Maninona ny Katolika no tsy manao fandalinana ny baiboly?

1. xxx ( 26/07/2009 12:12)
Mba tena mahavariana ahy mihintsy io, satria tsy mba misy an'io fandaharana io mihintsy ny fotoam-pivavahana Katolika. Fa isaky ny alahady dia toa ilay fandaharana isan-taona ihany no averina amin'ny famakiana ny baiboly sy ny toriteny atao.

Misy zavatra tsy tian'ny katolika ho fantatry ny mpino katolika ve ao amin'ny baiboly sa hoe tokony ny mopera sy ny monseigneur ihany no mahalala ny baiboly ?

Izany koa ve no antony tsy mba nampaherezana ny mpino Katolika hividy baiboly raha tsy efa taty amin'ny taona 1980 ?
2. Zina ( 26/07/2009 17:08)
ideologie no nampiasaina ka, tsy nomena liberte ny olona handalina ny baiboly. soa ihany fa efa mba nivotra ry zareo, raha tsy manao etudes ny baiboly dia ataoko fa tsy ho fantatra mihitsy sy mahafantatra izay ao anatin'ny tenin'Andriamanitra.
3. ari.malala ( 27/07/2009 06:58)
Euh, :roll: fa in no atao @ toriteny? sa teny avy aiza no nakàna ny vakiteny vakiana ao am-piangoanana katolika? sa mila tenenina an'i xxx @ antsipirihany isan'alatsinainy hoe xxx a, izao indray ny fandalinana nomena omaly alahady? :roll:
4. ikaretsaka ( 27/07/2009 08:44)
Odry...ny fiainan'ny kato manontolo dia fandalinana baiboly foana.. fa tsy voatery le mamaky mitanisa toko sy andininy foana akory

Ivereno jerena ny fanolorana ny andro
Rahefa manao fanolorana ny andro izy dia ny sacrifice nataon'i jesoa no ankalazainy @ tenany sy tsarovany ary zavatra voalaza ao @ baiboly no hi baseny ny vavaka

Rahefa manao raozery izy dia ny misterin'ny famonjena no dinihiny sy mediteny miaraka @ Masina Maria.ary avy ao anaty baiboly aby no nangalaina ireo themes rehetra @ le mistery

Rehefa lalan'ny hazo fijaliana.. dia ny fijanonana rehetra ho mediter na dia passage ao @ baiboly

Rehefa lamesa.. zavatra voalazan'i jesoa sy ny mpaminany ary ny apostoly 100% no atao sy ankalazaina ary dihinina...

Ny vaninandro isan taona... zavatra voalazan'ny baiboly daholo..ary ny kato no nametra hoe izao ny paka sy ny pentekoty sy lavenona sy karemy sns... ary avy @ baiboly no nandaharany azy hoe hafaka zao andro aorianan'izao de ascention de afaka zao de pantekoty...

Rehefa manampy ny manodidina azy ny kato dia ilay ohatra velona nomen'i jesoa. (tiavo ny namanao...izay ataonareo @ madinika dia Izaho no anaovanareo azy)...

Fehiny: ny fandalinana baibolin'ny kanto dia tsy tsimpona eo ambony latabatra fa @ fiainany andavanandro
5. xxx ( 27/07/2009 09:12)
Aza misendaotra aloha ny katolika e, na efa nampoizina ihany aza

Ny fahazoako azy dia ny étude perso sy ny karazana échange entre mpino , samy mitondra ny fijeriny momba ny texte iray no tsy dia misy .

Marina io lazain'i Zina io : doctrine no apetraka na napetraky ny finoana katolika fa tsy omena fahafahana hi discuter ny @ izay ao @ Baiboly. Efa taty aoriana tokoa ny katolika vao nahazo nandray sy nanana Baiboly tany an-trano

Ari.malala >>> unilatéral ilay toriteny, i mopera ihany ny miteny

Ika >>> tsy ny fanehoana ny finoana no fanontaniana napetrany fa ilay fandalinana personnel na en groupe, izany hoe tsy ilay fanehoana ivelany akory no anontaniany . Somary " répétition " avokoa ny ankamaroan'ireo lazainao ireo

Ny rafozako izao katolika, dia miaina ao @ io famerimberenana io izy, hoy i mopera hoe ... dia miaina arak'izay tokoa izy

Izaho tsy manome tsiny ny katolika na manome rariny ny mpametraka sujet fa zavatra tsapako ihany koa io .

xxx-tsy-tompon'ny sujet
6. Ahton ( 27/07/2009 09:54)
Za aloha aleo ny Kato na tsy mivingitra bible isn'alahady sahal @ proteste e! Satria fahafantarako azy ny bible dia atao iainana fa tsy atao tsianjery; na hainao mantolo aza iny iny boky masina iny nefa ny fiainanao tsy @ laoniny sy tsy manampy ny sahiran sy ny mahantra dia poakaty ihany. Kristy angaha nivingitra sy nanao tsianjery ny bible. Ny fiainany no bible. :-*
7. xxx ( 27/07/2009 09:59)
Ahton:

Hors sujet ise
8. fahamarinana ( 27/07/2009 11:04)
:arrow: Aoka kosa tsy afangaro ny sarababem-bahoaka e,na protestant izy ka mivimbina Baiboly isan'andro dia tsy voatery koa hitoko andininy sy Toko daholo , afaka miaina izany koa izy !
Ny kato koa tahaka izay ,misy tsy miaina izay ambaran'ny Baiboly : ny atao hoe miaina izany dia hita taratra eny amin'ny Teniny ,lazainy ,fiainany,fifandraisany amin'ny manodidina,fitandremany ny Didy folo : voalaza anaty Baiboly ireo !! ....sns
Fehiny : na kato na protestant rehefa tsy hanano dia tsy izy aby na hivimbina na hitsipona na haninona izy !....
Tsy any ny olana fa ny tenan'ny tsirairay no voakasika na tsia ! Amiko aloha io !Ndraindray manko isika toa manafangaro zavatra foana hoe ------Baiboly = Fitsiponana ,eny na misy manao izany aza fa azy iny ,izay no fiainany ny Finoany tahaka ny fiainanao ny Finoanao rahateo !Hevitro monja izay fa aereno amiko raha tsy tiana na manahirana ! :)
Hiverina amin'ny fanontaniany xxx mpandefa aho ,taloha ny Kato tsy nivavaka niteny koa nefa ankehitriny efa niova izany ,efa maro no mivavaka miteny tahaka ny Protestant fa tsy vitan'ny tora-po fontsiny (ny aty aminay sy ny Fiangonana maro no ahitako izany )...asa ,any aoriana mety mbola hiova koa ary handalina Baiboly ,mety tsy hiova koa !...eo tsika mahita izy ! (l)
9. ni81 ( 27/07/2009 11:27)
Na KATO, na PROTE, maro be ireo karazany... manao fandalinana aza tsy manaraka @ ilay zavatra voasoratra, nianarany, notoriany, notanisainy...fa toa matetika manao mpitari-bato vilam-bava fotsiny, ka ny lazain'ny molony hafa, ary ny ataon'ny tanany hafa. Mifanohitra be toy ny atsimo sy avaratra
:roll:
10. ari.malala ( 27/07/2009 12:12)
xxx tompon'ny sujet sy xxx 4, efa misy ankehitriny ny atao hoe APV (Ankohonam-Pangonana Velona) izay ifampizaràn'ny Xna Tenin'Andriamanitra sy anaovana fandalinana sy fandinihana baiboly. Tsy haiko any @ paroasy sasany fa ny ao amin'ny misy ahy no tiako tenenina hoe izay no atao isaky ny vakim-paritra sy ny faritra, avondron'ny pretra isam-bolana izy io, itondran'ny pretra fanazavana izay tsy mazava. Ary isaky ny asabotsy dia misy fandalinam-pinoana hoan'ny tanora any am-piangonana, ifampizarana sy andinihana momba ny baiboly. Samy mandray anjara fitenenana daolo ny tsirairay fa tsy unilatéral akory...

Fanontaniana kely, inona aloha no tena tiana iaviana @ ilay hoe ny katolika tsy manao fandalinana baiboly e! te hiteny v enao hoe nareo hafa finoana tena izy lay b mintsy @ fahaizana tenin'Andriamanitra? fa io nge na hainao tsianjery aza izy 1000pejy mahery iny fa tsy ampiharinao tsy misy dikany e! ary raha tsy diso aho toa misy any anatin'iny boky alalininareo iny hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina... Raha mandalina ianareo, alalino tsara fa aza ilaozana mitsikera na mitsara izay ataon'ny hafa...

11. fahamarinana ( 27/07/2009 12:25)
:arrow: ari : voalazandry mihintsy ilay tiako tsindrina hoe : fa tsy ampiharinao tsy misy dikany e! .
Marina tanteraka sy tsy misy kianina na inona Finoany na inona ! Tsy vitan'ny vava sy tsimpona ,na saple sy Rozery averina in-jato nefa tsy iainana !Lasa karaha tsianjery vita ho azy izay rehetra tanisaina na Toko sy Andininy io na Arahaba ry Maria ,sns sns ..tsy misy avahana fa sahala aby !
Ka io lazain'ny ari io zao ohatra iray mahafinaritra ,izay ilay nolazaiko tery ambony hoe mety hiova tsikelikely ,izany akory tsy midika fa na tsy nandalina Baiboly aza dia hoe tsy ampy na tsy feno na koa hafa ! Tsy misy tokoa afaka hilaza izany ! :) (l)
12. tywa68 ( 27/07/2009 13:00)
xxx:

Mba tena mahavariana ahy mihintsy io, satria tsy mba misy an'io fandaharana io mihintsy ny fotoam-pivavahana Katolika. Fa isaky ny alahady dia toa ilay fandaharana isan-taona ihany no averina amin'ny famakiana ny baiboly sy ny toriteny atao.

Misy zavatra tsy tian'ny katolika ho fantatry ny mpino katolika ve ao amin'ny baiboly sa hoe tokony ny mopera sy ny monseigneur ihany no mahalala ny baiboly ?

Izany koa ve no antony tsy mba nampaherezana ny mpino Katolika hividy baiboly raha tsy efa taty amin'ny taona 1980 ?

Zao zany ilay sady mametraka fanontaniana no mamaly an :lol: zahay aloha nanana baiboly foana ary tsy noferana raha te hamaky sy te hiresaka momba an'iny, fa kosa mankatoa ny tenin'i môpera (tsy manakana n'inn2 zany akory satria olombelona i môpera ary azo resahina tsara koa).
13. tywa68 ( 27/07/2009 13:11)
xxx:

Aza misendaotra aloha ny katolika e, na efa nampoizina ihany aza

Ny fahazoako azy dia ny étude perso sy ny karazana échange entre mpino , samy mitondra ny fijeriny momba ny texte iray no tsy dia misy .

Marina io lazain'i Zina io : doctrine no apetraka na napetraky ny finoana katolika fa tsy omena fahafahana hi discuter ny @ izay ao @ Baiboly. Efa taty aoriana tokoa ny katolika vao nahazo nandray sy nanana Baiboly tany an-trano

Ari.malala >>> unilatéral ilay toriteny, i mopera ihany ny miteny

Ika >>> tsy ny fanehoana ny finoana no fanontaniana napetrany fa ilay fandalinana personnel na en groupe, izany hoe tsy ilay fanehoana ivelany akory no anontaniany . Somary " répétition " avokoa ny ankamaroan'ireo lazainao ireo

Ny rafozako izao katolika, dia miaina ao @ io famerimberenana io izy, hoy i mopera hoe ... dia miaina arak'izay tokoa izy

Izaho tsy manome tsiny ny katolika na manome rariny ny mpametraka sujet fa zavatra tsapako ihany koa io .

xxx-tsy-tompon'ny sujet

xxx : ilay rafozana aloha d misy tsy mety hita foana ao aminy e :-D
D raha tompon'ilay sujet d nampiova inn ? ahoana moa no ahitanao fa tsy misy an'izany any @ katolika, iza no mampita an'izany fisainana izany ? tsy aleo v mijery akaiky fa tsy mihaino fotsiny zay heno etsy sy eroa :D
14. ikaretsaka ( 27/07/2009 13:48)
Fandalinana personel ange no atao rehefa manao raozery ohatra ry xxx e..ianao no mandalina ny mistery ao...
Sa tsy mbola nanao raozery hatr@ niainanao izato ianao...raha tsia..andramo
15. xxx ( 28/07/2009 01:27)
Ahton:

Za aloha aleo ny Kato na tsy mivingitra bible isn'alahady sahal @ proteste e! Satria fahafantarako azy ny bible dia atao iainana fa tsy atao tsianjery; na hainao mantolo aza iny iny boky masina iny nefa ny fiainanao tsy @ laoniny sy tsy manampy ny sahiran sy ny mahantra dia poakaty ihany. Kristy angaha nivingitra sy nanao tsianjery ny bible. Ny fiainany no bible. :-*

Ka ahoana moa izany no iainanao ny baiboly raha izay voalaza ao anatiny aza tsy voavakinao akory? Sa dia izay naverimberina taminao ihany no iainanao azy?

16. xxx ( 28/07/2009 01:32)
Aiza koa no misy raozery miay mistery izany ry Ika? Aza mitenniteny foana fa mahamenatra
17. ikaretsaka ( 28/07/2009 01:57)
xxx:

Aiza koa no misy raozery miay mistery izany ry Ika? Aza mitenniteny foana fa mahamenatra

Misy fa mianara tsara na mitenena rehefa tsy mahay. Misy mistery 4 dinihina @ raozery ary misy themes 5 isaky ny mistery

18. ari.malala ( 28/07/2009 05:14)
xxx:

Aiza koa no misy raozery miay mistery izany ry Ika? Aza mitenniteny foana fa mahamenatra

:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D i ika v no miteniteny foana araka ny lazainao d enao no menatra? :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D enao ka y no tena miteniteny foana ko! ts mahay akory nefa manakiana :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
19. ravatorano ( 28/07/2009 06:17)
firy amin'ny mpino kristianina no tena miaina amin'ny voalazan'ny baiboly io ?
ny milaza mahay mandalina an'io aza mbola manita-kevitra hafa ary maklany amin'ny faharatsiana ihany amin'ny maha olombelona azy.
Fehiny tsy azoko antoka hoe kristianina mahafehy ny 80% ny voalaza ao anatin'io baiboly io ary vitsy no tena miaina sy manbkalaza ny teny voasoratra ao fa lasako vavany fotsiny.Ny ao ampony hafa ny ao antsaina hafa ary ny avoakan'ny vavany dia hafa ihany koa !
fa tsy resaka kato tsy mandalina baiboly akoriny io !
20. soanja ( 28/07/2009 13:09)
Katolika ny tenako ary hatramin'ny fahazazako dia nandalina tokoa ny soratra masina izahay rehefa manao katesizy tany ampianarana. Mahavoafaoka tanteraka ny tian'i baiboly tenenina ny fampianarana omena sy ny fandalinana arakaraky ny mahalehibe ny taonan'ilay mpino.

Miankina aminny tsirairay kosa ny fampiharana izay fahalalana azo. Ny fisokafam-panahy no miasa amin'izany. Tsy natao hifampitsarana ary tsy natao anendrikendrehana olona na anaram-piangonana fa natao hifampitsimbinana sy ifankatiavana ny finoana eo amin'ny samy Kristianina.

Mahereza mitia ny hafa amin'ny mahasamihafa antsika, tsy mora izany saingy izay no nanamboaran'Andriamanitra antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083