Izay vokisana ihany no ho voky

21. rahery08 ( 22/02/2010 10:18)
Soanja>>

Soanja ah! sao dia mba very @ izany hevitrao izany ianao! fanahin devoly anie marobe ary mety mitoetra ao à olona eh! fampiananrana avi aany à kelimaso any manko zao no fahalalako izany hevitrao izany, fa aza dia matoky loatra izany fa aleo mitady ny Fanahy Masin'Atra @ firaisana @Atra! any à Fiangonan'Atra,
Mazotoa fa izay mitady no mahita, izay manadondona no vahana, izay mangataka no mahazo!


22. rakapy ( 22/02/2010 10:51)
Hoy rahery08
fampiananrana avi aany à kelimaso any manko zao no fahalalako izany hevitrao izany, fa aza dia matoky loatra izany

Mbola hamaly eto angamba i Soanja fa somary manararaotra kely fotsiny ny tenako.
Ilay fomba fiteny hoe kelimaso aloha dia mitory fanavakavahana raha ny fahitako azy. Ataoko fa tsy misy finona tonga lafatra eto ambonin'ny tany, eny fa na dia io kristianisma arahinao sy lalainao io aza.
Maro ny olona no mitsipona izay zavatra tsara avy ao anaty ny finoana isan-karany ka amoronany ny finoany satria hita fa tsy ampy na koa tsy madeha amin'ny laoniny ilay finona fototra.
Hoy Rahery08
fa aleo mitady ny Fanahy Masin'Atra @ firaisana @Atra! any à Fiangonan'Atra

Fa fiangonana inona na iza marina ilay fiangonan'A/tra tinao ho lazaina???
Hoy i Rahery08
Mazotoa fa izay mitady no mahita, izay manadondona no vahana, izay mangataka no mahazo!

Izay mihintsy no mahadiso ity lohahevitra ity. Tsy tokony hovokisana ny olona fa izay noana sy mangetaheta ka mangataka no omena.
23. rahery08 ( 22/02/2010 11:35)
Rakapy
24. rakapy ( 22/02/2010 11:44)
Hoy i rahery08
Nanao Kung-Fu aho ary fantatro ny tian'Soanja ho lazaina


Ny kung-fu aloha dia tsy finoana fa martial art. Tsy noho izy maka sy mampihatra ny concentration sy meditation akory no ilazana fa religion ny kung-fu.
Hoy i Rahery08
tsy misy fiainana, na fahasambarana, na fiadanana, ivelan Jesoa Kristy!

Araka ny fihevitrao manokana sy ny kristiana tsy afaka mivelatra ara-tsaina izany. Fa maro tokoa ny fiainana, fahasambarana ary fiadanana ivelan'i jesosy kristy.
25. rahery08 ( 22/02/2010 12:43)
Aoka rakapy!!!
Sao dia ho very @zany koa Rakapy!
26. rakapy ( 22/02/2010 13:13)
Aoka rakapy!!!
Sao dia ho very @zany koa Rakapy!

Very @ ahoana ary? Ianao ve efa sur fa ho any amparadisa miaraka @ jesosy ?
27. Mirananirina ( 22/02/2010 13:38)
Izay voky maharaka ny namany,ka dia vokiso daholo ny olona haharaka ny namany :)
28. rakapy ( 22/02/2010 13:46)
Voky izy dia natory :-D :-D :-D
29. Mirananirina ( 22/02/2010 14:45)
Voky izy dia natory
natory dia tsy nifoha,lainga be :-D :-D :-D
30. rakapy ( 22/02/2010 15:17)
natory dia tsy nifoha,lainga be

Nifoha ihany aky ry Mirana fa narary kibo fa voky loatra a! :-D :-D :-D
31. soanja ( 22/02/2010 15:30)
rahery08:

Soanja>>

Soanja ah! sao dia mba very @ izany hevitrao izany ianao! fanahin devoly anie marobe ary mety mitoetra ao à olona eh! fampiananrana avi aany à kelimaso any manko zao no fahalalako izany hevitrao izany, fa aza dia matoky loatra izany fa aleo mitady ny Fanahy Masin'Atra @ firaisana @Atra! any à Fiangonan'Atra,
Mazotoa fa izay mitady no mahita, izay manadondona no vahana, izay mangataka no mahazo!





Misy fiteny izay ry Hery hoe " Tsy izay mivenjivenjy rehetra akory no very" koa aza manahy ianao fa tsy mahalala akory ary tsy matahotra akory ny atao hoe fahaverezana aho satria fantatro ny momba ahy. Hitako ery ambany ny resaka kung-fu. Miankina amin'izay fanaovana/ fomba /finoana kung-fu ataonao ihany io aloha fa raha ny kung-fu fantatro dia manampy tokoa ny olona iray hatanjaka ara-tsaina, indrindra ara-batana ary tsy ferana ny filaminan'ny fanahy manoloana izany.

Ny saina matsilo sy ny vatana salama sy matanjaka no isan'ny hilaminan'ny fanahy hikatsaka ny Fanahy Masina amiko. Raha mbola osa ireo dia voafetra ny filaminan'ny fanahy ary betsaka ny hanaonao foana amin'ny fandraisany ny finoany ampitoniana.

Raha izay fanahin'i devoly indray no resahinao dia aza manahy ny amiko fa tsy misy io amiko fa dia ny fanahy rehetra dia samy manana ny antokotokony avy. Ianao io dia fanahy iray mandehandeha ary ny tenako dia toy izany koa ary isika dia Fanahy miaina ny lalan'ny tany mifandray amin'ny Fanahy Masina, izay tsy avy aiza fa avy amin'Andriamanitra. Zany fiangonana izany dia mbola isan'ny lalan'ny tany. Ny natiora dia isany koa ary ny hafa maro ifandraisana amin'Andriamanitra dia lalan'ny tany avokoa.

Tsy voafetra ny fifandraisana amin'Andriamanitra ary tsy misy hoe finoana na fiangonana izao sy izao avy fa dia Andriamanitra dia iray ihany no imatimatesantsika rehetra na kelimaso na bemaso izay mino an'Andriamanitra ary heveriko fa tsy manana anarana raikitra Izy hoe ianona na dia iray aza ny momba azy!

Misaotra an-dRakapy nanome ny sikajiny fa izay tokoa no fiheverako ny momba ny hevitra misy.


32. rahery08 ( 22/02/2010 16:45)
Rakapy >>

Izao no voalaza Rakapy:

« Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. » (Jaona 6:37)
« Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. » (Jaona 6:38)
« Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. » (Jaona 6:39)

Matoky Azy aho ry Ise ah !


33. ikaretsaka ( 22/02/2010 17:15)
Tadidio koa rahery fa tsy ny famerenana izay voalaza no mahavonjy fa ny fahitanao ny momba anao manokana koa. Tsy nisy rahateo sy afaka namaritra nanahalala na mahalala hoe itsy sy iroa aby no voavonjy. Aza adino fa na I Paoy aza anie Ohatratsy hay voe aiza na aiza no misy azy hatr@ za satria tsy niverina lery nilaza hoe aty zahako na arokatra e..... I Maria aloha izao no assure sy I jesoa nilaza hoe ary no misy azy @ ilay fiainana ho avy...ny sisa tsy mbola hay..
Ka tsitra ihany ny lazaiko hoe aza mitompo teny fatratra dia aza gaga raha mahita "tsy hoatranareo' lasa lavitra mihoatra anareo any @ fiainana ankoatran'ity fiainana ity
34. rakapy ( 22/02/2010 17:21)
Hoy Rahery08
Matoky Azy aho ry Ise ah !


Tsara be raha mahatoky azy ianao. Nefa tsy ny rehetra no mahatoky ny itokisanao. Araka ny efa naverimberiko matetika dia toy ny company fitanterana ihany ny finoana isan-karazany, fa ny toerana aleha iray ihany.
Ao ny milaza fa ny company-ny no manana fiara haingam-pandeha sy tsara. Ao koa ny milaza fa ny azy no mora. Misy aza milaza fa ny azy irery no tonga any @ ilay toerana.
Fa rehefa fantatrao ny lalana sy ny direction tianao aleha, na dia handeha tongotra aza ianao dia ho tonga any ihany.
35. rahery08 ( 22/02/2010 17:54)
Rakapy >>

Izao ihany koa no voalaza:
« Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. » (Ohabolana 21:2)

Tokana ihany ny marina !
Tokana ihany koa ny lalana mankany @Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ao @Jesosy ihany!


36. rakapy ( 22/02/2010 19:20)
Hoy Rahery08
Tokana ihany ny marina !
Tokana ihany koa ny lalana mankany @Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ao @Jesosy ihany

Eny e ! tsy omena tsiny ianao raha izay ihany no lalana hitanao sy fantatrao.
37. AndriambyII ( 22/02/2010 20:00)
rahery08:

Rakapy >>

Izao ihany koa no voalaza:
« Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. » (Ohabolana 21:2)

Tokana ihany ny marina !
Tokana ihany koa ny lalana mankany @Andriamanitra dia tsy misy afa-tsy ao @Jesosy ihany!






8O 8O
38. rahery08 ( 23/02/2010 04:34)
Rakapy>>

ô Rakapy ah! raha nisy lalana hafa, dia tsy nanolotra ny ainy teo @ hazo fijaliana Kristy ho fanavotana antsika!!!

Soanja ah! efa nahavoa ahy ny Kung-fu, fa ny fanahin'Adriamanitra izay ao @ Kristy dia tsy ao @ izany Kung-fu izany !!!
Dia eny mbola tsy tafiditra lalina dia miverena fa tsy misy fiainana, tsy misy fifaliana, tsy misy fiadanana ao @ Kung-fu
39. soanja ( 23/02/2010 04:51)
rahery08:

Rakapy>>

ô Rakapy ah! raha nisy lalana hafa, dia tsy nanolotra ny ainy teo @ hazo fijaliana Kristy ho fanavotana antsika!!!

Soanja ah! efa nahavoa ahy ny Kung-fu, fa ny fanahin'Adriamanitra izay ao @ Kristy dia tsy ao @ izany Kung-fu izany !!!
Dia eny mbola tsy tafiditra lalina dia miverena fa tsy misy fiainana, tsy misy fifaliana, tsy misy fiadanana ao @ Kung-fu


Ka iza no nilaza taminao izany Kung-fu zany moa fa ianao no nampiditra azy teto, izay heveriko fa mampihomehy ahy satria ianao no mahalala izay niainana tao sy ny hevitra entiny.

Ianao ihany no mahalala izay mety amin'ny fanahinao fa tsy ny hafa velively akory. Raha ratsy aminao ny Kongona dia io anefa mety ho tsara amin'ny hafa. Aza heverina lalandava fa ny anao ihany no marina fa ny marina dia misandrahaka ary tsy hita pesipesenina ny voninahintr'Andriamanitra. Na any ampanaovana zavatra iray faran'izay heverin'ny olombelona hoe ratsy aza ny olona iray ka mahita fahazavana sy mihaona amin'Andriamanitra dia aoka hoy aho fa izay no sakafom-panahy mahasoa ho azy.

Aza sesefana ny Fanahy, indrindra raha tsy ny avy ao anaty no mitaky izany. Fa n'inona n'inona hevitra entina/ hetsika/ fanehoana / asa atao ampitiavana dia mitory an'Andriamanitra avokoa raha mahasoa ny tenanao sy mpiarabelona aminao ary ny tany mitondra anao. Sakafom-panahy tokoa izay tsapa eo.


40. soanja ( 23/02/2010 04:56)
rahery08:

fa ny fanahin'Adriamanitra izay ao @ Kristy


Ny fanahin'Andriamanitra dia tsy ao amin'ny Kristy irery ihany fa manerana ny tontolo nomeny antsika iriariavantsika ampitiavana. Andriamanitra dia fitiavana.
Na tsy mahalala an'i Kristy aza ry zareo indianina any Amazonie ohatra dia ao aminy tsara ny fanahin'Andriamanitra satria fitiavana no ifandraisany na amin'ny tenany, namany ary ny tontolo iainany.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081