Kristianina ve ny Temoins de Jehovah?

1. hery ( 10/12/2012 08:22)
Amin'izao akatoky ny krismasy na noely izao dia mafana fo be ny Temoins de Jehovah ary tonga saina kely aho nahita ilay hoe "ny tena kristianina tsy mankalaza noely"...

- Fa angaha Kristianina ny Temoins de Jehovah?
- Manaiky an'i Kristy ho Andriamanitra ve izy?
- Manaiky an'i Jesoa Kristy ho Olona iray ao amin'ilay Andriamanitra tokana olona telo na Trinité ve izy?
- Manaiky an'i Jesoa Kristy ho zanak'Andriamanitra tonga nofo, notorotoronina tao ankibon'i Maria virjiny ve izy?

2. Miharena ( 10/12/2012 11:22)
Lohahevitra efa niverina teto izy ity. Fa mazava fa na kristianina ry zareo na tsia dia misy ireo milaza ho kristianina koa fa tsy mankalaza ny Noely satria heveriny fa zavatra noforonin'ny olombelona ny Noely.
3. leva2 ( 10/12/2012 11:44)

Miharena:

Lohahevitra efa niverina teto izy ity. Fa mazava fa na kristianina ry zareo na tsia dia misy ireo milaza ho kristianina koa fa tsy mankalaza ny Noely satria heveriny fa zavatra noforonin'ny olombelona ny Noely.

Velona Jesosy!

Mba omeo kosa ny liens miresaka an'izany ary e, fa na izahay koa aza mba liana.
Ny marina mantsy dia miankina amin'izay famaritantsika ny atao hoe kristiana no ahafahana mamaritra hoe kristiana ve sa tsia ny olona, fikambanana, karazam-pampianarana iray.
Ny famaritana hitako fa tsara indrindra ny atao hoe kristiana dia ity :
"Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy" Gal 02/20
4. bor2lais ( 10/12/2012 17:05)
leva2:

Famaritanao manokana io : ny tsi11 mety hanana ny azy ihany koa. Fa ianao ve miombona amin'ny fanekem-pinoana apostolika izay iraisan'ny Fiangonana antsoina hoe Kristiana manerana izao tontolo izao ? :-)
5. leva2 ( 10/12/2012 17:46)
bor2lais>

Famaritanao manokana io : ny tsi11 mety hanana ny azy ihany koa. Fa ianao ve miombona amin'ny fanekem-pinoana apostolika izay iraisan'ny Fiangonana antsoina hoe Kristiana manerana izao tontolo izao ?

Velona Jesosy!
Tsy famaritako manokana io namana fa famaritan'ny Tenin'Andriamanitra azy, ary maharesy lahatra ahy tanteraka ny hevitra fonosiny.
Misy karazany efatra ny fanekem-pinoana, fa ilay farany izay verset biblique avokoa, no tena maharesy lahatra ahy.
Ekeko ny famaritana ny amin'ny Ray, ny Zanaka, ny Fanahy Masina fa ny endrika maha-iray azy ireo no mety tsy hitoviako kely amin'ny fijerin'ny hafa.
Tsy azoazoko kosa eo amin'ilay hoe : "izaho mino ny fiangonana sns ..." Eo mantsy no miditra ilay resaka fampianaram-piangonana sy kifombafombam-piangonana, izay niteraka fizarazarana sy tsy fitovian-kevitra maro, satria misy fampianaran'olombelona tafiditra.

Hotahian'ny Tompo ianao namana!
6. sitlo ( 11/12/2012 05:57)
leva2 aloha ve Temoins de Jehovah sa tsia?

Raha eny, dia afaka manambara ve leva2 fa kristinina sa tsia ny Temoins de Jehovah?

Sa sarotra be ilay izy dia avadika hoe "arakaraka ny famaritana ny atao hoe kristianina". Mba valio ireo fanontaniana vitsivitsy napetraky ny nitarika lohahevitra raha hamaly.
7. leva2 ( 11/12/2012 11:28)

sitlo:

leva2 aloha ve Temoins de Jehovah sa tsia?

Raha eny, dia afaka manambara ve leva2 fa kristinina sa tsia ny Temoins de Jehovah?

Sa sarotra be ilay izy dia avadika hoe "arakaraka ny famaritana ny atao hoe kristianina". Mba valio ireo fanontaniana vitsivitsy napetraky ny nitarika lohahevitra raha hamaly.

Velona Jesosy!

Tsy Temoins aho sady tsy ho temoins na oviana na oviana namana sitlo.
Mba tsy hitenitenenana foana anefa namana, dia izay no antony tokony hamaritana tsara mialoha ny atao hoe KRISTIANA.
Tsara raha fotorina misimisy kokoa noho izany aloha hoe iza moa izy ireo, mialoha ny hitenenana, mba tsy hitsaratsara foana.
Nifanerasera naharitraritra tamin'ny témoins de Jehovah aho (par curiosité), ary mahafantatra tsara ny foto-pampianarany.
Rehefa izany, izaho dia nahita fa misy fampianarana diso sy lesoka goavana be maromaro hitako ary hozaraiko amintsika eto tsikelikely.

Misy tracte kely protestanta izay, nahitako fanamarihana tahaka izao : Ny Témoins de Jehovah dia manana "présupposition théologique", izany hoe nialoha ny namakiany baiboly dia efa nisy hevitra (logique) masaka tao an-dohany, ka ny baiboly dia nampiasaina hanohanana fotsiny ihany io hevitra io.

Harahintsika hatrany am-piandohany, sy ny mpamorona azy!

Mbola hitohy!
8. bor2lais ( 11/12/2012 13:08)
leva2:

Tsy famaritako manokana io namana fa famaritan'ny Tenin'Andriamanitra azy, ary maharesy lahatra ahy tanteraka ny hevitra fonosiny.

Ka tsy ianao ihany kosa ve no nanoratra eo ambony hoe : "miankina amin'izay famaritantsika ny atao hoe kristiana no ahafahana mamaritra hoe kristiana ve sa tsia ny olona, fikambanana, karazam-pampianarana iray." ? :-)

Ny tiako lazaina dia samy manana ny verset(s) tiany sy mandresy lahatra azy daholo ny tsirairay (ny katekomena dia mahalala tsara an'izany angamba) !
Nefa izany akory tsy entina hamaritana (eken'ny rehetra) ny antsoina hoe Kristiana ! :-)

leva2:

Misy karazany efatra ny fanekem-pinoana, fa ilay farany izay verset biblique avokoa, no tena maharesy lahatra ahy.
Ekeko ny famaritana ny amin'ny Ray, ny Zanaka, ny Fanahy Masina fa ny endrika maha-iray azy ireo no mety tsy hitoviako kely amin'ny fijerin'ny hafa.
Tsy azoazoko kosa eo amin'ilay hoe : "izaho mino ny fiangonana sns ..." Eo mantsy no miditra ilay resaka fampianaram-piangonana sy kifombafombam-piangonana, izay niteraka fizarazarana sy tsy fitovian-kevitra maro, satria misy fampianaran'olombelona tafiditra.

Tsara mba notohizanao kely ihany angamba ilay hoe "izaho mino ny fiangonana sns ..." sao dia very (na "allergique") amin'ilay soratra hoe fiangonana fotsiny ianao ! :-)

Mba tsetsatsetsa kely farany : angaha kosa moa rehefa fampianaram-piangonana dia voatery ratsy na tsy avy AmiNY daholo ? :-)
Ny toriteny ve tafiditra amin'ny antsoinao hoe fampianaran'olombelona ? ;-)

Miala tsiny amin'i hery fa somary mivoana amin'ny lohateny ny resaka eto ! :-)
9. leva2 ( 11/12/2012 20:14)
1- Ny mpamorona ny Témoins de Jéhovah :
Ingahy Charles Taz Russel no nanangana azy io.
Ny Témoins de Jéhovah dia milaza fa manohitra ny "occultisme" saingy mampieritreritra ny maha-mpikambana ambony amin'ny franc-maçon an'i Taz Russel satria manana ny mari-boninahitra chevalier du templier, (lakroa sy couronne) symbole hita rahateo eo amin'ny fasany izay miendrika pyramide, no sady koa symbole nampiasaina tany anaty publications (araka ny sary hita eto).

Anisan'ny tanjon'ny fikambanana firahalahiana miafina na franc-maçon ny fanodinana ny finoan'ny tena mpino ka tsy hahalalana sy hanatonan'ny olona an'Andriamanitra velona.

Mampiahiahy araka izany ny loharano nipoiran'ny Témoins de Jéhovah. Saingy ny tsy azo lavina koa dia nisy fiovana betsaka izy ity hatramin'izany ka hatramin'izao.
Nankalaza krismasy izy ireo tany amboalohany, saingy rehefa nahita fa tsy araka izay voasoratra io fomba io dia tsy nataony intsony.
Nesorina koa ilay symbole fahita tany amboalohany.
Tsy dia niova anefa ny foto-pampianarana sy ny fototra nijoroan'izy ireo hatrizay.

Mino aho fa mamaky an'ity ry jojo3t sy jajajaly, dia hiara-mandinika ny aminy eto isika mianakavy.

Misaotra namana!
10. moustaraf ( 12/12/2012 01:54)
Salama daholo namana,
Amiko, ialako tsiny dieny mialoha, dia tena tsotra ny famaritana ny hoe ,:
"Ireo rehetra izay manara-dia an'i KRSITI, ary mino fa izy no Mesia mtolo pamonjy izao tontolo izao"

Mba valio kely ireto fanontaniana ireto azafady:
-Inona ny dikan'ny teny KRISTI ary teny inona izy io?
-Mitovy ve ny dikan'ny NAZAREANA fivavahan'ny apostoly sy ny hoe KRSITIANA?
- Tsy hita anatin'ireo faminaniana milaza ny Mesia io anarana io, iza no namorona azy?
-Inona ny tanjona nampidirina io anarana noforonina io anaty baiboly mba ivavahana?

Misaotra ry Kristiana isany!
11. Miharena ( 12/12/2012 02:32)
Manomboka misy fanadihadiana lalina ihany ity resaka ity namana Hery ary azo antoka fa tokony hahatafavoahantsika thèse mitombina kokoa amin'ny farany.

Tsy dia te-hiditra amin'ny resaka franc maçon aho fa ny mety fotsiny dia tsy tokony avy hatrany dia manome tsiny azy ireo no tokony hitodihan'ny Kristianina. Manana fiombonana izy ireo ary olombelona mitovy amintsika rehetra ihany ka tsy tokony hatao fahavalo. Jesoa aza niresaka nilamina tamin'i Satana ary nana izany koa Jehovah tamin'ny andron'i Joba. Dia mihevitra ve isika ankehitriny hoe tsy mifandray ry zareo ireo hatramin'izao?

Fa izany eo ihany fa ireto resaky ny namana Moustaraf ireto no tiana hadihadiana sy hovaliana kely :

Moustaraf:

-Inona ny dikan'ny teny KRISTI ary teny inona izy io?

tsindrio ny teny hoe Kiristi amin'ny Google dia ho hitanao hoe iza i Kristi. Aza mitady izay resaka hoe nihavian'ny teny fa jereo fotsiny ny vontoatin-dresaNY lazaiNY amin'ny olombelona. Rehefa avy mamaky ianao dia mba atory anay koa raha mba miresaka aminao Hamashihara ka ety hitovy amin'ny lazaiNY ny resaka ataoNY.

Moustaraf:

-Mitovy ve ny dikan'ny NAZAREANA fivavahan'ny apostoly sy ny hoe KRSITIANA?

Ny fahalalako an'i Paoly sy Petera ary ny Apostoly rehetra dia tsy nivavaka tamin'ny Nazareana fa nirotsahan'ny Fanahy Masina ka nizara fahazavana ho an'ny olon-drehetra. Afaka nilaza hoe "Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy ato anatiko" (ivereno vakiana indray ilay hefatra azonao google teo).

- Tsy hita anatin'ireo faminaniana milaza ny Mesia io anarana io, iza no namorona azy?
-Inona ny tanjona nampidirina io anarana noforonina io anaty baiboly mba ivavahana?

I Kristy dia tsy ivavahana fa angatahana sy isaorana satria fantatra fa velona IZY ary miasa. Rehefa miasa IZY dia mahazo hafatra mazava avy AMINY izay mitady izany. Izy rahateo tsy olon'ny soratra fa Fanahy Miasa.

Hatreo aloha no azo ambara namana mandra-pahitanao indray valin-teny momba ny fanononana ny AnaraNY amin'ny teny Hebreo sy ny asany ankehitriny noho ny fahalalanao fa samihafa fa tsy iray ireo. (aoka tsy ho amin'ny fitadiavana safotofoton-tsy fifankahazoan-kevitra fa amin'ny zava-mivaingana no hanomezanao hevitra).

Mahereza namana
12. jajajaly ( 12/12/2012 08:31)
Hery
- Manaiky an'i Kristy ho Andriamanitra ve izy?
-Manaiky an'i Jesoa Kristy ho zanak'Andriamanitra ...

Tsy hitanareo hoe mifanohitra ve ireo tenin'ny hery ireo? Iza no tena marina!
Aza matahotra fa valiana ihany.

Hery
- Fa angaha Kristianina ny Temoins de Jehovah?

Eny. Kristianina izahay noho ireto antony ireto:

- Miezaka manaraka akaiky ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy manahaka azy izahay.—1 Petera 2:21.
- Mino izahay fa i Jesosy no hahazoana famonjena satria «"tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena."»â€”Asan’ny Apostoly 4:12.
- Atao batisa amin’ny anaran’i Jesosy ny olona lasa Vavolombelon’i Jehovah.—Matio 28:18, 19.
- Ataonay amin’ny anaran’i Jesosy ny vavakay.—Jaona 15:16.
- Mino izahay fa i Jesosy no Loha, na nomena fahefana, eo amin’ny lehilahy rehetra.—1 Korintianina 11:3.

Betsaka anefa ny tsy itovizanay amin’ny fivavahana hafa antsoina hoe Kristianina. Mino, ohatra, izahay fa mampianatra ny Baiboly hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy fa tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. (Marka 12:29) Tsy mino izahay hoe tsy mety maty ny fanahy. Tsy mino izahay hoe mampijaly olona any amin’ny afobe mandrakizay Andriamanitra satria tsy milaza an’izany ny Baiboly. Tsy mino koa izahay hoe tokony homena anaram-boninahitra ny mpitondra fivavahana mba hanavahana azy amin’ny olon-kafa.—Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4; Matio 23:8-10.
Fanazavana misimisy sy fanontaniana fapetrakin'ny olona momba anay toy ny hoe :
Misy Mpitondra Fivavahana Karamaina ve ao Aminareo?
Nahoana Ianareo no Mitsidika ny Olona Efa Manana ny Fivavahany?
Manaja ny Fivavahana Hafa ve Ianareo?
Avy Aiza ny Vola Ampiasainareo?
Mino ve Ianareo fa ny Fivavahanareo Ihany no Marina?
Mino ve Ianareo fa Ianareo Ihany no ho Voavonjy?
Mino An’i Jesosy ve Ianareo?
Nahoana Ianareo no Mitety Trano?
Nahoana Ianareo no Mitsidika ny Olona Efa Manana ny Fivavahany?
Mitory Isan-trano ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho Voavonjy?

sy ny maro hafa dia hita amin'ity rohy ity, maninona raha manandrana mijery kely ao fa ho afa-po ianao: http://www.jw.org/mg/vavolombelon-i-jehovah/fanontanian-ny-olona/

13. jajajaly ( 12/12/2012 08:59)
Leva
Mampiahiahy araka izany ny loharano nipoiran'ny Témoins de Jéhovah. Saingy ny tsy azo lavina koa dia nisy fiovana betsaka izy ity hatramin'izany ka hatramin'izao.
Nankalaza krismasy izy ireo tany amboalohany, saingy rehefa nahita fa tsy araka izay voasoratra io fomba io dia tsy nataony intsony.
Nesorina koa ilay symbole fahita tany amboalohany.

Misaotra amin'ny fanamarihana.
Raha hijery an'i Apostoly Paoly ve ianao dia tamin'ny naha Saoly ilay mpanenjika Kristianina no tazominao? Raha hanavaka ny vary sy tsiparifary ve ianao tsy amin'ny fotoanan'ny finjijana no tena ahitana azy. Amin'ny andro farany izany hoy i Jesosy ao amin'ny Matio 13:1, 2, 24-30.
Nahoana no izany?
Satria hoy ny Soratra masina :"«Ry Daniela ô, hazòny ho zava-miafina ny teny ary asio tombo-kase ny boky, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany. Maro no handinika lalina, ka hitombo be ny tena fahalalana.» Daniela 12:4

Fehiny: rehefa takatra fa diso ny fotompampianarana iray dia manova izany izahay. Ohatra ireo voalazan'ny Leva ireo.
14. Miarana ( 12/12/2012 11:44)

jajajaly:

Betsaka anefa ny tsy itovizanay amin’ny fivavahana hafa antsoina hoe Kristianina. Mino, ohatra, izahay fa mampianatra ny Baiboly hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy fa tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. (Marka 12:29) ...

« Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. » (Jaona 1:1) ... « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. » (Jaona 1:14)
15. jajajaly ( 12/12/2012 11:53)
Hery
- Manaiky an'i Jesoa Kristy ho Olona iray ao amin'ilay Andriamanitra tokana olona telo na Trinité ve izy?

Mampatsiahy ahy an'ilay nitranga tany danemark io fanontanian'i Hery io. Toy izao ilay tantara.
Nisy boky hoe Fivavahana tany Danemark (anglisy) navoaka tamin’ny 2007, ho an’ny mpianatry ny lise. Nilaza io boky io fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia Kristianina vitsy an’isa manaraka akaiky izay lazain’ny Baiboly. Izy ireo, raha ny marina, no fahatelo amin’ireo Fivavahana Kristianina lehibe indrindra any Danemark.

Nokianin’ny evekan’ny Fivavaham-panjakana any Danemark anefa ilay mpanoratra, noho izy nanonona ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Hoy ilay eveka: «Tsy hanaiky aho hoe Kristianina [ny Vavolombelon’i Jehovah] raha tsy mahita teolojianina milaza an’izany. ... Lavin’izy ireo ny hoe telo izay iray Andriamanitra, nefa izany no fototry ny finoana kristianina.»

TENA MITOVY AMIN'NY HERY!!!

I Annika Hvithamar, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina sy fivavahana, no nanoratra an’ilay boky. Nilaza izy fa tsy hisy hiteny mihitsy hoe ny finoany ny Andriamanitra telo izay iray no mahatonga azy hihevi-tena ho Kristianina. Hoy koa ilay boky, eo amin’ilay fizarana hoe «Kristianina ve Ianao?»: «Anisan’ny sarotra ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, rehefa mianatra momba ny Fivavahana Kristianina. Raha tsy nianatra momba ny fivavahana ny Kristianina, dia ho sarotra foana ny hanazava aminy hoe nahoana Andriamanitra no mbola iray nefa efa telo.»

VALIN'NY FANONTANIAN'NY HERY!!
Tsotra sy mazava ny fampianaran’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy Jesosy, ary tsy saro-takarina. Tsy mampianatra momba ny «Andriamanitra telo izay iray» ny Baiboly, ary tsy hita ao io teny io. Lazainy mazava fa Zanak’Andriamanitra lahimatoa i Jesosy Kristy. (Kolosianina 1:15) Lazainy koa fa «mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona» izy. (1 Timoty 2:5) Hoy ny Baiboly momba ny Ray: «Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!»â€”Salamo 83:18.

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa iankinan’ny aina ny finoana an’i Jesosy. (Jaona 3:16) Izany no mahatonga azy ireo handray am-po an’ilay didin’i Jesosy hoe: «I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.» (Matio 4:10) Izay miezaka mankatò ny didin’i Jesosy tokoa no azo atao hoe Kristianina sa ahoana hoy ianao?

16. Miarana ( 12/12/2012 12:02)

jajajaly:

Tsy mino izahay hoe mampijaly olona any amin’ny afobe mandrakizay Andriamanitra satria tsy milaza an’izany ny Baiboly.

« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apokalypsy 14:11)
17. jajajaly ( 12/12/2012 12:05)
Miarana
« Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. » (Jaona 1:1) ... « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. » (Jaona 1:14)

Inona no tanao ahatongavana?
18. Miarana ( 12/12/2012 12:09)
Tsy efa mazava ve ny dikan'io fa "ANDRIAMANITRA i Jesosy"
=> ...Ary ny Teny dia Andriamanitra...
=> Ary ny Teny dia tonga nofo...
19. Miarana ( 12/12/2012 12:18)

jajajaly:

Tsy mino izahay hoe tsy mety maty ny fanahy.

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? » (Jaona 11:25-26)
20. jajajaly ( 12/12/2012 12:30)
Miarana
Tsy efa mazava ve ny dikan'io fa "ANDRIAMANITRA i Jesosy"
=> ...Ary ny Teny dia Andriamanitra...
=> Ary ny Teny dia tonga nofo...

Aoka aloha azavaina etoana fa ekenay ny maha andriamanitra an'i Jesosy. Tsy izy ihany anefa ny Ray araka ny finoan'ny Trinité. Ahoana izao no anazavanao ny and 18 amin'io andininy vakinao io?
Raha raisina ilay and1, Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io?

Miarana

jajajaly
Tsy mino izahay hoe tsy mety maty ny fanahy.

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? » (Jaona 11:25-26)

Tsy hitako izay ifandraisany ny zavatra atolotrao!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3983