Fitondrana faty any am-piangonana, inona no tanjona?

1. didi10 ( 14/06/2012 08:47)
Ankoatry ny katolika izay mino fa raha hangatahana famelan-keloka ny maty (absoute) dia ho voavonjy ny fanahiny dia tsy azoko ny antony hitondran'ny fiangonana maro faty any am-piangonana, indrindra eo amin'ny hotely izay eritreretina fa Masina.

Ny ao anatin'ny ferapara dia betsaka no manoratra hoe: hoetina hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra, dia vao maika maizina amiko, afaka misy manazava ve?
novalian'i universal ny 25/07/2012 08:17
2. Charoumeni ( 14/06/2012 09:43)
Raha tena kristianina marina, ny zavatra rehetra d tokony isaorana an'Andriamanitra sy hanomezam-boninahitra azy daholo na tsara na ratsy satria ny zavatra retra d avelany hitranga na d eritreretintsika ho ratsy aza mba hahasoa antsika, araka le tenin Apostoly Paoly ao am Romana hoe: ny zavatra retra entin Andriamanitra hahasoa zay tia azy. Mikasika ny fahafatesana:
1. Andriamanitra no tompon'ny Aina hoy ny ntaolo ary marina zany na eo amin finoana kristiana aza. Izy no nanome izy ko no naka ka isaorantsika azy ny nanomezany an iny olona iny.
2. Amin finoana Katolika fa tsy haiko ny finoana hafa d anisan fangatahana famelankeloka ihany koa iny.
3. Marina fa ny fahafatesana no nitranga d noho ny fahotan'i Adama sy Eva saingy Kristy no nandavorary zany, ny fahafatesan'i Kristy no hery lehibe manentana ny Kristiana satria izy no santatr'ireo nodimandry, nandresy ny fahafatesana.
4. Ny fiainantsika ety an-tany rahateo d fanomanana le any ankoatra.
Araka izany ary d ilaina ny misaotra sy manome voninahitra ny Tompo satria, nanome aina, nampisy ny fiainan-ko avy, ary io fitsangana-ko velona io no tena anton'ny zavatra rehetra. Fanomanana azy no itoerantsika eto ambonin tany sy antony ivavahantsika
3. didi10 ( 14/06/2012 12:21)
Manaiky ve isika fa tranon'Andriamanitra ny fiangonana?

Fantatrao ve ny fomba fandotoana ny alitara iray?
Mpanjaka II 23, 13-16

Tsotra ny valiny fa hitondrana fatin'olona ary tena hovoazimbazimba tokoa izany alitara izany.

Dia mihevitra ve isika fa mbola misy Andriamanitra mitoetra ao amin'izany fiangonana izany?

Aza entim-pahatsorana (naif), fa ringana no oloKO noho ny tsy fahalalàna hoy Jehovah, tsy misy fiangonana nitondrana faty nentina hisaorana an'Andriamanitra mihitsy ao amin'ny Baiboly na iray aza, ny mifanohitra no nitranga satria raha misy olona nikasika faty aza dia tsy navela hanao Paska raha tsy afaka iray volana, koa ankehitriny ve ny faty mihitsy no ampanantonina ny fiangonana?

Nitsahatra amin'izay nisasarany izy, ary ny asany manaraka azy.
4. Miharena ( 14/06/2012 17:17)
Raha ny fahitako azy indray dia fombafomba azon'ny kristianina hatrany andafy rehetra tany io fitondrana faty hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra io.

Fa raha ny resaka fitsarana fa tsy mety na mety izany dia tokony tsy asiana adihevitra lavitra satria izay fomba fiheverana rehetra manohitra fomba iray dia anisan'ny vesatra eo amin'izay manao izany fitsarana izany.

Fa' amin'io lafiny io ihany, toy ny mametraka fanontaniana ihany hoe nahoana moa no manorina alitara hivavahana raha fantatra fa i Kristy velona ao anaty no maha-Kristianina araka ny tenin'i Paoly? Sy koa hoe ny Apostoly ve nanao Alitara ary taiza no nivavaka?
5. mirananirina ( 14/06/2012 17:38)
Mahagaga ahy indray ilay izy . Hoentina any ampiangonana ny faty tsy manome voninahitra an Atra fa fiarahana mivavaka aminy farany , mangataka mba ho eo anilany ny fanahiny.
6. hery ( 15/06/2012 03:54)
Sao dia mba ho ringana ny oloko eto amin'ny fanaovana forum eto ary didi10.
Tsy ao anaty baiboly anie hoe mitoria eto amin'ny forum e. Ny hoe mandehana manerana ny vazan-tany no noteneniny ao.
7. didi10 ( 15/06/2012 06:19)

mirananirina:

Mahagaga ahy indray ilay izy . Hoentina any ampiangonana ny faty tsy manome voninahitra an Atra fa fiarahana mivavaka aminy farany , mangataka mba ho eo anilany ny fanahiny.


Izay aloha no voasoratra ao anaty ferapara fa tsy mamorona aho, fiarahana mivavaka aminy farany ahoana moa? nga mahay mivavaka iny faty iny!!! "nitsahatra amin'izay nisasarany izy ary ny asany manaraka azy hoy ny tenin'Andriamanitra", fiatsarambelatsihin'ny velon'aina no itondrana iny eo anatrehan'ny alitaran'Andriamanitra, mba hampisehoana hoe manana fiangonana izy fony fahavelony na dia tsy niaina izany fianam-bavaka izany aza.
8. didi10 ( 15/06/2012 06:31)

hery:

Sao dia mba ho ringana ny oloko eto amin'ny fanaovana forum eto ary didi10.
Tsy ao anaty baiboly anie hoe mitoria eto amin'ny forum e. Ny hoe mandehana manerana ny vazan-tany no noteneniny ao.


Ohatry ny te-hiteny i Hery hoe: "ahy ity forum ity ka raha zavatra manohintohina ny finoako sy ny fiangonako dia tsy ilaiko"
Mbola isaorako ny namana nanao izao forum izao hahafahana mitory ny filazantsara fa tena ho ringana tokoa ny olonao rahery a! tarihiko hanatona ny fahamarinana sy ny fanjakan'Andriamanitra ry zareo.

Fantantsika ve fa maro ny fiangonana zokiny no sady fiangonana no fasana?
Etsy faravohitra izao dia misy razana 3 eo ambany hotely (alitara), etsy andohalo dia misy maherin'ny folo ao ambadiky ny alitara.

Manao ahoana ny "réaction-tsika"raha monina amin'ny trano iray ka fasana ny ambany rihana dia trano ny ambony rihana e! kanefa dia tranon'Andriamanitra no ataontsika an'izany.
9. hery ( 15/06/2012 06:47)
didi10 > tsia dia tsia. Tsy resaka site, vao mainka aza aho faly satria mitombo ny kil :-)

Fa ampifanarahako amin'ny zavatra lazainao ny zavatra ataonao.

Aminao dia toa tsy maintsy ao anaty baiboly daholo ny zavatra rehetra. Ny baiboly anie ka nosoratana tamin'ny mbola tsy nisy printy akory aza e. Natao voalohany indrindra ho an'ny communauté iray tamin'ny fotoana iray (dans un lieu précis et dans un moment précis). Tsy misy ny vahaolana ho an'ny zavatra détails rehetra. Sa ve misy? :-)

- Raha marary kibo ianao dia ahoana hozy ny baiboly? Ary raha marary nify indray?
- Raha simba ny ordinatera dia ahoana hozy ny baiboly? Ary raha sendra misy virus fotsiny?
- Aiza no tokony hitodika ny varavaram-piangonana araka ny baiboly? Andrefana sa avaratra sa atsimo sa atsinanana?
- Tokony ho tafo fanitso ve sa tafo tanimanga no atao tafom-piangonana araka ny baiboly?
- Tokony ho katolika ve sa tokony ho protestanta araka ny baiboly?

- Inona ny tanjon'ny fitondrana faty any am-piangonana hozy ny baiboly?
- Nisy foitra ve adama sy eva araka ny baiboly?
sns
10. rekinbelo ( 15/06/2012 07:22)
Faty ve namana de hanome voninahitra an'Andriamanitra? tsy ho an'ilay olona maty anie ny akanesana any ampiangonana fa fanomezana fampaherezana ny fianakaviana velona eee!
fitadiavana fampiononana sy fankaherezana fa tsy hoe fomba akory izy io.
Mino aho fa misy miombo-kvt amiko nareo.
11. mirananirina ( 15/06/2012 07:45)

Ankoatry ny katolika izay mino fa raha hangatahana famelan-keloka ny maty (absoute) dia ho voavonjy ny fanahiny

Finoana ihany izany fa Andriamanitra ihany no mitsara


fiarahana mivavaka aminy farany ahoana moa? nga mahay mivavaka iny faty iny!!!

rehefa miaraka mivavaka @ ny zazakely,angaha mivavaka iny zaza iny??mivavaka ao @ trano,ngaha mivavaka iny trano iny?Ny velona no mivavaka miaraka @ maty,tsy hitako izay olana(mety mivavaka ny fanahiny)farany satria tsy hiaraka aminy intsony(fanomezam-beloma farany)


fiatsarambelatsihin'ny velon'aina no itondrana iny eo anatrehan'ny alitaran'Andriamanitra, mba hampisehoana hoe manana fiangonana izy fony fahavelony na dia tsy niaina izany fianam-bavaka izany aza.

alitaran'Atra????Atra angaha no nanamboatra io trano io sa olona toa anao sy izaho?Raha ny tena izy dia misy an'Atra daholo na aiza na aiza,na hoentina any ampiangonana na ao antranony na eo antokotany(mivavaka)izany dia mitovy amiko!!natsoina hoe fiangonana satria natao iarahana mivavaka(araka ny finoatsika dia nohamasinina dia tranon'Atra)sahala @ olona nohamasinina(natao batisa na batemy)dia lasa zanak'Atra!!Raha jerena daholo ny lojika ny zvt rht dia hifamaofaho be ihany izy ity!
12. Maranatha ( 15/06/2012 10:23)
Fitondrana faty ampiangonana no lohahevitra. Isaorana i Didi 10 nitondra izany satria tsara ho fantatra tokoa izany.

Amin'ny ankapobeany dia marina ny voalaza ny namana eo ambony fa ringana ny olona noho ny tsy fisian'ny fahalalana izay teny notsoahina ao @ soratra masina manampy izay dia hoy koa izy hoe tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy fa izay miezaka mosalahy dia diso lalana.

FAntatrareo ve hoe atao ahoana ny Mpisoronabe tamin'ny andron'ny zanak'israely raha maty ao anaty tempoly. Rohizana amin'ny faraingo toy ireny fatin'alika ireny dia taritarihina hivoaka tao dia asaina alevin'ny zatovo ivelany lavitra ny tobin'ny zanak'israely. Fatina Mpisoronabe izany an! ny voalohany amin'ny mpitondra fivavahana teto an-tany, ny akaiky an'Atra tamin'izany fotoana izany.

Izao no voasoratra tsy fantatrareo va fa Atra ny velona aho fa tsy Atry ny maty. Tsy mankasitraka ny fitondrana faty ampiangonana ny Tompo. raha tena fiangonany marina io dia voaloto ilay fiangonana. Fa manamporofo izany fa tsy fiangonany io matoa azo hitondrana faty.

Azo atao kosa anefa ny manao fanompoam-pivavahana entina hankaherezana ny velona tompom-pahoriana eny antokotan'ilay olona nidonam-pahoriana. Tsisy dikany ny hoe fara-rakitra e! manipy rano kely hoe tsodrano e! manipy vovoka kely eny am-pasana e! manisy vato raha maty vady e! finoanoam-poana daholo ireny.

Ilay maty dia tapitra hatramin'ny fotoana nialany aina ny fotoana tokony hibebahany tsisy afaka hivavaka ho azy intsony ka hoe mbola ho vonjena izy. Izay asany teto no manaraka azy raha tsara dia ho amin'ny fiainana raha ratsy dia ho amin'ny fahafatesana. Tsisy izany afo fandiovana izany, batisan'ny afo eto mbonin'ny tany no misy vokatry ireo fahoriana lalovana satria amin'ny fahoriam-be no hidirana amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Mibebeha dia ny mbola velona!
13. Tefigasy ( 15/06/2012 13:09)
Maranatha:

Izao no voasoratra tsy fantatrareo va fa Atra ny velona aho fa tsy Atry ny maty. Tsy mankasitraka ny fitondrana faty ampiangonana ny Tompo. raha tena fiangonany marina io dia voaloto ilay fiangonana. Fa manamporofo izany fa tsy fiangonany io matoa azo hitondrana faty.
Azo atao kosa anefa ny manao fanompoam-pivavahana entina hankaherezana ny velona tompom-pahoriana eny antokotan'ilay olona nidonam-pahoriana. Tsisy dikany ny hoe fara-rakitra e!

Misy dia olona tena taraiky lavitra be mihitsy (taona maro talohan'i JK mihitsy raha ny fahitana azy izao) amin'ny fiarahana amin'Andriamanitra. Variana amin'ny soratra izay maha-faty fa tsy ny teny izay mahavelona no raisina. Ary Jesosy Kristy io tenin'Andriamanitra io. Izy no henoy: Lio.9:35 - Mark.9:7 : "Ity no Zanako malalako, Izy no henoy "

Averiko foana ity : Rom.10:4 : "fa Kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino."

Raha manaiky ianao fa Andriamanitra i Kristy: tsy niraharaha faty mihitsy ve Izy teto ambonin'ny tany ? Toa nanangana ny maty aza no nataony ary tsy vitan'izay nanangana fa nandeha tany amin'ny fasan'i lazarosy mihitsy izany Andriamanitra izany tompoko tamin'ny fotoan'androny, ianao mahalala ary izaho tsy atoro ny Jao.11

Ekena fa tsy nisy faty nididra tany amin'ny sinagoga tamin'ny fotoan'androny ary voarakitra ao amin'ny fitsipika nomena ny zanak'israely izany. Saingy averiko aminao foana ity ao amin'ny 2Kor.3:6 ity hoe "ny soratra mahafaty". Jesosy Kristy re raisina e, izy no tenin'Andriamanitra tonga nofo, izay lazainy sy nataony no henoy !
Ny lalàna dia aloka tsy natao haharitra fa voafetra eo amin’ny fotoana, eo amin’ny tantara.
Koa satria mbola aloka ihany no nifampitaizana teo amin’ny fanekena taloha, dia tsy maintsy arahina arabakiteny izany mba hahantanteraka ny fahamarinany ary tena voaozona izay tsy manaraka ara-bakiteny. Fa rehefa tonga kristy dia miova arak’izany koa ny endrika fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra.
Izay fanarahana ara-bakiteny izay no miteraka ilay hoe asan’ny lalàna. Ianao rehefa miezaka
manaraka ny lalàna ara-bakiteny dia mahatanteraka ny asan’ny lalàna. Nefa na izany aza dia tsy misy olona hamarinina amin’ny asan’ny lalàna.
Mizara roa ny fomba hijerena ny lalàna aty amin’ny fanekena vaovao : ny fankatoavan’i kristy ny lalàna sy ny andrasana amin’ny kristianina amin’ny andro ankehitriny izay mivelona ao ambanin’ny satan’ny fanekena vaovao.
Jesosy Kristy tompoko dia tsy voapetin'ny fahalotoana na kely aza nefa averiko indray fa nanangana ny maty izy fony olombelona tonga nofo.
Farany : Rom 14 : 8 "Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany."

Rom 14 : 9b: "Mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy"
Mahaloto ny olona ve ny fikitihana faty ankehitriny izay voalaza mazava izany tany amin'ny fanekena taloha. Hoy Jesoa hoe : Mat.15 : 11 "tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka ...."
Koa mba mananatra ihany aho fa mbola tsy Andriamanitra akory ianao ka afaka ny hitsara hoe "tsy fiangonany io matoa azo hitondrana faty"
14. AndriambyII ( 17/06/2012 19:44)
Rehefa maty ve dia fahalotoana no dikany ? Fahotana koa ve ? Ny amiko dia izao ! A/tra no nanome , A/tra no maka . A/tra no zara . Matoa entina eo anoloan' ny alitara ny nofo mangatsiaka dia fanomezana an' A/tra ny azy izany fa tsy antsika velona . Na inona finoanao na inona , dia tadidio fa iombonana io seho io , @ lafiny ara- panahy . Rehefa tsy manaja io didin' A/tra io ianareo , dia tsarovy fa mpomba an' A/mani-kafa .
15. AndriambyII ( 17/06/2012 19:57)
הצאן שלי יהיה וייאסף בערבה עבור נסיעתם של הישועה
Fomba famakiana malagasy .
16. didi10 ( 18/06/2012 08:05)
Hamafisiko ny fampianarana momba ny nofo sy ny fanahy atsy ambadika fa tsy nofo manam-panahy isika fa fanahy manana nofo, ka rehefa maty ny nofo dia maty. Ny fanahy dia misaraka amin'ny nofo ka iny fanahy iny no maha isika antsika fa tsy ilay nofo maty akory, diniho anie ireto Teny ireto dia mety ho azonao ihany ny tsy mahamendrika ny fitondrana faty (coquille vide) any antranon'Andriamanitra.

I Kor 15,50
50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.

Rom 8
Rom 8 : 1 - 39
[-8-] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa ao amin'i Kristy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria nofo ny nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana) 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'Izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoana ny asan'ny tena, dia ho velona hianareo.
14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
17. Miharena ( 19/06/2012 05:30)
Ilay fanontaniana moa dia hoe inona no tanjona nefa dia lavinao daholo Didi10 izay ambaran'ny olona eto. Ny tianao ahatongavana dia hoe ratsy io vatana io rehefa maty ka tsy tokony entina any am-piangonana.

Fa eo ihany isika, mazava ireo fanazavana avy ao anaty Baiboly ary tsy misy madilana hotentenina. Fa raha mijery ireny fivavahana amin'ny fandevenana ireny aho dia mahatsikaritra fa tsy misy firesahana ilay nofo mihitsy fa ny resaka ara-panahy no atao ao. Ny fampahatsiahivana fa nofo mody vovoka ihany no hany mikasika ny nofo fa avy eo dia manambara ny fanjakan'Andriamanitra. Toy ny mampionona ny fianakaviana amin'ny fankaherezana fa tsy io nofo io no tokony hofikirina fa ny fanahy niala tao anaty nofo.

Ny an'ny sasany Didi10 anie ka rehefa maty dia ao am-pasana ny olona dia fohazina ao indray ami'ny fitsanganana ka aiza ho aiza indray ny fiheveranao izay?
18. didi10 ( 19/06/2012 06:44)
Tsotra, rehefa maty ny nofo dia, miaraha ory amin'ny ory, tsapao alahaelo ny fianakaviana, asehoy ny fitiavanao ary ireo, manaova fotoam-pivavahana ho fankaherezana azy ireo fa tsy any am-piangonana.
Tapitra
19. Tefigasy ( 19/06/2012 07:18)
didi10:

manaova fotoam-pivavahana ho fankaherezana azy ireo fa tsy any am-piangonana.

Aza mapme e, lol , fa adinonao angaha ny fisian'ity andalana iray ity hoe "fa ny tranoko atao hoe trano fivavahana" koa maninona no terena hoe mivavaha fa tsy any am-piangonana!
Angataho ny Fanahy Masina mba hitari-dalana ra-Didy a, ho very amin'io fahalalana kely izay tsinotsinona hitopoinareo io anie ianareo e !
Mbola hitohy !
20. didi10 ( 19/06/2012 12:38)
Andriamanitra namana tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalàna fa raha efa nomena anao kosa ny fahalalàna ka minia mikiry ianao fa efa voapetaky ny vy mahamay ny fisainanao (Tim I 4,2) dia fantatrao ny miandry anao.

Tes I 5,11-12

11mifananara sy mifampahatanjaha 12 Ary mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0464