Tsy misy olona afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy amiko.

81. pissoa ( 25/01/2007 15:39)
Fanamarihana lehibe :

Ny "Ianao" dia tsy voatery hoe i Prime no dikany ka. Entina hanazavana io. Raha amin'ny teny Anglisy dia "You/One" no mety nampiasaiko, amin'ny teny Frantsay dia "On". Amin'ny teny gasy tsy haiko fa heveriko hoe "Ianao" no fampiasa amin'ny toy izany :-D Ary ianao toa tsy nanontany akory dia efa nilaza sahady indray fa feno fanahin'ny fiapangana ny tenako e + ny fampitandremana mahazatra ? Mankasitraka :wink: ... Aleo hoa manontany aloha, dia mba fantatra ny tian'ny hafa ambara na ny zavatra ataony :-D:-D:-D

Izaho aza mbola vao manontany hoe mety mahakasika anao (i Prime) angamba no antony tiany hanaporofoako azy ara-tsoratra masina hoe tena tsy azo atao tokoa :-D:-D:-D

Tsy ampy ny olona (aleo indray ovaina an'io raha mety kle :-D:-D:-D) tsy hangalany ny plasin'Andriamanitra na tsy hanaovany ny tenany ho andriamanitra ve ny hoe "Aza manana Andriamanitra hafa tsy izaho" ? Tandremo fa tsy voasoratra ao anaty baiboly daholo ny zavatra rehetra (saingy io moa lavinareo mafy ery na dia efa misoratra ao anaty Baiboly aza - absurd :-D ).
82. Achia ( 25/01/2007 17:27)
Ka ny voalaza ao anaty baiboly aza tsy tanteraky ny ol sy tsy sitrany ny hanao azy ko maika fa ampiana hafa any ivelany indry ve !
83. pissoa ( 25/01/2007 20:33)
Achia, raha tsy tanteraka angaha izay voasoratra ao amin'ny Baiboly - dia azo atao amin'ny fomba malalaka ny zavatra tsy voasoratra ao amin'ny Baiboly nefa efa hita fa ratsy ? :-D:-D:-D

Ary matetika koa, tsy hoe tsy voasoratra ilay izy, fa tsy voasoratra mivantana fotsiny. Ohatra ireo resahinay sy Prime ireo. Izany no ilana fandalinana fa tsy manao tsianjery na mionona amin'izay voasoratra ara-bakiteny fotsiny. Anjarantsika ny mandinika hoe "Izao no lazain'ny Baiboly pejy ??? - Eto amin'ny sehatra misy ahy, inona no dikan'io ? Inona no tokony ataoko ? inona no tsy tokony ? "
84. pissoa ( 25/01/2007 20:38)
Efa miha-manalavitra ny size izy izany :-D
85. prime ( 30/01/2007 12:14)
pissoa:
Ny "Ianao" dia tsy voatery hoe i Prime no dikany ka. Entina hanazavana io. Raha amin'ny teny Anglisy dia "You/One" no mety nampiasaiko, amin'ny teny Frantsay dia "On". Amin'ny teny gasy tsy haiko fa heveriko hoe "Ianao" no fampiasa amin'ny toy izany Ary ianao toa tsy nanontany akory dia efa nilaza sahady indray fa feno fanahin'ny fiapangana ny tenako e + ny fampitandremana mahazatra ?
...:-D:-D:-D...
pissoa:
Izaho ve ry Prime no manao didy vaovao rehefa miteny hoe aza maka ny plasin'Andriamanitra ? "Aza manana Andriamanitra hafa tsy izaho" hoy Andriamanitra. Ka rehefa ianao mihitsy no ataonao Andriamanitra amin'ny fakana ny plasiny dia ahoana, nanao andriamanitra hafa ianao sa tsia ? (Raha ilainao ny valiny, dia nataonao toy ny tsy misy ilay Andriamanitra efa teo hatramin'izay, ary nanangana andriamanitra kely hafa ianao) Didin'i Pissoa io e

Ary iza moa ry Prime ilay niteny hoe "Ny fahotana no tsy hitovizantsika amin'Andriamanitra" (raha tsy diso za dia i Prime ihany, tsy haiko fa mila jereko any ambadika ) ? Ka rehefa manao ny tenantsika ho tsy mety diso isika ... dia mbola misy tsy hitovizantsika amin'Andriamanitra ihany ve ? aza manao andriamanitra kely ny tenanao hoa
... d tena sahy ny mandà ny voalazan'ny tena an...:-D:-D... fa ilaozana manao "diversion" @ fanazavàna ny "ianao"...:-D:-D:-D

... "Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." Jaona 14:6

... na hanao "dabât philosophique" momba ny hoe "ianao" aza ianao... dia Kristy ihany no lalana mankany @ Ray... na hanazava in'arivo ny momba ny baiboly aza ianao hoe mbola betsaka ny Tenin'Andriamanitra hafa dia io ambony no lazain'i Kristy...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077