Ahoana no hamantarana ny tena fivavahana marina ?
21. didi10
(
22/06/2012 09:19)
jojo3t:
Atao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina :
Telo samihafa mihitsy izy eto fa raha fintinina tsotra dia izao :
Jehovah Andriamanitra : ilay namorona ny zava-drehetra sy Avo indrindra manerana izao tontolo izao, ary izy irery ihany no mendrika ivavahana sy iankohofana saingy atao amin'ny anaran'i Jesosy kristy zany vavaka zany satria izy no mpanelanelana.
Jesosy Kristy : zanak'Andriamanitra, lahimatoa amin'ny zava-boary rehetra satria izy no noforonina voalohany indrindra, ary niara-niasa tamin'Andriamanitra tamin'ny famoronana, nirahin'i Jehovah Andriamanitra hanao sorona ny ainy mba hanavotana ny maro, ary mila mino sy manaiky ny rehetra fa amin'ny alalan'io sorom-panavotana natoany io no hamonjen'Andriamanitra azy, ary nomen'Andriamanitra fahefana koa i Jesosy ho mpanjakan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hoavy.
Fanahy masina : hery miasan'Andriamanitra nampiasainy hatramin'izay ka hatramin'izao, io no fanomezana omena ny kristiana tsirairay, manampy azy amin'ny zava-drehetra ataony, io koa no hery ampiasain'Andriamanitra amin'ny fanantaterahana ny fikasany rehetra ka mila manaiky ny fitarihan'io ny rehetra, ary nasain'i Jesosy nangataka io ny tsirairay mba hiasa ao aminy.
Fa maninona ianareo tsy manao Batisa amin'ny anaran'i Jesosy?
Betsaka anie namana ny teny manambara fa iray ihany ireo telo ireo e!
22. Miharena
(
22/06/2012 10:14)
Eto izao isika dia mahita sahady fa tsy mitovy fijery satria ny iray batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ary ny iray Batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.
Azo velarina tsa ve ilay faharoa Didi10? Raha tsy maharesy lahatra manko izy io dia tsy azo lazaina fa fahamarinana eken'ny rehetra.

23. jojo3t
(
27/06/2012 03:32)
Ny tiana holazaina amin'ilay batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina dia efa hazavain'ny baiboly mazava tsara fa matoa enao atao batisa dia manaiky ny anjara asan'izy telo ireo sy ny toerana misy azy avy fa tsy hoe iray ihany izy telo, ary ny dikan'ny batisa dia ngamba tsy mila hazavaina fa tokana no lazain'ny baiboly dia ny hoe : fanoloran-tena ho an'Andriamanitra, hatokanao hanompoana an'Andriamanitra ny fiainanao manontolo, toy ny nataony Jesosy tamin'izy tety antany tamin'izy natao batisa, sady modely ho an'ny rehetra. Manaiky enao fa Jehovah Andriamanitra irery ihany no ivavahanao sy iankohofanao ary Jesosy mihitsy no nandidy ny kristiana ny amin'izany, manaiky sy mino ny sorom-panavotan'i Jesosy koa ary manaiky ny fitarihan'ny fanahy masina izay hery miasan'Andriamanitra.
24. RBNIR
(
27/06/2012 13:44)
jojo3t:
Ny tiana havoaka eto dia hoe ahoana no halalana fa marina ny fivavahana izay arahinao, tsy hilaza anaram-mpiangonana anefa na antoko-pinoana fa ny tsirairay no mamantatra izay ao aminy rehefa mandeha ara-baiboly mazava tsara ny fanazavana sy famakafakana eto.
Miorina amin'ireto ilay lohahevitra :
"Matio 7 : 15-20" : ny voa no hamantarana azy....
"Matio 7 : 21-23" : tsy izay rehetra miantso hoe Tompo ô....
Faly miarahaba namana,
Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra zarain"ilay mpitory. Ny zavatra iainany sy inoany no toriny (izay ilay hoe tsy mioty voaloboka amin'ny tsilo....)
Raha mitory izy dia tokony hitaona ny olona hanao ny sitrapon'Andriamanitra.
Fizahantoetra no ataovy hamantarana azy : moa v ny tenan'ilay mpitory koa manao ny sitrapon'Andriamanitra araka izay toriany fatratra???
Eto dia mila mitakosina kely aloha ianao : ho fantatrao tsara ao fa tena tsy mpitaribato vilambava tokoa ilay olona. Ary tokony ho tsapanao ao fa tena matahotra an'Andriamanitra tokoa ny olona mivavaka ao.
Rehefa voamarinao ireo dia mahazo mahatoky ianao fa tsy diso lalana.
Samia ho tahin'ny Tompo namana.
25. jojo3t
(
28/06/2012 04:43)
Marina ny voalazanao, fanamarihana kely fotsiny fa samihafa ilay voa nolazain'i Jesosy hamantarana ny tena mpanaradia azy sy ilay voa fanoharana momba ny fitoriana, io ilay voan'ny fahamarianana nafafy tamin'ny toerana samihafa, teo ambony vatolampy, teny an-dalana, tao anaty tsilo, teo amin'ny tany lonaka.
Mazava loatra fa izay mitory ny tenin'Andriamanitra dia tokony ho hita taratra eny aminy sy amin'ny zavatra hataony fa mendrika sy panara-dia an'i Kristy tokoa izy, tokony hamoa voa tsara izy zany, zany hoe mampifanaraka ny fiainany amin'ny tenin'Andriamanitra izay toriny ary hita fa tena manao ny sitrapon'Andriamanitra, ka amin'izay no hahitan'ny olona azy raha tena kristiana marina izy.
Fa alohan'izay anefa, aona no hamantarana raha fivavahana marina tokoa no arahin'ilay olona, tsy voatery hitakosina enao vo hahita izany fa miharihary be zany amin'ny toetran'ny olona izay mivavaka ao, tsy hitsara ny atsy sy eroa tsika eto fa manambara ny zava-misy fotsiny mba hahatonga saina sy hanovana izay tsy mety, ho an'ilay olona mitory no voaresaka etsy ambony, fa alohan'izay, tena mitory tokoa ve ny olona ao? Mampisaintsaina io an!
Ny olona rehetra mandeha mivavaka dia milaza azy ho Kristiana avokoa, ary efa voalaza tetsy aloha hoe efa vita batisa hono izy ireo, ny dikan'izay dia efa nanokan-tena ho an'Andriamanitra zany izy ireo, zany hoe nanolotra ny tenany hanao ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fiainany ary hanao lohalaharana an'izany, "Ny sitrapon'
Andriamanitra dia ny hitorian'ny tsirairay sy hampianarany ny teniny amin'ny olona rehetra na lahy na vavy, fa tsy manatrika fotsiny ao ampiangonana isak'Alahady.
Io didy lehibe io aloha no jerena raha ataon'ilay olona dia avy eo manaraka ny sisa rehetra.

26. dydyh
(
28/06/2012 10:04)
salut daholo, ahoana no ahafantarana hoe marina ny fivavahana, sarotra be no mamantatra an'izany fa ny zava-dehibe dia ianao mivavaka amin'ilay Mpahary izao tontolo izao, izany hoe tsy mila mijery antokom-pivavahana ianao fa rehefa manao ny marina sy mivavaka ianao dia iazy no zava_dehibe.
marina fa miainga ao amin'ny baiboly daholo ny fampianarana ataon'ny fiangonana fa ny tsy takatry tsika dia ny nataon'ireo nandika azy , normale ve izany hoe misy dikanteny vaovao foana ny baiboly, lalàna avy aiza no afahan'izy ireo manao izany?
faharoa, raha manaraka tsara ny tantara isika dia efa tsy hita intsony ny version original ny baiboly fa efa dikanteny vaovao no vakiana amin'izao
fahatelo, maninona ny baiboly katolika no manatombo amin'ny baibolin'ny sasany, misy mihoatra ny azy
araka ny tantara koa dia ny testamenta vaovao dia nisy 30 no boky voasoratra nefa noesorina ny sasany dia nolazaina fa apokrifa
dia mba jereo koa fa ny boky nosoratan'ny Jaona dia tsy mitovy amin'ny taloha fa fohy
ny akabeazan'ny fiangonana rehetra anefa dia niala avy tao amin'ny katolika , dia isaky ny misy miala dia manala zavatra ao amin'ny baiboly foana;
zavatra tena mahagaga anefa dia any rome no misy ny foiben'ny katolika, ra ara-tantara anefa dia ny romana no tena mpanenjika ny mpivavaka taloha, dia amin'izao dia lasa ao indray no misy ny foiben' fivavahana arahin'ny kristiana
Ventesina foana ny hoe jerosalema nefa anie tsy misy izany ny any roma e
izay fa dia anjarantsika no mieritreritra

27. didi10
(
28/06/2012 15:57)
dydyh:
tsy mila mijery antokom-pivavahana ianao fa rehefa manao ny marina sy mivavaka ianao dia iazy no zava_dehibe.
Te hanontany ny namana aho hoe: inona ny référence arahinao rehefa manao ny marina ianao?
- Ny silamo anie nomen'ny coran fahafahana mamono ny "infidèle" e!! aminy izany tena fanompoana ny fahamarinana na dia tsy marina aminao aza.
- Ny mpanompo sampy koa anie manana ny marina itokiany e!!!
- Ny Scientifique anie manizingizina fa avy amin'ny rajako ny olom-belona e!!! mitompo tena fatratra izy fa marina izany.
Ka iza no miteny aminao fa manao ny marina ianao ary ny fivavahana ataonao dia ankasitrahan'Andriamanitra satria marina???
28. Miharena
(
28/06/2012 17:18)
Ny fahamarinana dia marina ao anatiny fa tsy mila referansa araka ny filazan'ny namana Didi10.
29. zazamaroroka
(
29/06/2012 05:55)
Salut doly ny akama rehetra ato e,
Eo amin'ilay dikan-teny baiboly vaovao, hotran'ny efa nampitaha ihany ny tenanay fa diso le fijerini dydyh a, raha mijery tsar tw dia hitan'tw ao fa tsy miova mihitsy ny hevitry ny teny nadika aty aoriana sy ny taloha, navaozina fotsiny ny fehezanteny mba ho mora azo kokoa le izy, zany hoe natao nivantana kokoa mba hahazoan'ny mpankafy azy tsara fa ny heviny hatrami'izay kosa tsy miova an.
Ary inona no porofo mba omen'i tw fa avy ao amin'ny katolika doly ny fiangonana no niala, diso hevitra tanteraka tw ra izany, za efa mba nandinika ihany fa misy2 ihany ny fiangonana tsy niainga avy ao zany, misy porofo tsara, raha hanontany an'tw za zao hoe fiangonana inona le tamin'ny Androndri Paoly sy ny tariny reny, le tany laodikia, tany efesia, tany korinto sy n sisa e, za mahita fiangonana eto amin'tanàna niainga avy amin'reny sy mbola manaraka anzany hatramizao, reo tany efesia reo nefa raha mandinika ny ao@bible ao tw d tsy mitovy amin'ny katolika mihitsy, ka aza miteniteny foana tw fa manadiadia tsara aloh,okey.
Amin-tw koa zany ny hoe manao ny marina sy mivavaka amin'ilay nahary hoe tsy mblibla dia efa ampy, tsy mangalatra, tsy mijanga, tsy mifoka ve ise dia zay ihany, ori ngah a, misy asa tokony ataon'i ngah koa ka.

30. niryna
(
29/06/2012 15:48)
jojo3t:KA SAMY MILAZA NY AZY HO TENA ZAVATRA AVOKOA RY ZAREO K'TY
Ny tiana havoaka eto dia hoe ahoana no halalana fa marina ny fivavahana izay arahinao, tsy hilaza anaram-mpiangonana anefa na antoko-pinoana fa ny tsirairay no mamantatra izay ao aminy rehefa mandeha ara-baiboly mazava tsara ny fanazavana sy famakafakana eto.
Miorina amin'ireto ilay lohahevitra :
"Matio 7 : 15-20" : ny voa no hamantarana azy....
"Matio 7 : 21-23" : tsy izay rehetra miantso hoe Tompo ô....
Vakio tsara ireo andininy ireo dia any aminareo zany ny valiny, hazavao sy fakafakao avy amin'ireo oe tokony hanao ahoana ny fivavahana iray.
31. leva2
(
29/06/2012 23:03)
Velona Jesosy!
Miala tsiny ry namana fa toy ny mamaky "tilikambo fiambenana" aho mamaky izay soratanao reetra. Hita fa manohana zato isan-jato sy tsy ankisalasala izay ambaran'io antokom-pivavahana io ianao.
Izao anefa no tiako ambara : Ny fiangonana fito tany Asia ambaran'ny Apokalipsy 02 - 03 dia mahafehy feno sy tanteraka ny endriky ny fiangonana misy eran'izao tontolo izao. Diniho fotsny ireo fiangonana misy eto Madagasikara dia ho tsapanao. Noho izany : tsy misy fiangonana marina sy tsy misy kilema eto ambonin'ny tany, saingy misy nefa leferin'Andriamanitra ihany ny fahalemeny saingy misy kosa tena sinagogan'i satana tsotr'izao. Samy taomin'Andriamanitra avokoa nefa izy ireo hiverina aminy sy hibebaka.
"Ny voany no hahalalana ny hazo" izany hoe ny hazo tsara no mamoa voa tsara. Ny "fivavahana" marina, na tsaratsara kokoa hoe ny "fampianarana" marina no mamoa tena kristiana.
Miangavy anao aho ry jojo3t, mba omeo ahy ny famaritana ny atao hoe voa tsara, na koa hoe tena kristiana, dia hambarako anao hoe aiza amin'ireo karazam-piangonana fito ireo no misy anao. Baiboly raisina fa tsy diksionera na encyclopedie.
Misaotra indrindra!
Miala tsiny ry namana fa toy ny mamaky "tilikambo fiambenana" aho mamaky izay soratanao reetra. Hita fa manohana zato isan-jato sy tsy ankisalasala izay ambaran'io antokom-pivavahana io ianao.
Izao anefa no tiako ambara : Ny fiangonana fito tany Asia ambaran'ny Apokalipsy 02 - 03 dia mahafehy feno sy tanteraka ny endriky ny fiangonana misy eran'izao tontolo izao. Diniho fotsny ireo fiangonana misy eto Madagasikara dia ho tsapanao. Noho izany : tsy misy fiangonana marina sy tsy misy kilema eto ambonin'ny tany, saingy misy nefa leferin'Andriamanitra ihany ny fahalemeny saingy misy kosa tena sinagogan'i satana tsotr'izao. Samy taomin'Andriamanitra avokoa nefa izy ireo hiverina aminy sy hibebaka.
"Ny voany no hahalalana ny hazo" izany hoe ny hazo tsara no mamoa voa tsara. Ny "fivavahana" marina, na tsaratsara kokoa hoe ny "fampianarana" marina no mamoa tena kristiana.
Miangavy anao aho ry jojo3t, mba omeo ahy ny famaritana ny atao hoe voa tsara, na koa hoe tena kristiana, dia hambarako anao hoe aiza amin'ireo karazam-piangonana fito ireo no misy anao. Baiboly raisina fa tsy diksionera na encyclopedie.
Misaotra indrindra!
jojo3t:
Atao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina :
Telo samihafa mihitsy izy eto fa raha fintinina tsotra dia izao :
Jehovah Andriamanitra : ilay namorona ny zava-drehetra sy Avo indrindra manerana izao tontolo izao, ary izy irery ihany no mendrika ivavahana sy iankohofana saingy atao amin'ny anaran'i Jesosy kristy zany vavaka zany satria izy no mpanelanelana.
Jesosy Kristy : zanak'Andriamanitra, lahimatoa amin'ny zava-boary rehetra satria izy no noforonina voalohany indrindra, ary niara-niasa tamin'Andriamanitra tamin'ny famoronana, nirahin'i Jehovah Andriamanitra hanao sorona ny ainy mba hanavotana ny maro, ary mila mino sy manaiky ny rehetra fa amin'ny alalan'io sorom-panavotana natoany io no hamonjen'Andriamanitra azy, ary nomen'Andriamanitra fahefana koa i Jesosy ho mpanjakan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hoavy.
Fanahy masina : hery miasan'Andriamanitra nampiasainy hatramin'izay ka hatramin'izao, io no fanomezana omena ny kristiana tsirairay, manampy azy amin'ny zava-drehetra ataony, io koa no hery ampiasain'Andriamanitra amin'ny fanantaterahana ny fikasany rehetra ka mila manaiky ny fitarihan'io ny rehetra, ary nasain'i Jesosy nangataka io ny tsirairay mba hiasa ao aminy.
32. jojo3t
(
02/07/2012 03:39)
Miarahaba an'i leva2 manokana, mahafinaritra be satria mamaky ny tilikambo enao matoa mahafantatra izany, eto moa zany tsy misy resaka hoe manohana zato isan-jato fiangonana iray na manohitra ny an'i sasany fa mamoaka hevitra toy ny besinymaro ihany no atao eto.
Tsy mamaky tsara ity famoasaboasan-kevitra ity angamba enao hatreny am-boalohany fa efa voalazako ary aloha ary ny famaritana ny voa tsara sy ny marika maha-tena kristiana, misy voalazan'ny namana sasany koa ao, fa hivereno tsara, mihemotra ao amin'ny pejy 1 enao dia hitanao ao, efa misy andinin-teny maro be ao miaraka amin'ny hevitra tsirairay fa tsy diksionera na encyclopedia araka ny teninao, mazotoa mijery andinin-teny ary.
Zay namana fa misaotra amin'ny fandraisana anjara amin'ny dinika a.

33. didi10
(
02/07/2012 06:55)
Fil 2,10
10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, 11 sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
Raha Vavolombelon'i Jehovah ianao kanefa manohitra ny maha Tompo an'i Jesosy dia tsy tafiditra amin'ny finoana ianao kanefa, izay tsy mety mino no hohelohina (Marka 16,16)

34. jojo3t
(
03/07/2012 05:10)
Azonao tsara ve ny dikan'io andininteny io, tsy milaza mihitsy io hoe mivavaha amin'ny Jesosy, amin'ny anaran'i Jesosy ozy, zay no maha-mpanelanelana azy, Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray, lalana mba hanomezam-boninahitra an'ilay Rainy, nomena anaram-boninahitra hoe Tompo i Jesosy eny Andriamanitra mahery koa aza, tsy midika nefa zany hoe mitovy i Jesosy sy Andrimanitra, ny olona rehetra kosa dia mivavaka amin'Andriamanitra fa amin'ny anaran'i Jesosy.
Tsy ao amin'ny finoana ozy enao, dia zao ary vakio tsara ireto andinin-teny ireto dia ho hitanao hoe ao sa tsy ao :
1)Tsy mitovy mihitsy Andriamanitra sy Jesosy :
Iza ilay Andriamanitra : Salamo 83 : 18, Apokalypsy 4 : 11, salamo 90 : 2, genesisy 17, 1 (miresaka mazava an'ilay Andriamanitra avo indrindra ireo dia i Jehovah)
Iza i Jesosy sy ny toerany: matio 3 : 16, 17, kolosiana 1 : 15,16, jaona 3 : 16, jaona 14 : 28, 1 korintiana 11 : 3 (mampiseho ireo fa zanak'Andriamanitra i Jesosy ary ny Ray dia lehibe noho ny zanaka).
Iza no tokony ivavahana : matio 4 : 10, matio 6 : 9 (i Jesosy mihitsy no milaza mivantana ireo andinin-teny ireo ary koa nampiantra ny mpanara-dia azy an'io).
Anaran'iza no nohamasininy Jesosy ary tenin'iza no narahiny : jaona 17 : 6, 17.
Santionany fotsiny ireo fa maro be tsy voatanisa.
Efa niresaka ihany enao hoe vavolombelona dia tsy maninona fa resahako, enao moa tsy fantatro hoe inona, fa tsy izay no zava-dehibe, enao mantsy miteny hoe tsy ao amin'ny finoana an'i Jesosy, ny TJ anefa no mampianatra be indrindra sy namoaka boky manokana be indrindra momba an'i Jesosy manerantany ary manaraka ny modely sy ny baikon'i Jesosy na aiza na aiza, rehefa mivavaka izy ireo dia mivavaka amin'ny Jehovah Andriamanitra ary mamarana izany vavaka izany amin'ny anaran'i Jesosy.
Tsy mahita andinin-teny mihitsy enao ao amin'ny baiboly hoe mivavaha amin'i Jesosy, mpanelanelana no hilazana azy ao, ary Jesosy koa tsy misy andinin-teny nolazainy mihitsy ao hoe mivavaha amiko fa ny mifanohitra amin'izay no noresahany dia ny hoe mivavaha amin'ilay Ray any an-danitra, ka mahagaga anà hoe enao mitompo teny fantatra hoe mino tanteraka an'i Jesosy nefa enao aza tsy manaraka ny teniny sy ny zavatra hampianariny momba ny vavaka.
Diniho tsara koa ireo kristiana tamin'ny taonjato voalohany sy ireo Apostoly, tamin'iza izy ireo no nivavaka, iza no nivavahany, ireo nefa mpanaradia an'i Kristy, tamin'i Jehovah Anriamanitra izy ireo no nivavaka fa tsy mahita ao mihitsy enao hoe nivavaka tamin'ny Jesosy izy ireo, manaraka antsakany sy andavany ny baikon'i Kristy nefa izy ireo ary mahafantatra sy mino fa tamin'ny alalan'ny Jesosy no namonjena azy ireo, izay no maha-mpanalalana an'i Jesosy, ary fantany koa fa i Jesosy no ho mpanjakan'ny fanjakan'Andriamanitra, jereo tsara ny Asan'ny Apostoly ka hatramin'ny 3 Jaona.
Ny tsy fivavahany TJ mivantana amin'ny Jesosy fa amin'ny anarany ve no ilazanao fa tsy ao amin'ny finoana izy ireo, diniho tsara ny baiboly fa ny baikon'i Kristy dia mazava tsara sy ny toromarika momba ny vavaka.
Tsy voavakinao hatrany amboalohany ka hatrany amin'ny farany angamba ny baiboly, za manahy hoe sao enao no tsy ao amin'ny finoana satria zany ary tsy fantatrao akory.

35. Tefigasy
(
03/07/2012 05:47)
Otran'ny mahagaga ihany hoe :
Ny alika miteraka alika fa tsy omby
Ny olona miteraka olona fa tsy bitro
...
Fa rehefa Andriamanitra kosa no miteraka zanaka dia toa TSY Andriamanitra ho an'ny sasany fa angamba lasa rajako ny fandraisany azy !

36. jojo3t
(
03/07/2012 07:14)
Tsy azonao mihitsy le tiana hambara eto ka lasa miteniteny foana enao sady mivoana be, Ny dadanao niteraka anao, dia zanak'i dadanao enao, Andriamanitra namorona an'i Jesosy ary niantso azy hoe zanany malalany, zanak'Andriamanitra izy zany, enao sy dadanao ve dia mitovy ny fahefanareo sy ny toerana misy anareo, enao ve lehibe noho i dadanao, toy izany koa fa Andriamanitra no lehibe noho i Jesosy, hazavaina amin'ny hatsipiriany hotrizany ve le izy vo azonao, sady efa misy andinin-teny manazava tsara io sa mbola tsy nojerenao fa tonga de miteny zay fantatra fotsiny enao, hitanao, le ady-hevitra mahafinaritra fa raha tonga de hamoaka zay fantatsika fotsiny sika sy hanakiana be dia tsy hivoaka ny tena marina, tsy aleo ve zay lazain'ny soratra masina ihany no hiangana eto fa tsy hevitr'olona, tany amboalohany za d'efa nilaza fa miainga amin'ny baiboly sika, ka raha toa ny hevitrao tsy miainga ao dia tsy mety le dinika.
37. Tefigasy
(
03/07/2012 07:39)
Tsy mbola niteny mihitsy aho hoe iza no lehibe ny ray sa ny zanaka fa ny zavatra nosoratako noir sur blanc eo ambony io dia hoe: Andriamanitra miteraka Andriamanitra fa tsy miteraka rajako akory na zavatra hafa. Ny dikany raha tsy azonao koa dia Andriamanitra ny zanaka na dia zanaka ary izy fa tsy rajako akory !
38. jojo3t
(
03/07/2012 08:05)
Afaka manome porofo mari-pototra sy arabaiboly ve enao fa ny zanaka dia Andriamanitra iany, adala zan Jesosy miantso an'Andriamanitra hoe rainy, ary Andriamanitra miantso azy hoe zanaka, enao zan dadanao iany. Personne 2 samihafa mihitsy no tiana avoaka eto, ary ny iray manana fahefana amin'ny iray fa ny iray kosa manantateraka sy mankato, fa tsy hoe samy Andriamanitra dia samy manao zay tiany.
39. Tefigasy
(
03/07/2012 08:13)
Aza afangaro kely ilay izy raha mety e: tsy niteny aho hoe ny "zanaka = Ray" na hoe "izaho = dadanay" fa ny nolazaiko dia hoe Andriamanitra ny Ray ary niteraka Andriamanitra ihany koa izy.
Olombelona dadanay. Olombelona ihany koa izaho izay zanany fa tsy midika akory izany fa dadanay ihany koa za !

40. didi10
(
03/07/2012 08:20)
Hovonjena amin'ny finoanao anie ianao rahalahy, tena fitiavako anao no anoroako anao ny lalan'ny finoana.
Mihatsara velatsihy ianao namana raha milaza fa mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy kanefa tsy mivavaka amin'i Jesosy Kristy. Tena mitovy amin'ny Katolika mivavaka amin'ny alalan'i Maria kanefa milaza fa tsy mivavaka amin'i Maria, inona moa rahalahy no atahoranao mitsotra fa mivavaka amin'i Jesosy ianao? Iray ihany ireo e! (Jn 10,30) ary efa nomena an'i jesosy ny fahefana rehetra na ety an-tany ka hatrany an-danitra (Mat 28,18).