Fitondrana faty any am-piangonana, inona no tanjona?

61. RBNIR ( 06/07/2012 12:44)
didi10:

Raha mino ny purgatoire tokoa ny olona iray dia na dia efa main'ny afobe aza izy dia mbola mieritreritra fa afo fandiovana ity fa tsy mandrakizay. Rehefa afo dia afo ary tsy natao ho an'ny zanak'Andriamanitra izany.

Marina izany , rehefa afo dia afo, (ny helo aloha no afo voalohany) dia avy eo vao ny Afo B izay haharitra mandrakizay Mat.25:46 ; Apok.14:10,11
Misy zavatra tsy azoko kely amin'ilay fampianarana hoe afo fandiovana (te hanandrana helo V)?
Tsy fahalalana ny mahazavadoza ny helo no mahatonga izany (mila mamaky ny manjo ilay mpanakarena (vakio ny Lioka 16),
Amiko manokana dia fitaka ataon'ny devoly io mba tsy hanaovan'ny olona ny sitrapon'Andriamanitra (hoy izy tamin'i Eva : hano ilay voankazo fa tsy ho faty tsy akory ianareo...)
Izao indray dia hoe aza mivaky loha amin'ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy maintsy mbola hodiovina any amin'ny afo fandiovana dia hiakatra ihany.
Ry namana malala isany, ity ihany no marina fa aza manaiky ho fitahina isika (Mat.7:21) « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. »
Ho an'izay tsy mahatoky fa zava-doza ny helo dia mba andramo ange asiana labozia mirehitra eo ambany saokanao raha vitanao na dia 30 segondra monja aza e,
Ary rehefa marary nify koa dia tsarovy fa otran'ny mila hiala izany ny aina ary tena tsy andrianao mihitsy ny ho afaka ao (hanina daholo izao karazana antalgique sns rehetra izao.....)

Tsy aiko na avo firy heny amin'izany ny helo na avo firy heny fa izaho kaloa tsy tany ary tsy te ho any mihitsy na otran'iza no faharetany na otran'iza, nefa raha ny nanjo an'ilay mpanankarena nitaraina tamin'i abrahama dia tena loza, ary loza amin'atambo no any.

Samia mibebaka re e, ataovy ny sitrapon'Andriamanitra.

Samia ho tahin'i Jesosy daholo.


62. Miharena ( 06/07/2012 13:54)

Tena fahavetavetana eo imason'i Jehovah anie izany fitondrana faty ao an-tempoly izany e! ahoana moa no fomba ahafantaranao izany raha tsy misy ahy sy RBNIR hampatsihy anao fa tsy mety izany?



Efa fantatra fa voasoratra ao anaty Testamenta taloha io fandraràna aminy' fikasihana faty io. Fa ny hany mba tokony hampahatsiahivinareo anie Didi10 sy RBNIR dia ny fehezanteny mahakasika ny faty aloha no tokony havoaka dia avy eo isika mametraka hoe mbola manan-kery sa tsia izany ankehitriny?

Ohatra iray fotsiny, raha maty ny olona iray ka fahavetavetana ny mikasika azy, iza no handevina azy? Mbola tsy miresaka izay hoe any am-piangonana aho eto fa eo aloha. HAzavao ny hevitrao. Satria raha ny hevitrao no zohina dia mazava fa ianao no mialangalana voalohany raha vao misy maty satria matahotra ny ho voaloton'ny faty.
63. RBNIR ( 06/07/2012 14:19)
Miharena:

Ohatra iray fotsiny, raha maty ny olona iray ka fahavetavetana ny mikasika azy, iza no handevina azy? Mbola tsy miresaka izay hoe any am-piangonana aho eto fa eo aloha. HAzavao ny hevitrao. Satria raha ny hevitrao no zohina dia mazava fa ianao no mialangalana voalohany raha vao misy maty satria matahotra ny ho voaloton'ny faty.

Faly miarahaba namana,

Mazava kosa ilay fanazavana tery aloha e, (afatsy ny amin'izay olona tena akaiky) vakio tsara.

Tsy hisy faty mihahaka izany.

Samia tahin'ny Tompo.
64. bor2lais ( 06/07/2012 15:21)
RBNIR:

Tsy dia izay loatra fa dinihina tsara hoe efa nofoanan'i Jesosy sa tsia?
Lalana 600 mahery, saingy tsy izy rehetra no mbola tokony ho tandremana.
Miala tsiny fa ireo voatanisa ireo dia tsy mbola nofoanana.

Dia mba ahoana moa izany ilay fihetsiNY tamin'Izy niteny hoe "Talita komy ..." ;-)
65. Miharena ( 06/07/2012 19:06)
Araka ny fahitako azy dia misy fantimpantenan'ny kristianina sasany ny didy voalaza ao amin'ny Testamenta taloha entiny manaja an'i Jehovah. Aiza no hisy hoe nisy nofoanana sy ny hoe tsy nofoanana tamin'ny didy?
Amiko dia foana avokoa ny didy satria tsy hety ho tanteraka na oviana na oviana afa-tsy iray ihany dia ny didim-pitiavana enti-miaina.

Ka raha faty no resahana dia fanajana ilay nofo no ataon'ny olona fa tsy hisy mihitsy sanatria ny hoe handoto alitara no ho ao an-pon'ny olona manao izany.
66. majesty ( 09/07/2012 06:13)
ny fitondràna faty any am-piangonana dia ho fankaherezana ho an'ireo velona (ireo fianakaviana nihan'ny manjo), fa tsy ho an'ny maty akory, satria ho an'ny maty dia efa vita ny adiny, tsy misy azon'ny velona atao intsony, noho izany na ho entina any am-piangonana ny faty, na hanaovana fotoam-pivavahana eo an-tokotany, rehefa izay no ahafahana mampahery ireo fianakaviana dia ts'isy bedy fa mety foana
67. RBNIR ( 09/07/2012 06:18)
Miharena:

Araka ny fahitako azy dia misy fantimpantenan'ny kristianina sasany ny didy voalaza ao amin'ny Testamenta taloha entiny manaja an'i Jehovah. Aiza no hisy hoe nisy nofoanana sy ny hoe tsy nofoanana tamin'ny didy?

Faly miarahaba namana,
Ka tsy nianatra namana na dia efa noentaniko aza mba hianatra tamin'ilay fandaharana.
Misy karazany 6 ny lalana taloha dia azo sokajiana ho telo indray ireo avy eo.
Raha nanaraka tsara ilay fandaharana tamin'ny fo madio namana ka tsy nitsaratsara na avy dia nanao préjugé (tsy aiko no mandika azy) dia ho nahafantatra tsara ireo lalana tokony mbola hotandremana sy ny tsy tokony hotadremana intsony.
Tsy vita eto ny fanazavana fa miala tsiny.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
68. RBNIR ( 09/07/2012 06:28)
bor2lais:

Dia mba ahoana moa izany ilay fihetsiNY tamin'Izy niteny hoe "Talita komy ..." ;-)

Faly miarahaba namana bor2lais,
Valiny : Mar.5:39
Mahereza,
Samia ho tahin'ny Tompo namana a
69. didi10 ( 09/07/2012 06:49)

Miharena:

Ohatra iray fotsiny, raha maty ny olona iray rka fahavetavetana ny mikasika azy, iza no handevina azy? Mbola tsy miresaka izay hoe any am-piangonana aho eto fa eo aloha. HAzavao ny hevitrao. Satria raha ny hevitrao no zohina dia mazava fa ianao no mialangalana voalohany raha vao misy maty satria matahotra ny ho voaloton'ny faty.


Tsy niteny aho hoe fahavetavetana ny mikasika azy, fa ny fahavetavetana dia ny fitondrana ny faty eo amin'ny alitaran'Andriamanitra, raha misy ny maty, izaho anisan'ny volontaire amin'ny famonosana, ny fanadiovana sy ny fikarakarana rehetra.

Raha ny argument rehetra nentiko teto dia tsy noho ny amin'ny lalàna no tsy itondrana faty any am-piangonana fa ny tsy hanotana fady ny alitaran'Andriamanitra.
70. Miharena ( 09/07/2012 07:28)
Raha nu atao hoe fisian'Andriamanitra eo amin'ny alitara angamba no entinareo RBNR sy Didi10 manohana ny hevitra momba ny fahalotoana dia tokony ho efa voadingana efa ela izany satria IZY tsy nilaza mihitsy hoe eo amin'ny alitara AHO hatramin'izay niresahaNY tamin'y mpanompony izay. Asa nasaiNY natao ny alitara mba ho marika hita maso ny fanajana AZY fa tsy ny Alitara no masina fa ny olona mivory amin'ny anaran'i Kristy ihany.
71. didi10 ( 09/07/2012 08:03)
Ka tsy azonao mihitsy ny fahamasinan'ny alitara satria efa nafoinao izany, inona moa no mahatonga anao handray anjara eto tsy hitady namana amin'ny fanompoana ataonao satria mahatsiaro fahabangana ianao, izaho sy RBNIR sy Tefigasy sy Hery sy Mirana sns... anie no fiangonana miaraka aminao eto e! raha mandinika ianao dia teny maontina sy mendrika avokoa ny eto satria Andriamanitra no resahana, mandehana anie ianao any amin'ny rubrique hafa e! tsy tafiditra eto ny teny maloto satria samy mahalala fa masina ny fiangonana.

SOKAFY NY MASONAO FA FIANGONANA ITY FORUM ITY FA AZA MIHEVITRA FA TSY MIDITRA AM-PIANGONANA IANAO.
72. bor2lais ( 09/07/2012 10:44)
RBNIR:

Valiny : Mar.5:39

Izany hoe mety diso hevitra isika : lazaintsika fa maty (ka mandoto) nefa tsy izay akory Aminy ary Izy mihitsy aza no nikasika ! ;-)

Eo amin'io tsimpona nomenao io ihany koa dia nisy ilay vehivavy heverintsika fa maloto nefa dia nikasika Azy (dia nadio indray) : toa tsy dia sarotiny be tahaka antsika anefa Izy raha tsy diso aho ! ;-)

Ny tiana avoitra dia izao : toa isika indraindray no maka ny toeraNY ka izay fihevitsika no ataontsika fa fiheviNY ! ;-)
73. RBNIR ( 09/07/2012 16:02)
bor2lais:

Ny tiana avoitra dia izao : toa isika indraindray no maka ny toeraNY ka izay fihevitsika no ataontsika fa fiheviNY ! ;-)

Faly miarahaba namana,
Marina tokoa fa betsaka isika no maka ny Toerany. Ary ny ankamaroan-tsika aza dia mihevitra ny ambony noho IZY.
Matoa isika namana tsy manaiky izay andidiany, fa mbola mampanjaka ny sitrapon-tsika mihoatra ny sitrapony. Na koa sahy manova ny didiny amin'ny didy izay tsy avy aminy fa avy amin-tsika dia izay ilay hoe maka ny toerany na mihevitra ho ambony noho IZY mihitsy aza.
Raha izaho manokana tsy ho sahy velively namana, Didiny anie hoy aho io fa tsy an-tsika e, raha mbola tsy niteny izy hoe foana io dia araho (aza asiana hoe fa ahoana ary raha izao sy izao) Araho fotsiny fa ampiany ianao rehefa avy eo e.
Reseho ny henatra, ny vavan'ny olona, sy izay mety ho sakana rehetra fa rehefa izay no takiany dia ekeo tsy misy fepetra.
Raha tena mikatsaka fiainana mandrakizay sy matahotra afoB namana vita foana io na mafy tahakan'ny inona aza a,
Maro anie hoy aho no miaina amin'izany izao e,
Aza mety ho fitahina hoy ny soratra Masina.
Inty no marika efa nomeny an-tsika : « Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Mat.7:13)
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Mat.7:14)

Samia ho tahin'ny Tompo e,

74. bor2lais ( 09/07/2012 16:24)
RBNIR:

Didiny anie hoy aho io fa tsy an-tsika e, raha mbola tsy niteny izy hoe foana io dia araho (aza asiana hoe fa ahoana ary raha izao sy izao) Araho fotsiny fa ampiany ianao rehefa avy eo e.
Reseho ny henatra, ny vavan'ny olona, sy izay mety ho sakana rehetra fa rehefa izay no takiany dia ekeo tsy misy fepetra.
Raha tena mikatsaka fiainana mandrakizay sy matahotra afoB namana vita foana io na mafy tahakan'ny inona aza a,
Maro anie hoy aho no miaina amin'izany izao e,
Aza mety ho fitahina hoy ny soratra Masina.

Mba gravy koa ange ity namana iray ity ka ! :-)
Ho aminao anie ny FiadanaNY ! ;-)
75. Miharena ( 09/07/2012 17:44)
Didi10:

Ka tsy azonao mihitsy ny fahamasinan'ny alitara satria efa nafoinao izany, inona moa no mahatonga anao handray anjara eto tsy hitady namana amin'ny fanompoana ataonao satria mahatsiaro fahabangana ianao, izaho sy RBNIR sy Tefigasy sy Hery sy Mirana sns... anie no fiangonana miaraka aminao eto e! raha mandinika ianao dia teny maontina sy mendrika avokoa ny eto satria Andriamanitra no resahana, mandehana anie ianao any amin'ny rubrique hafa e! tsy tafiditra eto ny teny maloto satria samy mahalala fa masina ny fiangonana.

SOKAFY NY MASONAO FA FIANGONANA ITY FORUM ITY FA AZA MIHEVITRA FA TSY MIDITRA AM-PIANGONANA IANAO


Hevitra mazava angamba no narosoko teo ny amin''ny fahamasinana izay ao ampon'ny olona fa tsy ivelany ary tsy mahafa-po mihitsy amiko izay hevitra mihodinkodina manodidina votoatin-javatra iray. Izany no anazavako matetika ny momba ny asan'Andriamanitra dia izay manova ny fo sy fanahy fa tsy ny fombafomba izay azon'ny olona isan'antokony avy hitsarana fa misy fahavetavetana. Ny fahavetavetana voalohany indrindra dia ny fakana ratsy ny toe-javatra iray mifandraika amin'ny fomban'ny mpiara-mivavaka. Ary io no fototry ny adim-pinoana raha mandinika tsara isika.

Fifanajana moa hoy ianao no anaovana forum eto ary manaja tokoa eto sady amin'ny fo madio no anehoana hevitra mba hampfoha kokoa izay mahita sombin-kazo amin'ny rahalahiny fa tsy mahita izay andry be manoloana azy.
Fijery malalaka ihany io ahy io fa aza heverina hoe voa mafy ianao rehefa anehoana hevitra toy izany.
76. RBNIR ( 10/07/2012 05:40)
bor2lais:

Mba gravy koa ange ity namana iray ity ka ! :-)
Ho aminao anie ny FiadanaNY ! ;-)

Faly miarahaba namana,
Ka tena marina anie ireo namana e, raha tena tia ny fiainana mandrakizay marina dia tena tokony HIKATSAKA marina tokoa,
Ho fitiniko namana isany hamaranako ny anjarako eto amin'ity lohahevitra ity a:
1- Araka ny teny (Eze.44:25) sy (Lev.21:11) dia mandoto ny olona ny faty afatsy amin'izay olona tena akaiky ihany. Koa dia kajio ny fahamasinan-tsika ary tsarovy mandrakariva ilay teny amin'ny Apok.21:27 (Tsy hiditra ao mihitsy izay TSY MASINA na manao vetaveta)
2- Araka ny teny (Lev.21:12) dia tsy sitrak'Andriamanitra ny andotoan'ny olona ny toerana efa nolazainy ho Masina. Noho izany aza mandoto izany toerana izany amin'izay zavatra rehetra (tsy ny faty ihany an) maloto namana ohatra hoe sahintsika v ny hitondra ilay maloto nivoaka avy tao amin-tsika iny ho eo ambony alitara???? Eritrereto ihany ry namana isany. Izaho kosa aloha dia mino hoe tranon'Andriamanitra ny fiangonana fivavahana e, hoy tokoa manko ny teny hoe « Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa.56:7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery.7:11). » (Mar.11:17).
Izay fa dia hofaranako ny anjarako eto e,
Ny Tompo anie hitahy an-tsika rehetra.
Samia ho tahin'ny Tompo daholo indray.
77. bor2lais ( 10/07/2012 08:40)
RBNIR:

1- Araka ny teny (Eze.44:25) sy (Lev.21:11) dia mandoto ny olona ny faty afatsy amin'izay olona tena akaiky ihany. Koa dia kajio ny fahamasinan-tsika ary tsarovy mandrakariva ilay teny amin'ny Apok.21:27 (Tsy hiditra ao mihitsy izay TSY MASINA na manao vetaveta)

Samaritana tsara fanahy : izay izany angamba no tsy nijanonan'ireo mpitondra fivavahana jiosy fa ilay samaritana tsara fanahy irery no namonjy ilay naratra !
RBNIR:

2- Araka ny teny (Lev.21:12) dia tsy sitrak'Andriamanitra ny andotoan'ny olona ny toerana efa nolazainy ho Masina. Noho izany aza mandoto izany toerana izany amin'izay zavatra rehetra (tsy ny faty ihany an) maloto namana ohatra hoe sahintsika v ny hitondra ilay maloto nivoaka avy tao amin-tsika iny ho eo ambony alitara????

Ary sao dia ny fisainantsika mihitsy kosa no maloto ! ;-)
Fa angaha moa tsy ny marary no mila dokotera ? Dia ahoana ilay tafon-trano noesorina mba ampidinana ilay marary tao am-piangonana nisy Azy sa masina daholo ny marary ?
RBNIR:

Eritrereto ihany ry namana isany. Izaho kosa aloha dia mino hoe tranon'Andriamanitra ny fiangonana fivavahana e, hoy tokoa manko ny teny hoe « Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa.56:7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery.7:11). » (Mar.11:17).

Izay toerana rehetra iantsoana (2 na 3) ny AnaraNY dia toa any koa Izy e ! ;-)
RBNIR:

Izay fa dia hofaranako ny anjarako eto e,

:-)
78. RBNIR ( 11/07/2012 05:45)
bor2lais:


Izay toerana rehetra iantsoana (2 na 3) ny AnaraNY dia toa any koa Izy e ! ;-)
[/quote]
Faly miarahaba namana,
Tena saika hamarana aho nefa manitikitika b ity,
Ka maninona raha antsoina ao anaty lavapiringy feno .... koa ANDRIAMANITRA raha izany????
MASINA ANDRIAMANITRA NAMANA. FANTARO ALOHA NY DIKAN IZAY HOE MASINA IZY,
Dia ho fantatrao tsara avy eo hoe inona no ho azo atao sy ny tsy azo atao.
Samia ho tahin'ny Tompo namana.
79. Tefigasy ( 11/07/2012 06:10)
bor2lais:

Faly miarahaba namana,
Tena saika hamarana aho nefa manitikitika b ity,
Ka maninona raha antsoina ao anaty lavapiringy feno .... koa ANDRIAMANITRA raha izany????
MASINA ANDRIAMANITRA NAMANA. FANTARO ALOHA NY DIKAN IZAY HOE MASINA IZY,
Dia ho fantatrao tsara avy eo hoe inona no ho azo atao sy ny tsy azo atao.
Samia ho tahin'ny Tompo namana.


Te hijoro vavolombelona aminao fotsiny aho fa izany Jesoa izany rehefa raisinao ho Tompo sy Mpanjakanao dia tsy misaraka amiko mihitsy na aiza na aiza no misy anao. Tempolin'Andriamanitra mandehandeha ny tenako ka na any amin'ny douce aho na any amin'ny toilette na any amin'ny toerana ze eritreretinao ho misy ahy dia present eo Jesosy.
Ny anao angamba tsy otrizany, mety tsy miaraka aminao foana Andriamanitra, malahelo aho milaza aminao fa mbola tsy tempoli'Andriamanitra ny tenanao raha izany ry namana !
80. Miharena ( 11/07/2012 06:20)
RBNIR:

Tena saika hamarana aho nefa manitikitika b ity,
Ka maninona raha antsoina ao anaty lavapiringy feno .... koa ANDRIAMANITRA raha izany????
MASINA ANDRIAMANITRA NAMANA. FANTARO ALOHA NY DIKAN IZAY HOE MASINA IZY,
Dia ho fantatrao tsara avy eo hoe inona no ho azo atao sy ny tsy azo atao.
Samia ho tahin'ny Tompo namana.


Manitikitika ity valinteninao ity namana.
Ny olombelona sy ny voary rehetra namana matoa nomena nofo dia io aloha no endrika ahafahany miaina nataon'Andriamanitra. Ka raha miteny ny momba ny fanadiovana ny ao anaty ara-nofo ianao dia tsy mahasakana AZY tsy hilaza aminao fa zanany ianao na dia any amin'ny toerana faran'izay maizina sy ratsy indrindra araka ny fiheverantsika aza no miantso AZY.

Ny hany mba hitako maha-renoka ny Kristianina dia io fanavahana ny ratsy sy ny tsara io. Manavaka isika hoe izatsy no ratsy ary izaroa no ratsy, nefa tsy io ve no namitahan'ny menarana an'i Eva? Hitovy amin'Andriamanitra hono izy raha mihinana ny fahalalàna ny tsara sy ny ratsy, izany hoe ilay tontolo misy lafiny roa.

Ny tontolo nataon'Andriamanitra dia tokana fa tsy misy lafiny. Fa teo amin'ny fotoana niresahan'ny menarana io no nanomboka ny fisainana lafiny roa.

Mbola tohizana ihany ny fanazavana satria hita hoe mampandringa be ida be tokoa ny fizotran'ny fianan'ny olombelona amin'ny endrika rehetra mihitsy ity firesahana momba ny zava-dratsy sy fanasaziana mandrakizay ity.

Raha toa tokoa ka nijoro vavolombelona ny olona nanehoana ny helo dia satria sitrapon'ny olombelona ihany no tanterahana dia ny fisian'ny helo izay avahana ho lafiny ratsy indrindra ary ny Lanitra izay lazaina fa lafiny tsara indrindra. Mazava fa rehefa mihaona amin'i Kristy ny fanahiny tamin'ny fotoana nampahitana azy dia misy tokoa ny adim-panahy aseho manome ireo lafiny roa ireo. Ilay endrik'olombelona atao hoe ASTRAL no entina mankeo amin'io fiavahana io.Ny hany mba tokony ho fantatr'ireo olona izay tonga amin'io endrika io dia hoe tontolo fampahatsiarovan-tena io sehatra io.

Ny tena tokony hampahafantarina ny maro amin'izao fotoana izao dia ny manary ny fanavahana. Tsy miampanga satria izany no lova nomen'i Satana iainantsika. Ao anaty io devoly io ka mila mahafantatra izay fa raha tsy izany dia tsy ho afaka mihitsy isika.

Mampahatsiahy ny adin'i Nenilava tamin'ny bibidia raha nentin'i Jesoa ara-panahy izy. Ny ady dia adim-panahy fa tsy ady ara-nofo. Ary anaty io ady io fa raha hihevitra ny hiady aminy ivelany dia sasa-poana satria mihevitra isika fa nidiran-javatra indray nefa izay tao anatintsika tao ihany no nifoha arakaraka ny vanim-potoana iainantsika na ny famelezan'ny hafa antsika noho isika fantany fa malemy.

Ka raha hiverina aho ny amin'ny atao hoe Toerana Masina izay mahasaro-piaro ny namana maro ary hiheverana fa ao Andriamanitra dia toy ny Jiosy mbola migogogogo eo amin'ny Mur de Lamentation ihany io. Tsy fantany hoe matoa i Kristy nilaza tamin'ny fotoana hamnatsihana AZY hoe ity Tempolin'i Jerosalema ity dia ho trava ary hatsangaKO ao anatin'ny Telo andro dia ny Tenany no nolazainy tamin'izay. Ny fitsanganana dia io fahaveloman'i Krsity io ary ny fanarahna ny diaNY fa tsy misy idiran'ny fanompoana anaty alitara intsony. Ka asa aloha na oviana na oviana vao hisy indray izany fanampian'Andriamanitra hanoirna ani' Jerosalema ao amin'ny tanin'ny Israely ankehitriny fa toa tsy ho tanteraka mihitsy izany raha ny fandehan'ny zavamisy ara-panahy no jerena sy dinihina lalina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0787