Fitondrana faty any am-piangonana, inona no tanjona?

81. RBNIR ( 11/07/2012 07:06)
Tefigasy:

Te hijoro vavolombelona aminao fotsiny aho fa izany Jesoa izany rehefa raisinao ho Tompo sy Mpanjakanao dia tsy misaraka amiko mihitsy na aiza na aiza no misy anao. Tempolin'Andriamanitra mandehandeha ny tenako ka na any amin'ny douce aho na any amin'ny toilette na any amin'ny toerana ze eritreretinao ho misy ahy dia present eo Jesosy.
Ny anao angamba tsy otrizany, mety tsy miaraka aminao foana Andriamanitra, malahelo aho milaza aminao fa mbola tsy tempoli'Andriamanitra ny tenanao raha izany ry namana !

Marina DIA MARINA izany namana,
Saingy mila manaja ny fahamasinan'Andriamanitra sy ny fahamasinan'ny trano fivavahana ihany koa isika,
Raha tsy izany dia azo atao daholo ny mivavaka na dia any amin'ilay nolazaiko tery ambony aza. Tadidio tsara anefa fa trano fivavahana = tranon'Andriamanitra.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
82. Tefigasy ( 11/07/2012 07:15)
RBNIR >> Tsy azoko tsony ze tianao lazaina fa eo miteny fa tsy azonao hoetina any amin'ny toerana rehetra Jesoa toa ny hoe any amin'ny toilette sns, nefa eto indray manaiky fa miaraka aminy hatrany !
Maninona raha mba mijoro tsara fa tsy mivadibadika toa izany e !
Na ianao manaiky fa tempolin'Andriamanitra ianao ka izay misy anao dia present eo foana i jesosy, méme si any amin'ny toilette aza no misy anao dia afaka miresaka aminy hatrany ianao satria ao anatinao Izy !
Na ianao tsy manaiky izany ka rehefa tianao sy metimety aminao dia miaraka aminy ianao fa rehefa tsy tianao sy tsy metimety le situation dia avelanao ho eny anjoron-trano ilay Andriamanitra !
83. RBNIR ( 11/07/2012 07:39)

Toerna 2 no resahina eto namana,
Ny tianao ambara dia ny tenan-tsika izay tenimpolin'Andriamanitra (sa ts'izany?? ahitsiho aho sao diso).
Ny ahy indray tranon'Andriamanitra ihany koa fa saingy ilay trano fivavahana.
Samy tokony hajaina ireo fa tsy hoe ny iray ihany satria MASINA ilay ANDRIAMANITRA MONINA AO. Rehefa mivavaka anie isika dia eo afovoan-tsika eo Andriamanitra e,
Olombelona mitovy amin-tsika aza namana ampandrosin-tsika amin'ny toerana madio B. Maika v ka IZY?
Diniho anie e, raha manasa olona isika moa tsy manadiodio tsara ny ao an-trano?? Indrindra moa fa olo-manankaja ilay izy.
Ka maninona no dia tsy diovina koa ny toerana izay hiaonan-tsika amin'Andriamanitra.
Raha ny tokony ho izy dia ny trano fivavahana tokony hadio lavitra noho ny any an-trano.
Dia izay no antony tsy tokony hitondrana ilay faty satria IZY anie no milaza hoe mandoto ilay faty e (tsy izaho no namorona).
Zavatra lazainy hoe maloto v dia sahintsika hoentina eo anatrehany.
Izay ange ilay lazaiko hoe sahy hoy aho isika (nefa mino aho fa noho tsy fahalalana ilay izy)

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany a
84. Tefigasy ( 11/07/2012 07:52)
hihihi, ok ary e, tsy tohizako tsony fa ampy izay, avadibadikao foana le resaka fa tsy maninona !
Ny mba angatahina fotsiny ami'ny manaraka: raha tiana handroso tsara isika amin'ny fifampizarana dia aoka mba hanaiky hahitsy rehefa misy tsy mety kely ny fanohanan-kevitra !
Mazotoa dia aza manaiky misaraka amin'Andriamanitra izany mihitsy na aiza na aiza misy anao fa izay misy anao dia aoka ho hisy Azy ihany koa sinon lasa tsy mpanjaka amin'ny fiainanao manontolo Izy
Ny tempolin'Andriamanitra voalohany indrindra dia Ianao fa tsy ny rindrina efatra akory. Ianao no tena tian'ny Tompo Jesoa hanjakana fa tsy ny rindrina mety ho rava tsy ho ela akory. Ianao no tiany hiakatra sy hiala amin'ny fahafatesana fa tsy ny rindrina efatra akory. Ianao no natsoiny hoe zanaka fa tsy ny rindrina akory !
85. Miharena ( 11/07/2012 07:58)

Zavatra lazainy hoe maloto v dia sahintsika hoentina eo anatrehany.
Izay ange ilay lazaiko hoe sahy hoy aho isika (nefa mino aho fa noho tsy fahalalana ilay izy)

Tsy hoe fanoherana ny teny akory fa ny fitaizana momba ny fanadiovana ny saina no antony namongarana ny hevitra rehetra teto namana RBNIR. Ilay tenin'i Krsity hoe tsy izay miditra ny vava no mahaloto fa izay mivoaka satria izany dia avy ao am-po. Io ihany no mahafintina ny filazana rehetra momba ny fombafomba. Raha nanatrika fanasana i Jesoa dia tsy nadà ny tsy hamokatra divay nefa toy ny inona ny fanaratsiana ny divay ao amin'ny Testamenta taloha?

Toy izany koa ny didy hafa rehetra, nofintinin'i Kristy tamin'nny teny fohy sy tsotra satria fantatra fa ny Mazava dia izay madio am-po. Sambatra hoy Izy izay madio am-po, fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Resaka mifamahofaho avokoa ny voambraran'ny lalàna ary izany no nahatongavan'i Krsity hanazava tsara ny fon'ny olona. Ka raha manao zavatra iray dia manana fahadiovam(po na inona na inona io atao io mba tsy ho tafaroboka amin'y fitsarana ny hafa, izay fandrika resahako hatrany eto hoe nolovaina tamin'ny mpiampanga ka raiki-tapisaka ao amin'y fon'ny olombelona tsirairay mandia ny tany.
86. bor2lais ( 11/07/2012 08:30)
RBNIR:

Tena saika hamarana aho nefa manitikitika b ity

Aza misalasala raha mbola misy manitikitika a ! ;-)
87. RBNIR ( 11/07/2012 08:54)
Miharena:

Zavatra lazainy hoe maloto v dia sahintsika hoentina eo anatrehany.
Izay ange ilay lazaiko hoe sahy hoy aho isika (nefa mino aho fa noho tsy fahalalana ilay izy)

Tsy hoe fanoherana ny teny akory fa ny fitaizana momba ny fanadiovana ny saina no antony namongarana ny hevitra rehetra teto namana RBNIR. Ilay tenin'i Krsity hoe tsy izay miditra ny vava no mahaloto fa izay mivoaka satria izany dia avy ao am-po. Io ihany no mahafintina ny filazana rehetra momba ny fombafomba. Raha nanatrika fanasana i Jesoa dia tsy nadà ny tsy hamokatra divay nefa toy ny inona ny fanaratsiana ny divay ao amin'ny Testamenta taloha?

Toy izany koa ny didy hafa rehetra, nofintinin'i Kristy tamin'nny teny fohy sy tsotra satria fantatra fa ny Mazava dia izay madio am-po. Sambatra hoy Izy izay madio am-po, fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Resaka mifamahofaho avokoa ny voambraran'ny lalàna ary izany no nahatongavan'i Krsity hanazava tsara ny fon'ny olona. Ka raha manao zavatra iray dia manana fahadiovam(po na inona na inona io atao io mba tsy ho tafaroboka amin'y fitsarana ny hafa, izay fandrika resahako hatrany eto hoe nolovaina tamin'ny mpiampanga ka raiki-tapisaka ao amin'y fon'ny olombelona tsirairay mandia ny tany.

Ka tokony mba hahay mandray teny tsara koa namana, izay miditra amin'ny vava, ny faty anie tsy hanina akory e, fa mandoto izay mitakosina sy manakaiky azy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana a,
88. Miharena ( 11/07/2012 11:55)

Ka tokony mba hahay mandray teny tsara koa namana, izay miditra amin'ny vava, ny faty anie tsy hanina akory e, fa mandoto izay mitakosina sy manakaiky azy.

Raha toa ka famadihana no resahanao dia marina ary ekeko fa fitakosonana fa ity resaka fandevenana izay vao nodimandry vao haingana ary fomba fa tsy fanahy iniana hanaovana fahavetavetana akory. Ny mampifandray ny resaka fieritreretana madio sy maloto no antony nitanisana ireo toe-javatra nolazain'i Kristy ireo ary fahazoana mazava tsara ireo teny ireo dia mahazava ihany koa ny momba ny fieritreretana sy ny fitsarana zavatra iray. Hoy ny Tompo hoe ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Ny fieritreretana rehefa asiana fandoto dia mazava fa maloto daholo izy rehetra na mihevitra fa madio toy ny inona aza ny ao am-pon'ny olona iray. Manafintohina ny erotrerotra maloto eo amèpijerena toe-javatra iray. Mety hilaza ianao hoe satria izany no voalazan'ny soratra Masina fa tsy nilaza io resaka io mihitsy i Krsity hoe maloto ny faty taty aoriana ary tsy manamafy izany didy izany satria ny fivavahana iosy efa rava vao voafantsika IZY raha ny fahafantarako ny Baiboly.
89. RBNIR ( 11/07/2012 12:07)

Namana Miharena,
hoy ny teny "Aza mijangajanga" dia hoy ny olona "Aza mijangajanga" fa raha sendra ny tsy fidiny dia manaova ihany.
Fampianarana tsy misy kilema izany namana, rehefa 1 + 1 = 2 fa tsy hoe 1 + 1 = 2 saingy....
Misy antony matoa Jesosy niteny tamin'ilay nasainy hanaraka Azy hoe : « Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio.9:62) Vakio ny Lio.9:-59-62).
Samia mahery,
Misy dikany matoa ny Tompo niteny hoe amin'ny fahoriambe no hidiranareo ny fanjakan'Andriamanitra.
Fantatro tsara fa tsy nampianarina an-tsika izany teo aloha, nefa dia FAHAMARINANA izany ary tonga ny fotoana amongaran'Andriamanitra ny MARINA REHETRA.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
90. Miharena ( 13/07/2012 13:45)
Ny ahy moa namana dia tsy hoe fitiavana ny hanohitra ilay resaka apetrakareo fa ny milaza fotsiny hoe misy indraindray fanamafisana zavatra iray ao amin'y lalàna sy ny didy nefa tsy mijery izay manan-danja eo amin'ny fanatanterahana ny atao hoe Fitiavana tsy misy fetra araka An'i Kristy sy Andriamanitra.

Raha dinohina manko ny zavatra mampifamahofaho rehetra dia momba ny didy avokoa ka nofintinin'i Krsity tamin'ny didim-pitiavana. Ka ny fombafomba izay samy manana ny azy dia tokony ho saron'ny fitiavana ka iarahana manao toy ny resaka hoe miaraha ory amin'izay ory ary miaraha mifaly ami'nizay mifaly.

Fa tsy nilaza velively i Kristy hoe rehefa misy ory ao aminareo dia avelao izy.

Ny fitondrana vatana manfgatsiaka ao amin'ny fiangonana moa no resahana eto ary anisan'ny fiaraha-mizara izay mavesatra io eo amin'ny fiangonana. FOmba io hoy aho ary tsy hitsarana izay manao izany.
91. Charoumeni ( 14/07/2012 09:31)
Miarahaba abtsika
92. Charoumeni ( 14/07/2012 09:32)
Mbola te haneho hevitra aho nefa toa tsy mety lasa
hery:

didi10 > tsia dia tsia. Tsy resaka site, vao mainka aza aho faly satria mitombo ny kil :-)

Fa ampifanarahako amin'ny zavatra lazainao ny zavatra ataonao.

Aminao dia toa tsy maintsy ao anaty baiboly daholo ny zavatra rehetra. Ny baiboly anie ka nosoratana tamin'ny mbola tsy nisy printy akory aza e. Natao voalohany indrindra ho an'ny communauté iray tamin'ny fotoana iray (dans un lieu précis et dans un moment précis). Tsy misy ny vahaolana ho an'ny zavatra détails rehetra. Sa ve misy? :-)

- Raha marary kibo ianao dia ahoana hozy ny baiboly? Ary raha marary nify indray?
- Raha simba ny ordinatera dia ahoana hozy ny baiboly? Ary raha sendra misy virus fotsiny?
- Aiza no tokony hitodika ny varavaram-piangonana araka ny baiboly? Andrefana sa avaratra sa atsimo sa atsinanana?
- Tokony ho tafo fanitso ve sa tafo tanimanga no atao tafom-piangonana araka ny baiboly?
- Tokony ho katolika ve sa tokony ho protestanta araka ny baiboly?

- Inona ny tanjon'ny fitondrana faty any am-piangonana hozy ny baiboly?
- Nisy foitra ve adama sy eva araka ny baiboly?
sns
93. iloinen ( 19/07/2012 10:50)
Romana, 8, 28
94. iloinen ( 19/07/2012 10:52)
Rom 8, 9-11
95. AndriambyII ( 22/07/2012 07:51)

Charoumeni:

Ny hafatra tiako ampitaina amintsika retra eto d zao:
Ny antsika raha vao misy resaka "faty" sy mikasikasika "faty" d lazaina foana fa manompo sampy.lazaina fa tsy manaja an'Andriamanitra Tokony ho fantarintsika aloha ny dikan'ny teny hoe "sampy" sy ny hoe "manompo sampy", Niriko indrindra ny mba hanome famaritana amin'ny teny frantsay saingy tsy manana rakibolana amlagasy aho eto am-pelatanako ka d miala tsiny indrindra aminareo namana fa d ny famaritana amin'ny teny frantsay notsoahina avy amin'ny raki-bolana amin tranonkala 1 no omeko(reverso).
Ny sampy moa dia hoe :"idole" nf
1 figure, représentation d'une divinité qui fait l'objet d'un culte d'adoration
2 personne qui est l'objet d'une admiration excessive, par exemple un chanteur, un footballeur
Raha adika tsotsotra @ teny malagasy d oe: "zavatra anankiray tompoina heverina fa ho Andriamanitra".
Samy manana ny sampiny ny firenana na foko na ny olona tsirairay d indramiko ny tenin'izay mompera anankiray zay oe ny sampintsika d Andriamanitra. Ekeko ny filazany fa tsy haiko ianareo raha miombon-kevitra amiko ary na izy aza tamin'izay d niala tsiny hoe mety tsy tianareo ty zvtr teneniko ty fa izay no hitako mahalaza azy.
Ny tiako lazaina d zao: aleo angamba foanana le teny hoe manompo sampy fa MANOMPO ANDRIAMANIN-KAFA NO TOKONY HO FITENY ary zay rahateo no voalazan'ny didy 10 fa tsy niteny izy hoe aza manompo sampy.
Ny dikan'izay d izao: Misy zavatra na olona OMENA LANJA BB KOKOA NOHO ANDRIAMANITRA.
Ohatra amin'izany, tokony hivavaka ianao nefa lasa mandeha miantsena na mijery lanonana, d efa manompo andriamani-kafa zay satria natakalo akanjo sy kiraro sy sakafo na mpihira Andriamanitra .
Inona moa no sampy mahery vaika indrindra amin'izao fotoana izao raha lazaina fa manompo sampy sy tsy manaja an'Andriamanitra? Ny vola, voninahitra, ny fahafinaretan'ny nofo? Iza amintsika no mbola tsy nanompo sampy? Sampy v hisy otran fahotana? Sampy v hisy otran tsy fanajana ny namana, ny fifandrafiana nefa ny Tompo manao oe: Mifankatiava toy y nitiavako anareo. Endrik'Andriamanitra ny namana eo akaikintsika ka refa tsy tia namana tsika d azo lazaina fa tsy manaja an'Andriamanitra. Misy foana ny poblikana sy farisiana nandeha nivavaka tao antempoly hatramin'izao.
Ka amiko iza no tsy manaja an'Andriamanitra NY OLONA VELONA NEFA MPANOTA MIFANDRAFY, MANKAHALA, MPIFOSA OLONA MIDITRA NY FIANGONANA SA NY OLONA EFA MATY TSY MITENY INTSONY? IZA NO MADIO KOKOA RAHA LAZAINA FA MASINA NY FIANGONANA AMIN'IREO OLONA IREO? FA AMINTSIKA VE REFA MATY LE OLONA D TSY MISY LANJANY INTSONY D MIVADIKA ZAVATRA RATSY KA TSY MENDRIKA NY HAHAZO NY TOERANY? Marina fa vokatry ny fahotana ny fahafatesana saingy kosa nolavorarian'Andriamanitra izany tamin'ny alalan'ny fitsanganan-ko velona.
Miala tsiny aho fa somary masiatsiaka ny teniko ary fantatro fa maro ny tsy miombon-kevitra amiko nefa moa fitondrana fanazavana ihany ny ahy ka d trafon-kena ome-mahery am-bava homana am-po miheritreritra.

Izay no ambangovangony ! Iraisako @ nao ireo principe ireo aloha ! Ny sisa no mbola tsy fantatra !
96. universal ( 25/07/2012 08:17)
Izaho tsy "POUR" na "CONTRE" amin'ny fitondrana razana any am-piangonana, fa dia tena variana mihitsy aho mandinika ny ady hevitra, raha ny fahalalako azy dia efa fomba amam-panao ny mitondra faty any am-piangonana hatramin'izay ary mbola misy manao izany ankehitriny.

Sao dia mba ady hevitra STERILE (tsy mitondra inona) re olona ity ataontsika ity. Toa isika no sarontsarotiny alohan'Andriamanitra ka avoaka daholo zao toko sy andininy rehetra izao, ary raha ny fijeriko azy dia misy tena miseho ho tompon'ny lanitra ka afaka mitsara sy manameloka ny hafa.

Raha "CONTRE" ianao, ataovy izay fantatrao fa mety, aza mitsara ny hafa ary aza miseho ho mpampianatry ny hafa FA TSY ANJARANANAO NY MANAO IZANY.

Raha "POUR" ianao, ataovy izay fantatrao fa mety, aza mitsara ny hafa ary aza miseho ho mpampianatry ny hafa FA TSY ANJARANANAO NY MANAO IZANY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008