Tsy misy olona afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy amiko.

1. niryna ( 07/01/2007 05:21)
Teny mazava be io notenenin'ny tompo io.Raha marary isika hoy izy dia manantona ny diakonina sy ny olon'Atra hivavaka ,hanasitrana. Fa raha misy roa na telo ihany koa mangataka zvtra @ny anaraka dia eo afovoany aho.Isika rhetra izany dia afaka mifampi-vavaka ,mangataka amin'Atra.Misy fiangonana dia manantona mandeha mifona na atao hoe mi-kofesy any amin'ny olon-kafa, tsy manino io satria toy ny mitaraina ny namana ny fahorian-tsika isika sy ny mangataka azy hivavaka antsika,fa kosa ny miteny ilay olona hoe"voavela ny helokao zanako.",teny kely ny finoako.Raha izay no mitranga dia lasa toa tsy mila an'i Jesosy intsony isika satria izy efa nanome toky antsika fa tsy misy olona afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy aty amiko.Nahoana no misy olona masina efa maty izay tsy ho afaka ho any Atra hanasitrana antsika, hanala ny elon-tsika.Masinda izaho ,na masimbavy izao:?:Lasa tsy Atra intsony indray anie izany no hivavahan-tsika e? Aiza ny tenin'Atra milaza fa tsy afaka miankohoka amin'Atra hafa isika koa ny sary vato misy zazakely eraky ny arabe dia hiankohoka ny olona milaza hoe kristiana (manao amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka)aiza izany ilay fahefana sy fanomezana voninahitra an'Atra.Efa maty teo amin'ny hazo fijaliana JK hisolo ny otantsika rehetra ary vita hoy izy,ny dikany dia tokony tsy hanao fanatitra dorana, hiankohoka amin'ny vato nataon'ny tanan'olona na manana zavatra eny an-tanana ka iny indray no lasa Atra hivavahana.Atra dia Atra velona sady Atra ny velona,tsy misy mihitsy izany na iray aza afatsy Jesosy afaka hamonjy izao tontolo izao sy hanantona an'Atra.Nasehon'Atra t@ izao tontolo izao ny fitiavany antsika raha mbola mpanonta isika ka nomeny ny zanany Lahy tokana hanavotra antsika amin'ny ota rehetra."But God demonstrates his love in this world, while we were still sinners,Christ died for all of us.".Misy fitombonany ve io fa misy masina maro izay efa maty daholo ireo no hivavahana rehefa mitady zavatra sy mila vonjy? Dia mba aiza no tena fipetraky ny finoana an'Atra amin'izany?Enga anie ka nisy olona nahita io experience ary nahalala izy fa tsy nety ilay fomba fitarihana ny olona mivavaka amin'ny zavatra hafa.Misaotra betsaka Niryna:roll:
novalian'i prime ny 30/01/2007 12:14
2. piste ( 07/01/2007 09:56)
Voalohany, tsara ilay toriteny lava be. Kanefa simban'ilay fitsikerana ny ankamaroany. Tompoko, raha mbola tsy azonao ny fombafombam-pivavahan'ny olona dia aza lany andro mitsikera. Fa aoka samy hiaina ny azy.
Averiko indray, zavatra tsy hay aza tenitenenina,fa rah te hahay dia manàna fanetrenn-tena manontany( non pas pour une simple curiosité, mais pour découvrir dans l'autre les divers aspects du Dieu).

3. pissoa ( 07/01/2007 10:16)
Efa fombany io Piste an ! :lol:

Na ny tenin'ny Pretra amin'ny famelan-keloka aza tsy hain'i Niryna akory, dia manoratra lava be mitsikera eto no mahamendamenda aza. Mba mahalalà menatra rey olona an ! :-D:-D:-D:-D:-D
4. Fiffi ( 07/01/2007 13:49)
mandreraka be ny mamaky le dinika etsy sy eroa feno tsikera fotsiny ....
Mikasika ny Pretra sy ny fibebahana dia sarotra ny miresaka raha tsy mahafantatra tsara fa mahafantapantatra fotsiny ny tena fampianaran'ny fiangonana Katolika sy ny baiboly. Inoako marimarina fa ny miresaka eto dia misy tsy mahalala akory ny fotony, na manadino hoe "Sakramenta" izany ho an'ny Katolika ;avy eo ny mahalala izany, mety tsy mahalala hoe inona tokoa moa ny atao hoe "Sakramenta" ho an'ny Katolika.
5. xxx ( 07/01/2007 15:13)
amiko dia mitombona ireo voalaza'i niryna io.

za dia nobehazina ary tsy vaovao amiko ny fivavahana Katolika satria taona maro dia maro no nahatao ahy, Isaorako anefa Andrimanitra mbola nampiseho ahy ny tena sitrapony satria dia tsapako fa mivaona @ tena tenin'Andriamanitra ny ankamaroan'ny fampianarana omena ao fa dia fombafomban'olombelona sy vokatry ny fisainan'ireo papa sy mopera nifandimby tao fotsiny no tena voizina mafy ao amin'io fivavahana io (litania, rozery, masina maria, afo fandiovana..)

asa aloha fa amiko dia ny filazana ny zavatra tsy mitombona no tsy zaka sy maharary ho an'ireo iza te-hampadry saina fotsiny hoe io no mahazatra anay.

Tadidio fa isika tsy irayray dia manana safidy ka tsy misy hifanerena eto sanatria. Ny filazan'i Niryna ireo akory tsy hanerena aniza aniza hanaraka izay lazainy.

Misaotra. :-*
6. xxx ( 07/01/2007 15:23)
xxx, nobeazina tao ve ianao ary tsy vaovao aminao ny fiangonana Katolika ?

- Inona no tenenin'ny Pretra amin'ny fomotsoran-keloka rehefa mikonfesy ? Tsy hain'i Niryna akory io, ka asa raha afaka atoron'ny tsy Katolika nefa tsy vaovao amin'ny finoana Katolika.

- Mivavaka amin'ny olo-masina ve ny Katolika ? Omeo ny vavaka fanao tany amin'ny olo-masina raha misy.

- Mivavaka amin'ny sary ve ny Katolika ? Omeo ny vavaka fanao tany atao amin'ny sary raha misy.

Raha tsy mahita ianao dia mandiniha tena fa ianao no atao hoe vavolombelona mpandainga.
7. Fiffi ( 07/01/2007 16:22)
xxx:
Ny filazan'i Niryna ireo akory tsy hanerena aniza aniza hanaraka izay lazainy.
marina zany lazainao ry xxx saingy hoy aho hoe raha misy zavatra tsy hay dia aleo tsy miteniteny foana fa mety mahatohana ny hafa....

8. xxx ( 07/01/2007 16:43)
Niryna a! izaho akory tsy hanakivy fa mampahery ihany , fa raha araky ny famalin'ireo olona namaly anao eo ambany ireo dia ianao ve mahita fa misy fanahin'Atra miasa aminy ? fa ny olombelona dia tsy mahazaka ny fahamarinana , ary ny tenin'Atra dia tsimaintsy tanteraka fa ho vitsy ny olona ahita ny làlana mankany @ fiainana mandrakizay
9. pissoa ( 07/01/2007 17:01)
Tena miainga any njay ny resaka tsisy Fanahy Masina sy ny mandeha any amin'ny afobe kle ! Ooo, I'm so scared :lol:

Refa mifanena any an-danitra angamba tsika sy xxx farany io dia hiazakazaka any amin'Andriamanitra enao hoe avereno ny fitsarana an-draPissoa e =))=))=))
10. Fiffi ( 07/01/2007 17:49)
xxx: zany an ? :-w:-w
11. soanja ( 07/01/2007 20:40)
niryna:

Teny mazava be io notenenin'ny tompo io.Raha marary isika hoy izy dia manantona ny diakonina sy ny olon'Atra hivavaka ,hanasitrana. Fa raha misy roa na telo ihany koa mangataka zvtra @ny anaraka dia eo afovoany aho.Isika rhetra izany dia afaka mifampi-vavaka ,mangataka amin'Atra.Misy fiangonana dia manantona mandeha mifona na atao hoe mi-kofesy any amin'ny olon-kafa, tsy manino io satria toy ny mitaraina ny namana ny fahorian-tsika isika sy ny mangataka azy hivavaka antsika,fa kosa ny miteny ilay olona hoe"voavela ny helokao zanako.",teny kely ny finoako.Raha izay no mitranga dia lasa toa tsy mila an'i Jesosy intsony isika satria izy efa nanome toky antsika fa tsy misy olona afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy aty amiko.Nahoana no misy olona masina efa maty izay tsy ho afaka ho any Atra hanasitrana antsika, hanala ny elon-tsika.Masinda izaho ,na masimbavy izao:?:Lasa tsy Atra intsony indray anie izany no hivavahan-tsika e? Aiza ny tenin'Atra milaza fa tsy afaka miankohoka amin'Atra hafa isika koa ny sary vato misy zazakely eraky ny arabe dia hiankohoka ny olona milaza hoe kristiana (manao amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka)aiza izany ilay fahefana sy fanomezana voninahitra an'Atra.Efa maty teo amin'ny hazo fijaliana JK hisolo ny otantsika rehetra ary vita hoy izy,ny dikany dia tokony tsy hanao fanatitra dorana, hiankohoka amin'ny vato nataon'ny tanan'olona na manana zavatra eny an-tanana ka iny indray no lasa Atra hivavahana.Atra dia Atra velona sady Atra ny velona,tsy misy mihitsy izany na iray aza afatsy Jesosy afaka hamonjy izao tontolo izao sy hanantona an'Atra.Nasehon'Atra t@ izao tontolo izao ny fitiavany antsika raha mbola mpanonta isika ka nomeny ny zanany Lahy tokana hanavotra antsika amin'ny ota rehetra."But God demonstrates his love in this world, while we were still sinners,Christ died for all of us.".Misy fitombonany ve io fa misy masina maro izay efa maty daholo ireo no hivavahana rehefa mitady zavatra sy mila vonjy? Dia mba aiza no tena fipetraky ny finoana an'Atra amin'izany?Enga anie ka nisy olona nahita io experience ary nahalala izy fa tsy nety ilay fomba fitarihana ny olona mivavaka amin'ny zavatra hafa.Misaotra betsaka Niryna:roll:

Niryna a, Ny fiombonana amin'Andriamanitra no zavadehibe:
1- Izy no Andriamanitra ary Izy no tianao indrindra. Ka izay fomba hanenoana izany dia tsy manahy mihitsy fa ny AO ANATINAO MIHAONA AMINY no zavadehibe ary afaka mitsaoka sy midera ary manompo azy ianao.
2- Ny fampiharana izany FISIANY ao anaty izany ety ivelany: fitiavana ny hafa: izay fizarana ny teny mahasoa nomeny, fitiavana ny fahavalo zany hoe famelan-keloka ary ny fanaovana asa soa hampitana izany Voninahiny mandrakizay izany.

Ka raha tsy hitanao manao an'io ny Katolika dia disoy ary izy. Fa tadidio anefa "tsy tonga/ namborian'Andriamanitra HITSARA isika fa HIZARA."

Ho tsilovin'i Fanahy masina anie indry dia handray Azy ao ampo amim-pitiavana. Amen!

12. niryna ( 08/01/2007 05:52)
Misaotra aky soanja.Samy efa mahafantatra izany isika fa tsy misy afaka mitsara,saingy afaka mitsara avy ao anaty baiboly isika satria raha mahafantatra zavatra isika ka tsy manoro raha misy mahazo iny olona iny dia isika no voan\'ny fifampiangana,ao anaty baiboly io fa tsy tadidiko ilay misy azy.
13. soanja ( 08/01/2007 06:11)

misaotra aky Niryna a, tsy manda ny hevitran-dry mihitsy aho akory raha io ny finoanao fa izay ny maha Kristianina anao dia ny tsy maintsy hanaparitahanao ny teniny amin'ny tokony ho izy sy inoanao. Saingy milaza fotsiny aho hoe raha zah indray no anontanian-dry de hoe aza raisina amin'ny andinindininy ilay izy fa raiso amin'ny contexte iray ny baiboly hoe inona no hafatra nomen'Andriamanitra antsika ary inona no tokony ataon'i Kristianina iray manolona izany, indrindra amin'ny fiainany andavanandro.
Fa raha misy filana ny baiboly dia tsy manahy ampiasao fa amin'ny seho ho fitiavana namana fa tsy fitsarana azy. Zany hoe ny teny mivoaka no hijerena izany na dia iray ihany ny hafatra entiny.
Dia ny taratra hita no tokony hifampitsarana raha misy fa tsy ny fidirany amin'ny antsipirihany satria io amiko ny mampisarantsaraka. Nefa finoana daholo ilay izy fa tsy misy afaka hitompo teny fatratra fa masina sy manana ny marina tanteraka. Any no mahatonga ny hoe ny tsy fitsarana ny hafa satria samy mahfantatra ny any amparany daholo sa diso aho. Nefa samy nanana ny safidiny daholo koa na dia mahafantatra izany aza.
Misaotra aky a.:-*:-*

14. naritsimba ( 08/01/2007 13:02)
niryna> tadidio fa na i Paoly Apostoly, na Petera, na Jaona dia samy efa maty nefa dia inoantsika sy toriantsika ny zavatra lazainy.
15. Zina ( 08/01/2007 17:55)
xxx [ Valio ] 07-01-2007 17:43:14
Lohateny : Re : Tsy misy olona afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy amiko.
Niryna a! izaho akory tsy hanakivy fa mampahery ihany , fa raha araky ny famalin'ireo olona namaly anao eo ambany ireo dia ianao ve mahita fa misy fanahin'Atra miasa aminy ? fa ny olombelona dia tsy mahazaka ny fahamarinana , ary ny tenin'Atra dia tsimaintsy tanteraka fa ho vitsy ny olona ahita ny làlana mankany @ fiainana mandrakizay

Zany mihitsy ary
marina mihitsy io. Ny fo'ny olombelona dia feno fahotana ka tsy mahazaka ny fahamarinana tokoa...Io ilay atao oe mila fanetre-tena, manaiky fa panota isika rehetra.
16. pissoa ( 08/01/2007 18:01)
Aza be bla bla bla mba tsy hiteny na inona na inona. Tsy hoe rehefa miteniteny toy izao akory ry Zina sy ry xxx dia lasa marina tampoka ny tenin'i Niryna :-D:-D:-D

Dia ahoana Zina, refa mifanena any an-danitra zany tsika dia hiazakazaka any amin'Andriamanitra koa njy hoe avereno ny fitsarana an'i Pissoa ? =))=))=))
17. dailynews ( 09/01/2007 18:38)
niryna> ekeko ny zavatra lazainao.
18. xxx ( 09/01/2007 19:19)
Toa tsy namaly ilay xxx nanao vavolombelona :)
19. Zina ( 10/01/2007 04:12)
Zina sy ry xxx dia lasa marina tampoka ny tenin'i Niryna

o ry pissoa a za tsy namaky firy izay nolazain'i Nyrina.. fa ilay teny lazain'i xxx io dia marina mihitsy tsy tanti-tsika na hanaiky ny fahamarinana ....matoa io noraisiko dia en general no tiako lazaina an'io...Ny olona samy manana ny fivavahany sy ny safidiny...mamaky ianao ka raha itanao fa tsara dia raiso raha itanao fa ratsy dia ario...ny mahavoa ny ato dia tonga negative be doly tsisy afa tsy izany foana...misy size tsy tiko tsy idirako misy size azo valiko dia valiko @ fahalalana ananako zany tsy midika oe ZANY NO IZY amin;ny rehetra anao no mandanjalanja an;ilay izy... tena mamapalahelo be ilay fisainana...
oy i pissoa oe:
Dia ahoana Zina, refa mifanena any an-danitra zany tsika dia hiazakazaka any amin'Andriamanitra koa njy hoe avereno ny fitsarana an'i Pissoa

Maninn ianao no manontany ahy an;izany???? tsy mazava amiko...ary mbola averiko eto za tsy namaky izay nolazain;i nyrina fa novaliko izay nolazanin'i xxx satria itako oy aho fa tena marina io...
20. pissoa ( 10/01/2007 05:47)
Ndraindray mamaky vao mamaly fa tsy mamaly be fahatany ! Hors size no hiafarany, na miteniteny foana :-D:-D:-D

zina:
Maninn ianao no manontany ahy an;izany???? tsy mazava amiko...ary mbola averiko eto za tsy namaky izay nolazain;i nyrina fa novaliko izay nolazanin'i xxx satria itako oy aho fa tena marina io...

hitako oe tsy ny tenin'i niryna ihany no mety tsy novakianao fa ny tenin'i xxx nolazainao fa marina koa :-P:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084