Fa maninona no ampandrona? ahoana izany ?

101. fijo ( 02/02/2010 21:14)
hihihihi manahirana wa,fa ny azy "izay voasoratra"no lasa heviny.
102. rzakarivola ( 03/02/2010 12:14)
ikaretsaka:

ny Papa rehetra dia Vicaire du christ ny anarany razaka an..
ary aza ajanona eo fotsiny ny vakiteninao fa tohizo hatrany @ siekla 1 siekla 2 siekla 10 ka hatr@ zao ny vakintenin0tantaranao e..
io le hoe aza izay metimety aminao ihany no tsimpony fa alaivo daholo izy rehetra dia izay vao maka hevitra

==> Vicari Dei Filii moa ?
Voalohany, izaho tsy manana ati-doha ampy hitahiry ny documents rehetra, na fotoana hamakiana azy rehetra. Fa ampy ahy ny manana accès amin'izay information ilaiko. Ary i Jesoa no ananako accès amin'izay ilaiko rehetra, fa ataoko inona ny informations tsy mahasoa ahy ?
Faharoa, ento eto izay soratra entinao hanoananao hevitra, tsy maninona izany, fa azo tarafina @ tenin' Andriamanitra raha marina na tsia.
103. rzakarivola ( 03/02/2010 12:16)
Ikaretsaka >>> Raha hoy ianao hoe "ho very izay tsy mino ny Pape", dia porofoy ny teninao dia mety hino ihany aho.
Izaho indray hilaza aminao fa izay tsy mino an'i Jesoa Kristy dia tsy afaka hovonjena, eny na dia kristiana aza.
104. ikaretsaka ( 03/02/2010 13:59)
de ny fototra inoanao aza tsy fantatrao akory ny tantarany ko...
rehefa any ho any mihaona e...
fa anontanio lotera sy i kalvino hoe aiza ho aiza ry zalahy izao any @ ze misy azy azy...
efa mba ni mediter sy nanontany tena momba izany ve ianao?
105. fijo ( 03/02/2010 20:39)
fa ataoko inona ny informations tsy mahasoa ahy ?

hendrika iray maneho ny fiemorana sy tsy fanekena ny zavatra misy io valinteny io ka hialao fa ratsy .

"ento eto izay soratra entinao hanoananao hevitra"

hevitrao no ilaina fa tsy izay voasoratra etsy sy eroa no mila averina ka.

"Raha hoy ianao hoe "ho very izay tsy mino ny Pape",

tsy mpisolovava an'ikaretsaka aho,fa tsy mbola niteny an'io izy teto.asa na ianareo roalahy niara nisotro toaka ngamba ka mamao lery de niteny an'io.
106. rzakarivola ( 04/02/2010 08:27)
Ikaretsaka >>> Luther sy Calvin. Raha ny tenako no anontaniako dia azo antoka fa hamorona zavatra tsy fantatro eo aho. Fa raha te hanontany azy ireo, ataoko fa mitoetra ny asa-sorany izay maneho ny heviny. Raha ny hoe : aiza ho aiza izy ireo amin'izao, dia ny tenin' Andriamanitra afaka mamaly tsara an'izany fanontaniana izany, i Jesoa izany, satria Izy Velona sady marina.

Ny fototra inoako hoy ianao, fa inona no fototra inoako ? Ngah Calvin na Luther no inoako ? "Voaozona izay olona matoky olona", ny fototra inoako dia i Jesoa ihany, ka na i Luther na i Calvin, na i St Paul, na i St François d'Assises, na i John Wesley, na i Hudson Taylor, na Felix Neff, ... sns inoako raha toa ka iray amin'i Kristy, ary tsy inoako raha tsy iray amin'i Kristy. Jesosy ihany no afaka milaza izany.

Fijo >>>
1. Ny hoe mihemotra sy mandroso, relativement miankina @ fitodiky ny masonao. Raha mitodika any aoriana ianao, dia ny mihemotra amin'izay mitodika any aloha no mandroso aminao, ary ny fandrosoana no lazainao fa fihemorana. Nefa ny vérité relative dia fotoana fohy ihany, fa ny vérité absolue no maharitra.

2.hevitrao no ilaina fa tsy izay voasoratra etsy sy eroa no mila averina ka.
Ka ny hevitr'i Kristy no hevitro, ary ny heviNy dia voasoratra, fa ny FanahiNy kosa Velona.

3. tsy mbola niteny an'io izy teto
Izaho tsy nilaza fa niteny an'io izy teto. Fa ny tiako tenenina dia hoe : En toutes choses, il faut considérer la fin. Echec ou réussite.
107. ravonjison ( 04/02/2010 10:27)
fijo:

razaka an,ny rano sotroina anie ka misy rano efa avy nodiovina e.tsy hay izay efa nanao maloto tany,fa efa madio izy no tonga ao an trano.

diams,any antsoihy misyrano tsy azo hitenenana merina.de eo ampovoan'ny manaratsandry sy marovoay,misy rano tsy azo anaovana satroka.



Tena mahaliana ahy izay rano tsy azo hitenenana merina sy tsy azo anaovana satroka izany kle !

Ahoana izany ry Fijo ?
108. ikaretsaka ( 04/02/2010 16:08)
Rzaka> ka nga moa ireo tsy iRay amin"i Kristy ary tsy momban'Atra aby no ambarany? fa iznay hoe toy ny hoe i Lotera nahita ny maso havian'i lery de i kalvino ny ankihibentongotra de i St Francois d'assise ny vavany de i Wesley tery @ balcon no nahita azy... Raha asaina mitantara amin'izay ireo dia samihafa ny ho lazainy mazava ho azy...
ny an'ilay teny @ balcon mety ny volony no tazany satria izy ambony .. ny nahita ny masony mety ny lokon'ny masony sns...
fa Jesoa sy ny momba azy aby ve no nolazainy? Eny!





Ravonjisoanmandehana de zahao ravonjison an... dia tantarao rehefa velon'aina..
tsara ihany manko ny mijery ireny skeprics ireny manandrana raha tsy hay indraindray
109. fijo ( 04/02/2010 20:22)
"Voaozona izay olona matoky olona"
mino no resaka eto fa tsy "matoky"

tena misy io rano io razaka ary ny tenako ,di aisan'ny gaga sy lasa saina raha nahita azy.anontanio ny olona avy any antsohihy sy manaratsandry iny
110. niryna ( 06/02/2010 04:53)
niryna:
efa voavidin'ny ran'i kristy kosa isika e, ary raha toa ka mibebaka sy miaiky ny fahotantsika isika ary matoky azy koa ny amin'izany dia efa voadiony ny fahotantsika,ny lasa ,ny amin'izao fotoana izao sy ny ho avy sa tsy izany ary tsy ho tsaroany intsony hoy izy
rzakarivola:

==> Dioviny fa tsy hoe : efa voadiony. Ahoana no hanadiovana loto mbola tsy misy akory? (ho avy hoy ianao).
Ndeha isika hianatra amin'ny Tompo amin'ny zavatra misy eto an-tany, ny lamba rehefa anaovana dia maloto, ary sasana izany dia madio, nefa fantatsika fa tsy tahaka ny fahadiovany fony izy mbola tsy nanaovana sy voalohany ny fahadiovany, rehefa sasana foana izy dia maloto foana, dia farany rovitra ny iafarany ary tsy azo raisina intsony.
:D

Tahaka izany isika, zava-poana ny hoe diovin' Andriamanitra isanandro isika nefa mbola haloto indray rahampitso, fa promessen' Andriamanitra hoe, @ andro anakiray dia hodioviko tanteraka, tahaka ireny tsy nisy loto ireny, ary izay voadio no afaka hiditra ao @ paradisa.

niryna:
mitombona izany ka raha toa ka mibaboka sy mifona ary miaiky izany fahotana izany ka avy hifandahatra amiko hoy izy fa na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny olam-panala izany hoe rehefa miaiky tokoa isika fa mpanota ary mibebaka aminy dia tsy ho tsaroany intsony izany fa dia ho dioviny tanteraka ,ny baiboly no manambara izany amintsika

==> "ho". Mila miaiky tokoa isika. Fa tsy misy olona miaiky ny fahotany raha tsy mifanatrika amin' Andriamanitra, ary ny teniNy (dia i Jesosy, ny tenin'i Jesosy) no mampifanatrika ny olona amin'Andriamanitra. Koa ny ilaintsika dieny izao, dia ny mifanatrika amin' Andriamanitra foana, mba tsy hanadino ny fahotantsika. Fa raha olona zatra nieritreritra fa efa voadio kanjo mbola misoratra eo aminy ihany ny loto, ahoana no hanjo azy rehefa tena hifanatrika amin' Andriamanitra sy ny vahoaka ny lanitra ? Hahajoro eo anatrehan'ny Zanak'Olona ve izy ?
tsy azoko ny tianao lazaina mifanatrika amin'Atra foana ,mba tsy hanadino ny fahotantsika
Iza ATra ve ?

Ity fanoharana iray afaka dinihina amin'ny fiainana. Mino isika fa voavela ny helotsika ary azontsika ny famonjena. Nefa raha mbola menatra ihany ianao raha tenenin'ny olona ny faharatsianao (imaso imaso), dia midika mbola tsy tanteraka izany ny finoanao, ny antony ? Satria tsy mbola tanteraka ny famonjena anao, fa promesse.
ka isika kosa mbola olombelona mifono nofo sy ra ihany ka,manao ny tsy mety androany dia mifona dia mamerina indray rahampitso,raha ny fahadisoantsika tokoa anie ry rzaka tsy ho voavidy vola e, soa ihany fa Atra mpamindra fo izy ka mahita ny fahalementsika rehetra

niryna:
izay indray no tsy fantatro

==> Ao @ Apokalypsy

niryna:
fa ny fantatro dia tsy tonga izy handrava ny didy folo fa anantanteraka ny didy folo ary anome antsika fihavanana sy ampianatra antsika ho tia ny namana sy ny fahavalontsika knou :D

==> Nandidy antsika hifankatia Izy, fa izany no ahafantaran'ny olona fa mpianaNy isika.


niryna:
:D ka izay no maha olona antsika kosa e satria isika tsy filamatra fa mitady ny ho filamatra ary mila miambina fa tsy avelan'ilay lava rambo hino azy isika raha tsy manana ampinga hiadiana aminy dia ny tenin'Atra izany sy ny fampiasana ary fampiharana izany amin'ny fiainana andavan'andro.

==> Ary izay mino no afaka mampihatra. Io fampiharana io, matetika isika no mieritreritra fampiharana matériel, fa ny finoana dia asan'ny fanahy. Ohatra, mora ny mizara sakafo ho an'ny olona izay heverinao fa tokony hizarana, indrindra moa raha ampy hozaraina tsara ny eo am-pelan-tananao. Sarotra kosa ny manome rehefa tsy heverinao fa tokony homena ilay olona (na noho ilay olona na noho ny fahitanao ny eo am-pelan-tananao).
misy kosa na tsy manana aza izay kely ananany no zarainy ka,misy na manambe aza ka tsy ao anatiny ny fitiavana mizara dia tsy mizara izy ary matetika araka ny hizaranao no vao maika ataon'Atra hanambe hianao,mety tsy vola ihany io fa na inona na inona ,ny olona manana fo mizara dia omeny maimaimpoana ihany koa amin'ny zavatra hafa,mety fitiavana izany,mety harena,mety fahasalamana eny mety manana fo matoky Azy
niryna:
Raha ny tenin'Atra no nanambara amintsika fa tsy ho tsaroany intsony dia tsy tsaroany intsony tokoa izany fa isika no mety mamerimberina an'iny ary tsarovy koa fa fantatry ny lavarambo ny fahalementsika ary averiny fotsiny ny oronantsary nalainy dia miverina daholo ny natao rehetra ary izay no tadiaviny :D

==> Iza no olona afaka hamerina izay efa nofoanan' Andriamanitra ?
isika ka,afaka manadino ny zanany vao minona ve ny reny ? raha manaiky nono ny zaza dia akifika fa ATra tsy mba toy izany ,tiany avokoa isika fa isika no tsy matoky tsy mino ny teny izay nampitondrainy indraindray
Fa matoa miverina eo aminao iny (tsy voatery ny vao nataonao, fa ny efa taloha efa nifonanao t@ fonao manontolo no mbola miverina tadidinao), dia satria mbola voasoratra ao.
ka izay ilay hoe tsy mora ny mamela raha tsy ATra no mampianatra azy hanana fo hamela ka
Misy rahalahy anakiray izay mahatadidy ny nijangajangany tamin'ny nenitoany, tamin'ny anabaviny, tao am-pony koa na tamin'ny vehivavy tsy nanam-bady na tamin'ireo vadin'olona. Ary izy no mijoro vavolombelona fa na dia efa nifonany ireo, ary mino izy fa voavelan' Andriamanitra ny helony noho ny ran'i Jesoa Kristy nalatsaka teo @ hazo fijaliana, dia fantany fa mbola ao ireo, ary ho avy ny andro izay hisehoan'ny zavatra rehetra satria : tsy misy ny takona izay tsy ho hita, tsy misy nafenina izay tsy hitranga.
dia anjarany no mivavaka isan'andro mangataka ny fanahy masina mba hampianatra azy hanala izay fahotany izany ,tsy vitan'ny tena irery izany fa mangataka ny herin'Atra ampianatra antsika hamela heloka

Noho izany, aza mety hofitahina ka hanaiky fa efa voafafa daholo ny ratsy tao anatin'ny bokin'ny fiainanao
, fa ambeno izao satria teny tena azo itokisana : Raha misoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ny anaranao dia voavonjy ianao.
izany ve rzaka tsy mifanohitra? izay mino no ho vonjena!Minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao ary koa ny hoe avy hifandahatra amiko hoy izy fa na mena toy ny jaly aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala.
Raha Izy no nanome ny teny fa ho voafafany dia ho vaoafafany tokoa ilay izy
Tsy tsaroany intsony koa hoy ny tenin'Atra ,dia tsy tsaroany izany,eny tsy misy takona izay tsy hita fa na dia mbola tsy mivavaka akory aza isika dia efa mahalala ny ao am-pontsika sahady izy knou .
Atra sady manadino no mamela ny fahotantsika raha mibebaka aminy isika
Isika indray afaka mamela heloka ny hafa fa tsy ho adinontsika ny ratsy nataony ka,izay woa no mbola maha olona antsika.Toy ny olona nanome fahatezerana anao ka nahatezitra anao mafy,afaka mivavaka hianao mba hamela azy,mivavaka ihany koa mba hianatra amela azy sy ny tenanao izay mety tsy manana fo madia hamela ilay olona,tsy voatery hinamana azy intsony kosa anefa na hatoky azy intsony,tsy azo atao koa anefa ny hankahala azy satria poizina mifona ho antsika izany,fitiavana no omena azy ka toy ny olon-dratsy manao ratsy amintsika izay valiana soa dia ametraka vain'afo eo an-tampon'ny lohany isika hoy ny tenin'Atra

(l)
111. niryna ( 06/02/2010 05:04)
fijo:

ka namaly letsy izy an,
le izy anie ry niryna tsy hoe masina sy tsy mety diso daholo ny olona e,fa ny hafaka handroso,dia ireo mahatsapa ny lesoka nataon ary mihezaka manintsy izany;raha mihezaka manao toa izany isika trsy 11 aby,dia hilamina ny eto an tany.
mety ho misy fahamarinana izany fa ny teny ahitana fandriampahalemana dia ny mametraka ny fiainana,ny firenena,ny mpitondra ,ny fianakaviana ,ny manodidina ho Atra no mitantana ny fiainan'izy ireo fa tsy jamba amin'ny fitopoanteny fatratra. Izay mametraka ny fiainana ho tantanany tokoa mantsy no ahita fiadanam-po ka raha manao izany ny tsi 11 ary raha mino ny teny izay nomeny dia handsra ampififaliana sy hisy ny fandriampahalemana ary hiala ny fitiavantena


112. niryna ( 06/02/2010 05:11)
fijo:

razaka an,ny rano sotroina anie ka misy rano efa avy nodiovina e.tsy hay izay efa nanao maloto tany,fa efa madio izy no tonga ao an trano.

diams,any antsoihy misyrano tsy azo hitenenana merina.de eo ampovoan'ny manaratsandry sy marovoay,misy rano tsy azo anaovana satroka.

misy koa toerana tsy mihinana kisoa ka raha vao misy kisoa ny voasary dia lasa mivoaka holitra ,marina ve io ?

113. ikaretsaka ( 08/02/2010 03:10)
andramo dia jereo hoa fa aza mihonona @ honohono
114. benkakely ( 08/02/2010 09:48)
ho an'i fijo:taloha tamin'izaho mbola tao anatin'ny haizina no nandeha tany amin'ireny mpimasy nampandroina voakenda,voatsindry fa ankehitriny aho efa nahazo ny fahalalana marina avy ao anaty baiboly mba vakio tsara aloha vao mamaly azafady olon'afaka aho ankehitriny
115. ravonjison ( 08/02/2010 12:43)
Kay lery efa olom-baovao !
116. ikaretsaka ( 08/02/2010 15:08)
afaka fa voagejana fanatisme hafa :-D :-D
117. niryna ( 09/02/2010 20:21)
ikaretsaka:

andramo dia jereo hoa fa aza mihonona @ honohono



:roll: alero ry zareo avy any ambohijafy no hizara ry toi a :D
118. niryna ( 09/02/2010 20:24)
benkakely:

ho an'i fijo:taloha tamin'izaho mbola tao anatin'ny haizina no nandeha tany amin'ireny mpimasy nampandroina voakenda,voatsindry fa ankehitriny aho efa nahazo ny fahalalana marina avy ao anaty baiboly mba vakio tsara aloha vao mamaly azafady olon'afaka aho ankehitriny


misaotra ben a,izay ilay tiako fantarina,ampandroana dia rehefa alina ny andro hono misy manindry,tsy afaka mihetsika hono ary misy manankenda ,misaotra anao nizara fa ireo no tiako ahatongavana,fa tsy hoe maloto dia mandro e :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086