ny Kristiana sy ny "Peine de mort"

1. majesty ( 14/06/2007 05:25)
Lasa mirongatra be ny hala-jaza aty Mada,ny antony dia tsy fantatra marina fa araka ny fanazavan'ireo mpitandro ny filaminana dia eny Ambohidratrimo eny no hanateran'ireo olona ny zaza nangalariny (tsy ilay zaza manko e,fa ny lohany fotsiny,satria toa ny sela ao amin'ny loha ao ihany no ilaina).
Ary maro ny olona no milaza fa raha tratra izay manao izany dia tokony ho melohina ho faty "peine de mort".

Manao ahoana ny fandinihanareo izany amin'ny maha Kristiana,tokony ampiharina ve ny peine de mort sa tsia?
Misaotra e!
novalian'i cutie ny 05/07/2007 20:07
2. LazaDaddy ( 14/06/2007 06:03)
Tsarovy fa ny Kristianina dia mijery ny olona ho fanahy mitoetra ao amin'ny vatana.

1) Raha olona mahavanon-doza toy izany angamba efa "maty" ny fanahiny ka helohina ho faty ahoana koa?

2) Mamelona sy mitondra aim-baovao no andraikitry ny Kristianina fa tsy mamono ny "efa maty" na "mitsipozipozy".
3. kelly13 ( 14/06/2007 06:08)
fijeriko:

tsy anjaran'ny olombelona no manala ny ain'ny mitovy (semblable) aminy saingy...

ra toe javatra toy izao, mampi te hiteny oe "omboy ho faty" fa tsy valahara mamono oul (surtt zaza innocent no novonoiny hazaony vola) nefa...

aoka ho an'Andriamanitra Irery ny fitsaràna farany.
4. marozevo ( 14/06/2007 07:18)
Peine de mort : Tena mampihorohoro, nefa mbola mampihorohoro lavitra noho izany ny heloka anamelohana azy : mamono zaza tsy manan-tsiny !

Tsy d'accord amin'ny peine de mort aho, fa d'accord amin'ny fanamelohana higadra mandram-pahafaty.
5. ari.malala ( 14/06/2007 07:25)
aza mamaly ratsy ny ratsy e! an'Andriamanitra ny famaliana, fa aleo gadraina mandra-pahafatiny marina izy!
6. fanantenana2003 ( 14/06/2007 08:07)
marina daholo izany, fa imaginer o hoe zanakao ary no lasany, ahona ny fihetseponao, d'accord an'ilay hoe aza mamaly ny ratsy ny ratsy ary A/ tra irery ihany no tompon'ny farany, nefa raha ny zanako no tratra an'izany mety mahavita ny tsy fanao aho!
7. LazaDaddy ( 14/06/2007 08:47)
fanantenana2003:
marina daholo izany, fa imaginer o hoe zanakao ary no lasany
Ny zanak'Andriamanitra aza ange lasanao e :)


8. majesty ( 14/06/2007 09:11)
ilay lazain'i fanantenana2003 io mihitsy no saika lazaiko.Mba indramo kely hoe ny toeran'ilay Ray na ilay reny namoy ny zanany dia inona no mety ho fihetsikao?
9. bozyboleta ( 14/06/2007 10:26)
Noho ny fahatairana sy ny fihetseham-po (inn ry reto ny handikana ny hoe instinct?), misy ny olona de tena mahavita manaonao foana satria tsy manam-potoana hieritreretana akory. Fakam-panahy io ary na kristiana hiringiriny aza mety lavon\'io.
Ny lazain\'i majesty zao de hoe \"melohina ho faty\", zany hoe mbola tsaraina aloha de io no saziny, fa betsaka koa ny miteny hoe \"raha tratranay tonga de vonoinay\" i.e. tsisy fitsarana ara-dalàna fa fitsaram-bahoaka.

Arakaraky ny tranga fa raha ity heloka bevava resahina eto ty aloha de maha-te-hiteny mitsy hoe sazy faran\'izay henjana no sahaza ireo tsimatahotody reo. Fa inn nefa le sazy farany henjana?

10. nanoukely ( 14/06/2007 11:07)
za manokana aloha de contre ny peine de mort eh!migadra mandra paha fatiny sans jugement de efa ampy ho an'ny mpanao ratsy
11. LazaDaddy ( 14/06/2007 11:53)
Ry Kristianina namana, diniho kely anie ito tenin'i Jesoa ito e!

"Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo." Matio 6:14-15

12. ikaretsaka ( 14/06/2007 13:46)
Somary HS kely za:
-Fa maninona ny manala zaza , nefa ilay zaza tsy manao na nanao ratsy anao, sady tsy sitrapony ny hitoetra ao ankibonao fa sitrapon'ilay nahary sy nareo roa niray nanao an'ilay zaza, dia ekena nefa mamono olona?!
-Dia rehefa avy eo anefa mafana fo amin'ny fanoherana peine de mort?nefa ilay olona voaheloka nanao ratsy?

13. booboo ( 14/06/2007 14:00)
fa nanala zaza aby angaha reo contre-n'ny peine de mort ireo ?

Dia rehefa avy eo anefa
...
14. ikaretsaka ( 14/06/2007 14:03)
misy manala..
betsaka ny pro abortion nefa contre an'ny peine de mort
15. ikaretsaka ( 14/06/2007 14:06)
za tsy nanao hoe "aby" (=tout), fa nanao hoe "misy" (=Il y en a)
16. marozevo ( 14/06/2007 16:07)
Mbola mihoatra ny mampihorohoro ny fanalana zaza...
Raha izaho no eo amin'ny toeran'ny RARn'ny zaza nangalarina dia mety hahavita fihetsika hafa tokoa aho. Izay anie ilay fakam-panahy eh...
Tsarovy ilay tenin'i Md Paoly : "Ny tsara kasaiko tsy vitako, fa ny ratsy ankahalaiko no indro misosoka".
17. ikaretsaka ( 15/06/2007 04:58)
izay mantsy
18. majesty ( 15/06/2007 05:03)
Mitombina tsara mihitsy io fanamarihan'i ikaretsaka io.Donc na ny mpanala zaza na ny mpangala-jaza izany dia tokony hiharan'ny sazy henjana indrindra:?::?::?:


19. ikaretsaka ( 15/06/2007 05:35)
raha ny avis-ko dia tokony iharan'ny sazy mitovy!
20. LazaDaddy ( 15/06/2007 05:51)
ny Kristiana sy ny "Peine de mort"
Ny Kristianina tsy mitana alahelo fa mamela heloka. Ny Kristianina tsy mamaly ratsy ny ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008