Ahoana no hamantarana ny tena fivavahana marina ?
41. Tefigasy
(
03/07/2012 08:24)
Aleo ary hamafisina raha te hahita ianao fa "Ray=zanaka" (Andriamanitra eto no resahina fa tsy izaho sy dadanay akory) :
Jao.10:30 "Izaho sy ny Ray dia iray ihany"

42. jojo3t
(
03/07/2012 08:41)
Ny dikan'io raha manohy mamaky enao na mijery ny teny manodidina dia zao : tsy nisy nahita an'Andriamanitra fa nisy nahita an'i Jesosy kosa, ka izay nahita an'i Jesosy dia toy ny nahita ny Ray, nampiseho taratra ny Ray i Jesosy mba hahalalan'ny olona an'ilay naniraka azy, iray ihany izahay, tsy ara-bakiteny no nilazan'i Jesosy io teny io fa ny dikan'io dia hoe iray amin'ny zava-drehetra izy ireo, iray ny toetra, iray ny fikasan'izy ireo, iray ny zavatra ataon'izy ireo, ary tsy mifanipaka mihitsy.
43. didi10
(
03/07/2012 08:46)
jojo3t:

Hovonjena amin'ny finoanao anie ianao rahalahy, tena fitiavako anao no anoroako anao ny lalan'ny finoana.
Mihatsara velatsihy ianao namana raha milaza fa mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy kanefa tsy mivavaka amin'i Jesosy Kristy. Tena mitovy amin'ny Katolika mivavaka amin'ny alalan'i Maria kanefa milaza fa tsy mivavaka amin'i Maria, inona moa rahalahy no atahoranao mitsotra fa mivavaka amin'i Jesosy ianao? Iray ihany ireo e! (Jn 10,30) ary efa nomena an'i jesosy ny fahefana rehetra na ety an-tany ka hatrany an-danitra (Mat 28,18).
44. Tefigasy
(
03/07/2012 08:50)
Jao.12:45 "Izay mahita Ahy dia mahita izay naniraka Ahy" izay no voasoratra fa aza ovaina hoe TOY NY MAHITA. Raha avadikareo tsikelikely toy izany ny teny izay voasoratra dia lasa manalavitra ny fahamarinana ianareo. Mba vakio amin'ny teny hebreo io teny ao amin'ny Jao.12:45 io fa tsy mahita ny teny mihitsy ianao hoe "TOY NY"
Ary ny Jao.10:30 eo dia ara-bakiteny na vakiana hatramin'ny farany aza ny baiboly iray manontolo.
Jao.20:28 "dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro!" Teny mivantana nataon'i Tomasy tamin'i Jesoa ilay tsy tianareo atao hoe Andriamanitra io teny io. Namaly azy ve Jesoa teto hoe tsy Andriamanitra aho fa aza antsoina amin'izany sa adinony no niteny an'izany sa noteneniny ihany izany teto fa tsy nosoratana tao anaty baiboly fotsiny !
...........

45. jojo3t
(
03/07/2012 09:32)
Io indrindra no lazaiko anao, izay mahita ahy dia mahita ilay naniraka ahy, milaza mazava Jesosy eo fa misy ilay naniraka matoa izy miteny io, ary nirahina izy fa tsy naniraka, tsy mitovy mihitsy zany, efa nolazaiko koa tery amboalohany fa nomena anaramboninahitra i Jesosy, Andriamanitra mahery, fa tsy midika mihitsy io hoe hivavahana izy na izy ilay Andriamanitra Avo indrindra, izahay dia mino tsara an'i Jesosy fa tsy Andriamanitra ilay Alfa sy Omega no inoanay azy fa izy zanak'Andriamanitra, sarotra be ve ny mahazo izany, zanaka fa tsy Ray, nirahin'ny Ray, nivavaka mafy tamim-pahoriana i Jesosy tao Getsemane, vakio tsara ny Matio, iza no nivavahany, nivavaka tamin'ny tenany ve izy, nitady fanamaivanana taiza izy, avy eo, iza no nanangana azy tamin'ny maty, tamin'izy natao batisa, iza no niantson'Andriamanitra azy.
Farany Jaona 17 : 3, iza avy no mila ianarana eo, 2 samihafa mazava tsara io fa tsy amboarina na avadika araka ny teninao, mazava tsara koa hoy i Jesosy fa izaho dia ao amin'ny Ray, ary iray ihany izahay, ara-panoharana io voalaza io, efa nambarako tery aloha fa iray izy ireo amin'ny zava-drehetra fa saingy i Jesosy dia mbola eo ambany fahefan'ilay Ray, vakio tsara le andin-ninteny nomeko tery amboalohany.
Tsy nampirisika ny mpianany hivavaka sy hitalaho amin'ny Rainy i Jesosy, raha Andriamanitra mitovy amin'Andriamanitra izy.
Zay aloha ry namana ny androany fa rahampitso ndray za mamaly ny manaraka.

46. Tefigasy
(
03/07/2012 09:53)
De tongava soa any amin'ny tanjona iriana izany nareo rehefa tsinotsinoavinareo ny teny rehetra ao anaty soratra masina e! Samy hafa tokoa ilay lalana hizorana na dia toa mitovy ihany aza ny zotra andehanana : ny iray mihemotra mianatsimo moa ny iray mandroso mianavaratra ! lol
47. jojo3t
(
04/07/2012 03:59)
Tsy dia tsara ny manao faran-teny toy izany fa aleo hazavaina tsara ihany : tsy misy voavalinao mantsy le fanontaniako rehetra napetrako momba an'i Jehovah sy Jesosy ary ny vavaka nefa za mba niezaka namaly anao ihany na dia ataoko aza hoe tsy mahafa-po anao.
Mba vakio raha azonao atao ireto andininy maro2 ireto :
Mivantana be ireo ary tsy misy amboarina dia mba ezaho valiana azafady :
Momba an'i Jehovah Andriamanitra :
Genesisy 17 : 1 : miresaka momba an'Andriamanitra Jehovah io.
Salamo 110 : 1 : nasain'Andriamanitra nipetraka eo ankavanany i Jesosy mandra....
Jaona 17 : 26 : nivavaka tamin-dRainy i Jesosy...
Ezekiela 38 : 17,23 : mampiseho ny fahalehibiazan'i Jehovah.
Isaia 12 : 4 : mampirisika ny hampahafantarana ny anaran'Andriamanitra.
Aminao iza no nivavahan'ny Israelita, tamin'ny androndri Abrahama sns...(mbola tsy teo Jesosy tamin'zany fa efa nisy faminaniana momba azy hoe ho avy ny Mesia).
I Jehovah no Andriamanitr'izy ireo (vakio Edsodosy 3 : 15).
Jaona 5 : 19, 14 : 28, 10 : 36 : tsy mahazo manao na inona na inona ny zanaka afa-tsy izay asaina ataon'ny Ray.
Mbola azo vakiana koa ny Eksodosy 20 : 2-5.
Momba an'i Jesosy :
Jaona 1 : 1 : Ny teny dia Andriamanitra, nantsoina hoe Andriamanitra i Jesosy eto, ary anaram-boninahitra nomena azy zany, hoy koa i Tomasy : jaona 20 : 28 : tompoko sy Andriamanitro, anaram-boninahitra daholo zany, diniho tsara fa niantso azy toy zany i Tomasy fa tsy nivavaka tamin'ny Jesosy mihitsy izy na indray mandeha aza.
Jaona 1 : 18 : ny zanaka no nanambara ny Ray (tsy misy mahita an'Andriamanitra ka ho velona eksodosy 20 : 33, noho izany i Jesosy no taratra na solontenany hita maso, fa tsy hoe i Jesosy ihany no Jehovah).
I Jesosy mihitsy no naka ny voalaza ao amin'ny Salamo 82 : 1-6 ao amin'ny Jaona 10 : 34,35 fa nisy olona ambony na mpitsara koa nantsoina tamim-boninahitra hoe andriamanitra.
Toy izao amin'izay ny famaranan-tenin'i Jesosy ao amin'io Jaona io :
Jaona 20 : 31 : voasoratra ireo mba hinoan'ny rehetra fa izy no Kristy zanak'Andriamanitra.
Mbola azo vakiana koa ny 1 Petera 1 : 3 sy ny Jaona 20 : 17.
Mbola santionany fotsiny nefa ireo fa tsy omby eto ny andinin-teny miresaka an'i Jehovah sy Jesosy, dia mba valio amin'izay ny mahakasika an'ireo, ny vavaka moa dia efa napetrako tany aloha izay nampirisihan'i Jesosy sy nampianariny ny mpianany fa tsy novalianao mihitsy,
haveriko eto ihany fa izahay dia mino tsara an'i Jesosy mihitsy ary zan ndrindra no anarahanay ny teniny momba ny vavaka, amin'ny anarany izahay no mamarana ny vavaka ataonay, Sady mino an'Andriamanitra izahay no mino an'i Jesosy Kristy zanany.

48. Miharena
(
04/07/2012 04:16)
didi10 - 03/07/2012 10:46
jojo3t
Ny dikan'io raha manohy mamaky enao na mijery ny teny manodidina dia zao : tsy nisy nahita an'Andriamanitra fa nisy nahita an'i Jesosy kosa, ka izay nahita an'i Jesosy dia toy ny nahita ny Ray, nampiseho taratra ny Ray i Jesosy mba hahalalan'ny olona an'ilay naniraka azy, iray ihany izahay, tsy ara-bakiteny no nilazan'i Jesosy io teny io fa ny dikan'io dia hoe iray amin'ny zava-drehetra izy ireo, iray ny toetra, iray ny fikasan'izy ireo, iray ny zavatra ataon'izy ireo, ary tsy mifanipaka mihitsy.
Hovonjena amin'ny finoanao anie ianao rahalahy, tena fitiavako anao no anoroako anao ny lalan'ny finoana.
Mihatsara velatsihy ianao namana raha milaza fa mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy kanefa tsy mivavaka amin'i Jesosy Kristy. Tena mitovy amin'ny Katolika mivavaka amin'ny alalan'i Maria kanefa milaza fa tsy mivavaka amin'i Maria, inona moa rahalahy no atahoranao mitsotra fa mivavaka amin'i Jesosy ianao? Iray ihany ireo e! (Jn 10,30) ary efa nomena an'i jesosy ny fahefana rehetra na ety an-tany ka hatrany an-danitra (Mat 28,18).
Saropiaro mihitsy ny namana Didi10 izany amin'y fivavahana amin'i Jesosy Kristy.
Fanontaniana kely fotsiny avy amiko, ahoana ny fomba fivavahana amin'i Jesosy Kristy raha ny fahafantaranao azy?
49. zazamaroroka
(
04/07/2012 04:24)
Salut doly ny akama ato,
Na dia any amin'ny tontolon'ny fitiavana aza no tena mahaliana anay ato dia otrin'ny mba liana amin'zany ho avy zany zai a, sady hitondra anjara biriky koa etsy andaniny, sa ahoana ozy ianona.
Tsy de mahay toko sy andininy ny boakely fa na zany aza mba nobeazina kely tamin'zan iany,
Jereko anefa toa mitady hifanakiana nareo ato an, zai koa mba hanakiana kely so ianona tsy mahazaka démokrasia eo, ny sasany aloha hita mihitsy hoe manenjika fotsiny.
Nampianarina anay tamin'ny mbola belelo hoe misy zany Andriamanitra zany dia misy koa i Jesosy, zai hoe zanaki ny Ray hono, nendri-jojo3t moa antsoiny hoe Jehovah zany ilay Andriamanitra, tsara ihany le fanazavana fa na izany aza mbola tsy maharesy lahatra ny boay kely an.
Za ko tsy miasa saina na témoin de Jéhovah na témoin de Jésus, fa matoa ny boakely miditra ato de mba te hahalala anzany marina zany, mba mifankatiava nareo e, zai ndrai ve no hampianatra anzany e,
Ry tefigasy aloha eto koa dia kobo be hoe tsy mino an'Andriamanitra sady tsy fantany zany fa i Jesosy iahny ny azy ny fantany nefa zai nampianarina hoe zany Andriamanitra zany no namorona anay de nanome ny zanany hamonjy anay, ka iza izany no tena marina, za kosa aloha kamo be hamaky ireo andininy be omeni jojo3t ireo e, so donto be eo ny saina.
Aty aminà ny marina ngamba, zay mila omeko numéro finday : hi! hi! hi!, ouh!ouh!ouh, vazivazy zany so valy tezitra eo. Okay siora doly aloha e,

50. jojo3t
(
04/07/2012 04:38)
Misaotra an'i didi10 aloha amin'ilay fitiavana raha tena vokatry ny fo le izy.
Aminao zany iray ihany i Jehovah sy Jesosy, diso tanteraka anie ny baiboly raha izany e, ary mba valio le vavaka nampianarin'i Jesosy, iza no nasainy nivavahana, iza koa no nasainy niankohofana sy hotompoina tamin'izy nalain'i Satana fanahy, vakio tsara koa ireo andinin-teny maro be etsy ambony ireo fa, nareo hitako hoe mody fanina rehefa asaiko mamaly fanontaniana amin'ireny andininy maro be ireny, sa ve mivantana be sy tsy azo ialana le izy, za nefa mba miezaka iany mamaly anareo. Raha ny fijerinao zany dia niteniteny foana Jesosy rehefa nampianatra an'iny vavaka malaza be iny, nivavaka tamin'ny tenany koa izy tao Getsemane, tamin'iza izy no nivavaka sy niandrandra ny lanitra tamin'izy nanao fahagagana teto antany ireny, nomena fahefana izy, ary anisan'izany ny hoe mpanalalana izy, diso be ny fijerinao an'ilay hoe mihatsaravelatsihy, sa ve tsy azonao ny dikan'ilay hoe rehefa mivavaka amin'Andriamanitra dia faranana amin'ny anaran'i Jesosy, mahagaga be anà raha enao no tsy mahay ny dikan'io fa lazainao fa fiatsarambelatsihy indray le izy.
Raha dinihiko hatreto dia sarotra aminao mihitsy na raha ny marina kokoa dia ny hoe tsy mety manaraka an'ilay modely sy tenin'i Jesosy mihitsy enao, ary hatreto koa dia hita hoe tsy mino sy manao tsinontsinona an'ilay tena nahary ny lanitra sy tany koa enao satria toa tsy hitako taratra mihitsy ny mba ahafantaranao azy fa lazainao i Jesosy ihany izy.

51. zazamaroroka
(
04/07/2012 04:46)
Aiza e, mba omeo 1 aminzany didi10 zany zai ry didi10 a,
Ary so de tokony hampianarina malagasy ary didi10, zan no hainay zao fa tsy baiboly,
Ray sy zanaka, olona 2 samihafa zany, mpisolo tena samihafa, sa didi10 mira ny dadany iany, zay adala no toa andrainy, hi hi....

52. Tefigasy
(
04/07/2012 06:24)
jojo3t >> Afaka avilanareo amin'izay tianareo hitiavana azy ny baiboly, tsy maninona izany fa izahay koa tsy sarotiny. Samy mbola hijinja izay hafafintsika tsirairay avy isika any am-parany any.
Na dia vosoratra noir sur blanc aza fa Andriamanitra Jesoa "Tompoko sy Andriamanitro hoy Tomasy" dia mbola avilanareo ho fanajana fotsiny izany. Izaho aloha na dia mba mpanaja olona ihany koa aza dia tsy hanao aminao io mihitsy hoe tompoko sy andriamanitro satria tsy izany mihitsy ianao.
Na dia efa vosoratra noir sur blanc aza fa ny Ray sy ny zanaka dia iray ihany (Jao.10:30) dia mbola afaka avilanareo foana araka izay tianareo koa izany fa tsy maninona
Ok, afaka tsy mivavaka amin'ilay Andriamanitra zanaka ianareo, tsy maninona sady tsy hidirako lalina intsony koa fa efa safidinareo, tadidio fotsiny izao soratro izao rehefa mby any amin'ilay toerana misy anao ianao rehefa miala eto an-tany eto.
zazamaroroka >> Samy manana ny Andriamanitra inoany io ry grand a, manana ny Andriamanitro aho izay inoako fa mbola tsy fantatrao amin'ny antsipiriany ihany koa ka mahatonga anao hiteniteny foana eto. Tsy apiako sira koa anefa izany fa izaho sy Izy ihany no mahalala ny aminay ary tsy ho fantatrao na oviana na oviana ny momba anay fa aza hidirana lalina e!

53. jojo3t
(
04/07/2012 07:31)
Marina ny teninao hoe samy hotsaraina any am-parany, efa nanazava taminao tsara za ary mbola manamafy an'zany Jesosy tenany eo amin'ny Jaona 20 : 31, fa taratra ny inoan'ny olona ny zavatra nataony tety an-tany fa zanak'Andriamanitra izy, izahay ve no mandika vilana ny baiboly sa enao no tsy mety manaiky an'ilay lazain'i Jesosy mihitsy, ary haveriko ihany fa mbola tsy voavalinao mihitsy ireo le tenin'i Jesosy amin'ny andinin-teny nomeko fa haolanao amin'ny farateny sy fialana bala fotsiny le izy, tsy hainao hazavaina mihitsy ve, tsy afa-po mihitsy aloha za raha tsy voavalinao mazava ireo voalaza rehetra sy ny antony nampianaran'i Jesosy ny pianany hivavaka amin'ny Ray ihany, ahoana zany ny amin'Andriamanitra Jehovah sns...
NB : iangaviana i zazamaroroka mba hanao fiteny maotina raha azo hatao satria resaka ara-panahy le izy, lasa manjary misy mitady ho voatarika hanao fiteny toy izany koa mantsy ato raha mitohy le izy, fangatahana fotsiny io an.

54. didi10
(
04/07/2012 07:40)
jojo3t:
Misaotra an'i didi10 aloha amin'ilay fitiavana raha tena vokatry ny fo le izy.
Aminao zany iray ihany i Jehovah sy Jesosy, diso tanteraka anie ny baiboly raha izany e, ary mba valio le vavaka nampianarin'i Jesosy, iza no nasainy nivavahana, iza koa no nasainy niankohofana sy hotompoina tamin'izy nalain'i Satana fanahy, vakio tsara koa ireo andinin-teny maro be etsy ambony ireo fa, nareo hitako hoe mody fanina rehefa asaiko mamaly fanontaniana amin'ireny andininy maro be ireny, sa ve mivantana be sy tsy azo ialana le izy, za nefa mba miezaka iany mamaly anareo. Raha ny fijerinao zany dia niteniteny foana Jesosy rehefa nampianatra an'iny vavaka malaza be iny, nivavaka tamin'ny tenany koa izy tao Getsemane, tamin'iza izy no nivavaka sy niandrandra ny lanitra tamin'izy nanao fahagagana teto antany ireny, nomena fahefana izy, ary anisan'izany ny hoe mpanalalana izy, diso be ny fijerinao an'ilay hoe mihatsaravelatsihy, sa ve tsy azonao ny dikan'ilay hoe rehefa mivavaka amin'Andriamanitra dia faranana amin'ny anaran'i Jesosy, mahagaga be anà raha enao no tsy mahay ny dikan'io fa lazainao fa fiatsarambelatsihy indray le izy.
Raha dinihiko hatreto dia sarotra aminao mihitsy na raha ny marina kokoa dia ny hoe tsy mety manaraka an'ilay modely sy tenin'i Jesosy mihitsy enao, ary hatreto koa dia hita hoe tsy mino sy manao tsinontsinona an'ilay tena nahary ny lanitra sy tany koa enao satria toa tsy hitako taratra mihitsy ny mba ahafantaranao azy fa lazainao i Jesosy ihany izy.
Misaotra ny namana
Aza diso fihevitra fa tsy mbola nanome interpretation ny Teny aho fa juste nilaza ny voasoratra fotsiny,
Jaona 10,30: Izaho sy ny Ray dia iray ihany
Jaona 14,28: Fa ny Ray lehibe noho Izaho
Misy i YHaWeH, na JeHoWaH Andriamanitra Ray ary misy i Jesosy na YeHoSHoWaH zanany, ny maha iray Azy ireo dia ny "élément constitutif" dia ny Fanahy Masina izany,
Raha orinasa ilay izy dia Jehovah no PDG, Jesosy no Directeur ary efa nomena an'i Jesosy ny fahefana rehetra na ety an-tany na any an-danitra (Mat 28,18).
Andriamanitra Ray no miantso ny olona (ny jentilisa) hiditra ao amin'ny orinasa, fa tsy maintsy manantona an'i Jesosy (Jn 6,44) sy manaiky ny fahefan'i Jesosy ho Patron (Tompo) (I Kor 12,3)vao tafiditra ao (Jn 14,6). Décision'Andriamanitra anie rahalahy no nametraka ny zanany ho Tomponao kanefa ny TJ tsy mety hanaiky izany fahefana izany e!!! insubordination anie izany rahalahy e! izany ihany anie no nahatonga an-dry anjely Satana voaroaka tany an-danitra satria nitsipaka ny décision ny e!
55. jojo3t
(
04/07/2012 08:23)
Tsotra be no hamaliako azy, mazava be io, ny Ray lehibe noho ny Zanaka, ny PDG lehibe noho ny directeur, nomena fahefana ny directeur fa ny sitrapon'ny PDG no tena heken'ny directeur, toy ny nataon'i Jesosy, raha mampirisika ve ny directeur hoe hajao ny PDG na hankatoavy ny teniny na nahazo fahefana aza dia hiteny ny mpiasa hoe, tsy hanao zany izahay fa enao iahny no hankatoavinay, manan-jo feno handroaka zay tsy manjary ao amin'ny Orinasa ny PDG ary tsy vaosakan'ny directeur raha ilainy zany, ka ho anareo tsy miraharaha an'Andriamanitra, tsy hananjo hamaly an'izay tsy miraharaha azy ve izy na nanome fahefana an'i Jesosy, ary mariho tsara fa iray ihany ny fanahy masina, herimiasan'Andriamanitra no ilazan'ny baiboly azy, na i Jesosy aza nomena io, ny kristiana tsirairay, io no nanaovany ny zava-drehetra, tsy voavalinareo mihitsy oà, nomena fahefana Jesosy hanjaka, hanatanteraka ny fikasan'Andriamanitra fa tsy fahefana hoe hivavahana izy, tsy mety manaiky mihitsy nareo hoe i Jesosy tenany mihitsy no milaza zany, fa tsy hoe ny tenanay akory, so hanan-tsiny aminzany nareo, satria tsy sitrapon'i Jesosy mihitsy ny hihoatra ny Rainy ka any aminy ndray no ivavahana, mitandrema iany rahalahy!
Jereo zany izy hoe : PDG sy directeur : ny ohatra omenao ihany no mahavaly azy, tsy iray mihitsy ireo fa roa samihafa, fa amin'ny fanapaha-kevitra raisina sy tanjona dia mety iray ihany izy ireo, directeur nefa mbola mankato an'i PDG, ary PDG ary mbola afaka manala an'i Directeur raha tsy mankato izy.

56. didi10
(
04/07/2012 08:26)
Miharena:
Saropiaro mihitsy ny namana Didi10 izany amin'y fivavahana amin'i Jesosy Kristy.
Fanontaniana kely fotsiny avy amiko, ahoana ny fomba fivavahana amin'i Jesosy Kristy raha ny fahafantaranao azy?
Efa namaly anao aho tany aloha tany fa tsy maninona ny mamerina.
Jesosy hoy aho nampianatra antsika hivavaka
1- Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra Ray
2- Fangatahana amin'i Jesosy, na inona na inona (famelan-keloka, fitahiana, fanasitranana...)
Aza adino no misaotra.
57. jojo3t
(
04/07/2012 08:49)
Nampianarin'ny Jesosy tsara tamin'ilay vavaka fa amin'Andriamanitra isika no mangataka famelan'keloka amin'ny alalan'ny sorom-panavotan'i Kristy, Jesosy aza tamin'ny nanao fanasitranana sy fahagagana mbola nangataka tamin'Andriamanitra ary nampitainy tamin'ny Apostoly zany, ka nangataka tamin'Andriamanitra koa izy ireo sady nivavaka rehefa nanao fahagagana, eny nanangana maty mihitsy aza.
58. didi10
(
04/07/2012 10:56)
jojo3t:
Tsotra be no hamaliako azy, mazava be io, ny Ray lehibe noho ny Zanaka, ny PDG lehibe noho ny directeur, nomena fahefana ny directeur fa ny sitrapon'ny PDG no tena heken'ny directeur, toy ny nataon'i Jesosy, raha mampirisika ve ny directeur hoe hajao ny PDG na hankatoavy ny teniny na nahazo fahefana aza dia hiteny ny mpiasa hoe, tsy hanao zany izahay fa enao iahny no hankatoavinay, manan-jo feno handroaka zay tsy manjary ao amin'ny Orinasa ny PDG ary tsy vaosakan'ny directeur raha ilainy zany, ka ho anareo tsy miraharaha an'Andriamanitra, tsy hananjo hamaly an'izay tsy miraharaha azy ve izy na nanome fahefana an'i Jesosy, ary mariho tsara fa iray ihany ny fanahy masina, herimiasan'Andriamanitra no ilazan'ny baiboly azy, na i Jesosy aza nomena io, ny kristiana tsirairay, io no nanaovany ny zava-drehetra, tsy voavalinareo mihitsy oà, nomena fahefana Jesosy hanjaka, hanatanteraka ny fikasan'Andriamanitra fa tsy fahefana hoe hivavahana izy, tsy mety manaiky mihitsy nareo hoe i Jesosy tenany mihitsy no milaza zany, fa tsy hoe ny tenanay akory, so hanan-tsiny aminzany nareo, satria tsy sitrapon'i Jesosy mihitsy ny hihoatra ny Rainy ka any aminy ndray no ivavahana, mitandrema iany rahalahy!
Jereo zany izy hoe : PDG sy directeur : ny ohatra omenao ihany no mahavaly azy, tsy iray mihitsy ireo fa roa samihafa, fa amin'ny fanapaha-kevitra raisina sy tanjona dia mety iray ihany izy ireo, directeur nefa mbola mankato an'i PDG, ary PDG ary mbola afaka manala an'i Directeur raha tsy mankato izy.
Aza avadikao ny resaka fa ianareo anie no tsy mety manaiky an'i Jesosy ho Andriamanitrao fa tsy izahay no tsy manaja an'Andriamanitra Ray e!
Tena mivavaka sy manandratra an'Andriamanitra aho ary midera Azy amin'ny foko manontolo toa izay koa ny amin'i Jesosy satria samy Andriamanitro ireo (samy Patron ko e!).
Ndana enao mangataka permission na avance any amin'ny PDG-nao raha tsy alefany miverina any amin'ny supérieur-nao ianao satria efa izy no nampiandraketana izany, manao faute professionnelle ianao dia tonga dia any amin'ny PDG maka ranondranony fa aza raharahiana ny supérieurnao de hitako eo.
59. Miharena
(
04/07/2012 13:15)
Raha jerena ny adihevitra eo amin'i Didi10 sy Jojo3t dia manomboka mivoana amin'ny lohahevitra satria lasa tsy manome izay atao hoe fivavahana marina.
Ilay fanontaniako tamin'i Didi10 hoe ahoana no fomba fivavahana amin'i Kristy moa dia tsy mahafa-po loatra satria maivana dia maivana ny valin-teny.
Ireto misy fanontaniana voitra indray momba io:
Ny fandehanana any am-piangonana ve no fomba fivavahana amin'i Jesosy?
Sa ny fanatanterahana nby tenin'Andriamanitra
Sa ny fifankatiavana
sa ny fammiantraoina AZY ao anaty
sa ny fahaizana amin'ny antsipirihany ny Baiboly?
sa ny fomba fiaina ara-panahy?

60. jojo3t
(
05/07/2012 04:21)
Eny mety hoe mivoana manokana mahakasika an'i Jesosy le resaka nefa mety tafiditra ihany ahitana ny tena marina : fanazavana kely fotsiny hanampy ny efa voalazako an'i didi10.
Manaja an'Andriamanitra ve didi10 dia tsy mivavaka aminy, zany ve tsy hafahafa be.
Nefa Andriamanitra mbola ambony noho i Jesosy.
Ohatra iray ity : ataoko hoe enao mihitsy ilay PDG dia ny zanakao ny directeur, nomenao an'i Zanakao ny fahefana amin'ny piasanao rehetra, dia valio inty fanontaniana inty : lasa ambony noho enao zany ny zanakao rehefa nomenao fahefana ?
Maro be oà ny andininy miresaka ny tsy fitoviany Jehovah sy Jesosy, ampitomboko ihany fa tsy ampy anao mihitsy izy zany :
Filipiana 2 : 6 : zao no santionany voalaza ao so tsy mamaky akory enao : "na fanahy tahaka an'Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, ary tsy nieritreritra ny hitovy amin'Andrimanitra mihitsy.
Ahoana io, mivantana be io, enao ndray no lasa mampitovy an'azy amin'Andriamanitra nefa izy tenany aza tsy mampitovy ny tenany, ka asa mety ahazo sitraka amin'zany ve enao?
Na nomena fahefana aza Jesosy, dia tsy nanao ny tenany hitovy amin'ny Rainy mihitsy, nefa nomena anjara toerana lehibe dia lehibe izy, ary raha izy no ivavahana dia tsy atao mpanelanelana intsony fa tonga dia directe anie zany e.
Efa nilaza taminao za tery aloha fa manaiky an'i Jesosy fa tsy mivavaka aminy fotsiny.
Ohabolana 15 : 29 : "mihaino ny vavaky ny marina i Jehovah".
Iza indray no lazaina fa mihaino vavaka eo, i Jesosy ve sa i Jehovah.
Ny mahagaga dia izao, manana baiboly fanampiny ngamba nareo, tsy misy mihitsy milaza mantsy ao amin'ny baiboly hoe, mankany amin'ny Jesosy ny vavaka atao, na hoe nisy olona nahatoky nivavaka tamin'ny Jesosy, na hoe fampirisihan'i Jesosy hivavaka aminy, hatrany amin'ny genesisy ka hatramin'ny Apokalypsy dia Jehovah foana no voaresaka raha vo vavaka zany, im-7000 no voasoratra ao io anarana hoe Jehovah io ka mahagaga ahy raha olona mampiasa baiboly no tsy mahalala zany, sa ve nesorina tao amin'ny baiboly nenareo ny anaran'Andriamanitra.
Farany tsy azonao lavina ity :
Andininy hafa indray :
Lioka 11 : 1-4 : "rehefa avy nivavaka i Jesosy dia nanatona azy ny pianany iray ka nanontany azy hoe, hatoroy anay ny tokony hataonay rehefa mivavaka, dia hoy Jesosy taminy : Izao no ataovy rehefa mivavaka ianareo : "Ray ô... tohizo ny vakinteny...
Mazava tsara io, ny ahy misy porofo sy mivantana tsara avy ao amin'ny baiboly fa nenao, hatreto za mbola tsy nahita mihitsy hoe ivavahana i Jesosy, ary taiza izy no nilaza izany, ary adala ve izy nampianatra ny mpianany nefa kay ny tenany ihany no tiany ivavahana. Valio ireo rehetra ireo fa toa mifanipaka amin'ny an'i Jesosy zai lazainao.
Raha tena mandalina baiboly enao, tsy nila nanontany akory fa tonga dia hainao ny zavatra mahakasika an'i Jehovah sy Jesosy, sy ny anjara toerany tsirairay avy.