Tsy mandrara ny fampirafesana ny Baiboly

1. ronaldo09 ( 28/09/2007 11:45)
Fomba entina andresen-dahatra ho an'ireo olona mampirafy (ny lehilahy no tiako ho tenenina eto) na kristiana izy na tsia ny hoe raha namorona olona Andriamanitra dia lahy sy vavy no noforoniny!Zany hoe lehilahy iray ho an'ny vehivavy iray fa tsy azo atao ny mampirafy...
Ny Baiboly anefa dia mampiseho an'ireo izay olo-malaza amin'ny finoana toa an-dry Abrahama ,Davida Jakoba ...fa nampirafy izy ireo :
Abrahama (rain'ny mino):Lehilahy izay nampiaiky an'Andriamanitra ny finoany fa saika nafoiny mbamin'Isaka zanany aza noho ny fankatoavana ny baiko'andriamanitra,ity lehilahy malaza amin'ny finoana ity anefa dia nana an'i Saraha avy eo nanambady an'i Hagara renin'Ismaela ary avy eo nanambady an'i Ketora...Midika izany fa tsy mandrara ny fampirafesana Andriamanitra koa ity ary rain'ny mino no mampirafy sanatria tsy mitsara an'i Abrahama aho tsy akory...
Jakoba antsoina koa hoe Israely (Nitolona tamin'Andriamanitra ka naharesy) dia anisan'ireo nihaona tamin'andriamanitra mivantana ary tsy namela azy handeha mihitsy raha tsy mahazo fitahiana,izy dia nanana an'i Lea sy Rahely zanak'i Labana ary koa ny mpanompon'ireo dia i Bila sy Zilpa ho vadiny ary niteraka 13 (12 lahy ary i Dina vavitokana).Midika izany fa ny olona izay nitafa t@ Adriamanitra sady nahazo ny fitahiany dia afaka nampirafy.
Davida mpanjaka,lehilahy araka ny fon'Andriamanitra izay nanirahany an'i Samoela ka nilazany hoe :nahita lehilahy araka ny foko Aho ,i Davida dia nampirafy ihany koa teo i Mikala zanak'i Saoly ,i Abigaila vadin'i Nabala ary i Batseba vadin'i Oria sy ireo vadiny hafa ary na dia efa akaiky ho faty aza Davida dia mbola nitadiavana tovovay farany izay tsara tarehy ho eo akaikiny...
I Solomona izay mpanjaka hendry moa sady koa zanakin'ny teny fikasana ary nanorina ny tempoly dia torak'izany ihany koa fa nahatratra arivo ny vadiny....
Noho izany aza mamorona isika ho tsy azo atao ny mampirafy ,azo atao dia azo atao fa ento amin'ny lalana tokony ho izy fa tsy mandrara an'io Andriamanitra....
novalian'i xxx ny 09/01/2008 12:05
2. Jeankely ( 28/09/2007 11:56)
Zavatra samihafa no resahinao ry namana. Sahala ny Silamo ohatra tsy mampirafy araka ny fomba filazan'ny Malagasy azy ry zareo fa tena mahazo manambady miohatra ny iray. Tsy ny rehetra no manao izany fa resaka hafa io ary raha tsy manaiky ilay vady voalohany dia tsy mety. Indraindray aza ilay vady voalohany no mahita vehivavy mahantra na maty vady na sahirana noho izany resaka fanavotana fa tsy fampirafesana sahala ny ataon'ny hafa. Ny Malagasy dia mendrika ho azy ny manambady iray satria ny iray miampy zanaka aza tsy velona koa maninona no mitady olana hafa indray? Raha mpanana ianao ka manaiky ny vehivavy tsy olana io fa raha resaka miafina kosa dia tsy mety mihintsy izany. Tsy mamely miafina fa hifanarahana. Ny tantara t@ andron'ny baiboly ve no ampitoviana ny fianinana @'izao taona 2007 akaiky ho tapitra izao?
3. la ( 28/09/2007 12:11)
ronaldo09>ahoana ndray ary ny hevitrao amin'ilay tenin'ny soratra masina hoe:" tsy sitrako ny fisaoram-bady hoy Jehovah raha tsy noho ny amin'ny fijangajangana ihany", zao no tiko lazaina anao:
-reo olona rehetra volazanao ireo dia olona ihany, toy ny mpanompon'Atra rehetra ka tsy ze ataony akory dia midika hoe tsara daholo, fa firifiry moa ny olona milaza azy ho manompo Atra sy manana Atra eo amin'ny fiainany no manao adalana toy izany (mampirafy, mangala-badin'olona sns...)fa izao matoa Atra niteny hoe tsy sitrako ny fisaoram-bady....raha tsy noho ny fijangajangana ihany dia tsy mety zany ilay izy, sady zao koa e! efa hita fa mampikorotana ve de mbola atao ihany satria maka tahaka ny olona hoe ireny aza manao?
Mapirafy = tsy mety sady tsy tokony hatao fa mampisavoritaka sy mampijaly olona satria manitsakitsaka fitiavan'olona.
Hafa ra efa hifanarahana ny anareo fa ra ampitaka dia tsy mety :)
4. tafita ( 28/09/2007 12:18)
tena misy zavatra azoko raisina ny hevitrareo am-tsam , fa sady mampimeh no mahasosotra anefa ....Ny iray miteny ara lojika ao amin' ny Bible , ny iray miteny ara morale .. Efa mitovitovy amin' i ra ordinera koa nareo izany ....
5. la ( 28/09/2007 12:59)
tafita: hazavao ny hevitrao fa tsy azoko, ny antony nandraisako io dia noho izy naka ohatra tao amin'ny baiboly, fa azavao ny hevitrao e:):)
6. hery ( 28/09/2007 13:20)
Lasa manam-pahaizana manokana momba ny baiboly koa angaha i ronaldo? :-)

Raha tsy izany mantsy dia hoy aho hoe aza miditra loatra amin'ny pataloha tery :-) Ary aza midehadehaka amin-javatra tsy nianarana akory. (oups)

7. cutie ( 28/09/2007 13:23)
ny hevitro
refa manimba ny tenanao na ny hafa de aza atao, na voararan'ny baiboly na tsia :lol:
8. mandrindra ( 28/09/2007 13:27)
cutie, inn no tsy manimba ny tenanao ary ka azo atao?:-D:-D:-D

baiboly, morale, fahamarianana...
nandalina, tsy nandalina, manamphaizana, tsy mahay ....
samia miaro ny heviny fa izaho dia mbola ilay mpizara:lol:
9. cutie ( 28/09/2007 13:28)
Mpandefa : mandrindra [ Valio ] 28-09-2007 15:27:20
Lohateny : Re : Tsy mandrara ny fampirafesana ny Baiboly
cutie, inn no tsy manimba ny tenanao ary ka azo atao?

refa tsy marary koa :-D:-D:-D:-D:-D
10. mandrindra ( 28/09/2007 13:38)
haiko ny manao an'izany ka:°):-D:-D
11. cutie ( 28/09/2007 13:39)
kofona za:-D:-D:-D:-D
atao ahona:-D
12. mandrindra ( 28/09/2007 13:45)
tsofina ny vava:-D:-D
13. xxx ( 28/09/2007 13:58)
faly be mandrindra mahita an'ity dinika ity e :-)
14. mandrindra ( 28/09/2007 14:03)
faly be koa za mahita xxx:lol:
15. xxx ( 28/09/2007 14:08)
mandrindra:

faly be koa za mahita xxx:lol:


aza atao an'izany aho fa menatra be :oops:
16. cutie ( 28/09/2007 14:24)
. Mpandefa : mandrindra [ Valio ] 28-09-2007 15:45:46
Lohateny : Re : Tsy mandrara ny fampirafesana ny Baiboly
tsofina ny vava

tsy azoko :roll:
17. mandrindra ( 28/09/2007 14:28)
xxx, ahoana no hatao tsy ahamenatra an'i xxx ary?:lol:

cutie, kofona ianao dia tsofina ny vava, dia afaka ilay mangitikitika nahakofona....:lol: ary aza atao an'io ny moa ny maso sao mivadika eo eee:wink:
18. booboo ( 28/09/2007 14:35)
ngaha tsy dobohana beeee ny lamosina refa kofona ? :°)
19. mandrindra ( 28/09/2007 14:42)
booboo, ka efa hoe tsy atao maray koooo:wink:, dia ataoko moramora:wink:
20. booboo ( 28/09/2007 14:52)
ay tokoa moa :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081