sipa matavy,sa sipa mahia?

41. oupsyyy ( 24/11/2003 16:49)
O ry Hery a, ny tiko tenenina de ny hoe amiko tsy misy ny hoe vahana tokony hatavy fa ny olona tsirairay no tokony handanjalanja ny hampatavy na tsy ho azy, fa tsy ny halavana akory. Tsy nisy tonga de teraka hatavy zany. Tsy misy ny hoe matavy ny RAR de forcément tsy maintsy matavy koa ny zanany.
42. fijo ( 24/11/2003 19:55)
asaivomanao sport daholo e.tandremo ihany ra oupsy ireny mahia ireny fa rehefa tena grrr anie mety ho folaka ao ireny e,eh,eh,eh.
43. oupsyyy ( 25/11/2003 19:38)
Fa nahona mou lety izy no ho folaka e???? Izy ary lesy mafy be kou,aza ny ahihany no jerena fa ny zava bitany.
44. rfanjav ( 25/11/2003 15:21)
Izaho anefa mahita fa misy vahana ireny hatavy ireny,

nahoana hoy ianao ny vehivavy sasany no tsy mety matavy, nefa mihinana ohatra ny inona izy, satria efa vahana ny azy,

oupsyyy : enga anie ianao ka tsy hahazo vady matavy fa mety hijaly ihany ny sainao!!!

manaraka izany , raha resaka vao teraka, tsy mitovy izany isika, misy zaza dongadonga be, nefa misy ny pitsana kely ohatra ny reniny sy ny "génération"-ny ihany, fa rehefa manambady sy miteraka izy dia mivoraka!

manaiky aho hoe "asaiko manena tena" fa raha tsy mety mihena dia ahoana indray ?
45. fijo ( 26/11/2003 09:15)
efa hoe tsy manary ny reninjananyizany i raoupsyy,fa dia ezahany foana ny tsy ahalasa azy matavy be.raha mitombo kely kosa ve moa atao ahoana?sa tsy izany letsy?
46. ariary ( 27/11/2003 18:33)
Efa fantatry manampahaizana ankehitriny fa misy ny vahana (gène) mampatavy. Izany anzfa tsy midika fa rehefa manana vahana mampatavy dia tsy maintsy matavy. Ny dikany dia hoe rehefa manana vahana ianao dia mitandrina kokoa amin'ny fomba fihinanan-tsakafo miohatra @ hafa fa tsy hitovy régime alimentaire @ sasany izay tsy manana vahana mampatavy ( raha tsy hoe angaha tena faniriana mafy ny ho lasa hatavy ! )






47. rfanjav ( 27/11/2003 20:28)
fa tsy marina ve ilay hoe "izay tsy eo an-tanana ihany no tsara e!"

ohatra hoe miaraka @ sipa matavitavy ianao, dia taratara @ sipa mahiahia indray raha mahita an'ilay paozy ohatra,

na koa miaraka @ mahia indray ohatra ianao, dia hoe ohatra ny mba tsara kosa izany sipa matavitavy izany,

hi hi hi
48. antsiva ( 27/11/2003 11:28)
Naturel amin'ny olona ny "mila vao",
izay tsy anany ihany no heveriny ho tsara sy iriana.

Tsy fahadisona anefa izany, satria ny fanirianao izay tsy anananao no mahatonga anao mbola maniry ny ho velona.

Rehefa tsy manana faniriana intsony ny olona, inona intsony no hifikirany amin'ny fiainana ?

Ka dia hoa aho: tsy ny fananao ny zavatra rehetra no mahasambatra, fa ny fanofinosisanao izay mbola tsy anananao!





49. oupsyyy ( 27/11/2003 13:03)
rfanjav> tsy ahazo vady matavy zany za, ary raha matavy izy eo am piterahana de manena tena, aiza kou misy olona tsy mety hiena zany?????? Refa manana volonté enao de mety fona io tsy hoe fihenana ihany fa ny zavatra rehetra ataonao......
50. ariary ( 27/11/2003 16:45)
Ary raha tsy mety mandresy ilay volonté dia ahoana ? Io no tena olana @ olona te-hihena - sahala @ olona te-hiala sigara - misy ny faniriana saingy tsy moramora izany hoe manana volonté.


51. fijo ( 27/11/2003 19:19)
tsy marina aloha ilay hoe izay tsy eo an-tanana ihany no tsara.izaho manokana,na dia tsara tarehy toa inona aza ny eo aloha eo,raha vao azo ipasohana domy ny tratrany dia tsy lasa.ary raha mamporisika azy ny akamany,na somary kamo aza izy dia miezaka ihany.
52. rfanjav ( 28/11/2003 13:45)
ohatra ny hoe : moramora ho an'ny rameva ny miditra @ vodifanjaitra,

marina ilay hoe mila "volonté" fa na izany aza ady be io manahia tena io,

fa maninona nefa moa no manahia tena e, ireo efa mahia tsy mety mahazo aina aza efa tsy fidiny!

ny "important" fotsiny dia hoe salama ianao, à l'aise e!
53. xxx ( 28/11/2003 14:43)
ze tin'la ihany io na kozatra na vita fôam mety daholo
54. isrine ( 30/11/2003 12:52)
Salut!
Ahona ndray ry Fijo zany hoe tratra azo ipasoana domy zany? Ny anay mantsy ny tratra dia kely2 fa rehefa miakanjo de asiana aponsa mba ho endrika ivelany.
Misy alou efa hoe toebatana mihitsy ny matavy e, fa ny an'ny sasany anie ka vokatry ny fihinanana tafahotra no mampatavy e, miaraka @ le tsy mihetsika firy, de tonga ny cholesterol.
Tsy haiko nareo na mandinika fa ny ankamaroan'ny olona ankehitriny dia mihinana mihoatra ny tokony ho sahaza. De lasa zatra ny vavony. Ary ny sasany rehefa misy zavatra mahakivy ... dia mihodina ao @ sakafo.
55. fijo ( 02/12/2003 11:34)
marina fa maninona kay no manahia tena e.ny any kere aza tsy fidiny,ka ianao tsara sakafo indray no hanena.misy kosa ry isrine ireo izay tsy misy sakafonjaza mihintsy a.io dia tena pblem ka.ny fiara aza mila air bag.ih,ih,ih.
56. rfanjav ( 02/12/2003 20:36)
izany akory tsy midika hoe ireny bota be, boribory tsy misy ho jerena ireny a!
57. fijo ( 02/12/2003 19:43)
eny e,fa mba misy horaisina.ny sakafonjaza indrindra
58. isrine ( 03/12/2003 18:20)
Ianareo lehilahy alou de io sakafonjaza io no tena jerenareo! Sa io no tena manaitra ny masonareo rehefa mahita vehivavy. Tsy lavina satria io no eo alohan'ny maso eo voalohany!
59. fijo ( 04/12/2003 20:35)
sady mampatsiaro ny fahazazana e,ih,ih,ih.no misarika koa,ary misy hialana sasatra rehefa vizana......
60. rfanjav ( 04/12/2003 14:56)
hafa indray izany,
mahita tenenina mihitsy!

ary ilay v... ahoana indray ary?
mampaninona koa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1409