Ny Anjely aza mba Niarahaba Azy koa

1. andry2013 ( 05/02/2013 04:26)
Matetika dia tsy azon’ny olona sasany loatra ilay hoe “Arahaba ry Maria” fanaon’ny kristianina katolika , mety misy mihitsy aza no mihevitra fa tsy manana fototra ara-baiboly izy io, azo lazaina anefa fo toa diso hevitra ihany izy ireo. Toy izao ilay Fiarahabana an’i Masina Maria arahin’ny Fangatahana Vavaka aminy

Arahaba ry Maria, feno hasoavana.
Ny Tompo ao aminao.
Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao.
Masina Maria, Renin'Andriamanitra,
Mivavaha ho anay mpanota.
Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay

Ireo teny Voalohany dia Avy amin’ilay Fiarahaban’ny Anjely Gabriely

"Nirahin'Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin'ny Virjiny anankiray fofom-badin'ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak'i Davida, ary ny anaran'ilay Virjiny dia Maria. ry nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao." (Lioka 1, 26-28)

Ireo Teny sasany indray dia avy amin’ny tenin’i Mb Elizabeta rehefa Feno Ny Fanahy masina izy

“Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. avy aiza amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren'ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tao an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminy! (Lioka 1, 41-45)

Ary hoy koa i Maria

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, 48fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, 50sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.” (Lioka 1, 46-49)

Ny Asan"i Maria ao amin’ny Fiangonana dia efa Voavinany hatrany amin'ny Testamenta Taloha : Izy no voatokana ho renin'i Kristy lohan'ny Fiangonana sy ho Renin'ny Fiangonana Vatan'i Kristy . Izy ilay endrika halain'Israely Tahaka ho Renin'ny Zanak'Andriamanitra rehetra

"Ary hianao, ry Betleema Efrata, kely tsy tokony ho isan'ireo arivon'i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin'Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin'ny andro fahagola, hatramin'ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an'ireny izy mandra-pihavin'ny fotoana hiterahan'ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin'ireo rahalahiny dia hiverina amin'ny zanak'Israely.
(Mikea 5, 1-2)

Izy koa ilay endriky ny Fiaran’ny Fanekena Vavao izay endrika Halain'ny Fiangoanana Tahaka ho Renin'ny Zanak'Andriamanitra rehetra araka voalazan’ny Bokin’ny Fanabarana

" Dia novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin'ny tempoliny ny fiaran'ny fanekena; ary nisy tselatra sy tabataba ary kotro-baratra sy horohoron-tany mbamin'ny havandra vaventy

Nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin'ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany. Bevohoka izy, sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany. Nofinaokany tamin'ny rambony ny ampahatelon'ny kitan'ny lanitra ka nazerany tamin'ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka. Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin'ny tsora-by, ka nakarina ho any amin'Andriamanitra eo anilan'ny seza fiandrianany. Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an'efitra, fa any no nanamboaran'Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enim-polo amby roan-jato sy arivo andro.
Ary nisy ady tany an-danitra: Misely sy ny anjeliny moa niady tamin'ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, 8fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony; 9ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin'ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy...." (Apokalipsa na Fanambarana 11,19 sy 12)

I Jesoa mihitsy moa no nanamafy tokoa ny Asan’I Maria ao amin’ny Fiombonan’ny Olomasina raha nanome azy ho Renin’ny Mpianatra Malalany

“Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.” (Joany 19, 26-27)

Ireo Olomasina Malaza sy Lehibe Hatrany amin'ny Fiandohan'ny Fiangonana dia nanana Fanajana Manokana an'i Masina Maria sy Tena zanany nanarakaraka an'i Jesoa Tokoa ary nisy mihitsy aza moa ireo nisehoany nivantana.
novalian'i Nehemiah ny 26/02/2013 05:51
2. andry2013 ( 05/02/2013 04:32)

andry2013:

Ary hoy koa i Maria

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, 48fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, 50sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.” (Lioka 1, 46-49)

Nisy diso kely teto: Lioka 1, 46-50 ilay izy fa tsy 46-49 fotsiny akory.
3. Nehemiah ( 05/02/2013 06:56)
Mety efa niteny an'izay aho, fa ny dikan'ny Lk. 1:28 dia "ianao izay nomen'[Andriamanitra] fahasoavana".
4. didi10 ( 05/02/2013 07:11)
Fanontaniana tokana no apetrako amin'i Andry!

Aiza ao amin'ny Baiboly i Jesosy no "ni-reconnaitre" fa reniny i Maria?

5. smileyah ( 05/02/2013 08:07)

didi10:

Fanontaniana tokana no apetrako amin'i Andry!

Aiza ao amin'ny Baiboly i Jesosy no "ni-reconnaitre" fa reniny i Maria?

Aminao inona no hiantsoana ny vehivavy niteraka anao? Sa ianao tsy mino fa i Jesoa Kristy dia tena olombelona ary tena Andriamanitra? Noho izany niaina tahaka ny olombelona. Ka amin'ny fo tsy miangatra,ho nantsoin'i Jesoa tamin'ny fomba ahoana i Masina Maria niteraka azy? Sa heverinao fa tsy mba manampitiavana Andriamanitra sanatrian'izany?
6. didi10 ( 05/02/2013 08:35)

smileyah:

Aleo tonitony ihany aloha :-)

1. Jesosy very tao Jerosalema tamin'ny faha 12 taonany tamin'ny Paska
Lioka 2;48-51
48 Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao! 49 Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy hianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho? 50 Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy. 51 Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.

2- Fampakaram-bady tany Kana

4 Hoy Jesosy raminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao?

3- Jesosy nampianatra
Marka 3;33
Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao. 33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko? 34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko! 35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

4- Jesosy nifantsika teo amin'ny hazo fijaliana
Jaona 19;26
Ravehivavy, indro ny zanakao! 27 Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao!

Efa zavatra tsinjon'i Jesosy io Maria lasa ivavahana io, nampitoviany tamin'ny fitondrana ny mpianatra rehetra ny fitondrana an'i Maria fa tsy mba nindraindrainy satria reniny, io teny reny io aza dia tsy mba notononin'i Jesosy mihitsy satria na dia niteraka aza i Maria dia fantany ny niaviaNY fa tsy avy amin'i Maria fa avy amin'ilay Ray izay any an-danitra.

7. maranatha ( 05/02/2013 10:31)

andry2013:

Arahaba ry Maria, feno hasoavana.
Ny Tompo ao aminao.
Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao.
Masina Maria, Renin'Andriamanitra,
Mivavaha ho anay mpanota.
Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay

......

Ireo Olomasina Malaza sy Lehibe Hatrany amin'ny Fiandohan'ny Fiangonana dia nanana Fanajana Manokana an'i Masina Maria sy Tena zanany nanarakaraka an'i Jesoa Tokoa ary nisy mihitsy aza moa ireo nisehoany nivantana.

Mbola kely ihany no hitoeran"ny mazava aminareo;mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo.
I Maria dia fitaovana fotsiny ihany nanatanterahana ny drafim-panavotana. Ny reniko sy ny rahalahiko hoy ny Tompo dia izay manao ny sitrampon"ny Raiko izay any andanitra.
I Maria indray izao no ataon"ny sasany ho mpanalalana. Izay fampianarana diso tanteraka. Manao tsinotsinona ny drafimpanavotana nataon"ilay zanak" A/tra.

Fampianarana izay nampidirina tamin"ny andron"i CONSTATIN . I Maria dia olona masina mitovy amin"ny olona masina fotsiny ; mitovy amin"ireo mitandrina ny didin"/Atra sy mino an"i Tompo ohatr'ahy. Mbola ao ampasana izy miandry ny fananganana ny olona masina amin"ny maty .
Mivavaha mba hahery hianareo hiala amin"ireny mariky ny bibidia ireny.
8. smileyah ( 05/02/2013 14:06)

maranatha:

Moa raha niteny tamin'ilay jiolahy niara -nifantsika taminy i Jesoa hoe anio ihany dia hiaraka amiko any am-paradisa ianao dia mbola ao am-pasana ve izy? Ka raha i Maria Reniny aza izay tsy nanantsiny satria feno hasoavana ary ny Tompo ao aminy ve dia mbola ao am-pasana hatramin'izao?
Ary izay rehetra miteny hoe mivavaka amin'i Masina Maria na ny olomasina ny katolika dia manana fiheveran-diso satria Andriamanitra irery ihany no ivavahan'ny kristianina katolika.
Koa aoka re mba atsahatra ny fiheveran-diso e!
Ny kristianina katolika dia manaja ny renin'Andriamanitra ary mangataka fivavahana aminy. "Mivavaha ho anay mpanota". Ary raha misy koa tsy mino fa renin'Andriamanitra izy dia ity misy andininy any ho any milaza hoe :inona amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? Moa ve tsy ny Fanahy Masina no nampiteny an'i Elizabeta? Ka raha tsy i Jesoa no niteny mivantana dia ny Fanahiny kosa no nanambara.
Omena fanajana ilay renin'Andriamanitra satria na ny anjely aza niarahaba azy, ka raha mamerimberina ny fiarahaban'ny anjely ny kristianina manao hoe "arahaba ry ilay feno hasoavana ny Tompo ao aminao. Nosohavina noho ny vehivavy rehetra ianao", misy fahavetavetana eo imason'andriamanitra ve izany?
Mba efa nodinihinareo ve fa na ny anjely izay fanahy tonga lafatra aza tsy nitondra ny zanak'Andriamanitra? Koa toeram-boninahitra manao ahoana ity nomen'Andriamanitra an'i Maria ka tsy mendri-panajana ve izany? Izy ilay nanao "eny" tamin'ny teniny hoe "inty aho ankizivavin'ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao". Raha sanatria tsy nanaiky moa izy dia mba ho nanao ahoana re?
Tsy mendri-panajana ve izany?
Ary raha mangata-bavaka aminy ny kristianina manao hoe "mivavaha ho anay mpanota" misy fahavetavetana eo imason'Andriamanitra ve izany?
Isika samy mpanota aza mifampivavaka sy manao hoe mba mivavaha ho anay, mainka ve fa izy olomasina eo akaikin'Andriamanitra izay tsy mitsahatra midera sy mankalaza azy no tsy hohenoin'andriamanitra ny fitalahoany ho antsika? Ary raha nangataka tamin'i Jesoa izy fony tany @ fampakaram-bady tany Kana raha lany divay izy ireo,dia notanterahiNy ny fangatahany, moa ve amin'izao fotoana izao raha mangataka amin-janany izy ho an'ny mpanota izay mitalaho ny fanampiany mba ho voavonjy, tsy ho eken'ny Tompo ve izany?
Ary naninona moa ity fahagagana ity no nosoratana kanefa maro ny fahagagana nataon'i Jesoa, ary nomarihina tsara mihitsy fa i Maria reniny no nangataka taminy mba hanampian'i Jesoa azy ireo. Tsy miendrika fampianarana ho antsika ve izany?
Ary raha nisafidy ny lalam-pamonjena ny olombelona i Jesoa dia nofidiny i Maria mba hahatongavany aty amintsika, eny fa na dia mahefa ny zavatra rehetra aza izy, tsy nisy lalan-kafa fa tamin'i Maria ihany. Ka raha nisafidy hanantona an'i Jesoa amin'ny alalan'i Masina Maria ny olona, satria ny lalana nahatongavany no hindramina hanantonana Azy bebe kokoa. Moa tsy endriky ny fanetrentena @ maha mpanota ve izany? Ary izy dia hangataka ny Fanahy Masina amin-janany mba harotsany amin'ireo izay mitalaho ny fanampiany. Moa tsy ho eken'i Jesoa ve izany ho valisoa ho an-dreniny izay nanaiky hiara-mijaly aminy?
Koa raha mangata-bavaka amin'i Masina Maria ny olona, ary raha mitalaho amin'i Jesoa zanany izy dia tsy hotanterahiny ve ny fangatahany?
Koa aza manome alahelo ny olona nisafidy io fomba io. Raha mivantana ianao mangataka amin'i Jesoa ,hajaina ny safidinao. Raha miaraka amin'i Masina Maria no mangataka amin'i Jesoa ny olona, inona ny ratsy amin'izany?
9. Nehemiah ( 05/02/2013 14:36)
Efa nanontany an'izay fa mba averiko eto ihany, isarihana ny sainareo :
moa i Andriamanitra Tsitoha mpanao ny lanitra sy ny tany ateraka izao ?
10. toriteny ( 05/02/2013 16:04)
izao andry2013 an. Hihezaka aho hitarika anao any amin'ny marina fa misy zavatra be dia be ny an'ny KAtolika (Izaho katolika nandritry ny 18 taona) izay tsy dia mety loatra sy tsy mifanaraha amin'ny baiboly. Anisany ireo voalazanao ireo.

Izaho dia toa anao io mihitsy taloha ary tena mamaky ahy taloha mihitsy aho mamaky anao :) nefa meteza ianao hotarihin'ny Fanahy MAsina. Aza manamafy fo fa raha tsapanao fa marina ny zavatra ho lazaina eto dia miova. Izaho tsy miteny hoe miova fiangonana an, fa miovà fo sy saina hoentina hivavahana dia taomy ny namanao fa izany no niantsoana anao , ny hampahafantatra ny namanao katolika ny marina.
11. andry2013 ( 05/02/2013 16:34)
Nehemiah:

Efa nanontany an'izay fa mba averiko eto ihany, isarihana ny sainareo :
moa i Andriamanitra Tsitoha mpanao ny lanitra sy ny tany ateraka izao ?

Raha efa novakianao tsara ireo verset nomeko tamin'ny voalohany dia tsy hiadian-kevitra angamba fa tena zanaky Ny Fanahy Masina sy i Masina Maria ara-nofo tokoa i Jesoa Kristy izay Tenin'Andriamanitra Tonga nofo dia Andriamanitra tonga Olombelona : izay ilay hoe Misterin'ny Teny Tonga nofo. Azontsika Vakiana manontolo kokoa aza ilay verset voalohany mba hampazavazava azy

"Nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriely ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin'ny Virjiny anankiray fofom-badin'ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak'i Davida, ary ny anaran'ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao. Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak'Andriamanitra hianao. Ary indro, hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen'Andriamanitra ny fiketrahan'i Davida rainy izy, ka hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Fa hoy Maria tamin'ilay anjely: Ahoana no hahatongavan'izany, fa tsy mahalala lahy aho? Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro, Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, 37fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra atao. Dia hoy Maria: Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao. Dia niala teo aminy ny anjely. (Lioka 1, 26-38)

Ny Evanjely araka ny nosoratan'i Md Joany koa dia mbola manazavaza momba ny Maha Andriamanitra-Tenin'Andriamanitra an'i Jesoa Kristy (voalazan'ny Jenezy koa fa ny Teniny no naharian'Andriamanitra ny Zavatra rehetra) sy ny momba ny fahatongavany ho nofo

"TTamin'ny voalohany ny Teny (i Jesoa Kristy), ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin'ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy."

Tamin'ny alalan'i Masina Maria no tian'Andriamanitra nahatongavan'ny Fahasoavana Lehibe indrindra omeny ny Olombelona dia ny Teniny tonga nofo dia Andriamanitra tonga olombelona mba ahatonga ny zanak'olombelona ho zanak'Andriamanitra. Hoy koa i Md Paoly

"Rahefa feno ny andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin'ny Lalàna,mba hanafaka izay teo ambanin'ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka." (Galata 4, 4-5)

12. Nehemiah ( 06/02/2013 06:01)
Miala tsiny fa tena tsy ny zavatra tokony nolazaiko no nolazaiko. Mbola lavitr'ezaka ny fahaizako tenin-drazana :$. Ny tena tiako tenenina dia izao : sady Andriamanitra 100 % no olombelona 100% i Jesoa Kristy, ka iza no naterak'i Maria : i Jesoa Andriamanitra sa i Jesoa olombelona ?

Araky ny Jn 1 efa napetrakao, dia nisy hatr@ taloha ka ho mandrakizay i Andriamanitra Zanaka, ka tsy mba niteraka an'Andriamanitra izany i Maria, fa nitoetra tao anatin'ny kibony fotsiny, fa ny toetra maha-olombelona an'i Jesoa no naterany.
13. didi10 ( 06/02/2013 06:52)

andry2013:

tena zanaky Ny Fanahy Masina sy i Masina Maria ara-nofo tokoa i Jesoa Kristy izay Tenin'Andriamanitra Tonga nofo dia Andriamanitra tonga Olombelona : izay ilay hoe Misterin'ny Teny Tonga nofo. Azontsika Vakiana manontolo kokoa aza ilay verset voalohany mba hampazavazava azy

Raha tany amin'ny 30 taona lasa dia mora ho an'ny mpitondra fiangonana Katolika ny mampino ny olona fa nisy ny 'immaculé conception" izany hoe ny Fanahy Masina nitambatra tamin'ny ovule n'i Maria ka lasa nitoe-jaza izy, fa taty aoriana dia noporofoin'ny siansa fa misy koa ny atao hoe "mère porteuse" izay vehivavy nametrahana embryon efa vonona avy amina lehilahy sy vehivavy hafa fa ny mitondra vohoka sy miteraka fotsiny no anjara asany.
Raha sarotra aminao ny manakatra izany dia fantatro fa manana Friends Saison 4 ianao izay misy an'i Phoebe bevohoka mitondra ny zanaky ny anadahiny sy ilay vehivavy antitra.

Marina 100% mihitsy io voalazan'i Jesosy io hoe: moa mpifaninona moa izaho sy ianao (mantsy an'i Maria), ny Katolika no mametraka an'i Maria ho renin'Andriamanitra saingy ny Tenin'Andriamanitra milaza fa sady tsy manam-piandohana Izy no tsy manam-piafarana.
14. smileyah ( 06/02/2013 06:53)

Nehemiah:

Miala tsiny fa tena tsy ny zavatra tokony nolazaiko no nolazaiko. Mbola lavitr'ezaka ny fahaizako tenin-drazana :$. Ny tena tiako tenenina dia izao : sady Andriamanitra 100 % no olombelona 100% i Jesoa Kristy, ka iza no naterak'i Maria : i Jesoa Andriamanitra sa i Jesoa olombelona ?

Araky ny Jn 1 efa napetrakao, dia nisy hatr@ taloha ka ho mandrakizay i Andriamanitra Zanaka, ka tsy mba niteraka an'Andriamanitra izany i Maria, fa nitoetra tao anatin'ny kibony fotsiny, fa ny toetra maha-olombelona an'i Jesoa no naterany.
I Jesoa Kristy dia tokana, fa manana ny toetra maha Andriamanitra azy izy no manana ny toetra maha olombelona azy koa.Inoako fa mino an'i Jesoa Andriamanitra ianao satria izy ihany no nanambara ny tenany ho mitovy amin'ny Ray:"Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Fa tena olombelona tokoa izy satria niaritra ny fampijaliana azy tao amin'ny nofony fa tsy toa ny fampianaran'ny sasany hoe senety fotsiny hono ny nifantsiany teo fa tsy naheno nangirifiry izy. Koa dia tena Andriamanitra sady tena olombelona tokoa i Jesoa ary tsy nisaraka taminy ireo toetra roa ireo hatramin' Izy nateraka sy mandrakankehitriny.
15. smileyah ( 06/02/2013 07:01)

toriteny:

izao andry2013 an. Hihezaka aho hitarika anao any amin'ny marina fa misy zavatra be dia be ny an'ny KAtolika (Izaho katolika nandritry ny 18 taona) izay tsy dia mety loatra sy tsy mifanaraha amin'ny baiboly. Anisany ireo voalazanao ireo.

Izaho dia toa anao io mihitsy taloha ary tena mamaky ahy taloha mihitsy aho mamaky anao :) nefa meteza ianao hotarihin'ny Fanahy MAsina. Aza manamafy fo fa raha tsapanao fa marina ny zavatra ho lazaina eto dia miova. Izaho tsy miteny hoe miova fiangonana an, fa miovà fo sy saina hoentina hivavahana dia taomy ny namanao fa izany no niantsoana anao , ny hampahafantatra ny namanao katolika ny marina.
Inona tokoa moa ny marina e?
Fa any ho any misy andalana milaza hoe: Nisy famantarana lehibe teny an-danitra...Hampirafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany.
Iza moa ity vehivavy lazaina eto ity? Ary iza ny taranany? MOa ve taranak'io vehivavy io izay maniratsira azy? Taranany ve izay tsy manaja azy? Taranany ve izay tsy tia azy? Koa raha ny taranak'io vehivavy io ary no mirafy amin'ny bibidia, iza kosa ireo taranaky ny bibidia?
16. Nehemiah ( 06/02/2013 07:22)
HS ny anao : ny vehivavy resahana @ Gen. 3:15 dia i Eva, mazava ho azy rehefa dinihina ny hevitra manodidina azy. Ary Ilay taranak'i Eva dia ny Mesia mazava ho azy.
17. Nehemiah ( 06/02/2013 07:37)

smileyah:
I Jesoa Kristy dia tokana, fa manana ny toetra maha Andriamanitra azy izy no manana ny toetra maha olombelona azy koa.Inoako fa mino an'i Jesoa Andriamanitra ianao satria izy ihany no nanambara ny tenany ho mitovy amin'ny Ray:"Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Fa tena olombelona tokoa izy satria niaritra ny fampijaliana azy tao amin'ny nofony fa tsy toa ny fampianaran'ny sasany hoe senety fotsiny hono ny nifantsiany teo fa tsy naheno nangirifiry izy. Koa dia tena Andriamanitra sady tena olombelona tokoa i Jesoa ary tsy nisaraka taminy ireo toetra roa ireo hatramin' Izy nateraka sy mandrakankehitriny.

Mandrakankehitriny ? Manana porofo avy @ Baiboly ve ianao ?

Sady tsy mahatohitra ny hevitro velively izany : ny dikan'ny hoe teraka anie dia "tonga ho misy", mba mahay an'izay kosa aho. Nefa efa nisy talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao i Kristy. Fa i Jesoa Kristy ilay olombelona dia naterak'i Maria.
Tsapantsika tsara fa tsy nanary inona na inona t@ maha-Andriamanitra azy i Kristy fa nitafy nofo.
18. smileyah ( 06/02/2013 07:42)

Nehemiah:

HS ny anao : ny vehivavy resahana @ Gen. 3:15 dia i Eva, mazava ho azy rehefa dinihina ny hevitra manodidina azy. Ary Ilay taranak'i Eva dia ny Mesia mazava ho azy.
Marina ny filazanao fai Eva tokoa no lazaina eto,fatsy ilay Eva taloha eritreretinao izay nahatonga ny ota, fa i Eva vaovao, dia i Masina Maria izay niteraka ny Mesia.KOa raha milaza taranaka izy eto moa olon-tokana ve no lazaina amin'izany ? ( satria na ny taranak'ilay vehivavy, na ny taranaky ny bibidia dia voafaritra amin'io fanontaniako io). Amiko aloha tsy tokana no lazaina amin'izany satria ny teny hoe taranaka dia ahitana ny hoe manaranaka, ka tsy tokana izany fa maro. Koa dia mbola apetrako ihany ny fanontaniana hoe iza moa ny taranak'i Masina Maria? Moa ve ireo mankahala azy? Moa ve ireo maniratsira azy? Moa ve ireo tsy manaza azy? Koa raha ny taranany ary no mifandrafy amin'ny bibidia, iza kosa ireo taranaky ny biidia?
19. smileyah ( 06/02/2013 08:47)

Nehemiah:

smileyah:
I Jesoa Kristy dia tokana, fa manana ny toetra maha Andriamanitra azy izy no manana ny toetra maha olombelona azy koa.Inoako fa mino an'i Jesoa Andriamanitra ianao satria izy ihany no nanambara ny tenany ho mitovy amin'ny Ray:"Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Fa tena olombelona tokoa izy satria niaritra ny fampijaliana azy tao amin'ny nofony fa tsy toa ny fampianaran'ny sasany hoe senety fotsiny hono ny nifantsiany teo fa tsy naheno nangirifiry izy. Koa dia tena Andriamanitra sady tena olombelona tokoa i Jesoa ary tsy nisaraka taminy ireo toetra roa ireo hatramin' Izy nateraka sy mandrakankehitriny.

Mandrakankehitriny ? Manana porofo avy @ Baiboly ve ianao ?

Sady tsy mahatohitra ny hevitro velively izany : ny dikan'ny hoe teraka anie dia "tonga ho misy", mba mahay an'izay kosa aho. Nefa efa nisy talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao i Kristy. Fa i Jesoa Kristy ilay olombelona dia naterak'i Maria.
Tsapantsika tsara fa tsy nanary inona na inona t@ maha-Andriamanitra azy i Kristy fa nitafy nofo.
Aza manao ohatra ny mpanora-dalana sy ny farizianina te haka fanahy ka miandry kendry tohana fotsiny.Fa tsy novakianao angaha fa rehefa nitsangana izy dia niseho tamin'ny mpianany ary niseho tamin'i Toma ilay tsy nino?, Ary hoy i Jesoa taminy avia atsofoy eto amin'ny lavaky ny tratrako sy ny tanako ny tananao ary dia meteza mino. Moa tsy ny olombelona no azo tsapaintanana? Ary moa tsy mandohalika amin'ny anaran'i Jesoa avokoa ny olon-drehetra na ny ety an-tany na ny any an-danitra?
Koa inona amin'ny hevitro no toherinao fa tsy azoko. Raha naterak'i Maria ve i Jesoa dia tsy Izy Andriamanitra fa Izy olombelona? nefa ianao milaza fa tsy nanary ny maha Andriamanitra azy izay. Koa aminao ve nizara roa vetivety Jesoa teo am-pahaterahana sa nanao ahoana fa tsy azoko. Satria Jesoa Andriamanitra sy Jesoa olombelona dia tsy afa-misaraka. Ary ianao ihany dia manamarina izany.
20. Maranatha ( 06/02/2013 09:42)

smileyah:

......

Mba afaka manoma toko sy andininy ve hianao milaza fa efa any andanitra i Maria ka mangata-bavaka ho anareo.

Sa mitovy amin"ilay fivarotana induligence taloha koa ity. Fa tsisy anarana hafa ambanin"ny lanitra nomena ny olona ahazoana famonjena. Izy ihany no mpanalalana ny olona amin"A/tra. Miala amin"ny fampianaran-diso .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086