finoana na fivavahana'ny gasy:remise en question?...

41. prime ( 01/08/2006 11:03)
Ny ahy indray ny fahitàko azy ry LazaDaddy, dia olombelona ihany ireo mpitarika sy nametraka rafitra ireo fa ao ihany koa mbola misy ihany ny olona tena mbola mpino mahery @ vavaka sy ny fifonana ary @ asa... Tsy tohina velively raha izaho aloha satria milaza ny zava-misy ianao fa tsy mitsara tsy akory...
Fa amiko tsy dia mitovy hevitra loatra @ rakaroka aho satria ny mpino kristiana mbola "mijangajanga" amin'Andriamanitra no tena olana fa tsy hoe ny mpivavaka... Fa ny firenena matoa mitotongana dia mbola noho ny ditran'ny vahoakany sy ny mpitondra ao aminy ihany...
42. LazaDaddy ( 01/08/2006 11:27)
prime> ny an'i rakaroka tokoa kay tsy mifandray akory ny lohateny sy votoati-kevitra. Fa misy ho tsakotsakoina io an! hahaha!
43. prime ( 01/08/2006 12:49)
44. LazaDaddy ( 02/08/2006 09:47)
prime> dia avelantsika hanjakazakan'ny "jiolahy" sy ho levona ve ny Fiangonana?

Andeha velomina aina indray ilay "voaloham-pitiavana" (Apokalipsy 2:4-5)
45. prime ( 02/08/2006 10:30)
LazaDaddy> mitovy hevitra aminao tanteraka, izay no mahatonga ahy tsy hanaiky fampianarana sadasada tsy ara-tsoratra masina mihitsy...
46. rakaroka ( 02/08/2006 11:04)
Tsy mivaona @ sujet napetrako ny "FIHEVERANA an'Atra" noho Izy iompanan'ny vavaka atao.
Mahafinaritra ahy ny subtilitén' i Lazadaddy.
Tsy afaka kosa angamba hoe tsy hihevitra hafa tsy baiboly isika! ary voasoratra tao aza hoe "fantaro ny zavatra rehetra..." tsy voavaka loatra" . 'zaho koa anie mba nianatra katé toa ny sasany angamba ary hananana personnalité ny maha izy azy aza toa mila fantarina koa ny hafa manodidina, 'le izy koa anie na samy ny baiboly izao no fototra, mbola samy manana ny position-ny ny fijeriny sy ny partie ao @ baiboly izay nanintona azy ny tsi1/1.
Ny toa mivaona kely aza Atra ray no ivavahana anefa lasa any @ Jesoa ny sujet.Ary be @ mpivavaka no mihevitra fa efa vitan'i Jesoa ny zava-drehetra, suffit hoe mino: dé ahoana aza ny hoe mino par rapport @ tsy fiheveran-tena isan-karazany? raha valianareo Jereo ny Hebreo 11... Be ny versés hay par coeur fa saingy tsy izay angamba no hifanadinana fa ny hoe nahafantarana ny vrai sensn'izany @ fiainana iainana indrindra indrindra.

Tsy fanenjehana fiangonana loatra ny butn'ny resaka fa Jesoa aza angamba nanao ajustementT@ zavatra tsy nety t@ fandalovany tety teo @ sehatry ny fiangonana,
rahateo 'za tsy karazan'ol ilay mpanakina ireny fotsiny fa mi-agir ao anaty fiangonana araka ny heveriko fa asan'ny fanahy masina ao anatiko koa
47. LazaDaddy ( 02/08/2006 11:18)
rakaroka> miainga amintsika tsirairay io. Torohevitra kely mba tsy "hamita-tena" isika: Jakoba 1:22
48. LazaDaddy ( 02/08/2006 11:21)
Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Jakoba 1:22
49. prime ( 02/08/2006 12:48)
Sao dia tsy ny vavaky ny olona miantso an'Andriamanitra no tsy mahomby fa ny fampirafesan'ny olona an'Andriamanitra @ zavatra hafa??? fa misy maro amin'ny mpino no mbola mampiaraka izany @ fomban-drazana sasantsasany... mbola manandro raha vao hanao zavatra, mbola misikidy, mbola mampiasa ody sy vovon-kazo ary zavatra isankarazany, mbola mamonjy doany, mbola mankany @ dadarabe raha vao misy zava-tsarotra??? Fa halan'Andriamanitra izany dia rehefa tsy mamaly ny sasany amin'ny mpino Andriamanitra dia lazaina hoe tsy mahomby ny vavaka???
50. rakaroka ( 02/08/2006 20:52)
Tena tsara mihitsy ny nanatsidihan'i LazaDaddy ity versé ity hoe mankatoa fa tsy mihaino fotsiny! satria raha nankatoaviny fony vao transmis t@ kristiana iray ny tenin'Atra , tsy ho domelin'ny fiandrandrana torin-teny lava ny maro.
Inoana fa tsy sahirana toa izao ny gasy maro raha ny habetsahan'ny gasy mitonona ho kristiana no nankatoa
sy niaina ny hoe "tiava ny namanao tahaka ny tenanao!".
Marina fa tsy tanteraka isika fa "tsy hoe ankinina @ Jesoa fotsiny hoa" fa antsoina ho @ fahatanterahana koa isika: "Aoka ho tanteraka tahaka ny rainareo iza
51. rakaroka ( 02/08/2006 20:53)
y any an-danitra ianareo!
52. prime ( 03/08/2006 14:11)
inona ilay hoe mankato sy hoe tanteraka @ rakaroka???
53. LazaDaddy ( 03/08/2006 22:00)
:-D
54. rakaroka ( 04/08/2006 08:18)
Ny mankatoa ny teny dia mieritreritra fatratra ary indrindra manatanteraka ilay teny.
Ny fahatanterahana dia endrika na toetra eken'ny anjerimanontolon'ny saina @ panahy , il y a adéquation na satisfaction!
Ny aoka isika ho tanteraka tahaka ny Raintsika...
rahateo ny fikasany hatrany amboalohany dé ny hamorona ny olona tahaka ny endriny fa tsy zavatra hafa...ka n'inn, na satana, na devoly, na ota,etc...
rehefa izay ny but-ny dé ny accomplissement de vie d'un être vivant mi-tendre vers Dieu et tous ces sagesses, image ,etats, maturité, Amour,etc...fa tsy hoe hialokaloka ambany tahotra , ota ,tsy fahatanterahana sns!...
Ny témoin de Jehovah no mitory ny fisian'Atra @ alalan'ny tahotra: tandremo satana, efa akaiky tokoa ny farany ka mitandrema fa Jesoa nambabo ny mpianatra tamim-pomba tsotra (tsy nanasalisaly baiboly toy ny fomban'ny kristiana maro akory izy satria ny teny efa ao anaty),tam-pitiavana ka
soyez naturel comme Jésus!
55. prime ( 07/08/2006 10:54)
Misaotra anao... ka rehefa tsy mino ny olona dia tsy hankato mihitsy... tsy ny isany araka ny lazainao loatra no olana raha ny fahitako azy fa fahiny, olona iray no nivavaka ho an'ny firenena fa nohainoan'Andriamanitra ary foana ny fandringanana sy ny ozona (ohatra Mosesy, ohatra Josefa zanak'i Jakôba, ohatra Abrahama...)
Ary rehefa mino ny olona dia izay voambara ankatoavina avokoa... Ka izay no nanekeko ny lazain'i Laza sy nanamafisako rahateo fa ny tsy finoan'ny olona an'Andriamanitra dia miseho @ ataony nefa misy koa no tena mivavaka... Ka ny fiandrandran'ny olona ny lanitra tena mitombina fa tsy voatery hiondrika @ ity tany ity ny mpino...
56. rakaroka ( 08/08/2006 06:00)
Tsy afaka hihevitra aho hoe ho tsinotsiniaviko ny eto an-tany fa ny lanitra no andrandraiko!
Miresaka mpino ianao. Misy izao teny izao koa ao anaty baiboly ihany:
"ny kely saina mino ny teny rehetra. Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany". Ohabolana 14 and 15.
Tsy afaka hiteny kosa ny kristiana marobe fa irrésponsable @ raharaham-pirenena izy! Tsia dé tsia!
Ohatran'ny hoe nahazo fahasoavana nahazo an'i Jesoa sy metimety angamba ny atao dia variana @ izay na zary samy mandeha samy mitady noho ny hamafin'ny fiainana.Misy hira izay:
"Ianao izay nanolo-tena ho an'ny Tompo ka nisafidy
Tsarovy sy tadidio fa ilay finoana mitaky adidy!
Tsy misy hoe mino aho, mino aho ampy izay!
Fa aiza ny fahasoavana azonao : AVOHAY!
Hery no efa nomba sy efa tonga tam-ponao tao
Adidy TENA MASINA tsy fisangy tsy filalao
Tsy ny vazivazy ihany no fadina tsy hataon'ny mpino
fa mbola ao ny fahotana, ny zava-tsara aza no hadino
moa efa fantatrao sa mbola hadinonao!
Asakasakao!..."

Tsy afaka hitoky @ hoe olona iray no hiady ho an'ny firenena.Fiheverako mila fifohazam-panahin'ny olona maromaro.
Ato @ serasera moa dia ataon-drizareo blague lé fiheverana ny firenena :
"moi je sais pas blagué sur tel genre raha heverina koa hoe manan-jina ny firenena!"
Izany hoe Tsiky sy tokelaka no fait vivre fa toa
tsy ilay fiatrehana ny fiainana @ tokony atrehina tokoa!
57. prime ( 08/08/2006 12:05)
Jaona 18:36-37, manao toy izao amin\'ny anaran\'i Jesosy, \"36 Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin\'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin\'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin\'ny jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin\'izany ny fanjakako. 37 Ary hoy Pilato taminy Mpanjaka ary va Hianao? Jesosy namaly hoe: voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin\'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin\'ny marina dia mihaino ny feoko.\"
Matio 15:8-9, \"8 Ity firenena ity manaja Ahy amin\'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. 9 Koa foana ny ivavahan\'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin\'olombelona ho fampianarana izy\" (Isaia 29:13)
I Tesaloniana 5:16-18, \"16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin\'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon\'Andriamanitra ao amin\'i Kristy Jesosy ho anareo.\"
Jaona 6:28-29, \"28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan\'Andriamanitra? 29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan\'Andriamanitra, dia
58. prime ( 08/08/2006 12:08)
...dia ny hinoanareo izay nirahiny."
59. rakaroka ( 08/08/2006 16:26)
Tsy azoko ny tiana ambara eto "tsy amin'izao tontolo izao" ka isika resahiny sy Izy miresaka moa tsy élément de izao tontolo izao?...dia nahoana aza no tonga olona izy?
Be ny soratra ao amin'ny baiboly azo tsiponina fa misy ny sujet, verbe, complément.
Andriamanitra raha nahary ny oul,tsy hoe tsy hihevitra hafa tsy i Jesoa: tena
nodisoina tanteraka ny raison d'être nahariana ny oul tany am-piandohana, sa heverina koa fa niova tamin'ny raison namoronany ny oul Atra satria nanota ny oul? Tsia
Raha miteny Izy hoe "Tiava an'i Jehovah Atrao Amin'ny fonao rehetra" mbola TAHAKA izany ihany ny "TIAVA ny namanao" ary na ny fahavalo aza tokony ho tiavina; fa tsy hoe tiava manokana an'i Jesoa dé hadinodinoy ny sisa rehetra...
Ka marina ny teninao hoe manaja amin'ny molony sy mihanina en partie ny baiboly ny kristiana maro satria na i Jesoa aza nampianatra mikasika ny importancen'ny fitondran-tena ary masiaka aza izy hoe raha tsy mihoatra noho ny hafa ... ianareo dé aza manantena ny fanjakan'ny lanitra. Vakio feno dé diniho tsara ny fampianarany ao amin'ny matio 5-7.




60. prime ( 10/08/2006 10:48)
Hazavaiko raha tsy azonao :
- ny fanjakàn'Andriamanitra dia tsy eto @ izao tontolo izao...
- ny mpino (an'i Kristy) dia mino izay lazainy ka tsy mikatsaka afatsy izay hiraisana aminy mba hiditra ao @ fanjakàny...
- ny fampianaran'ny Tompo dia mifanohitra @ fampianaran'izao tontolo izao ka tsy ny fahaizana amam-pahalalàn'olombelona no ambara dia ahitsihitsy @ iny ny tenin'Andriamanitra araka izay mahamety ny tena, fa marina sy tanteraka ny tenin'Andriamanitra, tsy misy kilema (na ara-keviny mivantana araka izay vanim-potoana sy fiseho nilazàny azy na ara-keviny ara-paminaniana) ka tsara raha ankatoavina feno...
- ny fiainan'ny mpino dia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1706