Ahoana no hamantarana ny tena fivavahana marina ?

1. jojo3t ( 19/06/2012 03:55)
Ny tiana havoaka eto dia hoe ahoana no halalana fa marina ny fivavahana izay arahinao, tsy hilaza anaram-mpiangonana anefa na antoko-pinoana fa ny tsirairay no mamantatra izay ao aminy rehefa mandeha ara-baiboly mazava tsara ny fanazavana sy famakafakana eto.

Miorina amin'ireto ilay lohahevitra :
"Matio 7 : 15-20" : ny voa no hamantarana azy....
"Matio 7 : 21-23" : tsy izay rehetra miantso hoe Tompo ô....

Vakio tsara ireo andininy ireo dia any aminareo zany ny valiny, hazavao sy fakafakao avy amin'ireo oe tokony hanao ahoana ny fivavahana iray.
novalian'i RBNIR ny 30/08/2012 09:42
2. Miharena ( 19/06/2012 05:10)
[quoteJojo3t]
Miorina amin'ireto ilay lohahevitra :
"Matio 7 : 15-20" : ny voa no hamantarana azy....
"Matio 7 : 21-23" : tsy izay rehetra miantso hoe Tompo ô....
[/quote]
Arak'ireo teny ireo dia mazava fa ny hazo novolen"ny tsirairay no hamantarana ny vokatra na tsara na ratsy. Tsy misy hidiran'ny fivavahana ireo fa toetra nokolokoloina. Ny mivavaka dia ilay miantso hoe tompoko tompoko, sy mangataka amiNY lava fa tsy manatanteraka ny sitrapony dia ny hikolokoloin'ny tena ny talenta nomena ny tena ary hamoa be amin'izany.

Ny mitady io Talenta io dia efa sarotra amin'ny sasany izay mitady izany ivelan'ny tenany. Ny Talenta anefa dia ao anaty no loarana ary atao mamoa be. Resaka ara-panahy na fikolokoloana ny fanahy no fototra tian'ny Tompo ahatongavana amin'ny fampianaraNY rehetra.

Aoka tsy hafangaro ny fifampitaizana ao am-piangonana sy ny atao hoe fivavahana marina satria tsy misy hamarinina amin'ny fivavahana araka ny tenin"i Kristy hoe tsy ny teny lava no ahazoana fahamarinana fa ny mitokana amin'ny mangingina mifanatrika amin'ny Ray. Io no hamokarana ka nampianarana ny vavaka hoe Rainay any an-danitra ... Izay mifono fikasan'ny Ray hataontsika fa tsy fangatahana ny hahasoa ny tena ihany. Na ny fahasoavan'ny tena na ny sitrapon'Andriamanitra dia mitaky asa fa tsy kabary.
3. didi10 ( 19/06/2012 06:42)

jojo3t:

Ny tiana havoaka eto dia hoe ahoana no halalana fa marina ny fivavahana izay arahinao, tsy hilaza anaram-mpiangonana anefa na antoko-pinoana fa ny tsirairay no mamantatra izay ao aminy rehefa mandeha ara-baiboly mazava tsara ny fanazavana sy famakafakana eto.

Miorina amin'ireto ilay lohahevitra :
"Matio 7 : 15-20" : ny voa no hamantarana azy....
"Matio 7 : 21-23" : tsy izay rehetra miantso hoe Tompo ô....

Vakio tsara ireo andininy ireo dia any aminareo zany ny valiny, hazavao sy fakafakao avy amin'ireo oe tokony hanao ahoana ny fivavahana iray.



"Andriamanitra dia Fanahy ary izay mivavaka Aminy dia mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana" (Jaona 4,24)
Aiza ho aiza ianareo TJ amin'io teny io sao tsy fantatrareo akory ny Andriamanitra hivavahanareo!
4. jojo3t ( 19/06/2012 06:52)
Miarahaba an'i didi10 : izay mivavaka amin'ny fanahy dia mivavaka... : mazava tsara io, maro no mivavaka amin'Andriamanitra, tsy le oe mivavaka amin'Andriamanitra anefa no tiana havoaka eto fa hoe : enao milaza mivavaka amin'Andriamanitra io, mba manao ahoana ny voa vokarinao, sa zay mivavaka rehetra dia efa marina izy zay, tsy mahavaly fanontaniana io fa hazavao sy fakafakao tsara.
5. Tefigasy ( 19/06/2012 07:28)
Mahaiza mametraka tsara fanontaniana rehefa manontany , tsy mahagaga raha tsy mahazo valiny precise ianao.
Raha ny fivavahana fotsiny dia misy aman-jatony eto an-tany fa ny lehibe dia ny kristianina, jiosy, silamo , bodista , sampy maro be tsy ho voatanisa eto.
Ka ireny fivavaha ireny ve no tianao ambara sa maka ilay singa kely be de be ao anatin'ny iray amin'ireo, ohatra hoe ny kristianina, na ny fivavahana jiosy na silamo , ....
Tsara marihina ety am-piandohana izany fa samy miantso ny andriamanitra hivavahany ireo rehetra ireo ary samy manao ny azy tsirairay avy ho marina !
6. mirananirina ( 19/06/2012 07:51)

Ny tiana havoaka eto dia hoe ahoana no halalana fa marina ny fivavahana izay arahinao, tsy hilaza anaram-mpiangonana anefa na antoko-pinoana fa ny tsirairay no mamantatra izay

Ny tsirairay avy dia mino fa marina ny fivavahana arahiny na inn finoany na inn!
Ohatra ny hindou,mino mafy tokoa izy fa iny sary amboariny iny no mitahy azy na dia ratsy sy mampatahotra aza mijery azy,ao koa ny élephant no tompoany sy hinoany mafy!
Betsaka ihany koa no tsy manaraka na iza na iza,ny tsy mino izany fa misy Atra.
Grosso modo izany dia marina daholo ny fahitan'ny rht ny fivavahany!
7. jojo3t ( 19/06/2012 09:20)
Ilay fanontaniana ery ambony mazava tsara. Tsy ny olona tsirairay no tiako holazaina fa ilay fiangonana mihitsy, nareo miteny oe aman-jatony, izay mihitsy no mahatonga anle fanontaniana oe aona ny amantarana ny tena fivavahana marina amin'ireo be dia be ireo.
Oharin'i Jesosy amin'ny voa ny fiangonana satria izy no lohan'ny fiangonana, ary nanome io ohatra io izy oe ahoana no amantarana ny tena mpanaradia azy.
Ny tanjona dia ny fahaizana mamoaka io ohatra io amin'ny oe manaraka anle tiany Jesosy holazaina ve ny fiangonana izay arahinao sy ny oe inona no tiany Jesosy lazaina amin'ilay oe tsy izay rehetra miantso azy no hiditra ny fanjakany, maro be ny fivavahana miantso an'i Jesosy fa ahoana no amantarana fa marina sy ankasitrahany ireo.
Mazava be izany fa le ohatra mihitsy ve no sarotra aminareo ny manazava azy.
8. Tefigasy ( 19/06/2012 09:27)
aminao izao dia Jeso no lohan'ny fiangonana fa amin'ny bodista sy ny silamo tsy Jeso mihitsy no lohan'ny fiangonany.
Mila faritanao tsara aloha hoe aiza ny domaine de definition sy ny limite au borne de izay vao mety handeha tsara ny tolo-kevitra, raha tsy izany dia samy mitarika any amin'izay tiany hitaritana azy ny tsirairay !
9. jojo3t ( 19/06/2012 09:34)
Hampiako kely, matoa enao mijanona ao amin'ny fiangonana izay arahinao dia marina le voalazanareo oe mihevitra ny azy ho marina daholo, io mihitsy no tiana havoakoa amin'ilay ohatra oe ahoana no amantarana fa marina le fampianarana havozona ao, ny fitambarany mihitsy, izany oe le fiangonana mihitsy no havoaka oe mampianatra ny marina sa tsia, fa raha ozy nareo oe ny tsirairay no mahamarina ny fivavahana dia tokony hiala ao enao zany ary hitokana samirery fa tsy hiaroaro aminy. Azonareo tsara kosa ngamba ny tiako holazaina.
10. jojo3t ( 19/06/2012 09:37)
Kristiana no resahintsika eto ka tsy tsara raha manonona finoana an'olon-kafa, haorintsika amin'ny baiboly le resaka fa tsy oe amiko dia i Jesosy no lohany na tsia, tery ampiandohana dia efa nilaza za oe fanazavana ara-baiboly le atao ato amin'ity lohahevitra ity,
11. Tefigasy ( 19/06/2012 10:32)
Eny ary e, fa aleo ataotsika plus precis ihany ilay izy : tsy ny fivavahana kristianina ihany mantsy no mampiasa ny baiboly fa eo ihany koa ny fivavahana jiosy izay mampiasa izay voasoratra ao amin'ny fanekena taloha ao anaty baiboly, misy ihany koa ireo mody misora-tena ho kristianina mampiasa baiboly nefa tsy manaiky hanjakan'i Jeso sy mandray azy ho Tompo sy Andriamanitra akory, ary na dia ny devoly ihany koa aza dia nampiasa ny baiboly mba entiny mandresy lahatra.
Ny tsoa-kevitra voalohany izany eto dia hoe: afaka mandray ny baiboly avokoa ny olona rehetra na kristianina izy na ireo misora-tena ho kristianina nefa tsy kristianina mba hamaritany sy hanehoany izay andriamanitra hiankohofany !

Ahoana ary no entina mamantatra ny tena fampianarana kristianina hoy ianao raha ny baiboly no entina hijerena azy.
Voalohany aloha tsy misy olona mahafantatra izany Andriamanitra izany na iza izy na iza (tsy takatry ny sain'ny olombelona izany) raha tsy io Andriamanitra io mihitsy no midina mampahafantatra ny tenany amin'ny olona. Na hamaky baiboly in-n fois aza ianao nefa tsy mandray ny Fanahy Masina izay Andriamanitra mampahafantatra ny tenany aminao dia tsy ho fantatrao mihitsy Izy. Ary izay no mahatonga ny fiangonana kely be dia be misy ankehitriny satria samy mandeha amin'izay sai-patany ny tsirairay fa tsy miantso ny Fanahy Masina hitari-dalana azy. Ary tsy misy Fanahy Masina mampizarazara akory fa ny hampihavana ny olona rehetra amin'ilay Andriamanitra Ray no tanjony amin'ny alalan'ilay Andriamanitra zanaka dia Jesoa Kristy.
Ekena fa ny voany no hamantarana ny hazo nefa raha ilay voa mihitsy aza moa no mbola tsy hainao sy tsy fantatrao, ahoana no entinao mamantatra ny hazo nipoiran'io voa io ?
Koa alohan'ny hamantarana ilay hazo ary, dia ilaina ny mamantatra ilay voany aloha. Koa raha te hahafantatra marina ilay kristy ianao dia ampandrosoy ao anatinao ilay Andriamanitra Fanahy Masina, dia ho hitanao Jesoa ary hamoa voa mendrika ho Azy ianao !
12. didi10 ( 19/06/2012 12:30)
Aleo entina amin'ny lohahevitra raha izay no tian'i Jojo

1-Ny voa no hamantarana azy.

Matio 3,8: "Mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo"
Mazava fa ny fiangonana mampianatra ny fibebahana ho famonjena ny fanahy no hazo mamoa voa tsara.

Matio 7,19:" Ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo."
Atsipy aiza hono? any anaty afo, ny inona? ny fiangonana tsy mampianatra ny fibebahana.

2- Tsy izay rehetra miantso hoe tompoko tompoko,...

Matio 7,23
23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka

Dia miverina amin'ilay resatra voa eo ambony ihany isika satria resaka fibebahana ihany no tian'ny Teny avoitra eto.

Dia mipetraka ary ny fanontaniana hoe inona no tian'i Jojo tenenina satria tsy ampy hamaritana ny fiangonana tena izy ny hoe mitory ny fibebahana fotsiny.

Raha ny hevitro dia ireto no tokony hita ao amin'ny fiangonana na fivavahana marina.

1- Ny fampianarana tsy misy kilema (Tit 2,1)
2- Ny finoana avy amin'ny tori-teny tsy misy kilema (Rom 10,17)
3- Ny fibebahana (Rom 2,5)
4- Ny Batisan'ny fibebahana amin'ny anaran'i Jesosy (Asa 2,38)
5- Ny fanomezana: Fanahy Masina (Rom 8,9)
6- Ny hosotra (fahalalàna ny marina rehetra ) I jn 2,20
7=1. mampianatra ny Teny tsy misy Kilema ...
13. rekinbelo ( 19/06/2012 13:10)
Marina ny teninao didi10, ka iza @ ireo fiangoanana marobe itanao eto amboniny tany ary no mahavita ireo zvt nolazainao ireo?
14. jojo3t ( 20/06/2012 04:12)
Marina daholo ny voalazanareo, ilaina ny fanahy masina, ary tsy ampy ny mitory fibebahana fotsiny, atsipy any anaty afo ny fiangonana tsy mamoa voa tsara....
Apokalipsy 17 : 1,2,5,17 sy 18 : 23,24 : horinganina ny fivavahana tsy marina sy mamitaka.
Matio 7 : 13, 14 : ety ny vavahady makany amin'ny fiainana ka vitsy no mahita azy.
Izay no mahatonga an'ilay fanontaniana oe ahoana ary no ahafantarana ny tena fivavahana marina mba tsy ho ringana nefa tsy mora ny mahita azy.
Ireo efa nolazainareo ireo ny antony sasany amantarana azy, izay anie no hifanakalozan-kevitra eto e, mba hahalalan'ny olona ny marina.

Amin'ny maha dinika azy, ankoatra ny efa voalaza, mety misy voaveriko eto ihany fa ny sasany tsy holazaiko tsony :

Oharina amin'ny hazo ny fiangonana ka ny voa dia ireo olona mivavaka ao : raha marina ny fampianarana ao dia hamoa voa tsara fa raha tsia dia voa ratsy no vokariny.

Ka ny fivavahana marina dia tokony ho hita ireto :

1) Mifototra amin'ny baiboly ny fampianarany ary tsy miala amin'izany : Jaona 17 : 17, jaona 8 : 31, 32, 1 tesaloniana 2 : 13, 2 timoty 3 : 16, 17.

2)Manamasina sy mampahafantatra ny anaran'Andriamanitra : Matio 4 : 10, salamo 83 : 18, jaona 17 : 6,26.

3)Tena mifankatia : Jaona 13 : 35, kolosiana 3 : 14.

4)Manaiky fa amin'ny alalan'i Kristy no hamonjena ny olona : Asan'ny apostoly 4 : 12, matio 20 : 28, jaona 3 : 36.

5)Tsy anisan'izao tontolo izao(tsy manana ny toetsain'izao tontolo izao fa tsy oe hisaraka amin'izao tontolo izao akory) ary tsy mandray anjara amin'ny politika : Jaona 18 : 36, matio 20 : 25-27, jaona 6 : 10-15, marka 12 : 13-17.

6)Tsy manao ny zavatra raran'ny baiboly momba ny fitondratena sy ny zavamahadomelina : 1 Korintianina 6 : 9,10, marka 15 : 23, 2 korintiana 7 : 1.

7)Mitory sy manambara ny vaovao tsara : Matio 28 : 19,20, matio 24 : 14.


Ireo rehetra ireo miampy ny voalazanareo dia mifandray amin'ilay Matio 7 : 21 :
Izay rehetra manao ny sitrapon'ny Raiko hoy i Jesosy no hiditra ny fanjakan'Andriamanitra ka ireo voalaza ireo no sitrapon'ny Ray ka raha tsy manao ireo dia ho laviny sy tsy ho fantany rehefa tonga ny farany.

Eto amin'izay ary dia mandinika ny tsirairay : efa nanaporofo ve enao fa ny baiboly marina no ampianarina ao amin'ilay fiangonana, tena mifankatia ve le olona ao sa mifankahala na mifamono mihitsy, ahoana ny fitondrantena, baranahiny ve, misy fitsipika ve sa na mijangajanga(tafiditra amin'io ny alohan'ny fanambadiana) na mifoka na mimamo sns dia leferina, ny toetsain'ity tontolo ity ve mbola hita ao, fitiavan-karena sy eboebo sns, ny resaka politika aona, ary ny zava-dehibe indrindra, ny didin'i Kristy, mitory sy mampianatra ve ny olona ao ary manao izany amin'ny fo manontolo sa miandry an'i pasitera na i mompera fotsiny....

Izay no fehiny ry namana isany fa zay no maha fifanakalozan-kevitra azy, dia anjaran-tsika tsirairay ny mandinika sy manaporofo, na za koa aza handinika ny ao aminay raha manao ireo, tsy hoe iry na eroa ny marina na hanakiana ny atsy fa enao zany no mamantatra ny voan'ny hazo.
Mandra-pitafa daholo indray, ary misaotra antsika amin'ny fanehoana hevitra.

15. Miharena ( 20/06/2012 06:07)

Eto amin'izay ary dia mandinika ny tsirairay : efa nanaporofo ve enao fa ny baiboly marina no ampianarina ao amin'ilay fiangonana, tena mifankatia ve le olona ao sa mifankahala na mifamono mihitsy, ahoana ny fitondrantena, baranahiny ve, misy fitsipika ve sa na mijangajanga(tafiditra amin'io ny alohan'ny fanambadiana) na mifoka na mimamo sns dia leferina, ny toetsain'ity tontolo ity ve mbola hita ao, fitiavan-karena sy eboebo sns, ny resaka politika aona, ary ny zava-dehibe indrindra, ny didin'i Kristy, mitory sy mampianatra ve ny olona ao ary manao izany amin'ny fo manontolo sa miandry an'i pasitera na i mompera fotsiny....


Matoa mbola mipetraka ireo faontaniana ireo dia mazava fa tsy ampy ilay fampianarana ara-Baiboly satria ny firindrana ara-piaraha-monina dia ny olombelona mifanaiky no manao azy fa tsy ny Fiangonana. rehefa mitsabaka amin'ny firindram-piarahamonina ny Fiangonana dia miezaka mifehy ny olona hanana drafitra heveriny fa mety ka manjary mitarika fifanolanana satria tsy eken'ny hafa firehana.

Raha ny politika ohatra dia asiana ny mpanohitra sy ny mpomba ny fitondrana ary fahadisoam-pijery volena ilay izy ka miteraka tsy fifampatokiana mihitsy. Tsy voahitsin'ny Fiangonana izany satria ny olona ao aminy dia manao politika maka io fomba fijery io.

Toy izany koa ny fitazonana ny fomban-drazana sy ny fomba fanao izay baikoin'ny fifanakalozan-karena eto ambonin'ny tany.

Raha tsy ny vontoatin'ny fivavahana tsirairay mihitsy no hita ary iarahana manaiky fa misy tsy mahomby ny fomba fijery sy fisainana ao aminy avy dia tsy afaka hiteny mihitsy hoe hisy ny fivavahana marina eto ambonin'ny tany.

Ny ara-Baiboly dia tsy azo heverina ho eken'ny rehetra ho fivavahana marina satria ampahan'ny olombelona no manaiky azy.
Efa misy ohatra ny fandalinana manambatra ny voambaran'ny fahendrena sy ny fivavahana isan-karazany ary maneho ny firaisan-kinan'ny Mpitarika Fototra ao aminy avy toa an'i Mahometa, Krsity ary Bouddha sns maro.. ka miteraka ireny fahazoana ny momba ny fanahy sy ny fitondran-tena izay ny Fitiavana sy ny fanetren-tena no tokony ho mibahana ao.
16. jojo3t ( 20/06/2012 07:01)
Raha mijery ny fiangonana tamin'ny taonjato voalohany, tamin'ny andron'ny apostoly isika dia nanaraka tsara ireo votanisan'ny baiboly ireo izy ireo teo ambany fitarihan'i Kristy, ary fiangonana mihitsy izy ireo, zany hoe rantsana nifampiankina, nefa nisy fitsipika ho an'ireo zay tsy nankato, niezaka nitory sy nampianatra ny piara-belona taminy, diniho ny Asa'ny apostoly ka hatramin'ny 3 Jaona.

Ho an'ny olona tsy mino ny baiboly, iny ndray aloha tsy hasiako adi-hevitra satria ny mpamorona sy nanao azy mihitsy no laviny, fa manana ny azy manokana izy zany, fa ny eto aloha zany dia ireo izay mampiasa baiboly.
17. didi10 ( 21/06/2012 09:45)
Fa misy fiangonana tena mampalahelo anie rahalahy ny mpino ao aminy e!

Tena sarotiny izy amin'ny fombafombam-piangonana ampianarin'ny Baiboly saingy tsy tafiditra ao amin'ny finoana izy kanefa izay tsy mety mino no hohelohina (Marka 16,16b) tsy inona no tiako lazaina fa ny fanaovana vavolombelona manohitra an'i Jesosy Kristy tsy ho Tompo sy ny fanaovana tsinontsinona ny fanomezana dia ny Fanahy Masina.

18. jojo3t ( 22/06/2012 05:14)
Mazava ho azy zany satria miankina amin'izany no hahazoana ny fiainana, mila mino sy manaiky ny toerana tanan'i Jesosy Kristy, ary ny fanahy masina no miasa ao amin'ny kristiana tsirairay ka raha tsy manaiky ny fitarihan'ny fanahy masina dia zava-poana ny ataony rehetra.
19. Miharena ( 22/06/2012 07:19)
Azo aseho ve ny momba ny Fanahy Masina sy i Kristy ary Andriamanitra ahafahana mamantatra fa ao anatin'ny fahazoana ilay fivavahana marina ny olona tsirairay?
20. jojo3t ( 22/06/2012 07:50)
Atao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina :
Telo samihafa mihitsy izy eto fa raha fintinina tsotra dia izao :

Jehovah Andriamanitra : ilay namorona ny zava-drehetra sy Avo indrindra manerana izao tontolo izao, ary izy irery ihany no mendrika ivavahana sy iankohofana saingy atao amin'ny anaran'i Jesosy kristy zany vavaka zany satria izy no mpanelanelana.

Jesosy Kristy : zanak'Andriamanitra, lahimatoa amin'ny zava-boary rehetra satria izy no noforonina voalohany indrindra, ary niara-niasa tamin'Andriamanitra tamin'ny famoronana, nirahin'i Jehovah Andriamanitra hanao sorona ny ainy mba hanavotana ny maro, ary mila mino sy manaiky ny rehetra fa amin'ny alalan'io sorom-panavotana natoany io no hamonjen'Andriamanitra azy, ary nomen'Andriamanitra fahefana koa i Jesosy ho mpanjakan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hoavy.

Fanahy masina : hery miasan'Andriamanitra nampiasainy hatramin'izay ka hatramin'izao, io no fanomezana omena ny kristiana tsirairay, manampy azy amin'ny zava-drehetra ataony, io koa no hery ampiasain'Andriamanitra amin'ny fanantaterahana ny fikasany rehetra ka mila manaiky ny fitarihan'io ny rehetra, ary nasain'i Jesosy nangataka io ny tsirairay mba hiasa ao aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0631