Ny Anjely aza mba Niarahaba Azy koa

21. smileyah ( 06/02/2013 12:44)

Maranatha:

smileyah:

......

Mba afaka manoma toko sy andininy ve hianao milaza fa efa any andanitra i Maria ka mangata-bavaka ho anareo.

Sa mitovy amin"ilay fivarotana induligence taloha koa ity. Fa tsisy anarana hafa ambanin"ny lanitra nomena ny olona ahazoana famonjena. Izy ihany no mpanalalana ny olona amin"A/tra. Miala amin"ny fampianaran-diso .
Mba manontany anao aloha aho hoe ny olona rehetra efa nodimandry aiza ny itoeran'ny fanahin'izy ireo? Na hoe mankaiza ny fanahin'izy ireo? Valio aloha io vao mamaly anao aho.
Ary raha ny Mpamonjy no resahinao amiko dia i Jesoa.
Ary raha ny hiala no toro-hevitra avy aminao dia na ho vy na ho vato tsy hiala amin'ny reny malala aho,fa i Masina Maria no reny mpitaridalana ahy hankany amin'i Jesoa, sy hangataka Aminy ho ahy ny famonjena.
22. Nehemiah ( 06/02/2013 12:53)

smileyah:

Marina ny filazanao fai Eva tokoa no lazaina eto,fatsy ilay Eva taloha eritreretinao izay nahatonga ny ota, fa i Eva vaovao, dia i Masina Maria izay niteraka ny Mesia.

Dia i Jesoa izay Adama vaovao ve hanambady ny reniny O_O ???
Rehefa dinihina ny Soratra Masina dia ny Fiangonana no vadin'i Kristy fa tsy mba i Maria. Ary izay koa no interprétation-n'ny Rev 12 tena mifandraika @ Baiboly.
Fa izany Mesia manambady ny reniny izany dia @ fivavahana babyloniana no ahitàna an'izay.
smileyah:
KOa raha milaza taranaka izy eto moa olon-tokana ve no lazaina amin'izany ? ( satria na ny taranak'ilay vehivavy, na ny taranaky ny bibidia dia voafaritra amin'io fanontaniako io). Amiko aloha tsy tokana no lazaina amin'izany satria ny teny hoe taranaka dia ahitana ny hoe manaranaka, ka tsy tokana izany fa maro. Koa dia mbola apetrako ihany ny fanontaniana hoe iza moa ny taranak'i Masina Maria? Moa ve ireo mankahala azy? Moa ve ireo maniratsira azy? Moa ve ireo tsy manaza azy? Koa raha ny taranany ary no mifandrafy amin'ny bibidia, iza kosa ireo taranaky ny biidia?

Tsy misy maniratsira an'i Maria anie eo fa ny toerana omena azy no tsy iombonantsika hevitra. Raha tafiditra ao anatin'ny lisitry ny olo-mangan'ny finoana ny olona @ Testamenta Vaovao dia tsy maintsy eo i Maria, fa saingy tapitra hatreo ny resaka : tsy manana toerana manokana ambony noho ny olomasina hafa izy.
23. Nehemiah ( 06/02/2013 13:02)

24. smileyah ( 06/02/2013 13:17)
Misaotra anao namaly. Mba vakio hatrany amboalohany ka hatrany amin'ny farany aloha ny Baiboly vao miteniteny foana. Tsy nampoiziko ho ianao no hamoaka valin-teny toa izao.
Dia izao no teny farany hambarako aminao, aleoko mietry tena, mangina fa izany no fahendrena ho ahy fa tsy hiady hevitra lava reny amin'ny olona tia mifanditra aho sao hahazo fahalotoana.
25. Nehemiah ( 06/02/2013 13:17)

smileyah:

I Masina Maria no reny mpitaridalana ahy hankany amin'i Jesoa, sy hangataka Aminy ho ahy ny famonjena.

Koa ianao angaha tsy efa voavonjy ? Mba sarotra re ity finoana katolika ity !
26. Nehemiah ( 06/02/2013 13:34)

smileyah:

Misaotra anao namaly. Mba vakio hatrany amboalohany ka hatrany amin'ny farany aloha ny Baiboly vao miteniteny foana. Tsy nampoiziko ho ianao no hamoaka valin-teny toa izao.
Dia izao no teny farany hambarako aminao, aleoko mietry tena, mangina fa izany no fahendrena ho ahy fa tsy hiady hevitra lava reny amin'ny olona tia mifanditra aho sao hahazo fahalotoana.

Efa novakiako in-3 hatrany amboalohany ka hatrany amin'ny farany ny Baiboly, misaotra. Fa ianao dia tsy tokony miafina ambadiky ny hoe "tia mifanditra itony", satria tsy marina izao. Ota ve ny miady hevitra e ? Izaho ary mba tolagaga @'ity valinao ity. Raha diso be ny hevitro dia tokony mora kely ny manohitra azy @ alalan'ny Soratra Masina. Nefa tsy manao an'izay ianao. @ fomba ahoana no azo heverina fa Eva vaovao i Maria ? Izay no tsy azoko fa tsy hoe inona.
27. smileyah ( 07/02/2013 12:33)

didi10:

andry2013:

tena zanaky Ny Fanahy Masina sy i Masina Maria ara-nofo tokoa i Jesoa Kristy izay Tenin'Andriamanitra Tonga nofo dia Andriamanitra tonga Olombelona : izay ilay hoe Misterin'ny Teny Tonga nofo. Azontsika Vakiana manontolo kokoa aza ilay verset voalohany mba hampazavazava azy

"Nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriely ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin'ny Virjiny anankiray fofom-badin'ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak'i Davida, ary ny anaran'ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao. Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak'Andriamanitra hianao. Ary indro, hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen'Andriamanitra ny fiketrahan'i Davida rainy izy, ka hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Fa hoy Maria tamin'ilay anjely: Ahoana no hahatongavan'izany, fa tsy mahalala lahy aho? Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro, Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, 37fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra atao. Dia hoy Maria: Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao. Dia niala teo aminy ny anjely. (Lioka 1, 26-38)

Ny Evanjely araka ny nosoratan'i Md Joany koa dia mbola manazavaza momba ny Maha Andriamanitra-Tenin'Andriamanitra an'i Jesoa Kristy (voalazan'ny Jenezy koa fa ny Teniny no naharian'Andriamanitra ny Zavatra rehetra) sy ny momba ny fahatongavany ho nofo

"TTamin'ny voalohany ny Teny (i Jesoa Kristy), ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin'ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy."

Tamin'ny alalan'i Masina Maria no tian'Andriamanitra nahatongavan'ny Fahasoavana Lehibe indrindra omeny ny Olombelona dia ny Teniny tonga nofo dia Andriamanitra tonga olombelona mba ahatonga ny zanak'olombelona ho zanak'Andriamanitra. Hoy koa i Md Paoly

"Rahefa feno ny andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin'ny Lalàna,mba hanafaka izay teo ambanin'ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka." (Galata 4, 4-5)

Raha tany amin'ny 30 taona lasa dia mora ho an'ny mpitondra fiangonana Katolika ny mampino ny olona fa nisy ny 'immaculé conception" izany hoe ny Fanahy Masina nitambatra tamin'ny ovule n'i Maria ka lasa nitoe-jaza izy, fa taty aoriana dia noporofoin'ny siansa fa misy koa ny atao hoe "mère porteuse" izay vehivavy nametrahana embryon efa vonona avy amina lehilahy sy vehivavy hafa fa ny mitondra vohoka sy miteraka fotsiny no anjara asany.
Raha sarotra aminao ny manakatra izany dia fantatro fa manana Friends Saison 4 ianao izay misy an'i Phoebe bevohoka mitondra ny zanaky ny anadahiny sy ilay vehivavy antitra.

Marina 100% mihitsy io voalazan'i Jesosy io hoe: moa mpifaninona moa izaho sy ianao (mantsy an'i Maria), ny Katolika no mametraka an'i Maria ho renin'Andriamanitra saingy ny Tenin'Andriamanitra milaza fa sady tsy manam-piandohana Izy no tsy manam-piafarana.
Niteny izany i Jesoa ho an'ireo rehetra tsy nahalala sy tsy nino fa Andriamanitra izy. Satria ny ankamaroan'ny olona dia nihevitra fa i Jesoa dia olombelona fotsiny. Fa izay rehetra mahalala satria nampahafantarin'ny Fanahy Masina ary mino an'I Jesoa fa Andriamanitra dia hiteny tahaka an'i Elizabeta hoe:avy aiza amiko moa izao no mba vangian'ny RENIN'NY TOMPOKO AHO? inoako fa ianao dia mino fa izay rehetra voasoratra sy voalaza ao amin'ny Baiboly dia avy amin'ny Fanahy Masina. KOa raha Andriamanitra no efa nanambara tamin'ny alalan'ny Fanahiny fa i Maria dia renin'ny Tompo. Ary iza moa ny Tompo? Ianao izany manampahalalana mihoatra an'Andriamanitra?
Koa aza manamavo ny Fanahy Masina.
Mibebaha fa mbola fotoana izao.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany, ary fiadanana ho an'ireo izay matahotra Azy.
Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota.
28. smileyah ( 07/02/2013 12:59)

didi10:

andry2013:

tena zanaky Ny Fanahy Masina sy i Masina Maria ara-nofo tokoa i Jesoa Kristy izay Tenin'Andriamanitra Tonga nofo dia Andriamanitra tonga Olombelona : izay ilay hoe Misterin'ny Teny Tonga nofo. Azontsika Vakiana manontolo kokoa aza ilay verset voalohany mba hampazavazava azy

"Nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriely ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin'ny Virjiny anankiray fofom-badin'ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak'i Davida, ary ny anaran'ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy hianao. Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak'Andriamanitra hianao. Ary indro, hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen'Andriamanitra ny fiketrahan'i Davida rainy izy, ka hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
Fa hoy Maria tamin'ilay anjely: Ahoana no hahatongavan'izany, fa tsy mahalala lahy aho? Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro, Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, 37fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra atao. Dia hoy Maria: Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao. Dia niala teo aminy ny anjely. (Lioka 1, 26-38)

Ny Evanjely araka ny nosoratan'i Md Joany koa dia mbola manazavaza momba ny Maha Andriamanitra-Tenin'Andriamanitra an'i Jesoa Kristy (voalazan'ny Jenezy koa fa ny Teniny no naharian'Andriamanitra ny Zavatra rehetra) sy ny momba ny fahatongavany ho nofo

"TTamin'ny voalohany ny Teny (i Jesoa Kristy), ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin'ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy."

Tamin'ny alalan'i Masina Maria no tian'Andriamanitra nahatongavan'ny Fahasoavana Lehibe indrindra omeny ny Olombelona dia ny Teniny tonga nofo dia Andriamanitra tonga olombelona mba ahatonga ny zanak'olombelona ho zanak'Andriamanitra. Hoy koa i Md Paoly

"Rahefa feno ny andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin'ny Lalàna,mba hanafaka izay teo ambanin'ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka." (Galata 4, 4-5)

Raha tany amin'ny 30 taona lasa dia mora ho an'ny mpitondra fiangonana Katolika ny mampino ny olona fa nisy ny 'immaculé conception" izany hoe ny Fanahy Masina nitambatra tamin'ny ovule n'i Maria ka lasa nitoe-jaza izy, fa taty aoriana dia noporofoin'ny siansa fa misy koa ny atao hoe "mère porteuse" izay vehivavy nametrahana embryon efa vonona avy amina lehilahy sy vehivavy hafa fa ny mitondra vohoka sy miteraka fotsiny no anjara asany.
Raha sarotra aminao ny manakatra izany dia fantatro fa manana Friends Saison 4 ianao izay misy an'i Phoebe bevohoka mitondra ny zanaky ny anadahiny sy ilay vehivavy antitra.

Marina 100% mihitsy io voalazan'i Jesosy io hoe: moa mpifaninona moa izaho sy ianao (mantsy an'i Maria), ny Katolika no mametraka an'i Maria ho renin'Andriamanitra saingy ny Tenin'Andriamanitra milaza fa sady tsy manam-piandohana Izy no tsy manam-piafarana.
Niteny toa izany i Jesoa ho an'ireo olona tsy nahalala sy tsy nino azy fa Andriamanitra. Satria maro ny olona no nihevitra fa hoe olombelona fotsiny Izy. Fa ho an'ireo izay nahalala satria nampahafantarin'ny Fanahy Masina sy ireo rehetra mino fa i Jesoa dia Andriamanitra dia hiteny tahaka an'i Elizabeta hoe: avy aiza amiko moa izao no mba vangian'ny RENIN'NY TOMPOKO aho? Ary iza moa no Tompo? Matoky aho fa inoanao fa izay rehetra voasoratra ao amin'ny Baiboly dia avy amin'ny Fanahy Masina. Koa Andriamanitra dia efa nanambara fa i Maria dia renin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny Fanahiny. Ianao ve manampahalalana mihoatra noho Andriamanitra?
Aza manamavo ny Fanahy Masina.
Mibebaha fa mbola fotoana izao.
Voninahitra ho anao irery ihany Andriamanitra fa nafeninao ireo be saina sy be fahalalana ny tsiambaratelon'ny FanjakaNao, fa nambaranao kosa tamin'ny madinika sy ny manetry tena ao am-po.
Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota.
29. Nehemiah ( 07/02/2013 13:01)

smileyah:

Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota.

Azoko ametrahana fanontaniana iray ianao ? Ary averiko ihany fa mba isarihana ny sainao izany fa tsy filàna fifandirana.
Aman-arivony angamba ny olona mivavaka an'i Maria sy ny olo-masina isan-tsegondra eran'izao tontolo izao. @ fomba ahoana no anarahan'izy ireo an'izany rythme izany ?
Ny tena olana eto dia raha mahavita an'izao izy ireo dia midika izany fa ivelan'ny fotoana izy ireo. Nefa fantantsika fa i Andriamanitra irery no ivelan'ny fotoana, satria Izy no namorona ny zava-drehetra, ary ao anatin'izany ny fotoana (voaporofon'i Einstein izany).
30. smileyah ( 07/02/2013 13:16)

Nehemiah:

smileyah:

Misaotra anao namaly. Mba vakio hatrany amboalohany ka hatrany amin'ny farany aloha ny Baiboly vao miteniteny foana. Tsy nampoiziko ho ianao no hamoaka valin-teny toa izao.
Dia izao no teny farany hambarako aminao, aleoko mietry tena, mangina fa izany no fahendrena ho ahy fa tsy hiady hevitra lava reny amin'ny olona tia mifanditra aho sao hahazo fahalotoana.

Efa novakiako in-3 hatrany amboalohany ka hatrany amin'ny farany ny Baiboly, misaotra. Fa ianao dia tsy tokony miafina ambadiky ny hoe "tia mifanditra itony", satria tsy marina izao. Ota ve ny miady hevitra e ? Izaho ary mba tolagaga @'ity valinao ity. Raha diso be ny hevitro dia tokony mora kely ny manohitra azy @ alalan'ny Soratra Masina. Nefa tsy manao an'izay ianao. @ fomba ahoana no azo heverina fa Eva vaovao i Maria ? Izay no tsy azoko fa tsy hoe inona.
Noho ny fitiavako an'i Jesoa Tompo sy Masina Maria no hamaliako, noho ianao tsy mahafantatra ary mangataka fanazavana.
Miaiky ianao fa ny teny hoe Eva dia vehivavy no dikany raha araka ny filazanao etsy ambony.
Koa i Eva taloha (vadin'i Adama )izay nahatonga ny ota dia miteraka mpanota satria izay nateraka tamin'ny ota dia mpandova ota. Koa ny Mesia izay Masina sy tsy manantsiny amam-pondro,ilay madio indrindra,dia tsy hateraky ny olona maloto mpandova ota, fa olona madio sy tsy manantsiny tahaka azy ary masina no afaka hitondra ny zanak'Andriamanitra. Koa noho izany no ilazana an'i Masina Maria hoe Eva vaovao(vehivavy vaovao) satria tsy nandova ny ota izy.
Voninahitra ho anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy, tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay.Amen
Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota.
31. smileyah ( 07/02/2013 13:32)

Nehemiah:

smileyah:

I Masina Maria no reny mpitaridalana ahy hankany amin'i Jesoa, sy hangataka Aminy ho ahy ny famonjena.

Koa ianao angaha tsy efa voavonjy ? Mba sarotra re ity finoana katolika ity !

Amiko aloha dia ireo olona rehetra efa nahazo ny satro-boninahiny sy mahita ny famirapiratan'ny tavan'Andriamanitra no afaka hiteny hoe efa voavonjy izy. Ianao moa manandra-tena hoe voavonjy, izaho kosa manetry tena satria mpanota mandia-tany sy miloloha lanitra ka miandry amim-pandeferana sy amim-panantenena ary amim-panetren-tena izay anjara voatedrin'Andriamanitra ho ahy ary matoky ny hatsaram-pony sy ny halehiben'ny famindram-pony. Ary tsy mitsahatra mangataka ny fanampian'ilay reny mamiko dia i Masina Maria izany, fa hangataka ho ahy amin-janany izy mba ho isan'ireo voavonjy aho.
Jesoa malala ô, mamindra fo amiko fa mpanota aho.
Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin'ny andro ahafatesanay. Amen
32. Nehemiah ( 07/02/2013 13:43)

smileyah:

Noho ny fitiavako an'i Jesoa Tompo sy Masina Maria no hamaliako, noho ianao tsy mahafantatra ary mangataka fanazavana.

Tsara !
smileyah:
Miaiky ianao fa ny teny hoe Eva dia vehivavy no dikany raha araka ny filazanao etsy ambony. Koa i Eva taloha (vadin'i Adama )izay nahatonga ny ota dia miteraka mpanota satria izay nateraka tamin'ny ota dia mpandova ota. Koa ny Mesia izay Masina sy tsy manantsiny amam-pondro,ilay madio indrindra,dia tsy hateraky ny olona maloto mpandova ota, fa olona madio sy tsy manantsiny tahaka azy ary masina no afaka hitondra ny zanak'Andriamanitra. Koa noho izany no ilazana an'i Masina Maria hoe Eva vaovao(vehivavy vaovao) satria tsy nandova ny ota izy.
Voninahitra ho anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy, tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay.Amen
Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota.

Dia tsy tokony ho "olona madio sy tsy manantsiny tahak'i Maria" no niteraka an'i Maria, dia toy izay toy izay foana hatr@ Eva ? Tsy nanan-tsiny i Jesoa, fa saingy nateraka @ fitovizan'ny olombelona mpanota.
Fa ny tena olana aloha dia ilay izy mifanohitra @ Rom. 3:23 : "Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra".
33. smileyah ( 07/02/2013 14:02)

Nehemiah:

smileyah:

Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota.

Azoko ametrahana fanontaniana iray ianao ? Ary averiko ihany fa mba isarihana ny sainao izany fa tsy filàna fifandirana.
Aman-arivony angamba ny olona mivavaka an'i Maria sy ny olo-masina isan-tsegondra eran'izao tontolo izao. @ fomba ahoana no anarahan'izy ireo an'izany rythme izany ?
Ny tena olana eto dia raha mahavita an'izao izy ireo dia midika izany fa ivelan'ny fotoana izy ireo. Nefa fantantsika fa i Andriamanitra irery no ivelan'ny fotoana, satria Izy no namorona ny zava-drehetra, ary ao anatin'izany ny fotoana (voaporofon'i Einstein izany).
Ianao ve mino izay rehetra voalaza ao amin'ny Baiboly sa ny sombintsombiny izay mahafinaritra anao ihany no inoanao? Moa ve tsy efa voalaza fa hoe izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina dia Zanak'Andriamanitra? Aminao inona ny dikan'ny teny hoe zanak'Andriamanitra.
Ary mba valio koa ireo fanontaniana rehetra izay napetrako azafady.
34. Nehemiah ( 07/02/2013 14:16)

smileyah:

Amiko aloha dia ireo olona rehetra efa nahazo ny satro-boninahiny sy mahita ny famirapiratan'ny tavan'Andriamanitra no afaka hiteny hoe efa voavonjy izy. Ianao moa manandra-tena hoe voavonjy, izaho kosa manetry tena satria mpanota mandia-tany sy miloloha lanitra ka miandry amim-pandeferana sy amim-panantenena ary amim-panetren-tena izay anjara voatedrin'Andriamanitra ho ahy ary matoky ny hatsaram-pony sy ny halehiben'ny famindram-pony. Ary tsy mitsahatra mangataka ny fanampian'ilay reny mamiko dia i Masina Maria izany, fa hangataka ho ahy amin-janany izy mba ho isan'ireo voavonjy aho.
Jesoa malala ô, mamindra fo amiko fa mpanota aho.
Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin'ny andro ahafatesanay. Amen

Ny katolika izany tsy mino ho voavonjy ny tenany raha mbola ety ambony tany ? Marina fa milaza ny 1 Te. 5:8 hoe : "Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha." fa ny Ef. 6:17 kosa milaza hoe : "raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’ Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy". Ka midika izany fa sady ankehitriny no ho avy ny famonjena. Efa voavonjy antsika rehefa nino an'i Kristy ka nateraka fanindroany, "an-dalam-pihamasinana" antsika @'izao fotoana izao ary ho voavonjy tanteraka rehefa hiverina @ voninahiny ny Tompo.

Tahaky ny invitation izany io : efa anananao ilay izy, fa rehefa manomboka ny fety no tena ilaina satria ho takiana aminao.

Nohon'izay, tsy mila afa-tsy i Jesoa, ilay Mpanelanelana tokana, ho an'ny famonjentsika isika. Izay aloha no nataon'i Md Étienne.
35. Nehemiah ( 07/02/2013 14:26)

smileyah:

Ianao ve mino izay rehetra voalaza ao amin'ny Baiboly sa ny sombintsombiny izay mahafinaritra anao ihany no inoanao? Moa ve tsy efa voalaza fa hoe izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina dia Zanak'Andriamanitra? Aminao inona ny dikan'ny teny hoe zanak'Andriamanitra.
Ary mba valio koa ireo fanontaniana rehetra izay napetrako azafady.

Tsy manaporofo fa nomen'Andriamanitra ny olomasina an'izay "pouvoir" izay izany : zanak'Andriamanitra fa tsy Andriamanitra !
Raha hamaly ny fanontanianao dia ny fizohiko ny firafitry ny Baiboly iray manontolo indrindra no mahatonga aho hanohitra ny hevitrao, izay hevitry ny EKAR nampianarina anao t@ Katesizy rahateo angamba. Tsy misy contradiction ny Tenin'Andriamanitra. Ary raha niteny Izy hoe : "Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa" (Is. 48:11b) dia tsy maintsy izay no izy.
36. smileyah ( 07/02/2013 14:28)

Nehemiah:

smileyah:

Noho ny fitiavako an'i Jesoa Tompo sy Masina Maria no hamaliako, noho ianao tsy mahafantatra ary mangataka fanazavana.

Tsara !
smileyah:
Miaiky ianao fa ny teny hoe Eva dia vehivavy no dikany raha araka ny filazanao etsy ambony. Koa i Eva taloha (vadin'i Adama )izay nahatonga ny ota dia miteraka mpanota satria izay nateraka tamin'ny ota dia mpandova ota. Koa ny Mesia izay Masina sy tsy manantsiny amam-pondro,ilay madio indrindra,dia tsy hateraky ny olona maloto mpandova ota, fa olona madio sy tsy manantsiny tahaka azy ary masina no afaka hitondra ny zanak'Andriamanitra. Koa noho izany no ilazana an'i Masina Maria hoe Eva vaovao(vehivavy vaovao) satria tsy nandova ny ota izy.
Voninahitra ho anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy, tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay.Amen
Masina Maria renin'Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota.

Dia tsy tokony ho "olona madio sy tsy manantsiny tahak'i Maria" no niteraka an'i Maria, dia toy izay toy izay foana hatr@ Eva ? Tsy nanan-tsiny i Jesoa, fa saingy nateraka @ fitovizan'ny olombelona mpanota.
Fa ny tena olana aloha dia ilay izy mifanohitra @ Rom. 3:23 : "Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra".
Miala tsiny fa tsy afaka hamaly anao intsony aho fa tsy vokatry ny Fanahy Madio izany. Moa mba efa nosaintsaininao ve izany halehiben'Andriamanitra izany? Ny FahadiovaNy sy ny fahamasinaNy no itenenanao tahaka izao? Ary moa tsy mino ianao fa mahefa ny zavatra rehetra izy? Tsarovy fa na i Joany Batista aza dia nilaza fa tsy mendrika hamaha ny fehin-kapaNy akory. Aza manimbazimba toa izao fa sao anenenana. Mangataha aloha ny Fanahy Masina Hanazava ny Sainao raha tsy takatrao ny Fahambonian'Andriamanitra sy ny fahamasinaNy.
37. Nehemiah ( 07/02/2013 14:41)
Dia lavinao izany ny Rom. 3:23 ? Ianao ihany anie no manimbazimba an'Andriamanitra raha izay, miala tsiny raha miteny an'izay fa izay no izy.
Ny Tenin'Andriamanitra anie tsy momba ny zavatra mety ataon'Andriamanitra, fa momba ny zavatra nataony ary noteneniny. Ary izay teniny rehetra tsy an-kanavaka dia fahamarinana avokoa, fa tsy afaka miafina ambany farafara @ alalan'ny hoe "Lehibe i Andrimanitra, mahefa ny zavatra rehetra Izy", fa vao mainka tokony hanaja ny Teniny.
Ny tanjon'ny valiko teo dia ny mba hanoroana anao ny maha-tsi-lojika ny fihevitrao momba an'i Maria, raha ny ara-baiboly no zohina. Tsy hitako izay fanahy maloto eo. Miaro ny fampianaran'ny Baiboly fotsiny aho, araky ny Jod 3. Ka tandremo ihany ny teninao, fa mampahatsiaro ny Fariseo izay nanendrikendrika an'i Jesoa ho mampiasa ny herin'i Satana izany.
38. mirananirina ( 07/02/2013 18:54)

smileyah:

Maranatha:

smileyah:

......

Mba afaka manoma toko sy andininy ve hianao milaza fa efa any andanitra i Maria ka mangata-bavaka ho anareo.

Sa mitovy amin"ilay fivarotana induligence taloha koa ity. Fa tsisy anarana hafa ambanin"ny lanitra nomena ny olona ahazoana famonjena. Izy ihany no mpanalalana ny olona amin"A/tra. Miala amin"ny fampianaran-diso .
Mba manontany anao aloha aho hoe ny olona rehetra efa nodimandry aiza ny itoeran'ny fanahin'izy ireo? Na hoe mankaiza ny fanahin'izy ireo? Valio aloha io vao mamaly anao aho.
Ary raha ny Mpamonjy no resahinao amiko dia i Jesoa.
Ary raha ny hiala no toro-hevitra avy aminao dia na ho vy na ho vato tsy hiala amin'ny reny malala aho,fa i Masina Maria no reny mpitaridalana ahy hankany amin'i Jesoa, sy hangataka Aminy ho ahy ny famonjena.

Mahagaga ahy ianareo ,fa izay fiainana nitranga rehetra tany aloha tany ve dia tsy maintsy nosoratana tao anaty baiboly daholo eh?Raha izay manko dia tokony ho hisy baiboly 1,baiboly 2 sns...Nahoana moa i Maria no tsy niakatra any andanitra,ianao aza tsy inn tsy inn manantena fa hiaka any andanitra maika fa i Maria nosoavina noho ny vhv rht
39. mirananirina ( 07/02/2013 18:59)

[quote=didi10]
Fanontaniana tokana no apetrako amin'i Andry!

Aiza ao amin'ny Baiboly i Jesosy no "ni-reconnaitre" fa reniny i Maria?

[/quoteFa ahoana koa izany fanontaniana izany? Angaha nilatsaka velona avy any andanitra i Jesosy-nao?
40. mirananirina ( 07/02/2013 19:03)

maranatha:

andry2013:

Arahaba ry Maria, feno hasoavana.
Ny Tompo ao aminao.
Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao.
Masina Maria, Renin'Andriamanitra,
Mivavaha ho anay mpanota.
Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay

......

Ireo Olomasina Malaza sy Lehibe Hatrany amin'ny Fiandohan'ny Fiangonana dia nanana Fanajana Manokana an'i Masina Maria sy Tena zanany nanarakaraka an'i Jesoa Tokoa ary nisy mihitsy aza moa ireo nisehoany nivantana.

Mbola kely ihany no hitoeran"ny mazava aminareo;mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo.
I Maria dia fitaovana fotsiny ihany nanatanterahana ny drafim-panavotana. Ny reniko sy ny rahalahiko hoy ny Tompo dia izay manao ny sitrampon"ny Raiko izay any andanitra.
I Maria indray izao no ataon"ny sasany ho mpanalalana. Izay fampianarana diso tanteraka. Manao tsinotsinona ny drafimpanavotana nataon"ilay zanak" A/tra.

Fampianarana izay nampidirina tamin"ny andron"i CONSTATIN . I Maria dia olona masina mitovy amin"ny olona masina fotsiny ; mitovy amin"ireo mitandrina ny didin"/Atra sy mino an"i Tompo ohatr'ahy. Mbola ao ampasana izy miandry ny fananganana ny olona masina amin"ny maty .
Mivavaha mba hahery hianareo hiala amin"ireny mariky ny bibidia ireny.

Mariky ny bibidia?? lol
Amiko i Maria dia olona hafa mht matoa nofidiana ho renin'ny mpamonjy, naninona no tsy ny reninao no nofidiany? :)
Nahita ve ianao fa mbola ao ampasana i Maria?? Nahita ve ianao fa tsy ao ampasana intsony ny fatin'i Jeso na mety niova fasana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088