Kristianina ve ny Temoins de Jehovah?

81. Nehemiah ( 18/12/2012 08:13)

jojo3t:

tsotra anie no nilazako ery ambony hoe tsy ampy ny mino fotsiny e, dia nohazavainao hoe rehefa mino dia voavonjy ary miseho ety ivelany izany, toy ny ohatra nomenao ery ambony.

Mazava ho azy raha tsy manao ny asa napanaovin'i Jesosy Kristy ny kristianina iray dia tsy mpanaradia azy ary tsy ahazo sitraka aminy na oviana na oviana ka tsy ho voavonjy, zao anefa :

Ny an'ny fariseo rehefa manao asa na mivavaka, dia hataony ho fihamboana sy fieboeboana izany, ary hitadiavany valim-pitia, izay no niantsoan'ny Jesosy azy ireo hoe mpiatsaravelatsihy.

Ny an'ny kristianina kosa anefa manao io asa io izy ho fanantaterahana ny baikon'i Jesosy, ary tsy an-tery fa an-tsitrapo, ary tsy amin'ny fieboeboana, fa amin'ny fitiavana tanteraka dia ny fitiavana ny Ray, sy fitiavana ireo piara-belona aminy, azonao ve?

Ny mahatonga ny tenako hiteny zany mantsy namana Nehemiah dia maro be ny olona milaza ho kristiana zay hanontanianao rehetra, nefa tsy fantany akory ny dikany, ary tsy mivavaka akory ary ny sasany, tsy mianatra baiboly, tsy miditra am-pengonana, indrindra fa mitondra tena ratsy, nefa dia milaza aminao izy hoe kristiana, ny sasany moa dia miteny oe lova avy amin'ny ray aman-dreny ny maha-kristiana, ka ny aty aoriana rehetra dia izy avokoa, fa marina io lazainao farany io fa tsy maintsy maneho ny finoana amin'ny asa ny kristianina, ary hataon'ny tsy mahalala ahoana moa ny hino raha tsy hampianarina izy?

@'ity 1 ity kosa dia miombon-kevitra aminao 100% aho ^_^
82. leva2 ( 18/12/2012 18:50)

jojo3t:

Vavak'i Jesosy : "Rainay izay any an-danitra, ... Ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao ety AN-TANY, tahaka ny any an-danitra,

Hono hoa namana leva, efa hatao eto an-tany ve zao ny sitrapon'Andrimanitra ary efa tonga eto ve zao le fanjakana sa mbola amin'ny hoavy arak'io vavaka io? Matio 5 : 5 ; 6 : 9,10.

Misy heviny roa tokony ho fantatra momba ity fanjakan'Andriamanitra ity :
1- Ilay fanjakana hidina ety an-tany (tabernakelin'Andriamanitra), miaraka amin'ny Jerosalema vaovao (tanàna masina onenan'ireo olo-masina na olom-boavonjy), rehefa afaka teto an-tany satana sy ny forongony :
Apo 21/02-03 "Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny".
Ity voalohany ity no ambaran'ny Mat 06/09-10.
2- Ilay fanjakaNY tsy maintsy hidirana sy santarina dieny mbola velona eto an-tany : Efa nambarako matetika fa misy fanjakana roa eto an-tany ankehitriny (fa tsy an'i satana irery izany, fa raha tsy izany efa tsy teto intsony isika ireto namana) :
Lio 16/16 : le temps de la loi de Moïse et des livres des prophètes a duré jusqu’à l’époque de Jean-Baptiste. Depuis cette époque, la Bonne Nouvelle du Royaume de Dieu est annoncée et chacun use de force pour entrer dans le Royaume.
Lio 17/21 : Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.

Ity farany ity dia ilay ambara hoe izay ateraka indray no tafiditra ao (Jao 3/3), Jesosy no lalana mankao : "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.» Jao 14/06.

jojo3t:

Tamin'ny Jesosy nanangana an'i Lazarosy sy ireo hafa, fanahy sa vatana nofo aman-dra no natsangany : toy izany koa no hataony rehefa ho avy izy :

Ity ilay efa noteneniko hoe tsy lazarosy mihitsy akory no ohatra ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty fa Jesosy. Ity no antony nananganana an'i Lazarosy : Jao 11/42 " fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka ahy". Jesosy no ohatry ny fitsanganana amin'ny maty : I Kor 15/20 " fa efa nantsangana tamin'ny maty tokoa i Kristy ho santatr'izay efa nodimandry" dia mba vakio ny contexte iray manontolo raha mbola tsy mazava aminao.
Fantaro koa ireto :
Hoy Paoly : "Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana" I Kor 15/50.
Hoy Jesosy : "fa amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na hivoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy" Lio 12/25

jojo3t:

Jaona 5 : 28, 29 : Aza gaga amin'zany fa ho avy ny fotoana handrenesan'ireo ao AM-PASANA ny feony(feon'i Jesosy) dia hivoaka izy ireo...

Namana leva, aiza io fitsanganana ny maty izay i Jesosy mihitsy no nilaza azy io, eto an-tany sa any an-danitra io fasana io?

Ity Jaona 5/28-29 ity : "Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana", mifandray indrindra amin'ny Apo 20/13 : "Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy".
Raha mandinika tsara isika : ny teny hoe "fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita" eto dia misy fanazavana kely ery ambany hoe "Hadesy", ary izay no hevitry ny "fasana" eto fa tsy ilay fasan-drazana ilevenan'i dadabe sy nenibe akory no alainao sary an-tsaina.

jojo3t:

Tsy azonao koa ny hoe manana ny fanahy masina sy hiasan'ny fanahy masina, ireo ondry vitsy dia ny fanahy masina mihitsy no mibitsika amin'izy ireo fa izy dia anisan'ireo voafidy ho mpiaraman-dova amin'ny Kristy ka hiara-manjaka aminy any an-danitra.

Ny hampiasain'ny fanahy masina kosa dia ireo kristianina manao ny sitrapon'Andriamanitra izay eo ambany fitarihan'ny fanahy masina, ny fanahy masina no mitarika azy ireo hanao ilay asa lehibe indrindra nasain'i Jesosy natao, ny fanahy masina no manampy azy ireo amin'ny zavatra rehetra hataony Jaona 14 : 16, 17, 26 ; 15 : 26 ; 16 : 13. Io fanahy masina io koa no mahatonga azy ireo ho tsara toetra sy fitondratena : Galatiana 5 : 22,23.

Marobe no diso eo amin'ny fampianaranareo. Anisan'izany ny fampanekena anareo an'ity fomba fijery ity hoe :"tsy mitovy ny hoe manana ny Fanahy Masina" sy ny hoe "hiasan'ny FM" : mbola diso ihany koa io fomba fijery io.
Ny olona hiasan'ny FM namana no atao hoe "manana ny FM", saingy sasaina fotsiny ny sainareo mba tsy hilaharanareo amin'iretsy 144.000 ambaranao, mba tsy hanaiky ho zanaka mandova, mba tsy hiandrandra "ny fitsanganana voalohany" ho an'ny voavonjy sy voavela heloka, fa hiandry ny "fitsanganana ho amin'ny fitsarana".
Izaho dia miteny foana hoe : enga anie mba tsy hahavery anareo ireo diso be dia be amin'ny fampianaranareo ireo, fa dia tena hampalahelo. Satria, fantatro fa betsaka no tsara toetra sy fitondran-tena ao aminareo raha mitaha amin'izay efa hitako aloha.
83. jojo3t ( 20/12/2012 03:38)

leva2:

Namana leva, tena adikanao amin'ny fomba tsy izy daholo zany andininy zany, tsy azonao tsara ilay ohatra ny amin'ny jerosalema hidina avy any an-danitra, alalino tsara ny mahakasika ireo mandova ny fanjakan'Andriamanitra any an-danitra fa ireo voahosotry ny fanahy ihany no voaresaka amin'io, ary ny voahosotry ny fanahy sy ny isan'ny fanahy dia tsy mitovy velively mihitsy, ny hadesy sy sheol avy amin'ny teny grika sy hebreo dia midika ara-bakiteny hoe fasana, fitoeran'ny maty dia io ilevenantsika io, afaka mandalina sy manaporofo isika fa lasa adikanao vilana le izy, ny fitsanganana amin'ny maty nataon'ny Jesosy tety an-tany, tsy i Lazarosy irery, dia nampisehon'i Jesosy ny zavatra hataon'ny ho an'ny olona amin'ny hoavy, tsarovy tsara fa i Paoly sy ny fariseo dia niady hevitra momba io, i Paoly mino ny fitsanganana amin'ny maty amin'ny hoavy fa ny fariseo nino hoe tsy mety maty ny fanahy, ka iza no arahinao, le an'ny fariseo sa le an'i Paoly Apostoly.
84. jojo3t ( 20/12/2012 04:30)
Efa ny baiboly ve namana leva no miteny an'io isa 144000 dia mbola mihambo hitovy laharana amin'izy ireo ihany enao, diniho tsara alou hoe mitovy amin'ny zava-bitan'ireo voahosotry ny fanahy ve enao, samy hafa mihitsy no ilazan'ny baiboly an'ireo voahosotry ny fanahy sy mahazo ny fanahy, efa notaterina lava teto io ary tokony ho fantatrao tsara raha mahafeno fepetra mitovy amin'izy ireo enao ary indrindra ny vahoaka rehetra lazainao fa tsy hisy ho eto an-tany fa any an-danitra daholo, raha ho any an-danitra daholo mantsy isika dia diso manomboka genesisy ka hatramin'ny apokalipsy mihitsy ny baiboly, fa ilay fanjakana roa lazainao hoe tsy an'i Satana irery no tiako idirana kely fa lasa mivoana be ka tsy fantatry ny olona :

Aoka alou ho fantatsika mazava tsara fa i Satana no mitondra izao tontolo izao amin'zao fotoana, tsy mbola miasa eto an-tany mihitsy amin'zao fotoana zao ny fanjakan'Andriamanitra, hazavaiko :

Manana zo feno hitondra izao tontolo izao Andriamanitra satria izy no namorona ny zava-drehetra Dan. 4 : 35.

Rehefa nivadika anefa i Satana Devoly, ary tsy nankato ny olona, dia navelan'Andriamanitra hifampitondra ny olona ary eo ambany fitarihan'i Satana Devoly.

Inona ny vokany rehefa lasa mifampitondra ny olombelona :

Mpitoriteny 8 : 9 : nanjakazaka tamin'ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy..., loza ny vokany. Nifidy ny hitondra samirery ny fiainany ny olona ary nidi-kizo izy noho izany rehefa tsy nankato sy nanaraka ny taridalan'Andriamanitra Jeremia 10 :23, Romana 5 :12.

Apok. 13 : 2 : Nomen'i Satana fahefana lehibe ilay bibidia (na ny fitondrana ara-politika eran-tany io), jereo ny Daniela toko faha-7, I satana no mifehy azy io, araka ny Lioka 4 : 5-7.

Jaona 14 : 30 : hoy i Jesosy : Avy ilay mpitondra an'izao tontolo izao, tsy manana fahefana amiko anefa izy, i Satana io noresahiny Jesosy io.

1 Jaona 5 : 19 : fa izao tontolo izao kosa dia eo ambany fahefan'ilay ratsy avokoa(miresaka an'i Satana koa izy io).

Tsy nanolotra ny fanjakan'izao tontolo izao an'i Jesosy koa i Satana ra tsy azy izany fanjakana izany.

Raha efa manjaka eto an-tany ny fanjakan'Andriamanitra amin'zao fotoana zao dia tsy toy izao ny fiainana, izay mampijaly sy mampitondra fahoriana ny olona.

Dia ahoana zany ny mpanompony, na i Satana aza no mifehy izao tontolo izao, dia efa mampianatra ny baiboly fa afaka ny tsy ho olon'i Satana mihitsy izy ireo, amin'ny fomba ahoana?

Jaona 15 : 19 : aoka ianareo tsy ho anisan'izao tontolo izao..., Tsy misaraka ara-bakiteny amin'ity tontolo ity no tian'i Jesosy holazaina, fa kosa tsy manao ny fanaon'izy ireo, toy ny voalazan'ny Jak. 4 : 4.

Rom. 13 : 1 : ampirisihana ihany koa anefa izy ireo hanaiky ny manam-pahefana misy eo aminy.

Mat. 5 : 14-16 : ampirisihana koa izy ireo mba hamirapiratra eo amin'zao tontolo izao, zany hoe mazoto amin'ny asa kristiana mba ho voninahitr'Andriamanitra.

Milaza ny baiboly fa rehefa hanjaka ny fanjakan'Andriamanitra dia hanala ny faharatsiana sy fijaliana rehetra eto an-tany izy Ohab. 2 : 21,22.

Ary hanao ahoana ny fitondran'olombelona ?

Daniela 2 : 44 : milaza mazava ny baiboly fa handrava an'ireo fitondran'olombelona ireo alou izy, izay vo handimby sy hanolo azy ny fankan'Andriamanitra izay i Jesosy no ho mpanjakany.

Hanao zavatra tsy ho ela Andriamanitra hanafoanana ny tontolon'i Satana sy ny fitondrana olombelona, izay vao hanjaka ny fanjakan'Andriamanitra.

85. leva2 ( 20/12/2012 10:34)

Velona Jesosy!

Tsy mihevitra ny hitovy toerana amin'ireo izay hiara-hanjaka amin'i Kristy velively aho namana, fa ny itovizanay dia samy antsoin'ny Ray hoe zanaka izahay, satria manana an'i Kristy ato anaty, velona noho i Kristy. Samy ho any an-danitra mba ho isan'ireo vahoaka be manompo an'Andriamanitra andro aman'alina.
Ity teny ity no tsapako ho mitombona aminareo : Marc 4:11 "Il leur dit: C’est à vous qu’a été donné le mystère du royaume de Dieu; mais pour ceux qui sont dehors tout se passe en paraboles"
Mazava fa tsy iray lalana isika namana jojo3t, ary mino aho fa hifankahita isika indray andro any, tahaka ny hanatrehan'ny Tompo ireo "nandefona" Azy, ka ho hita eo hoe iza no mandika vilana ny baiboly.
Tenin'Andriamanitra daholo ihany ireo nomeko ireo fa tsy hevitro akory ary nalahatro fotsiny mba hahatakaranao ny MARINA, saingy efa mirindrina ho amin'ny fampianaram-piangonana misy anao ny vavahadin-tsainao. Efa minia mikimpy ianao ka tsy mamaky, na mandinika kely akory izay ambaran'ny hafa fa ny anao ihany no fantatrao.

Mbola misy ny fotoana namana!
86. jojo3t ( 21/12/2012 05:31)

Ny zavatra nomeko anao na paradisa an-tany, fanahy mety maty, na Jesosy sy Jehovah namana leva2 dia avy ao amin'ny baiboly mazava daholo saingy tsy novalianao fa lazainao fa fampianaram-piangonana fotsiny, tsy avy aminay mihitsy ny zavatra lazainay fa ny teny mazava ao amin'ny baiboly ihany, nampanantena ny mpandefitra sy olo-marina Andriamanitra fa hanome ny fiainana paradisa sambatra eto an-tany ao amin'ny teniny, ary izany dia izany no antenainay fa tsy tamin'ny boky na nambaran'olona, na noforonina akory izy io ary voaporofo mazava tsara ao.
87. cocombre ( 21/12/2012 06:48)
Ny hoe kristianina dia mpanaradia an'i kritsy, manao ny fomba fiainan'i kritsy. Amiko, izay mahavita ireto dia azo lazaina ho kritsianina :
- Ialao ny taninao,
- Ialao ny sahanao
-Ialao ny fananao
-Ialao ny fianakavianao
-Avy manaraka ahy ianao
-Torio ny filazan-tsara

Sarotra ireo an, ny mpitondra fivavahana ary karamaina 5.000.000 fmg ny sasany , manana hummer ny sasany nefa mitono tena ho kristianina. Reflexion!!!!
88. cocombre ( 21/12/2012 06:50)

89. bor2lais ( 21/12/2012 09:16)
Ka araka ny fijerin'i "cocombre", Kristiana ve ny TJ sa tsia ? :-)
90. leva2 ( 21/12/2012 13:09)

jojo3t:

Ny zavatra nomeko anao na paradisa an-tany, fanahy mety maty, na Jesosy sy Jehovah namana leva2 dia avy ao amin'ny baiboly mazava daholo saingy tsy novalianao fa lazainao fa fampianaram-piangonana fotsiny, tsy avy aminay mihitsy ny zavatra lazainay fa ny teny mazava ao amin'ny baiboly ihany, nampanantena ny mpandefitra sy olo-marina Andriamanitra fa hanome ny fiainana paradisa sambatra eto an-tany ao amin'ny teniny, ary izany dia izany no antenainay fa tsy tamin'ny boky na nambaran'olona, na noforonina akory izy io ary voaporofo mazava tsara ao.

Velona Jesosy!
Mahagaga tokoa ary namana fa izay nambarako anao koa dia tenin'Andriamanitra sy tao anaty baiboly avokoa, saingy tsy mitovy ny fandraisantsika azy.
Izaho namana tsy mbola niteny teto hoe diso daholo ny fampianarana entinareo, fa betsaka hoy aho no diso (na diso fandray hevitra), na tsy ampy. Ary ireo tsy ampy ireo anefa dia manodina na mamily mihitsy ny fandraisan-kevitra.
Ny zavatra tsapako koa dia ny fahalalanareo ny amin'i Jesosy Kristy mihitsy no diso sy tsy ampy be dia be (Azoko vahavahana ity raha tianao), ary anisan'ny hitenenako foana hoe : Enga anie mba tsy ho antony hahavery anareo izany. Saingy kely ihany ny finoako, fa raha diso ny amin'i Jesosy Kristy, dia "lalana" na "vavahady" mankamin'ny fiainana.
91. jojo3t ( 26/12/2012 04:58)

Ny mahakasika an'i Jesosy namana dia mazava tsara ao amin'ny baiboly, ary izy tenany ihany no manambara ny tenany mazava ao fa isika mihitsy no mody fanina, jereo ireo andininy maro be nomena momba an'i Jesosy toa tsy misy manazava mihitsy, tsy misy ahodina na avily namana reo andininy reo fa mazava sy mivantana avokoa, tsy isika ve namana no manohitra ny tenin'ny Jesosy raha mivavaka aminy na manao azy mitovy amin'Andriamanitra, zany ve ozy enao no fampianarana diso nefa ny maro dia mahita fa tsis analana na anampiana zany ao amin'ny baiboly, fa ilay toeran'i Jesosy mihitsy sy ny Rainy mihitsy no tsy azonareo raha tsy halalinina tsara.
92. leva2 ( 26/12/2012 13:35)

jojo3t:

leva2:

jojo3t:

Vavak'i Jesosy : "Rainay izay any an-danitra, ... Ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao ety AN-TANY, tahaka ny any an-danitra,

Hono hoa namana leva, efa hatao eto an-tany ve zao ny sitrapon'Andrimanitra ary efa tonga eto ve zao le fanjakana sa mbola amin'ny hoavy arak'io vavaka io? Matio 5 : 5 ; 6 : 9,10.

Misy heviny roa tokony ho fantatra momba ity fanjakan'Andriamanitra ity :
1- Ilay fanjakana hidina ety an-tany (tabernakelin'Andriamanitra), miaraka amin'ny Jerosalema vaovao (tanàna masina onenan'ireo olo-masina na olom-boavonjy), rehefa afaka teto an-tany satana sy ny forongony :
Apo 21/02-03 "Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny".
Ity voalohany ity no ambaran'ny Mat 06/09-10.
2- Ilay fanjakaNY tsy maintsy hidirana sy santarina dieny mbola velona eto an-tany : Efa nambarako matetika fa misy fanjakana roa eto an-tany ankehitriny (fa tsy an'i satana irery izany, fa raha tsy izany efa tsy teto intsony isika ireto namana) :
Lio 16/16 : le temps de la loi de Moïse et des livres des prophètes a duré jusqu’à l’époque de Jean-Baptiste. Depuis cette époque, la Bonne Nouvelle du Royaume de Dieu est annoncée et chacun use de force pour entrer dans le Royaume.
Lio 17/21 : Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.

Ity farany ity dia ilay ambara hoe izay ateraka indray no tafiditra ao (Jao 3/3), Jesosy no lalana mankao : "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.» Jao 14/06.

jojo3t:

Tamin'ny Jesosy nanangana an'i Lazarosy sy ireo hafa, fanahy sa vatana nofo aman-dra no natsangany : toy izany koa no hataony rehefa ho avy izy :

Ity ilay efa noteneniko hoe tsy lazarosy mihitsy akory no ohatra ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty fa Jesosy. Ity no antony nananganana an'i Lazarosy : Jao 11/42 " fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka ahy". Jesosy no ohatry ny fitsanganana amin'ny maty : I Kor 15/20 " fa efa nantsangana tamin'ny maty tokoa i Kristy ho santatr'izay efa nodimandry" dia mba vakio ny contexte iray manontolo raha mbola tsy mazava aminao.
Fantaro koa ireto :
Hoy Paoly : "Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana" I Kor 15/50.
Hoy Jesosy : "fa amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na hivoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy" Lio 12/25

jojo3t:

Jaona 5 : 28, 29 : Aza gaga amin'zany fa ho avy ny fotoana handrenesan'ireo ao AM-PASANA ny feony(feon'i Jesosy) dia hivoaka izy ireo...

Namana leva, aiza io fitsanganana ny maty izay i Jesosy mihitsy no nilaza azy io, eto an-tany sa any an-danitra io fasana io?

Ity Jaona 5/28-29 ity : "Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana", mifandray indrindra amin'ny Apo 20/13 : "Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy".
Raha mandinika tsara isika : ny teny hoe "fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita" eto dia misy fanazavana kely ery ambany hoe "Hadesy", ary izay no hevitry ny "fasana" eto fa tsy ilay fasan-drazana ilevenan'i dadabe sy nenibe akory no alainao sary an-tsaina.

jojo3t:

Tsy azonao koa ny hoe manana ny fanahy masina sy hiasan'ny fanahy masina, ireo ondry vitsy dia ny fanahy masina mihitsy no mibitsika amin'izy ireo fa izy dia anisan'ireo voafidy ho mpiaraman-dova amin'ny Kristy ka hiara-manjaka aminy any an-danitra.

Ny hampiasain'ny fanahy masina kosa dia ireo kristianina manao ny sitrapon'Andriamanitra izay eo ambany fitarihan'ny fanahy masina, ny fanahy masina no mitarika azy ireo hanao ilay asa lehibe indrindra nasain'i Jesosy natao, ny fanahy masina no manampy azy ireo amin'ny zavatra rehetra hataony Jaona 14 : 16, 17, 26 ; 15 : 26 ; 16 : 13. Io fanahy masina io koa no mahatonga azy ireo ho tsara toetra sy fitondratena : Galatiana 5 : 22,23.

Marobe no diso eo amin'ny fampianaranareo. Anisan'izany ny fampanekena anareo an'ity fomba fijery ity hoe :"tsy mitovy ny hoe manana ny Fanahy Masina" sy ny hoe "hiasan'ny FM" : mbola diso ihany koa io fomba fijery io.
Ny olona hiasan'ny FM namana no atao hoe "manana ny FM", saingy sasaina fotsiny ny sainareo mba tsy hilaharanareo amin'iretsy 144.000 ambaranao, mba tsy hanaiky ho zanaka mandova, mba tsy hiandrandra "ny fitsanganana voalohany" ho an'ny voavonjy sy voavela heloka, fa hiandry ny "fitsanganana ho amin'ny fitsarana".
Izaho dia miteny foana hoe : enga anie mba tsy hahavery anareo ireo diso be dia be amin'ny fampianaranareo ireo, fa dia tena hampalahelo. Satria, fantatro fa betsaka no tsara toetra sy fitondran-tena ao aminareo raha mitaha amin'izay efa hitako aloha.
Namana leva, tena adikanao amin'ny fomba tsy izy daholo zany andininy zany, tsy azonao tsara ilay ohatra ny amin'ny jerosalema hidina avy any an-danitra, alalino tsara ny mahakasika ireo mandova ny fanjakan'Andriamanitra any an-danitra fa ireo voahosotry ny fanahy ihany no voaresaka amin'io, ary ny voahosotry ny fanahy sy ny isan'ny fanahy dia tsy mitovy velively mihitsy, ny hadesy sy sheol avy amin'ny teny grika sy hebreo dia midika ara-bakiteny hoe fasana, fitoeran'ny maty dia io ilevenantsika io, afaka mandalina sy manaporofo isika fa lasa adikanao vilana le izy, ny fitsanganana amin'ny maty nataon'ny Jesosy tety an-tany, tsy i Lazarosy irery, dia nampisehon'i Jesosy ny zavatra hataon'ny ho an'ny olona amin'ny hoavy, tsarovy tsara fa i Paoly sy ny fariseo dia niady hevitra momba io, i Paoly mino ny fitsanganana amin'ny maty amin'ny hoavy fa ny fariseo nino hoe tsy mety maty ny fanahy, ka iza no arahinao, le an'ny fariseo sa le an'i Paoly Apostoly.

Velona Jesosy

Efa mazava be ireo namana, tenin'Andriamanitra avokoa, ary tsy izaho mihitsy no mandika vilana, fa izay noraisinao no diso sy tsy ampy. Jereo tsara misy famenony vitsivitsy ireo aloha.
Mbola hataoko récapitulation eto daholo izay voalazako ahafahanareo mandinika izay diso sy marina.
93. Raharike ( 01/04/2013 20:06)

jajajaly:

Miarana
Tsy efa mazava ve ny dikan'io fa "ANDRIAMANITRA i Jesosy"
=> ...Ary ny Teny dia Andriamanitra...
=> Ary ny Teny dia tonga nofo...

Aoka aloha azavaina etoana fa ekenay ny maha andriamanitra an'i Jesosy. Tsy izy ihany anefa ny Ray araka ny finoan'ny Trinité. Ahoana izao no anazavanao ny and 18 amin'io andininy vakinao io?
Raha raisina ilay and1, Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io?

Miarana

jajajaly
Tsy mino izahay hoe tsy mety maty ny fanahy.

« Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? » (Jaona 11:25-26)

Tsy hitako izay ifandraisany ny zavatra atolotrao!!

Ny "temoin de Jehovah" aloha dia mazava hoazy fa ANTI-CHRIST satria voalohany indrindra ny FONDATEUR dia MEMBRE NY FRANC MACON na ILLUMINATIS. Raha misy tsy mahalala ireo teny ireo dia afaka mijery @ internet ihany izy. Faharoa: Manodikodina ny Tenin'Andriamanitra tahaka ny fomban'ilay menarana namitaka an'i Adama sy Eva tao an-tsaha. (Otrany hoe mino an'i Jesosy, Otrany oe tsy mino!! ts'hita be ny any). Ny fondateur fotsiny 'efa mazava be!!
94. tyda ( 25/04/2014 08:26)
Question de forme daholo zan fa iza moa ilay entité nilaza fa ito fanekempinoana ito no mamaritra fa Kristiana ianao?

Ny famaritana ny maha Kristiana na tsia dia tsotra : mino fa KRISTY ho Tompony sy Mpamonjy azy dia zay! ka na dia ao anatin'ny FFKM aza ianao nefa tsy resy lahatra amin'ilay Kritsy akory de ho Kristiana ve enao?

Ny finoanao iany io izay tsy misy mahafantatra no tsy misy hidiran'ny zavatra tenitenenina etsy sy eroa.
[quote=leva2]Famaritanao manokana io : ny tsi11 mety hanana ny azy ihany koa. Fa ianao ve miombona amin'ny fanekem-pinoana apostolika izay iraisan'ny Fiangonana antsoina hoe Kristiana manerana izao tontolo izao ?
95. hajarilanto emmanuel ( 15/04/2017 06:19)
ny filazandry zareo temoin dia hoe zanaka hono jesosy f tsy andriamanitra,izany hoe samy haf jesosy s andriamanitra f tsy ao anatin'ny telo izay iray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6962