FANEKENA TALOHA SY NY FANEKENA VAOVAO

1. RBNIR ( 31/01/2015 01:03)
Faly misera hatrany ry namana isany,

Fampitahana :
Ao amin'ny y fanekena vaovao dia
1- ny fitoerana masina (na tabernakely) dia tsy natao tanana fa nataon'Andriamanitra Heb.8:2 ary tsy ety an-tany fa any an-danitra Heb.9:24
2- Tsy biby (zanak'ondry) intsony no atao fanatria fa ny tenany Jao.1:29
3- Tsy ràm-biby intsony no nampiasaina fa ny ràn'i Jesosy ary tsy aterina isan'andro na isan-taona intsony fa aterina indray mandeha ihany Heb.9:11,12
4- Tsy mila mpanalalana intsony fa Izy no mpanalalana ho an'ny maro ary mahavonjy izay rehetra manatona Azy 1 Tim.2:5) sy Heb.7:23-25
5- Ny ràm-biby tsy mahaisotra ny ota Heb.10:4 fa ny ràn'i Jesosy no mahaisotra ny ota 1 Jao.3:5 sy Tit.2:14

Dia isay aloha fa alefan-tsika tsikelikely mba tsy handreraka ny famakiana azy ary hotohizana raha sitrapon'ny Tompo....

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
novalian'i RBNIR ny 01/06/2017 05:18
2. RBNIR ( 31/01/2015 02:03)
Ilay teboka faha dimy etsy ambony no tena zava-dehibe ao amin'ny fanekena vaovao:
5- Ny ràm-biby tsy mahaisotra ny ota Heb.10:4 fa ny ràn'i Jesosy no mahaisotra ny ota 1 Jao.3:5 sy Tit.2:14
Fa inona moa ny atao hoe ota? 1 Jao.3 : 4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
Fandikana ny lalàna no atao hoe ota. Izay mandika ny lalàn'Andriamanitra no atao hoe manota

Maninona ny ota?
1- Manandevo ny ota Rom.7:14
2- Rehefa andevo dia tsy manan-tsafidy fa izay tian'ny tompony (izay tian'ilay ota) no ataony ka na dia manana fikasana tsara aza ilay olona hanao ny tsara dia tsy afaka manantanteraka izany Rom.7:15-21
3- Araka izany dia tsy ny lalàn'Andriamanitra akory no ratsy fa ilay ota Rom7:21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho [Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina] , dia ato amiko ihany ny ratsy (ilay ota io ratsy io).

Hitan'Andriamanitra fa nijaly ny olona tao amin'ny fanekena taloha satria "te hanao ny tsara" izireo nefa tsy afaka fa andevon'ny ota hatrany ka izay no antony voalohany nanaovany ny fanekena vaovao : mila Rà vaovao (Ràn'i Jesosy) hanesorana ny ota ao anatin'ny olona mba ho afaka hanao ny tsara amin'izay ny olona.

Tsy izay ihany no nataon'Andriamanitra fa hotohizana indray raha sitrapon'ny Tompo ry namana......
3. sitlo ( 31/01/2015 03:38)
Zazakely aza lazain'ny kristianina fa mpanota.

1- Manandevo ny ota

-> ny zazakely izany andevo
4. rhaj0 ( 31/01/2015 14:32)
Mahatsikaiky ilay "fanekena taloha" sy "fanekena vaovao".. Dia hita(ko) mihintsy fa tsy nety ny raorao noforonin'ilay (na ireo) olombe "taloha", ary dia nila novain'ireo olombe "taty aoriana", ary dia natao miraondraona hoe "vaovao", ampanarahina "lozika" makotrokotroka...
...Dia "mino" tokoany ny mpanaraka azy...

Dia izany koa no nianarana dia nampiharan'i pasitera-(vilam-bava) t@ AKFM na koa ry MFM. Teo izy marksista dia nony "vaovao" izy toa lasa liberaly, nefa zavatra mifanipaka be ireo, fa dia nampanarahina kabary makotrokotroka...
...Dia "mino" tokoany ny mpanaraka azy...

F'angaha tsy eternel ary marina hatr@ alfa ka h@ omega ilay revy e ? tsy nofa be ve raha hoe, an an... kay "diso" nony tatsy @ beta sy gamma ny versio, fa manomboka epsilon dia izay vao "tena izy", vaovao ary tena izy. Amiko izany dia misy "malhonnetete intellectuelle": \
...rehefa "diso" ianao dia tsory...
5. rhaj0 ( 31/01/2015 15:35)
[size=8] Hozy ny A.tro hoe, tena novainy hono ny contrat, fa nivoatra ny monde des zafera, ka dia misy izany hoe "fanekena vaovao". Ary dia hitako ery ato @ imagination-ko ato izao, fa izay mbola kentrina sy dondrona ka mbola manaraka ilay contrat tonta izao, dia ho any ny tranony, any @ tanana tonta sy konka any, fa tsy mba hipetraka @ ilay villa manjopika misy perla sy jaspa ary miora rahatrizay (ka nivoatra ny monde des zafera)[/i][/size]
6. RBNIR ( 31/01/2015 17:19)

sitlo:

Zazakely aza lazain'ny kristianina fa mpanota.

1- Manandevo ny ota

-> ny zazakely izany andevo

Faly misera ry namana,
Marina mihitsy izany ary tao amin'ny sahan'i Edena no nidiran'ny ota (fandikan-dalàna) voalohany,
Avy eo dia lasa héréditaire ilay izy « Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Rom.5:12)

Io no porofo fa nandova ota ny olona rehetra na dia ny zaza aza satria matoa "maty" dia nanota izay.

7. RBNIR ( 31/01/2015 17:35)
Hotohizako ny fanazavana ary mety hiafara hatramin'ny fampahafantarana ny olona ny dikan'ny hoe "AMBANY LALANA " sy dikan'ny hoe AMBANY FAHASOAVANA izy ity....
Araka ny fanazavana tery ambony dia "nisy tsiny ilay fanekena teo aloha" Heb.8:7ny tsiny dia ny ràm-biby tsy nahavita nanaisotra ny ota.
Vokatr'izay tsy vitan'ny olona ny manantateraka ny sitrapon'Andriamanitra satria nandevozin'ilay ota izireo.....
Vahaolana voalohany hitan'Andriamanitra dia ny fanesora ilay ota mba ho afaka amin'ny fanandevozana ny olona.
Voalohany hoy aho satria tsy izay ihany no vahaolana nentin'ny fanekena vaovao.....
8. RBNIR ( 31/01/2015 18:30)
Inona koa no niova tao amin'ny fanekena vaovao? Vakio ato heb.8:7-13

fanekena vaovao : hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

Ilay lalàna "novakiana sy norenesina" tety ivelany lasa ataony ao an-tsaina ary soratany ao am-po. Novonoina ilay sora-tanana tety ivelany kol.2:14 fa nosoratany kosa ho ao am-pon'ny olona

Ahoana no hanantanterahany an'izany?

Eze.36:25-27 25 Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
26 Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo.
27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
Omeny ny olona "ny fahasoavany" dia ny Fanahiny izay hahatonga ny olona handeha araka ny lalàny sy hitandrina ny fitsipikany.......

Io Fanahiny io no ilay fanomezana (fahasoavana) nampanantenaina ny olona Asa.10:45....
9. RBNIR ( 31/01/2015 18:50)
Eto dia efa afaka manatsoaka ny hoe ambany lalàna sy ambany fahasoavana isika.

Ambany lalàna (ny ota mbola ao anatin'ilay olona). Ilay soratanana (lalàna) ety ivelan'ny olona no mifehy ny fianinany. Miady amin'ny herin'ny tenany ilay olona mba ahafahana manantanteraka ny sitrapon'Andriamanitra, nefa na manana fikasana tsara aza izy dia tsy tanteraka mihitsy satria "andevozin'ilay ota ao anatiny ao".

Ambany fahasoavana: nafahana tamin'ny ota (nesorina ny ota tao aminy) madio ny tranony milatsaka ny fahasoavana dia ny Fanahy Masina izay manova azy handeha araka ny lalàn'Andriamanitra sy hitandriana ny fitsipikany lasa mpanompon'ny fahamarinana(mahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra) satria tsy andevozin'ny ota intsony « ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. » (Rom.6:18)......
10. RBNIR ( 31/01/2015 18:57)
Efa mba mazava ngamba izay,

Fanekena taloha,
1- lalàna nosoratana sy novakiana tety ivelan'ny olona
2- Ny ota ao anatiny
3- Andevozin'ny ota tsy mahay manao ny tsara

Fanekena vaovao,
1 Nesorina ny ota
2- Nilatsaka ny fahasoavana (Fanahy Masina) dia nosoratana ao am-pony ny lalàna fa tsy ety ivelany intsony ary novonoina ilay soratanana tety ivelany)
3 -Lasa mpanompon'ny fahamarinana mahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra.

11. RBNIR ( 31/01/2015 21:50)
Hodinganiko kely amin'izay.....
Hoy aho hoe tsy kitoatoa ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra fa tena misy ny point de départ ary misy ny arrivée, otran'izao ny fipetrany :

Depart......................Chemin.................................>Arrivée
1- Nofo -------------------------------------------------------------> fanahy
2- Misy ota ---------------------------------------------------------> Tsisy ota + Mandray ny Fanahy Masina
3- Andevon'ny ota-------------------------------------------------> Mpanompon'ny fahamarinana
4- Zanaky ny devoly-----------------------------------------------> Zanak'Andriamanitra
5- Tsy mahazo mandova-------------------------------------------> Mpandova
6- Afobe---------------------------------------------------------------> Fanjakan'ny Lanitra
7- Hahita sy hijaly miaraka amin'ny devoly------------------->Hahita sy hiaramonina amin'Andriamanitra

Ny 1 ;2;3; efa saika nomena teo ny toko sy andininy
Ny 4 kosa Jaona 8:44 sy gal.4:6
Ny 5 1 Kor.15:50 sy Rom.8:17
Ny 6,7 Mat.25:41 sy Mat.25:34 ary Apok.22:3.4

Mba hahatongavanao amin'ilay arrivée dia misy ny làlana (chemin) tsy maintsy hizorana...

Iny no hanentanako anao hanaraka an'ilay fandaharana Vitao ny asan'ny Fahamarinana Jereo ato

Koa dia manasa anao ary hanaraka izany fandaharana izany....

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
12. rhaj0 ( 31/01/2015 21:50)
Ka tsy efa "fivavahana" VAOVAO ary SAMY HAFA @ ilay originel ve izany ry RBNIR a ?

Tsy hoe "ny tonta no avadibadika" io, fa misy fiovana sy faha-samy hafana lehibe tokoany. Ianao RBNIR ihany no manipika an'izany.
13. RBNIR ( 31/01/2015 22:15)
rhaj0:

Ka tsy efa "fivavahana" VAOVAO ary SAMY HAFA @ ilay originel ve izany ry RBNIR a ?
Tsy hoe "ny tonta no avadibadika" io, fa misy fiovana sy faha-samy hafana lehibe tokoany. Ianao RBNIR ihany no manipika an'izany.

Faly misera namana,
Ilay lalàna teo aloha ihany saingy tsy ilay soratra ivelany intsony fa efa soratana ao anaty.

Ny fariseo (miaina ao amin'ny fanekena taloha) dia nahazo kiana tamin'i Jesosy fa hoe fasana voalalotra fotsy Mat.23:27 fahamarinana ivelany fotsiny...

Ny an'i Jesosy diovina tsara aloha ny ao anaty dia hita hoazy ety ivelany ilay fahamarinana
Ilay lalàna lasa toetra sy fiainana tiana fa tsy vokatry ny fanerena......

TIAKO ARY FIAINAKO NY MANAO NY TSARA FA TSY TERENA AHO VAO HAHALALA HANAO NY TSARA
IZAHO TSY MPIJANGAJANGA FA TSY HOE RARANA AHO VAO TSY HIJANGAJANGA
IZAHO TSY MPANGALATRA FA TSY HOE RARANA AHO VAO TSY HANGALATRA....
SNS......
OLONA VAOVAO MPANOMPON'NY FAHAMARINANA.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
14. RBNIR ( 01/02/2015 03:41)
Faly misera hatrany ry namana isany,
Rehefa tonga amin'io tanjona io ny olona iray dia tanteraka aminy amin'izay ity teny ity:
Mat.11 : 30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
1- Mora satria lasa fiainany ilay manao ny tsara fa tsy hoe terena intsony izy hanao ny tsara
2- Mora satria efa nomena fahasoavana izy hanampy azy (nesorina maimaipoana ilay ota tsy nahafahany nanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra nomena hery izy avy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ho tonga zanak'Andriamanitra) Jao.1:12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

Ary feno fifaliana Gal.5 : 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
Feno fifaliana satria lasa manana fiainana mitovy amin'i Kristy satria rehefa lasa ilay OTA dia ilay Fanahy Masina (izay tsy IZA ny Tompo ihany 2 Kor.3:17) no velona ao anaty ary lasa ilay olona ara-nofo teo aloha Gal.2 : 20 Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
Ny olona tonga amin'izany toerana izany no manana ny Fiainana mandrakizay (na ny fanjakan'Andriamanitra) : LIO.17/21
KRISTY no velona ato anatiko :
- Tsy mpijangajanga i kristy : izaho koa tsy mpijangajanga
- Tsy mpangalatra i kristy : izaho koa tsy mpangalatra
- Tsy mpandika Sabata Kristy : izaho koa tsy mpandika sabata...
- Tia olona i Kristy : izaho koa tia olona
- Sns......

AZA MBOLA MIORAKA ALOHA NA MANDRAY AMIN-KAFALIANA MBOLA MILA MANDEHA AMIN'ILAY LALANA (CHEMIN) ISIKA VAO HO TONGA ANY......JEREO ILAY FANDAHARANA.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA......

Samia ho tonga amin'ny fanjakan'Andriamanitra ry namana isany.....
15. endriny ( 01/02/2015 07:09)

RBNIR:


sitlo:

Zazakely aza lazain'ny kristianina fa mpanota.

1- Manandevo ny ota

-> ny zazakely izany andevo

Faly misera ry namana,
Marina mihitsy izany ary tao amin'ny sahan'i Edena no nidiran'ny ota (fandikan-dalàna) voalohany,
Avy eo dia lasa héréditaire ilay izy « Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Rom.5:12)

Io no porofo fa nandova ota ny olona rehetra na dia ny zaza aza satria matoa "maty" dia nanota izay.




Hono ho'a izany: Dia aiza amin'io ilay Atra dia Fitiavana ary be famindram-po? Ny olombelona mpanota aza mahalala ny hoe heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka... sa ity ilay Atra tsy manotosa sy mpanao fo lentika sanatria?
16. endriny ( 01/02/2015 07:30)
Faharoa: Raha tena mino izany atao hoe Atr'Isreaely izany ny Kristianina dia izao no voasoratra ao hoe: Atra tsy miova na anio na ho mandrakizay? Ka fanekena vaovao inona no nifanaovany taminao indray?

Tsy maninona fa efa miditra amin'ny boky fahatelo marina angamba isika izao a... Dia ilay hoe miandry ny fiverenany... Kenfa efa tamin'ny 2000 taona lasa no efa nirahiny hiambina ny rehetra fa ho avy tsy ho ela izy... Sa io koa ilay hoe 1min @ tapitrisa taona amin'ny olombelona?

Dia efa miseho hono ny fanambarana ny fiafaran'ny tany sy ny faraandro fa miala any ilay bokin'ny fiomanana e... Dia efa lmanomboka ovaina tsikelikely ny baiboly sy ny finoana azy...

rehefa kelikely izao ao amin'ny Genesisy hisy hoe. Ary indro ny rajako fa nanitsam-bolo, ary nihafohy ny rambony ka tonga olomp-belona... Satria efa mino ny evolution izao ny kristianina araka ny fanekena nataon'i Fransoa...
17. RBNIR ( 01/02/2015 19:52)

endriny:

Hono ho'a izany: Dia aiza amin'io ilay Atra dia Fitiavana ary be famindram-po? Ny olombelona mpanota aza mahalala ny hoe heloky ny Ray tsy heloky ny zanaka... sa ity ilay Atra tsy manotosa sy mpanao fo lentika sanatria?

Faly misera namana,

Jao.3:16 Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

1 Jao.3:16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
18. Strong3 ( 02/02/2015 06:57)
:-) finaritra ôh!
Hay ve ka Fitao ny asan'ny fahamarinana eh! hihihi __ aty amin'ny taonjato faha 21 vao hita ny marina ary i Pasteur Herinirna no tompon'ny laklé.

Mahatsiaro ilay tao amin'ny saha edena aho mamaky ity famelabelarana ity namana RBNIR

° Mba ataovy tonga any amin'ilay hoe " didy vaovao no omeko anareo " « Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. » (Hebreo 7:12) __ hoe izy io ahazahoako azy tsara._ hatreto aloha dia misy nuance be ka mifangaro amin'ny tena marina ; saingy efa hitako ny chemin hitondranao azy. (mitady ahay ka hihihih)

19. RBNIR ( 02/02/2015 07:31)
Strong3:

:-) finaritra ôh!
Hay ve ka Fitao ny asan'ny fahamarinana eh! hihihi __ aty amin'ny taonjato faha 21 vao hita ny marina ary i Pasteur Herinirna no tompon'ny laklé.

Mahatsiaro ilay tao amin'ny saha edena aho mamaky ity famelabelarana ity namana RBNIR

° Mba ataovy tonga any amin'ilay hoe " didy vaovao no omeko anareo " « Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. » (Hebreo 7:12) __ hoe izy io ahazahoako azy tsara._ hatreto aloha dia misy nuance be ka mifangaro amin'ny tena marina ; saingy efa hitako ny chemin hitondranao azy. (mitady ahay ka hihihih)

Faly misera namana,

Io nozaraiko io no marina!
Faly aho raha mino ny olona, tsy voatery kosa anefa hino ny rehetra.
Mampalahelo anefa izany.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
20. Strong3 ( 02/02/2015 08:09)

RBNIR:

Strong3:

:-) finaritra ôh!
Hay ve ka Fitao ny asan'ny fahamarinana eh! hihihi __ aty amin'ny taonjato faha 21 vao hita ny marina ary i Pasteur Herinirna no tompon'ny laklé.

Mahatsiaro ilay tao amin'ny saha edena aho mamaky ity famelabelarana ity namana RBNIR

° Mba ataovy tonga any amin'ilay hoe " didy vaovao no omeko anareo " « Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. » (Hebreo 7:12) __ hoe izy io ahazahoako azy tsara._ hatreto aloha dia misy nuance be ka mifangaro amin'ny tena marina ; saingy efa hitako ny chemin hitondranao azy. (mitady ahay ka hihihih)

Faly misera namana,

Io nozaraiko io no marina!
Faly aho raha mino ny olona, tsy voatery kosa anefa hino ny rehetra.
Mampalahelo anefa izany.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana,


:-) misy fanotaniana mila valiny io ka asa raha mba afaka valian'isé ihany.

Raha io tokoa moa no marina dia hoy ny soratra; ninia tsy nijery ny andron'ny tsy fahalalana Izy.
Sambatra izay tsy nahalala angamba. nefa tsy sambatra izy fa tsaraina amin'ny tsy fahalalany. Indrisy mahonena izany; miangatra angamba Atra tsy nampahalala mialoha ireo mpivavaka nandrindra izay 2000 taona izay fa rehefa tonga ny lehilahy iray izay aty amin'ny taon-jato faha 21 vao hita ny marina.
oz le athée izay hoe cruel atra !!! __
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2056