Ahoana no hamantarana ny tena fivavahana marina ?
61. Miharena
(
05/07/2012 05:49)
Ilay fanontaniako tamin'i Didi10 hoe ahoana no fomba fivavahana amin'i Kristy moa dia tsy mahafa-po loatra satria maivana dia maivana ny valin-teny.
Ireto misy fanontaniana mivoitra indray momba io:
Ny fandehanana any am-piangonana ve no fomba fivavahana amin'i Jesosy?
Sa ny fanatanterahana ny tenin'Andriamanitra
Sa ny fifankatiavana
sa ny fampiantranoina AZY ao anaty
sa ny fahaizana amin'ny antsipirihany ny Baiboly?
sa ny fomba fiaina ara-panahy?

62. didi10
(
05/07/2012 06:03)
Fa izaho ve efa niteny tamin'i Jojo fa tsy mivavaka amin'Andriamanitra e!
Mivavaka amin'Andriamanitra Ray aho ary mivavaka amin'i Jesosy Kristy Tompo satria iray ihany ireo amin'ny maha- Fanahy Masina azy.
Tsy mivoana mihitsy ny lohahevitra satria ahoana no ahafantaranao ny fivavahana marina, samy milaza ny tenany ho Kristiana kanefa ny sasany manaiky ny maha Andriamanitra an'i Kristy fa ny sasany tsy manaiky!!!

63. didi10
(
05/07/2012 06:22)
Miharena:
Ilay fanontaniako tamin'i Didi10 hoe ahoana no fomba fivavahana amin'i Kristy moa dia tsy mahafa-po loatra satria maivana dia maivana ny valin-teny.
Ireto misy fanontaniana mivoitra indray momba io:
Ny fandehanana any am-piangonana ve no fomba fivavahana amin'i Jesosy?
Sa ny fanatanterahana ny tenin'Andriamanitra
Sa ny fifankatiavana
sa ny fampiantranoina AZY ao anaty
sa ny fahaizana amin'ny antsipirihany ny Baiboly?
sa ny fomba fiaina ara-panahy?
Ilay tianao hahatongavana mihitsy no tsy azoko
Fantatrao ve aloha ny dikan'ny hoe mivavaka?
Miresaka "dialogue" amin'Andriamanitra no dikany
Ka raha manontany ianao hoe ahoana ny fomba fivavahana dia "communication" avec Dieu no tokony hovaliako aminao.
Misy ny vavaka tokony ataonao Aminy isanandro, amin'ny fiainanao andavanandro, mila midera Azy, misaotra, mangataka conseil, mangataka hery ary Izy hamaly anao araka ny teny fikasana voasoratra ao anaty Baiboly, asehonao amin'ny andavanandronao fa manana Azy ianao ao anatinao satria ianao manana ny Fanahiny, mila asehonao Aminy fa tinao Izy tahaka ireny isika amoureux be reny, tsara ny mangata-pitahiana lalandava saingy arahina valim-pitia izany amin'ny vavaka fisaorana sy fiderana.
Misy ny fivoriana Masina izay atao rehefa Sabata, iarahana manandratra ny Voninahitr'Andriamanitra, hifankaherezana amin'ny alalan'ny Teniny, hanolorana ny raki-pisaorana sy ny ampahafolony, fampisehoana fa mifankatia ny mpianany,....
Ka inona no tsy mazava amin'i Miharena?
64. Miharena
(
05/07/2012 15:26)
Didi10:
Mila asehonao Aminy fa tinao Izy tahaka ireny isika amoureux be reny, tsara ny mangata-pitahiana lalandava saingy arahina valim-pitia izany amin'ny vavaka fisaorana sy fiderana.
Tsy maintsy ilaina ve ny fanehoana io fitiavana Azy io ary tsy maintsy asiana valim-pitia ny fangataham-pitahiana?
65. moustaraf
(
08/07/2012 18:53)
Shalôm
Misarika ny sainareo aho amin’ireto teboka vitsivitsy ireto:
1-Nahoana no novaina daholo ny anarana iantsoana ilay nahary izao rehetra izao?
Hoy ny version originale (Sefer kadôs hebreo): Bereshit barà Elohim et Hashamaym ve et Ha arets: t@ fiandohana Elohim nahary ny lanitra sy ny tany,
Ny anarana hafa rehetra dia vokatry ny famoronan’ny sain’olombelona , ary maro aza nalaina avy @ sampy: Dieu, God, Got,….Andriamanitra….(misy tanjona io fanovana anarana io)
ISA 48:9-10-11 : lotoina ny anarako!! Ny voninahitro tsy omeko ny hafa!!
Raha soloina ny anarana Elohim dia lasa ilay anarana solony no mahazo ny fiderana rehetra, sy ny Voninahitra ataontsika isan’andro(???)
2. Dikany: Ny filazantsara mamerina ilay anarana amin’ny toerany no tokony ho arahina
-ZAKAR 14:9 /17 : Tokana ny anarany fa tsy maro akory; araka ny fampianarana nalentika tamintsika hatramin’izay (diniho tsara fa io anarana io no tena mahasarotiny Azy)
-APOK 14: 7 =avereno @ laoniny ilay anarana nampisy ny L sy ny T= omeo voninahitra izy
Manomboka @ fahalalana ny anarana ny famonjena:
Raha nirahina I Moseh hanavotra ny zanak’Israely, dia ny anarana no vatsy voalohany nomena azy, satria na izy aza tsy nahalala intsony an’I Elohim (Eks 3: 11-14, Eks 6:6-7)
3. ISA 11: 16 -LALANA TOY NY MIVOAKA AVY TAO EGYPT HO AN’IREO SISA MIVERINA AVY ANY ASYRIA
(Diniho lalina io andininy io fa ao ny fototry ny fahamarinana rehetra sy ny fanekena vaovao ary ny famonjena)
4. Aza adino fa Tsy misy firenena hafa ankoatra ny Israely mahalala an’ilay nahary izao rehetra izao, ary tsy nomena azy ireo ny didiny( SALAMO 147: 19 -20), koa aoka tsy grika, ny romana, ny anglisy, sy frantsay, ny arabo,…no hampianatra antsika ny Torah, fa izany no nahadiso ny fampianarana nomena antsika hatramin’izay;
5. ROM 10:13-14 ataony ahoana ny fiantso izay tsy ninoany?
Elohim ray, Yeshoa khamashyrha zanaka, roha kodesh fanahy
6. Ianao ilay Israely niely ka mila averina amin’ny alalan’ny fanekene vaovao; tsy taranaka jentilisa izany Ianao araka ireo fampianarana eropeana nasesika mafy tao aminao izay ela izay mba tsy hahalalanao ny làlana tokony halehanao.
Andeha hiverina indray hianatra sy hamantatra ny tena marina momba anao.

66. zazamaroroka
(
09/07/2012 03:42)
Zai zan zao matoa miditra ato de mba te ho hendry,hanaraka anao tsy haditra hi!hi!hi, fzao mba manana basy atifi-kavana koa ny boay kely,nareo reo ve mbo hendry sy manarka an'ireo kozy bobaka tatarainareo reo sa kopaka am-bava fotsiny,so de mbo zai ndrai no ho voavonjy fa tsy nareo, aleloia... ouh!ouh
67. majesty
(
09/07/2012 06:08)
Ahoana no ahalalàna ny fiangonana marina ? tsara fipetraka ilay fanontaniana fa ny tsara homarihina alohan'ny hamaliana azy aloha dia hoe misy karazany firy ilay fiangonana atao hoe marina ???
68. didi10
(
09/07/2012 06:54)
majesty:
Ahoana no ahalalàna ny fiangonana marina ? tsara fipetraka ilay fanontaniana fa ny tsara homarihina alohan'ny hamaliana azy aloha dia hoe misy karazany firy ilay fiangonana atao hoe marina ???
Iray ihany ny fiangonana naorin'ny Apostoly dia ny fiangonan'Andriamanitra
69. rekinbelo
(
09/07/2012 11:17)
Iray ihany ny fiangonana naorin'i Jesosy Kristy fa tsy ny apostoly akory. io ilay antsoina hoe Fiangoanana Kristianina.
tadidio fa tsy trano be nisy tilikambo no naoriny kristy fa trano tsotra, tsy nisy mpitondra fivavahana nirenty be tao, na hoe olona niavaka akory.tsy nisy hoe pastera na mopera t@izany .

70. jajajaly
(
09/07/2012 13:44)
Tsy aleo ve asiana fampiharana na ohatra mihitsy ilay vavaka mba hampazava azy tsara. Anisan'ny fomba iray amantarana ny fivavahana marina manko ny vavaka ary mahasaropiaro ny rehetra.
Ity misy tranga anakiray. Nanota ny olona anakiray ka nanenina tamin'ny fahotany, inona no tokony ho lazainy satria hivavaka izy? Inona no fataonareo?
Ny valin'ny fanontanianao dia mety hanampy olona maro satria betsaka ny manaraka ity forum ity no te hiverina indray amin'Andriamanitra. Aza menatra ary manampy ny hafa!

71. didi10
(
10/07/2012 08:28)
moustaraf:
Shalôm
Misarika ny sainareo aho amin’ireto teboka vitsivitsy ireto:
1-Nahoana no novaina daholo ny anarana iantsoana ilay nahary izao rehetra izao?
Hoy ny version originale (Sefer kadôs hebreo): Bereshit barà Elohim et Hashamaym ve et Ha arets: t@ fiandohana Elohim nahary ny lanitra sy ny tany,
Ny anarana hafa rehetra dia vokatry ny famoronan’ny sain’olombelona , ary maro aza nalaina avy @ sampy: Dieu, God, Got,….Andriamanitra….(misy tanjona io fanovana anarana io)
ISA 48:9-10-11 : lotoina ny anarako!! Ny voninahitro tsy omeko ny hafa!!
Raha soloina ny anarana Elohim dia lasa ilay anarana solony no mahazo ny fiderana rehetra, sy ny Voninahitra ataontsika isan’andro(???)
2. Dikany: Ny filazantsara mamerina ilay anarana amin’ny toerany no tokony ho arahina
-ZAKAR 14:9 /17 : Tokana ny anarany fa tsy maro akory; araka ny fampianarana nalentika tamintsika hatramin’izay (diniho tsara fa io anarana io no tena mahasarotiny Azy)
-APOK 14: 7 =avereno @ laoniny ilay anarana nampisy ny L sy ny T= omeo voninahitra izy
Manomboka @ fahalalana ny anarana ny famonjena:
Raha nirahina I Moseh hanavotra ny zanak’Israely, dia ny anarana no vatsy voalohany nomena azy, satria na izy aza tsy nahalala intsony an’I Elohim (Eks 3: 11-14, Eks 6:6-7)
3. ISA 11: 16 -LALANA TOY NY MIVOAKA AVY TAO EGYPT HO AN’IREO SISA MIVERINA AVY ANY ASYRIA
(Diniho lalina io andininy io fa ao ny fototry ny fahamarinana rehetra sy ny fanekena vaovao ary ny famonjena)
4. Aza adino fa Tsy misy firenena hafa ankoatra ny Israely mahalala an’ilay nahary izao rehetra izao, ary tsy nomena azy ireo ny didiny( SALAMO 147: 19 -20), koa aoka tsy grika, ny romana, ny anglisy, sy frantsay, ny arabo,…no hampianatra antsika ny Torah, fa izany no nahadiso ny fampianarana nomena antsika hatramin’izay;
5. ROM 10:13-14 ataony ahoana ny fiantso izay tsy ninoany?
Elohim ray, Yeshoa khamashyrha zanaka, roha kodesh fanahy
6. Ianao ilay Israely niely ka mila averina amin’ny alalan’ny fanekene vaovao; tsy taranaka jentilisa izany Ianao araka ireo fampianarana eropeana nasesika mafy tao aminao izay ela izay mba tsy hahalalanao ny làlana tokony halehanao.
Andeha hiverina indray hianatra sy hamantatra ny tena marina momba anao.
Misy fanontaniana tsotra mba hangatahako valiny amin'ny namana.
Miangavy anao aho vakio ity soratra ity dia ezaho adika amin'ny alfabeta malagasy azafady
KUC¢§X
72. dydyh
(
10/07/2012 12:24)
salut daholo an, zay ndray za vao tonga,
ekeko ny teninareo ry didi 10sy ny tariny , fa ny tiako holazaina angamba no tsy azonareo, ilay baiboly aloha dia rehefa mamaky baiboly tompoko dia vakiana hatramin'ny farany fa tsy ohatran'ny anareo hoe angalana andininy kely dia iny no entina resahana amin'ny olona rehetra izao, ary mbola averiko eto indray fa tsy mety mihintsy izany hoe manavao ny baiboly izany e,izay voasoratra ao dia tsy tokony hokitihina intsony fa tsy hoe nahita teny kely tatsy ranona dia lasa aloha manao dikanteny vaovao , raha izany zany no mitohy ry didi10 tsy ho hiova tanteraka ity baiboly ity amin'ny farany?

73. dydyh
(
10/07/2012 12:37)
ny zavatra tsikaritro ato dia saiky miainga ao amin'ny testamenta vaovao avokoa no porofo raisinareo, etsy ambony dia mahita aho fa vao miresaka dia hoe velona jesosy , dia ahoana izany ilay Andriamanitra? ary izay no mahagaga ahy amin'ny ankabeazan'ny fivavahana amin'izao, mangataka zavatra dia jesosy, vao miteny zavatra dia jesosy, ohatrany hoe adino ilay Andriamanitra Rain'IJesosy,
74. dydyh
(
10/07/2012 13:03)
Miangavy anao aho vakio ity soratra ity dia ezaho adika amin'ny alfabeta malagasy azafady
KUC¢§X
iza moa no nilaza taminao fa izao teny izao no tena alfabeta malagasy? raha tena manaraka tsara ny tantara ianao dia inona no teny nampiasaina teto tamin'ny andro taloha?ary izao teny ampisaitsika izao? mba valio azafady

75. jajajaly
(
11/07/2012 10:33)
Iza amin'ireto no mety rehefa mivavaka (Ohatra ity):
1) Jesosy o! Mifona aho fa nanota taminao ary tohano ny ezaka ataoko tsy hamerina ireny intsony. Amen!
2) Jehovah o! Mifona aho fa nanota taminao ary tohano ny ezaka ataoko tsy hamerina ireny intsony. Raha sitrakao izany dia atolotro Anao amin'ny anaran'ny Jesosy Amen!

76. Miharena
(
11/07/2012 12:24)
Ilay vavaka mihitsy no mila miova angamba vao mety hisy fiombonana. Fa miavaka ho maro be foana io raha mbola izao fomba fivavahana maro hita ankehitriny izao no mbola mitoetra hatrany.
77. didi10
(
12/07/2012 06:18)
dydyh:
Miangavy anao aho vakio ity soratra ity dia ezaho adika amin'ny alfabeta malagasy azafady
KUC¢§X
iza moa no nilaza taminao fa izao teny izao no tena alfabeta malagasy? raha tena manaraka tsara ny tantara ianao dia inona no teny nampiasaina teto tamin'ny andro taloha?ary izao teny ampisaitsika izao? mba valio azafady
abdefghijklmnoprstvyz : samy manaiky isika fa ireo ny litera ao amin'ny alfabeta malagasy
Ireto avy ny litera tsy misy ao raha ampiatahaina amin'ny alfabeta frantsay: cquwx
Tsy haiko aloha raha azon'ny namana dydyh ny tiako hahatongavana fa tratran'io olana io ireo mpandika ny baiboly amin'ny fitenin-drazany ka tsy maintsy izay alfabeta misy no nampiasaina ary nampanakaikezina ny feony ny soratra.
78. dydyh
(
13/07/2012 12:22)
tratran'io olana io ireo mpandika ny baiboly amin'ny fitenin-drazany ka tsy maintsy izay alfabeta misy no nampiasaina ary nampanakaikezina ny feony ny soratra.
itanao , ianao ihany dia nahavaly azy, ny nanoratana ny baiboly dia tamin'ny teny hebreo sy grika, ary izay voalazanao izay no olana teo amin'ny fandikana azy ka nohezahin'ireo mpandika azy nampanakaikezana ilay izy, nefa ny akon'izay hoe nampanakaikezana izay dia efa nisy zavatra niova tao.
tery ambony dia nisy namana nilaza fa nandinika fa diso ny fijeriko, kanefa dia alaivo ary ny baiboly katolika dia ampitovio tsara fa manatombo ny baiboly katolika, ohatra fotsiny ny bokin'ny makabeo, sy ny hafa . ary izay no mampanotany tena hoe fa ahoana moa no ahazoan'ireo nilaza fa mpandinika baiboly manala boky ao anaty baiboly, ary araka ny tantara ary dia tao anatin'ilay boky hoe sephorim no nangalana ny baiboly, izany hoe ny toko sy andininy rehetra ao anaty baiboly dia hita ao anatin'io sephorim io nefa misy boky ao tsy hita ao anaty baiboly

79. RBNIR
(
30/08/2012 09:42)
rohy mety hahasoa sy hamonjy anao mangetaheta ny fahamarinana:
http://forum.serasera.org/forum/message/m503f2fbd49a0d
Samia ho tahin'ny Tompo daholo