Fitondrana faty any am-piangonana, inona no tanjona?

41. Charoumeni ( 04/07/2012 22:35)

AndriambyII:

Rehefa maty ve dia fahalotoana no dikany ? Fahotana koa ve ? Ny amiko dia izao ! A/tra no nanome , A/tra no maka . A/tra no zara . Matoa entina eo anoloan' ny alitara ny nofo mangatsiaka dia fanomezana an' A/tra ny azy izany fa tsy antsika velona . Na inona finoanao na inona , dia tadidio fa iombonana io seho io , @ lafiny ara- panahy . Rehefa tsy manaja io didin' A/tra io ianareo , dia tsarovy fa mpomba an' A/mani-kafa .

Miombon-kevitra aminao aho
42. Charoumeni ( 04/07/2012 22:36)

43. RBNIR ( 05/07/2012 06:04)
Charoumeni:

Faly miarahaba namana,
Tiako ampahafantarina amintsika ny hoe FAHALOTOANA sy FAHAMASINANA; Inona no mahazavadehibe ny FAHAMASINANA?
Vakio tsara ny levitikosy 11 http://baiboly.katolika.org/boky/Levitika/11 fa any amin'ny farany dia manazava tsara Andriamanitra ny antony tsy tokony hihinanana ireo biby izay nosokajiny hoe maloto ireny.
Ny antony hoy IZY dia satria mandoto ny olona ireny ka tsy Mahamasina ny olona. NEFA ny olona dia takiany mba HO MASINA TAHAKA AZY.
Aza manontany ahy ny antony fa tsy fantatro fa IZY IRERY IHANY NO MAHAFANTATRA HOE IZAO NO ANTONY MAMPAHALOTO an'izao sy izao.

Hoy ny teny ao amin'ny bokin'ny apokalipsy : « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apok. 21:27).

MAZAVA B IO TSY MILA AZAVAINA NGAMBA KOSA E! IO NO MAHAZAVADEHIBE NY FAHAMASINANA.

Io resaka "vetataveta" ao amin'ny bokin'ny apokalipsy io dia hitanao ao amin'ny levitikosy 11 io ihany koa raha mamaky tsara ianao.

Kajio tsara ny fahamasinan-tsika namana. Tsy azo atao kitoatoa ny fikatsahana ny Fiainana Mandrakizay.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo.
44. didi10 ( 05/07/2012 06:31)
Avy indray i RBNIR amin'ny Biby malotony an!

Aza itarina mankany kosa ny resaka e!! ataoko fa efa tafita ny hafatra dia anjarany no mieritreritra.

45. RBNIR ( 05/07/2012 06:42)
didi10:

Avy indray i RBNIR amin'ny Biby malotony an!
Aza itarina mankany kosa ny resaka e!! ataoko fa efa tafita ny hafatra dia anjarany no mieritreritra.

Faly miarhaba namana a,
Ny tiako ambara, ny FAHALOTOANA no miteraka TSY FAHAMASINA.
Na biby maloto, na Faty maloto miteraka tsy FAHAMASINANA.
Tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy Masina ry namana,
Samia ho tahin'ny Tompo.

46. Tefigasy ( 05/07/2012 06:50)
RBNIR:

...................

Io RBNIR raha boky iray monja na andininy vitsivitsy ao anatin'ny baiboly no hiankinanao na hangalanao fampianarana sy tsoa-kevitra iray dia azo antoka fa tsy hahita ny fahamarinana tian'ny tenin'andriamanitra ampitaina ianao a!
Tadidio fa ny devoly raha naka fanahy an'i Jesoa izy dia naka andininy vitsy tamin'ny soratra masina mba handresy lahatra azy, nefa jereo fa nodisoin'i Jesoa izany fomba fijery izany !
Koa mba mamporisika hatrany re , aza kivy mamaky an'io baiboly io hatramin'ny farany, indrindr any aty amin'ny fanekena vaovao fa aza variana mijanona any amin'ny fanakena taloha e!
HS kely aho eto fa mba hanampiana ny namana sasany mba hahiratra no tanjona !
47. RBNIR ( 05/07/2012 06:57)
Tefigasy:

Faly miarahaba namana tefigasy a,
Tsy dia izay loatra fa dinihina tsara hoe efa nofoanan'i Jesosy sa tsia?
Lalana 600 mahery, saingy tsy izy rehetra no mbola tokony ho tandremana.
Miala tsiny fa ireo voatanisa ireo dia tsy mbola nofoanana.
Izay ilay izy namana.
Samia ho tahin'ny Tompo
48. didi10 ( 05/07/2012 06:59)

RBNIR:

didi10:

Avy indray i RBNIR amin'ny Biby malotony an!
Aza itarina mankany kosa ny resaka e!! ataoko fa efa tafita ny hafatra dia anjarany no mieritreritra.

Faly miarhaba namana a,
Ny tiako ambara, ny FAHALOTOANA no miteraka TSY FAHAMASINA.
Na biby maloto, na Faty maloto miteraka tsy FAHAMASINANA.
Tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy Masina ry namana,
Samia ho tahin'ny Tompo.

Misy fanontaniana apetrako amin'i RBNIR
1- Fahamasinan'ny nofo ve sa fahamasinan'ny fanahy?
2- Ny hanina ve mandoto ny fanahy?

Mila valiny mazava azafady.
49. RBNIR ( 05/07/2012 08:43)
didi10:

Misy fanontaniana apetrako amin'i RBNIR
1- Fahamasinan'ny nofo ve sa fahamasinan'ny fanahy?
2- Ny hanina ve mandoto ny fanahy?

Faly misera aminao hatrany namana,
Raha didin'Andriamanitra mbola tsy maintsy tandremana mba hahazoana fiainana mandrak'izay no dikanao namana (ohatra :Mat.19:17-19) dia ho voaloto tokoa ny fanahinao.
Fa raha toa kosa ka efa nofoanana toy ny amin'ny fitorahambato ohatra no dikanao (izany hoe raha tsy mitorabato olona intsony ianao raha manota izy) dia tsy mampaninona an'Andriamanitra intsony (tsy ho voaloto araka izany ny fanahinao).

Izay ilay izy namana.
Samia tahin'ny Tomo e,

50. didi10 ( 05/07/2012 09:33)

averiko ny fanontaniana
1- Fahamasinan'ny nofo sa fahamasinan'ny fanahy
2- ny hanina ve mandoto ny fanahy
51. RBNIR ( 05/07/2012 10:31)
didi10:

averiko ny fanontaniana
1- Fahamasinan'ny nofo sa fahamasinan'ny fanahy
2- ny hanina ve mandoto ny fanahy

Eny ary e! izay mangataka tokoa no omena ary tena tsapako tokoa fa tena tian'i Jesosy Kristy Tompo ianao sy ireo namana rehetra eto.

« Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. » (2 Kor. 7:1)

Samia ho tahin'i JEsosy Tompo namana.
52. didi10 ( 05/07/2012 14:54)
Misaotra ny Namana RBNIR na dia faran'izay tsy nahafa-po aza ny valin-teniny
53. Miharena ( 05/07/2012 15:13)
Mbola misy andininy mazava tsy azo hodian-tsy hita amin'y valinteny tokony haroso ny fanontaniana napetrak'i Didi10.

Ilay resak'i Kristy nilaza hoe tsy ny hanina no mahaloto ny olona fa izay avoaky ny vavany izay avy ao am-pony.
Raha faty indray dia tsy misy idiran'ny loto ny faty satria nofo mangatsiaka tsy mahare na inona na inona intsony fa ny fisainan'ny olona no maloto sy mitsara fa maloto izany. Tsy hoe manome tsiny an'Andriamanitra izay nilaza fananarana momba ny tsy fandraisan'ny Levita faty io resaka io fa lalàna napetraka tamin'ny Levita ny momba ny tsy hikasihana faty.

Mety misy ifandraisany amin'ny tahotra ihany io resaka io satria ny olona mihevitra fa mbola manana heriny ny faty dia lasa manan-tahotra ka tsy mahavita antsakany sy andavany ny asa ampanaovina azy dia ny asam-pisoronana izany.

Mbola mipetraka koa ny fanontaniako amin'i RBNIR sy Didi10 hoe fampahatsiahivana ny lalàna tamin'ny andro taloha ve afaka mampivoatra ara-panahy?

54. RBNIR ( 06/07/2012 05:00)
didi10:

Misaotra ny Namana RBNIR na dia faran'izay tsy nahafa-po aza ny valin-teniny

Faly miarahaba namana,

Izaho mahita fa mahafehy azy tsara io namana a!

Maro aminin-tsika kristianina no mieritreritra fa hoe ny fanadiovana ny fanahy ihany dia ampy ka dia manao tsinontsinona ny didy izay lazainy fa madinika eo anatrehan'Andriamanitra.

Tsy izay anefa no Marina namako ary dia io nomen'ny Tompo io ilay izy.

Samia mahery ary samia ho tahin'ny Tompo
55. RBNIR ( 06/07/2012 06:02)
Fanampiny kely fotsiny ry namana isany, hoy ny teny ao amin'ny 2 Kor.7:1 mba hahantanteraka ny FAHAMASINANA no antony hidiovana amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo (hoy ny teny fa tsy izaho) na amin'ny fanahy (hoy ny teny ihany).
Araka ilay ao amin'ny apok.21:27 dia TSY HIDITRA AO MIHITSY IZAY TSY MASINA ry namana isany.
Koa samia mandinika re e!
Rehefa ho avy anie Jesosy Kristy Tompo ka hanavaka e : Mat.25:31-34 sy Mat.25:41.

Inona no safidin-tsika?? Tsy aleo ho eo amin'ny ankavanana??

Ilay izy aloha ety e! tsy afenina, fa saingy izay tena Tia ny fiainana mandrak'izay sady matahotra ny ho very marina tokoa, dia tsy maintsy miditra ao e.

Na izany aza ny tenanay dia vavolombelona fa na ety aza dia azo zakaina tsara ary tsy mandainga ny Tompo fa tena azo zakaina tsara ilay izy.

Mahereza daholo!

Samia mahery daholo ry namana isany.
56. didi10 ( 06/07/2012 06:30)

Misaotra namana

Efa nifanaraka moa isika fa tsy hifampitsara amin'ny resaka fihinanana sady izay rahateo koa no lazain'ny tenin'Andriamanitra ka dia manaja izany aho.

Ny zavatra tiako ambara fotsiny namana dia izaho sy ianao no tandindon'ireny biby maloto ireny amin'ny maha hafa firenena antsika (tsy jiosy), raha tsy nodiovina izaho sy ianao, raha tsy nodiovina ny zavatra rehetra dia tsy nandray ny famonjena izaho sy ianao.
Koa dia izaho indray ve no hiverina handoto ny zavatra efa nodiovina? Tsy mitovy ny manome tsiny an'Andriamanitra ve izany hoe maninona ary aho no nodiovinao?

Mahereza namana!

Efa mazava ny tenin'i Jesosy fa izay miditra eo amin'ny vava dia ho an'ny nofo ary mivoaka any amin'ny fivoahany ihany, sady tsy mitondra fahalotoana ho an'ny fanahy izany no tsy manadio azy koa.

57. jajajaly ( 06/07/2012 06:37)
Misaotra anareo !!
58. didi10 ( 06/07/2012 06:43)

Miharena:

Mbola mipetraka koa ny fanontaniako amin'i RBNIR sy Didi10 hoe fampahatsiahivana ny lalàna tamin'ny andro taloha ve afaka mampivoatra ara-panahy?

Mbola tsy tafita any amin'ny namana Miharena ihany va ny hafatra?

Ny zanak'Andriamanitra hoy aho tsy mandeha amin'ny lalàna fa mandeha amin'ny fitiavana!!
- Tsy miankohoka amin'ny sary voasikotra aho, tsy noho ny amin'ny lalàna fa noho ny fitiavana.
- Mamonjy fivoriam-bavaka aho rehefa Sabata tsy noho ny amin'ny lalàna fa noho ny amin'ny fitiavana
- Manao ampahafolony aho, tsy noho ny amin'ny lalàna fa noho ny amin'ny fitiavana
- ...

Fa raha ny fanontanianao no valiako dia tsotra ny valiny
ENY.

Ho an'ny jentilisa (mpanota) dia mila taizana amin'ny lalàna izy ka mila ampiatsahivina azy ny lalàna sy ny didy mba hahafahany mivoatra ara-panahy araha ny filazanao mandram-pahatongany amin'ny Batisa hahatonga azy ho zanaka ho eo ambany fahasoavana.

Tena fahavetavetana eo imason'i Jehovah anie izany fitondrana faty ao an-tempoly izany e! ahoana moa no fomba ahafantaranao izany raha tsy misy ahy sy RBNIR hampatsihy anao fa tsy mety izany?
59. AndriambyII ( 06/07/2012 09:07)
Misy zavatra tsy azon' i Didi10 angamba ny mikasika ny ataon' ny pastera sy imam ary pretra manome absolution ho an' ireo faty @ vavaka , efa fantatra ihany ny fironan' i Didi10 mikasika ny fisarahan' ny vatana sy fanahy hatr@ izay teto @ serasera . Ka raha toa ka eritreretinao fa fahavetavetana ny fitondrana faty ao ampiangonana , midika izany fa mpandala ny fisoroam-paty i Didi10 .Amin' ny maha kristiana anao ve dia hadino ilay hoe " Tany amboalohany ny teny " raha namorona ny tany sy lanitra A/tra ? @ maha kristiana anao ve dia ahafahanao mitsara fa itsy afaka miditra ny fanjakan' ny lanitra , itsy tsy maintsy any @ purgatoire , itsy tsy maintsy any @ elo ? ets ets .... Tsara ho fantatra koa izay tian' i Didi10 lazaina @ teny hoe vetaveta . Na ireo milaza azy ho olomasina indrindra nandalo teto @ ity tany ity aza ,moa ve tsy vokatry ny vetavetan' ny nofo ny tenany ? Ny zavaboahary dia an'A/tra , ary ny zavaboahary dia asan' A/tra , na maloto na madio , na tsara na ratsy , arakaraky ny fahazahoan' ny tsi 11 azy io . Angamba voalaza ao @ lalàna deteronomia sy livitika izany raha mahay mamaky azy tsara ny kristiana . Ny fandraisako ilay hevitrao mikasika ny tsy tokony hitondrana faty manoloana ny tempoly , na ny autel manamarika ny finoan' ilay olona fahavelony , dia midika amiko fa fanivanana tsotra izao fa ianao no mahalala na mpino ,na tsy mpino ilay nofo mangatsiaka naverina ho an ' ny fanjakan' ny Ray nahary .
60. didi10 ( 06/07/2012 11:44)

Raha mino ny purgatoire tokoa ny olona iray dia na dia efa main'ny afobe aza izy dia mbola mieritreritra fa afo fandiovana ity fa tsy mandrakizay. Rehefa afo dia afo ary tsy natao ho an'ny zanak'Andriamanitra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083