Temoins de Jehovah, mba hazavao hoe ry Mpanazava?
1. hery
(
08/06/2010 07:05)
Hitako nitsipalotra tatsy ambadika tatsy ny nolazain'i Mpanazava hoe
Mba hazavao tokoa hoe ny fandraisanareo hoe iza i Kristy?
Marina tokoa fa mety tsy hisy andini-teny ahitana an'i Jesoa milaza ny tenany ho Andriamanitra ao amin'ny baiboly vakianao, fa hanaiky ve nefa ianao raha asehoko fa misy izany voasoratra amin'ny baiboly katolika na protestanta?
Tsy mino an'i kristy ho Atra
io aloha angamba hors sujet sady tsy TJ no niteny anao an'io fa mety henonao t@ olona angamba. Nefa raha mahita andinin-teny ahitana an'i Jesosy milaza ny tenany ho Andriamanitra ianao dia mba lazao fa mahaliana.
Mba hazavao tokoa hoe ny fandraisanareo hoe iza i Kristy?
Marina tokoa fa mety tsy hisy andini-teny ahitana an'i Jesoa milaza ny tenany ho Andriamanitra ao amin'ny baiboly vakianao, fa hanaiky ve nefa ianao raha asehoko fa misy izany voasoratra amin'ny baiboly katolika na protestanta?
novalian'i niryna ny 02/05/2013 14:56
2. pikanety
(
08/06/2010 17:53)
za rahery tsy temoins de jehovah fa fantako tsara ny fampianaran'ireo , resaka jeu de mot no betsaka,ohatra hoe jesosy dia kristy no sady zanak'Andriamanitra fa tsy ilay jehovah ,donc zanany fa tsy le Andriamanitra nahary an'izao tontolo izao,jesosy dia zavaboarin'Andriamanitra noforonin'Andriamanitra voalohany,ary tena loza dia mahay baiboly be ry zareo ireny
3. Mpanazava
(
09/06/2010 14:06)
jesosy dia kristy no sady zanak'Andriamanitra fa tsy ilay jehovah ,donc zanany fa tsy le Andriamanitra nahary an'izao tontolo izao,jesosy dia zavaboarin'Andriamanitra noforonin'Andriamanitra voalohany
Misaotra an'i pikanety aloha nanohy sady nanome fanazavana avy hatrany, na i Satana aza eken'ny TJ hoe andriamanitra saingy lazain'ny baiboly hoe andriamanitr'ity tontolo ity ao amin'ny 2Korintianina 4:3,4 vao mainka ve fa i Jesosy no tsy azo lazaina hoe andriamanitra? Saingy avahan'ny baiboly tsara izy sy ny Rainy.
tena loza dia mahay baiboly be ry zareo ireny
Tsy any kosa angamba ka! mahay baiboly daholo ireo eo amin'ny forum ireo.
4. Ratoa
(
09/06/2010 14:45)
misy anie ny mivavaka amin'i Satana é! izay no maha andriamnitry ity tontolo ity azy, izany hoe ny tontolo izay tsy anjakan'Andriamanitra fa nandà Azy
quote
5. rijadolly
(
09/06/2010 16:40)
Ny trinité no tsy ekeny koa, fa miavaka tsara ny RAY, izay mitana ny toerana maha RAY azy, sy i Kristy izay maka ny toerany maha Zanaka Azy, torak' izay koa ny Fanahimasina Fanahy.
Ahoana ny fijerinareo an' ireto:
- I Jaona 5 : 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
- Matio 24 : 36 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.

6. pikanety
(
09/06/2010 19:20)
,isaia 9.6 jesus =PERE ETERNEL,le ao @ jaona1/3-1
raha miohy anie ny ady hevitra ohatran'izao mety ho tonga hatramin'ny hoe nahoana no lehilahy Andriamanitra fa tsy vehivavy ,nahaoana misy ny zanaka sy RAY ,dia aiza ny reniny ?
ary vavy sa lahy ny anjely ?

7. niryna
(
09/06/2010 19:54)
Ny trinité no tsy ekeny koa, fa miavaka tsara ny RAY, izay mitana ny toerana maha RAY azy, sy i Kristy izay maka ny toerany maha Zanaka Azy, torak' izay koa ny Fanahimasina Fanahy.
ankoatran'ireo nolazain'ny namana eo ambony ireo dia manana baiboly hafa izy ary esoriny ny teny maro.Jereo foana ny baiboliny ary am-pitahao ny antsika fa ao anatin'ny Jaona 1:1-4 no ahitana izany.Eny mahay tenin'Atra tokoa ry zareo ary mety tsy maharesy lahatra azy isika,saingy jereo amin'ny masony ary dia azavao aminy izay fantatrao fa lasa mitsoaka mandositra fotsiny izy.Indro kely io fa vao nitranga tamiko tamin'ity herinandro ity.
Mahay mandresy lahatra tokoa izy ary mety ho fanina isika rehefa reseny lahatra saingy aza miala amin'ny teny ao anaty ny baibolintsika:" Izaho sy ny ray dia iray ihany."
Ray ilay Atra nahary izao tontolo izao satria naka ny hendrin'ny olona ilay Atra ka nanome antsika ny Zanany,sarotra tokoa ny manazava an'io saingy rehefa manana finoana isika dia ho fantantsika fa ny Ray ,ny Zanaka ary ny Fanahy masina dia iray ihany
1x1x1= fa tsy hoe 1+1+1 akory.
Ahoana ny fijerinareo an' ireto:
- I Jaona 5 : 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
io dia manamarina ny teny ao Testamenta Taloha Isa 9:5 sy ny Testamenta Vaovao Lioka 24:45, Jaona 17:3-5,Asa 20:28,Titosy 2:13 ary ny Heb 9:28
Ny mpaminany no nanambara :Isaia 9:5
5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
Ity indray manambara fa efa niaraka tamin'Atra izy fony tsy mbola ary izao tontolo izao:Jaona 17:3-5
3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
4 Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
Kristy Andriamanitra lehibe no sady Mpamonjy : Titosy 2:13
13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy [Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika],
8. fijo
(
09/06/2010 21:07)
ka lery izany niteraka tena sa ahoana???izany sady dada no zanak'i dada izany mantsyyyy,hafahafa an
9. ikaretsaka
(
10/06/2010 03:15)
ka lery izany niteraka tena sa ahoana???izany sady dada no zanak'i dada izany mantsyyyy,hafahafa an
Eo le resaka mystic no mandeha...theolojia lavabe io.
Izay no maha Atra azy Ra fijo a. Maha tsy hita pesipesenina azy. Ilazako foana ny hoe "aza fehezana ny zavatra natao tsy ho voafehy"
11. Djhamhal
(
11/06/2010 08:38)
izaho dia efa nifanakalo hevitra t@ témoin de jehovah maromaro fa izy reny moa lé mitetitety trano ! dia nampandrosoiko tsara !! ny zavatra iray tsy neken'ny saiko ary ny tsy nitohizan'ilay izy intsony dia ry zareo tsy mino ary tsy mitombina amin-dry zareo miitsy ny la croix na ny hazo fijaliana !! fa amin-dry zareo dia hazo tokana (na tsatoka) no namantsihana an'i jesosy kristy !! dia vita hatreo !!!
12. Mpanazava
(
11/06/2010 09:42)
Averiko eto indray fa heken'ny TJ hatramin'izay ny maha andriamanitra an'i Jesosy saingy samihafa izy sy ny Rainy. Ambony (lehibe) noho izy ny rainy.
Hoy i Nirina
Raha mpinamana isika roa ka hanatitra anao ary ami'ny Farmacie ohatra aho hividy fanafody, de hoy ilay mpivarotra mantsy ahy, "Ary ny anao ramose?" dia hoy ny avaliko azy "iray ihany zahay ka!" Moa ve izany manambara fa anakiray ihany isika? samy hafa ny hoe "iray" sy ny hoe "anakiray". iray unité ve sa ? . Jereo ny baiboly dika Grika dia manontania olona mahay teny grika fa hazavainy aminao tsara io teny io. Diniho tsara amin'izay ny zavatra nitranga talohan'i Jesosy niteny an'io teny io.
Hoy i Nirina
:"Mahay mandresy lahatra tokoa izy ary mety ho fanina isika rehefa reseny lahatra saingy aza miala amin'ny teny ao anaty ny baibolintsika:" Izaho sy ny ray dia iray ihany."
Raha mpinamana isika roa ka hanatitra anao ary ami'ny Farmacie ohatra aho hividy fanafody, de hoy ilay mpivarotra mantsy ahy, "Ary ny anao ramose?" dia hoy ny avaliko azy "iray ihany zahay ka!" Moa ve izany manambara fa anakiray ihany isika? samy hafa ny hoe "iray" sy ny hoe "anakiray". iray unité ve sa ? . Jereo ny baiboly dika Grika dia manontania olona mahay teny grika fa hazavainy aminao tsara io teny io. Diniho tsara amin'izay ny zavatra nitranga talohan'i Jesosy niteny an'io teny io.
13. hery
(
11/06/2010 09:51)
Mpanazava:
Averiko eto indray fa heken'ny TJ hatramin'izay ny maha andriamanitra an'i Jesosy saingy samihafa izy sy ny Rainy. Ambony (lehibe) noho izy ny rainy.
Manana andriamanitra roa izany ny TJ? :-)
14. Mpanazava
(
11/06/2010 10:53)
Manana andriamanitra roa izany ny TJ?
Milaza mazava ny baiboly fa misy andriamanitra maro (1 kor 8:5), raha ny Dieu Egiptien fotsiny ohatra + de 44, na i satana aza resahan'ny baiboly koa hoe andriamanitra. Ny fanekena azy ireny ho andriamanitra akory tsy midika hoe andriamanitrao daholo izy rehetra. Ny tenan'i Jesosy mihitsy no nanondro ny Rainy hoe "ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA" (Jaona 17:3) Izy no modelinay, mety mahavaly ny fanontaniana ve?
Tetsy andaniny, dia izao no nosoratan'ny apostoly Paoly ho an'ny Kristianina marina: "Andriamanitra iray ihany dia ny Ray" (1kor 8:6) . Tsy manam-paharoa ary ilay Ray izay hijoroanay vavolombelona. Fa raha ny amin'i Jehovah dia izao no nambarany: "Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho" (Isaia 44:6)
Mila miara-mijery soratra hebreo sy grika daholo isika fa raha ny anaty baiboly, ampiharina amin'i Jehovah irery ihany ilay "A"(fa tsy "a") ny teny ho Andriamanitra.
15. Mpanazava
(
11/06/2010 11:39)
Hoy i HERY.
Valiny:
Raha fitinina dia io rohy io no hamehezana azy.
www.watchtower.org/mg/rq/article_03.htm
Mba hazavao tokoa hoe ny fandraisanareo hoe iza i Kristy?
Valiny:
Raha fitinina dia io rohy io no hamehezana azy.
www.watchtower.org/mg/rq/article_03.htm
16. hery
(
11/06/2010 11:48)
Ah, azoko ilay olana. Aminareo izany dia satria tsy niteny mivantana i Jesoa hoe "Izao dia Andriamanitra" dia tsy Andriamanitra izy. Fa ny Ray, niteny "mivantana" hoe Izaho dia Andriamanitra dia Andriamanitra izy. Mila jerena aloha ilay dikan'ny hoe "Mivantana" eto.
Ary raha niteny mivantana ve i Jesoa hoe "Andriamanitra izy" dia hino ianao? Ho nino ny olona? Firy ny olona niteny hoe "Izaho no Andriamanitra" fa tsy nisy nino.
Noho izany, ny fanambarana mivantana ny tena dia tsy midika ho maha Andriamanitra velively, ary ny tsy fanambarana mivantana ny tena dia tsy midika ny tsy maha Andriamanitra.
Fa jereo kosa ny zavatra hafa lazainy:
- Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Jo. 10,30 Hitako ilay fanazavanao an'io resaka io teo. Fa raha toa ka mandeha any @ Farmacie izaho irery miaraka amin'ny taratasimpanafody roa. Ny iray Hery no anarana eo, ny iray Eugene. Dia manontany ilay mpivarotra hoe ary ho an'iza ity Eugene ity? dia hovaliako hoe "Iray ihany ireo ka"... dia iray ihany. Izany hoe tsy voatery samihafa ny anakiray sy iray.
- toa izany koa: "Izay nahita ahy dia nahita ny Ray" Jo. 14, 9 izay manambara fa iray ihany.
- misy koa "Fony mbola tsy hary i Abrahama dia efa Izaho aho" Jo. 8, 58 Ary miresaka baiboly grika sy hebrio ianao fa raha ampitahaina ny teny nampiasainy tamin'izy niteny anio dia ilay hoe "Izaho" (Je suis, εἰμί) no nampiasainy. Izay hita ao amin'ny Eksaody 3. 14. nilazan'Andriamanitra ny tenany tamin'i Moizy.
Na dia tsy niteny mivantana aza i Jesoa dia ny olona kosa (ary ianao koa inoako) nahalala fa niteny ny tenany ho Andriamanitra izy Jo. 5, 18

17. Mpanazava
(
11/06/2010 13:44)
Ah, azoko ilay olana. Aminareo izany dia satria tsy niteny mivantana i Jesoa hoe "Izao dia Andriamanitra" dia tsy Andriamanitra izy. Fa ny Ray, niteny "mivantana" hoe Izaho dia Andriamanitra dia Andriamanitra izy. Mila jerena aloha ilay dikan'ny hoe "Mivantana" eto.
Tsy any ilay olana fa ity, ny firesahana hoe samy tsy nanampiandohana izy ireo ary tsy misy ambony sy ambany. Raha feno manko ireo fepetra ireo dia azoko ekena tsara ny maha anakiray an'i Jesosy sy Jehovah. Ny fiandohan'ny zavatra anakiray matetika no amantarana ny maha izy azy. Mba nanampiandohana ve Andriamanitra? Iza no namorona Azy? hoy ny baiboly momba an'i Jehovah "Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforinao ny tany sy izao rehetra izao dia ANDRIAMANITRA IANAO HATRAMIN'NY TALOHA INDRINDRA ka mandrakizay" Salamo 90:2
Toy izany koa ve i Jesosy? raha izany manko dia hekeko fa i Jehovah ihany izy. Hoy anefa ny baiboly momba azy:
"i Jehovah no namorona AHY (Jesosy) ho fiandohan'ny asa famoronany, ho voalohany indrindra amin'ny zava-bitany fahiny... Mbola tsy nisy ny tendrombohitra, ary mbola tsy nisy ny havoana dia efa NATERAKA AHO, ... efa teo AHO rehefa NANAO ny Lanitra izy...dia MPIASA mahay teo ANILANY AHO ary tia ahy isan'andro isan'andro izy. Falifaly foana aho teo ANATREHANY, eny nahafaly ahy ny tany lonaka teo amin'ny tany noforonony ..." (Ohabolana 8:22-31)
izany no niantsoana azy hoe "Lahimatoa amin'ny zavaboary rehetra" (Kolosianina 1:15). Mety mazava angamba ilay Jo. 8, 58 izany hoe manazava ny fisian'ny talohan'ny nahaolombelona azy izy izay mifanohitra amin'ilay ampiasaina ao amin'ny Eksodosy 3:14 izay ampiasaina toy ny anaram-boninahitra ho an'Andriamanitramba hilazana fa tena misy izy ary hanao izay nampanantenainy.
18. Mpanazava
(
11/06/2010 13:58)
Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Jo. 10,30 Hitako ilay fanazavanao an'io resaka io teo. Fa raha toa ka mandeha any @ Farmacie izaho irery miaraka amin'ny taratasimpanafody roa. Ny iray Hery no anarana eo, ny iray Eugene. Dia manontany ilay mpivarotra hoe ary ho an'iza ity Eugene ity? dia hovaliako hoe "Iray ihany ireo ka"... dia iray ihany. Izany hoe tsy voatery samihafa ny anakiray sy iray.
Hay ve lasa (méme personne)tenan-javatra iray ihany amin'ny HERY ireo mpianatr'i Jesosy izay nivavahany tamin'ny Rainy hoe "Ho iray ihany ..., tahaka anao Ray ato amiko ary Izaho koa aoa aminao, mba ho ao amintsika koa izy ... Mba ho IRAY izy tahaka ny maha IRAY antsika" (Jaona 17:21,22) satria ilay teny Grika "Hen" ao amin'ny Jo.10:30 ihany no ampiasain'ny Jesosy eto.
19. ikaretsaka
(
13/06/2010 03:13)

Samihafa be le contexte eto na samy teny grika aza
satria ny ohatra entinao dia ny mpianatra iriana mivondrona ho iray (-> izy samy mpianatra=mitovy sata)
moa ny hoe "izaho sy ny Ray dia iray (-> Atra=mitovy sata)
Fa tsy hoe Izy (Jesoa) dia ny mpianatra de ny Ray= iray (-> bolonga be 1 mitovy fahefana)!
20. hery
(
13/06/2010 09:17)
Mpanazava:
i Jehovah no namorona AHY (Jesosy) ho fiandohan'ny asa famoronany, ho voalohany indrindra amin'ny zava-bitany fahiny... Mbola tsy nisy ny tendrombohitra, ary mbola tsy nisy ny havoana dia efa NATERAKA AHO, ... efa teo AHO rehefa NANAO ny Lanitra izy...dia MPIASA mahay teo ANILANY AHO ary tia ahy isan'andro isan'andro izy. Falifaly foana aho teo ANATREHANY, eny nahafaly ahy ny tany lonaka teo amin'ny tany noforonony ...
Tsy noforonina i Jesoa. Tsy créature izy fa Zanaka. Izany hoe nateraky ny Ray talohan'ny taona rehetra.
Jo. 1. 1 -5:
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. 2 Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. 4 Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. 5 Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.
Jo. 1, 14:
14 Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin'ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy.
Ahoana ny voasoratra ao amin'ny baibolinareo momba an'io? :-)
Eto koa dia tsy misy miteny hoe meme personne. Andriamanitra dia Trinité, izany hoe tokana fa olona telo. Izany hoe personnes samihafa, samy manana ny maha izy azy, fa iray fomba. Tsy misy ambony sy ambany, tsy azo sarahina. Andriamanitra tokana.