Matanjaka ny lehilahy

1. hery ( 12/04/2003 16:04)
Marina fa misy ireo vehivavy mitaky fitovianjo... kanefa tokony samy hahazo ny anjara tandrify azy. Dia aleo ho an'ny lehilahy ny asa mafimafy. Tsy mamely mihitsy ny mahita pôlisy vehivavy manindritsindry lehilahy saofera... Mitrakà ry zalahy a. Asehoy ny maha lehilahy.
novalian'i fijo ny 06/01/2004 11:19
2. neo ( 14/04/2003 18:53)
Marin'izany e!
3. xxx ( 14/04/2003 09:12)
Kouà ?
4. xxx ( 14/04/2003 10:29)
Angaha ny lehilahy ihany no natao hitondra basy ? Manelingelina ny sainareo raha vehivavy no mikômandy ? (vehivavy)
5. xxx ( 14/04/2003 10:47)
Marina ny an'i Vehivavy. Tsy voatery hatanjaka ny lehilahy, ary ny vehivavy koa tsy malemy.
Ka avelao samy haka ny tandrify azy sy izay metimety kokoa amin'ny fahaizany sy fahalalany.
raha mahay mikomandy madame na mademoiselle, dia avelao izy hitantana, ary i ramose tsy mila mipitrapitra eo, fa maro ny asa nampanaovina azy mbola tsy misy vita.
6. xxx ( 14/04/2003 10:59)
dia hanala kilaoty izany hampiseho ny maha-lehilahy???????????
7. xxx ( 14/04/2003 11:06)
Aoka re sao dia ho azom-pakapanahy aho hiteny hoe ny vehivavy mbola milay !
8. neo ( 15/04/2003 15:16)
ny ankamaroan'ny sipa dia tsy mitonona rehefa mametraka hafatra eto. jereo raHery misoratra foana, ka tsy matanjak'zany?
9. xxx ( 16/04/2003 18:44)
Kanefa hoy Henri R. izay :
"Raha vao jerenareo ny lehilahy
Tsy mahaloa-peo ny lehilahy
Fa na mahery aza
Malemy toy ny zaza ny lehilahy ."
10. levondraky ( 04/05/2003 18:22)
Iza no manapakevitra rehefa ery amasom-bahoaka? Ny Lehilahy.
Iza no manapakevitra rehefa eo ambony ondana? Ny Vehivavy. Izay ange lesy no hamotopotorana ny vadin'ny kandidà alohan'ny hifidianana é. Iza izany no matanjaka? Ny ondana.
11. xxx ( 17/07/2003 09:41)
Tsoriko joba ny marina fa tsy zakan'ny sainareo mihitsy hoe vehivavy no ho ambony noho nareo eee!!(joba 1 tia be anareo..)
12. xxx ( 23/07/2003 19:44)
Fomba fiteny ilay hoe mitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy ....
Misy zavatra tsy azontsika olombelona ialàna : dia ny lalànan' ny natiora izany NY LAHY NO LOHAN' NY VAVY
Ekena fa maro ny vehivavy mahay , matanjaka noho ny lehilahy amin' ny sehatra maro samihafa
Amin' ny fiarahan' olon - droa kosa dia hajao hatrany ny lahy no lohan' ny vavy
N' inoninona toerana , fahaizana, toetra ananan' ny lehilahy dia tsara sy mendrika raha izy hatrany no tompon- teny farana
13. xxx ( 24/07/2003 16:12)
Zao no azoko lazaina :zay manam-basy no tompon'ny hery ka tsy ny lelah no mitondra basy?Vao midrikina kely ry zareo vevavy de avoakako haingana le basy aty amiko , saingy za tsy hanontany hoe aina sa vola fa hoe ambony sa ambany .Ary mamaly mora² izy ireo milaza manao toy izao"zay tianao f'aza alefa fotsiny le bala blanc sao lany vatsy eo enao ,mbola aiza ty ala antsinanana,sao mantsy mahita ity taniko ngazana sy tsara tevy de hanao rafalle"
14. solei ( 24/09/2003 19:32)
Na dia mazava aza fa mitaky sy miady ny fitovian-jo amin'ny lehilahy ny vehivavy, dia mbola betsaka ny zavatra mampiseho fa ny lehilahy voahaja nohon'ny vehivavy, ary ny vehivavy dia mbola raisina toy ny ambanin'ny lehilahy. Nefa milaza ianareo zavatra iray vitan'ny lehilahy ka tsy vitan'ny vehivavy ankoatran'ny manao zazakely? kanefa raha asa mitovy izao no ataon'ny lahy sy ny vavy, ny lehilahy mahazo karama ambony matetika, ary voahaja bebe kokoa raha tsy hoe tena masika be anga ilay vehivavy vao ahazo minimum de respect. Tsy mahakivy ny vehivavy anefa izany fa misy fiteny manao hoe "etre une femme est si difficile que seule une femme le peut.
15. xxx ( 13/10/2003 12:41)
sao dia malahelo kosa ary ianareo fa ny vehivavy nahazo "journée de la femme" (08 martsa),
dia ny "fête des mères" koa no malaza lavitra kokoa noho ny an'ny fête des pères"!
efa mitady ho voatsindry mantsy dia malaky matahotra ô!
(vehivavy)
16. xxx ( 13/10/2003 16:47)
Iza ireo vehivavy miditra @ resa-dehilahy ireo e?
17. xxx ( 15/10/2003 19:24)
izahay fa iza indray!
angaha koa ianareo tsy misy miditra @ resa-behivavy?!

tsy azo atao tsinontsinona intsony leity ny vehivavy a!
taloha izany, raha tsy faly manaova zipo koa e!
18. xxx ( 05/11/2003 14:59)
@ aona ary, manaova zipo am aona ary.

Zay nge tsy mpangala tahaka otranareo joba reo e
19. xxx ( 05/11/2003 19:23)
ny aza mba sendra ny lehilahy kanosa sy kely aina
20. oupsyyy ( 06/11/2003 18:09)
Zay ndray no tena gravy kle!!!!!!
Mifototra am ela daolo zany ny haratsina rehatra an.
Fa misy bajo mirevy kofy kanosa a!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3273