Tsy misy olona afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy amiko.

61. niryna ( 20/01/2007 03:40)
prime:

pissoa> fantatrao tsara io fa hodianao tsy fantatra an... tsy vao izao isika no niresaka ka mba haiko ihany fa fantatrao tsara ny dikan'ny hoe : Jesosy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalany...

Nefa dia tarihiko kely ihany ny resaka :

  1. lalana hahazoana famonjena dia ny finoana ny Jesosy irery ihany
  2. lalana handraisana ny tombokasen'Andriamanitra ka mahavoasoratra ny anarana any amin'ny bokin'ny fiainana dia Jesosy irery ihany
  3. lalana mankany amin'Andriamanitra Ray, izany hoe hahafahana miditra any amin'ny fanjakàny dia ny finoana an'i Jesosy irery ihany
  4. lalana hahafahana mibebaka sy miala amin'ny ratsy fanao ka handraisana ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia ny finoana an'i Jesosy irery ihany
  5. lalana hahafahana mandresy sy mandrava ny fanjakàn'ny haizina sy ny fanjakàn'izao tontolo izao dia Jesosy irery ihany
  6. lalana TOKANA antsoina hoe FILAZANTSARA dia Jesosy irery ihany ary toriana ho antoka famonjena ny olona sy ahazoany fiainana
  7. lalana tokana tena hahitàna ny FAHAMARINANA feno dia Jesosy irery ihany

... hatreo aloha

Ny Tenin'Andriamanitra manamarina izany dia azo raisina tsirairay... fa sao lava loatra dia azo tanterahina amin'ny manaraka...



=D=D=D=D Bravo prime.Nomen'Atra hery ianao hanokatra ny masom-panahin'ireo tsy mahalala.^:^
62. niryna ( 20/01/2007 03:46)
pissoa:

Ahoana ilay hoe Jesoa lalana ry Prime ?

Tsy misy mpanelanela fa mivavaka aminy direct ary izy no hanampy izay ilaina eo amin'ny fiainanao,sns.
Mamaky baiboly pissoa fa tsy atao tsianjery ny fivavahana toy ny fiangonana sasany manao repetition dia milaza sy mitaraina ny olona fa tsy mahita fanahy masina izy satria ny eo ihany no miverina ary ny toroteny dia 10 mn aza betsaka.Manandrama mamaky baiboly ohabolana iray isan'andro,dia mandeha any amin'ny hebreo,aza force-na fa mandeha tsikelikely,mivavaha mba omen'Atra fanahy masina ianao ahalalanao izay lazainy.Courage fa izay mitady dia ahita.:P:P
63. niryna ( 20/01/2007 04:01)
xxx:

aza variana mitsara ny hafa ry niryna an ! ny voatsikaritro @ zavatra lazainao manko d toa mitsara ny olona ...petra nga niryna sa témoin de Jehovah ?

Vakio ny Jaona 8:32,36" ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hanafa anareo tsy ho andevo." The truth set you free!Ny fahalalana ny marina no anafaka antsika tsy hanaonao foana ihany koa.36 " koa raha ny zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo.",38 " Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko ary ianareo koa manao izay renareo tamin''ny rainareo."
Tsy nitarika an'iza na iza aho andeha ho any amin'ny protestanta, na advantista,na temoin de Jehovah.
Ny fandraisana ny marina ao anaty baiboly dia ho an'izay mandray azy,tsy matiantoka aho ary tsy mahazo tombotsoa ihany koa raha tsy mandray ny olona.Ahitsano hoy ny fitenenana ny vovoka eo amin'ny tongotrareo raha tsy mandray anareo izy fa ahy ny fitsarana.^:^
64. niryna ( 20/01/2007 04:07)
xxx:

amiko dia mitombona ireo voalaza'i niryna io.

za dia nobehazina ary tsy vaovao amiko ny fivavahana Katolika satria taona maro dia maro no nahatao ahy, Isaorako anefa Andrimanitra mbola nampiseho ahy ny tena sitrapony satria dia tsapako fa mivaona @ tena tenin'Andriamanitra ny ankamaroan'ny fampianarana omena ao fa dia fombafomban'olombelona sy vokatry ny fisainan'ireo papa sy mopera nifandimby tao fotsiny no tena voizina mafy ao amin'io fivavahana io (litania, rozery, masina maria, afo fandiovana..)

asa aloha fa amiko dia ny filazana ny zavatra tsy mitombona no tsy zaka sy maharary ho an'ireo iza te-hampadry saina fotsiny hoe io no mahazatra anay.
Tadidio fa isika tsy irayray dia manana safidy ka tsy misy hifanerena eto sanatria. Ny filazan'i Niryna ireo akory tsy hanerena aniza aniza hanaraka izay lazainy.



Misaotra. :-*

Misaotra anao nilaza izany satria aho tsy nanery tokoa ary milaza fivavahana na finoanoam-pona tsy fantatro ireto olona k'ty:lol::lol:Mamela azy aho fa mbola tsy fantany izay tena lalana.Enga anie ka omen'Atra hery izy ireo ary dia ahalala ny marina.Izay no vavaka ataoko.Mbola maro no mila vonjy ka izy ireo no mety ho tarihin'Atra hanafaka ny faha ao amin'ny tsiko.:cry::cry:

65. niryna ( 20/01/2007 04:25)
Mbola mamerina fisaorana feno an'i prime aho fa tena voafoaka daholo izay tiana ho tenenina eto.Matetika isika dia ny hanohitra ny tenin'ny olona no mahafinaritra ary tonga dia mitsara hoe mpanenjika an'ny fiangonana izao,nisy nahazo anao marina matoa ianao manenjika ny katolika.Feno sampy ny trano izay hidirako,feno sapile,misy aza manao sapile vidiana any amin'ny mpivarotra ka atao karazany maro dia iny no hivavahana,sady mamaky teny masina no manodikodina ilay sapile namboarina tanana.
Dia miverina indray ilay Eksodosy 20:4" aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao,na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra na ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy.

66. niryna ( 20/01/2007 04:30)
prime:

Fa hoy Jesosy :

"Izaho sy ny Ray dia iray ihany." Jaona 10:30

Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy," Deotoronomia 5:9

"Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy." Jaona 8:16...

Mahereza hatrany...



[i]Satria ny baiboly no hitsaranao ny olona fa tsy ny teninao koa mitombona io amiko:)
67. niryna ( 20/01/2007 04:44)
.

..:-D:-D
dia porofoy ara-tsoratra masina ilay fahadisoana raha misy na koa hoe iza no tena maka ny plasin'Andriamanitra...
...

Satria tsy lasa Jesosy intsony no notompoiny fa lasa nanana andriamanitra velona hafa izy.Eo no mipetraka ny fifanakalozan-kevitra sy fifandirana ary dia lasa manenjika ilay olona milaza ny marina.Inona indray no marina avy eo.Zavatra tsy vao intsony io ka izany no mahatonga ny hilazana azy matetika(l)(l)



68. niryna ( 20/01/2007 04:57)
piste:

Mbola averiko ihany ry niryna " mpivavaka sy manana ny tena marina rehetra ary vononan hampibebaka anay mpanompo sampy " : Secte ianao.
Ary mino aho fa nisy olana teo Fiangonana Katòlika ianao dia eto no mamaly faty sy miala vonkona. Mampalahelo ! NA ny olona tsy kristianina aloha tsy manao haratsian-toetra tahak'izao é. ALeo ianao angamba mandini-tena kely.


Afaka miteny izay tenenina ianao hitsarana ahy,Jesosy aza tsy nanana kilema nohembohona,novonoina,natao izao rehetra izao,inona koa moa 'ty 'zaho.Ho enjehina ianareo noho ny amin'ny anarako hoy Izy manome hery ireo namana.Fisaka ny marina ka saro-pantarina,indraindry isika mitsambiky mikipy ka manao an'Atra tsy misy.:evil::evil:
Ny tenan-tsika no fanatitra dorana ho an'Atra fa tsy zava-pofona eraky ny fiangonana intsony.Maty Jesosy ho antsika ary hoy Romana 12:1 "Koa mangataka anareo aho noho ny famindram-pon'Atra mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona,masina,sitrak'Atra dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany."Tsy misy intsony koa izany ny fandoroana zavatra.Enga anie ka tena andinin-tena ianao fa mampalahelo,mafy anie ny tsy mahalala ka mihizingizina amin'ny zavatra tsy nodinihina sy tsy nolanjalanjana e.Omba anao anie ny Tompo ka hanome anao hery hanomboka hitady ny marina
^:^ sy ^:^
69. niryna ( 20/01/2007 05:02)
piste:

Mbola averiko ihany ry niryna " mpivavaka sy manana ny tena marina rehetra ary vononan hampibebaka anay mpanompo sampy " : Secte ianao.
Ary mino aho fa nisy olana teo Fiangonana Katòlika ianao dia eto no mamaly faty sy miala vonkona. Mampalahelo ! NA ny olona tsy kristianina aloha tsy manao haratsian-toetra tahak'izao é. ALeo ianao angamba mandini-tena kely.


Tsy afaka manompo roa ianao ry piste a na tohizo ny sampinao na miverena manantona an'Atra fa tia anao izy,miandry anao ilay RAINAO MALALANAO TIA ANAO.
Tsy misy vola aloha fa maimai-poana,saingy hety sy tery ny lalana mankany ary vitsy no mitady ilay lalana :-P:-P:-P

70. pissoa ( 20/01/2007 15:14)
Niryna :

Olana voalohany. Ny zavatra tsy fantatrao (satria tsy nasesika tao an-tsainao), ary tsy vakinao mihitsy (fa sao lasa diso ilay nasesika tao an-tsainao) fa miteny fotsiny no ataonao (satria ianao olombelona tsy mety diso) dia ity :
pissoa tary ambadika:
Ny tsy tokony ataon'ny Kristianina amin'ny fitadiavana vola dia ny manankina ny fiainana amin'ny "sanjila" fotsiny. "Aza manana Andriamanira hafa tsy Izaho" (misy an'io ny an'ny Katolika ry Niryna be bla bla bla any amin'ny fivavahana nefa tsy mahay n'inona n'inona akory ) Dia avy eo ny mangalatra.

Fanintelony io izay no naveriko taminao, asa raha ho hitanao amin'izay. Raha mbola tsy hita dia mbola ho averiko foana. :wink::wink::wink:

Ny olana faharoa dia heverinao fa tsy mamaky toa anao ny olona eto amin'ny serasera. Dinika iray dia ampy hiresahana zavatra toy izao. Dinika firy izay no nataonao mikasika ny finoan'ny Katolika ? Ianao no tsy mamaky ny voalazan'ny hafa ka mila averimberina, fa ny hafa tsy mila hamerenana toy izany. Io no mahatonga anao lasa hoe "mitsara", ary tsy vitan'ny mitsara ianao fa tsy mamaky akory dia mitompo teny fantatra ery. Dia averiko ny teniko etsy ambony :

+ Aza alaina ny plasin'Andriamanitra Aza maika maka ny toerany mitsara ny ataon'ny hafa, indrindra rehefa tsy ampy ny fahalalana sy ny fandinihana fa midika tsy fitiavana an'Andriamanitra izany.
+ Aza mitopo teny fatratra (efa lazain'i Piste io izany). Ny fitompoana teny fatratra dia fanompoana tompo roa na fanaovana andriamanitra kely tsy mety diso ny tena. Aleo manontany, toy izay manizingizina zavatra mety diso toy izao.
+ Aza ampiasaina entina hankahalana ny hafa ny Teniny. Efa lazain'i Piste koa io. Tsy fitiavana Azy izany, ary io no isan'ny tenenin'Andriamanitra amin'ny hoe "manampy sy manala amin'ny teniny". Ny an'ny sasany mantsy dia resaka "boky" fotsiny no takany amin'io.

:-D:-D:-D

Mikasika ny mpanelanelana : efa nangataka vavaka tamin'olona ve ianao ? Efa nisy olona nangataka anao mba hivavaka ho azy ve ? Teneno izy fa manompo sampy
71. pissoa ( 20/01/2007 15:29)
niryna:

Hoy i pissoa
Ahoana ilay hoe Jesoa lalana ry Prime ?

Tsy misy mpanelanela fa mivavaka aminy direct ary izy no hanampy izay ilaina eo amin'ny fiainanao,sns.
Mamaky baiboly pissoa fa tsy atao tsianjery ny fivavahana toy ny fiangonana sasany manao repetition dia milaza sy mitaraina ny olona fa tsy mahita fanahy masina izy satria ny eo ihany no miverina ary ny toroteny dia 10 mn aza betsaka.Manandrama mamaky baiboly ohabolana iray isan'andro,dia mandeha any amin'ny hebreo,aza force-na fa mandeha tsikelikely,mivavaha mba omen'Atra fanahy masina ianao ahalalanao izay lazainy.Courage fa izay mitady dia ahita.:P:P


:-D:-D:-D
Ianao ve manao ny vavaka nampianarin'ny Tompo ? Raha izaho ianao tsy manao fa iny foana ve no averimberina eo kle. Mba marina e :-D:-D:-D

Misaotra amin'ny fampaherezana ... fa tsy ianao no hiteny ahy hoe mamakia baiboly ... Mihoatra noho ny andalana iray lazainao no reko isan'andro any ampiangonanay sy halilinina any :-D

Ary ny halavan'ny toriteny moa ry Niryna no midika inona, indrindra rehefa toriteny atao haha-be hetsipo :cry: fotsiny fa tsy ho entina amin'ny fiainana ? :-D:-D:-D

Ary afaka mivavaka amin'i Jesoa ve ry Niryna rehefa mampitovy ny tena amin'i Jesoa Andriamanitra amin'ireto teneniko ireto ?

+ Aza alaina ny plasin'Andriamanitra Aza maika maka ny toerany mitsara ny ataon'ny hafa, indrindra rehefa tsy ampy ny fahalalana sy ny fandinihana fa midika tsy fitiavana an'Andriamanitra izany.
+ Aza mitopo teny fatratra (efa lazain'i Piste io izany). Ny fitompoana teny fatratra dia fanompoana tompo roa na fanaovana andriamanitra kely tsy mety diso ny tena. Aleo manontany, toy izay manizingizina zavatra mety diso toy izao.


Aza lany andro manao be sermon amin'ny finoan'ny hafa hoa fa mandiniha aloha tena. :wink:
72. niryna ( 23/01/2007 07:09)
Pissoa a Tsy andany andro hanazava anao ny zavatra voasoratra ao anaty baiboly aho.rehefa mbola tsy tonga ny fotoana ahalalanao ny marina dia mangataha amin'ilay Atra any ambony ampahiratra ny masom-panahinao.Misy no olona mijery fa tsy mahita, miheno fa tsy mahalala.
Jaona 8:31 milaza fa"..raha maharitra amin'ny teniko ianao dia ho mpianatro tokoa,ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina no hanafaka anareo tsy ho andevo." The truth will set you free.
Asa 4:12" Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa ;fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra hahazoantsika famonjena." Tsy iza izany fa JESOSY IZAY NOHOMBOHANA TEO AMIN'NY HAZOFIJALIANA.Maria virjina renininy fotsiny fa tsy natao hivavahana na hiankohofana.Mazava amin'i pissoa amin'izay ny baiboly. :roll::roll:
73. pissoa ( 23/01/2007 17:15)
Niryna : tsy handany andro hanazava aminao ny finoana sy ny fomban'ny Katolika aho. Sady ianao rahateo mbola tsy tapa-kevitra ny hamaky fa te ho be semon fotsiny :-D:-D:-D Raha mbola tsy tonga ny fotoana hahalalanao ny marina mikasika Katolika, dia aza be resaka sy be kotaba aloha, fa mangataha amin'Andriamanitra mba hanana saina mahay mandinika ianao, Oops, MASO MAHAY MAMAKY mantsy no tiako nambara e :-D:-D:-D Mivavaha mafy, fa misy ny efa mahita mihitsy - nefa mody tsy mahita fa maka ny toeran'Andrimanitra izy, nefa miteniteny lava ny hafa :-D:-D:-D

Mazotoa :wink::-D:-D:-D
74. Achia ( 23/01/2007 18:21)
Izay mivilana no ahitsy e! :-D:-D:-D
75. pissoa ( 23/01/2007 18:23)
Izay no hanitsiako anjy refa kelikely fa mbola be asa za zao :wink::-D:-D:-D
76. prime ( 24/01/2007 13:43)
pissoa:
Ilaina porofoina ara-tsoratra masina ve fa tsy tia an'Andriamanitra izay te haka ny toerany ? (eritrereto hoe mipetraka mijery tele eo ny dadan'ny ankizy iray, dia avy any le ankizy dia atosiny tsotra izao ny dadany ... mialaaaaa hoa dada anyyyy! sady tsy fitiavana izany no tsy fanajana )
Ilaina porofoina ara-tsoratra masina fa ve tsy tia an'Andriamanitra ny olona manao ny tenany ho andriamanitra kely ?
Toy izany koa ny olona mampiasa ny tenin'Andriamanitra hanaovana ratsy ?
Aoka kosa moa e !
... :-D
Ka tsy tenin'ny soratra masina izany raisinao izany fa tenin'i pissoa... dia miandry hoe porofoy ara-tsoratra masina raha azo atao...:lol:
77. pissoa ( 24/01/2007 18:14)
Prime : Izaho manontany anao hoe ilaina ve ny manaporofo an'ireo araka ny soratra masina ? Ampy anao ve ny hoe "Aza manana Andriamanitra hafa tsy Izaho" (raha tsy diso za dia tsy teniko io fa didy folo. Raha tsy ohatra hoe misy diso tsipelina dia lasa teniko tampoka :-D ) Sa tsy maintsy tadiaviko eto amin'ny forum ilay teninareo mahazatra hoe saro-piaro Andriamanitra ka tsy tiany ny hanananao andriamanitra hafa ? Toa kabary lava reny fotsiny kay ny anareo iny - na andalana hay tsianjery ... fa tsy hay akory ny dikany sy ny tokony hiainana azy eo amin'ny fiainana. Aza lany andro be sermon sy be resaka hoa fa mandiniha tena dia ataovy ny pratika (impiry naveriko io izay :-D:-D:-D )

Na izany na tsy izany, izaho mahita fa tsy ilaina ny manaporofo zavatra toy izao araka ny baiboly. Raha tsy mahita andalana milaza amin'ny fomba explicit ve aho ry Prime hoe "Aza alaina ny plasin'Andriamanitra", na hoe "Aza manao ny tena ho andriamanitra kely" dia DISO ireo ary AFAKA MAMPITOVY TENA AMIN'ANDRIAMANITRA NY OLONA ? =))=))=)) (ialana tsiny ny sora-baventy. Tsy mandeha ilay bold tsinona :) )

Aoka kosa moa hoa e ! :-D Miverina amin'ny Baibolisma # Kristianisma eto indray isika marina mafy. Satria tsy mahita izaho ao anaty baiboly hoe "Aza alaina ny plasin'Andriamanitra", na hoe "aza manao ny tena ho andriamanitra kely" dia mety hanangana ny tenany ho Andriamanitra i Prime. :-D:-D:-D
78. prime ( 25/01/2007 08:49)
Ka rehefa tsy vitanao ny manaporofo azy ao anaty soratra masina dia aza mamorona ary e... ka ianao indray no hamorona didy vaovao hoe "aza maka ny plasin'Andriamanitra sy ny aza mitompo teny fantatra"...

Ka izay ihany angaha no lazain'ny didy hoe "aza manana andriamanin-kafa..."? sa hodiana tsy jerena ny hoe "aza manononona foana ny Anarany" sy ny hoe "aza manao sarin-javatra voasikotra ka miankohoka aminy" sy ny hoe "manajà ny adnro sabata"... vao ny fanajàna ny didy 4 voalohany fotsiny nefa hatreo no angatahiny mba ho fanehoana ny fitiavana Azy...

Ny mitoetra dia izay lazain'ny soratra masina ihany manao hoe "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." Jaona 14:6

Ny ankoatr'izay mikasika ny asa lazainao tsy fototra fa vokatry ny finoana...

79. pissoa ( 25/01/2007 11:44)
=))=))=))

Mahakasika an'i Prime angamba io manao ny tenany ho andriamanitra kely io, na maka ny plasin'Andriamanitra dia tiany ho porofoina fa mety sy azo atao tsara e ? =))

Ny mikasika ny hoe hafa ankoatra ireo, avereno vakiana fa toa niteny aho teo hoe :
pissoa:
+ Tsy nandahatra aho hoe izao no ambony indrindra amin'ilay fitiavana an'Andriamanitra, fa nanao "+", nitanisa ampahany fotsiny.
tsy niteny mihitsy aho hoe ireo fotsiny. Fa aza alaina hoa ny plasiny :-D:-D:-D

Izaho ve ry Prime no manao didy vaovao rehefa miteny hoe aza maka ny plasin'Andriamanitra ? :-D "Aza manana Andriamanitra hafa tsy izaho" hoy Andriamanitra. Ka rehefa ianao mihitsy no ataonao Andriamanitra amin'ny fakana ny plasiny dia ahoana, nanao andriamanitra hafa ianao sa tsia ? (Raha ilainao ny valiny, dia nataonao toy ny tsy misy ilay Andriamanitra efa teo hatramin'izay, ary nanangana andriamanitra kely hafa ianao) Didin'i Pissoa io e :-D:-D:-D

Ary iza moa ry Prime ilay niteny hoe "Ny fahotana no tsy hitovizantsika amin'Andriamanitra" (raha tsy diso za dia i Prime ihany, tsy haiko fa mila jereko any ambadika :-D ) ? Ka rehefa manao ny tenantsika ho tsy mety diso isika ... dia mbola misy tsy hitovizantsika amin'Andriamanitra ihany ve ? aza manao andriamanitra kely ny tenanao hoa :-D

Aza atao resaka ambony latabatra, fa jereo hatramin'ny madinika indrindra amin'ny fiainana ny mahaKristianina e. Aza ajanona amin'ny fitanisana andininy sy porofo ara-tsoratra masina. Sao te haka ny plasiny ny farany hoa :-D:-D:-D
80. prime ( 25/01/2007 13:02)
pissoa> :-D:-D... Sady tsy niteny aho hoe mitovy amin'Andriamanitra na niteny koa hoe afaka mitsara eo amin'ny plasin'Andriamanitra ka sao diso famaky ianao... fa ny anao mantsy izay "supposition" rehetra any an-dohanao dia heverinao ho "faits" daholo... raha izany no fijerinao ny nolazaiko ao ambony ao dia diso hevitra tanteraka ianao...:-D:-D:-D

Taiza ihany koa moa aho no niteny hoe izaho dia tsy mba diso na tsy manana fahadisoana? aza mamorona hoy aho fa feno fanahin'ny fiampangàna ianao ka miambena... aza mamorona izay sady tsy noeritreretiko no tsy nosainiko akory fa volavolainao ao an-tsainao fotsiny dia avy eo lasa zohinao ho marina... :-D:-D

Ary tsarovy fa izany fiampangàna ataonao izany no mamaritra ny mahaianao anao ka dia safidy moa io...:wink:

Ny ahy dia tsotra ny filazako, izaho tsy mamoaka hevitra araka ny hiheverako azy fa izay ambaran'ny soratra masina ihany (sa moa izay ilay lavinareo tanteraka?) no hamafisiko ary porofoiko amin'izay lazain'ny baiboly... Izay no lazaiko anao hoe tsara ny hevitra ambaranao fa porofoy ara-tsoratra masina... nefa moa ianao aza tsy mahita izay ambara ara-tsoratra masina ka inona fa dia hevitrao fotsiny iny izany dia mihantona eo... fa raha ny fahamarinana dia izay voalazan'i Kristy ihany no mitoetra... araka ny voasoratra hoe : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana..." Jaona 14:6a...

Ary izany no manamafy orina ny hoe : "... tsy misy mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalan'i Kristy" Jaona 14:6b...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1202