kristianina sy famelankeloka

1. rvando ( 26/05/2016 09:14)
mis fetra v ny famelankeloka za mants nanana namana tena nanao ts net tamiko d ts met mamela az mits
novalian'i rhaj0 ny 17/06/2016 12:23
2. rhaj0 ( 27/05/2016 00:26)
Ts'haiko aloha n'ena(re)o Kristiana, ka hoe "mamela heloka" dia tonga dia voafafa izany ilay "heloka".. (??) tsisy hoe naninona sy nisy inona, fa toa izay ny baikom-pitolomana dia izay no atao izany... Raha mety @ izany moa ny saina(re)o (tsy) tia karokaroka, dia izay izany.

Fa @ fiainana, raha izaho manokana aloha, dia misy firosoana anankiroa no an-dohako:

1- ezaho jerena ny point de vue-n'ny andaniny.. Ohatra hoe, nohoaran'ilay fiara ianao, ary saika nisy lozam-piarakodia; raha iny ianao no tezitrabe, dia hanenjika azy, nefa kay, raha fantatrao ny point de vue an'ilay nihoatra anao teo, mety hoe, hamonjy hopitaly izy fa marary mafy ny zanany, dia mba ahoana ???

2- dia tsisy tonga lafatra koa anie eee.. izy manao tsy mety, ianao koa (tsindraidray).. ianao mety tezitra, izy koa...

3- malaza ilay hoe "don't sweat the small stuff, it's all small stuff".. izany hoe, aza tezitezi-poana @ zavatra kely, fa zavatra kely daholo ihany no misy.. na hoe, rahefa atao ny kaonty, dia TSY mahafaty akoriny izay teo, fa ianao koa no tezitezi-poana eo..

Fanefa moa, raha tena "big stuff" indray ilay izy, hoy ianao, dia ... asa ahoana ny habeany tao, fa ento any @ FItsarana eee... na anaovy carte sur table ao... na dia tapaho izany ny fihavanana, k'inona moa.. rahefa zavatra tsy @ controle-nao, ary ianao tsy mihevitra ny hi-controle azy, dia adabohy sy hialao na alaviro izany, f'inona moa....
3. endriny ( 27/05/2016 05:52)
Io izany dia ohatra ahy mivonto fo fotsiny amin'ny mpivavaka sy ny mpanao politika e. Izaho ihany no harary eto fa ry zareo aza vao maika faly @ hoe : sambatra izay enjehina...
4. rvando ( 27/05/2016 14:19)
misotr reto fa efa miezak iany za sad ef nifampireska zahay fa ten mbola malaelo lo zae nef c mieu pr moi d mangina fa iz ts met miaiky fahadison mits vavaka no ataokw btsk satri ts ahy famalian fa an Atra irer iany sa ts zan
5. endriny ( 27/05/2016 14:33)
Sarotra be indray aloha raha ilay olona tsy miaiky ny hadisoany mihintsy dia ianao indray no hanaka-dresaka aminy e... lasa tonga dia mametraka ambany anao ianao, ary ilay olona nanao hadisoana amin'io vao maika afaka midehaka. Ka amin'ny manaraka aza mety mbola hanao hadisoana mitovy amin'io izy na mihoatra noho io aza, dia ianao foana ny diso.

Hoy ny Malagasy : "Vero notaingenam-pody tsy folaka fa mandefitra", saingy hoy ihany koa izy: "Zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana", ary farany ny hoe: "Na amboko namboan'olona rehefa vandana dia kary"

Ireo dia afaka hitarafana ny hoe: "Misy fetrany ny fandeferana"

Fa io arakarak'ilay haben'ny hadisoana kosa aloha.

Misy Mme izao nahatratra ny vadiny nampiaraka tamin'ny Rtoa, naman'ilay Mme ihany, Ilay Mme sy ny vadiny tsy nisaraka akory, fa ilay Rtoa sy ilay Ramoseny no nisaraka. Ka amin'izao dia hitanay hoe manana fahasiranana ireo ankizy noho I Rtoa sy Ramoseny nisaraka, satria ilay ankizy koa voatery niraka trano kanefa mpiray tampo...
6. RBNIR ( 30/05/2016 09:55)

rvando:

mis fetra v ny famelankeloka za mants nanana namana tena nanao ts net tamiko d ts met mamela az mits

Salama,
Mianara an'i Jesosy namana a!
Izy nampianatra toy izao « Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. » (Lio.23:34)

Olona nandatsa, naneso, nikapoka, nampijaly ary namono Azy mihitsy ireo nangatahany famelankeloka tamin'ny Rainy ireo...

Ny mpianany dia nianatra toy izany koa « Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. » (Asa.7:59)
« Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. » (Asa.7:60)

Ho an'ny olona mikatsaka marina ny fiainana mandrakizay dia tena zava-dehibe marina tokoa ny famelankeloka...

« Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] » (Mat.6:12)
« Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena] » (Mat.6:13)
« Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Mat.6:14)
7. rhaj0 ( 30/05/2016 14:03)
RBNIR:
Olona nandatsa, naneso, nikapoka, nampijaly ary namono Azy mihitsy ireo nangatahany famelankeloka tamin'ny Rainy ireo...

Dia eto koa ve izany, dia io ve..


1- dia raisinao ara-baki-teny, ary abosesikao ho raisin'ny zanakao ohatra, ara-baki-teny, ka dia n'inon'inona atao aminareo, dia "mivavaka be" (bontolo be) ao fotsiny ianareo?? (idealement).

Nisy famabahana iadian-kevitra hitako fony aho mbola kely, ka dia samia azany mijery ny pour/contre @ ity :
"Etre bon avec les mechants, c'est etre sot"


2- sa ve ho'a, raisinao ho INSPIRATION fotsiny ireo tantara (angano), fa dia rahefa miatrika ny zava-misy ao ianao, dia toa an'i Obama, dia mamakafaka ny pisikolozia/sosiolozia/siansa/soatoavin'nyTaona2000/didyAman-Dalanan'nyTaona2000/...
8. RBNIR ( 01/06/2016 05:21)
« Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. » (Apok.22:7)

Mila tandremana ilay teny fa tsy inoana sy henoina fotsiny.....
9. rhaj0 ( 01/06/2016 17:12)
RBNIR:
sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. » (Apok.22:7)

Sampona koa izy izany... manao faminaniana hono izany ilery, dia ampiany ao @ faminaniany hoe, "sambatra" izay mino ny faminaniako.

HIta mihintsy hoe amatera de l'an zero, dia te-ho vedette be ilery izany. Ntssss... i Nostradamus azany rahefa nanao ny faminaniany, angaha izay mba miteny toa izany hoe, izay mino ahy dia tena raitra toa ahy..

Dia te-ho raitra koa moa ry RBNIR l'insécure, ka dia ... "mino mba ho raitra" eeee...
10. rvando ( 02/06/2016 11:11)
voaray ny hafatra fa tena sambatra zay voavela heloka tena mis fiatraikany b mitsy eo @ fiainana ny fahaizana mamela heloka ts mis manavesatra tson feno fifaliana mandrakariva fiainana andramo fa ten tsara an
11. RBNIR ( 02/06/2016 12:21)
rvando:

voaray ny hafatra fa tena sambatra zay voavela heloka tena mis fiatraikany b mitsy eo @ fiainana ny fahaizana mamela heloka ts mis manavesatra tson feno fifaliana mandrakariva fiainana andramo fa ten tsara an

Mahafinaritra rehefa afaka ny mavesatra rvando......
12. rhaj0 ( 02/06/2016 12:46)
"Etre bon avec les mechants, c'est etre sot"

hozy Ralarosy:

Etre bon = Qui a de la générosité, de la bienveillance, est porté à faire le bien

les mechants = Qui fait intentionnellement du mal à autrui, qui cherche à nuire

etre sot = Qui dénote une absence d'esprit, de jugement


Ka dia ahoana izany...
13. fredkwel ( 02/06/2016 15:16)
Ny olun miaik n hadisuan ne avela heloka e,sartr b manku
14. rhaj0 ( 02/06/2016 18:58)
fredkwel:
Ny olun miaik n hadisuan ne avela heloka e,sartr b manku


i Jesosy en personne ve, rahefa mamela heloka, dia izay olona "miaiky ny hadisoany" ihany no avelany heloka ??

Ohatra hoe, ilay tary teo ankavanany teny @ hazo fijaliana ve "niaiky ny hadisoany" ???


Raha ny fahazoako azy dia:
- TSY "niaiky ny hadisoany" ilay tary teo ankavanana (toa mpangalatra izy teo)
- fa kosa, "niaiky an'i Jesosy"

ka rahefa "niaiky an'i Jesosy" ilery, dia ... voavela heloka, ary nentin'i JEsosy niaraka aminy tany Paradisa.


Io ho'a ilay hotry ny noresahina in-1 mandeha hoe, "manao faminaniana" ilaiaka, dia ampiany ho, "sambatra izay mino ny faminaniako".


Ka raha fehezina izany ny revin-dRakrisy, dia rahefa "manao culte" aminy fotsiny ianao dia avotra ee...

Dia izany ihany no nianaran'izao hendry sy adala teto an-tany rehetra izao. Culte de la personnalité. Dia rahefa midera an'ilay debabe fotsiny ianao dia efa ameny lakile ee...
15. fredkwel ( 03/06/2016 05:24)
Ny olona miaiky n rats nataon ho'ah n avela helok.Ny teo ankavi nu niaiky fa ny rarin iz ra hombohan am'hazo nuho ny rats vitan,f n teo ankavanan ts niaik f nanume tsin nj1 az we ts enw va n kristy.Dia tsy aiko ry C ny tianao ho tenenina anah.
16. RBNIR ( 03/06/2016 06:22)

fredkwel:

Ny olona miaiky n rats nataon ho'ah n avela helok.Ny teo ankavi nu niaiky fa ny rarin iz ra hombohan am'hazo nuho ny rats vitan,f n teo ankavanan ts niaik f nanume tsin nj1 az we ts enw va n kristy.Dia tsy aiko ry C ny tianao ho tenenina anah.

Dia ahoana izany ireto olona navelan'i Jesosy heloka ireto???
« Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. » (Lio.23:34)

Ireo olona nampijaly sy namono Azy ireo nangatahany famelan-keloka tamin'ny Rainy ireo....

Ireo mpianany koa nianatra toy izany...Stefana....
« Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. » (Asa.7:59)
« Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. » (Asa.7:60)

Fredkwell, mila miditra amin'ilay tsy misy kilema isika fa tsy mijanona eo amin'io toerana misy anao io....

Mila manahaka Azy....« Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Mat.5:48)


« Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. » (Mat.5:43)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, » (Mat.5:44)
« mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. » (Mat.5:45)
« Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? » (Mat.5:46)
« Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? » (Mat.5:47)

Tsy misy olona afaka hitia fahavalo izany raha tsy avelany aloha ny helony (ny ankoatran'izay mpihatsaravelatsy......

Koa mirosoa amin'ny tsy misy kilema mba hitovizanao Aminy namana.....Aoka ho tanteraka ianareo hoy ny teniny.....mba ho tonga Zanany marina ianao....
IZY na dia tsy tian'ny sasany aza dia TIANY FOANA ireo....

« mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. » (Mat.5:45)

Aoka ho tanteraka isika mba ho tonga Zanak'Andriamanitra marina tokoa!!!
17. fredkwel ( 03/06/2016 07:04)
Henoy kely fotsin ar aho:ireo teninareo dia fantako fa nalain tao amin'ny bibl dhl,nef namaky ftsn enao f ts dinihanao,Jesosy dia mpamela heloka(Liok 7:48),ka a0n nd1 ar iz no mangatak am'Ray we "mamelA n helon "?Fa tsy tonga dia navelan teo no eo?En plus,aorian'ilay tenin'iJes0s hoe mamelA ny helony,mis teny milaz v eo hoe voavela helok reo namono az ireo?C à D,tonga any andanitra ve reo olona reo satri voavel ny helun(salamo 32:01)?De jereo kou ty e:Liok 17 :03-04, TSARA ampifandraisanao anie ny tenin'Atr rehtr.

Ny amin'Stefana nj1:i Saoly(na kou we Paoly)irery ihan no nibebak tamin'ireo olun rehetr namono an'i Stephan ireo ka iz irer nu voavonjy fa nifady hanin 3andro iz.Fa na dia nangataka az i Stefan we az isain ho helony anie izao: dia fangatahan fotsin nen'i stephan teo ,sa enw ve manao hoe tsy tong an am'n helo zan reo olun reo?

Dia raiso koa ty: ASA 02:38: MIBEBAHA ar aok sam atao batis amn'n anaran'i JKT mb HAHAZO FAMELANA ny helokareo

Mazava be zan fa ny mibebk n mahazo famelan.Misaotra tompoko
18. RBNIR ( 03/06/2016 07:49)
fredkwel:

C à D,tonga any andanitra ve reo olona reo satri voavel ny helun(salamo 32:01)?De jereo kou ty e:Liok 17 :03-04, TSARA ampifandraisanao anie ny tenin'Atr rehtr.

Ny amin'Stefana nj1:i Saoly(na kou we Paoly)irery ihan no nibebak tamin'ireo olun rehetr namono an'i Stephan ireo ka iz irer nu voavonjy fa nifady hanin 3andro iz.Fa na dia nangataka az i Stefan we az isain ho helony anie izao: dia fangatahan fotsin nen'i stephan teo ,sa enw ve manao hoe tsy tong an am'n helo zan reo olun reo?

Ny fangatahana dia nataon'i Jesosy sy Stefana tamin'Andriamanitra, any amin'ny farany isika no hahafantatra na ho very marina izy ireo na tsia (satria tsy hisy hahafantatra an'izany afats'IZY IRERY ihany....

Mbola tsy tonga any isika izao fa ny takiany amin-tsika dia ny ho tahaka Azy (tanteraka - Mitia ny olona rehetra tsy ankanavaka....)

Raha tsy mamela heloka nefa dia tsy afaka ny hitia ihany koa....
19. RBNIR ( 03/06/2016 07:57)
Ny tsy fantantsika anie fredkwel dia hoe rehefa nisaraka teo ireo olona ireo (rehefa nandao an'i Jesosy sy stefana teo amin'ny fahafatesany) , nisy nibebaka v sa tsia??? i petera ihany no fantatra fa nandà dia niverina (ary dia norasin'Andriamanitra ny fibebahany)... Fa izireo mbola tsy fantatra, sa efa fantatrao???
20. RBNIR ( 03/06/2016 07:58)
Na izany aza, dia aza dia manenjika kristiainina ry zalahy sasany fa i paoly ange rehefa niverina ka nitondra ny mavesatra e!!! Sao hisy hihevitra fa azo atao ny misangy sangy an'ity fivavahana ity....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3201