Secret-ny fahatanorana? Sitrana tanteraka ny foko?

1. niryna ( 24/02/2007 07:57)
Misy fahalalana kely ananako indray ity ka ho zaraiko ho antsika rehetra ato.Efa namerimberina ny fahatezerana,ny fifamelan-keloka,ny lolom-po,ny alahelo isika fa ireo no tena hiainana.
Misy olona dia mijery lafin'ny tsara foana ary misy ny olona mijery ny lafin'ny ratsy foana[u/]
Matetika dia zavatra ratsy foana no mandalo ao amintsika voalohany izay vao mamadika azy ho tsara,matetika hoy aho a.Vokatry ny fiainana ,ny fitadiavana,ny asa aman-draharaha,ny firotorotona,ny olana eo amin'ny fiainana,ny zanaka tanora mamalivaly ny rar,tsy mody an-trano,mampiasa rongony,maditra tsy manaja tena sns ary irenyno miteraka ny tsy fanana fifaliana eo amin'ny olona.Ilay tsy fahamelan-keloka io no tena poizina iray mampijaly antsikaTafiditra amin'izany ny tsy famelan-tsika ny tenan-tsika.Ny olana maro isan-karazany,indrindra moa izy raha tena-lehibe:Maty vady,divorce, reny mananon-tena,tsy manana asa,tsy manana fifaliana amin'ny fiainana,tsy misy mamin'ny intsony ny fanambadiana noho ny antony maro samy hafa.Lalana hizoran-tsika tsirairay avy ny olana eo amin'ny fiainana fa ny zavatra hitako ary nomeko ireo namana maro dia maro dia tsy maintsy mitia ny tenan-tsika aloha isika voalohany indrindra,ary tsy maitsy mampifaly ny tenan-tsika ihany koa,mianaratra mijery zavatra amin'ny lafi-tsarany fa aza tia mikritika foana,io fananana hatezerana na tsy aiko ny tena fiteny azy (bitterness),mangidy toy ny tangena io dia tena poizina mifono.Mila namana isika na lahy na vavy,hitarainana ny fahoriana na zavatra madinika kely,ny vady moa ho an'izay manana dia io no namana akaiky,raha tsy akaiky anao io dia mitadiava namana izay azonao antoka sy mitovy aminaonamana manoro ny marina fa tsy mamporisika amin'ny ratsy
Rehefa tena tsy manana ianao dia maka taratasy ary sorato daholo ny olana manahirana anao,ny zavatra mampalahelo anao,ny zavatra tsy tantinao. Mitomany no tena fanafody haingana indrindra ho an'ny vavy,ny lahy moa dia mila namana ary tena miresaka ny alahelo,tsy arahana toaka a:roll:afaka manala ny alahelonao ao anaty soratra ao ianao raha tsy misy manampy hitantarainy ny alahelo sy ny olana.
mandra-pahafak'ilay fahatezerana sy alahelo.Toy izany koa isika,raha misy olona mitaraina dia mianara mihaino izay lazainy fotsiny mandrapa-tapitry ny teniny sy ny hatezerany fa fanafody ho antsika rehetra io.
Andramo ange e fa ho hitanao izany hoe maivana ny ziogako.
Antsika namana hafa indray izao no manome toro-hevitra izay mety nandaitra taminareo na nanampianareo olona.:D nahita mitovy io koa moa dia raisinay rehetra an-tanandroa ny fizarana ny toro-hevitra.
E!Fenoy tsiky sy fifaliana lalandava ny fiainanao fa lasa ianao no jiro manazavana ny manodidina anao:-D
Ary manomboka izao aza mijery ny faha amin'ny maha-nofo azy ka hifosa na anaratsy na hanabaty azy,mba teneno zavatra tsara foana izy ary raha mifosa dia tsara ny tsy miteny sy miala.(l)niryna
novalian'i niryna ny 03/03/2007 07:01
2. fasaly ( 24/02/2007 08:56)
nyrina a! tsy azo fintinina veuh??????:?
3. tywa68 ( 24/02/2007 09:55)
fasaly : sois positive zany ê :-D:-D (ka i niryna efa ela no taitra d nahavita lavabe, fa isika no vô mifoha !) :-D:-D
4. sakaizakely ( 24/02/2007 10:29)
8-) 8-) 8-)
aleo klou misotro kawà
5. baw ( 24/02/2007 10:51)
sakaizakely>anatsipazo kely kawa koa za fa tena miraikitra b ny masoko ato tsy voavaky ny resaka :°)
6. sakaizakely ( 24/02/2007 10:59)
baw> inty ary e ! nampiako whisky kely :°)
7. booboo ( 24/02/2007 11:06)
Tywa68 > misaotra namintina :-D:-D:-D:-D

Fasaly > hihihihihi
8. tywa68 ( 24/02/2007 11:34)
booboo : tsy misy fisaorana e ! tsy haiko anie raha tena voafintina arak'ilay hevitr'i niryna e !:-D:-D
9. boulki ( 24/02/2007 11:50)
Tena tsy voavaky fa lava loatra mankarary maso :lol:
10. baw ( 24/02/2007 11:57)
sakaizakely>mirci kia a,ra hisokatra iany ny masoko d hanaovako résumé nareo :-D:-D
11. fasaly ( 24/02/2007 13:02)
tywa: merci namitina marina ! hihihih! zay positive foana e!:-P
12. tywa68 ( 24/02/2007 13:58)
tsy misy fisaorana fasaly a !
13. Fiffi ( 24/02/2007 16:35)
boulki:
Tena tsy voavaky fa lava loatra mankarary maso :lol:
f'ita hoa eh !


14. josvoh ( 24/02/2007 17:42)
Dia faly aho tokoa aho namaky ny soratrao Niryna! Ary dia voavakiko hatramin'ny farany! Fa dia misaotra betsaka tokoa nanome an'io toro-kevitra io!:-*
15. cutie ( 24/02/2007 18:01)
Za nahavaky hatramin'ny farany :lol::}
16. Samoana ( 24/02/2007 22:13)
fotsy ny voloko vao nahavaky ny secret-ny hatanoranao ry nyrina:-D
17. cutie ( 24/02/2007 22:14)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
18. ratonga ( 25/02/2007 00:35)
cutie:

Za nahavaky hatramin'ny farany :lol::}

tantarao ary ny rézumé fa lava lôtra ny dôrizin:wink:

19. Papoose ( 25/02/2007 06:46)
ratonga:

cutie:

Za nahavaky hatramin'ny farany :lol::}

tantarao ary ny rézumé fa lava lôtra ny dôrizin:wink:




vakio h@ farany de ho hitanao misoratra ho azy eo ihany ny rezime:lol:
20. niryna ( 25/02/2007 07:33)
fasaly:

nyrina a! tsy azo fintinina veuh??????:?

Ny azo hamintinako azy dia izao:
Te-ho tanora lalandava ianao/izaho/isika?dia manana cote positif foana,mitadiava namana hamborahana ny alahelo,fadio na ialao ny namana mandraraka cote negatif ary mahaiza mihaino ny hafa fa mila antsika tsirairay avy isika.
Fahatanorana ara-po(fo) ka tafiditra amin'izany ny emotion,ny fanahy,ny fitiavana sns satria ny fo no moteran'ny vatan-tsika ka io no mila kolokoloina be indrindra (l)(l)(l)
Tsy mbola nampidiriko amin'io ny fanaovana exercice 3-4/semaine a:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1725