Izay vokisana ihany no ho voky

1. niryna ( 18/02/2010 19:14)
Indraindray dia varimbariana amin'ity fiainana ity isika,tsy mahatsiaro an'ATra raha tsy misy zavatra mahazo,mety aza tsy miantso ny anarany akory raha tsy hoe andeha ihinankanina.Tonga ny alahady dia andeha hivavaka .Tsy misy maharatsy an'izany satria toy ny mi-charger ny telecel ihany io ,mila herintsaina,mila vatsimpanahy indray isika hoentina hiatrika ny herin'andro manaraka
Anjarantsika no mamoky ny fanahintsika amin'ny tenin'ATra,ny vavaka vao mifoha,ny fisaorana sy ny fiderana azy,anjarantsika no misaotra azy tsy tapaka ary mangataka aminy mba omeny ny fanahy masina hiaradia antsika.Rehefa mino azy fa apetrantsika ho tantanany ny ho avintsika dia tena mino tokoa fa tsy misalasala,izay ilay fiadananana no omeko anareo hoy ny tompo.

Ny vatantsika dia azo vokisana amin'ny sakafo maro ary dia voky,ny fa nahintsika koa dia toy izany,vokiso ny tenin'Atra izy mba ahafantatra ny tsara sy ny ratsy,mba ahafantatrafa ny miaraka aminy dia tsy atahotra na hanana ahiahy na dia mafy aza ny fiainana. Izay vokisanao ihany no ho voky ka aza avela andeha toy ny hila kiraro ny tenantsika fa vokiso ny vatana ary toa izany koa ny fanahy.Andramo anie e
(l) niryna
novalian'i niryna ny 15/04/2010 18:22
2. ikaretsaka ( 18/02/2010 22:18)
Misy teny izay manao hoe
"don't Pray when it rains when you didn't pray when it shined"
Visavisao
3. dadasy ( 19/02/2010 02:38)
ikaretsaka:

Misy teny izay manao hoe
"don't Pray when it rains when you didn't pray when it shined"
Visavisao



Tsy azoko ilay izy fa ampio fanazavana kely Ika a!
4. soanja ( 19/02/2010 02:44)
niryna:

Indraindray dia varimbariana amin'ity fiainana ity isika,tsy mahatsiaro an'ATra raha tsy misy zavatra mahazo,mety aza tsy miantso ny anarany akory raha tsy hoe andeha ihinankanina.Tonga ny alahady dia andeha hivavaka .Tsy misy maharatsy an'izany satria toy ny mi-charger ny telecel ihany io ,mila herintsaina,mila vatsimpanahy indray isika hoentina hiatrika ny herin'andro manaraka
Anjarantsika no mamoky ny fanahintsika amin'ny tenin'ATra,ny vavaka vao mifoha,ny fisaorana sy ny fiderana azy,anjarantsika no misaotra azy tsy tapaka ary mangataka aminy mba omeny ny fanahy masina hiaradia antsika.Rehefa mino azy fa apetrantsika ho tantanany ny ho avintsika dia tena mino tokoa fa tsy misalasala,izay ilay fiadananana no omeko anareo hoy ny tompo.

Ny vatantsika dia azo vokisana amin'ny sakafo maro ary dia voky,ny fa nahintsika koa dia toy izany,vokiso ny tenin'Atra izy mba ahafantatra ny tsara sy ny ratsy,mba ahafantatrafa ny miaraka aminy dia tsy atahotra na hanana ahiahy na dia mafy aza ny fiainana. Izay vokisanao ihany no ho voky ka aza avela andeha toy ny hila kiraro ny tenantsika fa vokiso ny vatana ary toa izany koa ny fanahy.Andramo anie e
(l) niryna


Misaotra an'i Nyrina nizara.

Ny amiko indray dia tena mifanohitra amin'io no tiako lazaina amin'ny hafa. Aza fenoana loatra teny sy soratra ny saina satria efa be ny tsy maintsy ampidirina sy mivoaka isanandro na amin'ny radio na tele na fianarana na asa.

Ny tena sakafo mahavoky ny fanahy dia ny fakana fotoana mangina na ao an-trano na any ivelany, indrindra any anaty natiora ka hafahanao manisy toerana ny Fanahy Masina hirotsaka moramora ao anaty! Isan'izany ny fanaovana sary hosodoko sy ny zavakanto isan-karazany.

Andriamanitra dia mitia sy mankafy ireo izay mahay midera amin'ny fampiasana ny talenta sy ny sikajy nomeny ho antsika tsirairay avy!


5. rakapy ( 19/02/2010 12:46)
Hoy I Niryna
,ny fa nahintsika koa dia toy izany,vokiso ny tenin'Atra izy mba ahafantatra ny tsara sy ny ratsy,mba ahafantatrafa ny miaraka aminy dia tsy atahotra na hanana ahiahy na dia mafy aza ny fiainana. Izay vokisanao ihany no ho voky ka aza avela andeha toy ny hila kiraro ny tenantsika fa vokiso ny vatana ary toa izany koa ny fanahy.Andramo anie e


Ilay mahatsiaro VOKY ve no tanjona sa ilay mahatsiaro fa tonga any @ tokony nilana azy tokoa ilay sakafo na ilay TENY ???

Maro mantsy ny xana sy mpino hafa no voky teny sy soratra nefa dia hita fa tsy tonga any @ ilay tokony ilana azy ilay izy.

Amiko dia TSY tokony HOVOKISANA ny olona iray, satria izy irery ihany no tokony hioty sy handrapaka izay tiany hamenona ny kibony sy ny fanahiny araka izay fotoana itiavany sy maha mety azy.



6. bor2lais ( 19/02/2010 13:51)
rakapy > ilay fomba hamokisana ange samy manana ny azy e ! Ao ny mamahan-tena ary ao koa ny fahanana. Ity faharoa ity izany no tsy dia azoazonao loatra raha ny fahazoako azy ! Misy tokoa aloha fotoana tsara hijanonan'ny famahanana fa zarina tsikelikely hamahan-tena ny tsi11.

Ny zava-dehibe amin'ilay hafatry niryna angamba dia ny fahatsiarovana fa mila vokisana ihany koa ny fanahy (fa tsy ny vatana ihany).

Eo indray dia arakaraky ny tsi11 : misy ny mazoto homana, misy ny manao "régime", fa ny mety manimba angamba dia ny "boulimie" sy ny "anorexie" ! :D

Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! :D
7. rakapy ( 19/02/2010 14:03)
Hoy i Bor2lais
Ny zava-dehibe amin'ilay hafatry niryna angamba dia ny fahatsiarovana fa mila vokisana ihany koa ny fanahy (fa tsy ny vatana ihany

Azoko tsara mihintsy ny tiany ambara ka!
Hoy i Bor2lais
Ity faharoa ity izany no tsy dia azoazonao loatra raha ny fahazoako azy ! Misy tokoa aloha fotoana tsara hijanonan'ny famahanana fa zarina tsikelikely hamahan-tena ny tsi11

Ilay fomba filaza hoe vokisana mihintsy no ohatra hafahafa. Toa mitovitovy @ ny hevitry ny hoe "Sesefana" ilay izy amiko. Tsy misy safidy na fiheritreretana firy fa dia vokisana.
Maro ny mpitory baiboly no maka sy manatateraka io fomba io ara-bakiteny ka na dia efa hita izao aza fa amin'ny fotoana tsy maha-mety azy ilay fitoriana dia asesika ihany satria mila vokisana hono ny fanahy.
Hoy i Rakapy
Amiko dia TSY tokony HOVOKISANA ny olona iray, satria izy irery ihany no tokony hioty sy handrapaka izay tiany hamenona ny kibony sy ny fanahiny araka izay fotoana itiavany sy maha mety azy


8. ravonjison ( 19/02/2010 14:08)
Ny ahy aloha ny fandhihizana no tena hitako mahavoky ny fanahiko.
Rehefa avy mandihy elaela aho tena hitako hoe : miramirana daholo ny saiko sy ny fanahiko.
9. rakapy ( 19/02/2010 14:26)
Hoy i Ravonjison
Ny ahy aloha ny fandhihizana no tena hitako mahavoky ny fanahiko.
Rehefa avy mandihy elaela aho tena hitako hoe : miramirana daholo ny saiko sy ny fanahiko.

Izay no nilazako hoe
satria izy irery ihany no tokony hioty sy handrapaka izay tiany hamenona ny kibony sy ny fanahiny araka izay fotoana itiavany sy maha mety azy.



10. ikaretsaka ( 19/02/2010 15:20)
soanja:


Indraindray dia varimbariana amin'ity fiainana ity isika,tsy mahatsiaro an'ATra raha tsy misy zavatra mahazo,mety aza tsy miantso ny anarany akory raha tsy hoe andeha ihinankanina.Tonga ny alahady dia andeha hivavaka .Tsy misy maharatsy an'izany satria toy ny mi-charger ny telecel ihany io ,mila herintsaina,mila vatsimpanahy indray isika hoentina hiatrika ny herin'andro manaraka
Anjarantsika no mamoky ny fanahintsika amin'ny tenin'ATra,ny vavaka vao mifoha,ny fisaorana sy ny fiderana azy,anjarantsika no misaotra azy tsy tapaka ary mangataka aminy mba omeny ny fanahy masina hiaradia antsika.Rehefa mino azy fa apetrantsika ho tantanany ny ho avintsika dia tena mino tokoa fa tsy misalasala,izay ilay fiadananana no omeko anareo hoy ny tompo.

Ny vatantsika dia azo vokisana amin'ny sakafo maro ary dia voky,ny fa nahintsika koa dia toy izany,vokiso ny tenin'Atra izy mba ahafantatra ny tsara sy ny ratsy,mba ahafantatrafa ny miaraka aminy dia tsy atahotra na hanana ahiahy na dia mafy aza ny fiainana. Izay vokisanao ihany no ho voky ka aza avela andeha toy ny hila kiraro ny tenantsika fa vokiso ny vatana ary toa izany koa ny fanahy.Andramo anie e
(l) niryna


Misaotra an'i Nyrina nizara.

Ny amiko indray dia tena mifanohitra amin'io no tiako lazaina amin'ny hafa. Aza fenoana loatra teny sy soratra ny saina satria efa be ny tsy maintsy ampidirina sy mivoaka isanandro na amin'ny radio na tele na fianarana na asa.

Ny tena sakafo mahavoky ny fanahy dia ny fakana fotoana mangina na ao an-trano na any ivelany, indrindra any anaty natiora ka hafahanao manisy toerana ny Fanahy Masina hirotsaka moramora ao anaty! Isan'izany ny fanaovana sary hosodoko sy ny zavakanto isan-karazany.

Andriamanitra dia mitia sy mankafy ireo izay mahay midera amin'ny fampiasana ny talenta sy ny sikajy nomeny ho antsika tsirairay avy!




Mitovy fijery tanteraka @ soanja


11. niryna ( 19/02/2010 20:19)
ikaretsaka:

Misy teny izay manao hoe
"don't Pray when it rains when you didn't pray when it shined"
Visavisao
izany ve ry ika tsy mifanohitra ny tenin'ATra?
Aza mitsahatra ny mivavaka no nampianarina anay.Na inona mitranga amin'ny fiainana dia misy antony avokoa izany ary ny fametrahanao ny fiainanao ho eo akaikiny be be kokoa no ahitanao ny fahasambarana sy fiadanantsaina.
[COLOR=BLUE]

[B] IN HAPPY MOMENT-PRAISE GOD
IN DIFFICULT MOMENT -SEEK GOD
IN QUIET MOMENT-WORSHIP GOD
IN PAINFUL MOMENT- TRUST GOD
IN EVERY MOMENT- THANK GOD[/B] [/COLOR]

[B] AZA MITSAHATRA NY MAHATSIARO NY ASAN'ATRA KA AMIN'NY .....[/B][COLOR=BLUE][B]

FIFALIANA- ASANDRATO NY ANARANY
FAHORIANA- TADIAVO IZY
FAHANGINANA- MIDERA NY ANARANY
FANGIRIFIRIANA-- MATOKIA AZY
FOTOANA REHETRA- MISAORA AZY[/B] [/COLOR]
[B]
HOBIO- -ZAHAO-HIVAVAO-ITOKIO-ISAORY NY ANARAN'I JEHOVAH [/B]
^:^ ^:^
12. niryna ( 19/02/2010 20:42)
soanja:

Misaotra an'i Nyrina nizara.

Ny amiko indray dia tena mifanohitra amin'io no tiako lazaina amin'ny hafa. Aza fenoana loatra teny sy soratra ny saina satria efa be ny tsy maintsy ampidirina sy mivoaka isanandro na amin'ny radio na tele na fianarana na asa.
Tsy misy fisaorana fa mahasoavae e

io lazainao io izy izany,ny fihainoana ny tenin'Atra isan'andro sy ny fampiharana azy amin'izay teny azontsika dia efa endrika iray ahafahantsika mizara ilay vatsy ho an'ny manodidina antsika. Izay misy ny harenao no misy ny fonao

Ny tena sakafo mahavoky ny fanahy dia ny fakana fotoana mangina na ao an-trano na any ivelany, indrindra any anaty natiora ka hafahanao manisy toerana ny Fanahy Masina hirotsaka moramora ao anaty! Isan'izany ny fanaovana sary hosodoko sy ny zavakanto isan-karazany.
soanja aza ampifangaroana ny fianarana zava-kanto sy ny famokisana ny fanahintsika amin'ny vatsim-panahy.
Tsara dia tsara tokoa ny mampiasa ny ati-doha amin'ny fianarana zavatra maro saingy hafa ilay hevitra hoe fahano ny fanahintsika.
Afaka mitady azy mangina tokoa isika ,miantso azy mba ho tonga ato amintsika ny fanahiny, azavao hoe izany fakana fotoana mangina indrindra any anaty natiora ka hafahanao manisy toerana ny Fanahy Masina hirotsaka moramora ao anaty izany ?


Andriamanitra dia mitia sy mankafy ireo izay mahay midera amin'ny fampiasana ny talenta sy ny sokajy nomeny ho antsika tsirairay avy!
miombokevitra aho amin'ny fampiasana ny talenta sy ny fahaizana izay nomeny antsika,toy ny fandraisana anjara ao am-piangonana amin'ny hira, ny fitendrena zava-maneno.Toy izany koa ny manodidina,afaka mampianatra maimaimpoana izay fahaizana nomeny antsika ny manodidina antsika koa isika ary izay fahasoavana nomeny antsika manokana ho an'ny mpiara-belona toy ny sera eto izao.
Andriamanitra dia tia antsika rehetra ny mpino azy na tsy mpino azy,ny fotoana hiantsoany ny tsi11 no tsy mitovy,ny olona ihany koa no tsy mitovy fa misy mifoha,mino sy manaiky ary resy lahatra ny fitiavany sy ny fahasoavany nomeny azy,misy kosa anefa e,e ny ataony ihany no ataony .:D


13. niryna ( 19/02/2010 20:57)
rakapy:

Ilay mahatsiaro VOKY ve no tanjona sa ilay mahatsiaro fa tonga any @ tokony nilana azy tokoa ilay sakafo na ilay TENY ???
raha noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy,raha noana ny fanahy dia matanjaka ny vatana fa ny fanahy tsy mahatohitra ilay hery izay fantatra fa mila toherina isan'andro isan'ora.Fiainana andavanan'andro io,ny fahatezerana,ny teny tsy voatandrina ka ahitandoza,ny fitenenandratsy,ny fo lonitra sy fankahalana,ny fahazaran-dratsy sns. Ny fametrahana ny fiainana,ny fivavahana alohan'ny vao hifoha isika ka mangataka ilay Ray nahary antsika mba hiaro antsika sy anome ny fanahy masina anohitra ireo zavatra maro ireo dia misy toerana sy lanja lehibe ho an'ny mpino rehetra,vavolombelona amin'izany ny tenako ka zaraiko izay tsy mahalala na manadino ny asan'ilay ATra anome vatsimpanahy antsika

Maro mantsy ny xana sy mpino hafa no voky teny sy soratra nefa dia hita fa tsy tonga any @ ilay tokony ilana azy ilay izy.
raha izay indray dia tsy mitovy hevitra isika roa,tsy ahy no hitsara izay olona manao fitarihana vato any amin'izay tsy tokony alehany,ny teniny hafa ,ny alehan'ny molony hafa.Ny ahy ny fiainako dia fenoko lafintsarany foana ,ny lafiratsiny avaloko any,eny misy tokoa fa rehefa zavatra tsara foana no mibahana ao anatintsika dia ho velombelombolo tokoa isika.Inona no tiako tenenina amin'izany: misy olona raha vao miteny ny vavany dia mahita zavatra hitsaraina na anasoketana olona foana izy,tsy mankahery fa vao maika mampivalapetraka ilay olona.Fantatrao angamba ny tiako tenenina.Antsany fotsiny ny rano amin'ny vera hoy ny fiteny ny hafa,ny sasany kosa anefa mijery fa antsasany no tsy nahafeno ilay rano amin'ny vera .. fotsiny dia efa mampihova ilay hevitra sy ilay teny tiana ho tenenina. Jereo amin'ny lafintsarany foana anie ny olona manodidina antsika e dia ho fantatrao ny tiako ho tenenina :D
[quote

Amiko dia TSY tokony HOVOKISANA ny olona iray, satria izy irery ihany no tokony hioty sy handrapaka izay tiany hamenona ny kibony sy ny fanahiny araka izay fotoana itiavany sy maha mety azy.
[/quote] marina tanteraka izany,hianao no mandray ny sotrokely,hianao no mandrapaka ny sakafo ao ambava. Amjaranao no misafidy izay mahasoa ny vatanao sy ny fanahinao


14. niryna ( 19/02/2010 20:59)
bor2lais:

rakapy > ilay fomba hamokisana ange samy manana ny azy e ! Ao ny mamahan-tena ary ao koa ny fahanana. Ity faharoa ity izany no tsy dia azoazonao loatra raha ny fahazoako azy ! Misy tokoa aloha fotoana tsara hijanonan'ny famahanana fa zarina tsikelikely hamahan-tena ny tsi11.

Ny zava-dehibe amin'ilay hafatry niryna angamba dia ny fahatsiarovana fa mila vokisana ihany koa ny fanahy (fa tsy ny vatana ihany).

Eo indray dia arakaraky ny tsi11 : misy ny mazoto homana, misy ny manao "régime", fa ny mety manimba angamba dia ny "boulimie" sy ny "anorexie" ! :D

Fomba fijeriko ihany anefa izay a ! :D



=D> =D> ^:^
15. niryna ( 19/02/2010 21:08)
Hoy i Bor2lais
Ny zava-dehibe amin'ilay hafatry niryna angamba dia ny fahatsiarovana fa mila vokisana ihany koa ny fanahy (fa tsy ny vatana ihany
rakapy:

Azoko tsara mihintsy ny tiany ambara ka!

Hoy i Bor2lais
Ity faharoa ity izany no tsy dia azoazonao loatra raha ny fahazoako azy ! Misy tokoa aloha fotoana tsara hijanonan'ny famahanana fa zarina tsikelikely hamahan-tena ny tsi11
rakapy:

Ilay fomba filaza hoe vokisana mihintsy no ohatra hafahafa. Toa mitovitovy @ ny hevitry ny hoe "Sesefana" ilay izy amiko. Tsy misy safidy na fiheritreretana firy fa dia vokisana.
esory aza ilay teny hoe vokisana raha tsy azoazonao e izay misy ny harenao no misy ny fonao,na izay misy ny fonao any no misy ny harenao manao ahoana izay :D

Maro ny mpitory baiboly no maka sy manatateraka io fomba io ara-bakiteny ka na dia efa hita izao aza fa amin'ny fotoana tsy maha-mety azy ilay fitoriana dia asesika ihany satria mila vokisana hono ny fanahy.
dia izay tandrifinao alaina rakapy a,rehefa mangetaheta tokoa isika na adin'ny dimy aza mihaino ny mpitoriteny dia eo tokoa ka,fa rehefa tsy any mihitsy ilay torina sy tsy mifanaraka ny zava-miseho amintsika dia matory isika aza no mety hitranga na mijery ora tokoa ka.
Jereo amin'ny lafiny tsara foana hoy aho ny olona manodidina anao,aza asiana fanakianana anie e,izy kosa aloha ....ny zavatra tsara ataony foana jerena raha tsy ho hitanao ny mahasamihafa anao teo sy amin'izao fotoana izao e,ataovy ny andrana :D



16. soanja ( 19/02/2010 23:35)
niryna:


[ soanja aza ampifangaroana ny fianarana zava-kanto sy ny famokisana ny fanahintsika amin'ny vatsim-panahy.

Tsara dia tsara tokoa ny mampiasa ny ati-doha amin'ny fianarana zavatra maro saingy hafa ilay hevitra hoe fahano ny fanahintsika.



Amiko dia azo ampifangaroana tsara ny fiainana andavanandro sy ny asan'ny fanahy na ny fiainam-panahy. Tsy hoe any ampiangonana ihany ianao na eo manoloana ny baiboly na mihaino ny toriteny lavareny amin'ny Radio ataon-dry pasitera sy ny hafa maro no mamatsy sakafo ny fanahy fa ny tena sakafom-panahy dia ny filaminan-tsainao miasa sy mandavorary ilay asan'ny Fanahy ao anatinao. Sady mamelona izay efa ao Izy no mandavorary ny fitakiana mba iasany ety ivelany. Izay tsy inona fa ny fitoniana sy fahafahana mahatsapa ny fanahy lalina any anaty.

Rehefa mihazakazaka aho ka any anaty natiora dia tena hitako mihitsy fa lafatra ny sakafom-panahiko satria miala avy eo aho dia mahiratra miatrika fiainan-tsarotra.

Omeko toerana malalaka ny Fanahy Masina hirotsaka ary itoetra ao amiko, tsy avy amin'ny alalan'ny teny avy ety ivelany misesika , fa avy amin'ny alalan'ny aingam-panahy any anaty mivoitra maka toerana ho tsapa akaiky ka hanomezako vokatsoa ho an'ny hafa amin'ny fiainako.


17. rakapy ( 20/02/2010 07:35)
Niryna> ny baolina sy ny pneu-na tamabila hono no VOKISANA :-D :-D
18. soanja ( 20/02/2010 17:03)
rakapy:

Niryna> ny baolina sy ny pneu-na tamabila hono no VOKISANA :-D :-D

Misy fiten'ny Malagasy izay koe hoe" Voky maraina toy ny zanakisoa ndeha hamidy." hany ka mipenipenina ilay biby.


19. ikaretsaka ( 20/02/2010 18:31)
Zay mantsy
20. rahery08 ( 22/02/2010 10:13)
Soanja>>

Soanja ah! sao dia mba very @ izany hevitrao izany ianao! fanahin devoly anie marobe ary mety mitoetra ao à olona eh! fampiananrana avi aany à kelimaso any manko zao no fahalalako izany hevitrao izany, fa aza dia matoky loatra izany fa aleo mitady ny Fanahy Masin'Atra @ firaisana @Atra! any à Fiangonan'Atra,
Mazotoa fa izay mitady no mahita, izay manadondona no vahana, izay mangataka no mahazo!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2922