Ny paradisa

1. rakapy ( 08/02/2010 12:10)
Voalaza ombieny ombieny tato ato ny fara andro sy ny faran'izao tontolo izao. Misy moa ny mino fa ao koa ny tsy mino izany.
Tsy idirako lalina ny momba izany satria efa misy dinika misokatra hiresahan-tsika ny mikaska izany ao @ dinika hafa.

Voalaza fa ny PARADISA no tena andrahandrain'ny maro rehefa tonga izany fotoana(fara andro) izany.
Paradisa? mba manao ahoana moa izy io ry zareo? Mety ho tena araka ilay noheritreretinao sy nofisinao tokoa ve izy io? samy mbola tsy nisy nahita mantsy isika eto ambonin'ny tany ary ry zareo lasa koa nanao sambo niletika ka eto isika no mifaminany ny momba azy.

Dia atao hoe misy ary HONO ilay paradisa. Nefa rehefa dinihina (Ara-pomba xana) dia toa sarotra lavitra nohon'ny fidiran'ny rameva eo @ vodim-panjaitra HONO ny hidiran'ny mpanakarena any.

Ka araka ny maha sarotra azy izay dia mila fiomanana sy fahaizana izany vao ho tafiditra any.

Nefa rehefa jerena ireto milaza fa mpanara-dia ,dia toa ny hafa no tena jereny sy anariny. Efa mihevi-tena ho tafiditra any ve izy ireny no mahita lazaina fa tsy mety ataon'ny hafa tsy mitovy fihevitra sy finoana aminy?

Raha any anaty fiara-manidina mantsy ianao ka sendra loza, dia mirotsaka ho azy ny 'masque d'oxigene". Ary milaza mazava ny mpiasa ao @ ilay fiara-manidina hoe: Ataovy aloha izay ahatafidiranao sy mampety ny "masque-nao" vao mijery sy manampy ny hafa ianao, eny fa na dia ny an'ny zanakao aza dia mila miandry anao raha tsy hainy ny mametraka ilay "Masque".

Ka tandremo lahy sao dia ianao indray no ho taraiky.
novalian'i Mpanazava ny 29/04/2010 06:07
2. ikaretsaka ( 08/02/2010 15:30)
3. soanja ( 09/02/2010 01:10)
rakapy:

Mitory teny indray Rakapy ato marina!

:-D :-D

Amiko aloha dia tsy hinoako ny Paradisa raha toa ka fantatro sy hinoako fa hisy ny fandringanana sy ny fikitrohanify ary ny hafa maro. Ahoana moa no ahitako Paradisa raha toa ka misy namako, olona hafa maro horingana ao anatin'izay lelafo miredareda izany???? ary mandrakizay ilay izy nefa ny tenako hisonenika ao anaty Paradisa na fahasambarana. Ny manjo an'i Haiti aza izao dia efa hita mibaribary fa tsy hahitako tory nefa tsy hitako loatra izay azo atao. Toa nofy izany amiko aloha na atao hoe fampandriana adrisa satria mba tianao ny olona hanao ny tsara dia ampanantenanao valala an=danitra. Fanabeazana taloha ny fahitako an' izany!

Ny fitoniana kosa dia hisy tokoa ao ambadik'ity fiainana ity ary isika rehetra miaramiombona sy miriaria eo an-tratran'Andriamanitra dia efa tsapako tokoa ny hisian'izany.

Fanahy isika ary hody Fanahy!
4. rakapy ( 09/02/2010 09:09)
Hoy i Soanja
Mitory teny indray Rakapy ato marina

:-D :-D :-D Ohatran'ny pasitera afaka ve? sa mpitory baiboly ankala-manjana? :-D :-D :-D
Angamba tsy tori-teny kosa io fa fomba filazana sy fanotaniana momba ny fahitako azy.
Hoy i Soanja
Ny fitoniana kosa dia hisy tokoa ao ambadik'ity fiainana ity ary isika rehetra miaramiombona sy miriaria eo an-tratran'Andriamanitra dia efa tsapako tokoa ny hisian'izany.

Fanahy isika ary hody Fanahy!

Ny hoe "fitoniana" aloha dia mbola misitery izany raha ny fahitako azy. Amiko ilay ambadiky ny fiainana dia mety hitovy @ ilay isika mbola tsy tonga teto. Tsaronao ve hoe taiza ary inona no nataonao talohan'ny nahaterahanao? Nisafidy ny ho eto an-tany ve ianao?

5. soanja ( 09/02/2010 13:58)

Toa io ihany ny toriteny ka!

Ka isika tsy mbola tonga teto aloha- talohan'ny nisian'ny olombelona, raha ny finoako sy tsapako dia nilamina satria zavatra isan-karazany no nifangaro lasa olona. Isan-karazany vokatra sy tsara orina matoa nahavita aina. Ny ain'olombelona anefa dia fihorana foana na adilava na mora na sarotra raha ny olombelona satria sady vatana sy saina ary fanahy no atrehina fa tsy toy ny an'i biby efa voasoritra fa dia misakafo sy manamboatra taranaka no ataony.
Talohan'izao raha ny fahitako azy ao anaty meditation dia efa taty aho- Soanja- ary tonga niverina aty indray. Handeha indray ary enga anie tsy hiverina intsony fa mba mila filaminana sy fitoniana amin'izay. Nefa aoka an'Andriamanitra ny fandaminana izany satria Azy ny fahefana hametraka ny tokony hisy ahy sy izay tokony mbola adidy ataon'ny fanahiko.

6. Mirananirina ( 09/02/2010 14:55)
Raha any anaty fiara-manidina mantsy ianao ka sendra loza, dia mirotsaka ho azy ny 'masque d'oxigene". Ary milaza mazava ny mpiasa ao @ ilay fiara-manidina hoe: Ataovy aloha izay ahatafidiranao sy mampety ny "masque-nao" vao mijery sy manampy ny hafa ianao, eny fa na dia ny an'ny zanakao aza dia mila miandry anao raha tsy hainy ny mametraka ilay "Masque
hay misy izany???raha zanako kosa aloha dia ampidiriko ny azy izay vao ny ahy!!Na hiady aminy hotesse aza. :)
Dia atao hoe misy ary HONO ilay paradisa. Nefa rehefa dinihina (Ara-pomba xana) dia toa sarotra lavitra nohon'ny fidiran'ny rameva eo @ vodim-panjaitra HONO ny hidiran'ny mpanakarena any
efa henoko koa izay fa izay ange ilay finoana eh! :) Nefa ny loza matetika rehefa mitranga dia ny tanin'ny mahantra ihany no hasiana.Jereo ireo tany be harena be rare no mba misy loza.isa10 taona,ny tany mahantra mila 1n 2 na 3 isam-bolana.Dia ahoana
7. fijo ( 09/02/2010 21:32)
le paradisa anie ,efa eto amintsika e,aza mikaroka lavitra ,fa efa eto isika,ka izay hanatsarana azy aloha katsahana.
8. soanja ( 09/02/2010 23:35)
fijo:

le paradisa anie ,efa eto amintsika e,aza mikaroka lavitra ,fa efa eto isika,ka izay hanatsarana azy aloha katsahana.

Raha ny fahitako azy aloha dia lavitra antsika ny Paradisa raha eto an-tany. Tsy misy io fa irina hisy! Ny fanahy milamina sy tony ihany no ahita paradisa eto an-tany nefa na izany aza dia ny vatany dia mijaly ihany fa ny saina no voamboatra tsara. Ka na ny fahafantarana hoe hofaty aza dia milaza mazava tsy paradisa ny tany.

9. fijo ( 10/02/2010 21:10)
hafaka mahita azy eto isika amiko;resaka saina io
10. soanja ( 10/02/2010 23:18)
fijo:

hafaka mahita azy eto isika amiko;resaka saina io

Ka zay le lazaiko hoe efa voamboatra ny saina. Tsy hoe tonga ho azy eo amin'ny saina akory izany fa mila fanomanana sy fibeazana isanandro ary ezaka ny fahatongavana amin'izany. Nefa tsy tena izy ilay izy raha ny saina no mihevitra fa hazavana heverina fa misy.

11. rakapy ( 11/02/2010 05:52)
Hoy iSoanja
Ahoana moa no ahitako Paradisa raha toa ka misy namako, olona hafa maro horingana ao anatin'izay lelafo miredareda izany???? ary mandrakizay ilay izy nefa ny tenako hisonenika ao anaty Paradisa na fahasambarana

Hoy i Fijo
e paradisa anie ,efa eto amintsika e,aza mikaroka lavitra ,fa efa eto isika,ka izay hanatsarana azy aloha katsahana

Misy hevitra lalina azo tsoahina avy ao anatin'io hevitry i Fijo io.
Raha ny paradisa nasesika tao an-tsaintsika mantsy dia hoe toerana hafa any an-koatra izao tontolo izao izy io.Toerana iray izay mamirapiratra, feno fiadana,fitiavana, tsy misy fahoriana sns... Mety ho marina nefa mety ho diso koa.
Amiko ,ny paradisa dia azo koloina sy iainana na dia eto an-tany sy mbola velona ara-nofo aza ianao. Tsy hiandry ny zavatra tsy fantatra akory vao afaka ny ahazo sy miana ao am-paradisa ny olona iray.
Araka ny tenin'i Fijo io dia azao atao tsara ny manao paradisa eto an-tany.
Ny paradisa iray izay azonao iainana eto an-tany dia ny fizarana na fanampiana ny tsy manana sy ireo mitondra fahorina.
Amiko dia fahasambarana tanteraka ho ahy sy ho an' izay olona nampiako ny mahita fa tafavoaka tao anatin'ilay olana na fahoriana ilay olona. Samy faly ao am-po na izaho na izy. Efa paradisa izay.

Raha ny paradisa andrasan'ny maro mantsy dia ilay hoe mipetraka eo akaikin'i jesosy, tsy manana olana heritreretina, tsy mahatsiaro noana, sns... asa angamba mety mipetra-potsiny dia avy eo matory dia mifoha indray... Raha io karazana paradisa io aloha dia mitso-drano anareo izay mitady azy aho mba ho tonga soa aman-tsara any. Fa tandremo sao leo ka hanao toa an'i losifera satria diso niadana loatra.
:-D :-D :-D
12. bor2lais ( 12/02/2010 14:45)
Voalaza etsy ambony :

"Amiko dia fahasambarana tanteraka ho ahy sy ho an' izay olona nampiako ny mahita fa tafavoaka tao anatin'ilay olana na fahoriana ilay olona. Samy faly ao am-po na izaho na izy. Efa paradisa izay."
----

Amafisiko fa toriteny tokoa ity ataon-drakapy eto ity ! :D
13. rakapy ( 12/02/2010 15:48)
Hoy i Bor2lais
Amafisiko fa toriteny tokoa ity ataon-drakapy eto ity !

Oaaiii! de efa milay zany e! mety ho lasa pasitera zany ny tenanay atsy ho atsy??? Tonga dia direkta eo akaikin'ny jesosy rahatrizay???:-D :-D :-D
14. AndriambyII ( 13/02/2010 00:03)
Hoy ra Fijo:
" azo atao tsara ny manao paradisa eto an-tany." @ ireto fahantrana mianjady @ -ndra olombelona ve ?? :lol: :lol: :lol: ary ilay feo ao andoha mety hiteny hoe , ary ny sasany ahoana ?? nijaly ho an' ny sasany ?? @ ny alàlan'ny inona ny fahasambarana marina miantehitra @ fahantran' ny sasany ?? ny lanitra ? voajanahary ? ny olombelona ihany ?? 6 milliards et demi d' habitant sur terre , dia ahoana ??? :?: :?: :?:
15. rakapy ( 13/02/2010 07:44)
Hoy Adriamby II
6 milliards et demi d' habitant sur terre , dia ahoana ???

Raha dinihina izany ny voalazanao dia ny fahamaroan'ny olona eto ambonin'ny tany no anisany mahatonga ny olana???
Hoy ny baiboly hoe " MITERA ARY MAMENO NY TANY". ( Apokalipsy;6.66)
16. xxx ( 13/02/2010 08:40)
8O PARAD +ISA
17. xxx ( 13/02/2010 08:45)
8O PARAD +ISA
18. AndriambyII ( 13/02/2010 09:10)
Notenenin' iRakapy teo :

"Hoy ny baiboly hoe " MITERA ARY MAMENO NY TANY". ( Apokalipsy;6.66)"
Talohan' ny nanontana ny baiboly sy ny boky masina rehetra misy hatramin' izao angamba dia azo alaina antsary ny isan' ny mponina eran' izao tontolo izao ,anterieur à -5 siecle dia efa nahatratra 2milliards mahery ny olombelona , izany hoe azo raisina ho outil pédagogique novokarin' ny subconsciencen-dra olona na avy @ fanahy masina ( ???? )nilatsaka tao anatin' ireo nanatontosa ny fanontana azy izany ireny boky masina ireny( na avy taiza na taiza no nihaviany sy nipoirany teo @ fiaraha-monina.)
Na dia re siosio aza ny fisian' ny fiaraha-monina tena tonga lafatra il y a 80 siecle avant JC nanànan' ny civilisation Atlantide ,izay voalaza sy no supposer- na fa efa naharafitra ny tablature crypotlogique mikasika ny zavamananaina eto antany.
19. xxx ( 13/02/2010 09:11)
8O PARAD +ISA
20. rijadolly ( 15/02/2010 15:45)
Voalohany aloha dia misoatra an\'Rakapy aho fa tena voa-tory tokoa ny tena satria
izy:
araka ny maha sarotra azy izay dia mila fiomanana sy fahaizana izany vao ho tafiditra any.
Marina,ny fo sy saina ary fanahy dia mila miomana(miambina mandrakariva)
ary koa
Nefa rehefa jerena ireto milaza fa mpanara-dia ,dia toa ny hafa no tena jereny sy anariny. Efa mihevi-tena ho tafiditra any ve izy ireny
Marina, mila alana tokoa ny andry eo anolontsika fa tena takona indraindray ny maso.
farany
Ka tandremo lahy sao dia ianao indray no ho taraiky.
ty farany ity dia mampatsiahy ahy ilay hiran\' Rija Rasolondraibe izay hoe \" Ampangino aho raha mitory izay tsy nolazaiNao, sao e! izaho indray no hita ao fa tsy Ianao, Mba tsy ho menatra aho raha ho avy Ilay andro iray,Fa mba Ianao no hampandroso ahy... an-tranony Ray. \"

Hita mihitsy Rakapy hoe tena mamaky sy mandinika izay lazainay rehetra, tsy kivy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1915