tantara marina

1. ikaretsaka ( 26/11/2006 00:08)
Tantara tena marina ity niseho tao ambatomaro tao. Nitranga ngamba 1 volana lasa izay:

eo amin'ny manodidina eo moa dia betsaka ny karazam-piangonana "evanjelika" (mba tsy hilazako hoe sekta) miforona dia samy mitaona ny "mponina ao @ tanana hivavaka" any aminy aby ny "pasitera" dia izy samy izy no mifanaratsy eo ankoatran'ny fanaratsiany ny fiangonana foibe toy ny FFKM sns...

fa iny eo ihany ary azy ny azy

.. fa vokatr'ilay fiangonana mbola kely moa izany dia matetika ao @ salon an'ny tranon' ilay miseho azy ho "pasitera" ry zareo no "mivavaka" na manao ilay fanompoam-pivavahana...
Indray alina izay ary dia raikitra ny alerta be tao atanana..

inona hoy ianareo no niseho ? "maty teo am-pitaingenana" I dadapasy! maty teo am-panefana ny adidiny t@ vadiny izany e (marihiko fa manambady mirahavavy koa lery ary hifandimbiasany izy mirahavavy vadiny ary fantatry ny ao an-tanana izany) ary teo akaikin'ilay placen'ny alitara rehefa mivavaka no misy ilay fandriana nanaovan'izy mivady ka nahafaty an'i lery....

Avy eo nony hoe ho alevina @ zay dia nahagaga fa nentina teny @ Mompera Pedro teny @ akamasoa ny razana no natao veloma farany fa tsy tao am-piangonany intsony .dia hatramin'izay ka hatramin'ny nialako teny ambatomaro teny dia toa maty ho azy ilay fiangonana... tsy haiko raha efa niverina izay na ahoana...

Dia lasa @ zay hoa ny heritreritro ry reto hoe ahoana mihitsy izy ity?
ny maraina izany ilay salon zava masina fa rehefa hariva dia trano fijangajangana? (marihiko fa ny ao @ ilay chambre 1 zany no matory ilay vadin'i Pasy 1 sy ny zanany, ary ilay rahavaviny dia ao @ salon izany rehefa alina?....

Dia ahoana nony maty no netina tany @ Pedro? nga tsisy mpivavaka hafa nahasolo an'i pasitera tao? nefa fony fahavelona tahaky ny inona ny fanaratsiana ny tany!

Dia @ maha fianakaviana zezoita sy ny maha ignatian ny tena moa dia mandeha ny hoe "what would Jesus do"? na "de ahoana hoy I Rajesoa?


2. kitjo ( 26/11/2006 05:08)

Fa ny fihevitr'Andriamanitra dia tsy mba fihevitr'olombelona!, fa anontanio ian aloha lery e!

Ary tsy ny fiangonana evanjelika rehetra no atao hoe sekta!
3. fens ( 26/11/2006 06:49)
sarotra le miditra amin'ny fiainan'ny olona e!
4. Fiffi ( 26/11/2006 07:24)
saroyta le miditra @ fiainan'olona fa aleo Andriamanitra hiany hitsara ny zava-drehetra......
5. Fiffi ( 26/11/2006 07:24)
(sarotra)
6. ikaretsaka ( 26/11/2006 07:47)
kitjo:


Ary tsy ny fiangonana evanjelika rehetra no atao hoe sekta!


Dia ahoana kay ny fomba hanavahana azy??

Tsy hoe miditra @ fiainan'ny olona aho fa resa pivavahana ilay izy de nanaitra .. ohatran'ny resaka hoe papa manao resaka silamo sy mopera nanao pedo taty USA ireny....
dia phenomene ilay izay de mitantara azy fts za

fa ny tena nanaitra be ahy dia ilay trano hoe eo fivavahana dia rariva fanaovana firaisana^^
7. Rainikarabo ( 26/11/2006 09:05)
ikaretsaka:


Dia ahoana nony maty no netina tany @ Pedro? nga tsisy mpivavaka hafa nahasolo an'i pasitera tao? nefa fony fahavelona tahaky ny inona ny fanaratsiana ny tany!

Dia @ maha fianakaviana zezoita sy ny maha ignatian ny tena moa dia mandeha ny hoe "what would Jesus do"? na "de ahoana hoy I Rajesoa?






1.satria fantatry ny havany ihany fa misy lakile ny fanjakan'Andriamanitra any

2.moa ve tsy nahazo tso-drano tao ampiangonana ilay razana? hainao ny tohiny ry miaramilan'i RaJesoa.
8. ikaretsaka ( 26/11/2006 09:23)
Tohiny:
I pedro tsy kopy dia nataony ny "absoute"
9. Rainikarabo ( 26/11/2006 09:33)
koz':-D, lasa nampihomehy ahy koa ilay hoe Pedro tsy kopy :-D
10. Achia ( 26/11/2006 10:19)
Fiffi:

saroyta le miditra @ fiainan'olona fa aleo Andriamanitra hiany hitsara ny zava-drehetra......


Ary fifi efa tsy mahay teny gasy tsony a ! :-D:-D
11. zizi ( 26/11/2006 13:21)
Io efa nahitsiny eo ambany io ry Achia a. Raharaha indray izany zava-niseho tamin'i Pastera izany. Azo zarazaraina ve ny fitiavana ? (amour) Mivavaha ho an'ny fanahiny.
12. degree ( 26/11/2006 16:23)
aza mitsara olona mbola tsaraina fa ny fivavahana dia Andriamanitra tokana no hivavahana fa samy manana ny fomba fanompoany azy
13. Fiffi ( 26/11/2006 20:44)
Achia koooo ouuuu :-D:-D:-D
14. ikaretsaka ( 26/11/2006 22:33)
degree:

aza mitsara olona mbola tsaraina fa ny fivavahana dia Andriamanitra tokana no hivavahana fa samy manana ny fomba fanompoany azy


tsy mitsara za fa mitatitra fotsiny sy milaza ny zavatra nanaitra ahy


15. Papoose ( 27/11/2006 01:05)
hmm, tokony mba nasian'ny lanjany ny lakozia dia tany ohatra no nanao zay ataony!nefa koa aloha mety tsy malalaka tsara e!iza no mahita lol fa tena salon vitafoam angamba zany kosa ka!lol mahazaka b!mahatanty asa mafy!woo hoooo:-P
16. dailynews ( 27/11/2006 01:18)
ikaretsaka> hatrany hatrany, betsaka ny tantara tahaka izany saingy Jesoa hatrany no jerena fa raha ny olombelona no jerena dia efa ho niverindalana daholo ny olona. mampalahelo ilay tantara.
17. ikaretsaka ( 27/11/2006 12:17)
dailynews> fa ny tena mahakamo ahy ange de ilay effets ny@ fiaraha monina e...ilay olona rehetra voatariny fony faha velony izao de ahoana?
za zao tsy nivavaka tany mihitsyfa henonkenoko fotsiny satria vaovao tao @ tanana an.. fa lasa nitondra effets bedebe amiko ilay tranga :

1. vokany dia lasa ohatran'ny tsy miainga loatra izany itsony ny fanahiko rehefa mivavaka maro be raha vao tsy tena any @ trano natokana hoe fiangonana na trano tena efa hitako hoe tena natao hivavahana fotsiny! fa lasa tsaroako foana ilay zavatra....

2. raha vao pasitera ny mampivavaka ahy ka resaka fanambadiana na chastete na resaka tokatrano no voasana dia lasa mifikitra ao an-tsaiko ny hoe ity izany mody blablabla eto fotsiny fa rahariva izy ny vadiny izao contraire an'izany nno hataony....

tsy haiko aloha e!
18. majesty ( 27/11/2006 13:14)
ikaretsaka:aza variana amin'zany r'ise a,izy ary mba efa maty d vita ny adiny fa nentsika velona zao no tokony ho dinihina izay mbola fandehany satria tsy hay ange ny fivadiky ny tantara e,mety ho lasa pasitera kou toi aoriana kely ao iza no mahita dia mba efa nahita ny tsy fahita nataon'lay pasitera teo aloha dia mba nandray lesona e,sa ahoana :D
19. ikaretsaka ( 27/11/2006 13:37)
ka za tsy mety ho pasitera fa ao amin'ny ambaratongam-pitondran ny finoako tsy misy an'izany pasitera izany:-D
20. prime ( 27/11/2006 15:04)
ikaretsaka> :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0415