olona tsy maintsy hanaraka izay ninonay izy.izay no nahatonga ny kristianisme taty eropa.dia nisy moa ny croasade.ary dia nampiasain\\\'ny eropeanina ny fivavahana handemena ny tany ho zanahany.dia natao hoe ny devoly dia mainty,ary ny masina dia fotsy.dia tena nandaitra tokoa io,satria dia nahatsiaro tena ho ambany sy ratsy avy hatrany ny mainty,sy ny tsy fotsy rehetra.dia rehefa mamono olona ry zareo dia lazainy fa andria manitra no nampanao io .afoeziko,ary ny tena loza dia izao,aty eropa niavian\\\'nilay finona kristianina dia vitsy ny mino,fa any amin\\\'ireo tany nampidirana azy dia mirongatra be izy io.ny antony dia tsotra.aty eropa ny ankizy dia ampianarina andinika izay lazaina azy fa tsy hino be fahatany,ary dia ampianarina hamakafaka zavatra fatsy hino fotsiny.ny any amin\\\'ny tany mahantra indray dia nampianarina ny olona hino sy hiaiky izay mahazo azy fa tsy mila mandalina ,sao mahafantatra ny natao azy ka,manjary tsy azo \\\"dominena\\\" intsony.
dia aiza ary andriamanitra?
15. fijo ( 19/11/2003 09:19)
croisade no tiako soratana @hoe "croasade".
16. xxx ( 19/11/2003 18:30)
"Fa ahoana kosa ary ? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsy finiany va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra ? "
Romana 3:3
17. rfanjav ( 19/11/2003 19:08)
Sambatra izay tsy nahita nefa nino !

18. tsifr ( 19/11/2003 16:27)
Misy Andriamanitra (avec grand A svp) Betsaka ny azo hilazana fa misy izy. Na io rivotra iainanao isan'andro io ary ve dia tsy efa porofo mivaingana manambara ny fisiany???? sa dia hoe rivotra tongatonga ho azy à zao fotsiny. Tsy azo azavaina ara-tsiantifika daholo ny zavatra rehetra, satria voafetra ihany ny sain'olombelona. Ho anao ry Gmahefa hainao hoy ianao ny manazava ara-tsiantifika ny tsy fisian' Atra, mba azavao ara-tsiantifika koa ary hoe maninona no tsy mety foana ny fahafatesana. Azavao koa hoe maninona no tsy hain'ny zanak'olombelona ny mamelona ny maty indray. Misaotra.
19. njivo ( 19/11/2003 16:28)
ianao ve mino fa misy ny fangirifiriana? fantatro fa ho eny avy hatrany no vali-teninao
tadidio anefa fa sady tsy hitan'ny masonao izany, no tsy azo tsapain'ny tananao, no tsy ren'ny sofinao, ary tsy henon'ny oronao ny fofony ary tsy tsapan'ny lelanao ny tsirony nefa ianao mino fa misy izany
Dia toy izany koa Andriamanitra, sady tsy hita maso, no tsy azo tsapain-tanana, no tsy ren'ny sofina, ary tsy tsapan'ny lela sy henon'ny orona, NEFA MISY
20. kally ( 19/11/2003 16:47)
Tsotra fotsiny,sarotra ho an'izay tsy manana ny fitaovana natao ho amin'izany ny hino,rehefa tsy manana finoana izy dia tsy afaka ny hino.Ataonao ahoana moa no ho fanazava amin'Ingahy Rainikoto monina etsy Ankirihitra fa afaka mifampiresaka mivantana amin'ny alalan'ny soratra na @ alalan'ny feo ny olona roa na dia mifanalavitra toy ny inona aza?Izy izay tsy mahalala ny fisian'ny telefônina na ordinaur akory?Ka aza miady hevitra amin'izany fa ady hevitra tsy fanao izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.127