Secret-ny fahatanorana? Sitrana tanteraka ny foko?

41. Samoana ( 25/02/2007 16:56)
niryna:

Samoana:

fotsy ny voloko vao nahavaky ny secret-ny hatanoranao ry nyrina:-D


Voninahitra ny volo fotsy :P



Tsy mahasitrana ny foko ny valinteninao fa za mbola te ho zeun kouh=((!!

42. josvoh ( 25/02/2007 17:01)
Ny tiako tenenina ry Sitlo! :lol:@ ilay lazain'i Niryna dia soratana daholo izay tiako lazaina na ny alahelo sns :!:Rehefa tsy manana namana ihany ny tena! :roll:
43. Lalah ( 25/02/2007 17:18)
niryna:

fasaly:

nyrina a! tsy azo fintinina veuh??????:?

Ny azo hamintinako azy dia izao:
mitadiava namana hamborahana ny alahelo,fadio na ialao ny namana mandraraka cote negatif ary mahaiza mihaino ny hafa fa mila antsika tsirairay avy isika.
Fahatanorana ara-po(fo) ka tafiditra amin'izany ny emotion,ny fanahy,ny fitiavana sns satria ny fo no moteran'ny vatan-tsika ka io no mila kolokoloina be indrindra (l)(l)(l)



Za aloha tsy hoe micontre ilay zavatra lazainao, tsara ilay manana fijery positive foana, fa saingy zao ilay hoe tantaraina aman olona tena tsy miady @ piece-ko. amiko tsy misy an zany hoe mihamaivana rehefa tantaraina aman olona ny problem, fa mavesatra foana iny une fois nihatra t@nao. ianao ihany no mahavaha ny olanao, tsara ny positive fa tsara koa raha mba manana "discretion" ve no filaza an izany @ teny farantsiay?

44. niryna ( 27/02/2007 06:16)
fasaly:

nyrina: msotsa betsaka nanao famitinana sy nanome torohevitra fa manja! positive foan kan!:-P:-*;-)

Tsy misy fisaorana fa mahasoava.Rehefa tezitezitra iny dia ampiasao ireo toro-hevitra ireo fa handaitra.
Efa maro ny olona nandalo tamin'ny fiainako ary rehefa marary na mitomany ireny olona ireny dia izaho koa no marary manaraka ilay olona na mitomany.Heverin'i fasaly izany olona te-hamono tena izany ,te-hisotro poizina,te-hitsambikina eo am-baravaran-kely.Tsy vitan'ny miresaka na mihaino azy fotsiny ny tenako fa mampandroso azy ireo an-trano ary manome sakafo azy.Efa tratran'ny nijanona adin'ny telo-dimy ora aho manampy olona.Mandeha daholo na fivavahana na famakiany baiboly na toro-hevitra.Fasaly a mahery ny satana ary dia am-patoriana eo am-pamakiana baiboly ilay olona.Mametra-tanana azy indray aho dia mivadika ny masony ary miboredika manome tsina an'Atra no mivoaka ny vavany fa tsy vavaka.:cry:
Izany ihany koa no antony lehibe zaraiko ny namako rehetra eto fa betsaka ny mijaly.
45. niryna ( 27/02/2007 06:21)
sitlo:

Ireto koa izany tsy chere mihitsy.

Misaotra an'i Niryna aloha tamin'ilay hevitra fa ilay hitaraina aman'olona kosa ohatra ny tsy poinsss. Aleo ilay manoratra angamba no hosafidiana.
Dia i joshvo koa hono faly amin'ilay hevitra nefa izy indrindra ilay nitaraina hoe diso nahatoky olona. :wink:

Raha misy olona mahatoky olona dia izaho no voalohany,voafitaka foana amin'ny fividianana zavatra eny amin'ny mpivarotra sinoa ary matetika,ny zavatra vidiako dia double-ny ny vidiny.Mijanona ihany aho anefa manisa ny isany fa e,e, rehefa amin'ny manaraka dia tratra indray.Malahelo aho ary tsy dia asiako sira fa izy ihany no voa amin'ny farany.

46. sitlo ( 27/02/2007 06:30)
Diso ianao fa tsy ho voa izany izy amin'ny farany raha izany foana. :-P (Ny tody mbola ho ela ve no tys anaovan-dratsy hoy ny fitenenana izay)
47. niryna ( 27/02/2007 06:35)
[quote=xxx]
Manala chapeau aho fa tena variana an'i niryna mihitsy.Taiza daholo no nahaizanao ireo zavatra maro ireo:?:

Ny atao hoe sambatra aloha dia misaotra an'Atra isan'andro isan'andro aho noho ny famonjeny ahy,ny fahasoavana be dia be nomeny ahy,ny asako,ny fahasalamako,na marary aza aho dia mino sy manana fanantenana aho fa ho sitrana ary io no antony lehibe nahatonga ahy nanankina ny fiainako taminy.Ny fiainako rehetra izany dia tsy avy amin'ny heriko mihitsy fa avy aminy.Mifampianatra koa izahay any am-piasana ka rehefa misy tsy fantatra dia mamadika baiboly foana
manaova soa foana-aza mitazona alahelo-zavatra tsara foana atao ao an-tsaina.

Nomena maimai-poana isika ka ataoko fa tsy sarotra koa ny mizara maimai-poana.Izaho mametraka ny olona ambony noho izaho foana ary raha misy zavatra mahasoa hatramin'izay fa tsy vao izao ihany dia mizara foana.
Ny vadiko koa no manohana ahy ary tsy mampaninona azy ny olona na miantso mandra-parainan'ny andro azy,hisaorako azy manokana izany.Izy koa aza no mamporisika ahy hoe henoy fotsiny ny tenininy na izay lazainy fa olona mihaino azy no tena tadiaviny.
Misaotra betsaka anao manokana aho

Izay zavatra anananao koa zaraina na mitsiky fotsiny sy miarahaba am-pitsikiana aza dia efa zava-dehibe.:D




48. niryna ( 27/02/2007 06:57)
[quote=josvoh]
[quote=sitlo]

Dia i josvoh koa hono faly amin'ilay hevitra nefa izy indrindra ilay nitaraina hoe diso nahatoky olona.

Tonga soa Sitlot!
Efa toetrako ilay matoky olona ange ry Stilo!
Fa ilay olona diso nahatokisako ity ange dia olon-tiako é!(l) Tsy nifamaly!Tsy niady!Tsy naninona akory dia iny izy no tsy hita intsony!Mazava any Sitlo ve!

Milaza marina aminao aho fa ny manana fo madio sy matoky olona no tena tsara indrindra.Ny zanako dia efa nampianariko milaza ny marina foana fa manenjika anao ny eritreritrao hoy aho mantsy azy raha mandainga ianao.Sady manaiky am-piasan'ny devoly koa ianao ary raha mitambatra iny ka tsy mifona ianao dia very any amin'ny afo-be.Tena sarotra amiko ny mandainga,matahotra aho ny hotratra na zavatra kely aza dia tonga aho dia mibaradaka milaza ny marina.Toetrako efa hatry ny kely io,na ho any na tsia dia ny marina ihany no teneniko :lol:
Mbola mamerina fisaorana any Niryna izaho!:-*

Enga anie isika ka mba hampiatra ireo ary dia hizara ny namana maro,averiko indray fa raha ny fahasoavana nomen'Atra ahy sy ny vady aman-janako dia tsy ho tapitra ny pejy fa ianareo indray angamba no reraka hamaky azy.Ny tiako ho tenenina dia isika rehetra rehefa manana fahatokisana fa misy ray hitarainana sy hiankihinana fa tsy miantehitra ny herin'ny tenan-tsika irery isika dia hiova tanteraka ny fiainantsika.Ovay ho fanontaniana ny zavatra ratsy ao anaty saintsika ary manontania tena hoe inona no tombo-tsoa raha manao izany aho, na mandratra fon'olona na manambany olona sns.
Ohatra:Rehefa tsy mahita ho resahina dia manomboka ny fifosana.Izaho raha misy olona mifosa olona dia miteny aho hoe tsy afaka hifosa olona intsony aho fa na mihaino aza aho dia namany mifosa ilay olona ihany ary poizina ho ahy ny fahenoko iny.Tokony nataoko dia niala-pas na namadi-dresaka.Nanomboka tamin'izay aho dia tsy misy sahy manantona ka hifosa olona aty amiko intsony.8-)

49. niryna ( 27/02/2007 07:07)
josvoh:

Ny tiako tenenina ry Sitlo! :lol:@ ilay lazain'i Niryna dia soratana daholo izay tiako lazaina na ny alahelo sns :!:Rehefa tsy manana namana ihany ny tena! :roll:


Tena marina io ary izaho no nanao an'io ka tena hitako nisinda ny alaheloko.Ny tena moa tsy mba manana an'iza,ary mieritreritra ny tena hoe izao rehetra izao ve dia hitarainana kanefa ny vadin'ny tena tsy nanao inona ny tena.Dia teo aho no nanomboka nanoratra ary dia toa niresaka ny dadako aloha no fieritreretako ny tenako.Nisy namana indray taty aoriana ka rehefa nijaly nitondra ny tsy eran'ny aina izy dia io no fanafody nanasitrana azy,taty aoriana hono pages/pages tena tsy nampoiziny hoe nahasoratra lava dia lava izy.Rehefa sitrana tanteraka ny fony ary nanantona an'Atra izy dia novakiany farany ilay ttsy ary dia nitomany kely izy satria tsy nieritreritra ny hanadino sy hamela ny olon-tiany mihitsy izy.Ny ahy indray tsy notahiriziko izany fa rehefa afaka ny alaheloko dia norovidrovitiko niaraka tamin'ny alahelo ilay izy.:D
Rehefa avy nanoratra koa aho dia toa tsy nisy dikany koa ilay olana fa izaho fotsiny no nanome-lanja azy.Ny antony tsy mbola nianatra namela ny tenako sy ilay niady tamiko aho.:cry:
50. niryna ( 27/02/2007 07:18)
[quote=Lalah]


Za aloha tsy hoe micontre ilay zavatra lazainao, tsara ilay manana fijery positive foana, fa saingy zao ilay hoe tantaraina aman olona tena tsy miady @ piece-ko. amiko tsy misy an zany hoe mihamaivana rehefa tantaraina aman olona ny problem,

Asa aloha fa ianao ve indraindra mba mamela? Sa tazominao ao am-ponao daholo?Miankina amin'ny tsirairay mantsy io ary toy ireny hoe ao anaty fandrika ireny isika ka mila miala ao anaty vovo
fa mavesatra foana iny une fois nihatra t@nao.

Ataovy hoe nihetsi-jaza ianao,na nahita olona nihetsi-jaza.Tsy hiteraka intsony aho,mitomany,mitsangana,mipetraka,latsaka daholo izay tsy tokony ho latsaka.Rehefa mivoaka anefa ilay zaza,mety mbola marary sy malemilemy ianao.Faly ery mijery ity zaza,moa ve ianao dia mbola mitazona iny faharariana iny ihany? Ataovy toy izany koa ry lalah a.Mianara manala ny alahelo ary miankina amin'ny fonao mangataka fivavahana mba ahay hamela io.
ianao ihany no mahavaha ny olanao

Io efa voavahana io ny valiny,ianao ihany no hamela na tsia.





51. niryna ( 27/02/2007 07:22)
sitlo:

Diso ianao fa tsy ho voa izany izy amin'ny farany raha izany foana. :-P (Ny tody mbola ho ela ve no tys anaovan-dratsy hoy ny fitenenana izay)

Marina io ka izany no mahatonga ny teny hoe vali-fingika fingaka(io ny fanoratra azy fa toa hafahafa be:roll:.na ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.Na tsy miverina aminao aza ilay izy dia ny taranakao no mety hipotrany.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny hono miteraha mba ahita.Namany misy tody ihany koa io.

52. sitlo ( 27/02/2007 07:40)
Dia ahoana izany raha tsy tia hiteraka? Dia tsy manan-janaka hanody :°)
Firy ny olona mahazo tombony tamin'ny ratsy nefa tsy voan'ny tody? Io resaka tody io tena anisan'ny olana antsika Malagasy mihitsy. Manantena ny tody isika dia na rombahan'ny vahiny aza ny harenantsika dia hoe, tsy eto an-tany ange ny fiainana eh.
53. tywa68 ( 27/02/2007 07:47)
sitlo : iza no atody ? :-D:-D
54. niryna ( 27/02/2007 08:03)
sitlo:

Dia ahoana izany raha tsy tia hiteraka? Dia tsy manan-janaka hanody :°)
Firy ny olona mahazo tombony tamin'ny ratsy nefa tsy voan'ny tody? Io resaka tody io tena anisan'ny olana antsika Malagasy mihitsy. Manantena ny tody isika dia na rombahan'ny vahiny aza ny harenantsika dia hoe, tsy eto an-tany ange ny fiainana eh.

Dia mivaly amin'ilay olona ihany ka,:roll:

55. sitlo ( 27/02/2007 08:18)
tywa68:

sitlo : iza no atody ? :-D:-D



Ty wa an, jereo eto

Niryna> tsy mivaly aminy izany io fa enao fotsiny no reraka eo.
56. melody ( 27/02/2007 11:16)
miray hevitra @ sitlo zà:)
57. baw ( 27/02/2007 11:20)
firy² tokoa izay ry sitlo no nanao ratsy ahy fa toa vao maika ry zalahy velona be a!

mampanontany tena mihintsy hoe sao dia mba mety aza ny fanaovandratsy :lol:
58. niryna ( 27/02/2007 13:15)
sitlo:

tywa68:

sitlo : iza no atody ? :-D:-D



Ty wa an, jereo eto

Niryna> tsy mivaly aminy izany io fa enao fotsiny no reraka eo.


sitlo a tsy mivoaka ilay jereo eto.Conscience-ny tena daholo ny zavatra rehetra.Na inona na inona ataontsika dia efa tsy maitsy manantena ny hiandry ny vokany indrindra ny ratsy atao.Ny soa atao ihany no hilevenam-bola fa ny ratsy atao loza miantona
59. niryna ( 27/02/2007 13:19)
sitlo:

Dia ahoana izany raha tsy tia hiteraka? Dia tsy manan-janaka hanody :°)
Firy ny olona mahazo tombony tamin'ny ratsy nefa tsy voan'ny tody? Io resaka tody io tena anisan'ny olana antsika Malagasy mihitsy. Manantena ny tody isika dia na rombahan'ny vahiny aza ny harenantsika dia hoe, tsy eto an-tany ange ny fiainana eh.

Tsy voavaliko ilay teninao.Misy fiafarany daholo ny zavatra rehetra ary io teneninao io mitombona hoe firy no hafa maina.Moa isika mety ahalala fa mitsako ao anatiny ao ny fisainany.Ireny no antony iray mahatonga ny olona hampirafy ary misy aza tsy mahavaha ny olana izy dia lasa mand'amour ilay olona hiresahany( tandremo fa mahery ny satana),hisotro toaka,hifoaka sigara,mamolava,mamono eritreritra fa tsy mety maty

60. niryna ( 27/02/2007 13:21)
baw:

firy² tokoa izay ry sitlo no nanao ratsy ahy fa toa vao maika ry zalahy velona be a!

mampanontany tena mihintsy hoe sao dia mba mety aza ny fanaovandratsy :lol:

Satria mahery ny satana ary homeny vahana ilay olona .Tsy misy takona izay tsy ho hita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.173