Izay vokisana ihany no ho voky

41. ikaretsaka ( 23/02/2010 12:52)
Izay mantsy... sady tsy fanahin'Atra fotsiny no ao @ kristy raha mino ny trinite masina ianao sy ny vatana mistika fa Atra mihitsy (@ alalaNY sy miaraka Aminy ary ao aminy hoy ny kanto @ io)
42. niryna ( 24/02/2010 04:44)
niryna:


soanja aza ampifangaroana ny fianarana zava-kanto sy ny famokisana ny fanahintsika amin'ny vatsim-panahy.

Tsara dia tsara tokoa ny mampiasa ny ati-doha amin'ny fianarana zavatra maro saingy hafa ilay hevitra hoe fahano ny fanahintsika.

soanja:


Amiko dia azo ampifangaroana tsara ny fiainana andavanandro sy ny asan'ny fanahy na ny fiainam-panahy.
asan'ny fanahy sy fiainampanahy ahoana izany ? misaotra mialoha.
Ny fanahy dia tsy tongatonga foana raha tsy mino an'ilay naniraka Azy,i kristy izany,ka raha toa ka ampifangaroana amin'ny atra hafa izy dia tsy ho tonga ao anatintsika velively ,izany no antony hitadiavana azy.
Tsy afaka anompo roa isika fa na ny iray ho alantsika ary ny iray ho tiantsika.

Eo indrindra no olana misy amin'ny fiainantsika: misy sady mivavaka amin'Atra no manompo sampy na manao sikidy na manana atra hafa,na manao fanafody isarihana ny mpividy(ody varotra ahitsiho fa tsy fantatro ny filaza azy sns ) : na ny vola aza no ataontsika ambony no Atra dia efa atra hafa koa izay an

Tsy hoe any ampiangonana ihany ianao na eo manoloana ny baiboly na mihaino ny toriteny lavareny amin'ny Radio ataon-dry pasitera sy ny hafa maro no mamatsy sakafo ny fanahy
hay va re e !:D
fa ny tena sakafom-panahy dia ny filaminan-tsainao miasa sy mandavorary ilay asan'ny Fanahy ao anatinao.
amin'ny fomba ahoana? tsy tonga ho azy ao io hoy aho raha tsy mino azy dia ny finoana an'i kristy izany.Ny fametrahana ny fiainana ho eo am-pelantanany irery tsy misy fangarao ny mpanome ny fiadanantsaina dia iray ihany ,ilay ATra nanome izany antsika.Rehefa manana fahatokisana aminy isika amin'ny fiainana rehetra
Sady mamelona izay efa ao Izy no mandavorary ny fitakiana mba iasany ety ivelany.
raha manana azy(fanahy masina ) dia mety hitombona izany.Mora anefa no ahazoantsika ilay fanahy masina izay miasa ,miaraka,mampianatra,manitsy,mitari-dalana,manoro ny mety sy ny tsy mety amin'ny fiainantsika- miaraka an'ireo izay manana an'i kristy izy-tsotra fotsiny ,tadiavo izy ,vohay ny varavaran'ny fo,araho ny teny ao amin'ny soratra masina fa tsy misy lainga izay teny nolazaina ao.

Raha toerina kosa anefa izany ka lazaina fa tsy ao anatin'ny baiboly ireny na hoe kristy nalain'ny devoly fanahy tany anefitra kanefa lazaina fa tsy misy ilay devoly na ny asan'i satana dia mazava ho azy fa raha manonona ny tenantsika ho kristiana isika kanefa tsy mino ny teny izay nampitondrainy dia tsy ho tonga ao amintsika velively ilay fanahin'Atra

Izay tsy inona fa ny fitoniana sy fahafahana mahatsapa ny fanahy lalina any anaty.
amin'ny fomba ahoana ary mahafantatra ve ilay olona fa fanahin'Atra no miaraka aminy sa fanahy hafa ? eny tokony ahafantatra izy satria na miaraka amin'i kristy na tsy miaraka aminy fa tsy afaka ny anao hoe miaraka dia manao zavatra hafa aho -hevitro io ary voalazan'ny baiboly fa tsy misy afaka ny anompo roa isika .

Rehefa mihazakazaka aho ka any anaty natiora dia tena hitako mihitsy fa lafatra ny sakafom-panahiko satria miala avy eo aho dia mahiratra miatrika fiainan-tsarotra.
hay va re e,misaotra nizara.nihazakazaka tao anatin'ny natiora izany hianao dia nanao inona ? mba afaka mizara ve hianao e

Omeko toerana malalaka ny Fanahy Masina hirotsaka ary itoetra ao amiko, tsy avy amin'ny alalan'ny teny avy ety ivelany misesika
mety ho tonga ao amintsika izy raha mino ny teny izay nampitondrain'ilay naniraka azy tokoa isika.Ary nisy nanesika kosa angaha i soanja? mizara ny olona dia anjarantsika no mandray raha mahasoa na tsy toa ny olona manohitra ny tenin'Atra lava eto dia izay mandray koa dia avelao izy andray fa ny marina tsy mba maty ary ny fahalalana ny marina no anafaka ny vahoakan'Atra ho amin'ny fanangejan'i satana izay mandambolambo amin'ny teny maro sy manohitra ny tenin'Atra lava
, fa avy amin'ny alalan'ny aingam-panahy any anaty mivoitra maka toerana ho tsapa akaiky ka hanomezako vokatsoa ho an'ny hafa amin'ny fiainako.
avy aiza ilay aigam-panahy ? Raha mizara aho izao hoe ataovy ny fanandramana dia miteny aho na mitantara ny lalana nodiaviko aho ka nampiariko ilay izy ary mamaly vavaka sy tsy misaraka amiko Atra amin'ny fiainako andavan'andro.Aretina,zavatramanjo,
fahoriana,famelankeloka sns dia nampiariko tamin'ny fiainako ary vao maika manome hery ahy hizara ny namana rehetra eto izany ka mba anandrana ny hanankina ny fiainany aminy koa

Raha tia ahy Atra dia tia ny hafa koa izy ary tia ny mpanota rehetra fa tsy tia ota ka mitarika antsika ny hibebaka sy hiala amin'ny fijangajangana (fampirafesana atra hafa sy zavatra hafa mihoatra ny ATra nahary antsika)
Raha nanavotra ahy tao anatin'ny fahoriana izy dia mbola afaka anavotra ny hafa ihany koa
Raha mamaly vavaka izy tao anatin'ny andro sarotra dia mbola mamaly ny hafa ihany koa Andramo ka zahao fa tsara Izy ary mandrakizay ny famindrampony

ka anjaranao ary no mizara ilay aigam-panahy e,misaotra mialoha


:-* :-*
43. niryna ( 24/02/2010 04:49)

rakapy:

Niryna> ny baolina sy ny pneu-na tamabila hono no VOKISANA :-D :-D
soanja:

Misy fiten'ny Malagasy izay koe hoe" Voky maraina toy ny zanakisoa ndeha hamidy." hany ka mipenipenina ilay biby.



ho an'izay tsy mandray azy dia mety mipenipenina tokoa izy ka na maranitra aza ny sainy sy ny fahalalany raha tsy manana fahendrena avy amin'Atra( izy ihany no manome an'io ho an'izay mandray azy) dia tsy ahatakatra sy tsy ahazo ny tiana ho tenenina velively fa dia mandeha amin'ny saimpatany tokoa ka
ny fahendrena no voalohankarena

:cry: :cry:
44. niryna ( 24/02/2010 04:53)
rahery08:

Soanja>>

Soanja ah! sao dia mba very @ izany hevitrao izany ianao! fanahin devoly anie marobe ary mety mitoetra ao à olona eh! fampiananrana avi aany à kelimaso any manko zao no fahalalako izany hevitrao izany,
asa lahy
fa aza dia matoky loatra izany fa aleo mitady ny Fanahy Masin'Atra @ firaisana @Atra! any à Fiangonan'Atra,
Mazotoa fa izay mitady no mahita, izay manadondona no vahana, izay mangataka no mahazo!

marina izany izay mitady azy no ahita azy tokoa ary tsy misy maharatsy ny mahafanta-javatra maro kanefa mahay manavaka izany .Atra no antsoina ampianatra antsika ny fahamarinana sy ny fahendrena satria azy ireo ary santionan'ny asan'ny tanany koa izany ho antsika rehetra

45. niryna ( 24/02/2010 04:58)
rakapy:

Izay mihintsy no mahadiso ity lohahevitra ity. Tsy tokony hovokisana ny olona fa izay noana sy mangetaheta ka mangataka no omena.

dia noana ary izao ny olona dia omeo e,omenao inona anefa? mangetaheta ny tenin'Atra dia zarao ny nampianarina anao fahiny ,ny manampotoana sy ny manambola ihany anie no afaka mety mamaly e,maro dia maro ny mamaky sy mandray izay mahasoa azy ireo.Na fanahin'olona iray fotsiny no voavonjinao ao anatin'ny fiainanao dia efa tena zava-dehibe tokoa izany ry rakapy a


:-* :-* (l) (l) :-* :-*
46. rakapy ( 24/02/2010 06:11)
Hoy Niryna
dia noana ary izao ny olona dia omeo e,omenao inona anefa? mangetaheta ny tenin'Atra

Olona iza no noana tenin'A/tra eto ry Niryna? Tsy efa samy manana ny baiboliny avokoa ve ireo milaza azy ho xana eto @ serasera?
Aza forcena ho noana wa ilay olona! tsory ny resaka hoe Izaho Niryna dia te-hitory. =D> =D> =D>
47. soanja ( 24/02/2010 08:05)
niryna:


Ny fanahy dia tsy tongatonga foana raha tsy mino an'ilay naniraka Azy,i kristy izany,ka raha toa ka ampifangaroana amin'ny atra hafa izy dia tsy ho tonga ao anatintsika velively ,izany no antony hitadiavana azy.



Misy tsy azoko eto, mitady aloha ve izany ianao vao mino sa mino vao hitady sa ahoana tsara? Amiko ny finoana an'Andriamanitra dia tsy mila tadiavina fa dia efa mitoetra ao anatinao! Io no momba anao. Tamin'ny mbolakely aho dia nilazana momba an'Andriamanitra. Ny ray aman-dreniko nanoro ahy ny momba Azy ary ny fiainana niainako nanome ny lalana mitarika amin'ny finoana Azy. Nony lehibe aho , vory saina, dia tsy hitady intsony fa dia MINO no anarako.

Ny ambiny dia ny fampiasana ny asan'ilay Fanahy mampitohy ahy amin'Andriamanitra hamelona ho sakafo mahavoky ny tenako iray manontolo, tafiditra ao anatin'izany ny fanahiko. Fikatsahana ny fandavorariana ilay Fanahy ao anaty mitory an'Andriamanitra. Finoana io fa tsy mbola honohono hoe tadiavo sns sns ...


48. soanja ( 24/02/2010 08:13)
niryna:


Eo indrindra no olana misy amin'ny fiainantsika: misy sady mivavaka amin'Atra no manompo sampy na manao sikidy na manana atra hafa,na manao fanafody isarihana ny mpividy(ody varotra ahitsiho fa tsy fantatro ny filaza azy sns ) : na ny vola aza no ataontsika ambony no Atra dia efa atra hafa koa izay an




Ka miankina amin'ny tsirairay io. Ny fiainana andavanandro resahiko dia ny ahy fa tsy miresaka ny an'ny hafa aho. Samy manana zay mahabotrabotra azy ny olona. Tsy hanompo sampy aho satria tsy mandaitra amiko izany ary fantatro ny momban'ny fanompoan-tsampy, fa ny hafa kosa izy dia raha ao anatin'io no hihaonany amin'Andriamanitra velona ao anatintsika dia hoy aho hoe arahaba soa arahaba tsara. Sarotsarotsa ny lalana ny fahitako azy saingy tsy misy zava-tsarotra tsy resen'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Izy mahalala ny fiainana nomeny antsika!


49. soanja ( 24/02/2010 08:23)
niryna:



Raha toerina kosa anefa izany ka lazaina fa tsy ao anatin'ny baiboly ireny na hoe kristy nalain'ny devoly fanahy tany anefitra kanefa lazaina fa tsy misy ilay devoly na ny asan'i satana dia mazava ho azy fa raha manonona ny tenantsika ho kristiana isika kanefa tsy mino ny teny izay nampitondrainy dia tsy ho tonga ao amintsika velively ilay fanahin'Atra




Raha niraraka avy any an-danitra na nidina avy any an-danitra na nomen'Andriamanitra an-tanana mpaminany iray ny baiboly lazainao dia inoako tokoa , raha i Kristy lazainao no niteny hoe " ity no boky iray ho antsika rehetra mpino xtiana " na hoe "ity ilay nosoratako ka hinoy" dia hoy aho hoe tsy hisalasala aho. Saingy tsy izay no nisy.

Samy tian'Andriamanitra avokoa na izaho teraka taty aoriana na i Abrahama na i Paoly na i Lita vao mbola tsy teraka. Samy nomeny ny fanahy avokoa hidera sy hanatsara ny zavamisy manodidina antsika ary hitory fitiavana. Matoa aho teraka dia tao anaty fitiavana ary ny fisiako dia fitiavana. Tsy miantehitra amin'ny teny sns maro aho raha tsy mahasoa ny hafa ny fivoakany ary indrindra fampitahorana, fa miantehitra kosa ary goavana indrindra dia ny fifandraisantsika mifanoro fitiavana sy fifanasoavana!


50. soanja ( 24/02/2010 08:33)
niryna:

amin'ny fomba ahoana ary mahafantatra ve ilay olona fa fanahin'Atra no miaraka aminy sa fanahy hafa ?


Ny fanahin'Andriamanitra dia mahasoa lalandava ny tenanao, ny mpiara-belona aminao ary ny tontolo misy anao! Raha tsy mampiseho ireo ny zavamisy tsapa, na mikotringa ny iray amin'ireo dia aza heverina fa fanahin'Andriamanitra no mitoetra aminao. Ny fanahin'Andriamanitra dia mitory fitiavana, maneho fitiavana amin'asa sy fihetsika ary indrindra manome fahafahana anao handrombona amin'ny mahaolona anao eo anivon'ny mpiarabelona!


51. ikaretsaka ( 24/02/2010 12:29)
Namaste soanja...miandry ny hevitr'i niryna ary..iangaviako mba hamaly...tonga de tsory hoy I rakapy sy zahako izay
52. Mirananirina ( 24/02/2010 13:04)
Hoy i niryna:


Ny fanahy dia tsy tongatonga foana raha tsy mino an'ilay naniraka Azy,i kristy izany,ka raha toa ka ampifangaroana amin'ny atra hafa izy dia tsy ho tonga ao anatintsika velively ,izany no antony hitadiavana azy.




Misy tsy azoko eto, mitady aloha ve izany ianao vao mino sa mino vao hitady sa ahoana tsara? Amiko ny finoana an'Andriamanitra dia tsy mila tadiavina fa dia efa mitoetra ao anatinao! Io no momba anao. Tamin'ny mbolakely aho dia nilazana momba an'Andriamanitra. Ny ray aman-dreniko nanoro ahy ny momba Azy ary ny fiainana niainako nanome ny lalana mitarika amin'ny finoana Azy. Nony lehibe aho , vory saina, dia tsy hitady intsony fa dia MINO no anarako.

Ny ambiny dia ny fampiasana ny asan'ilay Fanahy mampitohy ahy amin'Andriamanitra hamelona ho sakafo mahavoky ny tenako iray manontolo, tafiditra ao anatin'izany ny fanahiko. Fikatsahana ny fandavorariana ilay Fanahy ao anaty mitory an'Andriamanitra. Finoana io fa tsy mbola honohono hoe tadiavo sns sns ...
ka raha hitady an'Andriamanitra eo isika dia tsy hahita azy mihitsy...dia tsy hino mihitsy.Mino izay no nampianarina atsika dia fantatra fa Andriamanitra dia eo anilatsika mandrakariva ary any Andanitra no mipetraka....dia hotadiavina aiza indray,,any ampiangonana sa aiza?
53. ikaretsaka ( 24/02/2010 13:46)
Io le hoe tsy isika no mitady fa izy no mahita e
54. niryna ( 25/02/2010 20:02)
ikaretsaka:

Io le hoe tsy isika no mitady fa izy no mahita e
raha omeny maso ahita sy sofina mba andreha,raha tsy izany tsy omeny fa ataony jamba amin'ity fiainan'izao tontolo izao ity ary vao maika tafiditra ao anatin'ny aizina satria tsy mety nandray izy nampitondraina azy ooops :D


55. ikaretsaka ( 25/02/2010 21:45)
ho an'i niryna:

"Is salvation obtained through action or through meditation?"

"Through neither. Salvation comes from seeing."

"Seeing what?"

"That the gold necklace you wish to acquire is hanging round your neck. That the snake you are so frightened of is only a rope on the ground."
56. niryna ( 28/02/2010 03:59)
rakapy:

Hoy Niryna
dia noana ary izao ny olona dia omeo e,omenao inona anefa? mangetaheta ny tenin'Atra

Olona iza no noana tenin'A/tra eto ry Niryna? Tsy efa samy manana ny baiboliny avokoa ve ireo milaza azy ho xana eto @ serasera?

Aza forcena ho noana wa ilay olona! tsory ny resaka hoe Izaho Niryna dia te-hitory. =D> =D> =D>
=D> =D> aleloia praise the lord
[b] ISAORAKO ILAY ANDRIAMANITRA MAHERY SY TSARA FO INDRINDRA FA NOMENY FAHASOAVANA AHO NITORY NY TENINY TETO AMIN'I SERASERA ALELOIA -DERAINA ANIE NY ANARANY MASINA AMENA !


Tsimpona: Marka 16: 15 Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.

15 Puis il leur dit: Allez par tout le monde, et préchez la bonne nouvelle à toute la création.

15 And he said unto them, Go ye into all the world, and preach the gospel to the whole creation

-------------------------------------------------------------------------------------

16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.

16 Celui qui croira et qui sera baptisé sera sauvé, mais celui qui ne croira pas sera condamné.

16 He that believeth and is baptized shall be saved; but he that disbelieveth shall be condemned.

-------------------------------------------------------------------------------

20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena.)

20 Et ils s`en allèrent précher partout. Le Seigneur travaillait avec eux, et confirmait la parole par les miracles qui l`accompagnaient.

20 And they went forth, and preached everywhere, the Lord working with them, and confirming the word by the signs that followed. Amen.

[/B]

Nasehony ny mpianany rehetra izany ary mbola asehony an'ireo izay mpino azy rehetra erantany ihany koa .Anisan'izany ny tenako tsy ny heriko na ny hareko na ny fahaizako na ny fahalalako fa [b[ ny fahasoavany lehibe,ny fitiavany mibaliaka,ny harembe nomeny ahy satria manana Azy aho ka afaka nomeny izany hery izany hizara ny tenin'Atra eto. aleloia ,praise the lord,his love endures forever- Deraina anie ilay Atra ,ny fitiavany dia mandrakizay ho antsika rehetra,fitiavana tsy mba manana fahatamperana,fitiavana tsy mety ritra fa mibaliaka isan'andro ho antsika rehetra .[/B]
=D>

I (l) JESUS - WE (l) U JESUS (l)
57. ikaretsaka ( 28/02/2010 06:17)
Niryna a na karemy aza ny andro za tsy noana...
De tsory ny resaka hono...inona ny tianao hatao?
58. niryna ( 04/03/2010 20:34)
ikaretsaka:
Niryna a na karemy aza ny andro za tsy noana...
De tsory ny resaka hono...inona ny tianao hatao?
tsara izany,mila tohanana tokoa ny fanahintsika satria tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona hoy ny tenin'ny Tompo ( Lioka 4 )

Ny tiako atao ! Faly aho fa niverina moramora an'ilay Atra nolazaina teto foana hianao,raha ny filazanao fa mitovy ny eritrerintsika ary ambadika ary e
ary
Nasehony ny mpianany rehetra izany ary mbola asehony an'ireo izay mpino azy rehetra erantany ihany koa .Anisan'izany ny tenako tsy ny heriko na ny hareko na ny fahaizako na ny fahalalako fa ny fahasoavany lehibe,ny fitiavany mibaliaka,ny harembe nomeny ahy satria manana Azy aho ka afaka nomeny izany hery izany hizara ny tenin'Atra eto. aleloia ,praise the lord,his love endures forever- Deraina anie ilay Atra ,ny fitiavany dia mandrakizay ho antsika rehetra,fitiavana tsy mba manana fahatamperana,fitiavana tsy mety ritra fa mibaliaka isan'andro ho antsika rehetra .

59. ikaretsaka ( 05/03/2010 17:25)
Fa iza no niteny anao fa nitsoaka tamiNY aho? ny fomba entinao mitaona ny olona manlkany aminy @ fanaovana copy paste raha tsy azonao akory ny androan-tokony no toheriko fa tsy Izy
60. xxx ( 05/03/2010 17:40)
> > aleloia praise the lord
ISAORAKO ILAY ANDRIAMANITRA MAHERY SY TSARA FO INDRINDRA FA NOMENY FAHASOAVANA AHO NITORY NY TENINY TETO AMIN'I SERASERA ALELOIA -DERAINA ANIE NY ANARANY MASINA AMENA !

I JESUS - WE U JESUS

Tena efa misy mitapy mihintsy ato izany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083