Fa maninona no ampandrona? ahoana izany ?

1. niryna ( 23/01/2010 06:55)
Nisy olona hoe hivady hono ary gasy izy roa ireo dia hoy ilay havan'ilay vehivavy hoe mila ampandrona hianareo roa alohan'ny anaovana ny raharaha .Ngaha ! Dia nitantara ny ray aman-dreniny ity tovolahy ka nobedesiny hoe isika kristiana tsy manao izany,ilay vehivavy koa anefa hoy izy kristiana.Dia hatreo hoy izy nitantara fa tsy nanao izany fomba fanaondry zareo izany izy roa ary vita soa aman-tsara ihany anefa ny mariaziny ary nampidirina tany am-piangonana

Efa naheno izany hoe mila ampandrona izany ve nareo,ahoana izany ? fa maninona no ampandrona ,fomba malagasy inona izany ?
misaotra mialoha
(l) niryna
novalian'i niryna ny 09/02/2010 20:24
2. ikaretsaka ( 23/01/2010 21:19)
raiso hoe fomba ilay izy fa aza raisina hoe fivavahana
3. fahamarinana ( 23/01/2010 21:54)
:arrow: niryna :za manokana aloha efa nahare izay ampandroana izay e,misy koa aza ilay iray izay mandro miaraka amin'ny volamena rehefa avy nandevina !
Ny hoe dikany sy ny ny antony dia tsy haiko sady tsy nadihadiko koa fa araka io lazain'Ika io hoe betsaka ny fomba Malagasy tsy fantatra sy tsy dia hay ny dikany afatsy olona vitsivitsy hany ka mametraka olana ny manohy azy!
Ny hoe resaka Fivavahana miaraka aminy dia aleo tsy dia hidirako satria tsy dia haiko sy voafehiko loatra ! (l)
4. fijo ( 23/01/2010 23:23)
mety hoe fomba mba foronina kosa izany ry niryna fa aza avy dia gaga be loatra an
5. benkakely ( 24/01/2010 13:02)
tsy fomba izany fa fivavahana ataon'ny mpimasy amin'ny demonia;fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ny malagasy fahiny;toy ny joro;fandroana;etsetra ;asan'ny maizina zany efa fa na dia mandika afo avy mandevina aza dia finoanoampoana fampianarandrazana izay halan'Andriamanitra tokoa;mandehana mahitsy ary ankino amin'Andriamanitra tokana ny mariazinao de ho tahiany ianao
6. mibalika ( 24/01/2010 14:13)
Amiko,ny mampalahelo dia ny tsy fahaizantsika ankizy ankehitriny ny atao hoe : FOMBA MALAGASY intsony,

ny famadiahana sy ny didi-poatra sisa angamba no mbola be pahalala amin'izao fotoana fa na ireo aza dia tsy dia betsaka intsony ny manao izany;noho ny antony ekonomika angamba no mahatonga izany ,fa na izany aza anefa tsy tokony harina ny fomban-drazantsika...eto dia laviko tanteraka ny soratra nataon'ity mpanoratra iray ity hoe finoanoampoana ny fomba malagasy???ny mpanjanaka no nametraka tao an-tsaintsika fa ny fomban-drazana dia tsy tsara ,
tsarovy anefa fa talohan'ny nahatongavan'ny mpanjanaka hampianatra antsika ny fisian'Andriamanitra ,dia efa nino NY ZANAHARY izy ireo...

jereo ny japoney;sady manaiky ny fomban-drazany izy no manaiky ny fandrosoana koa !
7. ni81 ( 24/01/2010 15:08)
tsy fomba izany fa fivavahana ataon'ny mpimasy amin'ny demonia
raha taranak'olona mpanasina izy ary tena mbola manaraka ilay fanao, dia tena fomba tsy maintsy atao aminy ilay entina @ ireny toerana fanasinana ireny mialohan'ny hiatrehany mariazy, na fanadinana, na zava-dehibe mahakasika ny fiainany.
Efa naheno izany hoe mila ampandrona izany ve nareo,ahoana izany ? fa maninona no ampandrona ,fomba malagasy inona izany ?
misaotra mialoha
niryna
ny mba efa hitako dia ilay olona avy nigadra dia ampandroin'ny havany @ ranom-bola tsy vaky. Dia nisy olona koa nianjera tanaty lavaka feno maloto dia nampandroina t@ ranombolamena.
Fa tsy dia azoko loatra ny heviny; fa angamba noho ny ara-pahasalamana! Tokony ho natao t@ savony anefa raha toa ka izay dia vita :D
8. xxx ( 24/01/2010 17:18)
Ao anatin'ny FOMBA tsirairay de samy misy fahendrena avokoa, na inona izany na inona. I Jesoa tsy nanafoana ny fomba akory, fa niditra tao anatin'ny tontolo iray manana ny fombany, ary tao anatin'izay no nahalehibe azy sy nitombony.
Tsy nilaza zavatra extra izy raha nitory ny vaovao mahafaly, fa ny zavatra hitany sy ny fomba nisy tao amin'io tontolo io no nitoriany ny Evanjely (Jereo ny fanoharana).
Ohatra: Ny Ntaolo mialohan'ny hanaovan-javatra dia manontany ny Zanahary. Inona no maharatsy an'izany? Ianao milaza fa kristiana moa ve mba manontany an'Andriamanitra mialohan'ny hanaovan-javatra?
Ny Ntaolo dia nanamarika mandrakariva ny dingam-piainan'ny olona: fahaterahana, fanalana volon-jaza, sns... Ary ireny dingana ireny dia voamarika manokana amin'ny fomba mba hisaorana an'ilay Nahary hatrany hatrany. Ary ianao kristiana, moa mba manamarika ny fotoana toy izany ve mba hisaorana an'Andriamanitra?

Aza maika ny hitsara hoe: demony fa mba fantaro aloha ilay fomba.
9. ikaretsaka ( 24/01/2010 17:30)
mitovy fijery @ le xxx farany io ahako
10. fijo ( 24/01/2010 20:27)
4. Mpandefa : benkakely [ Valio ] 24-01-2010 14:02:55
Lohateny : Re : Fa maninona no ampandrona? ahoana izany ?
tsy fomba izany fa fivavahana ataon'ny mpimasy amin'ny demonia;fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ny malagasy fahiny;toy ny joro;fandroana;etsetra ;asan'ny maizina zany efa fa na dia mandika afo avy mandevina aza dia finoanoampoana fampianarandrazana izay halan'Andriamanitra tokoa;mandehana mahitsy ary ankino amin'Andriamanitra tokana ny mariazinao de ho tahiany ianao

hialakao tsiny ry akama,fa eto toa ise no mbola maizina be le fisainana.azafady fa toa le olona mpamerina tsianjery nampianarina tany ampiangonana fotsiny le hevitra eto.
11. rzakarivola ( 25/01/2010 09:31)
Ny fomba Malagasy tsy haiko, fa fantatro kosa fa mila mandro ny olona (ho afaka @ lotony) vao afaka hiditra ao amin'ny fanjakàn'ny lanitra.
12. ANARIM ( 25/01/2010 10:03)
tantara lava tokoa ity resaka fomba fomba sy fivavahana ity an!
13. ikaretsaka ( 25/01/2010 13:37)
de bedebe ny manafangaro an'io na minia tsy te hahalala le 1 fa tonga de mi condamne avy hatrany ilay hafa
14. Mirananirina ( 25/01/2010 13:44)
Betsaka tokoa ny fomba sy ny fady malagasy taloha izay tsy fantatsika,misy ihany anefa ireo mbola mampiasa izany.Ao koa ireo manary izany.Ny anay ohatra izao dia hoe fady mihinana osy??inona koa angaha no dikan'izany.Ny fasana tsy azo idiran'andevo sy merina!!!!Mahagaga ,nefa tsy hitako izay dikany io .
15. ikaretsaka ( 25/01/2010 13:48)
de fantaro aloha ... izay le saina tia karokaroka izay .. fa tsy mihanona fotsiny @ hoe zao hono de zay....
16. booboo ( 25/01/2010 15:19)
zà koa miombon-kevitra @ xxx7
17. ni81 ( 25/01/2010 16:57)
Ny fasana tsy azo idiran'andevo sy merina!!!!Mahagaga ,nefa tsy hitako izay dikany io .
Dia ilay karazan'olona manakory izany no miditra ao @ ilay fasana ry Mirana?
18. fahamarinana ( 25/01/2010 19:55)
:arrow: Miranirina :za koa tahaka any ni81,karazan'olona ahoana sisa no afaka miditra ao raha izany ? :o (l)
19. rijadolly ( 25/01/2010 20:06)
Samy manao sorona na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy midio amin\' rano avokoa na ny Malagasy na ny Jiosy alohany ihaonana amin\'Andriamanitra, Samy manaja ny zokiolona na ny malagasy na ny jiosy,samy mandalina ny fahendrena sy fahalalana na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy miakatra eny ambony tendrombohitra rehefa mivavaka na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy nanao alitara vato noho ny fiaonany an \'Andriamanitra na ny Malagasy na ny Jiosy (nampiasa menaka), Samy mamafy ran \'ilay biby amin\' alitara na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy foraina na ny Malagasy na ny Jiosy, Samy miantso amin\' feo mahery an \'Andriamanitra na ny Malagasy na ny Jiosy, SAMY NATAHOTRA AN\' ANDRIAMANITRA NA NY MALAGASY NA NY JIOSY........Ankehitriny SAMY MINO AN\' JESOA KRISTY NA NY MALAGASY NA NY JIOSY.

Miray hevitra amin\' xxx7 koa za
Dia miray hevitra amin\' Mibalika 5 aho amin\' ilay hoe: \"eto dia laviko tanteraka ny soratra nataon\'ity mpanoratra iray ity hoe finoanoampoana ny fomba malagasy???ny mpanjanaka no nametraka tao an-tsaintsika fa ny fomban-drazana dia tsy tsara ,\"

Niryna >>>> Raha ny hevitro dia tsy mbola nisy aloha hatramin\' izao hoe atao mariazy dia tsy mandro fa tonga dia mampiditra ny ankanjo fotsiny e, Izay maha fomba azy, tsy mhalala fomba ianao raha vao tsy mandro ihihihih! sa ahoana hoy se?
20. fijo ( 25/01/2010 22:07)
hihihihihih marina koa ity farany ity kle,indrindra rah amafana ny andro le tsembotsemboka be iny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2061