Ny Anjely aza mba Niarahaba Azy koa
41. mirananirina
(
07/02/2013 19:07)
toriteny:
izao andry2013 an. Hihezaka aho hitarika anao any amin'ny marina fa misy zavatra be dia be ny an'ny KAtolika (Izaho katolika nandritry ny 18 taona) izay tsy dia mety loatra sy tsy mifanaraha amin'ny baiboly. Anisany ireo voalazanao ireo.
Izaho dia toa anao io mihitsy taloha ary tena mamaky ahy taloha mihitsy aho mamaky anao :) nefa meteza ianao hotarihin'ny Fanahy MAsina. Aza manamafy fo fa raha tsapanao fa marina ny zavatra ho lazaina eto dia miova. Izaho tsy miteny hoe miova fiangonana an, fa miovà fo sy saina hoentina hivavahana dia taomy ny namanao fa izany no niantsoana anao , ny hampahafantatra ny namanao katolika ny marina.
fa inona kay no marina? Hoe tsy renin'i Jeso i Maria dia tokony tsy ho rarahiana!Manajà ny raiamandreninao dia ho ela velona ianao!Fanajana no omena an'i Maria fa masina izy!tsy nivoaka t@ vongambato na nilatsaka velona avy any andanitra i jeso ary olombelona nofy sy ra toa anao sy ahy
42. Nehemiah
(
08/02/2013 07:28)
mirananirina>>Vakivakio ihany ny hafatra napetraky ny sasany satria efa voavaly ny hevitrao sasany, indrindrindrindra @ maha-"renin'Andriamanitra" an'i Maria. Ary tiako marihina fa tsy nisy porofo, na ara-baiboly, na ara-tantara, fa niakatra mbola velona tany an-danitra i Maria. Ary tsy marina ny fiheveranao fa spéciale i Maria raha nofidin'Andriamanitra. Inona no nampiavaka an'i Abrama, Gideona, Davida, Petera, Matio, sns ? I Andriamanitra anie dia mifidy noho ny sitrapony fa tsy noho ny asa tsara sy toetra tsarantsika (afa-tsy ny finoana moa, mazava ho azy).
Raha nomena fahasoavana izy dia midika hoe tsy spéciale izy (afa-tsy @ lafiny finoana, mazava ho azy) satria ny maha-fahasoavana ny fahasoavana dia tsy mendrika @'zany antsika. I Maria ary no niteny hoe : "Inty ny ankizivavin’ ny Tompo" (Lk. 1:38) ary "Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy; Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho." (Lk. 1:47-48).

43. moustaraf
(
08/02/2013 11:55)
Salama namana isany,
"Izay ateraky ny fanahy dia fanahy"
1.araka ny baiboly dia:
Zanak'Atra = manana hery ambony, tsy resin'ny ota= tsy mety maty
araka ny baiboly dia:
-Nisy karazan'olona roa teto an-tany:
1. IREO TERAKA TALOHAN'NY NIDIRAN'NY OTA (zokin'i Kaina)= Nefilym= Tsy mety maty
"hita taloha sy taorian'ny safo-drano"; ireo no nantsoina hoe zanak'Atra
2. IREO TERAKA TAMIN'NY OTA (Kaina sy ny zandriny rehetra)= mety maty, zanak'olombelona, zanaky ny fahaverezana
T@ alalan'i Mesia dia naverina ny "Tsy mety maty" t@ alalan'ilay singa (fofon'aina na Betsalmenu) napetraka tao @ Maria, mba hisy famonjena indray ho an'ilay taranaka faharoa =mety maty : "ADAMA voalohany varavarana nidiran'ny Ota,ADAMA faha roa nanokatra ny vavahadin'ny famonjena"
Ny anton'ny ivavahantsika dia tokana monja:
"Mba hitafy an'ilay tena tsy mety maty= tsy andevon'ny Ota, @ alalan'ny fandraisana ny Mpamonjy ao amintsika" ka raha tonga ny fotoana tsy maintsy hahalevona ity METY MATY ITY, dia efa itafiantsika ilay tena TSY ETY MATY,izay hany afaka mandova ny mandrakizay.
AMEN!

44. Nehemiah
(
08/02/2013 13:19)
moustaraf:
1. IREO TERAKA TALOHAN'NY NIDIRAN'NY OTA (zokin'i Kaina)= Nefilym= Tsy mety maty
1°) Tsy nisy olona teraka izany talohan'ny nidiran'ny ota. Resaka lojika izany : Rom. 5:12 : "Koa izany dia tahaka ny nidiran’ ny ota avy tamin’ ny olona iray ho amin’ izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra" (Rom. 5:12).
2°) Nefilima dia tsy midika hoe tsy mety maty izao, fa midika hoe "mivarilavo". Maromaro ny théories momba an-dreo, fa ny azo antoka dia zanak'ireo "zanak'Andriamanitra" naka vady t@ zanakavavin'ny olombelona izy ireo, ary inoan'ny manam-pahaizana sasany fa anisan'ny antony nandefasan'Andriamanitra ny Safodrano dia ny mba handringanana an'ireo Nefilima izay fahavetavetàna teo imasony.
45. niryna
(
09/02/2013 07:24)
andry2013:
Arahaba ry Maria, feno hasoavana.
Ny Tompo ao aminao.
Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina i Jesoa hateraky ny kibonao.
Masina Maria, Renin'Andriamanitra,
Mivavaha ho anay mpanota.
Ankehitriny ary amin'ny andro hahafatesanay...
Ireo Olomasina Malaza sy Lehibe Hatrany amin'ny Fiandohan'ny Fiangonana dia nanana Fanajana Manokana an'i Masina Maria sy Tena zanany nanarakaraka an'i Jesoa Tokoa ary nisy mihitsy aza moa ireo nisehoany nivantana.
maranatha:misaotra anao .fa mazava
Mbola kely ihany no hitoeran"ny mazava aminareo;mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo.
I Maria dia fitaovana fotsiny ihany nanatanterahana ny drafim-panavotana. Ny reniko sy ny rahalahiko hoy ny Tompo dia izay manao ny sitrampon"ny Raiko izay any andanitra.
I Maria indray izao no ataon"ny sasany ho mpanalalana. Izay fampianarana diso tanteraka. Manao tsinotsinona ny drafimpanavotana nataon"ilay zanak" A/tra.
Fampianarana izay nampidirina tamin"ny andron"i CONSTATIN . I Maria dia olona masina mitovy amin"ny olona masina fotsiny ; mitovy amin"ireo mitandrina ny didin"/Atra sy mino an"i Tompo ohatr'ahy. Mbola ao ampasana izy miandry ny fananganana ny olona masina amin"ny maty .
Mivavaha mba hahery hianareo hiala amin"ireny mariky ny bibidia ireny.
Roa samy hafa izao no fijerin'ny mpisera eto.Ny iray manandratra an'i Maria ho ambony noho i Kristy.Ny tena nahavaky fo ahy raha sendra mba niditra ny fiangonana misy an'ireny olona ireny aho dia ireo olona izay nitondra ny fiangonana izay itan'ny mason'ny vahoaka ilay malagasy rehetra dia nasandratra ho olo-masina tsssssDia tanisana tsirairay ilay izy kanefa dia ny masony izao no nahita ilay olona-Ny olona samy olona tsy afaka ny hanandratra olona ho olo-masina Andriamanitra irery no afaka sy manana fahefana anao izany
Ny iray kosa dia manambara fa tsy misy mpanelanelana antsika amin'Andriamanitra afatsy kristy irery ary izay no voasoratra ao anaty baiboly (intermediaire-mediateur-mediator)
Koa raha manao io vavaka lavareny io ny olona iray dia azy izany fa izany akory dia midika hoe ao anaty baiboly ireo tanisana ireo
Ny olona izay tonga teto an-tany dia tsy azo hivavahana na omena toerana mitovy an'i kristy sy Andriamanitra Rainy ary tsy ahatonga afatra ho any amin'Andriamanitra(jereo foana ny baiboly )
Mampalahelo fa samy manana ny fampianarana noratovony tokoa moa ny olona.Ary misy miziriziry eo na dia diso aza dia toy ny hoe "pisodia izahay mandra-pahafatinay- sy ny hoe rehefa izay no fantatro dia izay fa tsy miova ny hevitro aho na dia diso aza" Izay anie no nanapahana ny fatotr'i satana e-ny famonjena dia tokana fa tsy hoe ny dadabe-ko no tao dia izaho koa dia ho voavonjy an.Tandremo lasa fiangonandrazana fotsiny mantsy ilay izy,tsy misy maharatsy izany fa anjaran'ny taranaka mandimby no manala ny zioga sy ny fatotr'i satana rehefa mikaroka sy mitady an'Andriamanitra tokoa isika .Eny fa na sanatria aza mpanompo sampy ny dadabe na na ny razambe(sanatria hoy aho an) dia lasa kristiana tokoa ny taranaka mandimby
Ka angataho foana ny fanahy masina ampianatra antsika fa na iza na iza no mitady an'Andriamanitra amin'ny fony tokoa dia hisokatra ny varavarana.Aza miantehitra amin'ny fiangonana izany na amin'ny fampianarana nomena fa zahao ny baiboly ary ataovy ny fandalinana dia ho hitanao fa tsy misy miafina izany na iray aza.
Tsy misy mpanelanelana antsika amin'Andriamanitra afatsy Kristy irery ihany
Soa ihany fa Andriamanitra no mahalala ny tena ao anatin'ny fon'ny olona ka izay mivavaka amiNy dia mivavaka amin'ny Fanahy ary ho dioviny tokoa ny fony ary ahirany ny masony
Efa maro anefa ankehitriny no efa niova sy nihiratra ny masony ka tsy ny fampianarana no arahiny fa ny teny ao anaty baiboly.Kristy dia efa tany ampiandoana no efa nisy ary any amin'ny faran'ny baiboly koa dia mbola tazana Izy.Vakio ny baiboly,manaova vavaka toram-po,ny ao anatin'ny fo mitaraina,mangataka famelankeloka,miaiky fa diso no tadiaviNy fa tsy tsianjery na plis-vava. Fitiavana no ilazako izany ka hifonako raha toa ka misy mandray amin'ny zavatra hafa.
[color=blue]
Tompo o hianao no mahalala ny ao amponay tsirairay avy.Aza avela ho reraka ny fitadiavana anao isan'andro izahay.Omeo anay ny fanahy masina hitari-dalana anay .Hianao no fahamarinana ary ny teninao no fahamarinana.Ampio izahay,sokafo ny masom-panahinay hibanjina Anao.
Andrimanitra mamindra fo hianao.Mivavaka aminao izahay,diovy ny fonay,sasao madio ny helokay ,arovy amin'ny ratsy rehetra izahay.Mpanota tsy mendrika ny hiantso ny anaranao akory izahay.Andriamanitra be famindram-po hianao koa mangataka,mivavaka,mitalaho ny fitiavanao izahay mba hamela ny helokay mpanota.Hianao irery ihany no afaka anafaka anay amin'ny ratsy rehetra,hianao irery ihany no afaka hanadio ny otanay,ny fahotanay ary hianao irery ihany no afaka hanasitrana anay avy amin'ny Zanakao izay tonga nofo ary nampianatra ny taranaka rehetra ahafantatra Anao .Aza avela ho azon'ny fampianarana diso izahay fa ampianaro kosa hifantoka aminao satria nandefa ny Zanako hianao hisolo ny helokay.Ny otanay no mampisaraka anay aminao ary ny hazofijaliana no famonjena nomenao anay dia ny nahafatesan'ny Zanako maty hamonjy anay,hisolo ny helokay ary hamindra fo anay.Fa fahasoavanao no namonjena anay ka tsy hisy na nisy na iray aza afaka hisolo ny Zanakao hamonjy na hivavaka na angataka vavaka hamonjena anay.Misaotra anao izahay Tompo o noho ny fanekenao hamonjy anay
Voninahitra anie ho anao Irery ihany ety an-tany ka hatrany an-danitra
Misaotra Ray o fa nomenao fitiavana izahay,novonjenao tao anaty ny aizina izahay ary misaotra noho ny Zanakao Malalanao
Misaotra Fanahy Masina o fa miaraka aminay isan'andro hianao mampahatsiahy ny fahotanay,manadio anay ho afaka amin'ny fahavalo sy ny fahotana ary mampahery anay sy mitari-dalana anay hatrany
Misaotra Kristy o noho ny famonjenao anay ho afaka amin'ny ziogan'ny ratsy rehetra ary misaotra anao koa izahay noho ny vavaka nangatahinao ny Rainao mba anome anay ny fanahy masina izay hiaraka aminay ary miaraka aminay mandrakizay
Velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka na dorana aza dia tsy ho levona.
Mandrakizay ny famindramponao Amena dia Amena
46. mirananirina
(
09/02/2013 09:34)
Nehemiah:
mirananirina>>Vakivakio ihany ny hafatra napetraky ny sasany satria efa voavaly ny hevitrao sasany, indrindrindrindra @ maha-"renin'Andriamanitra" an'i Maria. Ary tiako marihina fa tsy nisy porofo, na ara-baiboly, na ara-tantara, fa niakatra mbola velona tany an-danitra i Maria. Ary tsy marina ny fiheveranao fa spéciale i Maria raha nofidin'Andriamanitra. Inona no nampiavaka an'i Abrama, Gideona, Davida, Petera, Matio, sns ? I Andriamanitra anie dia mifidy noho ny sitrapony fa tsy noho ny asa tsara sy toetra tsarantsika (afa-tsy ny finoana moa, mazava ho azy).
Raha nomena fahasoavana izy dia midika hoe tsy spéciale izy (afa-tsy @ lafiny finoana, mazava ho azy) satria ny maha-fahasoavana ny fahasoavana dia tsy mendrika @'zany antsika. I Maria ary no niteny hoe : "Inty ny ankizivavin’ ny Tompo" (Lk. 1:38) ary "Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy; Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho." (Lk. 1:47-48).
Mampiavaka ireo voalazanao ireo @ i Maria dia i Maria renin'i Jeso fotsiny izao fa ireo mpaminany!!Iza tamitsika na ireo fahiny aza no nahazo fiarabana t@ ireo anjelin'Atra?
47. mirananirina
(
09/02/2013 09:44)
Niryna hoy ianao hoe
Diso ianao satria raha manao io fivavahana io dia tsy midika fa hoe manandraka an i Maria ho ambony noho i Jesoa mihitsy fa kosa manaja sy mivavaka miaraka aminy @ maha renin'ny mpamonjy azy. Izany hoe ireo olona tsy manonona afatsy i Jesosy ireo izany manandratra an'i Jesosiny (olombelona) ambony noho Andriamanitra?Misy Fiangonana izay manjy i Jesosy foana no lazainy ao!!!Fa aiza Andriamanitra ambony indrindra amitsika?
Raha dinihiko io teny ambaranao io dia rariny ihany raha tsy nino an i Jeso ho zanak'Atra ny olona sasany fahiny satria tsy azo hivavahana hoy ianao ny olona tonga teto antany afatsy i Jeso? Nahita izany va ianao?Nahita izany va ireo tsy mino fa zanak'Atra i Jeso?
Fa Andriamanitra iray tsy hita maso irery ihany no tena izy.Raha mino an i Jesoa zanak'Andriamanitra isika dia mino koa ny reniny nahatonga azy teto ambonin'ny tany
Roa samy hafa izao no fijerin'ny mpisera eto.Ny iray manandratra an'i Maria ho ambony noho i Kristy.Ny tena nahavaky fo ahy raha sendra mba niditra ny fiangonana misy an'ireny olona ireny aho dia ireo olona izay nitondra ny fiangonana izay itan'ny mason'ny vahoaka ilay malagasy rehetra dia nasandratra ho olo-masina tsssssDia tanisana tsirairay ilay izy kanefa dia ny masony izao no nahita ilay olona-Ny olona samy olona tsy afaka ny hanandratra olona ho olo-masina Andriamanitra irery no afaka sy manana fahefana anao izany
Ny iray kosa dia manambara fa tsy misy mpanelanelana antsika amin'Andriamanitra afatsy kristy irery ary izay no voasoratra ao anaty baiboly (intermediaire-mediateur-mediator)
Koa raha manao io vavaka lavareny io ny olona iray dia azy izany fa izany akory dia midika hoe ao anaty baiboly ireo tanisana ireo
Ny olona izay tonga teto an-tany dia tsy azo hivavahana na omena toerana mitovy an'i kristy sy Andriamanitra Rainy ary tsy ahatonga afatra ho any amin'Andriamanitra(jereo foana ny baiboly )
Diso ianao satria raha manao io fivavahana io dia tsy midika fa hoe manandraka an i Maria ho ambony noho i Jesoa mihitsy fa kosa manaja sy mivavaka miaraka aminy @ maha renin'ny mpamonjy azy. Izany hoe ireo olona tsy manonona afatsy i Jesosy ireo izany manandratra an'i Jesosiny (olombelona) ambony noho Andriamanitra?Misy Fiangonana izay manjy i Jesosy foana no lazainy ao!!!Fa aiza Andriamanitra ambony indrindra amitsika?
Raha dinihiko io teny ambaranao io dia rariny ihany raha tsy nino an i Jeso ho zanak'Atra ny olona sasany fahiny satria tsy azo hivavahana hoy ianao ny olona tonga teto antany afatsy i Jeso? Nahita izany va ianao?Nahita izany va ireo tsy mino fa zanak'Atra i Jeso?
Fa Andriamanitra iray tsy hita maso irery ihany no tena izy.Raha mino an i Jesoa zanak'Andriamanitra isika dia mino koa ny reniny nahatonga azy teto ambonin'ny tany
48. Nehemiah
(
09/02/2013 12:39)
Tsy dia izay loatra moa no tiako anontaniana teo. Ny tena tiako tenenina dia ny antony nifidianan'Andriamanitra an'ireo olona ireny dia ny finoany, ary ny finoany ihany, sa nisy antony hafa ?
I Gideona izao dia nahazo fiarahabàna t@ anjely(Mpi. 6:12). Nefa tsy ivavahana izy.
Raha izay no fomba anehoanao fa tokony tompoana i Maria dia tokony vao mainka tompoana kokoa ny mpianatr'i Jesoa Kristy, satria niarahaba azy ireo Izy hoe "Ho aminareo anie ny fiadanana". Nefa raha ny fahalalako azy dia an'i Maria irery ny hyperdulie @ fivavahana katôlika.
mirananirina:
Mampiavaka ireo voalazanao ireo @ i Maria dia i Maria renin'i Jeso fotsiny izao fa ireo mpaminany!!Iza tamitsika na ireo fahiny aza no nahazo fiarabana t@ ireo anjelin'Atra?
I Gideona izao dia nahazo fiarahabàna t@ anjely(Mpi. 6:12). Nefa tsy ivavahana izy.
Raha izay no fomba anehoanao fa tokony tompoana i Maria dia tokony vao mainka tompoana kokoa ny mpianatr'i Jesoa Kristy, satria niarahaba azy ireo Izy hoe "Ho aminareo anie ny fiadanana". Nefa raha ny fahalalako azy dia an'i Maria irery ny hyperdulie @ fivavahana katôlika.
49. Miharena
(
10/02/2013 03:22)
Lavalava ihany ilay adihevitra rehefa novelabelarina tsotra ilay fototy ny vavaka ifampiresahana amin'i Maria.
Raha izaho no mamaky dia mazava ny laha-kevitra nomen'ny namana Andry2013. Mamehy ny Baiboly hatrany amin'ny Apokalypsy ilay izy.
Izany hoe manorina ny Fiangonana Vaovao ny hevi-dalina ao anatiny.
Mba hialàna amin'ny fitsaratsaram-poana avy amin'ny namana isan-tokony, dia mila asitrika aloha izay efa nanefena ny saintsika avy amin'ny mpitari-pivavahana teo aloha rehetra izay mampiteraka fanontaniana tsy mety ho voavaly zato isan-jato raha tsy ny Tompo Tsitoha mihitsy no mibitsika ao anatin'ny tsirairay izay tiaNY lazaina marina.
Ny olana dia ny fitadiavana ny lalana marina na fil directeur ao anaty Baiboly ao izay mampierikerika ny maro ka hihainoany fampianaran-olombelona fa tsy ny fampianaran-Andriamanitra. Saina voafetra tsy afaka handinika ny Tsy voafetra. Ny hany azo tadiavina ao amin'ny voafetra dia ny fanekena fa misy fahamarinana voasoritra avy amin'Ilay tsy manam-petra ary manaraka izany amim-pahatokisana. Tsy misy afatsy izay no hananana fijoroana ary tsy mila porofoina akory ny zava-mitranga sy ny vokatra azo fa mandeha ho azy avy eo.
Raha manetri-tena kely fotsiny isika dia hahiratra tsara sy hahalala hoe hay hevitra tsy mitombina no entiko manafoana ny hevitry ny namako satria hevitra sy sain-olombelona ihany. Raha tsy ny Tompo no ao amintsika dia tsy hisy mihitsy ny HEVINY hanjaka ao ampontsika.
Azo lazaina ohatra ny fiheveraana ny fahafatesana. Ara-nofo no misy izany fa ny ara-panahy dia Andriamanitra no manome toky fa velona ny AINY ao aminao.
Fanontaniana adaladala amiko ny manao hoe ; i Maria ve velona sa maty ary koa izay rehetra milaza hoe maty ny olona rehefa mandao ny nofony.Tsy misy mitombina na dia kely aza izay lazain'ny Baioly raha toa ka izany no fomba fisainana aborantsika. Ary tsy tokony hankany am-piangonana akory izay manao amin'ny namany hoe foka ialahy, na dia ratsy toy ny inona aza ilay namana.
Ilay firaisana mihitsy no very ary asa mbola lavitr'ezaka ho an'izay manana foto-pisainana mamefy amin'ny finoana ara-tsoratra tsy voadinika tsara izy io.
Raha maneho hevitra ny namana tsirairay dia azo vakiana tsara hoe madio sa mitsaratsara foana ny fisainany mamoaka izany hevitra izany. Ka hoy aho hoe, ho antsika rehetra mitsikera, amin'ny fahadiovana sa amin''ny fitsaràna? Ny olana amin'ilay fitsaràna dia hevitra tefi-maika nangoniny etsy sy eroa ihany no entiny mitsara ny namany fa tsy mampita aminy ny Fototra Voaorina tsara izy.
Ka hoy aho hoe azo alaina lesona ratsy ny fanenjehana rehefa fantatra fa tsy marim-pototra tanteraka ka tokony hialàna impito mandifotr'olona.

50. Nehemiah
(
11/02/2013 08:40)
Rehefa vakiana i Miharena dia toa mandrara miady hevitra hitady ny marina. Fa inona kay ny marina ?
51. Miharena
(
12/02/2013 03:46)
Nehemiah:
Rehefa vakiana i Miharena dia toa mandrara miady hevitra hitady ny marina. Fa inona kay ny marina?
Ny marina dia tsy tadiavina fa mipoitra ho azy. Raha mbola ao anaty fitadiavana ny marrina ianao dia tsy hahita azy mihitsy satria saina no entinao mitady azy fa tsy ny fitodihanao mitsapa ny maha-fanahy noforonin'Andriamanitra anao.
Hoy Mpitoriteny hoe : zava-poana ny zava-drehetra. Io no marina.
Zava-mandalo ny hevitra sy ny fifanesen'ny zava-boary araka ny fetrany avy. Ao koa ny ideolojia mivoitra noho izany fisiana izany. Fa ny marina sy mandrakizay dia IRAY ihany izay FOTOTRA ifamahofahoan'ireo zava-mandalo ireo. Ny fivoarana ao anatin'io FOTOTRA io no marina.
Fa raha hoy isika hoe diso ny milaza ny famintinam-bavaka iray toy ny Arahaba ry Maria sy ny hoe Rainay izay any an-danitra, dia arodantsika izany ny FOTOTRA iorenantsika. Satria izay manohitra izany dia efa manohitra ny Baiboliy iray manontolo.
Misy fintim-bavaka mivoitra hatrany rehefa mamaky Baiboly ary rehefa zohina tsotra izany dia manome ny marina.
Ny marina izany dia tsotra ary i Jesoa dia nanome hatrany famintinana rehefa anontanianan na tamin'izany, ka hatramin'izao.
Ohatra iray: raha nanontanian'ny mpino iray nisehoany IZY hoe misy ve ny devoly ka namaly IZY hoe ao anatin'ny olona tsirairay avy izany, dia famintinana iray io hanomezana lesona momba ny fandinihan-tena satria marina dia marina izany fa raha vao teraka isika dia feno fahadiovana fa rehefa mitombo ao amin'ny fampianaran'izao tontolo iainantsika izao dia feno faharatsiana sy vesatra. Dia ny mamerina ilay fahazazàna madio iny no antony itadiavana ny marina na ny marina kokoa hoe ny fametrahan'ny Tompo hatrany ny fanitsiana izay hevi-diso tsy voafehy eny rehetra eny, izany hoe fandevonana ireny hevitra diso ireny ka mampiorina mandrakariva kosa ny fahatsorana sy fahadiovam-po. Ka raha mijery zavatra iray dia madio ny eritreritra miresaka ny momba azy io, na io fintim-bavaka, hiram-bavaka, na io hevitra tonga avy amin'ny fanadihadian'ny tsirairay arakaraka ny fetram-pahalalàny avy.
52. Nehemiah
(
12/02/2013 05:58)
Tsy dia tena manaraka contexte ny fandraisanao ny Mpit. 1:2. Ny tian'i Solomona tenenina, rehefa zohina ny bokin'ny Mpitoriteny iray manontolo, dia tsy misy dikany ny zavatra rehetra ataontsika sy iainantsika raha tsy matahotra an'Andriamanitra ary mitandrina ny didiny (Mpit. 12:13).
Efa nampitandrina anao aho @ io fisainanao post-moderne mihevitra fa samy manana ny fahamarinany daholo ny olona tsirairay. Raha ny hevitrao no narahin'ny Tompo, moa nila nanakiana ny Fariseo izy ? Tokana ny fahamarinana ary i Jesoa Kristy izay Tenin'Andriamanitra no Fahamarinana. Ka ny Tenin'Andriamanitra no arahana raha te-hijanona @ fahamarinana, satria ny fahamarinana no maha-afaka (affranchi) antsika (Jn. 8:31-32).
Raha ny ohatra omenao izao dia tsy mifandraika @ Baiboly ny filazàna fa ny ratsy ao anatintsika no Satana. Milaza tsara ny Baiboly fa zavamananaina izy, persona izy (izany hoe anjely mivarilavo). Be ny porofo ara-Baiboly ho an'izany, fa tsy ho tanisaiko aty satria manjary mampivaona diso tafahoatra ny resaka. Ka sahintsika ve ny mampilaza ny Baiboly ny zavatra tsy lazainy ?
Izay koa ny adi-hevitra atao aty : ara-Baiboly ve ny fivavahana an'i Maria (satria na inona na inona lazain'ny EKAR, mivavaka an'i Maria ny katôlika mba hivavaka ho azy ireo) ? Raha ny fahitako azy dia tsia. Raha diso aho, ampahafantaro aho ny maha-diso ahy. Raha marina aho, tongava saina.
Satria ny finoana kristiana dia finoana rationnelle. Tsy niteny mihitsy i Kristy hoe : "Aza mieritreritra, minoa fotsiny ihany", fa "Aza matahotra, minoa fotsiny ihany" (Lk. 8:50). Satria ny didy lehibe iray dia milaza hoe : "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra " (Mk. 12:30, Lk. 10:27). Tsy ota ny miady hevitra, satria ny mahatsara ny fahamarinana dia azo iadiana hevitra.

53. Miharena
(
12/02/2013 14:54)
Mampametraka fanontaniana ihany namana, alohan'ny hitadiavana izay ao anaty Baiboly, ilay fandavana ny hoe raha fantatra fa tsy maty fa mbola miasa ny olomasina dia tsy eken'ny sain'ny hafa ny hifampiresahana aminy.
Raha misy koa ny fijoroana vavolombelona ahitan'ny olona hoe velona i Maria, na i Dadan'i Tsaratsara ary afaka mifampiresaka tsara, dia lavinareo koa ve izany? Satria tsy ara-Baiboly ireny. Ao ireo mijoro fa miresaka amin'i Jesoa tenany mihitsy, tsy ara-Baiboly koa izany fa ny ara-Baiboly hono dia hoe hisy Kristy sandoka, dia sandoka izany ireny raha ara-Baiboly no jerena satria tsy toy izany no fisehoan'i Kristy fa mbola any am-parany. Inona no farany?
Ao ireo fifohazana marobe izay manana Mpitaiza mitokana tanteraka mba hifandraisany amin'Andriamanitra na i Jesoa. Ary mitovy amin'izany koa ny nahatonga ny vavaka tamin'i Maria satria noho ny fitokanana no nahazoan'ny mpino EKAR azy io.
Ilay izy angamba tsy hoe rehefa tsy voasoratra ao anaty Baiboly hoe tokony hatao na tsy tokony hatao dia lavina fa noho ny fitomboana ara-panahy azon'ny olona iray ary manaraka ny rehetra rehefa resy lahatra.
Ny fandraràna tsy misy porofo mazava na ny fitsikerana tsy misy prorofo mazava no tsy mety amiko satria manafintohina olona izay mazava be ny fahitany ny lalana izorany. Hoy ny Tompo hoe "loza ho an'izay niavian'ny fanafintohinana".
Ka raha azonao atao aloha, alohan'ny hilazanao fa tsy ara-Baiboly io vavaka io, dia omeo ny porofo. Ohatra, izay nivavaka toy izany dia lasa toy izatsy na izaroa satria noho izao sy izao avy...Rehefa voavalinao tsara izany dia azo ekena ny fandresen-dahatrao.
Ilay resaka fitiavana an'Andriamanitra amin'ny fo sy ny saina rehetra, izay voizina ho fahamarinana dia marina ary FOTOTRA izany. Fa ny fifaneraserana kosa dia manamporofo fa eo ambany helatr'IZY Tompo daholo ny rehetra mifanerasera, na io efa nodimandry na io mbola velona ao amin'ny nofo. Misy fampiarnarana izay tsy fantatntsika izay mbola nofo fa tsy miaina amin'ny maha-Fanahy feno toa an'i Kristy, nefa efa azon'ny Mpanara-dia AZY efa nodimandry iandraiketana. Avy amin'izany no hahafahana mamantatra izany hoe miaina ara-panay izany. Tsy mila fitanisana Baiboly izany fiainana amin'ny maha-fanahy izany fa fanahy miaina isika amin'izay fotoana izay. Aza mba olon'ny soratra ihany isika fa tsy hahita izany fahasoavan'Andriamanitra izany ny olon'ny soratra (ohatra: Fariseo).
Ka sao dia ao amin'io antokon'ny soratra io aza ny namana matoa manenjika ny mpino mifanerasera amin'ny zokiny ara-panahy efa nodimandry? Na izany na tsy izany, voasoratra ao anaty Baiboly hatrany ny seraseran'ny Anjely amin'ny olombelona ary koa ny serasera amin'ny fanahin'ny efa nodimandry.

54. Nehemiah
(
13/02/2013 07:18)
Tsy azonao an-tsaina akory fa mifanipaka tsy misy toy izany ny hevitrao. Inona izany no fahefanao ? Ahoana ny fiheveranao ny Baiboly ? Mirakitra ny Tenin'Andriamanitra ve sa Tenin'Andriamanitra ? Atopinao foana ny hoe olon'ny boky etsy olon'ny finoana eroa, fa inona kay no inoanao ? Maninona moa raha avalinao izay : ahoana ny fiheveranao ny Baiboly ?
Satria raha mino ny Baiboly ho Tenin'Andriamanitra ianao dia raisinao ho azo antoka ny zavatra lazainy. Anisan'izany ny Dt. 18:10-11 izay mandrara antsika hifanerasera @ maty, ny Mpit. 9:10 izay milaza fa tsy azo andrasana inona na inona ny maty, ny ohabolan'ilay lehilahy manankarena sy Lazarosy izay milaza fa tsy hiverina @ tontolon'ny velona ny maty hanome hafatra na fanambaràna antsika (Lk. 16:19-31, mariho tsara ny and. 31) ary Jod 3 sy Ap. 22:18-19 izay milaza fa efa feno ny fanambaràna nomen'ny Baiboly ka tsy mila anampiana na anesorana inona na inona intsony. Ary tokony azontsika an-tsaina anie fa hafa ny anjely, hafa ny olo-masina, ka tsy mitombina izany raha fifaneraseran'ny olombelona sy ny anjely mba hanamarinana ny fifaneraseran'ny velona sy ny maty.
Ary izay no tokony ahatonga antsika saina, na inona na inona fireham-pinoantsika : ny anjelin'ny maizina koa afaka mifanerasera @ olombelona ka mamitaka azy ireo ! (Izay no toetrany : 2 Kor. 11:14). Ka raha mahita olona efa maty antsika, na miendrika angatra, na miendrika olomasina, nefa milaza ny Baiboly fa tsy misy an'izao, dia midika izany fa fitak'i Satana izany !!! Izay no tanjony hatr@ Gen. 3:2 : "Niteny tokoa ve i Andriamanitra hoe...".
Ahoana hoy ianareo momba an'ity filazan'ny konsily Vatican II ity ? ""La dispensation Chrétienne, en tant qu'alliance nouvelle et définitive, ne sera jamais remplacée. Nous ne devons donc attendre aucune nouvelle révélation publique, avant la glorieuse manifestation de notre Seigneur Jésus-Christ" (Dei Verbum)".
Ary aoka hazava izay : tsy manenjika an'iza na iza aho ary tsy faniriako ny manenjika an'iza na iza. Fahamarinana no tadiavina rehefa miady hevitra ary izay ihany. De la discussion jaillit la lumière. Ka raha marina aho, tongava saina. Raha diso aho, asehoy aho ny hadisoako. Fa tsy misy afovoany. Lalàn'ny lojika izany (izay antsoina hoe lalàn'ny tsy fisian'ny elanelana).
Tsy ny hanafintohina an'iza na iza no tanjoko fa ny mba isarihana ny rahalahiko sy anabaviko @ fahamarinan'ny Baiboly.
Zavatra hafa koa : ny fahadisoan'ny Fariseo dia nifantoka t@ didy aman-dalàna voasoratra anaty Soratra Masina nefa tsy hitan-dry zareo akory ny tena tanjon'ny Soratra Masina. Ny fiainana ara-panahy kristiana dia tsy vitan'ny hoe olon'ny finoana fa olon'ny finoana an'Andriamanitra !

55. Miharena
(
13/02/2013 11:10)
Miresaka ny momba ny tsy fifaneraseran'ny velona sy ny maty moa ianao, dia ahoana àry ny fahitan'ny Mpianatra ny fifaneraserany tamin'i Kristy taoirian'ny nahafatesany?
Mety hiteny ianao hoe tsy mitovy amin'ny fahafatesan'ny olombelona hafa io Azy io. Nefa hoy indray aho hoe, io no famantarana omen'Andriamanitra antsika fa velona mandrakizay isika zanaNY ka i Kristy Jesoa no Lahimatoa.
Rehefa raisina ho marina io, dia manaraka ho azy ireo sisa rehetra, na i Maria, na ny Apostoly, na ireo izay efa nodimandry nefa naverina ho nofo mitory sy miriaria ary mamela dindo (ohatra, Nenilava, i Tsaratsara) sy ny sisa marobe na dia olon-tsotra nisehoan'i Masina Maria aza (ny namako efa ambavahaona ohatra dia nisehoan'i Masina Maria dia sitrana ary mitombo ara-pinoana).
Asa aloha fa mety tsy mitovy ny fomba fijerintsika io Baiboly io fa tsy mivoana ny ao anatin'ny Baiboly ilay laha-kevitra naroson'ny namana ami'n'ny lohahevitra ary anisan'ny manazava azy rehetra ny fomba fijery izay arosoko fa tsy afaka mamboly fomba fijery hafa eo anoloan'izany fahamarinana miseho izany aho.
raha mino an'Andriamanitra sy ny Baiboly, dia mazava fa mino izay fisian'ny Fanahin'ny Olomasina izay ihany koa (dia Maria sy ny apostoly arakaraka ny vanim-potoana isehoany avy.

56. Nehemiah
(
13/02/2013 13:38)
Izay izao dia efa hitako ho porofo fa ho faly be i Satana ny hanasitrana ny serintsika raha afaka manome antsika ny homamiadana izy.
Mety tsy azoko tsara ny hevitrao, fa non-sequitur indray ny fahitako azy : rehefa nitsangana t@ maty ara-batana i Kristy ve dia tsy maintsy midika hoe miverina ety ambony tany ny fanahin'ny maty @ Kristy ?
Averiko hatrany : ny Tenin'Andriamanitra dia tsy miresaka momba ny zavatra mety nataon'Andriamanitra sy nodidian'Andriamanitra, fa miresaka momba ny zavatra nataony sy nodidiany. Ka rehefa niteny Izy fa raha tsy mino an'i Mosesy ny olona dia tsy hino koa raha misy mitsangana @ maty, dia izay no izy, tsy handefa olomasina hiverina avy any, na dia tsy eken'ny saintsika izany. Sa fantenana ny sasany dia ariana ny sasany ?

57. Miharena
(
13/02/2013 17:28)
Mahavaka ihany ilay fomba famakianao ny Tenin'Andriamanitra. Ao dia milaza ny momba ny fiainana ny ankehitriny, araka ny resaka momba ilay mpanangona harena ka nihevitra ny hifaly amin'izany nefa ny alina dia nalaina taminy ny ainy.
Tsy ny fiainana ara-nofo no manan-danja amin'io ohatra io ary lesona milaza ny hoe miaina amin'ny ankehitrininy feno ny Kristianina no tiana tsoahana ao. Izany hoe miaina ara-panahy sy ara-batana ankehitriny. Ary mahatsapa fa manana Ilay mandrakizay miahy azy mandrakariva na dia miala amin'y vatany aza. Izany hoe efa afaka milaza ny hoe ; ho tonga anie ny sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Ilay fomba fisainan'ny Kristianina manalavitra ho amin'ny ho avy hatrany ny fiavian'i Kristy no mahatonga azy tsy mihaona amin'i Kristy ankehitriny. Ny fanalavirana ny fikasan'Andriamanitra ho ami'ny ho avy fa tsy ankehitriny no mahatonga ny atao hoe illusion na fiheverana zava-tsi-arim-pototra fa atao hoe sarisarin-kevitra. Ary io no betsaka amin'ny Kristianina, na izy milaza tantara efa lasa, na izy mamerin-teny ao anaty Baiboly izay efa 2000 taona lasa ka na dia efa aty amin'ny taona 2013 aza dia mbola tsy miova hoy izy ilay teny tami'ny 6000 taona lasa fa mbola ho avy.
Rehefa tsy mitanbatra ny sain'ny olon-drehetra fa hammiaina amin'ny ankehtriny ny Fitiavana sy Fiadanana dia tsy ho tanteraka mihitsy ny hoe : atao anie ny Sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Ka raha hiverina amin'ny vavaka amin'y lohahevitra aho, dia milaza fa efa fantatra fa velona ireo olomasina ankehitriny ary mety miasa izy ireo.
Ny olana dia rehefa i Satana dia lazaina fa velona sy miasa ankehitriny fa rehefa Olomasina na i Maria, izay antokon'Andriamanitra dia lazaina fa tsy tokony hanao izany asa izany. Ao koa ny Anjjely maro izay tarihin'i Mikaela, lazaina fa rehefa misy mahazo hafatra avy amin'ireny dia asa tsy mazava izay. Aiza ihany àry no ametrahantsika ny finoana raha izany tokoa no izy namana Nehemia? Mitompo Teny lasa sa miaina ny ankehitriny miaraka AMINY sy ny Anjely ary ny Olomasina?

58. Nehemiah
(
14/02/2013 06:55)
Azoazoko an-tsaina ny tianao tenenina : ny ankehitriny no tena zava-dehibe fa tsy ny lasa na ny ho avy, satria ny ankehitriny ihany no ivelomantsika ka azontsika iasàna sy ovàna. Raha mifantoka @ lasa na ny ho avy dia manjary tsy maharaka ny réalité ankehitriny intsony na ho very mihitsy ny tombontsoa ara-panahy mety azoko raha ny ankehitriny no nifantohako. Sa tsy izay ?
Fa raha izay no izy dia mba te-hanisy fanitsiana kely aho : tsy midika izany fa tokony atao ambanin-javatra ny lasa (satria anatsoahana lesona ilay izy) na ny ho avy (satria ny ho avy no ho lasa ankehitriny rahateo). Raha tsy izay dia manjary mirona @ fampianarana New Age mitovitovy @ ny an'i Eckhart Tolle.
Nefa moa tsy mitombina ny hevitra milaza fa tsy misy lanjany ny teny t@ 2000 taona lasa : "Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona." Na dia ny Iliade 1 000 taona talohan'ny Evanjely no nanoratana azy nefa heverina ho azo antoka fa mitovy @ original ilay izy.
Izaho hoy aho tsy mandà fa miasa aty amintsika ny anjely, na avy @ mazava na avy @ maizina, satria voalazan'ny Tenin'Andriamanitra tsara izany. Ary raha handray ny ohatr'i Jeanne d'Arc antsika, nilaza izy fa Md Michel no niresaka t@. Anjely any izy.
Fa mandà kosa aho fa manome hafatra sy fanambaràna antsika ny olomasina satria izay no azo tsoahina avy @ Baiboly.
Ka tsy maintsy ekentsika izay lazain'ny tenin'Andriamanitra, na dia mifanohitra tanteraka @ fisainantsika olombelona. Sarotra amiko izao ny manaiky fa tsy hiaraka amiko any @ Paradisa i Fifi alikako malala, nefa milaza ny Tenin'Andriamanitra fa ny olombelona irery no mahazo ny famonjena, na dia ny anjely aza tsy mahazo an'izany.

59. Miharena
(
14/02/2013 17:40)
Ny Teny ampiasaina amin'ny tokony tys hampiasana azy no mamono fa raha ampiasaina amin'ny tokony ho izy ny teny no mamelona. Ka ireo teny mamono no noresahako taminao, satria, rehefa miteny isika hoe mpanota dia io hatrany efa 2000 taona lasa ary mbola atao amin'izao fotoana izao ary toa roritina ho any amin'ny ho avy koa ilay izy.
Ao koa ny momba ny fiavian'ny Tompo, efa 2000 taona lasa IZY no niteny hoe ho avy Aho haka anareo (tamin'y Apostoly sy ny mpanaradia tamin'izany io), dia tonga 2000 taona aty aoriana dia mbola io ihany no ampanantenain'ny Mpitarika ny Kristianina sasantsasany ao aminy. Inona no mbola andrasana? sa hevitra izy io dia voizina fotsiny hatrany hatrany? Tsy manome ny endri-piainanaara-panahy ny zavatra toy izany hoy aho ary mankadilo sofina aza, ialàna tsiny ami'ny fitenenana. Amiko rehefa fantatra fa velona mandrakizay ny fanahy dia tsy tokony hisy filazàna andrasana intsony fa miaina ankehitriny ao ami'ny Fanahy Masina dieny mbola nofo ny rehetra. DIa miaraka mifaly amin'izany zavatra izany.
Izay aloha no fahitako sy fahatsapako ny Tenin'Andriamanitra fa asa izay lazainao hoe Tenin'Andriamanitra mety tsy metimety amin'ny fisanantsika olombelona izany. Raha amifandraisina amin'ny ohatra nomenao hoe ny amboanao tsy hiaina miaraka aminao any am-paradisa ilay izy dia na ny paradisa aza dia tsy voafaritrao mazava akory hoe inona ary ahoana, satria raha ny fahitako azy aloha dia na ny momba ny tenanao ankehitriny aza tsy fantatrao, ko ny Paradisa sahady ny faritanao fa tsy hisy amboa any!!
Ka mba vakio ami'ny hitsiny io Tenin'Andriamanitra io fa aza mamorona eritreritra tsy mitombina.
Raisina ohattra ny momba ny faran'izao tontolo izao. Rehefa misy mahazo tsindrimandry fa ho tapitra izao tontolo izao noho ny famakiany isanandro ny Apokalypsy, dia lasa miresaka izy hoe ny 2012 izany no hitranga ka hisy horohorontany mafy tsy misy toy izany sns... (Teny vaombara ireo ao anaty Baiboly). Dia tsy tanteraa ilay izy dia tsy mbola ho tonga saina ihany ve hoe hay eritreritra novoizina fotsiny ihany izy io???
Dia toy izany koa ny faminavinàna zavatra tsy mitombina ho an'ny namana Kristianina mivavaka sy miresaka amin'ny fanahy efa nodimandry, izay mahazo fitaizana mazava sy mahazo fanoroana ny momba ny any ankoatra. Ka sao ianao namana no tsy mahalala izany ankoatra izany ka milaza sahady hoe toy izay voasoratra ihany izany izy izany (sady mila tsoahina tsara koa ao anaty Baiboly hoe tahaka ny ahoana izany Paradisa izany raha tena lazainao fa tsy misy sfa-tsy io no feno.

60. Nehemiah
(
15/02/2013 06:24)
Miharena:

Resy lahatra @'izay fa tsy finoana kristiana ny finoanao. Aiza no hisy mpino an'i Kristy hiteny an'izay ? Efa naminany ny momba ny olona tahaka anao anie i Petera ! Averiko aty ny tenin'ilay Apostoly :
2 Pet. 3:
Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ ny fampahatsiarovana, mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ ny mpaminany masina rahateo sy ny didin’ ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ ny Apostoly nirahina ho at? aminareo; fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza. Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’ izany teny izany ho amin’ ny afo ka tehirizina ho amin’ ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra, Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra [Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] , ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana [Na: maniry mafy] ny hihavian’ ny andron’ Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ ny zavatra rehetra! Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ ny fahamarinana. Koa amin’ izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ ny Tompo amin’ ny fihavanana. Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’ i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany. Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ ny fahadisoan’ ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo; fa mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
Ka mibebaha ianao. Resaka matotra an ny aho ity. Miala tsiny raha mampiasa teny hentitra fa raha tsy izaho no miteny anao dia iza ? Fitiavana agape no mitarika ahy hiteny anao. Moa azo anatsoahana interprétation ésotérique maro be ny toko napetrako teo ?
Nefa moa tsy dia gaga loatra aho satria izay no vokatry ny finoana an'ireny tapitrisa taona ireny sy ny fotopisainan'ny evolisiona ; mandrava ny finoan'olona avy any ifotony tahaky ny asidra.
Miharena:
Izay aloha no fahitako sy fahatsapako ny Tenin'Andriamanitra fa asa izay lazainao hoe Tenin'Andriamanitra mety tsy metimety amin'ny fisanantsika olombelona izany. Raha amifandraisina amin'ny ohatra nomenao hoe ny amboanao tsy hiaina miaraka aminao any am-paradisa ilay izy dia na ny paradisa aza dia tsy voafaritrao mazava akory hoe inona ary ahoana, satria raha ny fahitako azy aloha dia na ny momba ny tenanao ankehitriny aza tsy fantatrao, ko ny Paradisa sahady ny faritanao fa tsy hisy amboa any!!
Ka mba vakio ami'ny hitsiny io Tenin'Andriamanitra io fa aza mamorona eritreritra tsy mitombina.
Iza amintsika no mamorona eritreritra tsy mitombina ara-Baiboly eo ? Efa nitaritako valiny lava be ny momba ny hermeneotika : http://forum.serasera.org/forum/message/m50cae449593df#m50d41030bf0ad.
Miharena:
Raisina ohattra ny momba ny faran'izao tontolo izao. Rehefa misy mahazo tsindrimandry fa ho tapitra izao tontolo izao noho ny famakiany isanandro ny Apokalypsy, dia lasa miresaka izy hoe ny 2012 izany no hitranga ka hisy horohorontany mafy tsy misy toy izany sns... (Teny vaombara ireo ao anaty Baiboly). Dia tsy tanteraa ilay izy dia tsy mbola ho tonga saina ihany ve hoe hay eritreritra novoizina fotsiny ihany izy io???
Ny Baiboly ary mamerimberina tsara fa "Ho avy toy ny mpangalatra ny Tompo" (jereo etsy ambony), ka ireo olona ireo no manao zavatra tsy ara-Baiboly fa tsy inona akory.
Miharena:
Dia toy izany koa ny faminavinàna zavatra tsy mitombina ho an'ny namana Kristianina mivavaka sy miresaka amin'ny fanahy efa nodimandry, izay mahazo fitaizana mazava sy mahazo fanoroana ny momba ny any ankoatra. Ka sao ianao namana no tsy mahalala izany ankoatra izany ka milaza sahady hoe toy izay voasoratra ihany izany izy izany (sady mila tsoahina tsara koa ao anaty Baiboly hoe tahaka ny ahoana izany Paradisa izany raha tena lazainao fa tsy misy sfa-tsy io no feno.
Ny Paradisa (izay tsy ny tratran'i Abrahama) dia toerana misy an'Andriamanitra mivantana ary tsy misy afa-tsy fahasambarana sy fahafinaretana (Ap. 21:2-5). Tsy izaho akory no tena dadany @ resaka thanatologie, fa kosa izay no hitako @ Baiboly. Dia araky ny fiteniko : raha marina aho, tongava saina. Raha diso aho, asehoy ahy ny hadisoako.