finoana na fivavahana'ny gasy:remise en question?...

1. rakaroka ( 13/07/2006 04:54)
Fa maninona ange no mitrotrongy, mitrosona ohatr'izao ny firenena raha izay vavaka natao sy
fiandrandrana ny ho avy mamiratra izay?... Toa variana miandrandra ny lanitra ny mpivavaka ahiana hanadino izay tena andrasana aminy eto amin'ny tany fandalovana.Mety efa vitan'Andriazmanitra anie ny
rôle-ny fa ny an'ny mpivavaka ny sisa!...
novalian'i prime ny 04/09/2006 10:12
2. bichette ( 13/07/2006 06:24)
:-w
3. ravatorano ( 13/07/2006 07:07)
aza manary toky eh
andriamanitra tsy manampy izay tsy manao ho an 'ny tenany kosa araho asa ny vavaka izay atao :wink:
4. dadabe ( 13/07/2006 07:25)
humm faly be i Ralay raha mahita an'io

我爱你
5. dadabe ( 13/07/2006 07:26)
azafady fa teny sinoa no saika soratako dia tsy voavaky e
6. majesty ( 13/07/2006 07:34)
tsy mahagaga izany satria betsaka ny milaza fa hoe mino nefa tsy arahan'asa ilay finoana dia maty.Sady mivavaka aza ôtran'zao no mahazo maika fa tsy hivavaka tsy ho loza a,angamba mitombo isa isan'andro ny olona mamono tena fa diso fanantenana sy kivy :D
7. rakaroka ( 13/07/2006 10:43)
Mivavaka aza toa izao?...
Ao amin'ny Baiboly tsy misy matimaty izany ka....
Sanatria tsy ny hiran'i R hoe
"velombelon-dratsy toa ny matoatoa!".


8. Razozy ( 13/07/2006 11:01)
Mivavaka ary miambaamba ko! Tsy aleo manantena fahagagana otsan'le teny Itaosy.Mino fotsiny ihany hoa de ny kiho raisina,fa tsisy hampiakatra sotro any am- bava zany hoa raha manantena ireny.
9. rakaroka ( 13/07/2006 12:09)
Mety isan'ny tsirin'ny fiainana anie ny fitsimohan'ny finoana marim-pototra ,tarihin'ny fanahy masina? sa ny feon'ny fieritreretana? sa teraky ny zava-misy manodidina?... Ouf toa lasa filô
loatra aho te hipetraka tsotra eo amin'izay tokony ho "raison d'être"-ko!
Fa maro ny vahaolana "spirituel" efa idodododon'ny olona ivelan'ny kristianisme.Ohatra www.ammachi.org
manasitrana . Ny Tiércé sns koa iandrandran' ny olona fa ny mana avy any an-danitra aloha mety efa ritra!
10. Achia ( 13/07/2006 12:51)
ka ilay fampanantenana nomen'Andriamanitra anie tsy vola @ karena e isika ve mino fa raha voky ny kibon'ny gasy de hanana saina hitady an'Andriamanitra
izy tsy ny kibo ihany fa oe manana fiainana milamina sy miadana
11. rakaroka ( 13/07/2006 13:15)
Mahafinaritra ny saina mahatakatra malaky ny hevitra raketin'ny message tiana ampitaina. Ny messagen'ny Baiboly ve takatry ny mpivavaka impiry torinteny?...
Toa niahy ny kibo ihany Jesoa fony namahana ny olona koa, sady amin'ny hoe omeo ny hanina sahaza (tsy voafaritra ny ho an'ny fanahy fotsiny kosa angamba)
12. prime ( 14/07/2006 13:06)
:°)
Sao dia tsy ny vavaky ny olona miantso an'Andriamanitra no tsy mahomby fa ny fampirafesan'ny olona an'Andriamanitra @ zavatra hafa??? fa misy maro amin'ny mpino no mbola mampiaraka izany @ fomban-drazana sasantsasany... mbola manandro raha vao hanao zavatra, mbola misikidy, mbola mampiasa ody sy vovon-kazo ary zavatra isankarazany, mbola mamonjy doany, mbola mankany @ dadarabe raha vao misy zava-tsarotra??? Fa halan'Andriamanitra izany dia rehefa tsy mamaly ny sasany amin'ny mpino Andriamanitra dia lazaina hoe tsy mahomby ny vavaka???:lol:
13. Achia ( 15/07/2006 12:56)
ka io nge ry prime ef nisy adihevitra teto fa mbola maro no miaro azy e ko tsy mahagaga ra tsy mahazo valimbavaka mahafampo ny ol sady sarotra hatoro no be mokony miziry 2 @hevitra diso lalandava
14. prime ( 17/07/2006 13:19)
achia> hay ve e! sao dia tokony averina???:lol:
Mahery mantsy ny asan'ny vavaka!!! :)
15. Achia ( 17/07/2006 16:00)
ye tsara haverina fa mahasoa antsika rehetra e ! ka ahoana tairo ary ' a !
16. rakaroka ( 20/07/2006 05:13)
Achia:

ye tsara haverina fa mahasoa antsika rehetra e ! ka ahoana tairo ary ' a !

Ny finoana an'Andriamanitra aloha dia tokony tsy tsorina BBbe @hoe "efa nandray an'i Jesoa ve ianao?"
dé -Ié!, fa ho an' ny oln tena mitady an'Atra @ fo, avec une âme assoiffée et un esprit ouvert dia dé hahafantatra MAZAVA Azy izy, tsy mihahotra na mi-doute ny existence de Dieu toa ity rangahy iray sahy milaza fa tafaresaka t@ Atra tokoa izy, ary tena Atra fa tsy simple imagination, ary dia namaly azy sady nanazava azy mikasika zavatra maron'ny fiainana
Andriamanitra. Manamafy izy fa misy Andriamanitra ary azo atao tsara ny mi-communiqque aminy.
Ity rangahy ity dé tao anatin'ny fiainan-rsarotra toa ny maro koa!
17. Achia ( 20/07/2006 16:45)
Ia rangahy zagny rakaroka mbo volagno aminey
18. prime ( 21/07/2006 09:10)
:roll::-D:-D:-D
19. rakaroka ( 22/07/2006 04:13)
zalahy io nanoratra boky sady tsy matevina be ilay bokiny no format tsy an-tsasak'ilay taratasy 21 27 fampia
20. rakaroka ( 22/07/2006 04:33)
tapaka ny resako dé efa lasa 'lé izy teo. Ka tsy antsasaky ny format 21/27 fampiasantsika ireny akory ny habeny, teny français aloha ilay izy, fa dé heveriko hoe azo vakiana tsara.tsorina fa tsy hanao pub aho rahateo efa "best seller" lé izy!
Ny lohantenin'ilay boky dia " CONVERSATION AVEC DIEU"
nosoratan'ingahy NEALE DONALD WALSCH", tsy nihoatra ny 10 Euros no novidianako azy ity tatsy @ Virgin
LA Défense. Ao anatin'ilay boky misy hoe " ce livre s'est manifésté à moi, et je l'entends littéralement. Ce livre n'a pas été écrit par moi. Il s'est manifésté à moi. Et lorsque vous le lirez, il va se manifester à vous, car nous sommes tous amenés à la vérité que nous sommes prêts à recevoir.
Ary dé marina tokoa fa mamaly fanontaniana BBBetsaka
@ valinteny azon'ny olona tsotra takarina ny fahamarinany. Ohatra fa aiza Atra manoloana ny zava-manjo antsika? nahoana no tsy miseho izy. fanontaniana maro mikasika ny vie, amour, but, fonction, les gens et les relations, le bien et le mel, la culpabilité et la péché, le pardon et la rédemption, la voie qui mène à Dieu et le chemin de l'enfer .... de tout NO VOAVALY MAZAVA ao. Mahafinaritra ny miaina tsy ao anaty fisalasalana.
Ny faniriana dé fiainan-tsambatra ho an'ny rehetra na ety an-tany na aorian'ny fiainana ety!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2892