Ny Anjely aza mba Niarahaba Azy koa
61. Miharena
(
16/02/2013 03:50)
Nehemia:
Ny Paradisa (izay tsy ny tratran'i Abrahama) dia toerana misy an'Andriamanitra mivantana ary tsy misy afa-tsy fahasambarana sy fahafinaretana (Ap. 21:2-5). Tsy izaho akory no tena dadany @ resaka thanatologie, fa kosa izay no hitako @ Baiboly. Dia araky ny fiteniko : raha marina aho, tongava saina. Raha diso aho, asehoy ahy ny hadisoako.
Ity ihany angamba aloha no entiko hisaraihana ny valinteny amin'ny rehetra notanisainao teo.
Ny zavatra tadiavinao ivelanao no mahadiso anao. Raha miresaka toerana ianao ohatra amin'io resaka Paradisa ao amin'ny Apokalypsy io dia tsy hahita izany toerana izany velively raha tsy sarisary ao an-tsaina. Ny fiadanana sy fahaifnaretana anefa dia ianao no miaina azy fa tsy misy idiran'ilay toerana. Ary raha izao anio izao ianao dia efa mitady ao amponao ny fiadananao dia efa azonao izany. Io no maha-Kristy anao, na mampiaina an'Andriamanitra ao anatinao anao. IZY no Fiadanana ary hoy IZY hoe Indro mandondona Aho, raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho ary hiara-hisakafo aminy. Ka sao dia heverinao fa trano àry no nodondominy? Ary raha miresaka indray ny momba ny fifohazam-panahy tian'i Petera hampitaina, ny fanantenana dia fiovana vokatry ny fijoroana amin'ny fahamarinana ao anaty araka ny voasoratr'i Paoly hoy i Petera, ka saro-pantarina izy io raha tsy mahay mamantatra ny tena.
Fa lasa lavotra moa ilya adihevitra namana fa niantomboka tamin'ny vavaka fiarahabana ani' Maria izy ity ary lasa fitaizam-panahy ao anaty no resahako eto.
Fitaratra i Maria raha hitaiza fanahy ao anaty ianao, dia ny fahaterahan'i Kristy ao anatinao mihitsy no azo avy amin'izany. Ka hiteny toa an'i Paoly ny zava-miafina rehetra ianao amin'izay raha nilaza izy hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ao anatiko. Io no maha-Kristianina marina fa tsy arala ny fitsaranao ahy eo ambny akory hoe tsy izy aho.
62. Nehemiah
(
16/02/2013 05:53)
Miharena:

Ny Paradisa dia toerana misy an'Andriamanitra mivantana hoy aho. Marina fa tsy voatery miandry ny fiainana any an-koatra vao mahatsapa an'izay. Rehefa eo Izy @ fiainantsika dia Paradisa ny tany. Tsy laviko izany ary efa tsapako izany.
Nefa izany akory tsy midika hoe tsipahina ny fampanantenana nomen'ny Tompo satria hoe "tandindona" fotsiny ilay izy !
Miharena:
Fa lasa lavotra moa ilya adihevitra namana fa niantomboka tamin'ny vavaka fiarahabana ani' Maria izy ity ary lasa fitaizam-panahy ao anaty no resahako eto.
Fitaratra i Maria raha hitaiza fanahy ao anaty ianao, dia ny fahaterahan'i Kristy ao anatinao mihitsy no azo avy amin'izany. Ka hiteny toa an'i Paoly ny zava-miafina rehetra ianao amin'izay raha nilaza izy hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ao anatiko. Io no maha-Kristianina marina fa tsy arala ny fitsaranao ahy eo ambny akory hoe tsy izy aho.
Ny maha-Kristiana ny Kristiana dia mino ny tenin'ny Tompo. Ary niteny Izy hoe "Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony." (Mt. 16:27). Ka izay rehetra manohitra an'izay dia tsy Kristiana.
Ny sasany tsy miombon-kevitra @ resaka fiafaran'izao tontolo izao. Nefa mbola azo lazaina fa Kristiana izy ireo satria ny Tenin'Andriamanitra no raisiny ho fahefana. Fa kosa raha fampianarana mazava tsara tahaky ny fiavian'ny Tompo no lavina dia fanoherana ny tenin'i Kristy izany. Ary tsy afaka miafina ambadiky ny excuse ny "tandindona" etsy, "allégorie" eroa : natao mba ho azon'ny sarambabembahoaka ny Baiboly. Ny Testamenta Vaovao ohatra dia nosoratana t@ fiteny Grika Koinê, izay fiteny andavanandro t@'izany.
Azoko an-tsaina fa hentitra ny teniko, fa tsy maintsy mba miteny aho. Fidinana malama no misy anao. Raha izay no fiheveranao ny Baiboly dia inona no manakana anao hitsipaka tsikelikely ny fampianarana rehetra anaty Baiboly ? Zavatra misy anie izay. Ka aza be saina intsony re fa avelao ho "marina ny Tompo ary mpandainga daholo ny olombelona rehetra".
Ary izay koa no iadiako hevitra momba an'i Maria. Mankalaza ny finoan'i Maria tsy nisy kilema t@ nitsidihan'i Gabriely azy ny Baiboly, fa tapitra hatreo kosa ny resaka (satria mba tsy nino an'i Jesoa kosa izy t@ Mk. 3:20).
63. Miharena
(
16/02/2013 16:40)
Nehemia:
Ny maha-Kristiana ny Kristiana dia mino ny tenin'ny Tompo.
Eto indray namana dia solafaka indray ianao. Tsy Kristianiana ny mino ny tenin'ny Tompo fa ny miaina araka ny Tompo. Hoy Izy hoe tsy izay manao amiko hoe Tompoko, Tompoko no tena mpianatro fa izay manatanteraka ny sitrapon'ny Ray. Ny sitrapon'ny Ray dia ny hahatsiarovan-tena fa IZY no mitrotro sy mitantana satria zanaNY avokoa ny rehetra.
Ny fiverenan'ny Tompo dia tsy andrasana satria fotoana fohy taorian'ny fotoana niakaraNY dia efa afaka niseho IZY tamin'i Paoly nahafahan'i Paoly nilaza mazava fa Izy no velona ao anatiny.
Isika koa dia afaka miteny izany sahady satria mahalala.
Misy ny fanolahana amin'ny kely foana ny tenin'Andriamanitra ary hita toy ny tafika andrefan-tanàna fa fanolahana be loatra ny Teniny ny filazana fa ho avy IZY nefa efa eo rahateo.
Ny olana namana dia manao tsilalaon-teny sa kilalao isika no miteny hoe hitady AZY izay Andriamanitra manerana araka ny Teni'ni Paoly hoe Izy no iainantsika sns...
Asa hoe raha nampianarina momba Azy Andriamanitra ve ianao, dia tsy izay no fanontaniana voalohany tokony novalian'ny mpampianatra hoe iza àry io Andriamanitra io? Fa hoy ny mpitandrina nampianatra anay hoe : raha mahita ianao io latabatra io, dia nisy hazo, nisy olona nanamboatra azy io ary ireo rehetra ireo dia avy amin'Andriamanitra avokoa. Ka raha mahita isika ny Masoandro, ny tany, ny olobmbelona rehetra dia IZY avy hatrany no mby ao an-tsaina.
Lalana malama moa no asesikao amin'ny fizotran'ny diako, nefa asa aiza ho aiza io lalana heverinao io? Satria amiko dia tsy misy lalana ny fihaonana amin'Andriamanitra fa ao anaty ary IZY no mibitsika ny fanahintsika izay tokony ho fantatsika momba AZY. Na mamaky teny isika, na mamaky ny voary manodidina antsika, na mamaky ny ao anatintsika.
Ka ny fanenjehana olona, na inona, na inona foto-pisainany dia mazava fa avy amin'ny mpanasaraka fa tsy an'ny Mpampiray. Ary isika olombelona ihany no mahay io fanasarahana io amin'ny tefi-pisainana entintsika miaina. Ary isika izay resy lahatra kosa no mahafehy ny fampiraisana amin'ny fahatsorana sy fahitana ny voary ara-pizika sy psykolojika, indrindra fa ara-panahy avy amin'ny Mazava, dia Andriamanitra Loharano.
Ka raha misy ny hoe fiarahaban'ny Anjely Gabriela, dia mazava fa fanajàna izany, ary milaza avy hatrany hoe velona ny arahabaina, na tamin'izany, na hatramin'izao, fa tsy azonao tapahina eo mihitsy akory io resaka io. Sainao no manapka izany fa tsy izy Masina Maria, na ny Anjely Gabriela satria ireo roa ireo, izay ataoko fa mitovy koa aminao sy amiko, dia samy velona mandrakizay satria mpisehatra ao amin'ny sahan'ny Tompo Andriamanitra Ray Tsitoha.
Hifaha tanteraka anie ianao eo am-pamakiana izay voambara izay aloha/
66. Nehemiah
(
18/02/2013 07:18)
Tsy mitombina ny hevitra voalohany, satria mazava ho azy fa rehefa niteny aho hoe "mino" dia mino @ finoana arahin'asa, fa izay finoana izay ihany no mahavonjy.
Raha ny momba ny fiverenan'ny Tompo, mbola hiresaka momba ny toerana betsaka @ Testamenta Vaovao izay milaza fa hiverina mivantana Izy ? Mt 24 raha tsy hilaza afa-tsy izay.
Ka mbola ampitandremako ihany ianao (sy izay rehetra mamaky an'ity) : aza ampilazaina ny Baiboly ny zavatra tsy lazainy. Izany no tena manozongozona ny finoan'olona fa tsy ny adi-hevitra itadiavana ny fahamarinana. Tsy tongatonga ho azy ny Jod 3.
Sady raha nanaraka ny fisainanao i Kristy dia tsy mba nohomboana t@ hazofijalina mihitsy Izy !!!
Ary averiko indray mandeha : narahabain'ny anjely koa i Gideona, ka maninona izy no tsy tompoina hyperdulie (na dulie tsotra aza, nefa mba olomangan'ny finoana kosa izy) ?

67. Miharena
(
18/02/2013 18:16)
Aza dia tonga dia raisinao ho zava-poana ilay finoana hazavaina aminao namana Nehemia raha tsy fantatrao aloha ny tena Fotony ka manjary mitsara avy hatrany ianao.
Ny resaka fiverenan'ny Tompo, dia efa nohazavaiko tsara taminao. Tsy fisainako ilay izy ary mba fantatrao moa ny antony nanombohan'ny olona an'i Kristy? Satria nanana foto-pisainana mitompo teny fantatra avy amin'ny Testamenta Taloha ny Jiosyy tamin'izany, toa anao tsy misy valaka mihitsy izy ireo tamin'izany, ary novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo satria mahalaza izay marina tsy takatry ny sainy.
Ka sao aloha dia ianao no ilazàna fahamarinana tsy takatry ny sainao dia manambara fa diso aho manambara izay tsotra takatro?

68. Nehemiah
(
19/02/2013 07:34)
Miharena:
Satria nanana foto-pisainana mitompo teny fantatra avy amin'ny Testamenta Taloha ny Jiosyy tamin'izany, toa anao tsy misy valaka mihitsy izy ireo tamin'izany, ary novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo satria mahalaza izay marina tsy takatry ny sainy.
Tsy marina izany. Nampian'ny Jiosy fomban-drazana rabinika marobe ny finoan'ny Testamenta Taloha, hany ka lasa enta-mavesatra be ny fivavahana. Fa i Jesoa kosa nifikitra t@ Soratra Masina ihany, sady nihevitra azy ho marina, tanteraka sady manam-pahefana, toa ahy tsy misy valaka.
69. Miharena
(
20/02/2013 14:10)
Marina zatp isan-jato ny fanamarihanao.
Ohatra vitsy ireto:
- mamaky teny isanandro ao amin'ny Synagoga ry zareo ary anisan'izany ny fanantenana an'i Mesia, dia rehefa tonga ny Mesia dia tsy fantany fa novonoiny. Mpitompo Soratra izany izy ireo : Mitovy aminao mihitsy,
- nampianarina ny iftandremana ny andro isan-karazany izy ireo ary ny finoana marina dia lasa tsy tafalatsaka tao am-pony fa variana mivarotra ireo karazam-biby hatao fanatitra alatsa-drà. Dia noripahan'i Jesoa satria lasa fanaovana bizna ilay trano fiderana an'Andriamanitra.
- miova tanteraka koa ny fomba fijery nasehon'i Jesoa, izay nampianarany ny mpianany vavaka tsotra, dia ny fifampiresahana tsotra amin'ny RAY. Ary taty aoriana dia nomena famantarana isan-karazany ny amin'y fanjakan'ny lanitra i Jaona. Dia rehefa misy Vehivavy hitan'i Jaona dia lasa misy miteny fa fiangonana no tiana aseho, izany hoe asiana sarintsarin-teny daholo, na fanoharana, nefa tena vehivavy mitafy ny Mazava no naseho, ary ara-bakiteny izy io. Toa ny nanoratana ny hoe ho tonga i Mikaela Andrian-dehibe hanavotra ny maro. Dia ny ataon'y olona mitompo soratra fotsiny dia rehefa misy hafatra avy amin'i Maria, na Mikaela, dia laviny fa tsy jereny hoe voasoratra ve izany fahatongavan'izy ireo izany sa tsia?
- RAha niteny i Kesoa hoe : izay farany no ho voalohany ary izay voalohany no ho farany, dia noho ny fiheveran'izay nahalala voalohany fa mbola ho avy IZY. Fa izay nahalala taty aoriana kosa dia manao hoe efa eo anivony IZY.
Ka asa hoe aiza amin'ireo no misy anao ankehitriny namana?

70. Miharena
(
20/02/2013 14:11)

- RAha niteny i Jesoa hoe : izay farany no ho voalohany ary izay voalohany no ho farany, dia noho ny fiheveran'izay nahalala voalohany fa mbola ho avy IZY. Fa izay nahalala taty aoriana kosa dia manao hoe efa eo anivony IZY.

71. Nehemiah
(
21/02/2013 06:11)
Miharena:
- mamaky teny isanandro ao amin'ny Synagoga ry zareo ary anisan'izany ny fanantenana an'i Mesia, dia rehefa tonga ny Mesia dia tsy fantany fa novonoiny. Mpitompo Soratra izany izy ireo : Mitovy aminao mihitsy
Novonoiny satria tsy neken'ny sainy ho Mesia Izy ! Rehefa nanao an'izay dia nanohitra ny Soratra Masina nodinihany, nefa efa mazava ho azy fa Mesia Izy (Jn. 7:31). Tsy mitovy amiko izany, izaho dia manaiky ny voalazan'ny Soratra Masina na dia mankarary ny saiko aza. Sarotra atao izany fa tsy maintsy vonoina ny eboebo ao anatintsika.
Miharena:
nampianarina ny iftandremana ny andro isan-karazany izy ireo ary ny finoana marina dia lasa tsy tafalatsaka tao am-pony fa variana mivarotra ireo karazam-biby hatao fanatitra alatsa-drà. Dia noripahan'i Jesoa satria lasa fanaovana bizna ilay trano fiderana an'Andriamanitra.
Ka inona kay no ifandraisan'izay amiko na aminao ?
Miharena:
- miova tanteraka koa ny fomba fijery nasehon'i Jesoa, izay nampianarany ny mpianany vavaka tsotra, dia ny fifampiresahana tsotra amin'ny RAY. Ary taty aoriana dia nomena famantarana isan-karazany ny amin'y fanjakan'ny lanitra i Jaona. Dia rehefa misy Vehivavy hitan'i Jaona dia lasa misy miteny fa fiangonana no tiana aseho, izany hoe asiana sarintsarin-teny daholo, na fanoharana, nefa tena vehivavy mitafy ny Mazava no naseho, ary ara-bakiteny izy io. Toa ny nanoratana ny hoe ho tonga i Mikaela Andrian-dehibe hanavotra ny maro. Dia ny ataon'y olona mitompo soratra fotsiny dia rehefa misy hafatra avy amin'i Maria, na Mikaela, dia laviny fa tsy jereny hoe voasoratra ve izany fahatongavan'izy ireo izany sa tsia?
Mety tsy tsikaritrao izany, fa ny Apôkalipsy dia fahitàna, izany hoe feno tandindona izay manambara antsika sombintsombiny @ tontolo ara-panahy. Ka azo atao tsara ny mihevitra ny zavatra voalazan'ny Apôkalipsy ho kisarisary. Rehefa mamaky Baiboly anie tsy maintsy jerena ny contexte mifono ny zavatra vakiana fa tsy raisina an-tendrony fotsiny be manadala e. Rehefa kalo dia kalo. Rehefa fahitàna dia fahitàna. Rehefa fampianarana dia fampianarana. Rehefa tantara dia tantara.
Miharena:
RAha niteny i Jesoa hoe : izay farany no ho voalohany ary izay voalohany no ho farany, dia noho ny fiheveran'izay nahalala voalohany fa mbola ho avy IZY. Fa izay nahalala taty aoriana kosa dia manao hoe efa eo anivony IZY.
Ka asa hoe aiza amin'ireo no misy anao ankehitriny namana?
Hitanao izany, izay indrindra no tiako tenenina ! Tsy manana fototra mafy orina ho an'ny fandinihana Baiboly ianao, dia izay tianao tsoahina avy @ lahatsoratra ihany no tsoahinao, na dia tsy misy ifandraisana na dia kely ary @ contexte. Ka inona no avalinao an'izany ?
72. Miharena
(
21/02/2013 10:57)
Miala tsiny namana fa mety ho lasa lavitra loatra ny resatsika nefa akakiky dia akaiky no resahana dia ny firindran'ny fisehoana tao amin'ny Apokalypsy. Fahitàna hoy ianao, fa izaho manao anao hoe : ireo no velona ao an-danitra na tamin'izany na amin'izao fotoana izao. Ny endrika nanehoana azy tamin'i Jaoona dia mitovy amin'ny endrika nampahitana izany tamin'ny Mpino taty aoriana (Nenilava, Dadatoa RAkotozandry sns..).
Ny olana hoy aho dia ny fanaovana fandikana ara-tsaina ny Baiboly fa tsy ny fahatsapana izany atao hoe Fanahy sy ny sndriny izay ampahafantarina. Ohatra, raha misy Vehivavy mitafy kintana roa ambin'ny folo, dia tsy eken'ny maro fa endrika tokony hananan'ny olona voavonjy izany fa resahany ho toy ny fanoharana indray ilay izy. Dia mitady zavatra tsy misy eo izy satria hevitra avokoa izany fanadihadiana ataony izany. Raha misy olona mitafy lamba fotsy dia mety hasiany resaka indray hoe famantarana ilay lamba, nefa fitafiana ny Mazava arak'i Kristy.

74. Miharena
(
21/02/2013 15:06)
Dia rehefa tena zohina tokoa na iza na iza maneho hevitra eto dia samy marenina, sa tsy izany namana?
75. Miharena
(
23/02/2013 02:18)
Namana Nehemiah,
ilay dialogue d e sourds dia rehefa tsy manaiky ny hanoherana izay efa voavolavoantsika ao an-tsaina ao isika no mahatonga azy. Dia hivereno vakiana daholo aloha izay natolottsika tsirairay avy, dia hahita ianao hoe inona marina no tiana ambara am-pahatsorana sa miharoharo fanadihadiana mety tsy hampivoitra ny seho mazava resahana ao amin'y lahatsoratra tsirairay?
Ohatra: ny fanipahana ny laha-kevitra fivavahana izay nahazona inspiration tao anaty Baiboly noho ny fandavan-tenan'i Maria ve tokony hisy resaka lavabe toy ny ataontsika izao, ka tonga any amin'ny fandavana an'i Kristy? ary raha toa ka tonga tany, ny fandavana an'i Maria niteraka Azy ve tsy fandavana Azy koa?

76. Nehemiah
(
23/02/2013 12:21)
"Tiava an'Andriamanitra @ fonao, sainao, fanahinao sy herinao", fa tsy hoe tiava ny reniko.
77. Miharena
(
23/02/2013 19:18)
Misaora AZY nanome ohatra be dia be azo alaintahaka ary hahazoana lesona momba ny fahavelomaNY ao anaty. Ohatra iray Maria momba y hoe mampiantrano ao anaty ny TOMPO Andriamanitra.
Ny olana namana Nehemia dia ny fanavahana ny saina sy ny fanahy. Rehefa manao ilay fanehoan-kevitra isika hoe izao no notenenin'i Jesoa momba io Reniny ara-nofo io dia heverintsika fa toa antsika olombelona miteny IZY. Misy vatana roa samihafa mampiantrano saina roa samihafa. Nefa tsarovy fa matoa Jesoa niteny hoe : IZAHO sy ny RAY dia IRAY ihany ary matoa nivavaka IZY momba ny HAHA IRAY azy rehetra ,dia mazava fa IRAY isika fa tsy misy mivaky akory. Ny hevitra sy fanovozam-pahalalàna no samihafa fa ny Fanahy dia IRAY.
Dia andramo ariana daholo aloha ny fomba fihevernao fa misaraka i Maria sy Jesoa sy ny Apostoly sy ny anjely sy Andriamanitra RAY dia ho hitanao miharihary ny Fahamarinana.
Miainga eo daholo ny fahamarinana. IRAY ny RAY, IRAY ny Batisa, IRAY ny FANAHY, IRAY ny ZANAKA, ary mandova izany maha-IRAY izany izay miaina rehetra.
Asa na azonao voizina izany Fahamarinana izany na tsia, sa araka ny filazan'ny Malagasy hoe manao volo manoha randrana ianao? na tonga amin'ny fitenin'i Jesoa hoe : ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka?
Saino kely fotsiny hoe tonga ao amin'ny sahan'ny Katolika ianao, dia madio dia madio ery ny fanahin'ny olona miara-mivavaka ao.Mamiratra ey ny ankanjo, ny haingo fa hoe hanatrika ny RAY iombonana. Dia iny ianao togna amin'y fijery vilana. Raharaha be ihany an!
Tsy tongatonga o azy anie ny FFKM namana e! Mila mifanampy raha te-hampandresy an'i Jesoa ary mandray izay lesona azo loarana rehetra na avy amin'iza na avy amin'iza! Eny na avy ami'ny olona tsy Kristianina aza satria misy lalam-pamonjena asehon'ny RAY sy Jesoa ary Maria ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ao miaraka amin'ny asan'ny Anjely maro.
Fifohazana avokoa izany aroso izany namana fa tsy tsara ny manana hevitra figé mamatotra antsika ka tsy hahafahantsika maka lesona maro eo amin'ny fifandraisan'ny olona sy Andriamanitra RAY, mba ho ao amintsika koa IZY noho ny fahalalàna ny momba ny fitaovana nampiasaiNY hiterahan'ny MAZAVA ao anatintsika.

78. Nehemiah
(
25/02/2013 06:54)
Ahoana indray ny hoe :aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra ?
Raha ho iray antsika dia tsy tokony ho iray @ fandavantsika ny teniny tahak'ireo mpomba an'i Nimroda fa iray @ fanarahantsika dia an'i Kristy, ka rehefa manara-dia an'i Kristy dia mino ny teniny hoe "tsy azo foanana ny Soratra Masina".

79. Miharena
(
25/02/2013 16:05)
Tsy misy resaka fanafoanana ny Soratra Masina namana eto, fa afaka manazava izay voalaza sy ny vokany avy.
Ohatra, io teny voatanisa momba ny sabatra io:
Ny Tenin'ny Tompo dia mahitsy ao am-po, ka izay tsy mahay mandray fa mbola mitompo fiheveran-diso dia tsy hiadana velively.
Ka aza ny teny no tompoina fa ny vokatry ny voa nafafin'ny Tompo, sy ny anatranatra nomeNY isaky ny fanontaniana mivoitra avy aminao momba ny Fanjakan'ny Lanitra sy ny Sitrapon'Andriamantira. Azo atao ny maka fahitsim-pitondran-tena teo amin'izay nomeNY toky ao anaty Baiboly ao. Mahaiza mibanjina AZY dia tsy ho rovitry ny sabatra. Ary raha mianatra momba ny finoana dia aza mierikerika fa omeo lanjany avokoa ny an'ny hafa raha fantatrao fa mbola tsy mivoana fa manome toky azy izany foto-pinoana ijoroany izany.

80. Nehemiah
(
26/02/2013 05:51)
Ny mahadiso anao dia mihevitra fa ny Baiboly no tompoiko. Tsy ny Baiboly no tompoiko fa Ilay nanome azy. Ka tsy hanaraka ny zavatra noteneniny ve aho ?
Ka rehefa miresaka izao antsika dia tsy mitady manome dikany hafa ny zavatra notenenin'ny anankiray. Mamantatra ny zavatra noteneninao aho @ alalan'ny fandinihana ny hevitry ny teninao, sady raisiko koa ny fitsipi-pitenenana sy ny hevitra manodidina anaovako an'izay. Tahak'izay koa ny tenin'Andriamanitra. Ary tsy mitady mampiditra zavatra hafa @ noteneninao. Ahoana izao raha lazaiko hoe ny fiheveran-diso ao anatin'ny teninao hoe : "mbola mitompo fiheveran-diso dia tsy hiadana velively" dia midika hoe demokrasia ohatra ? Tsy ho tezitra sy kivy ve ianao ? Ka tahak'izay koa ny tenin'Andriamanitra.
Ka aoka antsika tsy hampiteny an'Andriamanitra ny zavatra tsy noteneniny fa "mandinika ny Soratra Masina isan'andro".