Kristianina ve ny Temoins de Jehovah?

21. Miarana ( 12/12/2012 12:37)
Ianao milaza fa "Tsy mino hoe tsy mety maty ny Fanahy" (izany hoe mety maty ny fanahy)
Izaho milaza : "izay mino an'i Jesosy, na dia maty aza, dia ho velona indray. ... ary izay rehetra velona ka mino Azy dia tsy ho faty mandrakizay"
22. jajajaly ( 12/12/2012 12:42)


Miarana
jajajaly
Tsy mino izahay hoe mampijaly olona any amin’ny afobe mandrakizay Andriamanitra satria tsy milaza an’izany ny Baiboly.


« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apokalypsy 14:11)


Apok 14:11
Misy mihevitra fa porofon’ny fisian’ny afobe ny «afo» sy «solifara» voalaza eto. Hazava amintsika anefa ny tena dikan’ireo, raha manao topy maso faminaniana hafa mitovy amin’io isika. Nampitandrina i Jehovah tamin’ny andron’i Isaia fa hosazina ny firenen’i Edoma, satria nankahala ny Israely. Hoy izy: «Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra. Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.»â€”Isaia 34:9, 10.
Natsipy tany amin’ny afobe ve i Edoma, mba hodorana mandrakizay? Mazava ho azy fa tsia. Nanjavona tanteraka kosa ilay firenena, ka toy ny hoe levon’ny afo sy solifara. Tsy fampijaliana mandrakizay no vokatr’ilay sazy, fa ‘fikorontanana sy fahafoanana ary fahafonganana.’ (Isaia 34:11, 12) Manondro izany tsara ilay setroka ‘misavoana mandrakizay.’ Mbola midona-tsetroka, ohatra, ny lavenona na dia efa maty aza ny afo, raha nisy trano may. Hitan’ny olona avy amin’izany fa nisy hain-trano teo. Mbola tsaroan’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’izao ny lesona avy amin’ny fandravana an’i Edoma. Toy ny hoe mbola miakatra foana àry ny «setrony.»
Horinganina tanteraka, toy ny amin’ny afo, koa ireo manana ny marik’ilay bibidia. Hasehon’ilay faminaniana any aoriana fa tsy halevina ireo faty, mba hohanin’ny biby sy ny vorona. (Apokalypsy 19:17, 18) Mazava àry fa tsy hampijalina mandrakizay izy ireo!

Fa ao antsain'Andriamanitra ve ny hampijaly ny olona amin'ny afobe?
Hoy ny Jeremia 7:31 "Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo, nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko akory aza izany."
Ahoana ny fahazoan'ny Miarana an'io toetran'Andriamanitraio?

23. bor2lais ( 12/12/2012 12:43)
jajajaly:
Aoka aloha azavaina etoana fa ekenay ny maha andriamanitra an'i Jesosy.

Ny maha samihafa azy dia ny an'i jajajaly "andriamanitra" fa tsy "Andriamanitra" ! ;-)

24. Miarana ( 12/12/2012 12:48)

jajajaly:

Tsy izy ihany anefa ny Ray araka ny finoan'ny Trinité.


TRINITE = RAY - ZANAKA - FANAHY
Ny toetra maha Andriamanitra Azy 3 ireo no maha Trinite azy.
Tsy midika akory fa raha Andriamanitra i Jesosy dia lasa
TRINITE = RAY - RAY - RAY
25. jajajaly ( 12/12/2012 12:56)
Miarana
anao milaza fa "Tsy mino hoe tsy mety maty ny Fanahy" (izany hoe mety maty ny fanahy)
Izaho milaza : "izay mino an'i Jesosy, na dia maty aza, dia ho velona indray. ... ary izay rehetra velona ka mino Azy dia tsy ho faty mandrakizay"

Tsy izaho fa ny soratra masina
Ohatra : Ezek. 18:4: «Izay manota no ho faty.» (Ny Prot. sy Kat. kosa milaza fa ‘ny fanahy izay manota no ho faty.’ )
Ahoana ny hevitrao?

26. Miarana ( 12/12/2012 13:04)

jajajaly:

Ohatra : Ezek. 18:4: «Izay manota no ho faty.» (Ny Prot. sy Kat. kosa milaza fa ‘ny fanahy izay manota no ho faty.’ )
Ahoana ny hevitrao?


MATY = tafasaraka amin'Andriamanitra.
Vokatry ny fahotan'i Adama sy Eva dia maty ara-panahy izy (tsy nifandray mivantana tamin'Andriamanitra intsony)

VELONA = Afaka mifandray amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy
ary velona mandrakizay izay novelominy
27. jajajaly ( 12/12/2012 13:06)
Miarana
TRINITE = RAY - ZANAKA - FANAHY
Ny toetra maha Andriamanitra Azy 3 ireo no maha Trinite azy.
Tsy midika akory fa raha Andriamanitra i Jesosy dia lasa
TRINITE = RAY - RAY - RAY


Tsara raha azavainao koa aloha ny trinité inoanao satria samy manana ny famaritany azy ireo mino azy io. Tsy ao anaty baiboly na nolazain'Andriamanitra an'ireo 44 nanoratra baiboly manko io teny io fa nofonon'olombelona taty afara!!
Fa miandry valiny avy aminao aho hoe :
jajajaly
Ahoana izao no anazavanao ny and 18 amin'io andininy vakinao io?
Raha raisina ilay and1, Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io?

Nanazava manko ianao hoe: ‘Tonga nofo ny Teny, ary nonina teo amintsika, ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra [tsy tahaka ny an’Andriamanitra fa] tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny ray.’ Lasa nofo àry «ny Teny», na i Jesosy, ka niaina teto an-tany, ary hitan’ny olona. Noho izany, Mbola sahy hiteny ve ianao hoe izy ihany ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony nefa milaza i Jaona hoe: «Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.»â€”Jaona 1:14, 18.??????

28. Miarana ( 12/12/2012 13:23)

jajajaly:

Tsara raha azavainao koa aloha ny trinité inoanao satria samy manana ny famaritany azy ireo mino azy io. Tsy ao anaty baiboly na nolazain'Andriamanitra an'ireo 44 nanoratra baiboly manko io teny io fa nofonon'olombelona taty afara!!
Fa miandry valiny avy aminao aho hoe :


Tsy hita ao anaty Baiboly tokoa io teny io.
TRINITE = Telo izay iray

Fanazavana tsotra ihany ity :
Ny RANO : afa miendrika 3 (Solide, Liquide, Gazeux) nefa samy rano daholo ihany izy ireo.
29. jajajaly ( 12/12/2012 13:24)
Miarana


jajajaly
Ohatra : Ezek. 18:4: «Izay manota no ho faty.» (Ny Prot. sy Kat. kosa milaza fa ‘ny fanahy izay manota no ho faty.’ )
Ahoana ny hevitrao?



MATY = tafasaraka amin'Andriamanitra.
Vokatry ny fahotan'i Adama sy Eva dia maty ara-panahy izy (tsy nifandray mivantana tamin'Andriamanitra intsony)

VELONA = Afaka mifandray amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy
ary velona mandrakizay izay novelominy


Hoy ny Romanina 6:23 :"Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra."

Tsy hitan'ny Miarana eo ve hoe fahafatesana no tambin'ny Ota??? Afaka ny hiaina mandrakizay anefa ireo maty rehefa hatsanga'i Jesosy tsy ho ela!
ekenao amin'izay ary ve hoe ety maty ary ny fanahy? Resahanao eo hoe "velona mandrakizay izay novelominy" Zavatra velona ve mbola ho velomina ihany?

Tadidinao ve: Rehefa nampitandrina an'i Adama i Jehovah ho faty izy raha tsy mankato dia ahoana hoy i Satana? hoy izy tsy ho faty akory ianareo fa....(Gen 3:1-5) Mbola te hiteny Satana hoe misy tapany tsy ho faty aminareo ? Nahomby aloha ny tetikany e! Betsaka manko no nino izay nolazainy. Vovoka ianao ka miverina vovoka indray hoy i Jehovah mantsy an'i Adama. "Fa mbola hody vovok'ianao e! " hoy ny hiran'ny Katolika!!
Fanontaniana manitikitika hoe fa taiza i Adama tamin'izy mbola vovoka? Ary Ho aiza izy izany rehefa niverina ho vovoka?

30. Miarana ( 12/12/2012 13:26)

jajajaly:

Raha raisina ilay and1, Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io?

Nanazava manko ianao hoe: ‘Tonga nofo ny Teny, ary nonina teo amintsika, ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra [tsy tahaka ny an’Andriamanitra fa] tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny ray.’ Lasa nofo àry «ny Teny», na i Jesosy, ka niaina teto an-tany, ary hitan’ny olona. Noho izany, Mbola sahy hiteny ve ianao hoe izy ihany ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony nefa milaza i Jaona hoe: «Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.»â€”Jaona 1:14, 18.??????

[/quote]

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jaona 10:30)
« Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita » (Kolosiana 1:15)
31. Miharena ( 12/12/2012 13:30)
Jajajaly:

Aoka aloha azavaina etoana fa ekenay ny maha andriamanitra an'i Jesosy. Tsy izy ihany anefa ny Ray araka ny finoan'ny Trinité. Ahoana izao no anazavanao ny and 18 amin'io andininy vakinao io?
Raha raisina ilay and1, Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io?


Misy resaka fizarazaran'Andriamanitra miteraka transparence tanteraka ka ilazan'i Kristy hoe IZY avokoa no ao anatin'ny olon-drehetra. Ary ny olon-drehetra dia mahatsapa fa manana AZY avokoa ao anatiny avy. Izany hoe azo inoana fa ao amin'ny olona iray aho no sady izaho ihany io olona io.

Ny principe d'unité no tsy ekenn'y sain''ny namana Jajajaly eto satria izy dia nampiainina tao amin'ny fisarahana. Io fisarahana io anefa dia aoka tsorina fa tsy misy fa illusion foronin'ny saina fotsiny. Rehefa tsy mitovy ny fari-pahalalan'ny olona dia teraka ny fisarahana, rehefa tsy mitovy endrika fa misy fotsy sy mainty dia teraka ny fisarahana. Raha ireo ohatra vitsy ireo no jerena dia mazava fa ny bika no tsy mitovy ary koa ny fatran'ny efa azon'ny olona iray ara-kolontsaina. Fa ny rafitr'Andriamanitra ao anatiny dia tsy miova na oviana na oviana satria Andriamanitra no iainany sy iveloman'izy tsirairay avy.
Izay mihevitra ny tenany fa nofo aman-drà ihany fa tsy Fanahy no tafasaraka samy izy samy izy ary koa amin'izy sy Andriamanitra. Hevitra ihany anefa izany fa tsy tena izy. Ny tena izy dia iray ihany izy rehetra = Iray ao amin'ny Ray no sady iray ao amin'i Kristy.

Ny fandavana io fahamarinana fototra io no olana eo amin'ny karazana Kistianina sasany ampiainina ao anatin'ny illusion na zava-poroninany saina miteraka fisafotofotoana matetika.
32. Miarana ( 12/12/2012 13:38)

jajajaly:

Tsy hitan'ny Miarana eo ve hoe fahafatesana no tambin'ny Ota??? Afaka ny hiaina mandrakizay anefa ireo maty rehefa hatsanga'i Jesosy tsy ho ela!
ekenao amin'izay ary ve hoe ety maty ary ny fanahy? Resahanao eo hoe "velona mandrakizay izay novelominy" Zavatra velona ve mbola ho velomina ihany?

Tadidinao ve: Rehefa nampitandrina an'i Adama i Jehovah ho faty izy raha tsy mankato dia ahoana hoy i Satana? hoy izy tsy ho faty akory ianareo fa....(Gen 3:1-5) Mbola te hiteny Satana hoe misy tapany tsy ho faty aminareo ? Nahomby aloha ny tetikany e! Betsaka manko no nino izay nolazainy. Vovoka ianao ka miverina vovoka indray hoy i Jehovah mantsy an'i Adama. "Fa mbola hody vovok'ianao e! " hoy ny hiran'ny Katolika!!


Mino aho fa azonao tsara hoe Fahafatesana ara-panahy ny resaka eto. Saingy MATY = Tafasaraka amin'Andriamanitra (noho ny fahotana)
VELONA = Tafaray amin'Andriamanitra

jajajaly:

Fanontaniana manitikitika hoe fa taiza i Adama tamin'izy mbola vovoka? Ary Ho aiza izy izany rehefa niverina ho vovoka?


« ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. » (Mpitoriteny 12:7)
33. jajajaly ( 12/12/2012 13:38)
Miarana
Tsy hita ao anaty Baiboly tokoa io teny io.
TRINITE = Telo izay iray

Fanazavana tsotra ihany ity :
Ny RANO : afa miendrika 3 (Solide, Liquide, Gazeux) nefa samy rano daholo ihany izy ireo.

Tsara, fa fantatrao ve ny niandohany?

Mba nanao simia ihany ny tena fahiny fa H2O hono ny rano, hazavao misimisy hoe ny tianao lazaina sao mb fantatro ihany!
34. jajajaly ( 12/12/2012 13:48)
Miarana
« ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. » (Mpitoriteny 12:7)


Misaotra, tsisy ary aloha ilay hoe mijalijaly any amin'ny afobe araka io fahamarinana lazainao io.
F'izao Midika ve izany fa misy zavatra ara-panahy mamakivaky ara-bakiteny ny habakabaka mba hankany amin’Andriamanitra? Tsy izany velively! Ny fomba ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe ‘miverina’, dia tsy mitaky fifindran-toerana ara-bakiteny. Nilazana, ohatra, ny Isiraelita tsy nahatoky hoe: «Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.» (Malakia 3:7) Ny ‘fiverenan’ny’ Isiraely tamin’i Jehovah dia nidika ho fialana tamin’ny fanaovan-dratsy, ary fanarahana indray ny lalana marin’Andriamanitra. Ary ny ‘fiverenan’i’ Jehovah tamin’ny Isiraely dia nidika ho fanehoana indray fankasitrahana ny vahoakany. Amin’ireo raharaha roa ireo, dia tsy fifindran-toerana ara-bakiteny akory no tafiditra amin’ny hoe ‘fiverenana’, fa toe-tsaina iray.
Toy izany koa, eo am-pahafatesana, rehefa ‘miverina’ amin’Andriamanitra ny fanahy, dia tsy mifindra ara-bakiteny avy eto an-tany mankany an-danitra. Raha vantany vao miala amin’ny olona iray ny herim-piainana, dia Andriamanitra irery ihany sisa no afaka mamerina azy io ao anatin’ilay olona. ‘Miverina amin’Andriamanitra’ àry ny fanahy amin’ny heviny hoe miankina tanteraka amin’Andriamanitra izao ny hany fanantenan’ilay olona ho velona indray amin’ny hoavy.
Diniho, ohatra, izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fahafatesan’i Jesosy Kristy. Mitantara toy izao i Lioka, mpanoratra Filazantsara: «Niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.» (Lioka 23:46) Tsy teny an-dalana ara-bakiteny ho any an-danitra akory i Jesosy, tamin’ny fotoana nialan’ny fanahiny taminy. Tsy natsangana tamin’ny maty izy raha tsy tamin’ny andro fahatelo, ary 40 andro taorian’izay izy vao niakatra tany an-danitra. (Asan’ny Apostoly 1:3, 9) Tamin’ny fotoana nahafatesany kosa, dia nanolotra tamin-toky ny fanahiny teo an-tanan-dRainy i Jesosy, ary natoky tanteraka ny fahaizan’i Jehovah hamelona azy indray.

Ahoana ny hevitrareo!!
35. Miarana ( 12/12/2012 13:50)

jajajaly:

Tsara, fa fantatrao ve ny niandohany?
Mba nanao simia ihany ny tena fahiny fa H2O hono ny rano, hazavao misimisy hoe ny tianao lazaina sao mb fantatro ihany!


Fanoharana ny @ RANO :

Samy H2O nefa afaka ahitana endrika Solide (Glace), Liquide (Rano), Gaz (Entona)

Endrika TRINITE :

Samy ANDRIAMANITRA nefa ahitana RAY, ZANAKA, FANAHY

(Tsy misy ny fanoharana ampy haneho an'Andriamanitra sy ny toetrany)
36. jajajaly ( 12/12/2012 13:53)
Miharena!!

Raha ao aminao ny Fanahy Masina, na mandray an'i Jesosy ao anatinao ianao dia mino ve ianao fa lasa quadrité: Izany hoe Efatra izay iray amin'Andriamanitra
37. Miarana ( 12/12/2012 14:02)

jajajaly:

Misaotra, tsisy ary aloha ilay hoe mijalijaly any amin'ny afobe araka io fahamarinana lazainao io.


« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)

38. jajajaly ( 12/12/2012 14:06)
Miarana
Tsy midika akory fa raha Andriamanitra i Jesosy dia lasa
TRINITE = RAY - RAY - RAY


Tsy mifanohitra amin'ny famaritanao ve izany.

Miarana
Samy H2O nefa afaka ahitana endrika Solide (Glace), Liquide (Rano), Gaz (Entona)

Ny solide manko rehefa tratran'ny chaleur de lasa Liquide ary ny liquide reha tratran'ny 0° dia lasa Solide indray.
Izany hoe raha Solide ny Ray ka Liquide ohatra ny zanaka dia mety hivadika Ray ny Zanaka sa ahoana hoy ianao?
39. jajajaly ( 12/12/2012 14:08)

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)


Tsy hitan'ny masonao angaha hoe "farihy mirehitra afo sy solifara" = "fahafatesana faharoa"
Inona ny fahafatesana faharoa?
40. Miarana ( 12/12/2012 14:22)

jajajaly:

Ny solide manko rehefa tratran'ny chaleur de lasa Liquide ary ny liquide reha tratran'ny 0° dia lasa Solide indray.
Izany hoe raha Solide ny Ray ka Liquide ohatra ny zanaka dia mety hivadika Ray ny Zanaka sa ahoana hoy ianao?


Tsy misy ny ampy haneho ny maha Andriamanitra Azy hoy aho.

Ny RAY dia Andriamanitra, ny ZANAKA dia Andriamanitra Ihany (Izay no tiako hambara aminao)

Ny glace mety ho toga rano ary ny rano mety ho tonga glace fa : ...

Ny Ray tsy mety ho tonga Zanaka, ary ny Zanaka tsy ho tonga Ray (Ara-panahy io resaka io an)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7794