Temoins de Jehovah, mba hazavao hoe ry Mpanazava?

41. Mpanazava ( 28/06/2010 05:42)

"Izaho sy ny Ray dia iray ihany"

Eto koa manko manko mila mijery tsara hoe "Iray" unité sa "iray Chiffre". Tsy voatery hanao hoatran'ny toe ambony isika hoe hijery teny grika vao hahafantatra azy. Fa ny teny manodidina fotsiny. Fa ny mampisaintsaina dia ity, isika olombelona taty afara no niezaka mampitovy toerana azy amin'ny Jehovah (Trinité) nefa ireo niara-niaina taminy sy ny soratra masina miteny mazava hoe "Na dia fanahy tahaka an'Andriamanitra aza izy (Jesosy) [Toy ny hoe ny Teny dia andriamanitra] dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana izany hoe hitovy amin'Andriamanitra" (Filipianina 2:6)
novalian'i Miharena ny 12/07/2010 08:13
42. niryna ( 29/06/2010 20:41)


Mpanazava:

Averiko eto indray fa heken'ny TJ hatramin'izay ny maha andriamanitra an'i Jesosy saingy samihafa izy sy ny Rainy. Ambony (lehibe) noho izy ny rainy.


Manana andriamanitra roa izany ny TJ? :-)

hi,hi
asa lahy fa aleo ry zareo hanazava
mahay mandresy lahatra izy ary tsy resy dohika,tsy manaiky an'i kristy ho Atra izy,izay no manavaka azy amin'ny kristiana,milaza ny tenany fa izy ireo ihany no ho voavonjy amin'ny farany(12x12000= ireo tribes ny jiosy no lazainy fa ireo TJ hono no voavonjy )
tsy mino ny paradisa izy fa efa ety an-tany hono no paradisa fa hiverina ho vovoka avokoa isika dia eo ihany.Mety ho TJ vaovao vao niforina indray angamba ny an'i mpanazava ka tsy hifakako.
Izy samy izy ihany no mifampivady ao oops
43. Mpanazava ( 30/06/2010 05:32)

izay no manavaka azy amin'ny kristiana,milaza ny tenany fa izy ireo ihany no ho voavonjy amin'ny farany(12x12000= ireo tribes ny jiosy no lazainy fa ireo TJ hono no voavonjy )
tsy mino ny paradisa izy fa efa ety an-tany hono no paradisa fa hiverina ho vovoka avokoa isika dia eo ihany.


Ny TJ ry Nirina vonona hiaro ny finoany hatrany. Izany no maha vavolombelon'i Jehovah Azy. Raha hitanao fa diso ny finoan'izy ireo dia manasa anao an-tanandroa aman-tanana aho, lelafiko ny faladianao, dia manokafa sujet mahakasika izay hitanao. Hiarahan-tsika mijery eto ny tena marina resahan'ny Baiboly.
44. ikaretsaka ( 30/06/2010 13:51)
Hifandinika araka ny voalazan'ny baioly hono!
Ka le baiboly aza efa fantatra fa tsy mitovy sy bedebe ny novaina mba hampifandraika azy @ le fivavahana voizina ko
45. boraingy ( 30/06/2010 16:02)
Raha resaka ara-panahy no andraisana ny fianarana an'Andriamanitra dia tokony jerena aloha ny tiany hampitaina ny voariny. Izy no namorona, ary Izy no Teny nahatonga izao rehetra izao. Noho izany, izay afaka mahazo ny Teniny dia azo lazaina fa mahalala Azy. I Jaona no nahita sy nahatakatra io mazava. Raha i Kristy dia tsotra no nahatongavanyn Teny Izy ary tonga nofo koa raha Teny=Andriamanitra dia midika izany fa Kristy = Andriamanitrra. Avy eo dia milaza Kristy ao amin'ny bokin'i Jaona ihany hoe Izy sy isika dia tokony ho iray toy ny maha-iray Azy amin'ny Ray. Rain'ny rehetra no tian'i Kristy lazaina koa raha iray ary isika rehetra dia mazava fa Andriamanitra Kristy dia izay ao amin'i Kristy dia Andriamanitra. Koa tsotra izany ny valiny nahazoan'i Jaona ny Teny rehetra izay lazainy fa avy amin'ny Fanahy Masina izany izay Iray amin'Andriamanitra sy Kristy = trinité Ray-Zanaka-Fanahy Masina.
Conclusion = zanaka Ray Zanaka fanahy Masina daholo ny Kristiana mahafantatra io Trinité io.
Izay tsy maharaka izay lojika mazava izay dia tia fisarahana fa tsy tia firaisana fa te-hitoetra ao anaty maizina izy.
46. ikaretsaka ( 30/06/2010 18:35)
fanazavana ange no hangatahina fa tsy fitsarana e


Conclusion = zanaka Ray Zanaka fanahy Masina daholo ny Kristiana mahafantatra io Trinité io.
Izay tsy maharaka izay lojika mazava izay dia tia fisarahana fa tsy tia firaisana fa te-hitoetra ao anaty maizina izy.


Efa hita aloha izany arak'io fa tsykristianina ny Temoins,,,
sa? (mpanazava)
47. boraingy ( 02/07/2010 04:12)
Hoy Ika : Efa hita aloha izany arak'io fa tsykristianina ny Temoins,,,
sa? (mpanazava)

Tsy fitsarana tokoa aloha no tokony hatao fa fanazavana. Lojika no napetraka fa tsy fitsarana. Ary ny TJ anie raha dihihina dia tsy hoe tsy kristiana e! Manana ny fomba fandalinany (fa tsy fijery) an'i Kristy izy ireo toy ny mpivavaka rehetra ihany izay miankina amin'y Baiboly ny fahalalàny.

Ny incompréhension no mahatonga ny olona mbola hiaina ao anaty "haizina" (amin'ny fotoana mbola tsy hahazoany izay voalaza) fa rehefa mandeha eny ny fotoana dia hitany fa misy identité humaine iraisana amin'i Jesosy-Jehovah tiana hampitaina ao anaty Baiboly manontolo. Mila mijery ny Genesisy fotsiny dia hita izany hoe "Nataon'Andriamanitra mitovy amin'ny endriny ny olombelona". Io no mametraka ny lojika rehetra manaraka sy azo tsimponina anarivony ao anaty Baiboly ao. Io daholo no mampiteny an'i Jehovah sy Kristy ary ny Apostoly sy ny olona marobe izay mahay mifikitra amin'io Fehezanteny io. Ny sisa dia ady hevitra amin'ny pitsopitsony ihany ka izay tratrany dia lasa mitsara fa diso fijery ny izatsy na izaroa. Toy ilay mijery zavatra iray ihany fa samy hafa fotsiny ny toerana ipetrahany dia tsy hitan'ny hafa ny lafiny ambadika, dia samy mifandrirotra milaza fa ny azy no marina.

Ka raha toa ka manazava dia tsara ny mijery ny lafiny rehetra aloha vao afaka manamarika (fa tsy mitsara) hoe ity no hitanao fa tsy izy rehetra amin'ilay olona iresahana.
48. ikaretsaka ( 02/07/2010 12:55)
ka efa nazavaina anie ry boraingy e... ny Kristianina dia mino fa Kristy dia Atra ihany, iray fomba @ Ray, Teraky ny Ray talohan'ny taona rehetra ...
Fa tsy misy Atra maro izany!
rehefa tsy miaiky an'izay dia tsy kristianina nefa ny TJ tsy miaiky an'izay=> TSY kristianina zany ry zareo fa finoana hafa mihitsy!
49. Mpanazava ( 05/07/2010 10:31)
Hoy ikaretsaka
Hifandinika araka ny voalazan'ny baioly hono!
Ka le baiboly aza efa fantatra fa tsy mitovy sy bedebe ny novaina mba hampifandraika azy @ le fivavahana voizina ko

Ny nanova aloha fantatra ihany hoe iza no nanao izany fa ny famerenana ny baiboly amin'ny Laoniny tamin'ny voalohany ve ratsy sa tsara?

Hoy i boraigy
Tsy fitsarana tokoa aloha no tokony hatao fa fanazavana. Lojika no napetraka fa tsy fitsarana. Ary ny TJ anie raha dihihina dia tsy hoe tsy kristiana e!

Fa inona noa atao hoe Kristianina? Manana porofo ve? Aiza ao amin'ny Baiboly no milaza fa izay tsy mino an'i Jesosy ho Andriamanitra dia Tsy Kristiaina.
Raha resaka Jaona 1:1-3, Tsy fantako aloha raha namaky an'ity dinika ity hatramin'ny voalohany ianao na tsia ary afaka hiarahana manaporofo eto hoe iza no azo harahina. Hoy ohatra i Bord2lais raha nandika baiboly tranainy iray amin'ny fomba marina tsara:
"1 εν αρχη ην ο λογος και ο λογος ην προς τον θεον και θεος ην ο λογος"

Raha tsy jamba i Boraingy dia mahita fa tsy Andriamanitra ny teny eto:" 1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra [ Grika : tôn teôn], ary ny Teny dia andriamanitra [teôs].» NAHOANA?
Satria hoy ny Fanahy masina tamin'i Jaona eo amin'ny andininy faha 18:"Tsy nisy nahita an'Andriamanitra [Grika : tôn teôn] na oviana na oviana" F'angaha i Jesosy [teôs] tsy nisy nahita? Hoy ihany i Jaona eo aloha kely kokoa eo amin'ny faha14:"Fa ny Teny [teôs] tonga nofo ary nonina teto amintsika" nohamafisin'i Jaona indray taty afara fa Andriamanitra TOKANA SADY MARINA NY RAY (Jaona 17:3) ary navahany tsara koa izy i Jesosy.
Fanontaniana hoa an'ireo mino ny Trinité: Raha iray ihany ny Ray sy ny zanaka, na hoe samy Andriamanitra mitovy, fa nahoana no misy zavatra fatatry ny Ray ny tsy fantatry ny Zanaka? sa ampandangainareo i Jesosy? raha hoe amin'ny maha olombelona azy, nahoana koa ny fanahy masina izay ataonareo hoe personna fahatelo no tsy mahafantatra? ohatra ny Matio 24:36 "Fa tsy misy mahalala an'izany andro sy ora izany na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany"
50. bor2lais ( 05/07/2010 11:23)
mpanazava:

Hoy ohatra i Bord2lais raha nandika baiboly tranainy iray amin'ny fomba marina tsara:

Tena mba misy "kambana" amiko indray any izany a !
51. bor2lais ( 05/07/2010 11:26)
mpanazava:

Fa inona noa atao hoe Kristianina?

Tsara fipetraka ilay fanontaniana : omeo hoe ny famaritan'i mpanazava ohatra !
52. boraingy ( 05/07/2010 14:49)
Hoy Mpanazava
"Raha tsy jamba i Boraingy dia mahita fa tsy Andriamanitra ny teny eto:" 1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra [ Grika : tôn teôn], ary ny Teny dia andriamanitra [teôs].» NAHOANA?
Satria hoy ny Fanahy masina tamin'i Jaona eo amin'ny andininy faha 18:"Tsy nisy nahita an'Andriamanitra [Grika : tôn teôn] na oviana na oviana" F'angaha i Jesosy [teôs] tsy nisy nahita? Hoy ihany i Jaona eo aloha kely kokoa eo amin'ny faha14:"Fa ny Teny [teôs] tonga nofo ary nonina teto amintsika" nohamafisin'i Jaona indray taty afara fa Andriamanitra TOKANA SADY MARINA NY RAY (Jaona 17:3) ary navahany tsara koa izy i Jesosy.
Fanontaniana hoa an'ireo mino ny Trinité: Raha iray ihany ny Ray sy ny zanaka, na hoe samy Andriamanitra mitovy, fa nahoana no misy zavatra fatatry ny Ray ny tsy fantatry ny Zanaka? sa ampandangainareo i Jesosy? raha hoe amin'ny maha olombelona azy, nahoana koa ny fanahy masina izay ataonareo hoe personna fahatelo no tsy mahafantatra? ohatra ny Matio 24:36 "Fa tsy misy mahalala an'izany andro sy ora izany na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany"


Dia mazava fa tsy fantatry ny Zanaka izay ao amin'ny Ray satria Lehibe ny Ray noho ny Zanaka. Saingy tsy afaka hiasa irery ny Ray fa raha tsy eo ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, dia tsy misy fahitsiana fijery mihitsy. Eo amin'ny resaka contenant sy contenu angamba no tsara hijerena azy: Ny Ray dia ao amin'izy rehetra no sady manarona azy rehetra. Ny Fanahy masina no mampiteny azy rehetra ary ny zanaka no isehoan'izy rehetra. Dia Iray ihany izy rehetra izany amin'izay. Tsy finoana ny Trinité fa Fiasan'Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao. Ka isika mahalala izany dia afaka miteny hoe zanak'Andriamanitra tokoa ka Iray ihany araka ny vavak'i Kristy ao amin'ny Jaona.
53. Mpanazava ( 06/07/2010 05:31)
Hoy i boraingy:

Dia mazava fa tsy fantatry ny Zanaka izay ao amin'ny Ray satria Lehibe ny Ray noho ny Zanaka.

ary miovaova be ange ianao izany e! eto indray ianao izao mahatakatra tsara fa ny Ray ilay (A)ndriamanitra > (strictement superieur) an'ilay Zanaka (na ny Teny) ary izany mihitsy no fahamarinana ao amin'ny Baiboly izay mifanipaka amin'ny fotom-pinoana trinité. Nefa hoy ianao etsy ambony:

Teny=Andriamanitra dia midika izany fa Kristy = Andriamanitrra


Hoy ihany ianao :

Saingy tsy afaka hiasa irery ny Ray fa raha tsy eo ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tsy fantako aloha hoe izany ve no fahamarinana hampitaina aminareo, fa mampieritreritra ny mandinika hoe iza ary no naman'i Jehovah (Ray ilay Andriamanitra) rehefa namorona na niteraka an'i Jesosy izy? Ho nisy ve izao rehetra izao raha tsy afaka niasa irery izy?
"i Jehovah no namorona AHY (Jesosy) ho fiandohan'ny asa famoronany, ho voalohany indrindra amin'ny zava-bitany fahiny... Mbola tsy nisy ny tendrombohitra, ary mbola tsy nisy ny havoana dia efa NATERAKA AHO" (Ohabolana 8:22-30)

54. Mpanazava ( 06/07/2010 05:50)
Hoy iKaretsaka

Hifandinika araka ny voalazan'ny baioly hono!
Ka le baiboly aza efa fantatra fa tsy mitovy sy bedebe ny novaina mba hampifandraika azy @ le fivavahana voizina ko

Izany tokoa no nitranga raha vao maty ireo apostoly izany hoe ilay fivadiam-pinoana voambara mialoha. Soa ihany fa tsy navelan'Andriamanitra hitohy izany fa nasainy novahan'i Daniela amin'izay ny tombokase amin'ilay horonamboky amin'izao androntsika izao ka miroborobo be ny fahamarinana ary averina amin'ny laoniny toy ny tamin'ny voalohany ny soratra masina.
55. boraingy ( 06/07/2010 08:17)
Tsy miova ny hevitro ry Mpanazava

Voatana daholo ny hoe Teny = Andriamanitra =Zanaka tonga nofo = Fanahy Masina: Tsy misy miasa irery ireo na iray aza fa miara-miasa. Ny maha-samihafa azy hoy aho dia ny hoe ny Ray enveloppe no sady ao anaty. Izay lazain'ny Ray no ambaran'ny Zanaka amin'ny alalan'ny Fanahy Masina satria Izy no antom-pisiana. Ny Zanaka sy ny Fanahy Masina dia Fitaovana enti-mampita fa tsy manana hevitra hafa noho ny Ray. Tsy manana hevitra mahaleotena Izy fa tsy misy raha tsy ny Ray no ao Aminy. Ka inona no tsy maha-iray ny Trinité, izany hoe Azy rehetra?

Ary raha mbola hitarina lavitra aza dia hoe: Marobe ireo olona izay iasan'ny Fanahy Masina izay manambara hatrany ny hafatry ny Ray tokony mbola hambarany ny taranaka faramandimby ankehitriny. Velona ao aminy ny Ray amin'izay fotoana izay. Ohatra marobe no voalaza amin'ny Salamo sy ny tantaran'ny olona miaraka amin'i Jehovah ao amin'ny Testamenta taloha (Abrahama, Mosesy, Jakoba, Josefa, sns...). Hamafisin'i Kristy sy ny Apostoly indray izany maha-Iray amin'ny Ray azy ireo izany ao amin'ny Testamenta vaovao.

Raha eo amin'ny lafiny hoe ambony sy ambany indray, dia hoy aho hoe tsy mitombona amin'Andriamanitra izany. Izany no nanambarana hoe izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany. Tsy misy ambony sy ambany izany. Raha niteny Kristy hoe hanao asa lehibe noho Izaho ianareo raha handeha Izy dia midika izany fa na isika tsirairay io aza mety hahavita be noho Kristy amin'ny asan'Andriamanitra.
Raha manazava ny sekely mitovy nomena ireo mpiasa niasa mandram-pahariva ny andro sy ireo izay vao tonga dia mitory io sekely io fa io Ilay Hazavana tokana iraisantsika amin'Andriamanitra ary tsy misy olona iray afaka ny hihoatra na hihena ao amin'Andriamanitra fa mitovy daholo satria izay no namoronan'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Dia tonga ilay Teny hoe ny havoana hahetry ary lemaka hototofana. Fanahy Iray iraisantsika rehetra io Sekely io ka izay mimenomenona fa tsy nahazo be dia azy ho azy ny azy fa tsy tia firaisana izy izany.

Ny tsy fahazoana ny Trinité no mahatonga ny fisarahan-kevitra amin'ny olona mpandinika ny Baiboly. Raha miteny hoe entité hafa Kristy fa tsy Iray amin'ny Ray dia diso. Raha miteny hoe entité hafa ny olona fa tsy Iray amin'ny Ray dia diso koa. Raha tsy izany dia tsy nampianarina ny vavaka nampianarin'ny Tompo hoe "Rainay izay any an-danitra". Iray ny Ray ary iray ao Aminy ny zanany rehetra, izay no sitrapony.





56. Mpanazava ( 09/07/2010 13:59)
Ny zavatra marina voalazanao sy mifanaraka amin'ny baiboly oloha dia ity:

Lehibe ny Ray noho ny Zanaka

Nahoana? Satria manamafy ny tenin'ny Jesosy hoe "ny Ray dia Lehibe noho Izaho" (Jaona 14:28) ny salamo 83:18 manao hoe "Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay avo indrindra ambonin'ny tany rehetra"
Rehefa hiaraha-manaiky ary fa tsy mitovy ny Ray sy ny zanaka, hojerentsika indray hoe miorina amin'ny soratra masina ve sa hevitr'olombelona ny filazanao hoe:

Andriamanitra =Zanaka tonga nofo = Fanahy Masina

Hoy ny hevitr'Andriamanitra ao amin'ny baiboly Protestant momba ny Matio 12:31,32 : "Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy ny titenenan-dratsy samy hafa rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenan-dratsy ny Fanahy masina. Ary na iza na iza manao teny hanohitra ny zana-kolona, dia HAHAZO famelan-keloka ihany, fa naiza na iza no miteny hanohitra ny fanahy masina dia TSY MBA HAHAZO famelan-keloka , na amin'izao fiainana izao na amin'ny ho avy"
Tokony ho tonga saina ary isika hoe, raha Andriamanitra ny Fanahy Masina dia tsy ho marina ny hoe Telo izay iray Andriamanitra satria toa lehibe noho ny Zanaka eto ny Fanahy Masina izay mifanohitra tanteraka amin'io citation eo ambony io sy ny fampianarana trinité.


Ny Zanaka dia Fitaovana enti-mampita fa tsy manana hevitra hafa noho ny Ray.

Ahoana tsara an!! hoy mihitsy i Jesosy :"Raiko ô, raha sitrakao dia esory amiko ity kapoaka ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no atao fa ny Anao" (Lioka 22:42) Mampanontany tena ihany hoe miorina amin'ny soratra masina ve ny zavatra lazainao!! Eto manko Jesosy toa manana hevitra hafa fa nisafidy sy nankato hatrany ny hevitrin'ny Rainy

Tsy manana hevitra mahaleotena Izy fa tsy misy raha tsy ny Ray no ao Aminy Ka inona no tsy maha-iray ny Trinité, izany hoe Azy rehetra?

Voaporofo araka ny soratra masina ary fa manana hevitra mahaleo tena izy ka ahoana?

Teo ampialana aina dia niantsoantso toy izao i Jesosy: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô nahoana no dia mahafoy Ahy ianao" (Marka 15:34)
Niantsoantso an'iza ary i Jesosy? Ny olona mihevi-tena ho Andriamanitra ve dia hiantsoantso hoe "Andriamanitro ô"? Ary raha Andriamanitra i Jesosy, nafoin'iza moa izy? Ny tenany ihany ve? dia hisy heviny ve izany? Azo antoka ary fa tsy nihevitra ny tenany ho Andriamanitra izy.


Raha eo amin'ny lafiny hoe ambony sy ambany indray, dia hoy aho hoe tsy mitombona amin'Andriamanitra izany. Izany no nanambarana hoe izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany. Tsy misy ambony sy ambany izany.


amin'ny lafiny rehetra ve? (ohatra ny haja, voninahitra, dera...) fantatrao tsara ve ny zava-nisy nahatonga ireo teny ireo nolazaina?
Kay ve ka afaka ny ho ambony noho Jehovah sy Jesosy izany ianao an!

Ny tsy fahazoana ny Trinité no mahatonga ny fisarahan-kevitra amin'ny olona mpandinika ny Baiboly.

Misaran-kevitra tokoa na dia ireo samy manohana ny trinité aza. Samy milaza mahazo ny hevitr'izy io anefa ny mpino azy io na dia tsy mitovy fomba fanazavana aza. Hita hoe tena misafotofoto. Ny teny hoe trinite koa amin'io tsy ao anaty baiboly. Izany dia manaporofo fa TSY TELO IZAY IRAY ANDRIAMANITRA. "Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fisafotofotoana" (1 Kor 14:33)





57. Miharena ( 09/07/2010 15:07)
Lava tokoa ny fanazavana nataon'i Mpanazava momba ny tsy fisian'ny Trinité.

Raha mijery ny fijerinao aho anefa dia mahita fa misy tsy azonao angamba ny tiana lazaina momba ilay ambony sy ambany sy ny momba ilay hoe famelan-keloka.

Raha diso mitodika loatra avy ety ivelany ny fitsarana ny olona iray dia mitombina avokoa ny hevitr'i Mpanazava rehetra eo ambony ireo.

Voalaza eo ambony
Raha eo amin'ny lafiny hoe ambony sy ambany indray, dia hoy aho hoe tsy mitombona amin'Andriamanitra izany. Izany no nanambarana hoe izay voalohany no ho farany ary izay farany no ho voalohany. Tsy misy ambony sy ambany izany.


amin'ny lafiny rehetra ve? (ohatra ny haja, voninahitra, dera...) fantatrao tsara ve ny zava-nisy nahatonga ireo teny ireo nolazaina?
Kay ve ka afaka ny ho ambony noho Jehovah sy Jesosy izany ianao an!


Lafiny rehetra no azo ilazàna io resaka io satria tsy ho avy ireo teny hoe ny tendrombohitra haetry sy ny havoana hototofana io raha tsy izay no sitrapon'Andriamanitra. Tsy ho ambony velively noho Andriamanitra akory ny olona iray satria loham-paingotra ao anaty galaxie iray manontolo. Saingy eo imason'Andriamanitra izy dia manan-danja noho ny anakandriamasoNy satria manana conscience sy nataony araka ny endriny.

Teo ampialana aina dia niantsoantso toy izao i Jesosy: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô nahoana no dia mahafoy Ahy ianao" (Marka 15:34)
Niantsoantso an'iza ary i Jesosy? Ny olona mihevi-tena ho Andriamanitra ve dia hiantsoantso hoe "Andriamanitro ô"? Ary raha Andriamanitra i Jesosy, nafoin'iza moa izy? Ny tenany ihany ve? dia hisy heviny ve izany? Azo antoka ary fa tsy nihevitra ny tenany ho Andriamanitra izy.


Mahaleotena hoy ianao no filaza an'i Jesosy eto raha niteny io teny io Izy teo am-pialana aina. Henjana ny fanasarahanao Azy sy ny Ray raha izany. Raha mijery io teny io ianao (Andriamanitro ô, Andriamanitro ô nahoana no dia mahafoy Ahy ianao") dia ao amin'y Salamo koa io teny io. Misy tsy ampy ny filazana ao amin'i Marka fa ny Teny nataon'i Jesosy dia ny fitanisana ny Salamo.
Raha tsy nilaza ny tenany ho Andriamanitra Izy dia tsy nohombohan'ny olona tamin'ny hazo fijaliana.

Ny Trinité dia tsy tohanana ara-kevitra fa fomba fiasan'Andriamanitra mety hanazava ny zava-miseho rehetra eto an-tany sy any an-danitra sy ny fomba fisainan'Andriamanitra.

Inona avy ary no mampisafotofoto ny Trinité aminao? Tsy i Jesosy ve no niteny hoe amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?

Ary raha mandinika ny fandaharan-kevitra ataon'i Mpanazava aho dia fanina satria ny Teny ao anaty Baiboly ihany no toa ampifanipahana ny fijery azy fa tsy mirindra mihitsy.

Io no anisan'ny tsy mampitovy tadin-dokanga ny Kristiana maro be samy manao izay saim-pantany. Indrindra moa ka raha tsy mandalina tsara ny zava-drehetra izy fa mitsimpona fotsiny ihany.
58. fhmr ( 11/07/2010 09:55)
Ny zvt tsara iombonana aloha araka ny tsapako dia mino an'i Jesosy daoul eto na protestanta izy na katolika na tj na ny silamo koa aza mino.... kanefa tena lasa discussion b ny identité an'i Jesosy. Tsy izany anefa no antodihany fa zavatra hafa: ny hamonjy ny taranak'olombelona satria voaozon'ny ota isika (zany hoe ny hanatanteraka ny mission nampanaovin' ny Ray azy). jaona 3: 16-17
Raha miverina any @ lasa isika ka toy ny hoe miaina miaraka @ reo apostoly, iza moa no nandraisan'izy reo an'i Jesosy? iza no namantaran'ny olona rehetra an'i Jesosy? Lay Andriamanitra tsitoha tonga nofo ve? sa ilay irak'Andriamanitra sy zanak'A/tra? Be dia be ny andinin-teny mamaly an'ireo. Ary na satana aza mahafantatra tsara an'i Jesosy ka nilaza ao @ Marka 3: 11 hoe "hianao no Zanak'Andriamanitra" jereo koa( marka 1:34). Mahafantatra an'i Jesosy tsara ny devoly sy ny fanahy maloto satria efa niara-niaina izy ireo tany an-danitra. (Ho an'izay mbola tsy mahafantatra dia anjely tsara nikomy no lasa devoly ary anisan'ny fianakavin'A/tra izy ireo taloha) Araka izany dia efa nahita an'i Jesosy koa izy ireo satria samy zanak'Andriamanitra tany an-danitra. I Jesosy dia nampiseho ny tenany foana ho iraka (jaona 8 :42), ho zanaka, ho mpanalalana amintsika amin'A/tra. Mariho tsara zay voalaza ao @ Jaona 5: 30 - 36. Misy heviny ve ireo andinin-teny ireo raha Jesosy ihany no Andriamanitra Tsitoha?
Raha Jesosy ihany no Andriamanitra, misy heviny ve ny vavaka izany nataony ao @ jaona toko 17 ohatra? Miresaka @ iza izy? mangataka @ iza izy? @ tenany ihany ve? dia mba ahoana ny fijerin'ny mpianany azy @ zany? Ary ahoana ny hevitrareo raha teo koa nareo nahita an'i Jesosy nivavaka? tadidinareo t@ batisan'i jesosy, nisy feo tany an-danitra: feon'iza? feon'iza ilay nanao hoe "Ity no zanako malalako izay sitrako"? Matio 3:17
Jereo koa @ Jaona 20: 17. Milaza mazava tsara io andininteny io fa MANANA ANDRIAMANITRA I JESOSY. Nolazainy mazava tao fa io Andriamaniny io no Andriamanintsika koa. Raha niresahan'i Jesosy an'izany ianao, mbola hikorontana ihany ve ny sainao mahakasika an' ny identité an'i Jesosy? jereo koa fa ref tonga tany an-danitra i Jesosy, mbola MANANA ANDRIAMANITRA KOA IZY, apokalypsy 3: 12
Jereo koa ny vavaka zay nataon'ny apostoly ao @ asan'ny apostoly 4:27-30, azonareo vakina mits lé vavaka iray manontolo e. Iza ndray Jesosy eo? tena ts omby eto ireo andinin-teny zay mampiseho mazava tsara ny identité an'i Jesosy. Tsara ny mampitaha fandikanteny maro ref mandinika baiboly, misy tokoa mantsy ny nanova sy ts menatra nanatsofoka andinin-teny ho fiarovana ny finoany. Tsy vao izao anefa zany no nisy fa vao maty ny apostoly d nirongatra ny fivadiham-pinoana. Koa mazotoa mandinika d ref mandondona aminareo reny iraky ny Tompo ireny dia henoy ihany izy ireny na ts hampidirina antrano aza ( mba hialana @ zé mety ho mpisandoka sy mpangalatra koa). Tsy ho voazava eto daol mants ny tsipiriany amin'io thème io no sady hafa iany koa ny conversation directe.
59. fhmr ( 11/07/2010 10:12)
hevitra sendra nandalo: REHEFA MATY VE JESOSY NANDRITRA NY 3 ANDRO, TSY NISY TSONY ZANY ANDRIAMANITRA NANDRITRA 3 ANDRO? toa hafahafa ihany sa?
Iza no nanangana azy t@ maty? valiny: asan'ny apostoly 2:32 hoy ny apostoly an (reo no akaiky indrindra t@ Jesosy) ary raha tohizana kely lay vakinteny dia eo @ tanana ankavanan'Andriamanitra izy ref niakatra tany an-danitra. Ny daniela 7: 13-14 koa dia mampiseho tsara fa i Jesosy ilay notendren'Andriamanitra ho mpanjaka hitondra ny zanak'olombelona. Hafa izy ary hafa ilay mpanome azy ilay fanjakana.
60. Miharena ( 12/07/2010 06:54)
Araka ny fanazavana nataon'i fhmr dia démonstration ny maha-samy hafa an'i Jesosy sy Andriamanitra hatrany no asesiny.

Ny teboka tokony hiaingana anefa dia ny iraka na Emanoela (Amintsika Andriamanitra) izay nahatonga an'i Jesosy ho nofo. Efa misy zava-dalina nohazavain'i Jaona momba ny Teny. Io no vontoatin'ny zavatra rehetra. Raha mijery avy ety ivelany isika dia mitombina avokoa ny demonstration nataon'i fhmr. Raha mijery ny anatin'i Jesosy indray isika (na manao dissection Azy izany) dia marina ny Teniny rehetra manao hoe : "Izaho sy ny Ray dia iray ihany" ary ny tian'Izireo Iray ireo hampitaina dia ny fampiraisana amin'ny Fanahy Masina izao rehetra izao (Ao ny Ray, ny Zanaka ary ny olona rehetra izay nampitany ny hafatra araka ny vavaka nataony hoe : tiako koa ireto mba ho iray ao amintsika izay Iray.

Fampiraisana no tanjona ary mila mahalala izany ny olon-drehetra izay mandinika ny soratra Masina fa tsy mampisaraka.

Ny rohy anatiny no hijerena ny zavatra rehetra dia voavaly avokoa ny fanontaniana mlampisalasala eo amin'ny Baiboly.
Matetika ireo fanotaniana mampisalasala ireo dia noho ny fomba fijery ivelany. Ohatra, raha nisy niteny ivelan'i Jesosy hoe ity no zanako malalako, Izy no henoy dia manambara fa ny olona manodidina dia tsy hino velively raha tsy misy porofo ivelany miseho toy izany hanekeny an'i Jesosy fa irak'Andriamanitra. Ny zava-nitranga tamin'io fotoana anefa raha mijery anatiny dia 'io dia ilay Feon'ny Fanahy Masina hain'ny olona henoina (= Ilay Teny izay tao amin'Andriamanitra). Izay ilay fiasan'Andriamanitra anatin'i Jesosy sy anatin'izay rehetra nihaino teo. Ny fandinihana ivelany eto dia manambara fa misaraka ny Ray sy ny Zanaka. Ny fandinihina anatiny anefa dia manambara ny Trinité miasa (Ny Ray Iray amin'i Jesosy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina = Telo tsy afa-misaraka manatanteraka asa iray izay manome feo iraisana).

Raha nilaza Jesosy hoe "tsy mahefa na inona na inona ianareo raha tsy miray amiko", dia midika izany fa ny mpino tsy miray ao amin'ny Fanahy Masina dia poakaty. Tsy afaka hanazava sy hanao interpretation ny Tenin'Andriamanitra akory izy ary tsy hahazo velively ny zava-dalina tiana hampitaina. Ireo ilay olona mijery ivelany rehefa mandinika ny Teny. Toa an'i Tomasy nilaza hoe "asehoy anay ny Ray dia ampy anay izay" ka gaga raha novalian'i Jesosy hoe "Efa teto aho hatrizay ka no tsy hitanao ny Ray ry Tomasy?". Vao mijery ivelany dia very toa an'i Tomasy isika olombelona ary tsy afaka ny hanazava ny fiasan'Andriamanitra ao amin'i Kristy velively. Jaona no nijery anatiny ka afaka nampipongatra ny fahazoan'olombelona ny fiasan'Andriamanitra Telo izay Iray.

Rehefa miasa ao anatin'ny olona ireo dia toa an'i Paoly ny rehetra ka hilaza hoe "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiko".

Dia manainga antsika handinika anatiny, ary raha izaho no anontaniana dia aleoko manoratra hitoetra tsara ny zava-drehetra toy izay hiady hevitra am-bava satria tsy ho ampy velively ny fotoana raha hampandroso olona izay tsy hahay hitondra ady hevitra miainga any amin'ny Fototra fa miainga any amin'ny fanontaniana mampiroaroa saina izay efa misy "préjugé hoe: ireto olona hatoniko ireto dia tsy mahalala fa izaho no mahalala ka hampiditra hafatra ho azy aho."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5165