Fa maninona no ampandrona? ahoana izany ?

81. niryna ( 01/02/2010 05:52)
ikaretsaka:

Faha> le tonga koa nge izy de mi condamne zavatra tsy hainy hoe ratsy sy demonia tsisy fanazavana ityy koa no lalina ko... na I rakaroka na za na I soanja ohatra(miala tsiny fa ireo no hitako be aloha izao)raha miresaka sy mizara ireny resaka apocryphes sns ireny.. tsy miteny zahay hoe marina ny anay de diso sy bedevoly nenareo fa hoe. Jereo koa itony zavatra itony hangalanareo idee bebe kokoa noho le tsimponinareo drindrangilo....rehefa tsary mety le olona izay anay vo maninro-paingotra oe ka le zao aza tsy vakianareo ko aiza no ahaizanareo ny momba izany akory fa aoka etsy ....



:roll: :D
82. diamondra27 ( 01/02/2010 07:43)
ny hindou aza toa mandro isanadro ery amin'ilay rano mandeha iny foana koa
83. diamondra27 ( 01/02/2010 07:52)
pandefa : Mirananirina [ Valio ] 25-01-2010 14:44:44
Lohateny : Re : Fa maninona no ampandrona? ahoana izany ?
Betsaka tokoa ny fomba sy ny fady malagasy taloha izay tsy fantatsika,misy ihany anefa ireo mbola mampiasa izany.Ao koa ireo manary izany.Ny anay ohatra izao dia hoe fady mihinana osy??inona koa angaha no dikan'izany.Ny fasana tsy azo idiran'andevo sy merina!!!!Mahagaga ,nefa tsy hitako izay dikany io .

misy dikany daholo ny zavatra rehetra koa

le angano angano ireny no haiko , tantara momba ny alika sy crocodile sy olona dia asa izy zay na le alika no nahavonjy ilay olona dia nilaza le olona io hoe: raha mbola taranako ihany dia aoka tsy hanao ratsy ny alika
toa misy itovizan'izany koa angamba ilay osy fa anontanio nge ireny olona fahiny ireny e.
Any ambanivohitray tsy azo hinanana kisoa, misy ihany koa toerana 1 fa tsy tadidiko tsy azo hitondrana sira
misy histoiredaholo ireny fa zany hoe tsy niampita taty amin'ny taranaka fara amandimby le infos de lasa tsy raharahina intsony.

-----------------------------------
84. diamondra27 ( 01/02/2010 07:53)
fahamarinana:

:arrow: Miranirina :za koa tahaka any ni81,karazan'olona ahoana sisa no afaka miditra ao raha izany ? :o (l)


de ny hova sy ny tanindrana izany koa
85. diamondra27 ( 01/02/2010 08:20)
nisy resaka tery ambony tery hoe betsileo no nanao io fomba io ( le we tsy azo idirana andevo sy merina ny fasana)

vinavinako fotsiny ty fa tsy hay na tena marina an! ka le merina nge toa fetsifetsy izay foana e, dia tsy tian'ny olona moa ny andevo izany ilay senegaly nahazo baiko dia manaraka ambokony fotsiny. Ka resaka voninahitra ngamaba no tadiavina amin'io hoe tsy ampidirina ireo karazana'olona 22 ireo ny fasan'ny betsileo

nisy fotoana toa tsy nifankahazo mihintsy ny betsileo sy ny merina surtout hoe: andriana ilay olona
raha vao manambady betsileo izany ny andriana dia efa ratsy ny fijwry ny fianakaviana , mifosafosa etc
86. ikaretsaka ( 01/02/2010 14:13)
Samy mamely io ry diams fa tsy ny andaniny fotsiny a...
Arak'ilay fiteny hoe
"Sitrapon-drakamisy (Betsileo) no nanambadiany ambaniandro"
87. rzakarivola ( 01/02/2010 14:23)
ikaretsaka:

misaotra ra fijo
i Jean paul 2 no niteny an'io t@ 1995

==> "isika" hoy izy.
Kristy tsy mba toy izany, ary izay miray amin'i Kristy dia tahaka an'i Kristy. Koa aoka hiray amin'i Kristy ny kristiana.
Tsy mahatohina ny mahita tsy mpino maniratsira ny fivavahan'ny mpino. Fa ny olona milaza fa mino kanefa maniratsira ny finoan'ny tenany no mamono ny tenany.
Izay milaza fa Kristiana kanefa miteny ratsy an'i Kristy (tsy mino ny teniNy) dia manan-doza kokoa noho ny tsy nino Azy hatramin'ny voalohany.
88. rzakarivola ( 01/02/2010 15:00)
fijo:
tsy hoe masina sy tsy mety diso daholo ny olona e,fa ny hafaka handroso, dia ireo mahatsapa ny lesoka nataon ary mihezaka manintsy izany;raha mihezaka manao toa izany isika trsy 11 aby,dia hilamina ny eto an tany.

==> Mety misy ihany ny zavatra tsapan'ny olona fa tsy mety, fa misy koa ny zavatra tsy mety ataony nefa tsy tsapany, raha tsy misy mampahafantatra azy. Ary ny Zanak' Andriamanitra dia tonga nampahafantatra amin'ny antsipirihiny izany rehetra izany.
Maro ny olona miezaka ny hahitsy, kanefa mila fitsipika marina izay vao afaka manitsy, fa raha ahitsinao araka ny fitsipika mibilabila ny lalanao dia tsy hahitsy na oviana na oviana ianao. Andriamanitra no marina, ary ny ZanaNy no fahamarinana, fitsipika mahitsy sy lalana marina.

Matoa mbola tsy nety nilamina teto an-tany (nilamina ka maharitra fa tsy filaminana sombintsombiny), dia satria tsy hilamina mihitsy.
Fa raha milamina ny eto an-tany, Inona no hanjo anao rehefa ho faty ianao satria hiala amin'ilay milamina?
Raha nisy olona tsy nino an' Andriamanitra sy Jesosy dia i Voltaire, fa rehefa tonga ny ora hahafatesany dia nitady olona hanambara aminy mikasika an' Andriamanitra izy, satria tsy nahalala tokoa izay ho tohiny avy eo.
89. rzakarivola ( 01/02/2010 15:13)
niryna:
efa voavidin'ny ran'i kristy kosa isika e, ary raha toa ka mibebaka sy miaiky ny fahotantsika isika ary matoky azy koa ny amin'izany dia efa voadiony ny fahotantsika,ny lasa ,ny amin'izao fotoana izao sy ny ho avy sa tsy izany ary tsy ho tsaroany intsony hoy izy

==> Dioviny fa tsy hoe : efa voadiony. Ahoana no hanadiovana loto mbola tsy misy akory? (ho avy hoy ianao).
Ndeha isika hianatra amin'ny Tompo amin'ny zavatra misy eto an-tany, ny lamba rehefa anaovana dia maloto, ary sasana izany dia madio, nefa fantatsika fa tsy tahaka ny fahadiovany fony izy mbola tsy nanaovana sy voalohany ny fahadiovany, rehefa sasana foana izy dia maloto foana, dia farany rovitra ny iafarany ary tsy azo raisina intsony.
Tahaka izany isika, zava-poana ny hoe diovin' Andriamanitra isanandro isika nefa mbola haloto indray rahampitso, fa promessen' Andriamanitra hoe, @ andro anakiray dia hodioviko tanteraka, tahaka ireny tsy nisy loto ireny, ary izay voadio no afaka hiditra ao @ paradisa.

niryna:
mitombona izany ka raha toa ka mibaboka sy mifona ary miaiky izany fahotana izany ka avy hifandahatra amiko hoy izy fa na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny olam-panala izany hoe rehefa miaiky tokoa isika fa mpanota ary mibebaka aminy dia tsy ho tsaroany intsony izany fa dia ho dioviny tanteraka ,ny baiboly no manambara izany amintsika

==> "ho". Mila miaiky tokoa isika. Fa tsy misy olona miaiky ny fahotany raha tsy mifanatrika amin' Andriamanitra, ary ny teniNy (dia i Jesosy, ny tenin'i Jesosy) no mampifanatrika ny olona amin'Andriamanitra. Koa ny ilaintsika dieny izao, dia ny mifanatrika amin' Andriamanitra foana, mba tsy hanadino ny fahotantsika. Fa raha olona zatra nieritreritra fa efa voadio kanjo mbola misoratra eo aminy ihany ny loto, ahoana no hanjo azy rehefa tena hifanatrika amin' Andriamanitra sy ny vahoaka ny lanitra ? Hahajoro eo anatrehan'ny Zanak'Olona ve izy ?
Ity fanoharana iray afaka dinihina amin'ny fiainana. Mino isika fa voavela ny helotsika ary azontsika ny famonjena. Nefa raha mbola menatra ihany ianao raha tenenin'ny olona ny faharatsianao (imaso imaso), dia midika mbola tsy tanteraka izany ny finoanao, ny antony ? Satria tsy mbola tanteraka ny famonjena anao, fa promesse.

niryna:
izay indray no tsy fantatro

==> Ao @ Apokalypsy

niryna:
fa ny fantatro dia tsy tonga izy handrava ny didy folo fa anantanteraka ny didy folo ary anome antsika fihavanana sy ampianatra antsika ho tia ny namana sy ny fahavalontsika knou :D

==> Nandidy antsika hifankatia Izy, fa izany no ahafantaran'ny olona fa mpianaNy isika.

niryna:
:D ka izay no maha olona antsika kosa e satria isika tsy filamatra fa mitady ny ho filamatra ary mila miambina fa tsy avelan'ilay lava rambo hino azy isika raha tsy manana ampinga hiadiana aminy dia ny tenin'Atra izany sy ny fampiasana ary fampiharana izany amin'ny fiainana andavan'andro.

==> Ary izay mino no afaka mampihatra. Io fampiharana io, matetika isika no mieritreritra fampiharana matériel, fa ny finoana dia asan'ny fanahy. Ohatra, mora ny mizara sakafo ho an'ny olona izay heverinao fa tokony hizarana, indrindra moa raha ampy hozaraina tsara ny eo am-pelan-tananao. Sarotra kosa ny manome rehefa tsy heverinao fa tokony homena ilay olona (na noho ilay olona na noho ny fahitanao ny eo am-pelan-tananao).

niryna:
Raha ny tenin'Atra no nanambara amintsika fa tsy ho tsaroany intsony dia tsy tsaroany intsony tokoa izany fa isika no mety mamerimberina an'iny ary tsarovy koa fa fantatry ny lavarambo ny fahalementsika ary averiny fotsiny ny oronantsary nalainy dia miverina daholo ny natao rehetra ary izay no tadiaviny :D

==> Iza no olona afaka hamerina izay efa nofoanan' Andriamanitra ? Fa matoa miverina eo aminao iny (tsy voatery ny vao nataonao, fa ny efa taloha efa nifonanao t@ fonao manontolo no mbola miverina tadidinao), dia satria mbola voasoratra ao. Misy rahalahy anakiray izay mahatadidy ny nijangajangany tamin'ny nenitoany, tamin'ny anabaviny, tao am-pony koa na tamin'ny vehivavy tsy nanam-bady na tamin'ireo vadin'olona. Ary izy no mijoro vavolombelona fa na dia efa nifonany ireo, ary mino izy fa voavelan' Andriamanitra ny helony noho ny ran'i Jesoa Kristy nalatsaka teo @ hazo fijaliana, dia fantany fa mbola ao ireo, ary ho avy ny andro izay hisehoan'ny zavatra rehetra satria : tsy misy ny takona izay tsy ho hita, tsy misy nafenina izay tsy hitranga.

Hainao tsara ny voasoratra ao @ Apokalypsy

11 Ensuite je vis un grand trône blanc et celui qui y était assis. Le ciel et la terre s'enfuirent loin de sa présence. Ils disparurent sans laisser de trace.
12 Je vis les morts, les grands et les petits, comparaissant devant le trône. Des livres furent ouverts. On ouvrit aussi un autre livre : le livre de vie. Les morts furent jugés, chacun d'après ses actes, suivant ce qui était inscrit dans ces livres.
13 La mer avait rendu ses naufragés, la mort et le royaume des morts avaient rendu ceux qu'ils détenaient. Et tous furent jugés, chacun conformément à ses actes.
14 Puis la mort et le séjour des morts furent précipités dans l'étang de feu. Cet étang de feu, c'est la seconde mort.
15 On y jeta aussi tous ceux dont le nom n'était pas inscrit dans le livre de vie.

Noho izany, aza mety hofitahina ka hanaiky fa efa voafafa daholo ny ratsy tao anatin'ny bokin'ny fiainanao, fa ambeno izao satria teny tena azo itokisana : Raha misoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ny anaranao dia voavonjy ianao.
90. rzakarivola ( 01/02/2010 15:18)
fijo:

izay mihintsy le ranombolamena,io koa fampiasan'ny olona any mahajanga.atao anaty koveta ny volamena ,dia iny rano iny no hampandroana ilay olona "heverina"fa otafdy,na maloto.

==> Tadidiko fa i zokinay hono t@ mbola kely nihosona maloto, dia nosasana tamin'ny ranom-bolamena.
Hoy ilay bandy namako iray izay hoe : "elah ve d sahy hisotro @ kaopy iray hoe hitan'lah fa nisy tay kely d nosasana avy teo ? Na dia nampiasa an'izao rehetra izao aza ?"
Asa raha misy chimiste mahay manamboatra produit mi-recycler ireny loto extrème ireny, ohatra hoe rano feno pipi fa rarahana produit dia misy réactions chimique eo dia madio ilay rano afaka ampiasaina tahaka ny rano madio rehetra. Nefa na misy aza izany, ho vitsy ihany ny olona tsy ho voaloto eritreritra ka hanaiky fa madio iny rano iny.

Izany rehetra izany dia maneho fahamarinana ara-panahy, dia ny fahotana sy ny vokany, izay antsoin'ny Malagasy hoe fanotana fady sy tsiny : ny olona mihosona amin'ny loto (fahotana) dia tsy afaka hiditra mihitsy ao amin'ny fanjakàn'ny lanitra raha tsy efa voadio.
91. rzakarivola ( 01/02/2010 15:27)
diamondra27:

Betsaka tokoa ny fomba sy ny fady malagasy taloha izay tsy fantatsika,misy ihany anefa ireo mbola mampiasa izany.Ao koa ireo manary izany.Ny anay ohatra izao dia hoe fady mihinana osy??inona koa angaha no dikan'izany.Ny fasana tsy azo idiran'andevo sy merina!!!!Mahagaga ,nefa tsy hitako izay dikany io .

misy dikany daholo ny zavatra rehetra koa

le angano angano ireny no haiko , tantara momba ny alika sy crocodile sy olona dia asa izy zay na le alika no nahavonjy ilay olona dia nilaza le olona io hoe: raha mbola taranako ihany dia aoka tsy hanao ratsy ny alika
toa misy itovizan'izany koa angamba ilay osy fa anontanio nge ireny olona fahiny ireny e.
Any ambanivohitray tsy azo hinanana kisoa, misy ihany koa toerana 1 fa tsy tadidiko tsy azo hitondrana sira
misy histoiredaholo ireny fa zany hoe tsy niampita taty amin'ny taranaka fara amandimby le infos de lasa tsy raharahina intsony.

-----------------------------------


==> Raha toa ka misy fady ary @ tany anankiray, azoko atao ny tsy mankany fotsiny dia tsy miaina an'iny fady iny aho.
Fa ataoko fa ireny rehetra ireny dia maneho marimarina zava-panahy : ho avy ny fotoana, ho any amin'ny toerana izay misy an'i Zanahary sy ireo razana ... koa tsara dieny izao ny mamantatra ny fady any, mba tsy hanota fady. Ary raha misy efa nanota fady, dia mila fantatra ny fomba atao mba hidiovana tsy hananan-tsiny amam-pondro.

Ankehitriny dia tsy miafina izany, fa ny Zanak' Andriamanitra no efa tonga nanambara ny zavatra rehetra.
92. ikaretsaka ( 01/02/2010 16:07)
rzakarivola:


misaotra ra fijo
i Jean paul 2 no niteny an'io t@ 1995

==> "isika" hoy izy.
Kristy tsy mba toy izany, ary izay miray amin'i Kristy dia tahaka an'i Kristy. Koa aoka hiray amin'i Kristy ny kristiana.
Tsy mahatohina ny mahita tsy mpino maniratsira ny fivavahan'ny mpino. Fa ny olona milaza fa mino kanefa maniratsira ny finoan'ny tenany no mamono ny tenany.
Izay milaza fa Kristiana kanefa miteny ratsy an'i Kristy (tsy mino ny teniNy) dia manan-doza kokoa noho ny tsy nino Azy hatramin'ny voalohany.

"vicaire du christ" no anarana hafa nahalalana an'i JP2 For Your Information


93. ni81 ( 01/02/2010 20:35)
Any ambanivohitray tsy azo hinanana kisoa, misy ihany koa toerana 1 fa tsy tadidiko tsy azo hitondrana sira
eny Andranoro (Ambohibao) io tsy mihinan-tsira io ry diams a!
94. diamondra27 ( 01/02/2010 21:30)
ilay rano ny pangalana iny koa toa tsy azo itondrana kisoa na hoe hanasan'ny vehivavy salaka fa manota fady hono raha manao izany
95. fijo ( 01/02/2010 23:14)
razaka an,ny rano sotroina anie ka misy rano efa avy nodiovina e.tsy hay izay efa nanao maloto tany,fa efa madio izy no tonga ao an trano.

diams,any antsoihy misyrano tsy azo hitenenana merina.de eo ampovoan'ny manaratsandry sy marovoay,misy rano tsy azo anaovana satroka.
96. diamondra27 ( 02/02/2010 09:40)
ni81: merci akia fa tsy tadidiko ilay toerana a, tena tsy nihinana sira mihintsy ny mponina any hoe an
97. rzakarivola ( 02/02/2010 13:02)
ikaretsaka:

"vicaire du christ" no anarana hafa nahalalana an'i JP2 For Your Information

==> Ny Apostoly Joany dia nolazain'ny teolojiana fa apostolin'ny fitiavana ...
Apostolin'ny jentilisa no filazan'ny mpandinika an'i Paoly.
Olona no nanome anarana teto.

I Simona Bar-jona dia nolazain'i Jesoa hoe "Petera" rehefa nilaza hoe "ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra Velona". I Jesoa teto no nanome anarana.
Ny anarana nomen'olona dia manan-danja @ olona izay nanome izany. Ary ny anarana izay nomen' Andriamanitra dia manan-danja eo anatrehan' Andriamanitra.
Ny anaran' Andriamanitra dia ambony, fa ny mpanao Salamo nilaza hoe : "Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra."
98. ikaretsaka ( 02/02/2010 13:14)
ny Papa rehetra dia Vicaire du christ ny anarany razaka an..
ary aza ajanona eo fotsiny ny vakiteninao fa tohizo hatrany @ siekla 1 siekla 2 siekla 10 ka hatr@ zao ny vakintenin0tantaranao e..
io le hoe aza izay metimety aminao ihany no tsimpony fa alaivo daholo izy rehetra dia izay vao maka hevitra
99. fijo ( 02/02/2010 21:09)
afangaron'ny akama indray zampoly sy ny mpianatry rajesoa le.
100. ikaretsaka ( 02/02/2010 21:12)
ka tsy misy tsimpona momban'i zampoly any amin lery fa apostoly ny any , dia forceny hifandraika le izy na hors "sobjektra" aza.. zao lery "jokotry" ny heviny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0628