Kristianina ve ny Temoins de Jehovah?

61. Nehemiah ( 15/12/2012 08:09)

Miharena:

Raha ilazana indray isika hoe tsy misy jiosy sy témoin sy kristianina sy silamo sns... fa iray ihany ao ami'n'ny Ray, mitombina ve ilay fanontanian'i Hery?

Tsy mitombina ny hevitrao satria ny Gal. 3:28 dia miresaka momba ny olona izay nandray an'i Kristy ho Tompony sy Andriamaniny ary Mpamonjiny, ka tsy tafiditra ao anatin'izay ny témoins sy ny Silamo
62. leva2 ( 16/12/2012 19:52)
Velona Jesosy!

Ataoko ahoana no hangina manoloana ny hevitrao izay totototofanao amin'ny tenin'Andriamanitra namana jojo3t?

voalohany alou namana leva dia hita mihitsy hoe jamba sy mahantra loatra enao raha ny andinin-teny miresaka ny paradisa an-tany an-jatony ao amin'ny baiboly

Apo 21/01-03 :
"ARY nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny.
Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny".

Izaho tsy nandà mihitsy ny handovan'ny "marina" ny tany namana, saingy tsy araka izay nampianarina anao na ny fisehony na ny fotoany. Mankany an-danitra izay voavonjy rehetra. Fa zava-doza no hiseho eto amin'ity tany ity amin'izany.

Fanampim-panazavana :
Fitsanganana voalohany : mankany an-danitra avokoa izay "manana an'i Kristy", "zanak'Andriamanitra" porofoin'ny tombokasen'ny Fanahiny Masina, tafiditra tao anatin'ny fanjakany dieny tety an-tany, nanana an'i Kristy mandra-pahafatiny ary mitafy akanjo fotsy madio satria voavela heloka, afa-pahotana. Tsy mandalo fitsarana intsony ny olona voavela heloka namana.
"Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika". I Tes 04/15-17.
"Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany" Apo 07/09

Fitsanganana faharoa : Ireo olona ampangaina ho nanao heloka, na tena nanota, ka tsy nahazo famelana no mandalo fitsarana; Tsy voafafa ny antontan-taratasy niampangana azy. Mety nahafantatra an'i Kristy ihany ireto farany ireto. Nahalala ihany fa Jesosy no Mpamonjy, saingy tsy nahay nandray izany famonjena izany.
"Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany.
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy". Apo 20/11-13.
63. leva2 ( 16/12/2012 20:21)
Velona Jesosy!

jojo3t
Iza no ateraka indray :
Lioka 12 : 32 : "Aza matahotra ry ondry vitsy, fa sitraky ny rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. Apok 14 : 1-3 : momba ireo 144000.

Tena mampalahelo ianareo namana, fa sady efa fahanan-dalitra amin'ny hoe : tsy ho any an-danitra, mandalo fitsarana, sns dia mbola manaiky ihany koa fa tsy ateraka indray mba ho isan'ny zanak'Andriamanitra. Tena mety efa voatomboky ny vy mahamay tokoa ve?
Rehefa mivavaka izany ianareo dia tokony hanao hoe "Jehovah Sakaizako ô" fa tsy miantsara velatsihy manao hoe "Jehovah Ray ô" araka izay nampianarin'i Kristy.
Izy ity anie namana tsy hoe rehefa mankany an-danitra dia ho minisitra daholo e, ireo vahoaka marobe nanompo an'Andriamanitra nanoloana ny seza fiandrianany (any an-danitra) : na ho mpamafa trano, na ho mpanao lakozia, sns dia olom-boavonjy no anaran'ireo, mandova fiainana mandrakizay.
Ireto no fantaro :
"Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy". Gal 03/26-27.
Izay mitafy an'i Kristy izany no zanak'Andriamanitra, (fa tsy izay mahalala fotsiny ihany). Ianareo namana natao batisa mba ho "sakaiza", mba omeo hoe ny verset?
"Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô". Gal 04/06.
jojo3t
Mahazo ny fanahy masina ve ny tsy nateraka indray ? Eny.

Raha hazavaina amin'ny fomba hafa, ny tsy zanaka izany dia tsy manana ny Fanahy Masina. Izany rahateo anie ny fampianaranareo namana jojo3t, sa ilainao ho-scanneko eto ilay tour de garde misy azy?

Mbola misy ny fotoana hiverenana ao amiNY namana!
64. jojo3t ( 17/12/2012 06:07)

leva2:

Namana leva, azoko ny tianao holazaina hoe tsy ho minisitra daholo ny olona raha lasa any an-danitra, zao ary :

Ny fitondram-panjakana olombelona dia manana toerana manokana toy ny eny Ambotsirohitra, ka raha ho eny daholo ny vahoaka hoentina dia mety ve ? Toy izany koa fa ny fitondrana amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia any an-danitra fa ny hoentina kosa ety an-tany : araho tsara :

Porofo tsy azonao lavina no homeko anao namana leva amin'ny hoe eto an-tany ny paradisa :

Milaza ny baiboly fa ireo 144000 dia ho mpanjaka HITONDRA NY TANY, Apokalipsy 5 : 10.

Efesianina 1 : 9-11 : fikasan'Andriamanitra ny hanangona indray ao amin'i Kristy ny zava-drehetra, na any an-danitra, na eto an-tany.

Vavak'i Jesosy : "Rainay izay any an-danitra, ... Ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao ety AN-TANY, tahaka ny any an-danitra,

Hono hoa namana leva, efa hatao eto an-tany ve zao ny sitrapon'Andrimanitra ary efa tonga eto ve zao le fanjakana sa mbola amin'ny hoavy arak'io vavaka io? Matio 5 : 5 ; 6 : 9,10.

Olona manao ahoana no handova ny tany : Salamo 37 : 29.

Resahin'ny hebreo 2 : 5 ny amin'ilay "tany onenana ho avy".

Resahin'ny Apokalipsy 21 : 1-5 sy 22 : 1,2 koa ny toe-piainana mahafinaritra hisy ao amin'ny "tany vaovao", izay ho toy ilay paradisa tao Edena.Gen. 2 : 9.

Inona no antony handravana ny fanjakan'Olombelona ao amin'ny Daniela 2 : 44 ka ny fanjakan'i Jesosy no hisolo azy?

Isaia 65 : 16-25 : vakio tsara io : tafiditra koa ny biby : hanao trano ny olona, hamboly ho an'ny tenany fa tsy ho an'olon-kafa, tsy hisy intsony ny fahoriana, ary tsy hotsarovana intsony zany fa efa taloha, ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, ary ny liona tsy handratra intsony fa hihinam-bilona tahaka ny omby.

Tsy ny olona rehetra no hiala eto an-tany resahiny baiboly fa ny ratsy fanahy ihany, ary lazainy fa ny mpandefitra no hanova ny TANY Salamo 37 : 10, 11.

Salamo 72 : 16 : "Hahavoka-bary be ny tany na eny an-tampo-tendrombihitra aza? aiza ono io, eto an-tany sa any an-danitra?

Mika 4 : 4 : "samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy, fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny", Aiza koa io?

Namana leva, aiza no hitranga reo zavatra ireo, eto an-tany sa any an-danitra ? Ho any an-danitra koa ve ny biby?

Tamin'ny Jesosy nanangana an'i Lazarosy sy ireo hafa, fanahy sa vatana nofo aman-dra no natsangany : toy izany koa no hataony rehefa ho avy izy :

Jaona 5 : 28, 29 : Aza gaga amin'zany fa ho avy ny fotoana handrenesan'ireo ao AM-PASANA ny feony(feon'i Jesosy) dia hivoaka izy ireo...

Namana leva, aiza io fitsanganana ny maty izay i Jesosy mihitsy no nilaza azy io, eto an-tany sa any an-danitra io fasana io?

Santionany fotsiny ihany reo ka mba valio mahitsy tsy an-kolaka hoe eto an-tany sa any an-danitra ireo faminaniana ireo.

Tsy azonao koa ny hoe manana ny fanahy masina sy hiasan'ny fanahy masina, ireo ondry vitsy dia ny fanahy masina mihitsy no mibitsika amin'izy ireo fa izy dia anisan'ireo voafidy ho mpiaraman-dova amin'ny Kristy ka hiara-manjaka aminy any an-danitra.

Ny hampiasain'ny fanahy masina kosa dia ireo kristianina manao ny sitrapon'Andriamanitra izay eo ambany fitarihan'ny fanahy masina, ny fanahy masina no mitarika azy ireo hanao ilay asa lehibe indrindra nasain'i Jesosy natao, ny fanahy masina no manampy azy ireo amin'ny zavatra rehetra hataony Jaona 14 : 16, 17, 26 ; 15 : 26 ; 16 : 13. Io fanahy masina io koa no mahatonga azy ireo ho tsara toetra sy fitondratena : Galatiana 5 : 22,23.

Namana Nehemiah, tsy fantatrao akory ny atao hoe Jehovah sy Jesosy, ka mba midira ao amin'ny lohahevitra etsy ambony.

65. Nehemiah ( 17/12/2012 06:29)

jojo3t:

Namana Nehemiah, tsy fantatrao akory ny atao hoe Jehovah sy Jesosy

Ahoana no ahafantaranao an'izany ? Efa voadinikao angaha ny foko amam-panahiko ?
66. jajajaly ( 17/12/2012 06:42)
Voavaly aloha ve ny fanontanin'i Hery?
Tsy aleo ve hanokafantsika sujet hafa izay mifanohitra amin'io!!! Ahoana ny hevitrareo
67. jojo3t ( 17/12/2012 06:48)

Nehemiah:

jojo3t:

Namana Nehemiah, tsy fantatrao akory ny atao hoe Jehovah sy Jesosy

Ahoana no ahafantaranao an'izany ? Efa voadinikao angaha ny foko amam-panahiko ?
Tsy mandinika ny fo ny tenako namana Nehemiah fa mandinika ny zavatra voalazanao.
68. Nehemiah ( 17/12/2012 06:53)

jojo3t:

[quote=Nehemiah]
Tsy mandinika ny fo ny tenako namana Nehemiah fa mandinika ny zavatra voalazanao.

Rehefa "miresaka momba ny olona izay nandray an'i Kristy ho Tompony sy Andriamaniny ary Mpamonjiny" ve aho ? Amin'ny fomba ahoana ianao no afaka tonga dia mnatsoaka an'izay hevitra izay ? Ratsy ve ny fijeriko anao ahy satria miteny ny zava-misy aho ka mahatsiaro voadona ianao ?
69. jojo3t ( 17/12/2012 07:04)

Ny tiako holazaina namana dia ilay Andriamanitra nanao anao izay antsoina hoe i "Jehovah" no tsy fantatrao, na i Jesosy aza nanamasina sy nankalaza io Rainy, ka henao mihambo ho kristiana nefa tsy mahalala azy no mahatonga hiteny hoe tsy fantatrao akory ny mampiavaka ireo 2 ireo fa aminao fotsiny dia hoe tsy kristiana ny tsy manaiky an'i Jesosy, tokony handalina tsara enao vao mitsara namana satria diso velively enao raha hoe tsy manaiky an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy izahay, fa kosa tsy mivavaka aminy fa manaraka ilay modelim-bavaka nomeny, mazava tsara aminao ve?
70. Nehemiah ( 17/12/2012 08:24)

Ka nahoana izany ny TDJ rehetra nifanenako dia manao hoe "Tsy kristianina izahay ?" Ianao ihany no mitsaratsara ahy ka inona no ikirizanao hoe "Aza mitsara namana" ? Ny zavatra fantatro dia mety hisy témoins any an-danitra raha manaiky an'i Jesoa ho Tompony sy Andriamaniny fa tsy hisy kosa olona mandà azy ho Ilay Andriamanitra namorona ny lanitra sy ny tany, ary izay no Andriamanitra inoako, ary Izy mihitsy no nanome toky ahy fa marina, na tianao na tsy tianao.
71. jojo3t ( 17/12/2012 09:07)

Tsy mandà ny tenako hoe misy témoin na tsia any an-danitra, fa ny apenarina ao amin'ny baiboly dia 144000 ny isan'ireo ho any ary mapianatra mazava ny baiboly fa eto an-tany ny paradisa fa tsy any an-danitra.

Sahiko ny milaza aminao namana fa tsy tdj izany niteny taminao hoe tsy kristianina izany, za eto no milaza aminao fa kristiana izahay, ary mahalala tsara ny atao hoe kristianina fa tsy manonona fotsiny, ivereno anontaniana izy ireo dia asaivo hazavainy fa so enao ko no diso fandray.
72. Nehemiah ( 17/12/2012 14:45)
jojo3t >>> Raha tena mino tokoa ianao fa Ilay Andriamanitra Tokona izay nahary ny lanitra sy ny tany ianao dia tsara be, fa saingy izao. Malaza ho mpampiasa "lainga teokratika" tahaky ny Silamo ny Vavolombelon'i Jehovah", izao no lazain'ny boky "Insight into the Scriptures" (vol. 2, p. 245) : "While malicious lying is definitely condemned in the Bible, this does not mean a person is under obligation to divulge truthful information to people who are not entitled to it." Miharihary tsara fa tsy témoin aho ka ahoana no ahazoaka toky fa tsy izay no ataonao amiko @'izao ? Satria tena tsy misy équivoque ny tenin'ny témoin noresahiko : "Izahay tsy Kristianina satria tsy mihevitra an'i Kristy ho Andriamanitra". Ary marina aloha fa raha tsy heverina ho Iray amin'i Jehovah i Kristy dia :
_ na andriamani-kafa tahakan'i Baala sy Moloka i Jesoa,
_ na olombelona tsotra izy ka tsy manan-kery ny nandatsahany ny rany tany @ lakroan'i Kalvary.

Tsy hoe hanaratsy anao fa aleoko mitandrina...
73. leva2 ( 17/12/2012 19:49)

jojo3t:

Ny tiako holazaina namana dia ilay Andriamanitra nanao anao izay antsoina hoe i "Jehovah" no tsy fantatrao, na i Jesosy aza nanamasina sy nankalaza io Rainy, ka henao mihambo ho kristiana nefa tsy mahalala azy no mahatonga hiteny hoe tsy fantatrao akory ny mampiavaka ireo 2 ireo fa aminao fotsiny dia hoe tsy kristiana ny tsy manaiky an'i Jesosy, tokony handalina tsara enao vao mitsara namana satria diso velively enao raha hoe tsy manaiky an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy izahay, fa kosa tsy mivavaka aminy fa manaraka ilay modelim-bavaka nomeny, mazava tsara aminao ve?

Velona Jesosy!

Dia ahoana izany ilay tenin'i Jesosy hoe : "izay mahalala ahy dia mahalala n'y Ray koa"
Ianareo ve no nandrafidrafitra zay heverinareo fa famaritana n'y atao hoe kristiana tamin'ny filalaovana n'y tenin'nyTompo, ka tsy hilaza hoe izahay no tena izy?
Tsy tokony nisalotra n'y anarana hoe kristiana ianareo namana rehefa tsy manaiky an'i Jesosy ho ANdriamanitra, fa Jehosiste ohatra, na hafa mba tsy hiantsara velatsihy.
Aminay : Jesosy mira Jehovah, tsy mis fifanoherana ireo, ary tsy mis avo sy iva fa iray. Izay maha-iray azy izay mihitsy no tsy takatrareo ary Jesosy anie raha nampianatra nivavaka tsy nampifanohitra n'y tenany tamin'ny Rainy mihitsy e, fa nanavaka ny Ray izy manoloana ireo andriamanitra bedebe notompoin'ny olona tamin'izany.
Izaho sy ny Ray dia iray ihany: efa nazavaiko io namana fa ianao no tsy namaky mihitsy.
74. jojo3t ( 18/12/2012 04:54)

Nilaza i Jesosy fa izay mahalala azy dia mahalala ny Ray, satria maneho ny toetran'i Rainy izy, ary toy ny hoe izy no solon-tenan'i Rainy tety an-tany satria tsy nisy nahita ny Ray, ohatra : raha mandefa masoivoho na solon-tena any amin'ny firenena iray ny filoha iray, dia mazava ho azy fa iny no mahasolo azy any amin'ilay firenena ary toy ny hoe izy ihany no miresaka any ary filoha = solon-tena amin'zay fotoana izay, na ahoana anefa na ahoana dia tsy hitovy fahefana ireo ary tsy handrombaka fahefana mihitsy koa ilay solon-tena.

Toy izany koa ny amin'ny Jesosy ka lazaiko tsara aminao namana leva fa tsy miombon-kevitra aminao mihitsy ny baiboly, tsy nampifanohitra ny tenany tamin'i Rainy izy hoy ianao, fa nanavaka an'Andrimanitra amin'ireo Andriamani-kafa fotsiny, marina izay fa zao :

i Jesosy mihitsy no nanavaka ny toerany sy ny anjara asany tamin'Andriamanitra :

Tsy nanaiky i Jesosy rehefa nisy niantso azy hoe "Mpampianatra tsara". Fantany fa ny Rainy ihany no afaka mamaritra ny atao hoe Tsara Marka 10 : 17,18.

Zanaka lahitokan'Andriamanitra izy ary izy ilay Mesia Jaona 3 : 13 ; 10 : 36 ; 4 : 25,26 ; Lioka 24 : 44-48.

Nilaza i Jesosy fa izy no zanak'Andriamanitra Jaona 10 : 36 ; Matio 16 : 15-17.

I Jesosy mihitsy no milaza fa Andriamanitra tokana sady marina ny Rainy Jaona 17 : 3.

I Jesosy mihitsy no nilaza tamin'ny mpianany hoe any an-danitra ny Raiko sy Rainareo, sy ny Andrimanitro sy Andrimanitrareo Jaona 20 : 17.

Efa nilaza mialoha ny anjely fa ho lehibe i Jesosy ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra Lioka 1 : 32,35.

Hoy i Jesosy tamin'ireo Jiosy : ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona afa tsy izay hitany hataon'ny Ray. Jaona 5 : 19.

Iza no nasain'i Jesosy niankohofan'i Satana, i Jehovah Matio 4 : 10.

Rehefa nivavaka i Jesosy dia nilaza fa aoka mba ny sitrapon'ny Rainy no hatao Matio 26 : 39.

Ny Ray hoy i Jesosy dia lehibe noho izy Jaona 14 : 28.

Andriamanitra no lohan'i Kristy 1 Kor. 11 : 3.

Fa ny amin'ny ora farany dia tsy mahalala na ny zanaka aza afa-tsy ny Ray ihany Marka. 13:32.

Izahay dia mino ary manao an'i Jesosy ho Tompo araka ilay ao amin'ny Asa 16 : 30-32.

1 kor 8 : 5,6 : na misy atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na ety an-tany, amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, ary ny Tompo dia iray ihany dia i Jesosy.

Jereo tsara mbola avahana tsara mihitsy eo Andriamanitra sy i Jesosy Tompo.

1 Pet. 1 : 3 : isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Tompo.

Kol. 1 : 15-17 : izy ilay endrik'Andriamanitra tsy hita...

Andriamanitra no naniraka an'i Jesosy ho amin'izao tontolo izao, ka azo lazaina hoe teo amin'ny olombelona Andriamanitra, tamin'ny alalan'ilay Zanany Jaona 3 : 17 ; 17 : 8.

Hitanareo amin'zao ny mahasamihafa an'i Jesosy sy Andriamanitra, ny tsy azonareo dia tsy misy andininy na iray aza manambara fa i Jesosy no ivavahana.

Maro be ny modely nomen'i Jesosy ny mpianatra ny amin'ny fomba fivavaka, tsy modely fotsiny fa nampianatra mihitsy izy ny amin'ny vavaka tokony hatao, ka izany no hataonay, ka iza no miatsaravelatsihy namana leva, enao mihambo ho mandray an'i Kristy nefa tsy manaraka ny modely omeny sa ny olona manaraka izany ao amin'ny baiboly, ary enao milaza fa mino tanteraka an'i Jesosy nefa tsy miraharaha ny Rainy, tsy izany ve no fiatsaram-belatsihy satria efa nahariharin'ny Jesosy ny fomba hankalazana ny Rainy ao amin'ny baiboly, tsy toy ny hoe mitsipa-doha laka-nitana ve ianao amin'zany namana. Any amin'ilay hoe mitovy foana i Jehovah sy i Jesosy no mba hala olana ataonareo. Mba valio tsirairay reo andininy ery ambony reo mba ho hitan'ny olona raha diso ny fampianaran'i Jesosy. Sarotra be ve ilay manaraka ny vavaka nampianarin'i Jesosy Tompo, ka ny manaraka izany indray no lazaina fa tsy kristiana sy hoe mandà an'i Jesosy, mampalahelo.

Mbola ampiako kely farany ny tsy mampitovy azy 2 :

Ho Mpanjaka i Jesosy amin'ny ho avy ary eo an-tanana ankavanan'ny Rainy izy amin'zao fotoana izao fa tsy hoe lasa vatana iray izy sy ny Rainy, miandry baiko fa tsy hoe samy mitovy fahefana : vakio tsara ity :"Hoy i Jehovah tamin'ny Tompoko (Tompon'i Davida) : "Mipetraha eto an-kavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. Nohazavain'i Jesosy ao amin'ny Matio 22 : 41-45 fa izy ilay "Tompon'i Davida voaresaka ao amin'io salamo io. Tsy i Jesosy ary no Jehovah, fa izy ilay niresahan'i Jehovah.

Mbola tsy voaresaka eto ny anjara asany amin'ny maha-panelanelana an'i Jesosy fa lava loatra sy ny maro hafa.

Inty ilay Jehovah Andriamanitra tsy fantatrareo loatra ny halehibeany sy ny toerany, izay nohamasininy Jesosy nomeny voninahitra foana :

Tsy misy fanazavana intsony alou fa andininy fotsiny fa lava be : in-7112 ny andininy miresaka azy ary afaka manisa izay tsy mino, noho izany dia tsy omby eto reo, fa andininy vitsy dia vitsy alou no homena :

Sal. 90 : 2, Romana 10 : 13, Ezek. 39 : 6, Gen. 17 : 1, 1 kor. 8 : 5, 6, Lioka 4 : 8, Isaia 44 : 6, Eks 3 : 15, Isaia 12 : 4, Ezek. 38 : 17,23, Mal. 3 : 16, Asa 15 : 14, Matio 4 : 10...

Tsy tanisa andininy fotsiny ireo, fa matoa ianarana ny baiboly dia ny hampiarana azy eo amin'ny fiainana mba tsy hampifangaro zavatra ka tsy hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra, mbola hitohy ny fanazavana fa ireo alou no tokony mba jerentsika tsirairay le andininy.

Namana Nehemiah, anjaranao indray no mino na tsia fa za zao no miresaka aminao eto, ary milaza tsara aminao fa kristiana izahay, ary tsy milaza ireo teny nolazainao etsy ambony hoe tsy kristiana izahay, tsy dia iadin-kevitra be iny fa io efa lazaiko anao io sady efa nasiako fanazavana ka de anao ny sisa, fa fanamarihana kely fotsiny, tsy ampy ny hoe mino fotsiny an'i Jesosy Tompo ny olona iray dia antsoina hoe kristianina izy, vakio ny Asa, 16: 30-32 dia fakafakao hoe inona no tokony hataon'ny olona iray.

Misaotra namana isany,

75. Nehemiah ( 18/12/2012 05:29)

jojo3t:

anamarihana kely fotsiny, tsy ampy ny hoe mino fotsiny an'i Jesosy Tompo ny olona iray dia antsoina hoe kristianina izy, vakio ny Asa, 16: 30-32 dia fakafakao hoe inona no tokony hataon'ny olona iray.

Ka ny Asa, 16: 30-32 anie dia milaza hoe : "Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao. Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.". Raha izay no tianao tenenina dia ny finoana an'i Jesoa ihany no mahavonjy, fa tsy mila manao inona na inona hafa. Fakafakain'i Paoly tsara izany @ Romana. Fa raha tena manana ny finoana mahavonjy antsika dia miseho aty ivelany izany @ alalan'ny asa sy fitondran-tena tsara ataontsika, izay izao no vontoatin'ny Epistilin'i Jakoba.
Raha haka fanoharana somary mahatsikaiky aho dia tahaky ny albinisme izany : misy olona mitondra ny gène ho an'ny albinisme fa raha tsy miseho aty ivelany ilay izy (satria récessif izay gène izay ka resin'ny gène manambara fahasalamàna) dia tsy ho azo lazaina hoe voan'ny albinisme ilay olona. Fa raha tsy misy afa-tsy gènes manambara albinisme ny locus, izay voa miseho aty ivelany ny albinisme, ka lazaina ho voan'ny albinisme ilay olona. Tsy hoe mila manafotsy ny hodiny sy ny volony ary manimba ny fahitàny ny olona vao voan'ny albinisme, fa ny aretina ao anatiny no miseho aty ivelany. Tahak'izay koa ny finoana mahavonjy.
76. jajajaly ( 18/12/2012 05:52)

Ka nahoana izany ny TDJ rehetra nifanenako dia manao hoe "Tsy kristianina izahay ?"

Tsy Kristianina fotsiny izanhay fa TENA KRISTIANINA tsy mitovy ami'ny rehetra!!!
77. jojo3t ( 18/12/2012 06:19)

Nehemiah:

jojo3t:

anamarihana kely fotsiny, tsy ampy ny hoe mino fotsiny an'i Jesosy Tompo ny olona iray dia antsoina hoe kristianina izy, vakio ny Asa, 16: 30-32 dia fakafakao hoe inona no tokony hataon'ny olona iray.

Ka ny Asa, 16: 30-32 anie dia milaza hoe : "Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao. Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.". Raha izay no tianao tenenina dia ny finoana an'i Jesoa ihany no mahavonjy, fa tsy mila manao inona na inona hafa. Fakafakain'i Paoly tsara izany @ Romana. Fa raha tena manana ny finoana mahavonjy antsika dia miseho aty ivelany izany @ alalan'ny asa sy fitondran-tena tsara ataontsika, izay izao no vontoatin'ny Epistilin'i Jakoba.
Raha haka fanoharana somary mahatsikaiky aho dia tahaky ny albinisme izany : misy olona mitondra ny gène ho an'ny albinisme fa raha tsy miseho aty ivelany ilay izy (satria récessif izay gène izay ka resin'ny gène manambara fahasalamàna) dia tsy ho azo lazaina hoe voan'ny albinisme ilay olona. Fa raha tsy misy afa-tsy gènes manambara albinisme ny locus, izay voa miseho aty ivelany ny albinisme, ka lazaina ho voan'ny albinisme ilay olona. Tsy hoe mila manafotsy ny hodiny sy ny volony ary manimba ny fahitàny ny olona vao voan'ny albinisme, fa ny aretina ao anatiny no miseho aty ivelany. Tahak'izay koa ny finoana mahavonjy.
Dia vakio amin'zay ny fanoharan'i Jesosy ny amin'ny farantsa folo ao Lioka 19 : 11-23 : diniho tsara io ohatra io dia ho hazonao hoe hanao ahoana ny olona iray mipetraka fotsiny fa hoe mino dia ampy. Dia iza no ilazan'i Jesosy ilay mpanompo tsy nanao na inona na inona, dia ampifandraiso amin'ny Matio 28 : 19,20 avy eo, dia iza no tokony hanao io asa lehibe io, ny kristianina sa tsy kristianina, satria ny kristianina zany mino fotsiny fa tsy manao asa.
78. jojo3t ( 18/12/2012 06:28)
Mila arahin'asa ny finoana namana a, inona no nataon'i Jesosy tety an-tany, dia inona no nasainy nataon'ny mpianatra rehefa lasa izy, koa hipetra-potsiny ny kristiana, antsoina hoe mpanara-dia an'i Kristy ve izy? Tsy izany olona izany ve le lazainy Jesosy ao amin'ny Lioka 6 : 46 hoe : miantso ahy hoe Tompo ô, Tompo ô, ianareo nefa tsy manao izay lazaiko.

Dia vakio tsara fa mpanompo ratsy fanahy no ilazan'i Jesosy ny olona toy izany ao amin'ilay fanoharana momba ny farantsa folo.

Vakio ny Hebreo toko faha-11 fa ny mpanompon'Andriamanitra fahiny dia nanao asa mafy araka ny finoany avokoa fa tsy nipetra-potsiny hoe mino dia izay, namana a, aza mampirisika ny olona hipetra-potsiny fa tsy tokony isika mihitsy ve no hanentana ny olona hanao ny asa napanaovin'i Kristy, satria vonjy aina izy io, ary maika.
79. Nehemiah ( 18/12/2012 07:43)

jojo3t:

aza mampirisika ny olona hipetra-potsiny fa tsy tokony isika mihitsy ve no hanentana ny olona hanao ny asa napanaovin'i Kristy, satria vonjy aina izy io, ary maika.

Tsy azonao tsara ny teniko : tsy manentana an'iza na iza hipetra-potsiny aho. Fa ny finoana, araky ny teninao, no arahin'asa, fa tsy hoe manao asa vao mahazo famonjena, fanaon'ny Fariseo izany. Raha manana ny finoana mahavonjy antsika dia tsy maintsy miseho ivelany izany @ alalan'ny asa sy fitondran-tena araky ny sitrapon'Andriamanitra.
80. jojo3t ( 18/12/2012 08:03)
tsotra anie no nilazako ery ambony hoe tsy ampy ny mino fotsiny e, dia nohazavainao hoe rehefa mino dia voavonjy ary miseho ety ivelany izany, toy ny ohatra nomenao ery ambony.

Mazava ho azy raha tsy manao ny asa napanaovin'i Jesosy Kristy ny kristianina iray dia tsy mpanaradia azy ary tsy ahazo sitraka aminy na oviana na oviana ka tsy ho voavonjy, zao anefa :

Ny an'ny fariseo rehefa manao asa na mivavaka, dia hataony ho fihamboana sy fieboeboana izany, ary hitadiavany valim-pitia, izay no niantsoan'ny Jesosy azy ireo hoe mpiatsaravelatsihy.

Ny an'ny kristianina kosa anefa manao io asa io izy ho fanantaterahana ny baikon'i Jesosy, ary tsy an-tery fa an-tsitrapo, ary tsy amin'ny fieboeboana, fa amin'ny fitiavana tanteraka dia ny fitiavana ny Ray, sy fitiavana ireo piara-belona aminy, azonao ve?

Ny mahatonga ny tenako hiteny zany mantsy namana Nehemiah dia maro be ny olona milaza ho kristiana zay hanontanianao rehetra, nefa tsy fantany akory ny dikany, ary tsy mivavaka akory ary ny sasany, tsy mianatra baiboly, tsy miditra am-pengonana, indrindra fa mitondra tena ratsy, nefa dia milaza aminao izy hoe kristiana, ny sasany moa dia miteny oe lova avy amin'ny ray aman-dreny ny maha-kristiana, ka ny aty aoriana rehetra dia izy avokoa, fa marina io lazainao farany io fa tsy maintsy maneho ny finoana amin'ny asa ny kristianina, ary hataon'ny tsy mahalala ahoana moa ny hino raha tsy hampianarina izy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4245