L'appel du general zanadambo tezitra

1. tezitra ( 26/10/2006 14:35)
tsisy anisan'ny mieux placé hi-critique andra8 angamba raha tsy ny zanadambo, ary izaho no anisan'izany, la bataille la plus decisive pour la victoire de ravalo dia:
-tsy andohanatady (fianarantsoa)
-tsy analanjirofo et ambodiatafana (tamatave)
-tsy vatolatsake, etc... (tulear)

FA AMBILOMAGÔDRA (DIEGO, entre ambilobe et vohemar) ET J'ETAIS Là, betsaka ny maty ary ny general petera BEHAJAINA nihosindra tany, satria kotity, rahitso et balbine no adversaire

ny mahatezitra @ dravalo dia tsotra : RAHA MISY DIA ANARIVONY NY ZANADAMBO, nefa ny promesse poste sy vola tsy nisy nomena,ary ny loza dia olona toandry minisitran'ny environnement sady minisitran dratsiraka

1) (gal RABOTOARISON), minisitrandratsiraka sur 2 mandat,2)ry honoré RAKOTOMANANA, 3)ry KALETA mpanova palitao, tsy niady, tsy naratra, TSY NAMELA KAMBOTY toa anay zanadambo, no migalabona mahazo toerana

PETERA BEHAJAINA IL est meritant,c'est un combattant
HOY TEZITRA LE BATAILLON- volontaire D'AMBILOMAGÔDRA
VIVE AMBILOMAGÖDRA
Tsy ny zanadambo no ho radidy , ary ny zanadambo tsy ho R8 intsony
TEZERA NEFA AZA MANOTA, ary AZA ATAO TRATRAN'NY 04 DECEMBRE NY HATEZERANAO

novalian'i akama2006 ny 30/10/2006 20:15
2. Fiffi ( 26/10/2006 15:28)
fa iza marina no ho tezitra hatramin'ny 4 desambra eh ?
3. Robert ( 26/10/2006 15:54)
Hay ve ka resaka vola sy poste no olan-dry zareo Zanadambo? Izany, tsy efa lasa mercenaire zanatany fa tsy reserviste tsony nareo ry tezitra...

Tsy misy fitiavan-tanindrazana fa vola aloha. Tandremo ary sao mbola hisy hampanantena vola be indray aoriana ny 3 dec de iny fa hirotsaka handray basy nefa tsy ahazo vola intsony indray..

Gal Rabotoarison, Horace Constant, Lila Rantsifandriamanana, Gal Ranjeva, Tsaranazy, Kaleta, ...(lava raha hotanisaina eto daholo) ekipa-DRatsiraka hoy enao. Misy iany anie izany ny reconciliation nationale satria miara miasa @-DRa-8 daholo ireo olona rehetra ireo. Sa ireo nahavita heloha (mpanapôaka tetezana, mpanao barazy,...) no tiana avoaka ny fonja tsotra izao. Aiza CRN???
4. tezitra ( 26/10/2006 15:59)
andao enkena fa tsy ampy ny toerana homena ny rehetra, fa ny nanomezana ny ekipandradidy: GAL RABOTOARISON, GAL RANJEVA, RAKOTOMANANA HONORE, LECACHER,LILA RATSIFIANDRIAMANANA, izay niadivanay satria ekipandradidy, C'est ça le scandale, C'est ça l'INSULTE A l'endroit DES VADI AMANJANAKIN'NY ZANADAMBO, kamboty , na namoy vady
5. manantsoa ( 26/10/2006 16:05)
Ary ahoana ilay anganon' ny ntaolo hoe mitondra ny lohateny hoe " nisy nanome dizaine de milliards fa tsy noraisina e "?
Aleo miaraka madio amin' ny fianakams mpanao vola sandoka a !

6. vetsoko ( 26/10/2006 16:54)
tena nampanantena an'ireo i ra8 marina izany saingy tsy notanterahany ohatran'ny promesse maro,nampalahelo ny zana-dambo satria sady nanao ny ainy tsy ho zavatra nefa nahilika avy eo,manana tantara mampalahelo be dia be mikasika ny zana-dambo zà,ary anisany ny naha-kivy ahy t
7. akbaraly ( 26/10/2006 17:11)
Hay kay tezitra mampalahelo be ko! Ntsooooooo!!! Aza misosokalahelo intsony
8. jefra ( 26/10/2006 17:12)
Ary marina ve ny nolazain'i Gnrl Fidy hoe: Tsy nety nametraka galona am maha jeneraly azy i Behajaina fa natahotra hataon'i Kotity cible? Sa mpandainga ilay Fidy satria toa tsy tononinao anarana.
9. tenagasy ( 26/10/2006 17:49)
Mankamamy!
Raha jeneraly tokoa ianao r'i tezitra, ka nandray anjara t@ ireny fampandrian-tany t@ 2002 ireny. Moa tsy efa izany ve no asa anakaramana be anareo na tsy misy n'inon'inona atao mandavantaona io aza? Koa inona indray no mbola itomaniana tambiny eh?
Raha ny hoe indray: ny fahavalo t@ ireny daholo no nomena toerana, tena mba anisan'ny niontana fo t@ io aho saingy nahatsiaro ny fitenin'ny Ntaolo ilay manao hoe: "tambatambazo ny mpamosavy hameloman'anaka", dia nitonitony kely ihany(Na hovoa-aronao tsy ho voakitiky ny mpamosavy anie ny zanakao, ho maty noana ihany satria mifitsa-nono @ ady sy ny fiferotana aina ianao e). Na izany na tsy izany, mitafy madio eny antsena izy ireo aloha ka tsy ho azo tolomina mitsangana eny, saingy mbola handalo fasambao indray andro any ka dia ho raisimpotsiny sy ho maty henatra eo!
Avelao anie hizotra sy hitohy ny tantara dia hiaraha-mahita eto.
Raha tsy hoe angaha ny fianakaviamben'ny mpamosavy indray no hahazo ny (SAGNATRIA) laka ka ny tsy mpamosavy indray amin'io no ho lasa mpamosavin-dry zareo:evil:
Mirary soa!
10. xxx ( 26/10/2006 17:49)
manohana ny nahatezitra an'ilay nametraka ity loha hevitra ity ny tenako ary rariny izy raha tezitra satria,voafitaka.

ary rehefa voafitaka izany dia vitsy mihintsy ny mbola hanohana sy hanaiky izay teneniny ilay mpamitaka.

ny zavatra tsikaritra tokoa aloha dia ny ekipany radidy no mameno ny toerana ao,inona no antony?lany olomanga ve Madagasikara,koa raha izany maninona no esorina isaky ny 6 mbolana ny ministra sy ny gouverora etc...?nefa iretsy farany ,toa andry Ranjeva,sady efa mpamadika hatr'izay no mbola mpamadika palitao ihany koa!tsy atao adino angamba nty zavatra nitranga taminy androny fanjanahana ka nisian'ireo milaza azy ho andriana namadika ny tanindrazana.

ka na i ra8 nojamba noho ny jamba na resaka maizina ny ao dia ny hoe tazomina tambina fanohanana sy firaisana petsapetsa.ka raha izany dia tsy misy antony hanagadrana ny hafa satria samy kary rehefa kary na ambony latabatra na nitambasy!

aiza le fahamarinana sy fahamasinana e!ry razanamasy tsy nanao inona indray no mody atao fanaraha maso nefa le fisadoha jeneraly makorelintoerana (ranjeva) io tsy misy ankety na kely aza!

izay ve le gasy,manadino ny tantarany.
11. lagoon ( 26/10/2006 20:23)
tezitra:

tsisy anisan'ny mieux placé hi-critique andra8 angamba raha tsy ny zanadambo, ary izaho no anisan'izany, la bataille la plus decisive pour la victoire de ravalo dia:
-tsy andohanatady (fianarantsoa)
-tsy analanjirofo et ambodiatafana (tamatave)
-tsy vatolatsake, etc... (tulear)

FA AMBILOMAGÔDRA (DIEGO, entre ambilobe et vohemar) ET J'ETAIS Là, betsaka ny maty ary ny general petera BEHAJAINA nihosindra tany, satria kotity, rahitso et balbine no adversaire

ny mahatezitra @ dravalo dia tsotra : RAHA MISY DIA ANARIVONY NY ZANADAMBO, nefa ny promesse poste sy vola tsy nisy nomena,ary ny loza dia olona toandry minisitran'ny environnement sady minisitran dratsiraka

1) (gal RABOTOARISON), minisitrandratsiraka sur 2 mandat,2)ry honoré RAKOTOMANANA, 3)ry KALETA mpanova palitao, tsy niady, tsy naratra, TSY NAMELA KAMBOTY toa anay zanadambo, no migalabona mahazo toerana

PETERA BEHAJAINA IL est meritant,c'est un combattant
HOY TEZITRA LE BATAILLON- volontaire D'AMBILOMAGÔDRA
VIVE AMBILOMAGÖDRA
Tsy ny zanadambo no ho radidy , ary ny zanadambo tsy ho R8 intsony
TEZERA NEFA AZA MANOTA, ary AZA ATAO TRATRAN'NY 04 DECEMBRE NY HATEZERANAO





Fitiavan-tanindrazana tsy vidian-tseza ry leiry e!!
Sa mitomany ny hilevona eny @ Mausolée koa ity ianao??

12. fijo ( 26/10/2006 20:50)
za dia tena nankasitraka ny zavatra vitan'ny zanadambo.ary midera ny herimpony.
saingy izao ry tezitra.
-fitiavana ny firenena no nanaovana an'iny fa tsy fitadiavana seza.
mibaribary loatra io tanjona io,raha jerena izay voasoratrao ato.
-marina fa misy olon dratsiraka izao miasa ao amin'ny fanjakana.
amiko dia tsy izay niara niasa tamindratsiraka rehetra akory,dia olona ratsy.ekeo izay,fa maro no olona tsara tao,saingy tsy nahaleo ireo sasany ratsy loha ry zalahy.
ary samia mahay ny anjarany.ny anareo dia ny niady teny antanety no asanareo.vitanareo soa amantsara izany,ary ireareavo.ka avelao indray ny politika sy ny teknisianina hanao ny anjarany.
raha samy manao ny azy toa izay,dia handroso isika.
fa raha hoe zanadambo,BRPC no ananako,za niady ka mba ataovy lehibean'ny faritany???????aoka namana
13. manantsoa ( 27/10/2006 04:12)
Tsara izany dieny izao ny manangana orinasa : " Miaramila sivily " toy ireny agent de sécurité ireny.
raha raikitra eo ny rombo aorian' ny 3 desambra dia azo karamaina ry zalahy ary azo antoka fa handray 15 millions isan'olona .
Ny zana-dambo mantsy nantsoina hanefa adidy amin' ny tanindrazana fa tsy nokaramaina .Ny olona karamaina amin' ny asa toy ireny dia manao contrat mazava tsara fa tsy am-bava fotsiny .
14. jentilisa ( 27/10/2006 06:32)
Ilay izy aloha tadidiko tsara fa hiasa vonjimaika no nakana anareo zana-dambo! tadidiko tsara fa raha ampy ny vola dia azo atao ny manome toerana no notenenina saingy nisy ny namadika izany hoe omena toerana avy hatrany.

Ny fahalalako azy manokana ihany koa dia efa niasa miafina ny zana-dambo talohan'io fotoana io fa io no namoahana anareo ho hitam-bahoaka. Tadidio fa ny nahamafy ny ady tany avaratra dia noho ny fisian'olona tao anatin'ny zanadambo hay mpitsikilon-dratsiraka.

Ary na ahoana na ahoana ny ady tao Fianaratsoa no nivoahan'ny fandresena voalohany ka nampahazo vahana an'i Ra8. Ambilomagodro efa tany amin'ny fiafaran'ny ady. Tsy mitovy ny hevitsika ny amin'io.
15. besoiiin ( 27/10/2006 07:37)
mitovy mihintsy ngeh ny toetsain'ny zanadambo sy ny mpanao politika teo @ 13 mai t@ 2002 reny e. fitiavantena sy fitiavambola ary fitiavantseza no betsaka fa ny fitiavantanindrazana tsy mba misy na iray aza! amiko raha tena tia tanindrazana ry zareo tokony mba nanana fiereté fa noho ny ezaka nataony sy ny fiarahamientana no nahafahana nanala ny fahavalompirenena teo @ toerany. tsy izay anefa no nitranga fa vao tsy nahazo sôsy dia namadika palitao sy namoaka ny toetra ratsy. maro no nahatsapa fa maty antoka satria toa very maina ny tolona natao. satria tsy nahazo sôsy na seza.... kanefa raha mba misaina kely sy mba franc @zavatra atao dia tokony ahatsapa fa mba nahavita soa ho an'ny firenena... ary tsy maty antoka velively...
16. tenagasy ( 27/10/2006 09:36)
Mankamamy!
Marina loatra ny anao r'i besoiiin. Tsy misy madilana ho tentenana na maito ho atohy?
Fa ny tena fitiavana dia ilay mahafoy hatramin'ny aina nefa tsy iandrasana tambiny. Sambatra be fotsiny fa tena tia.
... tsiky dia ampy ...
Mirary soa!
17. oufouf ( 27/10/2006 09:37)
bravo besoiiin, =D=D=D=D
18. robot ( 27/10/2006 10:58)
slt! dol

1- dia misaotra an'i tezitra zany nandefa ity vao2 ity teto eh!

2-lagoon marina fa ilaina ny tsikera toy ny ataonao io ,nefa mba ataovy @ toerany le izy an,
mety ianareo zany le ol mahazo tombotsoa anyambadika any, matoa sahy miteny hoe:"Fitiavan-tanindrazana tsy vidian-tseza ry leiry e!!
Sa mitomany ny hilevona eny @ Mausolée koa ity ianao??"
tsy fantako koa mo hoe firy taona ianao fa manao saina zazakely angambany,
mba mijereva lety ny lavitra ,f'aza ny akaiky tsy haharitra io an
3-mialatsiny aloha fa zah de ol tsy tia politika
fa noho io resaka io de to nanaitra ahy le izy ,sasdy misy ol mila valiny koa tato ,de zay no nahatonga ahy mba nanoratra teto
4-zah tsy hilaza zvtr eto an, fa zah ko mba manana vao2 sy mahalala zvtr mikasika an'iny raharaha reny
ataoko angamba fa mety ho fantatrao ry tezitra ny dadatoako raha tany marina ianao
satria izy no anisany tao anatin'ireo ol nisambotra an'i coutiti ,tany @ faritry maroantsetra iny.
5-fa ny mba fangatahako ,dia mba eritrereto aloha ny zvtr ho lazaina sy hosoratana eto ry ol tsy mahalala zvtr an,refa tsy hay le izy ,tsy efa azonareo any ambadika any ve ny tombotsoa nareo eh!
mampahery anao aho tezitra, ary mazotoa @ zvtr ataonao retra eh!
19. kitjo ( 27/10/2006 11:27)
besoiin> marina mitsy zany e!
raha mba misaina kely sy mba franc @zavatra atao dia tokony ahatsapa fa mba nahavita soa ho an'ny firenena... ary tsy maty antoka velively...


sady raha ny ol rht ze teny @ 13 mai na nanao barage no ande hitokona dol fa tsy nahazo seza tsy loza! hihihi, za anisany :°)

samy manana ny anjarany io ka satria ve oe tezitra zanadambo d ande ho atao ministra fts amzao na tsisy fantatr'i tezitra aza ilay asa?

ko raha tsy kilalao izy ity!

ilay politika "camaraderie" taloha io r'ise a!
20. papala ( 27/10/2006 11:29)
tezitra > - VOLONTAIRE NY ANAREO NA ANTSITRA-PO fa tsy nisy nanery anareo ho NANAOVA ZANADAMBO ?
- fA NY VAHOAKA REHETRA TAMIN'IRENY ANGAHA tsy misy dikany aminao tezitra ? fA MBA MISAINA WA FA AZA D KELY FISAINANA. TIA TENA LOATRA KA TSY MAHALASA LAVITRA NY FISAINANA!

- NY TOMBOTSOA NYTOLOM-BAHOAKA TAMIN'IRENY NO TOKONY JERENA FA TSY NY OL TSIRAIRAY AZO ?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087