Fa maninona no ampandrona? ahoana izany ?

41. itaramasoandro ( 27/01/2010 02:42)
hoy soanja
Koa ny fiarahana midio sy manovo na mahandro na mikarakara an'io dia efa zavadehibe tokoa na ara-panahy na ara-batana


ekena saingy tsy lafatra ireo raha tsy misy mpiaro ny loharano sy ny tontolony. :D ekeko fa miverimberina foana io resaka io eto amiko fa io no fianana ary ka dia...

8)
42. ravonjison ( 27/01/2010 12:22)
ikaretsaka:

Ka raha hitany fa misy tombotsoa @ tenany ilay izy, kanefa na misy fiantraikany ratsy @ manodidina aza dia tohizany foana ......Satria ny izao tontolo izaony dia mbola mijanona eo @ tenany ihany .

de eo no ilaina ilay hoe coexistance .. na fifampianarana sy fifamenoana
ahitana ny marimaritra iraisana.. fa raha tsy tsapanao koa hoe misy fiatraikany amin'ny manodidina (na tsara io na ratsy ) ny fataonao ka tohizanao foana ..dia tsy tsapanao fa ny izoa tontolo izao-nao dia mijanona eo @ tenanao ihany

-->io le bornage sy le amporisihina entoana hoe mba mijereva ihany ilay trangan-javatra @ perpesctive hafa foana... fa tsy hoe rehefa tsy ny anao de tsy izy izay



salut Ika a. Io ary ange ilay efa nolazaiko e, i Ika anie dia hitako fa tena olona malalatsaina mihitsy e, fa indraindray fotsiny izy toa be trerona sy masiaka be izay....

Sao dia mba hiaraka hiresadresaka aminay koa i Ika. Ny iray asabotsy tolakandro dia mba mihaona sy miresadresaka eo antokotany e, miaraka @ namana sasany ( sady mitono hena !!!!!). Fa saingy tsy fantatro no misy an' i Ika hoe aiza ?
43. ikaretsaka ( 27/01/2010 15:20)
Mivantana sy mahitsy no zahako anahako ravonjison a... misy no tsy mahatanty an'io rehefa loharana mivantana le hevitra teriteren'ny fisainany ao de hoe masiaka hono.
Fa ilay hoe mifanapanapak'ahitra. Maninona moa? Saingy mifanalavitra ilay tokotanintsika
44. ravonjison ( 27/01/2010 16:04)
ikaretsaka:

Mivantana sy mahitsy no zahako anahako ravonjison a... misy no tsy mahatanty an'io rehefa loharana mivantana le hevitra teriteren'ny fisainany ao de hoe masiaka hono.
Fa ilay hoe mifanapanapak'ahitra. Maninona moa? Saingy mifanalavitra ilay tokotanintsika



Fa aiza moa no misy an ' i Ika e ? Tsy ao Dago ve ?
45. ikaretsaka ( 27/01/2010 19:26)
ravonjy> eny rehetra eny e
46. fijo ( 27/01/2010 22:05)
hihih eto an tany re eh
47. niryna ( 28/01/2010 03:54)
ikaretsaka:

raiso hoe fomba ilay izy fa aza raisina hoe fivavahana
marina izany fa ilay olona anie ry ika niteny hoe isika kristiana tsy manao izany e


48. niryna ( 28/01/2010 03:57)
fahamarinana:

:arrow: niryna :za manokana aloha efa nahare izay ampandroana izay e,misy koa aza ilay iray izay mandro miaraka amin'ny volamena rehefa avy nandevina !
misaotra aky a,hay ve e.Io izany ny valin'izay nanontany hoe fa maninona no tsy mandro .Tsy resaka hoe maloto dia mandro ny tian'ilay olona tenenina fa mitovitovy io tenenin'i faha io ,izay no fahafantarako azy ,asa aloha fa izany no antony anontaniako anareo
Ny hoe dikany sy ny ny antony dia tsy haiko sady tsy nadihadiko koa fa araka io lazain'Ika io hoe betsaka ny fomba Malagasy tsy fantatra sy tsy dia hay ny dikany afatsy olona vitsivitsy hany ka mametraka olana ny manohy azy!
Ny hoe resaka Fivavahana miaraka aminy dia aleo tsy dia hidirako satria tsy dia haiko sy voafehiko loatra ! (l)

misaotra ary e

:-*
49. niryna ( 28/01/2010 04:00)
fijo:

mety hoe fomba mba foronina kosa izany ry niryna fa aza avy dia gaga be loatra an
tsy noforonina ka,.inona no tombotsoa amoronana zavatra tsy misy ? hi,hi
jereo io tenen'i faha io :D




50. niryna ( 28/01/2010 04:15)
mibalika:

Amiko,ny mampalahelo dia ny tsy fahaizantsika ankizy ankehitriny ny atao hoe : FOMBA MALAGASY intsony,
ndryy ! ka izany no antony anontaniana eto sao mba misy mahalala kou:D Tanora mampiady kary ka ny antitra antitra ihany :D

ny famadiahana sy ny didi-poatra sisa angamba no mbola be pahalala amin'izao fotoana fa na ireo aza dia tsy dia betsaka intsony ny manao izany;noho ny antony ekonomika angamba no mahatonga izany ,
raha ekonomia aloha dia mety hitombona ilay famadihana e,lany hatramin'ny taninketsa tokoa anie ny an'ny hafa e,olona firy no fahanana ary ny kristiana koa tsy mamadika izany intsony no tena betsaka,misy maty dia mamono lamba fa tsy mamadika na hoe mandeha any am-pasana manatitra voninkazo dia miresaka amin'ny razana tsy maheno eo intsony.Hevitro io fa avereno aty amiko raha t sy mifanaraka ny fomban'ny hafa an ,ok
Ny didi-poitra indray dia tena marikoriko ilay fomba mihinana an'iny zavatra iny oops.,mampandoha ,ary tsy madio ka na dia mahay aza ilay nandidy tsy maninona fa aleo atao any amin'ny hopitaly dia vita

fa na izany aza anefa tsy tokony harina ny fomban-drazantsika...eto dia laviko tanteraka ny soratra nataon'ity mpanoratra iray ity hoe finoanoampoana ny fomba malagasy???ny mpanjanaka no nametraka tao an-tsaintsika fa ny fomban-drazana dia tsy tsara ,
ny tsara terizina ny ratsy avela ka ,fananarana no betsaka dia raisina ilay izy fa noheverina ho tsara

tsarovy anefa fa talohan'ny nahatongavan'ny mpanjanaka hampianatra antsika ny fisian'Andriamanitra ,dia efa nino NY ZANAHARY izy ireo...
ny Zanahy izay Atra ve no tiany tenenina amin'io ? satria na nino an'Atra aza ny firenentsika dia nino ny razana koa mitahy ny razana ao atsimon-trano hoy ry zareo rehefa misy zavatra ataony ,na andao angataka fitahiana amin'ny razana.Avereno aty amiko raha diso ny eritreritro an

jereo ny japoney;sady manaiky ny fomban-drazany izy no manaiky ny fandrosoana koa !
ary misy mino an'ATra koa ry zareo ka


51. niryna ( 28/01/2010 04:25)
benkakely:

tsy fomba izany fa fivavahana ataon'ny mpimasy amin'ny demonia;fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ny malagasy fahiny;toy ny joro;fandroana;etsetra ;asan'ny maizina zany efa fa na dia mandika afo avy mandevina aza dia finoanoampoana fampianarandrazana izay halan'Andriamanitra tokoa

hay ve e ,misaotra anao nampahanfatra ahy

mandehana mahitsy ary ankino amin'Andriamanitra tokana ny mariazinao de ho tahiany ianao
yep.Tsy ahy aloha ilay izy fa olona no mba nitantara ahy izany , araka ny filazan'ny mpitantara dia tsy nandeha izy ka,dia tsy nanery azy koa ilay olona ka ,vita soa aman-tsara ny mariaziny ka fa tsy fantatro ilay izy hoe inona izany ampandroana izany dia izay no nametrahako ny dinika eto ho an'izay mahalala :D


52. niryna ( 28/01/2010 04:36)
tsy fomba izany fa fivavahana ataon'ny mpimasy amin'ny demonia
ni81:
raha taranak'olona mpanasina izy ary tena mbola manaraka ilay fanao, dia tena fomba tsy maintsy atao aminy ilay entina @ ireny toerana fanasinana ireny mialohan'ny hiatrehany mariazy, na fanadinana, na zava-dehibe mahakasika ny fiainany.
hay ve e, dia ahoana hono no ataony amin'izany efa nahita ve ni ?

Efa naheno izany hoe mila ampandrona izany ve nareo,ahoana izany ? fa maninona no ampandrona ,fomba malagasy inona izany ?
misaotra mialoha
niryna
ny mba efa hitako dia ilay olona avy nigadra dia ampandroin'ny havany @ ranom-bola tsy vaky. Dia nisy olona koa nianjera tanaty lavaka feno maloto dia nampandroina t@ ranombolamena.[/quote] inona izany ranombolamena ? alaina ve ny volamena dia iny rano iny no ampandroina azy ? azafady raha mety manao fanontaniana adaladala aho an

Fa tsy dia azoko loatra ny heviny; fa angamba noho ny ara-pahasalamana! Tokony ho natao t@ savony anefa raha toa ka izay dia vita :D

hi,hi, ka tsy ilay hoe mandehana mandro anie io ry ni e,toa zavatra hafa mihitsy hono ka,asa aloha fa dia miandry izay mahalala isika izany fa fomban-drazana hono ilay izy izany ho an'izay manao ilay izy :D

53. niryna ( 28/01/2010 04:55)
fijo:

4. Mpandefa : benkakely [ Valio ] 24-01-2010 14:02:55
Lohateny : Re : Fa maninona no ampandrona? ahoana izany ?
tsy fomba izany fa fivavahana ataon'ny mpimasy amin'ny demonia;fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ny malagasy fahiny;toy ny joro;fandroana;etsetra ;asan'ny maizina zany efa fa na dia mandika afo avy mandevina aza dia finoanoampoana fampianarandrazana izay halan'Andriamanitra tokoa;mandehana mahitsy ary ankino amin'Andriamanitra tokana ny mariazinao de ho tahiany ianao

hialakao tsiny ry akama,fa eto toa ise no mbola maizina be le fisainana.azafady fa toa le olona mpamerina tsianjery nampianarina tany ampiangonana fotsiny le hevitra eto.



=)) =))
54. niryna ( 28/01/2010 04:59)
rzakarivola:

Ny fomba Malagasy tsy haiko, fa fantatro kosa fa mila mandro ny olona (ho afaka @ lotony) vao afaka hiditra ao amin'ny fanjakàn'ny lanitra.
mba azavao hoe azafady rzaka misaotra


55. ikaretsaka ( 28/01/2010 16:31)
niryna:


raiso hoe fomba ilay izy fa aza raisina hoe fivavahana
marina izany fa ilay olona anie ry ika niteny hoe isika kristiana tsy manao izany e





si! manao isika kristianina ka fa samihafa ny fandraisana azy... isika izao araka io lazain'i soanja io de mino ny tso-drano ohatra!
io le lazaiko hoe velaro ihany ilay "lampihazom-pisainana"


56. fijo ( 28/01/2010 20:51)
ka le izy wa aza terena hisaraka ny fomba fanao sy ny finoana.matoa ny katolika tafaparitaka manerana ny tany,dia tsapan'ny mopera,fa raha terena ny olona handa ny fombany ,dia handa ny finoana ampianarina azy koa(efa nandramana izany ka tsapa fa tsy nahomby)dia tonga saina ny mopera hoe aleo izy hampiantra ny fombany ,fa ny finoany no sarihina hivadika kristianina.de nanaiky tsotra ny olona
57. rzakarivola ( 29/01/2010 13:13)
fijo >>> Toa tsy izany loatra no hitako. Ny hitako dia izao, lasa nanaraka fomban'ny fiangonana kristiana ny olona fa ny finoany tsy niova mihitsy.
Raha nino an'i Kristy marina ny gasy (na ny hafa koa), dia izy tenany no ho nanary ny fomba tsy mety. Saingy ankehitriny (hatr@ taloha ka), ny fomba kristiana no entiny manompo sampy, ny anaran'i Kristy no solon'ny Mithra, ny terme rehetra ao @ Baiboly, izay manana ny fahamasinany no lasa ampiasaina @ fitaka sy lainga isan-karazany.
Loza ny manjo ny olona toy izany.
58. rzakarivola ( 29/01/2010 13:29)
niryna:

[quote=rzakarivola]
Ny fomba Malagasy tsy haiko, fa fantatro kosa fa mila mandro ny olona (ho afaka @ lotony) vao afaka hiditra ao amin'ny fanjakàn'ny lanitra.
mba azavao hoe azafady rzaka misaotra

==> "
3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?
4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.
5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.
"
Ka iza no olona hadio tanana raha tsy efa nidio aloha ?
Mihevitra isika kristiana matetika hoe : "Efa nalatsak'i Kristy ny ràny hanadio antsika, koa efa madio isika". Raha mbola tadidinao ny fahotanao, na dia efa nifonanao aza, na dia mino aza ianao, dia mbola ao izy izany, fa tsy misy fahotana hitanao @ tenanao kanefa lazainao fa efa tsy hitan' Andriamanitra intsony, izay hitan' Andriamanitra aza tsy hitanao akory raha tsy asehon' Andriamanitra anao.
Te hamerina ny fampitandreman'i Paoly aho @ kristiana ankehitriny hoe : tandremo, fa misy milaza fa efa vita sahady ny fitsanganana @ maty (inona ny fitsanganana @ maty raha tsy ny mahatonga ilay mangatrakatraka toy ny sily ho lasa fotsy tahaka ny oram-panala?). Fa fanantenana no amonjena antsika fa tsy fahitana! Koa hatr@izao dia mbola hitantsika fa misoratra ao ihany ny fahotantsika, satria manantena ny hovonjena isika ho afaka @ loto rehetra rehetra.
Efa niteny Izy fa sambatra ny ao an-danitra fa nazera ilay fahavalo mpiampanga, ho azy ireo dia efa iainana sy hita ny famonjena, fa loza kosa ny ety an-tany satria nazera tety ny fahavalo. Koa raha mbola ety, dia miambena fandrao ho voafitaka.
Misy ny mihevitra fa foana ny Didy folo sy ny Lalàn'i Mosesy. I Jesoa efa nilaza fa tsy hisy foana na dia yod anakiray aza ambaram-pahatanterak'izy rehetra. Raha mbola misy fijangajangana ao aminao dia mbola voaheloky ny fijangajangana ianao, raha mbola misy fangalarana na famonoana olona na tsy fanajana dia mbola misy fanamelohana amin'izany rehetra izany.
Misy ny mihevitra fa efa voafafa tanteraka ny heloka ka "tsy tsarony intsony", raha tena tsy tsaroana intsony marina dia izay izany, fa raha misy mahatsiaro ihany nefa milaza fa efa voafafa, dia mamita-tena izy, ary ny marina tsy ao aminy.
Koa aoka hiambina isika mba tsy hiala amin'ny marina, fa Andriamanitra marina ka tsy misy fitaka na fahadisoana na kely aza ao amiNy.
Na izany aza, izay nampanantenaiNy dia tsy maintsy hotanterahiNy, koa mahereza, mifampahereza, mifananara tahaka izay efa ataontsika eto.
59. ikaretsaka ( 29/01/2010 16:15)
ho'zy le rangahy izay hoe
We despise all reverences and all the objects of reverence which are outside the pale of our own list of sacred things. And yet, with strange inconsistency, we are shocked when other people despise and defile the things which are holy to us.
60. fijo ( 29/01/2010 20:26)
rzaka,misy marina io voalazanao io,fa zavatra tsapa tany zamerika atsimo koa io lazaiko io,ary nampihitatra be ny katolika tany.

dika tsotra:"isika dia mankahala sy manameloka ny fanajana ny zavatra ivelan'ny lisitry ny zavatra masina amintsika,nefa isika dia tsy tonga saina,fa tohina raha ny olona hafa no mankahala sy tsy manaja ny zavatra masina amintsika"

tsy di ahoe mahay be le teny ngilisy aho fa izay ngamba no azo handikana azy io hoan'ny namana rehetra,ka anjarantsika no mandinika raha isan'izany isika tsirairay aby.???????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081